FAMPAHAFARERANA MOMBA NY BOKY FANEHOAN-KEVITRA
Ny hianatrabaiboly.top dia manambara fa, ny fanehoan-kevitra rehetra momba ny boky ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia natao mba hikendrena ny fampitomboam-pinoana sy fampitomboam-pahalalana ny Soratra Masina ihany. Ny boky dia natao niainga avy tamin'ny fikarohana lalina, nandaniana andro maro sy volana maromaro mba hamitana azy.
Kanefa tsy milaza izahay fa tsy misy kianina ny zavatra rehetra voalaza ao. Tsy izany velively, fa nataonay araka ny fitarihan'ny Fanahy Masina anay, kanefa milefitra eo anatrehan'ny tsy fahalavorarian'ny maha olona amin'ny zavatra maro izany, dia toy ny fanoratana sy tsipelina mety ho diso, fanazavana mety tsy hahafapo ny mpamaky indraindray. Kanefa inoanay fa amin'ny maha fampianarana azy, dia hitondra zava-baovao sy fiovana ho anao anefa izany.
Azonao vakina eto amin'ny tranokala ihany ny Boky Kaomantera na Boky Fanehoan-kevitra. Raha toa ka te ahazo fandikana nomerika (version PDF) ianao, dia azonao vidina avy aty aminay izany, mba ho fanohanana anay amin'ny fikarohana sy fandinihana ny Boky Hafa ao amin'ny Soratra Masina satria mbola maro ny ezaka tiana ho tratrarina amin'ny famoahana ireo boky ireo.