Josoa
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary
rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i
Nona, mpanompon'i Mosesy:
2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity
Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko
azy, dia ny Zanak'Isiraely.
3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa
nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny
ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka
hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro
rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy
handao anao na hahafoy anao Aho.
6 Mahereza sy
matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako
tamin'ny razany homena azy.
7 Koa mahereza sy
matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay
nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana,
na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho
hita ho hendry]
8 Aoka tsy hiala
amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina,
hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia
hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry]
9 Tsy efa nandidy
anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba
anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
10 Ary Josoa nandidy
ny mpifehy ka nanao hoe:
11 Andeha mamaky ny
toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka
hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay
omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
12 Ary ny Robenita sy
ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:
13 Tsarovy ny teny
izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah
Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany
izao.
14 Ny vadinareo sy ny
zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay
nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery
rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy
azy,
15 mandra-panomen'i
Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny
tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny
taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah,
anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.
16 Dia namaly an'i
Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary
izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
17 Araka ny
nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba
anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.
18 Izay rehetra mandà
ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao
maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
*
1 [Ny nanirahana ny
mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy
mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany,
indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny
vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
2 Ary nisy nilaza
tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely
tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
3 Dia naniraka tao
amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga
ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
4 Dia
nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany
tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
5 ary rehefa maizina
ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro
indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
6 Kanjo efa
nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny
tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.
7 Ary ireo olona dia
nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary
rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
8 Ary raha mbola tsy
natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
9 ka nanao taminy
hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny
fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny
tahotra anareo.
10 Fa efa renay ny
nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo
avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita,
izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11 Koa nony efa renay
izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa
Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy
etỳ amin'ny tany ambany.
12 Koa ankehitriny,
masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo
taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo
famantarana mahatoky aho
13 fa hovelominareo
ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho
azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14 Dia hoy izy roa
lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao
raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy
hanao izay marina aminao izahay.
15 Dia nampidina azy
tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny
tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.
16 Dia hoy izy
taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny
mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia
vao mandehana any amin'izay halehanareo.
17 Ary hoy izy roa
lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana
nampianianinao anay izany:
18 Indro, rehefa
tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay
nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny
anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao
an-tranonao;
19 ary izay rehetra
mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany
ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao
an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona
azy akory;
20 fa raha tàhiny
hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay
nampianianinao anay izahay.
21 Dia hoy
ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa
izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.
22 Dia nandeha izy
roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana
mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny
mpanenjika, nefa tsy nahita.
23 Dia niverina izy
roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany
amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra
taminy,
24 ka hoy izy tamin'i
Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa
ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.
*
1 [Ny nitan'ny
Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny
tahotry ny Amorita sy ny Kananita tamin'izany] Dia nifoha maraina koa Josoa;
ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny
Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2 Ary rehefa afaka
hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
3 ka nandidy ny olona
hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny
Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy
4 (kanefa asio
elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy),
mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo
akory izao lalana izao.
5 Ary hoy Josoa
tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo
aminareo Jehovah.
6 Ary niteny tamin'ny
mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny
olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.
7 Ary hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra,
hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8 Ary mandidia ny
mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra
amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
9 Ary Josoa nanao
tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah
Andriamanitrareo.
10 Dia hoy Josoa:
Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo
alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny
Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
11 Indro, ny
fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo
Jordana;
12 koa ankehitriny
mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray
avy isam-pirenena;
13 ary raha vao
mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano
Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny
antontan-javatra.
14 Ary raha niala
tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny
fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
15 ka tonga teo
Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny
fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra
Jordana mandritra ny fararano),
16 dia nijanona ny
rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra
erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka
tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay*, dia ny
Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [*Heb. Arabà]
17 Ary ny mpisorona
izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany
maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany
maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
1 Ary rehefa tafita
an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
2 Mangalà lehilahy
roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
3 ka mandidia azy
hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny
tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay
handrianareo anio alina.
4 Dia nantsoin'i
Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia
iray avy isam-pirenena,
5 ary hoy izy taminy:
Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i
Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra,
araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
6 mba ho famantarana
eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe:
Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?
7 dia holazainareo
aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah;
fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia
ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
8 Dia nanao izany ny
Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo
afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny
isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo
amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
9 Ary vato roa
ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny
tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany
ireny mandraka androany.
10 Fa ny mpisorona
izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny
zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona,
araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
11 Ary rehefa tafita
avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo
anoloan'ny olona.
12 Ary ny taranak'i
Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa
voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa
nolazain'i Mosesy taminy.
13 Tokony ho lehilahy
efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo
amin'ny tani-hay* any Jeriko. [*Heb. Arabà]
14 Tamin'izany andro
izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka
dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny
andro rehetra niainany.
15 Ary Jehovah niteny
tamin'i Josoa ka nanao hoe:
16 Mandidia ny
mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona* hiakatra hiala eo Jordana.
[*Dia ny didy folo]
17 Dia nandidy ny
mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 Ary rehefa
niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny
tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia
avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra
tahaka ny teo aloha ihany.
19 Ary ny olona
niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka
nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
20 Ary ireny vato roa
ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.
21 Dia niteny
tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny
taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?
22 dia hambaranareo
aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.
23 Fa nataon'i
Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo
mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny
Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
24 mba ho fantatry ny
firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba
hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
*
1 Ary ny mpanjaka
rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra
tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i
Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany*, dia
ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [*Na:
(mandra-pitantsika)]
2 [Ny namorana ny
olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny
mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova
fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
3 Dia nanao fiharatra
vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4 Ary izao no
anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta,
dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa
nivoaka avy tany Egypta.
5 Ary voafora ny
lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana
tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora
kosa.
6 Fa efa-polo taona
no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona
rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny
feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny
tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany
tondra-dronono sy tantely.
7 Ary ny zanany no
natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo,
satria tsy noforana teny an-dalana.
8 Ary rehefa noforana
ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy
mandra-pahasitrany.
9 Dia hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka
aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka
androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
10 Ary ny
Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny
andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay* any
Jeriko.[Heb. Arabà]
11 Ary nony
ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany
indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12 Ary nitsahatra ny
mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany,
ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny
tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
13 [Ny nisehoan'ny
Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely
an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka
nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka
dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va
Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
14 Dia hoy Izy: Tsia;
fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia
niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny
mpanomponao, Tompokolahy ?
15 Dia hoy Ilay
Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny
kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
*
1 Ary nihidy mafy
Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy
niditra.
2 Ary hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany
mbamin'ny lehilahy mahery.
3 Koa mandehana
manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no
hanaovanao izany.
4 Ary asio mpisorona
fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro
fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny
anjomara.
5 Ary raha manao feo
lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora
mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary
hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
6 Dia niantso ny
mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena,
ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny
fiaran'i Jehovah.
7 Dia hoy izy
tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa
voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
8 Ary rehefa niteny
tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara
fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah nanaraka azy.
9 Ary ny olona efa
voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara,
ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny
anjomara.
10 Ary ny vahoaka efa
noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza
mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay
ianareo no hanakora.
11 Ary nanodidina ny
tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka
nitoetra tany.
12 Dia nifoha maraina
koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
13 Ary ny mpisorona
fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah
dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana
hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i
Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14 Dia nanodidina ny
tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby;
henemana no nanaovany toy izany.
15 Ary tamin'ny andro
fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka
nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany
ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
16 Ary tamin'ny
nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa
tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna.
17 Dia hatolotra ho
an'i Jehovah ho zavatra voaozona* ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga
ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria
nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]
18 Kanefa mitandrema
kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona
ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny
Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19 Fa ny volafotsy sy
ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah;
hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
20 Dia nanakora ny
olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara,
dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao
an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
21 Ary naringany*
tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na
tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema]
22 Ary izy roa lahy
izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny
tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary
izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23 Dia nankao ireo
zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy
ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny
mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny
Isiraely.
24 Ary ny tanàna sy
izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena
ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i
Jehovah.
25 Fa Rahaba janga sy
ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia
novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany
ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i
Jeriko izy.
26 Dia nilaza
fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo
anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity
indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny
ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.
27 Ary Jehovah nomba
an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.
*
1 [Ny fahotan'i Akana
sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra
voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny
firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny
Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.
2 Ary Josoa naniraka
olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i
Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona
ka nisafo an'i Ay.
3 Ary niverina tany
amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka
rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely
an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
4 Dia niakatra
nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo
anoloan'ny mponina tao Ay ireo.
5 Dia nahafaty tokony
ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo
anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana;
dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
6 Dia notriarin'i
Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah
mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny
lohany.
7 Ary hoy Josoa:
Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana
Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie
izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!
8 Indrisy, Tompo ô!
inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny
fahavalony?
9 Ary ho ren'ny
Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka
hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny
anaranao lehibe?
10 Dia hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11 Efa nanota ny
Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny
zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny
entany.
12 Koa tsy mahajanona
eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony
izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina
tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13 Mitsangana,
manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo
mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo
aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny
fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo
intsony.
14 Dia hampanatonina
ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i
Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona
indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona
indray isam-batan'olona.
15 Koa izay azo
mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra
mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady
indrindra* teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]
16 Dia nifoha maraina
koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i
Joda no notanana.
17 Dia nitondra ireo
fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny
fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;
18 dia nampanatona ny
ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i
Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.
19 Dia hoy Josoa
tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny
Isiraely, ka mitsora aminy*; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza
afeninao ahy izany.[Na: miderà azy]
20 Ary Akana namaly
an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:
21 Nahita kapôty
tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena,
lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka;
ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny
volafotsy ao ambaniny.
22 Dia naniraka olona
Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao
anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
23 Dia nalainy avy ao
amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary
napetrany teo anatrehan'i Jehovah
24 Dia nalain'i Josoa
sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny
anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny
sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia
nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
25 Ary hoy Josoa:
Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah
anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo
sady nanangom-bato teo amboniny.
26 Dia nanao
antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia
nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany
tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora*.[Akora = fampidiran-doza]
*
1 [Ny nahafahan'ny
Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na
mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà,
iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny
vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
2 Dia tahaka ny
nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy
mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho
babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
3 Dia niainga Josoa
sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina
Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.
4 Dia nandidy azy izy
ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza
manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
5 Ary izaho sy ny
vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa
mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 Dia hivoaka
hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe:
Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo
anoloany izahay.
7 Ary dia hiroatra
avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i
Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8 Ary rehefa afakareo
ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro,
efa nandidy anareo aho.
9 Dia nampandehanin'i
Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo
anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany
tamin'izany alina izany.
10 Dia nifoha maraina
koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany
Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.
11 Ary ny vahoaka
rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy
nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo
anelanelan'izy sy Ay.
12 Dia naka olona
tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy
Ay, andrefan'ny tanàna.
13 Ary rehefa
voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika
teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany
alina izany.
14 Ary rehefa
hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka
nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany* nifamotoanany
tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy
otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna. [Na: fotoana]
15 Ary Josoa sy ny
Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana
mankany an-efitra.
16 Dia nifampiantso
hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa
izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
17 Ary tsy nisy
lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely;
ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
18 Ary hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo
an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
19 Dia niroatra
faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao
natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro
azy faingana tamin'ny afo.
20 Ary niherika ny
mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any
an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny
Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny
mpanenjika kosa.
21 Fa rehefa hitan'i
Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny
setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
22 Ary ireo tao
an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona,
fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa;
dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory
aza.
23 Ary ny mpanjakan'i
Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.
24 Ary rehefa namono
ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra
nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra
mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra.
25 Ary izay rehetra
maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray
alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
26 Ary Josoa tsy
nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana* ny
mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema]
27 Nefa ny biby
fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny
Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
28 Ary Ay dia
nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka
androany izy.
29 Ary ny mpanjakan'i
Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty
masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo
anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka
androany.
*
30 [Ny nanoratan'i
Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny
fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia
nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely,
31 araka izay
nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny
voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra,
izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i
Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
32 Dia nosoratany teo
amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny
Zanak'Isiraely.
33 Ary ny Isiraely
rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo
an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra
ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny
antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny
tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah
fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
34 Ary rehefa afaka
izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny
fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.
35 Tsy nisy teny
tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo
anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny
ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
*
1 [Ny hafetsena
nataon'ny Gibeonita mba tsy handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny
mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana,
na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tany amoron'ny Ranomasina
Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny
Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela]
2 dia niray hina
niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3 Ary ny mponina tao
Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4 dia nanao hafetsena
kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka* ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo
amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany
divay, [Na: nitondra vatsy]
5 ary kapa tonta sady
nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy
bobongolo* ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]
6 Dia nankany amin'i
Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita
nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena
aminay ianareo.
7 Ary hoy ny
Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka
hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8 Fa hoy izy tamin'i
Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza
?
9 Dia hoy izy ireo
taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i
Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany
Egypta
10 ary izay rehetra
nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana,
dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
11 Dia niteny taminay
ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy
eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao
aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12 Itony mofonay
itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro
nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo*
izy; [Na: torotoro]
13 ary vaovao ireto
siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary
efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14 Ary nangalan'ny
olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.
15 Ary Josoa dia
nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny
lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16 Ary nony efa afaka
hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany
ireo sady mitoetra eo aminy.
17 Dia niainga ny
Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanànan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary
Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
18 Fa tsy namely azy
ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa
nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona
ny fiangonana rehetra.
19 Fa hoy ny loholona
rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa
nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
20 Fa izao no
hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana
mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21 Ary hoy koa ny
loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka
rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
22 Dia niantso azy
ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe:
Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23 Koa ankehitriny
voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho
mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.
24 Dia namaly an'i
Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa
Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany
rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary
natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25 koa ankehitriny,
indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao
aminay dia ataovy.
26 Dia nanao izany
taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty
azy ireo.
27 Dia natolotr'i
Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho
an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny
tany izay hofidiny.
1 [Ny nandresen'ny
Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.]
Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka
noravany* (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony
tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina
tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]
2 dia raiki-tahotra
indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna
misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
3 Dia naniraka olona
Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona,
sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira,
mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
4 Miakara atỳ amiko,
ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i
Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
5 Dia niangona ireo
mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny
mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i
Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i
Gibeona ka namely azy.
6 Ary ny mponina tao
Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao
hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana
ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka
rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
7 Dia niakatra niala
tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery
rehetra.
8 Ary hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy
hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9 Ary tonga tampoka
tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
10 Ary Jehovah
nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy
ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona
izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11 Ary nony
nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah
dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka
nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
12 Ary tamin'izany
Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita
teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry
masoandro, mijanòna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any
an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]
13 Dia nijanona ny
masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony.
Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo
afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro
maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy]
14 Ary tsy nisy andro
tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny
feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
15 Ary Josoa sy ny
Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16 Ary nandositra ny
mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.
17 Dia nolazaina
tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka
dimy.
18 Ary hoy Josoa:
Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany
hiambina azy;
19 fa ianareo aza
mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela
ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo
eo an-tananareo.
20 Ary rehefa
voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany,
ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,
21 dia niverina soa
aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy
nisy sahy nanao vava ratsy* tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra
ny lelany]
22 Dia hoy Josoa:
Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ
amiko.
23 Dia nataon'ny
olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo
aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i
Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
24 Ary rehefa navoaka
ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy
rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo
aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny
tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
25 Ary hoy Josoa
taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no
hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26 Ary rehefa afaka
izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy
ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
27 Ary tamin'ny
nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka
nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny
vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
28 Ary Makeda dia
afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy
ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany* avokoa ka tsy nasiany
niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny
mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony
herema; izahao Lev. XXII. 28]
29 Ary Josoa sy ny
Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely
azy;
30 dia natolotr'i
Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia
iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no
nataony tamin'ny mpanjakany koa.
31 Dia niala tany
Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby
tandrifiny ka namely azy.
32 Dia natolotr'i
Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa
izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka
izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
33 Dia niakatra
Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny
vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34 Dia niala tany
Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby
tandrifiny ka namely azy;
35 dia afany
tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny
olona rehetra tao dia naringany* tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra
efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
36 Dia niakatra niala
tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary
namely azy;
37 dia afany koa izy,
ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra
ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka
izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany* avokoa izy sy ny olona
rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
38 Dia niverina Josoa
sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 dia azony koa izy
sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra
Izy, ka naringany* avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia
iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no
nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i
Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
40 Dia nasian'i Josoa
ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo
sy ny tany lemaka amoron-tsiraka* ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy
nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny
didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]
41 Dia nasian'i Josoa
izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany
Gibeona.
42 Ary ireo mpanjaka
rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.
43 Dia niverina Josoa
sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
*
1 [Ny nandresena ny
mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana
rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i
Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
2 ary ireo mpanjaka
tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay* atsimon'i
Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka** ary tany amin'ny havoan'i
Dora andrefana, [*Heb. Arabà][**Heb. Sefela]
3 dia tamin'ny
Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy
ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany
am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
4 Dia nivoaka izy
ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny
amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro
indrindra.
5 Ary rehefa nivory
ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby
teo anilan'ny rano Meroma.
6 Dia hoy Jehovah
tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra
azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory
amin'ny afo ny kalesiny.
7 Dia nandeha Josoa
sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny
rano Meroma, dia namely azy.
8 Ary Jehovah
nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany
Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa
atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory
aza.
9 Ary Josoa dia nanao
taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny
ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
10 Ary tamin'izany
dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny
sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11 Ary nasiany
tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany* avokoa: tsy nisy
olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony
herema; izahao Lev. XXII. 28]
12 Ary ny tanàna
rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa
ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany*, araka izay efa nandidian'i
Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
13 Fa ny tanàna
rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora
ihany, izay nodoran'i Josoa.
14 Ary ny fananana
rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny
Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra
mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15 Araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka
dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
16 Dia lasan'i Josoa
avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra,
na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tani-hay**
na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [*Heb.
Sefela][**Heb. Arabà]
17 hatramin'ny
tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada
eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny
mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18 Ela no niadian'i
Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
19 Tsy nisy tanàna
izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina
tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
20 Fa avy tamin'i
Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho
zavatra voaozona*, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema]
21 Dia nandeha
tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany
havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i
Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan*'i Josoa
avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
22 Tsy nisy sisa tany
amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda
ihany no mbola nisy sisa.
23 Dia lasan'i Josoa
avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy;
ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia
nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
*
1 [Ny anaran'ny
mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay
resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana
hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny
ilany atsinanan'ny tani-hay* [Heb. Arabà]
2 Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny
lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i
Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i
Amona, [Heb. Arabà]
3 ary ny ilany
atsinanan'ny tani-hay* hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny
ranomasina amin'ny tani-hay*, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany
Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabà]
4 Ary azony koa ny
tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany
Astarta sy Edrehy,
5 sy nanjaka tany
an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny
fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i
Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
6 Mosesy, mpanompon'i
Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase.
7 Ary izao no
mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy
andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka
hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny
taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
8 dia ny any amin'ny
tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy amin'ny tani-hay** sy
amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany
atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny
Hivita ary ny Jebosita:[*Heb. Sefela][**Heb. Arabà]
9 Ny mpanjakan'i Jeriko,
iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
10 ny mpanjakan'i
Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;
11 ny mpanjakan'i
Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;
12 ny mpanjakan'i
Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;
13 ny mpanjakan'i
Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;
14 ny mpanjakan'i
Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;
15 ny mpanjakan'i
Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;
16 ny mpanjakan'i
Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;
17 ny mpanjakan'i Tapoa,
iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;
18 ny mpanjakan'i
Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;
19 ny mpanjakan'i
Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;
20 ny mpanjakan'i
Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;
21 ny mpanjakan'i
Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;
22 ny mpanjakan'i
Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;
23 ny mpanjakan'i
Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any
Gilgala, iray;
24 ny mpanjakan'i
Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
*
1 [Ny
nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara ny tany ary filazana ny anjara efa
nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso
fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso
fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
2 Izao no tany sisa
tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3 hatrany Sihora,
izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay
atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy
ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4 any atsimo, dia ny
tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka
hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,
5 ary ny tanin'ny
Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny
tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata,
6 ary ny mponina
rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima.
dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho
lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7 Ary ankehitriny
zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i
Manase.
8 Ary niaraka
tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i
Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy,
mpanompon'i Jehovah, azy,
9 dia hatrany Aroera,
izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny
lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
10 ary ny tanàna
rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona,
hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona,
11 ary Gileada sy ny
tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary
Basana rehetra hatrany Saleka,
12 dia ny fanjakana
rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no
sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
13 Kanefa tsy mba
noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
14 Ny firenen'i Levy
ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
15 Ary nomen'i Mosesy
lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony
16 Ary ny fari-taniny
dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay
eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17 dia Hesbona sy ny
tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy
Beti-bala-meona
18 sy Jahaza sy
Kedemota sy Mefata
19 sy Kiria-taima sy
Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
20 sy Beti-peora sy
ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota
21 ary ny tanàna
rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo
andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana
izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.
22 Ary Balama, mpanao
fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra
niaraka tamin'izay novonoiny.
23 Ary ny
fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny
taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
24 Ary nomen'i Mosesy
koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.
25 Ary ny faritaniny
dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny
taranak'i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin'i Raba,
26 ary hatrany
Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny
faritanin'i Debira;
27 ary teo amin'ny
lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny
fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny
amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
28 Izany no lovan'ny
taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
29 Ary nomen'i Mosesy
koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena
taranak'i Manase araka ny fokony:
30 Ny fari-taniny
hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga,
mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana,
dia tanàna enim-polo.
31 Ary ny antsasak'i
Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia
an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i
Makira araka ny fokony.
32 Ireo no voazaran'i
Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i
Jeriko.
33 Ary ny firenen'i
Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no
lovany, araka izay efa nolazainy taminy.
*
1 [Ny nanombohan'i
Josoa ny nizarany ny tany: ny anjaran'i Kaleba] Ary izao no nolovan'ny
Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona
sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
2 tamin'ny filokana
no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny
amin'ny firenena sivy sy sasany.
3 Fa efa nomen'i
Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i
Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4 Fa firenena roa ny
taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny
tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny
tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.
5 Araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny
tany izy.
6 Dia nankany amin'i
Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita,
nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7 Efa-polo taona no
andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany
Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay
tao am-poko.
8 Kanefa ireo
rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho
kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.
9 Dia nianiana
tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao
dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.
10 Ary ankehitriny
indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby
efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany
tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny
Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11 Nefa mbola
matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy:
tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na
hivoaka, na hiditra.Jos 14:
12 Ary ankehitriny
omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro
izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady
nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho,
araka izay nolazain'i Jehovah.
13 Dia nitso-drano
azy Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
14 Izany no
nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka
androany satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, izy.
15 Ary tanànan'Arba*
no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba*
izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos.
xv. 54]
1 [Ny anjaran'ny
firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny
filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina
atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
2 Ary ny fari-taniny
atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano
atsimo,
3 dia nandroso
hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra
any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara
ary niolaka hatrany Karka,
4 dia nandroso
hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny
ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5 Ary ny fari-tany
atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny
fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny
faran'i Jordana,
6 dia niakatra
hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra
hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
7 dia niakatra ho any
Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala
tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia
nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8 dia niakatra teo
amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita
(Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay
manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny
Lohasahan'ny Refaita,
9 dia nizotra
hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia
nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala
(Kiriata-jearima izany),
10 dia niolaka
hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso
hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia
nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11 dia nihatra
tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso
hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra
tany amin'ny ranomasina.
12 Ary ny fari-tany
andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny
anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
13 Ary Kaleba,
zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i
Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba*, rain'i Anàka (Hebrona izany).
[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54]
14 Dia noroahin'i
Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary
Talmay.
15 Dia niakatra avy
tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira
taloha).
16 Ary hoy Kaleba:
Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa
zanako-vavy ho vadiny.
17 Ary Otniela,
zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa
zananivavy ho vadiny.
18 Ary rehefa
voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy;
dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no
ilainao?
19 Ary hoy izy: Omeo
tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano
koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20 Izao no lovan'ny
firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
21 Ny tanàna farany
amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany
atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22 sy Kina sy Dimona
sy Adada
23 sy Kadesy sy
Hazora sy Itnana
24 sy Zifa sy Talema
sy Bealota
25 sy Hazora-hadata
sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26 sy Amama sy Sema
sy Molada
27 sy Hazara-gada sy
Hesmona sy Beti-paleta
28 sy Hazara-soala sy
Beri-sheba sy Biziotia
29 sy Bala sy Ie sy
Azema
30 sy Eltolada sy
Kesila sy Horma
31 sy Ziklaga sy
Madmana sy Sansana
32 sy Lebaota sy
Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny
zana-bohiny.
33 Ary teo amin'ny
tany lemaka amoron-tsiraka* dia Estaola sy Zora sy Asna [Heb. Sefela]
34 sy Zanoa sy En-ganima
sy Tapoa sy Enama
35 sy Jarmota sy
Adolama sy Soko sy Azeka
36 sy Saraima sy
Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny
zana-bohiny;
37 ary Zenana sy
Hadasa sy Migdala-gada
38 sy Dilana sy Mizpa
ary Joktela
39 sy Lakisy sy
Bozkata sy Eglona
40 sy Kabona sy
Lamasa sy Kitlisa
41 sy Gederota sy
Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42 Libna sy Atera sy
Asana
43 sy Jifta sy Asna
ary Neziba
44 sy Keila sy Akziba
ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45 Ekrona sy ny
tanànany ary ny zana-bohiny;
46 hatrany Ekrona no
ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47 Asdoda sy ny
tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny
lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48 Ary tany amin'ny
tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49 sy Dana sy
Ririata-sana (Debira izany)
50 sy Anaba sy Estemo
sy Anima
51 sy Gosena sy
Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52 Araba sy Doma sy
Esana
53 sy Janoma sy
Beti-tapoa sy Afeka
54 sy Honta sy
Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
55 Maona sy Karmela
sy Zifa sy Jota
56 sy Jezirela sy
Jokdeama sy Zanoa
57 sy Kaina sy Gibea
sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58 sy Halola sy
Beti-zora sy Gedora
59 sy Marata sy
Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
60 sy Kiriata-bala
(Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
61 Tany an-efitra dia
Bet-araba sy Midina sy Sekaka
62 sy Nibsana sy ilay
Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
63 Ary ny amin'ny
Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa
miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
1 [Ny zara-tanin'ny
taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny
filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko
atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany
havoan'i Betela,
2 dia hatrany Betela
ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
3 dia nidina
niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i
Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
4 Dia azon'i Manase
sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
5 Ary ny amin'ny
fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana
amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
6 Ary ny fari-taniny
dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka
niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7 dia nidina hatrany
Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra
tany Jordana.
8 Ary hatrany Tapoa
dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia
nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka
ny fokony,
9 mbamin'ny tanàna
natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa,
dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.
10 Ary tsy nandroaka
ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny
Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
1 Ary nahazo
zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i
Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika
ka nahazo an'i Gileada sy Basana.
2 Ary nisy koa ho
an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy
Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase,
zanak'i Josefa, araka ny fokony.
3 Fa Zelofada,
zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba
nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala
sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
4 Dia nanatona teo
anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo
ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny
anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny
didin'i Jehovah.
5 Dia nahazo
anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i
Jordana,
6 satria ny zanakavavin'i
Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny
zanakalahin'i Manase sisa.
7 Ary ny fari-tanin'i
Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso
tamin'ny ankavanana* hatramin'ny mponina any En-tapoa. [Na: hatrany Jamina]
8 Ary an'i Manase ny
tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny
taranak'i Efraima.
9 Ary ny fari-taniny
dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny
tanànan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo
avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
10 Ny atsimo dia an'i
Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary
nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
11 Ary Manase nahazo
anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny
zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny
zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any
Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia
amin'ny havoana telo ireo.
12 Kanefa tsy nahazo
ireo tanàna ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra
izany tany izany.
13 Fa rehefa nihahery
ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy
rehetra.
14 Dia niteny tamin'i
Josoa ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray
ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin'Jehovah
toy izao mandraka ankehitriny ?
15 Dia hoy Josoa
taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka
miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra
aminao ny tany havoan'i Efraima.
16 Dia hoy ny
taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny
Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana
sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.
17 Dia hoy Josoa
tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka
mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa
ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao,
na dia* manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]
*
1 [Ny nananganana ny
tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory
tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny
trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2 Ary nisy firenena
fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Dia hoy Josoa
tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra
handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4 Mandoava telo lahy
avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny
tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Ary hizafa azy ho
fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i
Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
6 Ary soratinareo ny
tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho
anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Fa tsy mba manana
anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary
Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any
an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8 Dia niainga ireo
lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka
nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka
eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9 Dia lasa ireo
lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy,
ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao
an-toby tao Silo izy.
10 Ary Josoa dia
nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i
Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11 [Ny nizarana ny
tany sisa andrefan'i Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona,
ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i Josoa] Dia
nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny
tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12 Ary ny fari-taniny
amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i
Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka
dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13 hatreo dia
nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia
nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona
ambany,
14 dia niolaka
tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo
anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala
(Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
15 Ary ny lafiny
atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso
niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16 dia nidina
hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i
Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny
lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany
En-rogela,
17 dia nizotra avy
any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny
fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18 dia nandroso
hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay* ka nidina hatrany amin'ny
tani-hay*.
19 dia nandroso
hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano
avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana;
izany no lafiny atsimo. [*Heb. Arabà]
20 Ary Jordana no
fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny
fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Ary ny tanànan'ny
firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny
lohasahan'i Keziza
22 sy Bet-arabà sy
Zemaraima sy Betela
23 sy Avima sy Para
sy Ofra
24 sy Kefara-hamony
sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25 sy Gibeona sy Rama
sy Berota
26 sy Mizpa sy Kefira
sy Moza
27 sy Rekema sy
Iripela sy Tarala
28 sy Zela sy Elefa
sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata*: tanàna efatra ambin'ny
folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny
fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]
1 Ary ny loka faharoa
dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny
lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.
2 Ary izao no azony
ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
3 sy Hazara-soala sy
Bala sy Azema
4 sy Eltolada sy Betola
sy Horma
5 sy Ziklaga sy
Beti-markabota sy Hazara-sosa
6 sy Beti-lebaota ary
Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
7 sy Aina sy Rimona
sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
8 ary ny zana-bohitra
rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany
atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony.
9 Avy tamin'ny
anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa
nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny
taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
10 Ary ny loka
fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany
dia hatrany Sarida,
11 dia niakatra
niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny
lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
12 dia nitodika
niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia
nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13 dia nandroso
niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona,
izay mipaka an'i Nea,
14 dia niolaka eo
avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
15 Ary Katata sy
Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny
zana-bohiny.
16 Izany no lovan'ny
taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17 Ary ny loka
fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony.
18 Ary ny fari-taniny
dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
19 sy Hafraima sy
Siona sy Anaharata
20 sy Rabita sy
Kisiona sy Abeza
21 sy Rameta sy
Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
22 Ary ny fari-taniny
dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana:
tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
23 Izany no lovan'ny
firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny
zana-bohiny.
24 Ary ny loka
fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony.
25 Ary ny fari-taniny
dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
26 sy Alameleka sy
Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
27 dia nitodika
niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha
Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
28 ary Ebrona sy
Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
29 dia nitodika
hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra
tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba
30 ary Oma sy Afeka
ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31 Izany no lovan'ny
firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny
zana-bohiny.
32 Ary ny loka
fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
33 Ary ny fari-taniny
dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany
Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
34 dia nitodika
niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra
an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo
atsinanana.
35 Ary ny tanàna
mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36 sy Adama sy Rama
sy Hazora
37 sy Kadesy sy
Edrehy sy En-hazora
38 sy Irona sy Migda
ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny
zana-bohiny.
39 Izany no lovan'ny
firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny
zana-bohiny.
40 Ary ny loka
fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
41 Ary ny
fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42 sy Salabima sy
Aialona sy Jitla
43 sy Elona sy Timna
sy Ekrona
44 sy Elteke sy
Gibetona sy Baleta
45 sy Jehoda sy
Bene-beraka sy Gat-rimona
46 sy Me-jarkona sy
Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47 Ary ny
fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny
taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema
nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48 Izany no lovan'ny
firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny
zana-bohiny.
49 Dia vitany ny
nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely
lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.
50 Araka ny tenin'i
Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny
tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
51 Ireo no lova izay
nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i
Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia
vitany avokoa ny nizarany ny tany.
*
1 [Ny nifidianana ny
tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny
tamin'i Josoa ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy
taminareo,
3 handosiran'izay
nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny
mpamaly rà
4 Ary raha misy
mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo
anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona
amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana,
mba hitoetra ao aminy.
5 Ary raha manenjika
azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy,
satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
6 Dia hitoetra ao
amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana
hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia
hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any
amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7 Dia nanokana an'i
Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny
tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i
Joda.
8 Ary dia nifidy an'i
Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary
Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay
an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.
9 Ireo no tanàna
voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay
rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy
mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.
*
1 [Ny tanànan'ny
mpisorona sy ny Levita] Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia
nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely
2 ka niteny taminy
tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba
homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.
3 Dia avy tamin'ny
lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany
manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah.
4 Dia nahazo loka ny
fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita
dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i
Simeona ary ny firenen'i Benjamina.
5 Ary ny loka azon'ny
taranak'i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima
sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
6 Ary ny loka azon'ny
taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny
firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny
antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.
7 Ary ny loka azon'ny
taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny
firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
8 Dia nomen'ny
Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany
manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.
9 Dia nomeny avy
tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanàna
hotononina ireto,
10 izay azon'ny
taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy
ny loka voalohany.
11 Dia nomeny azy ny
tanànan'i Arba*, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda,
mbamin'ny tany manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54]
12 Fa ny saha momba
ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
13 Dia nomeny ny
taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy
14 ary Jatira sy ny
tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15 ary Holona sy ny
tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,
16 ary Aina sy ny
tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny
tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;
17 ary avy tamin'ny
firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany
manodidina azy
18 ary Anatota sy ny
tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.
19 Ny tanàna rehetra
an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina
azy avy.
20 Ary ny amin'ny
taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanàna azony
tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima.
21 Dia nomeny azy
Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy
22 ary Kibzaima sy ny
tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
23 ary avy tamin'ny
firenen'i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany
manodidina azy.
24 ary Aialona sy ny
tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;
25 ary avy tamin'ny
antsasaky ny firenen'i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary
Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.
26 Ny tanàna rehetra
azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.
27 Ary izao no
azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny
firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy,
dia tanàna roa;
28 ary avy tamin'ny
firenen'Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany
manodidina azy,
29 ary Jarmota sy ny
tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
30 ary avy tamin'ny
firenen'i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany
manodidina azy
31 ary Helkata sy ny
tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;
32 ary avy tamin'ny
firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina
azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo.
33 Ny tanàna rehetra
an'ny Gersonita isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy
avy.
34 Ary izao no
azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i
Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina
azy,
35 ary Dimna sy ny
tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
36 ary avy tamin'ny
firenen'i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany
manodidina azy,
37 ary Kedemota sy ny
tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;
38 ary avy tamin'ny
firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna
fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy
39 ary Hesbona sy ny
tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy
rehetra.
40 Ny tanàna rehetra
an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia
tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.
41 Ny tanàna rehetra
an'ny Levita teo anatin'ny lovan'ny Zanak'Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny
tany manodidina azy avy.
42 Ireo tanàna ireo
samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna
rehetra ireo.
43 [Ny nahatanterahana
ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny
Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova
izany izy ireo ka nonina teo,
44 Dia nomen'i
Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany
tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona
teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
45 Tsy nisy latsata
na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny
taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
*
1 [Ny nampodiana ny
firenena roa sy sasany any an-dafy atsinanan'i Jordana, sy nanorenany ilay
alitara teo amoron'i Jordana, ary ny nataon'ny firenena sasany tamin'izany. ]
Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny
firenen'i Manase,
2 ka hoy izy taminy:
Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah
anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
3 tsy nilaozanareo ny
rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa
notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
4 Ary ankehitriny dia
efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay
nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy,
ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any
an-dafin'i Jordana.
5 Kanefa mitandrema
tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i
Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo
amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary
hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
6 Dia nitso-drano azy
Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
7 Ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa
nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha
nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
8 ka nilazany hoe:
Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby
aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary
fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny
fahavalonareo.
9 Dia nody ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny
Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany
Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy
nolazain'i Mosesy.
10 Ary raha tonga teo
amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny
antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny
fijery izany alitara izany.
11 Ary ny
Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky
ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i
Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
12 Ary nony ren'ny
Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
13 Dia naniraka an'i
Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany
Gileada,
14 sy loholona folo
lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely
rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15 Dia tonga tany
amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany
amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16 Izao no lazain'ny
fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry
ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany
tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
17 Zavatra kely
loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika
ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay
areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
18 no dia mihodina
miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah
ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy
rahampitso.
19 Kanefa raha maloto
ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny
tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i
Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i
Jehovah Andriamanitsika.
20 Tsy nandika ny
didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona*, ka nisy fahatezerana
nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io
ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]
21 Dia namaly ny
taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny
mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
22 Andriamanitra
Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no
mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i
Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23 raha izany no
nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra
fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia
aoka Jehovah no hanadina;
24 fa tahotra tokoa
no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny
taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely?
25 fa Jordana no
nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka
tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo
tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
26 Dia hoy izahay:
Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa,
na fanatitra hafa alatsa-drà,
27 fa mba ho
vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny
fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy
fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo
amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
28 Ary hoy izahay:
Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe:
Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana
fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona
ho amintsika roa tonta.
29 Sanatria aminay
raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah
hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na
fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay
eo anoloan'ny tabernakeliny.
30 Ary rehefa ren'i
Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny
Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy
Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
31 Ary hoy Finehasa,
zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i
Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany
fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny
Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.
32 Ary Finehasa,
zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i
Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any
amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
33 Ary sitraky ny
zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy
nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny
taranak'i Robena sy Gada.
34 Dia nasian'ny
taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho
amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
*
1 [Fananarana
nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho
an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia
efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
2 dia nantsoin'i Josoa
ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny
mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso
fahanterana,
3 ary ianareo efa
nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra
ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
4 Indreo, efa
voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo,
hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny
Ranomasina Lehibe andrefana.
5 Ary Jehovah
Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo
anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah
Andriamanitrareo taminareo.
6 Dia mahereza tsara
ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i
Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho
amin'ny ankavia,
7 mba tsy
hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny
andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza
manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8 fa Jehovah
Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
9 Fa nandroaka
firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona
nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
10 Ny lehilahy iray
aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho
anareo, araka izay nolazainy taminareo.
11 Dia tandremo tsara
ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
12 Fa raha mihemotra
ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady
aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
13 dia ho fantatrareo
tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah
Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana
amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany
ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo
ity.
14 Ary, indro, efa
handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao
amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia
zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy
latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
15 Ary tahaka ny efa
nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah
Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra
mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo ity.
16 Amin'izay
hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy
handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany,
dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana
ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
*
1 [Ny teny farany
nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy
hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra
tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy
ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
2 Ary hoy Josoa tamin'ny
vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany
an-dafin'ny Ony* no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama
sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata]
3 Dia naka an'i
Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony* Aho ka nitondra azy nitety ny tany
Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
[Eofrata]
4 Ary Isaka koa dia
nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny
tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
5 Dia naniraka an'i
Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary
rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
6 Ary nony nitondra
ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina
ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny
Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
7 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady
nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay
nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
8 Ary nentiko ho any
amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia
niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo
ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9 Dia nitsangana
Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia
naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
10 Fa tsy nety nihaino
an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny
tànany Aho.
11 Ary nita an'i
Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko
mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy
ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12 Dia nampandehaniko
teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny
mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny
tsipìkanao.
13 Ary nomeko tany
izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina
tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay
tsy nataonareo ianareo.
14 Koa ankehitriny,
matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana;
ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony* sy
tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata]
15 Nefa raha tsy
sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo.
na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny
andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha
izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
16 Dia namaly ny
vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay
andriamani-kafa.
17 Fa Jehovah
Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany
amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny
famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana
rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18 Ary Jehovah
nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto
amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no
Andriamanitsika.
19 Ary hoy Josoa
tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra
masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny
fahotanareo.
20 Raha mahafoy an'i
Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory
anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21 Dia hoy ny vahoaka
tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22 Dia hoy Josoa
tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i
Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23 Arionareo
ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24 Dia hoy ny vahoaka
tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
25 Ary dia nanao
fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy
didy tany Sekema.
26 Dia nosoratan'i
Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato
lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny
fitoera-masin'i Jehovah.
27 Dia hoy Josoa
tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa
nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona
aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
28 Dia nampodin'i
Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
29 [Ny nahafatesan'i
Josoa sy Eleazara, sy ny nandevenana ny taolan'i Josefa] Ary rehefa afaka izany
zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo
amby zato taona ny androny.
30 Dia nalevina tao
amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany
havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31 Ary nanompo an'i
Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro
rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa
rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
32 Ary ny taolan'i
Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao
Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy* zato tamin'ny zanak'i
Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. [Heb. kesita;
izahao Gen. xxxiii. 19]
33 Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.