Skip to main content

BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY FAHAROA NOSORATAN'I JAONA

Boky Kaomantera momba Epistily Faharoa Nosoratan'i Jaona

BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY FAHAROA NOSORATAN'I JAONA

Ny votoatin'ity sy ny hevitra rehetra voasoratra ato dia nosoratan'ny OLOMBELONA ihany fa tsy nataon'ny AI na dia malaza sy efa mivoatra aza ny AI amin'izao. Ny antony dia mba ahatonga ny tenin'Andriamanitra ho fianarana hatrany, ary natao fanadihadiana lalina ihany koa. Koa antenainay fa hitondra zava-baovao sy fahalalana ho anao izay tia sy mandalina ny Soratra Masina izao Kaomantera izao.  Mazotoa mamaky sy mandalina.

(Aza adina ny manohana anay amin'ny alalan'ny FANOMEZANA ARA-BOLA NA TOROHEVITRA NA FANATSARANA mba hampandehanana ny fikarohana sy ny fikirakirana momba ny tranokala)

MISAOTRA ANAO

MOMBA ITY TARATASY ITY

1. Mpanoratra

         Eo am-piandohan'ny taratasy dia miantso ny tenany ho 'loholona' ny mpanoratra. Misy fomba telo ahafahantsika mampiasa ny teny hoe 'loholona' :

-        Mety hidika izany fa efa antitra ilay olona.

-        Mety hidika izany fa nanaja azy ho lehilahy matotra ny vahoaka; izany hoe, mpitarika ao amin’ny fiangonana. Ny fiangonana tsirairay teo an-toerana dia samy nanana ny mpitarika azy ireo izay antsoina hoe  ‘loholona’.

-        Ka ny mpanoratra eto dia loholona teo amin’ny fiangonana rehetra tany amin’ny faritra maro.

         Sahala amin’ny taratasin’i Jaona voalohany ny ankamaroan’io taratasy io. Noho izany dia azo lazaina fa toa ny mpanoratra iray ihany no nanoratra ireo taratasy roa ireo. Mino ny ankamaroan’ny olona fa ny Apostoly Jaona no nanoratra ireo taratasin’i Jaona telo ireo. Nipetraka sy nitarika ny fiangonana tao amin’ny tanàna atao hoe Efesosy izy.

 

2. Ilay vehivavy nofidin’Andriamanitra

         Nanoratra ho an’ilay vehivavy nofidin’Andriamanitra sy ny zanany i Jaona. Ny mpandinika ny Soratra Masina dia misy mihevitra momba an’ilay 'itompokovavy' ho :

-      Olona ilay tompokovavy. Raha tena olona ilay izy dia mety vehivavy efa maty vady. Kanefa tsy miresaka momba ny vadiny i Jaona. Nanan-janaka maro izy. Nisy tamin’izy ireo niaina tamin’ny maha-Kristianina (andininy faha-4) ary ny sasany tsy niaina araka ny fomba Kristiana. Nantsoin’i Jaona hoe ‘itompokovavy’ angamba izy, satria olo-malaza tao an-tanànany.

-      Milaza anefa ny ankamaroan’ny mpampianatra sy mpandalina Baiboly fa ilay ‘vehivavy’ no fiangonana teo an-toerana. Ny fomba fanoratra ny taratasin’i Jaona dia toa mampiseho fa nanoratra tany amin’ny fiangonana iray izy. Ara-dalàna ary raha antsoina hoe ‘vehivavy’ ny tanàna na vohitra iray. Noho izany, ilay vehivavy nofidin’Andriamanitra dia mety hidika hoe fiangonana eo an-toerana. Ny zanany no mpiangona. Nanoratra momba ny rahavaviny izay nofidin’Andriamanitra koa i Jaona (andininy 13). Midika izany fa ny fiangonana nisy an’i Jaona. Ny trano (andininy 10) no toerana hivorian’ny fiangonana; izany dia noho izy ireo tsy nanana trano fiangonana manokana.

         Kanefa, tsy azontsika antoka raha olona na fiangonana ilay 'itompokovavy'. Mahasoa antsika rehetra anefa ny zavatra ampianarin’ny taratasy.

 

3. Zava-nisy tany amin’ny toerana nanoratana ilay boky

         Tany am-piandohan’ny fiangonana dia nisy mpampianatra nitety toerana. Rehefa nandeha izy ireo, dia nampianatra ny olona momba an’i Jesosy. Adidin’ny mpiangona ny nandray ireo mpampianatra ireo ho ao antokantranony. Nomen’ny mpiangona an’ilay mpampianatra izay nilainy. Nikarakara ilay mpampianatra izy ireo mandra-pahatongany tany amin’ny toerana manaraka. Ka rehefa handeha izy ireo, dia tsofina rano.

         Ny olana dia nampianatra zavatra diso ny mpampianatra sasany. Maro tamin’izy ireo no nanana hevi-diso momba an’i Jesosy. Tsy nanaiky izy ireo fa tena tonga olombelona i Kristy. Ary nampianatra izy ireo fa tsy tena maty ho antsika i Kristy. Nilaza ihany koa izy ireo fa maty tamin’ny maha-olombelona i Jesosy fa tsy tahaka an’i Kristy. Nolavin’izy ireo ny fahamarinana fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra.

         Nilaza anefa i Jaona fa tsy tena Kristianina ny mpampianatra toy izany. Nilaza izy fa nanohitra an’i Kristy izy ireo. Tsy marina ny zavatra nampianarin’izy ireo momba an’i Jesosy raha izany no heviny avoliny ho an’ny fiangonana satria, niezaka nanimba ny fiangonana tamin’ny zavatra nampianariny.

 

4. Tanjona

         Nampitandrina ny fiangonana momba ireo mpampianatra sandoka ireo i Jaona. Nilaza tamin’ireo mpiangona izy mba tsy handray an’ireo lehilahy ireo ho ao an-tranony no sady tsy tokony hamela azy ireo hampianatra ny fiangonana. Raha nandray na nampiantrano ireo mpampianatra sandoka ireo ny mambran’ny fiangonana, dia midika izany fa nanampy an’ireo mpampianatra sandoka ireo ny mambran’ ny fiangonana. Tsy maintsy mitandrina ny fiangonana mba hankato ny tena hafatr’i Jesosy. Tsy maintsy mifankatia sy miaina ao amin’ny fahamarinana ihany koa izy ireo. Ny teny hoe fahamarinana dia midika hoe hafatra marina noraisin’izy ireo. Nino an’i Jesosy sy izay nataony izy ireo, noho izany dia tsy maintsy misaraka amin’izay rehetra nanda ny marina momba an’i Jesosy.


 

ENDRIKY NY TARATASY

1.

Fahamarinana sy fitiavana

andininy 1-3

2.

Fahamarinana sy ny fomba fiainana

andininy 4-6

3.

Fahamarinana sy fahadisoana

andininy faha-7-11

4.

Fiarahabana farany

andininy faha-12-13

 

1. Fahamarinana sy fitiavana (2 Jaona, andininy 1-3)

 

         Andininy 1 Jaona no nanoratra ity taratasy ity avy tany amin’ny tanàna atao hoe Efesosy, izay nonenana, loholona izy, izany hoe mpitarika, tao amin’ny fiangonana tao. Mpitarika ny fiangonana tao amin’ny faritra manodidina tao koa izy. Nanoratra ho an’ilay vehivavy nofidin’Andriamanitra izy. Nahafan-tatra tsara an’i Jaona izy sy ny zanany. Fantatsika izany satria vao avy niantso ny tenany ho ‘ilay  loholona’ i Jaona; noho izany, dia fantatr’izy ireo hoe iza no nanoratra taminy.

         Eglizy angamba ilay ‘vehivavy nofidin’Andriamanitra’. 'Ny zanany' no mpikambana tao amin'io fiangonana io. Tian’i Jaona io fiangonana io sy ny mpikambana ao aminy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tia azy ireo tamin’ny fahamarinana. Jesosy no fahamarinana. Izay rehetra mahalala an’i Jesosy dia ao amin’ny fahamarinana. Tia azy ireo i Jaona satria nino an’i Kristy izy ireo. Toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy tamin’i Jaona izy ireo. Izay rehetra nahalala ny fahamarinan’ny filazantsara dia tia azy koa. Tia azy ireo ny Kristianina rehetra.

         Andininy 2 Ny anton’ny fitiavany dia ny nitoeran’ny fahamarinana tao anatiny. Ny  fahamarinana dia manome ny olona faniriana ao anaty ho tia. Nifankatia izy ireo noho ny  fahamarinana izay nozarainy.

         Mihoatra noho izay fantatsika ny fahamarinana. Miaina ao anatintsika ny fahamarinana ary manova antsika izany. Lasa ampahany amintsika ny fahamarinana ary ho ao anatintsika mandrakariva ihany koa.

         Ny marina dia ny nahalalan’izy ireo an’i Jesosy Kristy Tompo. Natoky Azy izy ireo, ka nifampizara fiainana nomen'ny Tompo azy. Omeny an’izay mino izany filazantsara izany. Izany fahamarinana izany dia lasa ampahany amin’izy ireo ary mitoetra ao aminy. Izany no  fahamarinana. Izay manaiky Jesosy Tompo dia manana fiainana mandrakizay.

         Andininy 3 Tsy mendrika na inona na inona avy amin’ny Tompo isika. Fa Andriamanitra dia hanao soa ho antsika olony. Hasehony ny hatsaram-panahiny amintsika. Tia antsika Izy ary hanampy antsika amin’ny fahasahiranantsika rehetra. Vonona hamela ny helotsika Izy. Hampionona ny fontsika Andriamanitra na dia misy olana aza. Hanana fifandraisana tsara amin’ Andriamanitra isika.

Hitahy antsika Andriamanitra Ray sy ny Zanany. Iray ihany Andriamanitra. Ny Ray sy ny Zanaka dia olona mitovy amin’ny Fanahy Masina. Jesoa Kristy no Zanaky ny Ray. Izany dia mampiseho ny firaisan-kina misy eo amin’izy ireo. Ny Ray sy ny Zanaka dia olona roa ao amin’Andriamanitra iray. Nampianatra ireo mpampianatra sandoka fa ambany noho Andriamanitra i Jesosy. Nasehon’i Jaona anefa fa i Jesosy no Kristy. Andriamanitra Zanaka Izy. Marina daholo ny fanomezan’Andriamanitra. Manome ny fanomezany ho antsika Andriamanitra satria tia antsika izy. Mba hahazoana ny fanomezan’Andriamanitra dia tsy maintsy mino Azy isika. Fantatsika fa marina Izy. Ary tsy maintsy tia Azy isika.

 

2. Fahamarinana sy fomba fiainana (2 Jaona, andininy 4-6)

         Andininy faha-4 Mety ho nifankahita tamin’ny zanany sasany i Jaona. Na angamba nisy olona nitondra vaovao momba azy ireo taminy. (Mety ho anisan’ny fiangonana ny dikan’ny hoe ‘zanaka’.) Faly i Jaona nahita fa ny sasany tamin’izy ireo dia niaina tao amin’ny  fahamarinana. (Izany hoe tsy nivadika tamin’ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo.) Toa tsy nitoetra tao amin’ny  fahamarinana anefa ny sasany. Angamba nisy korontana tao amin’ny fiangonana ary nisy mambra niala.

         Mba hiaina ao amin'ny  fahamarinana dia tsy maintsy mino ny  fahamarinana aloha isika. Ny marina dia i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany tamin’ny naha-olombelona. Andriamanitra Izy tamin’izany, ary Andriamanitra foana. Lasa olona koa anefa Izy ka  maty ho antsika mba hanatonantsika an’Andriamanitra amin’ny alalany. Tsy maintsy mino izany isika ka manolotra ny aintsika ho azy.

         Mba hiaina ao amin'ny  fahamarinana dia tsy maintsy miaina ny fiainantsika tsy mivadika amin'ny fahamarinan'Andriamanitra isika. Asehony antsika izany  fahamarinana izany ao amin’i Jesosy. Ny fiainana ao amin’ny fahamarinana dia ny fankatoavana an’Andriamanitra. Tsy maintsy manao izay nasehony antsika isika.  Ny fahamarinana dia toy ny lalana izay halehantsika. Tsy hiala amin’ny lalana tsara isika, ka tsy tokony hanao tsirambina ny didin’Andriamanitra.

         Andriamanitra Ray no niteny tamintsika mba hanaraka ny  fahamarinana. Tsy maintsy mankatò ny didy nomeny antsika isika. Ny didiny dia ny hinoantsika an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy mifankatia koa isika.

         Ny andininy faha-5 dia tonga amin’ny foto-kevitry ny taratasiny izao i Jaona. Toy izany no tokony hiainan’izy ireo amin’ny  fahamarinana. Mangataka azy ireo hifankatia izy. Fa baiko feno fanajana izany. Nanantena izy fa hankatò azy izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy maintsy mifankatia. Io fitsipika io dia ho an’izay rehetra mino an’i Kristy.

         Raha tia an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy tia ny olony. Raha tsy tia ny olon’Andriamanitra isika dia tsy tia an’Andriamanitra. Ny fitiavana no fizahan-toetra ny  fahamarinana. Raha tsy tia isika, dia tsy miaina ao amin’ny  fahamarinana.

         Tsy nanome baiko vaovao ho azy ireo i Jaona satria nanomboka tamin’ny nandrenesan’ireo ny filazantsara dia efa teo foana ny didy momba ny fitiavana. Izany koa no didy voalohany tamin’ny lalàna taloha. Nisy lehilahy iray nangataka an’i Jesosy mba hifidy ny didy lehibe indrindra. Jesosy namaly hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao. Ary tiava ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao ( Marka 12:30-31 ). Nomen’i Jesosy antsika ho toy ny didy vaovao ny fitiavana mba hifankatiavantsika. Nolazainy tamintsika ny fomba tokony hitiavantsika. Tokony ho tia tahaka ny nitiavany antsika isika ( Jaona 13:34 ).

         Andininy 6 Ny fitiavana dia ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Tsy maintsy maneho ny fitiavantsika amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra isika. Raha tsy mankatò an’Andriamanitra isika, dia tsy manana tena finoana na tena fitiavana. Tokony ho tia azy sy hifankatia isika. Raha tia an’Andriamanitra isika, dia hankatò ny didiny. Rehefa mankatò an’Andriamanitra isika, dia mampiseho ny fitiavantsika azy.

         Izany no didy ren’ireo Kristianina ireo. Tokony ho tia an’Andriamanitra izy ireo ary tokony hifankatia.

 

3. Fahamarinana sy fahadisoana (2 Jaona, andininy 7-11)

 

         Andininy 7 Tsy maintsy mifankatia isika satria maro ny mpampianatra sandoka eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny andron’i Jaona, dia nisy olona nitantara ny amin’i Jesosy tamin’ny olona nitety toerana iray ho amin’ny toerana hafa. Mpampianatra sandoka ny sasany tamin’izy ireo. Mpikambana tao amin’ny fiangonana izy ireo taloha, saingy nandao izany. Nanao toy ny tena Kristianina ireo mpampianatra sandoka kanefa nampianatra nanohitra ny fahamarinana izy ireo.

         Tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona ity taratasy ity dia nisy mpampianatra sandoka maro. Nilaza ireo mpampianatra sandoka ireo fa  tsy Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tsy nihevitra izy ireo fa sady Andriamanitra no olombelona i Jesosy nandritra ny fiainany manontolo. Nampianatra àry izy ireo fa olon-tsotra i Jesosy. Ary nampianatra koa izy ireo fa fotoana fohy monja no nahatongavan’i Jesosy ho Kristy.

         Hatramin’ny taratasin’i Jaona dia nisy mpampianatra sandoka maro kokoa tao amin’ireo fiangonana. Misy mpampianatra sandoka mampianatra fa tsy tena olombelona mihitsy i Jesosy. Mety hampianatra izy ireo fa anjely i Jesosy. (Izany hoe mpanompon’Andriamanitra avy any an-danitra. Jereo ny Hebreo 1) Misy mpampianatra sandoka hafa tsy mampianatra fa maty ho antsika i Jesosy. Ary misy mpampianatra sandoka hafa milaza fa olombelona fotsiny i Jesosy. Tsy nety nino izy ireo fa Andriamanitra Izy.

         Hevitra mahatsiravina ireo, satria manohitra ny hafatry ny Baiboly. Raha mino ny hevitra toy izany ny olona, dia tsy afaka matoky an’i Jesosy hamonjy azy amin’ny fahotany. Mila mahafantatra ny marina momba an’i Jesosy anefa ny tsirairay.

         Ny andininy faha-7 dia ahitana fitsapana tsotra ho an’ny mpampianatra rehetra ao amin’ny fiangonana. Tokony hampianatra ny mpampianatra rehetra fa tonga tahaka ny olona i Jesoa Kristy. Midika izany fa:

Ø  Olona i Jesosy ( Filipiana 2:6-8; Hebreo 2:11 ). Afaka nitsapa an’i Jesosy àry ny devoly. Fa Jesosy tsy nanota. Nankatò an’Andriamanitra foana izy ( 1 Petera 1:19 ). Ary Jesosy dia mbola olona ihany, any an-danitra. Fantatr’i Jesosy àry ny olana mahazo antsika sy ny fahalementsika
( Hebreo4:15 ). Ary miahy antsika Izy.

Ø  Jesosy no Kristy Izay efa notendren’Andriamanitra hamonjy antsika. Kanefa tsy misy olombelona ho afaka ho lasa Kristy. Ny olombelona tsy mahavonjy antsika amin’ny fahotantsika (Romana 3:10-12). Koa fantatsika fa Jesosy dia Andriamanitra Zanaka koa ( Hebreo 1:3 ). Niaraka tamin’Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina i Jesosy tamin’ny famorona izao tontolo izao (Jaona 1:1). Fa tsy
misy Andriamanitra telo. Iray ihany Andriamanitra
( Deoteronomia 6:4 ). Andriamanitra tanteraka àry i Jesosy ( Kolosiana 2:9 ).

         Manohitra an’i Jesosy Kristy sy milaza lainga momba azy ny mpampianatra sandoka. Lasa mpanompon’ny devoly izy ireo izany hoe fahavalon’i Kristy. Antsoin’i Jaona hoe Kristy sandoka izy ireo.

         Rehefa tena mifankatia ny Kristianina dia ho hitany hoe iza ireo sandoka. Toy ny mpiaro amin’ny Kristianina sandoka àry ny fitiavany.

         Andininy faha-8 Jaona dia mampitandrina ny Kristianina momba ny loza mety hitranga raha manaiky hafatra diso izy ireo. Tsy maintsy miaro tena amin’izany loza izany izy ireo ary mila mitsapa ny loharanon’ny zavatra ireny.

         Mety ho tsara ny zavatra lazain’ireo mpampianatra sandoka ireo satria mampianatra tsara ny hafany izy ireo izay toa marina. Raha tsy mizaha toetra azy amim-pitandremana isika, dia mety hino azy ho fahamarinana. Raha mino izany isika, dia ho fatiantoka. Ho very izay rehetra niasan’ny apostoly sy ny mpampianatra. Tsy ho afaka hitombo amin’ny  fahamarinana isika raha mino lainga.

         Tsy maintsy mino ny marina momba an’i Jesosy Kristy Tompo isika ary tsy maintsy mifankatia. Misy valisoa ho an’izay mijanona ho mahatoky amin’i Kristy. Maniry mafy i Jaona mba tsy ho very ireny valisoa ireny. Tiany ny hananantsika fiainana mandrakizay sy ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra. Noho izany, tsy maintsy mandà izay diso rehetra isika. Tsy maintsy mandray izay rehetra ananan’Andriamanitra ho antsika isika.

         Andininy 9 Nihevitra ireo mpampianatra sandoka fa nanana fahalalana vaovao izy ireo izay azony asolo ny zavatra nampianarin’ny  apostoly. Nilaza ireo mpampianatra sandoka fa vaovao sy hafa ny hafatr’izy ireo. Ary hevitra vaovao tokoa ny hafatr'izy ireo. Diso anefa ilay izy. Nampiany ny heviny manokana ny  fahamarinana. Nanova ny fahamarinana ho lainga izy ireo.

         Tsy nanohy nampianatra izay nampianarin’i Jesoa Kristy izy ireo ary tsy nino ny  fahamarinana momba an’i Jesosy ho Kristy. Nolavin’izy ireo ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy ka niezaka nitarika ny hafa hiala amin’ny  fahamarinana tamin’izay nampianariny. Nanova ny  fahamarinana izy ireo ary tsy nanao araka izay nolazain’i Kristy. Tsy niaina tamin’ny  fahamarinana sy fitiavana araka izay tiany izy ireo. Olona maro, toa an’ireo mpampianatra sandoka ireo, no tsy mino izay nampianarin’i Kristy. Tsy mankatò izay nolazain’i Jesosy izy ireo noho izany dia tsy afaka mahafantatra an’Andriamanitra ary tsy manana ny fiainana omen’i Kristy. Noho izany dia tsy miara-miaina amin’Andriamanitra izy ireo.

         Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ihany no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. Tsy maintsy mino ny marina momba Azy sy matoky Azy isika. Izany no ahafantarantsika ny  Tompo Jesosy. Tsy afaka mahafantatra ny Ray isika raha tsy mahafantatra ny Zanaka. Rehefa mahafantatra ny Zanaka isika, dia mahafantatra ny Ray koa. Izany no fiainana mandrakizay. Ny Tompo dia manome fiainana mandrakizay ho an'izay matoky Azy.

         Andininy faha-10-11. Tokony handray vahiny any amin’ny fiangonantsika sy ny tokantranontsika isika. Mila mitandrina anefa isika ka tsy tokony mampiantrano ireo mpampianatra sandoka ireo. Ny tanjon'ny fitsidihan'izy ireo dia ny hampianatra ny fahadisoana. Noho izany, tsy tokony hanome azy ireo fahafahana hampianatra antsika. Raha tonga ao an-trano (na ny fiangonana) ny mpampianatra sandoka, dia tsy tokony havelantsika hiditra izy ireo. Tsy tokony hiarahaba azy akory isika. Raha miarahaba azy isika, dia miombona amin'ny asa ratsiny. Raha manampy azy ireo isika, dia manohitra ny fiangonantsika sy Kristy izany. Tsy tokony hiarahaba azy ireo isika rehefa tonga izy ireo. Ary tsy tokony hitahy azy ireo isika rehefa mandeha izy ireo.

 

4. Fiarahabana farany (2 Jaona, andininy 12-13)

         Andininy faha-12, i Jaona dia nanana zavatra betsaka kokoa holazaina tamin’ireo Kristianina ireo. Nanapakevitra izy fa tsy hanoratra izany amin’izy ireo amin’ny taratasy. Naleony niresaka momba ireo zavatra ireo rehefa tonga izy. Nanantena izy fa ho afaka hitsidika tsy ho ela. Tsara kokoa ny miresaka momba ireo zavatra ireo rehefa mifanatrika izy ireo.

         Misy fifaliana rehefa mifankahita ny mpinamana. Tsy andrin’i Joana ny hanatona azy ireo sy hankafy ny fiarahana aminy.

         Andininy faha-13 'ilay vehivavy nofidin'Andriamanitra' (andininy 1) dia mety ho fiangonana. Eglizy koa angamba ny ‘anabaviny’. Ny mambran'ny fiangonana izay nitoeran'i Jaona dia nanao veloma azy. Nantsoin’i Jaona hoe ‘zanaka’ ireo mpikambana ireo. Nifidy ireo olona ireo Andriamanitra satria nino an’i Jesosy. Ary nofidin'Andriamanitra izay rehetra mino an'i Jesosy Tompo. Ny Kristianina tsirairay dia miavaka amin’Andriamanitra.

Ny Betsaka Mpamaky Indrindra

FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5

  FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5  1 JAONA 5 : 4, 5 “ Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?” INONA NO TIAN’I JAONA AMBARA AMINTSIKA? Mpanoratra: Araka ny lovantsofina tranaina moa dia i Jaona Apostoly izay zandriny indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy no nanoratra ity bokin’i Jaona voalohany ity. Izy dia nalefa sesitany tamin’ny nosy atao hoe Patmo araka ny fanambaran’ny Apokalypsy toko 1. Ny antony nanoratany ilay andininy notsongaina: Nanoratra izy dia ny mba hanomezana toky ny mpino fa ny finoany an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra no manome azy ireo fandresena ny fakam-panahy, ny fanerena ary ny fampianaran-diso eto amin'izao tontolo izao. Manantitrantitra izy fa ny fahaterahan'Andriamanitra dia mitondra ny tanjaka ara-panahy ilaina handresena ny ratsy sy hijanonana...

FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15

 FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15  AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY Mitohy toy izao ny andininy: “ mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa. Izany dia mitarik...