Mpitoriteny
1 [Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra
rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2 Zava-poana dia
zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny
zavatra rehetra!
3 Inona no soa azon'ny
olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
4 Lasa ny taranaka iray,
ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5 Ny masoandro koa
miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay
niposahany.
6 Mianatsimo ny rivotra,
dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina
manodidina indray.
7 Ny renirano rehetra
dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay
falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
8 Maivana* ny teny
rehetra, ka tsy misy olona mahalaza**; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina
tsy mamo mihaino.[*Heb. Feno fahasasarana][**Na: Feno fahasasarana ny zavatra
rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]
9 Izay efa teo ihany no
ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy
zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
10 Raha misy zavatra azo
lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro
talohantsika ihany izany.
11 Tsy misy
fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby
azy.
12 [Ny tsy ahitana
fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia
mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
13 ary nampiasaiko ny
foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ
ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny
zanak'olombelona izany.
14 Efa hitako ny zavatra
rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy
misambo-drivotra* foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15 Ny meloka tsy mety
tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina*.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy
tambo isaina]
16 Hoy izaho tamin'ny
foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra
talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana
betsaka.
17 Ary nampiasaiko ny
foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia
fantatro fa misambo-drivotra* foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]
18 satria izay be
fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
1 [Ny maha-zava-poana ny
fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny
fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana
ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro,
zava-poana koa izany.
2 Hoy izaho, miantso ny
fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
3 Nisaina tato am-poko
hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy
amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara
ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny
andro vitsy iainany.
4 Nanao asa lehibe ho
ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5 nanao tanimboly sy
saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6 nanao kamory aho
handemana ny ala be zana-kazo;
7 nahazo ankizilahy
sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy
ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8 Nihary volafotsy sy
volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany
samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra
ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan'ny
zanak'olombelona be dia be]
9 Dia efa nisandratra
mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko
anefa dia mbola tato amiko ihany.
10 Ary na inona na
inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko
tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako
rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
11 Kanefa nitodika
aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako,
ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy
nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
12 [Ny fihoaran'ny
fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza
fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny
fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny
olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
13 Dia hitako fa ny
fahendrena dia tsara* noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran**'ny mazava noho ny
maizina.[*Heb. mihoatra][**Heb. fihoaran']
14 Ny mason'ny hendry
dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa
mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15 Dia hoy izaho
anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no
nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16 Fa samy tsy misy
fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy
dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17 Dia efa halako ny
aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa
zava-poana sy misambo-drivotra* foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
18 Eny, efa halako ny
fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho
an'ny olona izay handimby ahy izany,
19 ary iza no mahalala
na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy
nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
20 Dia nitodika aho
hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay
nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
21 Fa misy olona izay
misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona
izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany.
Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
22 Fa inona no azon'ny
olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany
tatỳ ambanin'ny masoandro?
23 Fa ny androny rehetra
dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia
amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
24 Tsy misy mahasoa ny
olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany
amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny
tànan'Andriamanitra* [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro
ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy
amin'ny tànan'Andriamanitra koa]
25 (fa iza no mahalany,
ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
26 Fa ny olona izay
ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa
ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay
ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa
izany.[Na: Homan-drivotra]
1 [Ny filaharan'ny
zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy
fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra
rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha
rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
2 Ao ny andro
ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro
anongotana na nambolena;
3 Ao ny andro amonoana,
ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro
ananganana;
4 Ao ny andro
itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro
andihizana;
5 Ao ny andro
anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny
andro ifadiana tsy hanohona;
6 Ao ny andro
itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny
andro anariana;
7 Ao ny andro
andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro
itenenana;
8 Ao ny andro itiavana,
ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
9 Inona no soa azon'ny
miasa amin'izay isasarany?
10 Efa hitako ny asa
mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
11 Ny zavatra rehetra
samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay* dia efa
nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra
hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao]
12 Fantatro fa tsy misy
tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara*, raha mbola
velona koa izy.[Na: mahazo soa]
13 Ary koa, raha
mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia
fanomezan'Andriamanitra izany.
14 Fantatro fa izay
rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy
azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15 Izay atao izao dia
efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary
mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa*. [Heb. voaroaka]
16 Ary izao koa no efa
hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana
tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17 Hoy izaho anakampo:
Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana
ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18 Hoy izaho anakampo:
Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy,
ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]
19 Fa zavatra
sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny
biby*, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray
no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary
tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa
izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa]
20 Izy rehetra samy
mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho
amin'ny* vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]
21 Iza no mahalala ny
fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny
biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia*? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny
olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny
tany?]
22 Dia efa hitako fa tsy
misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa
iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
1 [Ny manjo ny olona
noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny
ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ
ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy
mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2 Ary ny maty izay efa
maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3 nefa tsara indray noho
izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny
masoandro akory.
4 Ary hitako ny
fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny
fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa
izany.[Na: Homan-drivotra]
5 Ny adala
manohon-tanana ka homana ny tenany.
6 Tsara ny
eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana* sady
misambo-drivotra** foana.[*Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan'ila noho ny
fisasarana,][**Na: Homan-drivotra]
7 Ary izao koa no
zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8 Misy mitoetra irery ka
tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny
fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho
an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa
mahareraka koa izany.
9 Tsara ny roa noho ny
iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10 Raha misy lavo izy,
dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11 Ary koa, raha
miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12 Raha misy maharesy ny
irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora
tapahina.
13 Aleo zatovo malahelo
hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
14 fa avy ao
an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny
fanjakany aza izy*. [na: fa na dia nateraka tamin'ny fanjakany aza izy, dia
tamin'alahelo ihany]
15 Hitako ny miaina
rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay
faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
16 Tsy hita isa ny olona
rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy;
fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
17 [Ny mety hatao
amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny
tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no
tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy
izy.
TOKO 5
1 Aza haingam-bava, ary
aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra
dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
2 Fa ny haben'ny
fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny
rediredin'ny adala.
3 Raha mivoady
amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny
adala; koa efao ny voadinao.
4 Aleo tsy mivoady toy
izay mivoady ka tsy mahefa.
5 Aza avela hahatonga
heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely* hoe:
Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka
hanimba ny asan'ny tananao? [Na: iraka;]
6 Fa amin'ny haben'ny
nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra
no atahory.
7 [Ny mbola hitsarana ny
mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny
tokony hifaliana amin'izay omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny
malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga
amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony
noho ireo indray aza.
8 Fa na dia izany
rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany
volena.
9 Izay tia vola tsy hety
ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny
fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
10 Raha mitombo ny
fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony,
afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
11 Mamy ny torimason'ny
mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan*'ny manan-karena
kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan']
12 Misy ratsy mahory efa
hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa
mampidi-doza amin'ny tenany;
13 sady levona izany
harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy
na inona na inona eny an-tànany,
14 Toy ny nivoahany
mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no
hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny
fisasarany.
15 Dia ratsy mahory koa
izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony
noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?
16 Ary koa, homa-maizina
amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary
fahasosorana.
17 Indro, efa hitako
izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana
rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy
iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
18 Ary koa, ny olona
rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany
azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia
fanomezan'Andriamanitra izany.
19 Fa tsy hahatsiaro
loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no
avalin'Andriamanitra azy.
1 [Ny fahantran'ny
sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako
atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany:
2 dia olona izay
omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na
inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany
izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3 Na dia misy miteraka
zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba
voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny
tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4 Fa toa zava-poana no
nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny
anarany,
5 ary koa, tsy nahita na
nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo
izy.
6 Eny, na dia tratra
arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana
iray ihany va no alehan'izy rehetra?
7 Ny fisasarana rehetra
ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8 Fa inona no soa
azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra
tena eo imason'ny velona?
9 Ny fahitan'ny maso dia
mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra*
foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
10 Izay efa teo dia
voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo
mifandahatra amin'izay mahery noho izy.
11 Fa maro ny zavatra
mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona?
12 Fa iza no mahalala
izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana
izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay
zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?
1 [Ohabolana samy hafa
ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary
ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
2 Tsara ny mankamin'ny
trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no
hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
3 Tsara ny alahelo noho
ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara* ihany ny fo.[Na: faly]
4 Ny fon'ny hendry dia
ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano
misy fifaliana.
5 Tsara ny mihaino ny
anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
6 Toy ny firefodrefotry
ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala;
zava-poana koa izany.
7 Fa ny fampahoriana dia
mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
8 Tsara ny iafaran'ny
raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
9 Aoka tsy halaky
tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
10 Aza manao hoe: Ahoana
no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena
no anontanianao izany.
11 Tsara tahaka ny lova ny
fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
12 Fa fialokalofana ny
fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao:
Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
13 Saino ny
asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
14 Amin'ny andro
mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa
nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy
any aoriany.
15 Izao rehetra izao dia
efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany;
ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
16 Aza marina loatra,
ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
17 Aza ratsy loatra
ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18 Tsara raha mitana
iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra
an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
19 Ny fahendrena no
maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20 Fa tsy misy olona
marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
21 Aza mihainohaino ny
teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22 fa fantatry ny fonao
fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23 Izany rehetra
izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo
lavitra ahy izany.
24 Eny, izay rehetra
lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
25 Nitodika aho, ka
nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay
anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana
ho fahaverezan-tsaina;
26 ka hitako fa mangidy
noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady
famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho
afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
27 Indro, izany no
hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba
hahitana izay antony.
28 Izay notadiaviko koa,
fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo;
fa tao amin'ny vehivavy arivo* dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb.
teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]
29 Indro, izao ihany no
hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro
izy.
1 Iza no toy ny
hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona
mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
2 Hoy izaho: Tandremo
ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
3 Aza malaky miala eo
anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany
dia azony atao avokoa;
4 fa ny tenin'ny
mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
5 Izay mitandrina ny
didy tsy mba mikambana* amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia
mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]
6 fa samy manana ny
fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky* ny
olona.[Na: fahorian']
7 Fa tsy mahafantatra
izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
8 Tsy misy olona
manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary
tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny
faharatsiany.
9 Izany rehetra izany
dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao
atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany
loza aminy.
10 Ary tamin'izany dia
hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia
lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna*;
zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny
masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]
11 Saingy tsy
tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny
fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
12 Eny, fa na dia manao
ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa
ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13 Fa tsy hisy soa ho
an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy
matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.
14 Izao koa no
zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho
valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa
marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
15 Dia noderaiko ny
fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny
mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany
mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny
masoandro.
16 [Ny
tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana
amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko
ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa
misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
17 dia hitako avokoa ny
asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny
masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany;
eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina
akory.
1 Fa ireto dia nalatsako
tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia
samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho
fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy
avokoa izany rehetra izany.
2 Mitovy avokoa ny manjo
ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka,
ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra
sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy
sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy
hianiana.
3 Izao no fahoriana
amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny
olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana
no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny
maty izy.
4 Fa izay rehetra
isan'ny velona dia mbola hantenaina*; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona
maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny amin'ny velona rehetra dia mbola misy
hantenaina]
5 Fa fantatry ny velona
fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy
manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Na ny fitiavany, na ny
fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara
intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7 Mandehana, hano
amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa
efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
8 Aoka ho fotsy
mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9 Miravoravoa amin'ny
vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ
ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no
anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ
ambanin'ny masoandro.
10 Izay rehetra azon'ny
tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na
fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita* izay alehanao.[Heb.
Sheola]
11 [Ny fihoaran'ny
fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho
an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho
an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho
an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo
azy rehetra.
12 Fa tsy fantatry ny
olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy
ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny
zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
13 Izao koa no
fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe
izany:
14 Nisy vohitra kely
sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao
fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
15 Ary nisy lehilahy
malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny
ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
16 Koa hoy izaho: Aleo
fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny
teniny tsy mba henoina.
17 [Ohabolana samy hafa
ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa
sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny
mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.
18 Aleo fahendrena
toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
1 Ny fatin-dalitra
mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy
izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2 Ny fon'ny hendry
dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
3 Ary koa, raha
mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena
amin'ny olona rehetra izy fa adala.
4 Raha tezeran'ny
mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po
mahasakana ny fahadisoana lehibe.
5 Misy ratsy efa
hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
6 Asandratra ho
ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana
ambany.
7 Efa hitako ny
mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny
mpanompo.
8 Izay mihady lavaka
no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
9 Izay manovoka vato
dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
10 Raha dombo ny
antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena
no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
11 Raha manaikitra ny
menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
12 Soa ny teny aloaky ny
vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
13 Ny fiandohan'ny teny
aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia
fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14 Maro teny ny adala
nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy
any aoriany?
15 Ny fisasaran'ny adala
mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
16 Lozanao, ry tany,
raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17 Sambatra kosa ianao,
ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay
fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
18 Ny fahalainana be no
mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
19 Ataony laolao ny
hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny
zavatra rehetra.
20 Aza manozona ny
mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na
dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie
ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
1 Atsipazo eny
ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
2 Samy omeo anjara ny
fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ
ambonin'ny tany.
3 Raha feno ranonorana
ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na
mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.
4 Izay fatra-pihevitra
ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]
5 Toy ny tsy ahafantaranao
ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao
an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny
asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6 Amin'ny maraina dia
afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy
fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy
ho vanona avokoa izy roa tonta.
7 Mamy tokoa ny mazava,
ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
8 fa na dia ela velona
aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny
andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
9 [Anatra ho an'ny
tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana]
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly
anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao
sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra
hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.
10 Koa esory ao am-ponao
ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy
ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
1 Ary tsarovy ny Mpanao
anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary
tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
2 dieny tsy mbola
maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola
mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
3 fa amin'izay dia
hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra
ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy
mitsirika eo am-baravarankely,
4 ary hirindrina ny
varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny
fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely*, ary
halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny
voron-kely aza ny feony]
5 ary koa, hatahotra ny
fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo
amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza
tsy hanan-kery intsony* fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny
olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na:
hitsaha-panirian-javatra izy]
6 dieny tsy mbola mivaha
ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary
tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo
an-davaka famorian-drano,
7 ka ny vovoka dia
hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina
amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
8 Zava-poana dia
zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
9 [Teny farany] Ary koa,
satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny,
nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
10 Mpitoriteny nitady
hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny
fahamarinana.
11 Ny tenin'ny hendry
dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny
mpiandry iray izy;
12 ary he koa, anaka!
minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny
tena ny fianarana be.
13 Ary rehefa re izany
rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny
didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
14 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny* zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]