FAMAKAFAKANA JODA – ANDININY FAHA ENINA
Inona no dikan'ny Joda andininy faha-6 ?
Amin'ity andininy ity, no anambaran’i Joda momba ireo anjely izay nikomy tamin’Andriamanitra; niala tamin’ny fahamboniany sy ny voninahitra izay nomen’ny Tompo azy izy ireo ka nidina tety ambon’ny tany mba hanambady ny zanak’olombelona sy hanana nofo hitovy amin’ny zanak’olombelona. Nikomy tamin'ny fahefan'Andriamanitra izy ireo, ary nanao zavatra izay nifanohitra tamin’ny lalà n’ny lanitra sy ny mandrakizay.
Ny anjely mantsy araka ny fanambarana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy mahazo manambady ary tsy manambady mihitsy (Jereo Marka 12 : 25). Ka noho io fikomiana io, dia voapanga izy ireo fa nandao ny andraikiny nomena azy sy nandao ny lanitra izay fonenany (Jereo Genesisy 6 : 1, 2).
Hevitry ny mpandinika ny Soratra Masina:
Ny mpandinika ny Soratra Masina sasany anefa dia mihevitra ity voalazan’i Joda ity ho momba ireto hevitra roa ireto:
- Fikomiana tany an-danitra: Mety manondro ny fikomiana tany an-danitra izay notarihin'i Satana hanoherana an'Andriamanitra tamin'ny fiandohan'ny tantaran'ny olombelona io fanambarana io (Isaia 14 : 12 – 16 ; Ezekiela 28:12–19). Satria araka ny fikarohana sy ny lovantsofina tranaina, nitarika hatramin'ny ampahatelon'ny anjely hiala ny fonenany tany an-danitra i Satana. Toa tsy afa-po tamin'ny toerana nomena azy ireo izy sy ireo anjely namany ireo, ka naniry fahefana sy voninahitra ary nikomy tamin'Andriamanitra.
- Ny tranga ao amin'ny Genesisy 6: Araka ny mpandika sasany, ity andininy ity dia milaza ny ao amin’ny Genesisy 6 : 1, 2 araka izay voalazantsika tao ambony io, izay anambaran’ny Soratra Masina azy ireo ho "zanak'Andriamanitra" izay niara-nipetraka sy nanambady tamin'ny "zanakavavin'ny olombelona" (Genesisy 6 : 4). Ary vokatry ny firaisany sy ny fiarahany (Anjely sy Olombelona) no nisehoan’ny olona ngeza tsy nisy toa azy teto ambonin’ny tany, izay antsoin’ny Soratra Masina hoe Nefilima.
Fanazavana ao amin'ny Bokin'i Enoka
Ao amin’ny voalohandohan’ny bokin’i Enoka no misy ity tantara ity: ka araka ny fanambarana dia nianiana ny anjely sasany izay namboarin’Andriamanitra, mba tsy hisy hivadika satria tokony izy rehetra no tomponandraikitra amin’ny zavatra izay hataony.
Dia ireto ny anaran’ireo izay tena lehiben’ny mpitarika tamin’izany (miovaova ny fanoratana ny anarany araka ny tian’ny mpanoratra azy satria tsy teny Malagasy ny fiandohan’ny anaran'ireo):
- Samjaza: No lehibeny indrindra.
- Azazela: Mpitarika nampianatra ny olombelona ny fomba fanamboarana fitaovam-piadiana, fiadiana, ary ny makiazy.
- Arakiela: Nampianatra ny famantarana ny tany.
- Barakiela: Nampianatra ny fomba fanandroana sy fanaovana sikidy.
- Kokabiela: Nampianatra ny momba ny siansa, ny kintana ary ny vahindanitra.
- Tamiela: Nampianatra momba ny astronomia.
- Ramiela: Nampianatra ny fifandraisana amin’ny kotroka.
- Daniela & Samsiela: Nampianatra ny famantarana ny masoandro.
- Tsazakiela: Nampianatra ny famantarana ny rahona.
- Gadirela: Nampianatra fitaovam-piadiana sy ny fitaka tamin’i Eva sy ny olombelona.
- Penemiela: Nampianatra ny olombelona hanoratra sy hampiasa ny fahalalana mangidy ary mamy.
INONA MOA NO TIAN’I JODA HAMBARA AMINTSIKA ?
Andriamanitra dia mametraka fetra ara-moraly sy ara-panahy ho an'ny zavaboary rehetra. Ny fihoarana io fetra sy fepetra io dia miteraka vaka-dratsy lehibe amin’izay mandika azy sy manao tsinotsinona azy.
- Fitsarana Azo Antoka: Raha tsy niaro ireo anjely mahery izay nikomy Andriamanitra ary namatotra azy ireo tao amin’ny gadra mandrapihavin’ny andro fitsarana, dia azo antoka fa hitsara ireo olombelona mpikomy izay mandà ny fanapahany koa Izy.
- Fampitandremana: Nanoratra ity taratasy ity i Joda mba hampitandremana ny fiangonana amin'ireo mpampianatra ratsy fanahy izay niaina tamin'ny fitondran-tena maloto. Ity andininy ity dia manaporofo fa tena misy ny fitsaran'Andriamanitra ary tsy azo ihodivirana.
Koa araka ny fanambarany, ny olona minia mikomy sy mamadika ny fahasoavan'Andriamanitra dia hiatrika fitsarana azo antoka. Mampiasa ny ohatra ara-tantara momba ireo anjely lavo izay efa voafatotra ao amin'ny haizina miandry ny sazy farany izy eto mba hampahazava tsara ny fampitandremany.
💬 Raha mahaliana anao ity fampianarana ity dia azonao atao ny mametraka kaomantera momba ny fampianarana azonao tato!

Post a Comment