Nahoma
1 [Ny handravana an'i Ninive noho ny fandozany]
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Ninive, dia ny bokin'ny fahitan'i Nahoma
Elkosita.
2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah;
Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny
rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
3 Mahari-po Jehovah
sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny
tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
4 Miteny mafy ny
ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana
sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin'i Libanona.
5 Mihorohoro eo
anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo
anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
6 Iza no mahatoetra
eo anoloan'ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?
Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
7 Tsara Jehovah,
fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
8 Fa amin'ny riaka
manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any
amin'ny* maizina.[Na: henjehin'ny; na henjehiny amin'ny]
9 Inona no heverinareo
ho enti-manohitra an*'i Jehovah ? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina
fanindroany ny fahoriana.[Na: ahoana no hevitrareo ny amin'i]
10 Fa na dia
miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany,
Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina* izy.[Na: dia ho levona toy ny
vodivary karankaina]
11 Avy tao aminao no
nivoahan'ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an'i Jehovah Sady
mamoron-kevi-dratsy.
12 Izao no lazain'i
Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany
izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
13 Fa ankehitriny
hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
14 Ary Jehovah efa
nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy
ho ao an-tranon'ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny
sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa
latsa-danja ianao.
*
1 Injany! any
an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory
fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy
handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy
rehetra.
2 Misy mpanorotoro
miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao,
Hetseho mafy ny herinao!
3 Fa Jehovah efa
mampody ny voninahitr*'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*'Isiraely; Fa
ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina ho
amin'ilay reharehany][**Na: toy ny amin'ny reharehany]
4 Nomenaina ny
ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy
vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny
lefona.
5 Ampiezahina eny
an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny
harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
6 Tsaroany ny
lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho
any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
7 Vohana ny
vavahadin-drenirano, Ary reraka* ny lapa.[Heb: miempo]
8 Izao no voatendry:
ampitanjahina izy, dia* lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao
feom-boromailala Sady miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina ka]
9 Fa Ninive dia
tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna,
mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
10 Mamaboa volafotsy,
Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka
mahafinaritra rehetra.
11 Indrisy! foana,
eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany
rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
12 Aiza ilay lavaky
ny liona sy firemben'ny liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy
mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
13 Dia ilay liona
namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady
nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
14 Indro, hamely anao
Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao* Ary
hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka
tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]
*
1 Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao
aminy.
2 Injany! ny
fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny
soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3 He! ny fampiriotry
ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry
ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy
hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
4 Noho ny habiazan'ny
fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay
mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny
fankatovany.
5 Indro, hamely anao
Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny
moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy
amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6 Dia hotsipazako
loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7 Arv izay rehetra
mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay
hampionona anao ?
8 Tsara noho No-amona va
ianao? Ilay nitoetra teo
anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be* no rovany, Ary ny rano be
koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9 Ny Etiopiana sy ny
Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no
mpanampy azy*.[Heb. anao]
10 Nefa na izy aza
dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny
an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny
lehibeny rehetra nogadrana.
11 Hianao koa ho mamo
ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12 Ny manda mafinao
rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy,
dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
13 Indro, vehivavy no
olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao;
Levon'ny afo ny hidinao.
14 Manangona rano ho
anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka
hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15 Any no
handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny
fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny
valala.
16 Nataonao betsaka
noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny valalavao
ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17 Ny andriananao dia
toy ny valala, Ary ny mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny
fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa
manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
18 Rendrehana ny
mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely
eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?