NAHOANA MOA ISIKA TSY MIARA-MIVAVAKA HO AN'NY TANINDRAZANA SY NY FIRENENA ARY HO AN'NY VAHOAKA REHETRA FA INDRINDRA HO AN'NY VAHOAKA MALAGASY?
Maro ny Malagasy tsy mahalala an'Andriamanitra, maro ny Vahoaka Malagasy mbola mifikitra amin'ny fanompoan-tsampy ary maro ihany koa ny Vahoaka Malagasy mbola tsy nahare ny tenin'Andriamanitra. Fiara-mivavaka sy fitondrana amim-bavaka iarahana aminao no vahaolona mba hanindronan'ny Fanahy Masina ny fon'izy ireo. Andao isika hivavaka ho an'izy ireo, mba hahatonga saina ny vahoaka mba hitodika amin'Andriamanitra.
Andao isika hivavaka ho an'ny firenentsika koa, mba ahatonga ny firenentsika mba hahasahy hijoro fa tena manana Andriamanitra Velona izay mitantana sy miaro ny fireneny.
Soratra Masina
"MIVAVAHA HO ANAY."
Tsy mametra fotoana ivavahanao sy angatahanao famelana ho an'ny vahoaka sy ny firenena ary fangatahana fitahiana izahay; fa ny fanirianay dia ny mba hampidiranao ireny sokajy ireny amin'ny vavaka izay ataonay mba hitondrana izany amim-bavaka.
Ka fitondrana amim-bavaka no vahaolana tsara sy mety amin'ny firenena.
Vonona ve ianao hiara-hivavaka aminay anio?
Tsindrio ny bokotra eo ambany raha toa ka tafiditra ao amin'ny fivavahanao ny tanindrazantsika sy ny vahoaka malagasy.