MOMBAMOMBA ANAY

Tongasoa eto amin'ny HIANATRA BAIBOLY.

1. IZAHAY SY NY FIANGONANA

Ity tranonkala ity dia natokana mba hampianarana, hanampiana, handalinana ary hampiroboroboana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fomba tsotra sy mirindra. Fa hoy ny Soratra Masina :

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” 2 Timoty 3 : 16

Noho ny fahatsapanay fa maro dia maro ny olona izay liana sy mandinika ny Soratra Masina, kanefa mananisarotra aminy ny hahazo ny hevitry ny teny, dia nanapakevitra izahay ny hanangana ity tranokala HIANATRA BAIBOLY ity mba ho fanampiana azy ireo.

Izahay dia vondron’olona vitsivitsy izay niainga tamin’ny fiaraha-midinika sy fandalinana ny Soratra Masina. Ary nanomboka teo no nahatsapanay fa rahatsy ampianarina sy hazavaina amin’ny fomba tsotra ny Soratra Masina dia maro ny olona tsy hahatakatra ny heviny. Tsy hoe noho izahay manana fahaizana manokana momba ny tenin’Andriamanitra no anaovanay ity fampianarana ity, tsy izany velively ; fa mahatsiaro ihany ilay resaka nifanaovan’ny lehilahy Etiopiana tamin’i Filipo hoe “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Asan’ny Apostoly 8 : 31. Ka izany no nandraisanay fanapahankevitra hampianatra satria maro ny mila fampianarana.

2. NY FINOANAY

Tsy manana antokom-pivavahana na fiangonana izahay (satria ny mpikambana ao anatiny dia samy amin’ny Fiangonana ijoroany sy ny Andro ivavahany) fa mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra iraisana ihany.

MINO IZAHAY FA :

  • Andriamanitra tokana dia Iray ihany izay miseho amin’ny endrika telo samihafa mba ho fanatonana sy famonjena olombelona rehetra dia ANDRIAMANITRA RAY Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ANDRIAMANITRA ZANAKA dia Jesosy Kristy Tompo ary ANDRIAMANITRA FANAHY MASINA Izay Mpitaridalana, Solovava, Mpampianatra, ary Mpananatra.
  • Andriamanitra no nahary izao tontolo izao sy izay rehetra izao tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompo ary herin’ny teniny no mitazona sy mbola maha misy ny zavatra rehetra, an’Andriamanitra ny lanitra sy izay rehetra ao aminy; ary azy koa ny tany sy izay rehetra ao aminy.
  • Jesosy Kristy Izay nohomboana tamin’ny Hazo Fijaliana no Tompo sy Kristy, ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanatonana sy famonjena ary ny famelana ny helokantsika noho ny rany izay nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana. Mino izahay fa Andriamanitra tanteraka sady olombelona tanteraka i Jesosy Kristy. Niaina tsy nisy ota, maty noho ny fahotantsika, nitsangana tamin'ny maty avy tao am-pasana, ary nanolotra famonjena amin'ny alalan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny finoana. Fahasoavana no hamonjen’Andriamanitra ny olona, ary tsy avy amin’ny ezaky ny olona na avy amin’ny asa izay ataon’ny olona izany fa avy amin’Andriamanitra irery ihany. Ary io fahasoavana io dia noraisina tamin’ny alalan’ny fahatongavan’i Kristy teto an-tany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana.
  • Fanahy Masina no iraky ny lanitra farany taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, mitoetra ao anatin’ny mpino izy io mba hitari-dalana, hampianatra, hampahery, ary hanavao.

3. NY FOIBENAY

Eto Madagasikara ny toerana misy anay, kanefa mbola tsy manana foibe (trano manokana) tahaka ireny Fikambanana matanjaka ireny izahay.