Daniela
1 [Ny amin'i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin'ny
taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny
Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka
nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny
fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
3 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny
tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny
zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady
kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka
miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny
taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo
isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba
hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny
mpanjaka izy.
6 Ary tamin'ireo dia
nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 Ary izy ireo
nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary
Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony
hoe Abednego.
8 Ary Daniela ninia
tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny
mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny
lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9 Dia
nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa
Daniela.
10 Ary hoy ilay
lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana
ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny
tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy
amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 Dia hoy Daniela
tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i
Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 Masìna ianao, izahao
toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy
rano hosotroinay.
13 Dia aoka hizahana eo
anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy
amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny
mpanomponao.
14 Ary nanaiky izany
teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 Ary nony tapitra ny
hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny
zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16 Dia najanon'ilay
mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny
azy.
17 Ary ireo zatovo
efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy
sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny
nofy rehetra.
18 Ary nony tonga ny
andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa
niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
19 Ary ny mpanjaka
niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy
Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka
izy ireo.
20 Ary ny amin'ny
fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia
hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay
teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
21 Ary Daniela
nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.
1 [Ny nofin'i
Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny hevitr'izany] Ary tamin'ny taona
faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny
fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2 Dia nasain'ny mpanjaka
nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza
amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny
mpanjaka.
3 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4 Dia niteny tamin'ny mpanjaka
amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho
velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia
holazainay ny heviny.
5 Dia namaly ny mpanjaka
ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy
hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary
ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
6 Fa raha milaza ny nofy
sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra
be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Dia namaly indray ireo
ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay
ny heviny.
8 Fa ny mpanjaka namaly
ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria
hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9 Fa raha tsy
hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa
ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako
mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho
fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny
andro]
10 Ny Kaldeana namaly
teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza
izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe
sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar.
tenin']
11 Ary sarotra ny
zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny
mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
12 Dia vinitra sady
tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra.
13 Ary navoaka ny didy
nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny
hovonoina.
14 Dia novalian'i
Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka,
izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
15 eny, namaly izy ka
nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy
toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela
ilay teny.
16 Dia niditra Daniela
ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka
ny hevitry ny nofy.
17 Ary Daniela nody
tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria
namany,
18 mba
hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany
zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny
olon-kendrin'i Babylona rehetra.
19 Dia naseho an'i
Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia
nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20 Eny, niteny izy ka
nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa
Azy ny fahendrena sy ny hery.
21 Ary Izy no
mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana
mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay
mazava saina.[Ar. manova]
22 Izy no mampiseho
ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny
mazava mitoetra ao aminy.
23 Hianao, ry
Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy
hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao;
fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
24 Ary noho izany
Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka
handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe:
Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka
aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25 Dia nentin'i
Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita
lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry
ny nofy.
26 Ny mpanjaka namaly
ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay
manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
27 Dia namaly teo
anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny
mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny
mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
28 kanefa misy
Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra
an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny
fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
29 Ny aminao, ry
mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy
rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho
avy.
30 Ary izaho aza, dia
tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no
nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka
ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31 Hianao, ry mpanjaka
ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia
lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny
dia nahatahotra.
32 Ny lohan'izany sary
izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony
sy ny feny dia varahina,
33 ny ranjony dia vy,
ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34 Nijery ianao ambara-pahanisy
vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny
tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35 Dia
niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny
volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny
rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga
tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray
mamely monja]
36 Izany no nofy, ary
holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37 Hianao, ry
mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra
fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38 ka ny
zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany,
dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia
ianao izany loha volamena izany.
39 Ary manarakaraka
anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana
fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
40 Ary ny fanjakana
fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny
zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany
no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41 Ary satria hitanao
ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy
tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by
ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 Ary toy ny
rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny
fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43 Ary toy ny
nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany
amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny
vy miharo amin'ny tanimanga.
44 Ary amin'ny
andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay
tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa,
fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa
hitoetra mandrakizay.
45 Fa toy ilay
nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana,
sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny
volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny
zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46 Dia niankohoka
Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra
sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47 Ny mpanjaka namaly
an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry
ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay
nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48 Ary tamin'izany ny
mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro
sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy
ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
49 Ary Daniela
nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary
Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo
am-bavahadin'ny mpanjaka.
*
1 [Ny nanipazana an'i
Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra]
Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony,
ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora
tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2 Ary Nebokadnezara
mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy
ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny
mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa
natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
3 Dia nivory
hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny
solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny
mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy
isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i
Nebokadnezara ireo.
4 Ary dia nisy
mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry
firenena sy samy hafa fiteny:
5 Rehefa mandre ny
fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny
symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha
amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
6 ary na iza na iza
no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny
lafaoro misy afo mirehitra.
7 Koa tamin'ny
fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny
sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno
isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa
natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy
hafa fiteny rehetra.
8 Ary tamin'izay dia
nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga* ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon']
9 Dia niteny izy ka
nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay
anie ianao.
10 Ry mpanjaka ô,
ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara
sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny
zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
11 fa izay tsy
miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo
mirehitra.
12 Koa misy Jiosy
izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka
sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry
mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny
sariolona volamena izay efa natsanganao.
13 Dia niteny
tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina
Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo
lehilahy ireo.
14 Dia niteny
Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy
Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo
amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
15 Ankehitriny raha
miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka
sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno
isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia
tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka
amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany
Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
16 Dia namaly Sadraka
sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy
misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
17 Indro,
Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo
mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
18 Ary na dia tsy
izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy
hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
19 Dia feno
fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary
Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny
lafaoro.
20 Ary izay lehilahy
matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy
Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
21 Dia nafatotra ireo
lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny
kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro
nisy afo mirehitra izy;
22 ary satria mafy ny
tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo
ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar.
nampiakatra]
23 Ary izy telo lahy
ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny
lafaoro nisy afo mirehitra.
24 Dia talanjona
Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo-
tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo?
Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
25 Ary hoy izy: Ka no
indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy
maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa
zanak'ireo andriamanitra.
26 Dia nanatona ny
varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry
Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha,
ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
27 Dia nifanatona ny
solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka
ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny
afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary
tsy nisy fofon'afo akory taminy.
28 Nebokadnezara
niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy
Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka
nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka
amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
29 Ka dia manao
lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra
izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego
dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy
andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30 Ary Sadraka sy
Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
31 [Ny nofy
nananaran'Andriamanitra an'i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy
izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy
ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra,
nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
32 Sitrako ny hanambara
ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
33 Akory ny halehiben'ny
famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia
hahatratra ny taranaka fara mandimby.
*
1 Izaho Nebokadnezara
niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
2 Nanonofy zavatra
nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia
naharaiki-tahotra ahy.
3 Ka dia nandidy aho mba
ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny
hevitry ny nofy.
4 Dia niditra ny ombiasy
sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany
ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
5 Fa nony farany dia
niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro,
sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia
nambarako teo anatrehany hoe:
6 Ry Beltesazara,
lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao
anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny
fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Fa izao no fahitan'ny
lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany,
ary fatratra ny hahavony.
8 Nihalehibe sy nihahery
io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia
hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
9 Tsara tarehy ny
raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra;
teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no
nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
10 Nijery tamin'ny
fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina
anankiray nidina avy tany an-danitra.
11 Niantso mafy izy ka
nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny
voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny
amin'ny rantsany.
12 Nefa avelao amin'ny
tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy
varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho
amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
13 aoka hovana ny fony
tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho
fetr'andro fito no holanina aminy.
14 Didin'ny mpiambina
izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany,
hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny
olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny
azy.
15 Izany no nofy izay
hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny,
fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy
ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra
masina no anatinao.
16 Dia gaga vetivety
Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy.
Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra
anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny
nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
17 Io hazo hitanao
io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra,
ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
18 ny raviny dia tsara
tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny
ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny
voro-manidina,
19 ianao indrindra
izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao
efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny
tany.
20 Ary ny nahitan'ny
mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe:
Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso
any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho
kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia,
ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
21 izao no heviny, ry
mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy
mpanjaka:
22 Horoahina hiala
amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina
ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito
no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka
amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
23 Ary ny nasainy
namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa
fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
24 Koa aoka
hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento
mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra*
ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
25 Izany rehetra
izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
26 Ary nony afaka roa
ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao
Babylona izy.
27 Ary ny mpanjaka
niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny
fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
28 Raha mbola teo
am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra
nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny
fanjakana niala taminao.
29 Fa horoahina hiala
amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina
ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao
ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona
ka manome izany ho an'izay tiany.
30 Tamin'izay
indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala
tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny
andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny
hohony ho toy ny an'ny vorona.
31 Ary rehefa tapitra
ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody
tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy
nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay,
ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
32 ary ny mponina
rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo
maro be any an-danitra sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy
mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
33 Tamin'izay dia
nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro
ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka
ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny
fahalehibiazana malaza.
34 Koa amin'izany,
izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny
lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary
izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
*
1 [Ny fanasana
nataon'i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara
mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo
anatrehan'ireny no nisotroany divay.
2 Nony efa nisotro
divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay
nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba
hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny
vaditsindranony.
3 Dia nentiny ny
fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra
tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny
vaditsindranony nisotro taminy.
4 Eny, nisotro divay
izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy
hazo ary vato.
5 Tamin'izay dia nisy
rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra
sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay
rantsan-tanana nanoratra.
6 Dia nivaloarika ny
tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha
ny valahany, sady niady ny lohaliny.
7 Dia niantso mafy ny
mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny
mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy
no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina
volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo
lahy amin'ny fanjakana izy.
8 Dia niditra avokoa
ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala
ny mpanjaka ny heviny.
9 Dia natahotra
indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny
mpanolo-tsainy.
10 Ary ny renin'ny
mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny
mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho
velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao,
na hivaloarika ny tarehinao.
11 Misy lehilahy ato
amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny;
ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary
fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i
Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny
ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 fa fanahy hendry
sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy
fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany, izay
nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa
holazainy ny hevitry ny teny.
13 Dia nampidirina teo
anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela
hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda,
izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
14 Efa reko ny aminao,
fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy
fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
15 Ary vao teo dia efa
nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io
sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
16 ary efa reko ny
aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa
raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia
hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny
mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
17 Dia namaly Daniela ka
nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny
valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra,
ary hampahafantariko azy ny heviny.
18 Ny aminao, ry
mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana
sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
19 ary noho ny
fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy
hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany
hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay
tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
20 Fa nony niavonavona
kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala
tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
21 dia noroahina niala
tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny
fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary
kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo
Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho
mpanjakany.
22 Ary ianao, ry
Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany
rehetra izany;
23 fa niavonavona
tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia
nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao
mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny
andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay
tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady
Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Ary noho izany dia
Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 Ary ny teny
voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
26 Izao no hevitry ny
teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
27 Tekela, efa voalanja
tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
28 Paresa, zarazaraina
ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
29 Ary Belsazara dia
nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo
volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny
fanjakana.
30 Ary tamin'io alina io
ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
*
1 Ary Dariosa Mediana no
nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro
niainany.
2 [Ny amin'ny nanipazana
an'i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka
roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
3 Koa tamin'ireo dia
nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba
hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
4 Izany Daniela izany
dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy
hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana
rehetra.
5 Koa ny komandy lehibe
sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny
fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo,
satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
6 Dia hoy ireo lehilahy
ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny
lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
7 Dia somaritaka nivory
ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no
nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
8 Ny komandy lehibe
rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny
mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy
didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato
anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao
ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
9 Ankehitriny, ry
mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny
lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
10 Ary noho izany dia
nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
11 Nony fantatr'i
Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny
varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa
intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo
anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
12 Dia somaritaka nivory
ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo
anatrehan'Andriamaniny.
13 Dia nanatona izy ka
niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao
hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao
fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro
afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka
namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana
izay tsy azo ovana.
14 Dia niteny ireo ka
nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny
taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry
mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
15 Dia tezitra indrindra
ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka
an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny
masoandro.
16 Dia somaritaka nivory
ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka
ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny
lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17 Dia nandidy ny
mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny
mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao
mandrakariva anie hamonjy anao.
18 Ary nisy vato
natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny
fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana
ny teny ny amin'i Daniela.
19 Dia nody tany
an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy
zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na:
zazavavy mpandihy]
20 Dia nifoha maraina
koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
21 Ary nony tonga teo
amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny
ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra
velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny
liona va?
22 Namaly ny mpanjaka
Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
23 Andriamanitro efa
naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria
fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy
nanao ratsy aho.
24 Dia faly indrindra
ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao
an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
25 Ary ny mpanjaka
nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao
an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery
taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny
lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
26 Tamin'izany
Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy
hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny
fiadananareo.
27 Manao lalàna aho
mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela
eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra
mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
28 Izy no mamonjy sy
manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary
Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.
29 Ary izany Daniela
izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy
Persiana.
* *
1 [] Fahitana niseho
tamin'i Daniela ny amin'ny fanjakana efatra lehibe, sy ny
hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara,
mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana* tao
am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar.
fahitan'ny lohany]
2 Dia niteny Daniela
ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny
rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ary nisy biby
efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
4 Ny voalohany dia
toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny
elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy
ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
5 Ary indro koa ny
faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy
taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no
voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 Ary nony afaka izany,
dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona
efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena
fanapahana izy.
7 Nony afaka izany,
dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby
mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe
izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny
tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka
folo.
8 Nodinihiko ny
tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary
novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana
maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9 Mbola nijery ihany
aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny
fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry
madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 Ony afo no nivoaka
sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no
nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola nijery
ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny,
nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo
amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ary ny amin'ny
biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny
andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
13 Ary mbola nahita
tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona
avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia
nampanakekeny teo anatrehany.
14 Ary nomena
fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy
ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana
mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 Izaho Daniela
nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
16 Dia nanakaiky ilay
anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany
rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny
zavatra.
17 Ireo biby lehibe
efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
18 Nefa ny
olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana
mandrakizay alaovalo.
19 Dia naniry
hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho
izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady
nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
20 ary ny amin'ny
tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo
potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra
mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21 Mbola nijery ihany
aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
22 ambara-pihavin'ny
Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana
nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
23 Izao no nolazainy:
Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin'ny tany, izay
ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy
sy hanorotoro azy.
24 Ary ny tandroka
folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy
iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy
mpanjaka telo.
25 Ary hiteny
hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary
hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo
ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny
fetr'andro.
26 Fa hipetraka ny
Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny
farany izy.
27 Ary ny fanjakana
sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra
rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana
mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
28 Hatramin'izao no
faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy
indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao
am-poko ihany izany zavatra izany.
*
1 [Ny amin'ny fahavalo
anankiray izay nampahory ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny taona fahatelo
nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela,
taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.
2 Ary nahita tamin'ny
fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny
lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana
aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.
3 Dia natopiko ny
masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony,
izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho
ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4 Hitako ny ondrilahy
manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby
nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa
nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe*.[Na: niavonavona]
5 Ary raha mbola
nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny
tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka
lehibe teo anelanelan'ny masony.
6 Ary izy nankeo
amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo
amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
7 Ary hitako nanatona ho
eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary
nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay
ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy
nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8 Ary dia nihahery
indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe;
ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry
ny lanitra.
9 Ary nisy tandroka kely
nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo
sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.
10 Ary nihalehibe izy ka
nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny
tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11 Eny, nihalehibe izy
ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra
isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.
12 Ary nisy maro be
mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany
ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13 Dia nandre ny masina
anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe:
Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga fandravana
mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny
amin'ny fanatitra isan'andro]
14 Ary hoy izy tamiko:
Taon-jato sy roa arivo andro*; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao
hodiovina** ny fitoerana masina. [*Heb. hariva sy maraina][**Heb. ho marina]
15 Ary nony nahita ny
fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana
tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16 Ary nandre feon'olona
tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny
fahitana ity lehilahy ity.
17 Ary dia nankeo amin'ilay
nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka
nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io
fahitana io dia milaza ny farany.
18 Ary raha niresaka
tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina
nampitsangana ahy.
19 Dia hoy izy: Indro,
hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny
fotoana any am-parany izany.
20 Ilay ondrilahy
hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.
21 Ary ny osilahy lava
volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony
dia ny mpanjaka voalohany.
22 Ary ny amin'ilay efa
tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra
hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23 Ary ny hiafaran'ny
fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana,
izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24 Ary ho be ny heriny,
nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary
hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.
25 Ary ny fahafetseny
koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka
handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny
Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely
azy tsinona.
26 Ary dia marina ny
amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro
izany.
27 Ary izaho Daniela dia
torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia
nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny
fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
1 [Ny vavaka nataon'i
Daniela, sy ny teny nolazaina taminy ny amin'ny herinandro fito-polo] Tamin'ny
taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Ahasoerosy, avy amin'ny taranaky ny
Mediana, izay nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana,
2 tamin'ny taona
voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin'ny boky ny isan'ny taona
nampahafantarin'ny tenin'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany, izay hahataperan'ny
fito-polo taona amin'ny hahafoanan'i Jerosalema.
3 Ary nampanatrehiko
an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny
fifadian-kanina ny lamba fisaonana* ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
4 Ary nivavaka tamin'i
Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra
lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay
tia Azy sy mitandrina ny didiny,
5 efa nanota izahay sady
nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny
fitsipikao izahay,
6 ary tsy nohenoinay ny
mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny
mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
7 Anao ny fahamarinana,
Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia
an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky
na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny
fahadisoany izay nandisoany taminao;
8 eny, anay ny
fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny
razanay, satria efa nanota taminao izahay.
9 An'ny Tompo
Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina
taminy izahay
10 ka tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy
napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
11 Eny, ny Isiraely
rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia
naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i
Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
12 Ary notanterahiny ny
teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka
nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy
mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
13 Araka ny voasoratra
ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa
tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny
helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
14 Koa izany no
nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah
Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino
ny feony.
15 Koa ankehitriny,
Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio
izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
16 Tompo ô, mifona
aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy
ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny
helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa
amin'izay rehetra manodidina anay.
17 Fa ankehitriny, ry
Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary
ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria
Tompo Hianao.
18 Andriamanitra ô,
atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny
fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny
fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny
halehiben'ny indrafonao.
19 Tompo ô, mandrenesa,
Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry
Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina
amin'ny anaranao.
20 Ary raha mbola niteny
sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko aho ka
nandoatra ny fifonako teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny
tendrombohitra masin'Andriamanitro,
21 eny, raha mbola
niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny
fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho
tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
22 Ary izy nampahalala
ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao
aho.
23 Tamin'ny
niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao
aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao
ny fahitana.
24 Fito-polo herinandro
no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny
fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy
hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny
faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy
tombo-kase][**Heb. mpaminany]
25 Koa aoka ho fantatrao
sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i
Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby
enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay
andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa
amby enim-polo, dia etc]
26 Ary rehefa afaka ny
roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny
vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina;
ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy
fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
27 Ary hanorina fanekena
ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny
fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny
fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry,
izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]
*
1 [Toky ho an'ny
olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny fahavalony izy] Tamin'ny taona fahatelo
nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay
atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala
ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
2 Tamin'izany andro
izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
3 Tsy nihinana hanim-py
aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory
aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
4 Ary tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana voalohany, raha teo amoron'ny ony
lehibe aho (Hidekela izany),
5 dia nanopy ny masoko
aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena
volamena avy any Ofaza no nisikinany;
6 tahaka ny krysolita ny
tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny
masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny
feony toy ny feon'olona maro be;
7 ary izaho Daniela
ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita
izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
8 Ary dia nilaozana ho
irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona
tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony
tamiko.
9 Nefa nandre ny teniny
ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka
tamin'ny tany.
10 Ary, indro, nisy
tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola
nangozohozo ihany.
11 Ary hoy izy tamiko:
Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa
nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko
izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
12 Dia hoy izy tamiko:
Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny
fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny
teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
13 Fa ilay andrianan'ny
fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa
Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia
izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany]
14 Ary avy
hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola
hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
15 Ary nony nilaza izany
teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.
16 Ary, indro, nisy
anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka
niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny
fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
17 Fa aiza no
ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary
tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa
tato amiko.
18 Ary nisy indray
nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
19 ka nanao hoe: Aza
matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny,
mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka
hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
20 Dia hoy izy: Moa
fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny
andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny
andrianan'i Grisia.
21 Fa hambarako aminao
izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko
hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
TOKO 11. 1 Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa
Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
2 [Faminaniana koa ny
amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia
haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia;
ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery
izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i
Grisia.
3 Ary hisy mpanjaka
mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka
izay sitrapony.
4 Ary rehefa mitsangana
izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny
lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa
hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.
5 Ary hahery ny
mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho
izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
6 Ary rehefa afaka taona
vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny
mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny
fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka
na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka
azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany*.[Na: dia samy amin'ny
fotoany avy]
7 Fa hisy solofony
anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny
miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany
ireo, dia hahery izy.
8 Ary ny andriamaniny
koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny
volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely*
ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]
9 Ary ho tonga amin'ny
fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany.
10 Fa hanomana tafika ny
zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny
safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny
fiarovana mafiny aza.
11 Ary dia hisafoaka ny
mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny
avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo
an-tànany.
12 Ary raha miainga ireo
maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy
hahery.
13 Fa hiverina ny
mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary
rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy
fitaovana betsaka.
14 Ary amin'izany andro
izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza
indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo
izy.
15 Ka dia ho avy ny
mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na
ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery
hahombiazany.
16 Fa izay avy hamely
azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary
izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny
an-tànany.
17 Dia hivonona tsara
handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny
fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy;
ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
18 Ary hitodika mankany
amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa
ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
19 Dia hitodika hankany,
amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo
izy ka tsy ho hita.
20 Ary hitsangana
handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay
tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io,
nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady.
21 Ary hisy olona
famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny
fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny
fahafetsena,
22 ary ireo miaramila
toy ny safotra* no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny
andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra]
23 Eny, rehefa mifanaiky
aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny
olona entiny.
24 Hiditra tsy ampoizina
amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy
na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary
hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.
25 Ary hanaitra ny
heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary
ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery
indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
26 Eny, izay homana ny
hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny
safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
27 Ary ny fon'ireo
mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany
lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.
28 Ary hiverina ho any
amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena
masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy
29 Amin'ny fotoana dia
ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
30 fa ny sambon'i Kitima
ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny
fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy
ny fanekena masina.
31 Ary hisy miaramila*
hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana
mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny
fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]
32 Ary izay mivadika ny
fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala
an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy*.[Na: dia hahery
ka hahefa]
33 Ary izay hendry ao
amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy
ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
34 Ary rehefa lavo izy,
dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny
fihatsaram-belatsihy.
35 Ary hisy ho lavo koa
ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy
ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
36 Ary ny mpanjaka hanao
araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny
andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny
andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa
izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
37 Ary tsy hahoany akory
ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory
izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
38 Fa ny andriamanitry
ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy
vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay
tsy fantatry ny razany.
39 Dia homban'ny
andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy
dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy
ny tany ho valim-pitia.
40 Ary amin'ny faran'ny
andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa
ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana
toy ny safotra.
41 Hiditra ao amin'ny
tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho
afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.
42 Haninjitra ny tànany
amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
43 Fa hahalasa ny
rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny
Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
44 Fa hisy siosion-teny
avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka
amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
45 Ary haoriny eo
anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny
trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy
hisy hamonjy azy.
1 Ary amin'izany andro
izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny
firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay
nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka
ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
2 Ary maro amin'izay
matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana
mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3 Ary izay hendry dia
hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho
amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
4 [Teny farany] Ary
ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy
mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny
fahalalana.[Heb. hivoivoy]
5 Dia nijery aho
Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny
ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
6 Ary hoy ny anankiray
tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony:
Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?
7 Ary ilay lehilahy
mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny
tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana
tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary
antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny
olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
8 Ary nandre izany aho,
nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo
zavatra ireo?
9 Dia hoy izy: Andeha,
ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny
andro farany.
10 Maro no hodiovina sy
hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany,
ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
11 Ary hatramin'ny andro
hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana
mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
12 Sambatra izay miandry
sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.