NY FAMPIANARANA
IREO LESONA 12 MOMBA NY FINONA
Moa tsapanao tokoa ve fa, efa hampy hanova ny fomba fiatrehanao ny fiainanao andavan’andro ny fanananao finoana matotra an’Andriamanitra ?Eo anivon'ny ady atrehinao amin’ny fiainanao, ny tebitebinao, ary ny hamafin’ny andro izay lalovanao toy tsy ahita mangirana, dia misy zavatra iray izay afaka manohana antsika amin'ny fomba lalina sy mangina: dia ny finoana an'Andriamanitra. Ny finoana dia tsy momba ny finoana ny fisiany fotsiny ; fa momba ny fahatokiana ny fikarakarany na dia tsy azontsika aza ny lalana izay itondrany antsika. Ny finoana dia manome hery hiatrehantsika fiainana rehefa reraka sy kivy isika. Manome antsika sori-dalana ny finoana amin’ny fotoana izay ahatsapantsika fa toa very lalana isika. Ary ny finona koa dia manome antsika fanantenana rehefa hitantsika toa manjombona ny zava-drehetra.
Araka ny fanambarana ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo dia maro ireo olona tahaka antsika, kanefa niaina zavatra miavaka noho ny nisafidiany hitoky amin’Andriamanitra. Ary amin’izao fotoana izao, dia mbola miasa tahaka ny taloha Andriamanitra ary mbola mamaly vavaka sy manome hery ho an’ny olona izay misafidy ny hitoky sy hiantehitra Aminy. Amin'ity fampianarana ity dia hatolotray anao ireo lesona 12 momba ny finoana izay afaka hanova ny fomba fisainanao sy hanova ny fomba hiatrehanao ny androm-piainanao.
Lesona voalohany: Ny finoana dia fahatokiana amin’ny zavatra antenaina na dia tsy hita aza.
“Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1).Manomboka amin’ny zavatra izay tsy hitan’ny maso ara-nofo ny finoana. Izany hoe, ny finoana dia tsy miankina amin'ny porofo hita maso fa amin'ny fahatokiana ny fomba sy ny toetran'Andriamanitra. Indraindra dia miatrika zavatra izay toa tsy ahitana valiny avy amin’Andriamanitra ianao, toa mangina Andriamanitra manoloana ny olana na ady izay atrehinao, ary toa mieritreritra ianao fa tena hadinon’Andriamanitra ny vavaka izay nataonao; amin'ireny fotoana ireny indrindra no maha-zava-dehibe ny fitazomana ny finoana. Ny finoana dia fisafidianana ny hitoetra sy hitoky amin’Andriamanitra na dia toa tsy azo antoka sy tsy misy valina aza ny zava-drehetra. Ny fitoerana amin’Andriamanitra dia fahatokiana fa mbola miasa Andriamanitra na dia toa tsy mamaly vavaka avy hatrany aza. Tsy hoe, manda ny zava-misy izay manjo anao ny finoana fa mahita mihoatra izay iheveranao azy aza. Ary ny finoana dia mitazona ny fo na dia manjombona sy malahelo aza ny fo anaty sy ny fihetsehamponao. Mampijoro, manomeo hery, mampatanjaka ny fisainan’ny fo ary mitazona ny fanantenana ho velona na dia toa maizina eo anatrehanao aza ny zavatra rehetra. Tsarovy fa miasa amin’ny fomba tsy takatry ny sainao Andriamanitra ary manomana valiny anao amin'ny fotoana mahamety azy. Ny finoana no mitazona anao ho mafy orina, sy hiorina tsara; tsy hoe fantatrao ny anton’ny zavatra manjo anao fa satria fantatrao hoe iza no atokisanao, ary izany fahatokisana izany mihitsy no manova ny fomba fiatrehanao ny tafio-drivotra izay mianjady sy miseho amin’ny fiainanao.
Lesona faharoa: Ny finoana ihany no hahazoana sitraka amin’Andriamanitra
“Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra ; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy (Hebreo 11:6).”
Ny finoana no fototry ny fifandraisana marina amin'Andriamanitra. Tsy misy fomba hafa izay ahafahana manatonana Azy raha tsy amin'ny finoana. Mahafaly Azy ny mahita fon’olona iray izay mitoky Aminy, manaiky ny fiandrianany, ary mino ny fikarakarany. Ny finoana dia mampiharihary ny fiankinan-doha, ny fanetren-tena, ary ny fanolorantena. Ny fitadiavana an'Andriamanitra am-pinoana dia mihoatra ny fanatitra na ny fanaovana asa soa amin’ny mpiara-belona. Ny finoana dia fanambarana ao anatin’ny fo fa mihaino Izy, mamaly, ary miasa amin'ny fotoana mety aminy. Na dia tsy tonga avy hatrany aza ny valim-bavaka, ny finoana dia mijanona ho mafy orina satria fantatra fa tsy mba manao tsinontsinona izay mitady Azy amin'ny fo madio Andriamanitra. Izany fomba fahatokiana izany no mampifaly ny Tompo satria mampiseho fifandraisana marina.
Ny finoana dia manova ny fomba hanatonanao an'Andriamanitra, ka mahatonga ny fiainam-pinoanao ho lalina kokoa ary ny fizotran'ny fiainanao ho marina kokoa. Izay miaina amin'ny finoana dia mianatra ny hatoky ny toetran'Andriamanitra mihoatra noho ny toe-javatra iainany.
Lesona fahatelo: Ny finoana dia manala ireo sakana
“Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe : mifindrà ery, dia hifindra izy ; ary tsy hisy tsy hainareo hatao.” (Matio 17:20).Mampianatra i Jesosy fa ny herin'ny finoana dia tsy miankina amin’ny hangezany fa miankina amin’ny fahamarinany. Na dia finoana kely aza, rehefa apetraka amin'Andriamanitra, dia manana fiantraikany lehibe. Matetika ireo ady atrehintsika dia toa lehibe loatra ary toa tsy azo resena, fa ny finoana dia manova izany fahitana izany. Tsy ny hoe tsy ny hisian’ny olana ny antony ametrahana finoana amin’Andriamanitra, fanambarana fa lehibe noho ny sakana rehetra Andriamanitra. Rehefa matoky marina ianao, dia misy zavatra manomboka mifindra: manomboka miova ny fomba fijerinao, miova ny fomba famindranao, ary ny zavatra izay toa tsy azo resena dia manomboka miova ny fomba fiatrehanao azy. Ny finoana dia tsy herin'olombelona fa fifandraisana amin'ny herin'Andriamanitra. Ny tendrombohitra dia misolo tena ireo sakana tena izy eo amin'ny fiainana: ny tahotra, ny fahasahiranana, ary ny fetra ; ary amin'ny alalan'ny finoana dia azo afindra ireny. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy ny ady atrehina, fa ny ady tsy maintsy hisy satria miaina eto an-tany isika, fa ny fiatrehena ady miaraka amin’Andriamanitra dia toa maivana sy mampisosa ny zavatra atrehina; satria ny finoana dia manokatra fomba fijery hafa manoloana ny fiatrehana ny adim-pianinana ary ahafahana miroso am-pahasahiana sy tsy amin’ny fisalasalana noho ny fahafantarana fa Andriamanitra no mitazona ny fifehezana sy ny fandaminana rehetra.
Lesona fahefatra: Ny finoana dia avy amin'ny toriteny
“Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny” (Romana 10 : 17)Tsy tongatonga ho azy ny finoana, fa angonina amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Ary omena sakafo toy ny zavatra miaina rehetra izy dia amin’ny alalan’ny famahanana azy amin’ny tenin’Andriamanitra. Satria, arakaraka ny handrenesanao, hamakianao, ary handinihanao ny Soratra Masina no mahatonga ny fahatokianao ho mafy orina kokoa. Ny tenin’Andriamanitra sy ny toriteny dia mampiharihary hoe iza Andriamanitra, ny fomba fiasany, ary inona avy ireo fampanantenany. Izany dia manova ny fomba fisainanao sy ny fomba hitantananao ny fiainana. Amin'ny fotoanan'ny fisalasalana, ny tenin’Andraiamanitra no manohana anao. Amin'ny fotoanan'ny tahotra, ny tenin’Andraiamanitra no miaro anao. Mitombo ny finoanao rehefa misafidy ny hihaino tsara izay lazain' Andriamanitra mihoatra noho ireo feo manodidina anao ianao.
Mitaona anao ho amin’ny fisalasalana mandrakariva izao tontolo izao, fa ny tenin’Andriamanitra kosa manome anao torolalana. Izany no mahatonga ny fampivelarana ny fahazarana mandinika ny Baiboly tsy ho zavatra ara-pivavahana fotsiny, fa zavatra tena ilaina amin'ny fampaherezana ny fiainanao ara-panahy. Koa ny fandraisanao sy famakianao ny teny dia mampivelatra finoanao, ary mampiorina anao tsy hihorohoro amin’ny fiatrehana ny toe-javatra rehetra.
Lesona fahadimy: Ny finoana eo afovoan'ny tafio-drivotra
“Ary hoy Izy taminy: Nahoana no sarotahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo?” (Marka 4 : 40).Ny fanatrehan'i Jesosy dia tsy manakana ny tafio-drivotra tsy hisy, fa fampisehoana ny antony ilana finoana. Izany dia mampiseho fa ny finoana dia tsy manala ireo olana, fa manova ny fomba hiatrehanao azy. Natahotra ireo mpianatra na dia teo anilany indrindra aza i Jesosy.
Matetika ianao koa dia mahafantatra fa eo Andriamanitra nefa mbola mahatsapa ho tsy voaro ihany. Ny finoana no mitondra fiadanana eo afovoan'ny korontana. Mampahatsiahy anao izany fa na dia amin'ny toe-javatra sarotra aza dia mbola mitazona ny fifehezana Andriamanitra. Ny tafio-drivotra dia mety ho avy any ivelany, fa ny fiadanana dia avy ao anatiny. Rehefa hatoky ianao, dia manomboka mamoy ny heriny ny tahotra. Ny finoana dia tsy mamafa olana, fa manakana izany tsy hifehy ny fihetseham-ponao. Manampy anao hamaha ny zava-drehetra. Izay mampivelatra ny finoana dia mianatra ny hitoetra sy hijoro satria fantany fa tsy resin’ny tafio-drivotra iainanao ianao raha miaraka amin’Andriamanitra.
Lesona fahenina: Ny finoana dia mitaky faharetana
“Satria fantatreo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.” (Jakoba 1:3).Ny finona dia tsy hoe mino an’Andriamanitra amin’ny fotoana tsara sy ny tsy fisian’ny olana amin’ny fiainana, fa ny fisafidianana ny hitoetra sy hijoro manoloana ny fizahan-toetra. Ny fizahana-toetra dia tsy miala amin’ny fampitomboan’ny finoana. Ny fizahan-toetra rehetra, ny fakam-panahy rehetra dia mampiseho ny fanambarana ny fahatokiana an'Andriamanitra ary raha afaka nijoro tamin’izany ianao dia hatanjaka ny finoanao. Misy fotoana dia tafiditra ao amin’ny fotoan-tsarotra ianao, iharan’ny fitsapana, iharan’ny fizahan-toetra ary iharan’ny olana samihafa; tadidio anefa ireny rehetra ireny dia fomba fijerena sy handalinana ny fahamatoran’ny finonao, fanantenanao ary ny fitokisanao amin’Andriamanitra. Tsy hoe, tongatonga ho azy amin’ny fiainanao izy ireny, fa misy lamina sy tian’Andriamanitra hovaina sy hojerena momba ny fombam-pinoanao manokana. Ary matetika toa tsy tsapanao akory izany, ary tsy te hiatrika io ny masaka ao an-dohanao, fa ny finoana kosa dia mitaona anao hanaraka sy hiatrika izany.
Ny finoana voazaha toetra dia mahatonga anao ho matanjaka kokoa. Tsy mampiseho toe-javatra tsy amin’ny antony Andriamanitra fa manana ny lalana izay tiany hitondrany anao Izy. Koa rehefa maharitra ianao, mijoro ianao, ary tsy resy ianao, dia mitombo fahatokisan’Andriamanitra anao ary mitombo tahaka izany koa ny reherehany aminao. (Diniho tanataran’i Joba – Vakio Joba toko-1 sy toko-2) Matotra sy matanjaka ny finoana rehefa misafidy ny hanaraka an’Andriamanitra ianao na dia sarotra aza ny lalana alehanao.
Lesona fahafito: Ny finoana dia miteraka asa
“Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. (Jakoba 2:17).Ny finoana marina dia tsy finoana izay aseho amin’ny vava fotsiny, fa aseho amin’ny fiainana andavanandro. Izany hoe, tsy ampy ny milaza hoe mino aho, fa tsy maintsy aseho amin'ny alalan'ny asa izany. Ny fanapahan-kevitrao, ny teninao, ary ny fitondran-tena dia mampita izay tena inoanao. Ny finoana velona dia mitondra anao hanao zavatra tsara noho ny fahatokiana an'Andriamanitra na dia tsy misy antoka hita maso aza. Izany dia mitaky fahasahiana sy fanoloran-tena. Matetika ny fiasan’ny finoana dia mitondra anao miala amin’ny izay zavatra mahazatra anao na izay zavatra mahatamana anao ka mitondra anao amin’ny toe-javatra izay tsy eritreretinao, fa ao anatin'izany fihetsika izany no mahatonga ny finoana ho tena izy. (Diniho ny fiantsoana an’i Abrahama mba hiala amin’ny taniny sy ny toerana izay nonenany taloha. Genesisy 12) Mitaky finoanao ho velona Andriamanitra, izay ambaranao amin'ny fiainanao andavanandro. Koa rehefa miasa sy velona ny finoanao dia miseho azy amin’ny alalan’ny fiainanao izany.
Lesona fahavalo: Ny finoana dia mitondra fiadanana
“Aza manahy na inona na amin'inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6-7).Ny finoana dia manana hery hampangina ny fo. Ao anatin'ny tontolo feno ahiahy, ny fahatokiana an'Andriamanitra dia mitondra karazana fiadanana izay tsy miankina amin'ny toe-javatra iainana na avy ety ivelany. Izany fiadanana izany anefa dia tsy midika ho tsy fisian'ny olana, fa ny fanatrehan'Andriamanitra eo anivon'izany olana izany. Rehefa mamoaka ny tebitebinao amin'ny Tompo ianao, dia manomboka mamoy ny heriny ny tebiteby. Ny finoana dia manampy anao ho tony amin'ny fahafantarana fa mikarakara ny antsipiriany rehetra Andriamanitra. Na dia tsy misy valiny tonga avy hatrany aza, dia misy fiarovana ao amin'ny fanatrehany. Izany fiadanana izany dia miaro ny fo ary miaro ny saina amin'ny famoizam-po. Izay miaina finoana dia miaina izany fiadanana izany na dia amin'ny fotoana sarotra aza. Ny fahatokiana an'Andriamanitra dia manova ny fomba fijerinao ary mitondra fitoniana amin'ny fihetseham-po. Ny finoana dia manova ny tsy fitoniana ho fiadanana ary ny tahotra ho fiarovana.
Lesona fahasivy: Ny finoana dia mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra
“Izay ananatsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny fianoana Azy.” (Efesiana 3:12).Ny finoana dia manokatra lalana mankany amin’ny fifandraisana lalina amin'Andriamanitra. Amin'ny alalan’ny finoana dia afaka manatona amin'ny fahatokiana isika, tsy misy tahotra na fisalasalana. Tsy momba ny fahazoana izany amin'ny alalan'ny ezaka fa fidirana omena amin meva ny fahasoavana. Ny finoana dia manala ireo sakana ao anatiny toy ny fahatsapana heloka sy ny fisalasalana, ary manamafy ny fifandraisanao amin'Andriamanitra. Rehefa mino ianao, ny fiarahanao amin meva dia mahatonga ho tena izy kokoa. Ny fivavahana dia tsy teny fotsiny intsony fa latsaka ho fifanakalozan-kevitra avy amin'ny fo. Ny finoana dia manome anao ny fahafahana hitady ny fanatrehan'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra. Tsy mampijoro anao hiafina izany; afaka manatona amim-pahasahiana ianao.
Ny finoana dia manova ny fiainanao ara-panahy, mahatonga anao ho akaiky an’Andriamanitra kokoa. Maniry ny hanatonan’olona iray Azy Andriamanitra ary ny finoana no lalana mankany amin’izany. Arakaraka ny hatokisanao no hahatonga anao ho akaiky Azy kokoa ary arakaraka izany koa no hanovan'ny fanatrehany ny fiainanao.
Lesona fahafolo: Ny finoana dia mandresy izao tontolo izao
“Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia mandresy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” (1 Jaona 5:4).Raha mitady handresy anao ny zavatra rehetra, dia ny finona no tohana manohana anao mba handresenao. Izao tontolo izao dia manolotra ady aminao, ary ady tsy miato ; fa ny finoana herin’ny finoana no mahatonga anao handresy ny ady rehetra atolony anao. Tsy midika hoe, ny fanatrehan’Andriamanitra dia tsy mitondra anaoa amin’ny tsy fisian’ny ady fa fandresena amin'ny alalan'Andriamanitra. Izay miaina amin'ny finoana dia tsy voafehin'ny toe-javatra fa hazavain'ny fahatokiana ny Tompo. Izany fandresena izany dia tsy vitantsika amin'ny herintsika fa mandresy isika satria miankina amin’Andriamanitra. Tokony ho mafy orina tsara ny finoanao rehefa hitanao fa hitady hampihorohoro anao ny zavatra manodidina anao. Na dia amin’ny fotoana sarotra aza, dia manampy anao hiaritra, hanohy ary handresy ny finoana. Ny finoana dia manangana anao mihoatra ny tontolo izay hitanao rehefa misintona handresy anao ny tontolonao. Koa izay matoky Andriamanitra dia tsy azon’ny rivo-piainana havezivezy fa satria ny tohana ara-panahy dia manohana anao tsy hianjera, dia ny finoana izany.
Lesona fahairaika ambin’ny folo: Ny finoana dia mitaky fahatokiana tanteraka
“Matokia an'i Jehovan amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao” (Ohabolana 3:5).Ny finoana marina dia mitaky fanoloran-tena satria tsy mety ny matoky an’Andriamanitra amin’ny vatana na fiainana tapany, fa mitaky fanolorana ny tena manontolo izany. Matetika isika te ahafantatra ny anton’ny zavatra izay mihatra amin’ny fiainantsika kanefa tsy mila mahafantatra izany isika satria ny finoana dia miasa amin'ny fomba hafa. Ny fisehoan-javatra amin’ny fiainantsika dia mitondra antsika hitoky amin’Andriamanitra na dia tsy misy valiny mazava aza. Ny fahatokiana an’Andriamanitra dia mametraka azy hitantana ny fiainana mihoatra ny fahitantsika ny zava-misy izay itondrany antsika satria Izy ihany no mahalala ny lalana izay tiany hitondra antsika. Rehefa mitsahatra amin'ny fiankinana amin'ny fahalalanao ianao dia ho maivanana kokoa ny fiainanao satria mamela Azy hitondra ianao. Ny finoana dia mampianatra anao hamoaka fiarahana amin’Andriamanitra tsara ary hatoky ny fikarakarana avy amin'Andriamanitra. Mampianatra olony hatoky Azy amin'ny fony rehetra Andriamanitra. Ny finoana dia manova ny tsy adin-tsainao ho lasa fahatokiana an’Andriamanitra.
Lesona faharoa ambin'ny folo: Ny finoana dia manorina antsika raha tsy mitoky amin’izay hitantsika isika
“Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.” (2 Korintiana 5 : 7).Ny dian’ny kristiana dia tohanan'ny finoana manomboka amin’ny fiandohana ka hatramin'ny farany. Matetika isika no tsy mahita lalana mazava izay tokony haleha kanefa ny finona dia mitarika atsika mba hanao dingana sy hanohy ny dia, satria izy no mitari-dalalana. Raha mby amin’ny fotoana tokony hisalasanao ianao, hiatrehanao ny fotoan-tsarotra dia finoana manampy anao. Satria finoana no andehanantsika fa tsy herin’ny fahitantsika ny zavatra iray. Izany dia mitarika antsika handeha amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra isan’andro.
Aza adino mizara ity fampianarana ity.

0 Reviews