Tonon-kiran'i Solomona
1 Ny tonon-kira tsara
indrindra, izay nataon'i Solomona.
2 [Ny ampakarina sy ny
zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany
izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3 Mani-pofona ny menakao
tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy
anao.
4 Taomy aho, dia
hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho.
Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny
fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
5 Mivalomainty aho, nefa
tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny
ambain-dain'i Solomona.
6 Aza mibanjina ahy, fa
mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny;
Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa,
dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
7 Lazao amiko, ry ilay
tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha
antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana* aho Eny amin'ny
andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
8 Raha tsy fantatrao, ry
tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny
ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
9 [Ny mpanjaka sy ny
ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko
mitarika ny kalesin'i Farao.
10 Mahatsara ny
tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
11 Nefa rojo volamena
misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
12 Raha mipetraka
amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
13 Ny malalako dia miora
am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14 Ny malalako dia
tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
15 Indro, tsara tarehy
ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny
masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
16 Indro, tsara tarehy
ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
17 Sedera ny
sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
1 Izaho dia voninkazo
eny an-tanety* ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
2 Toy ny lilia eo
amin'ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
3 Toy ny hazo poma
amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra
ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny
voany.
4 Nentiny ho ao
an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
5 Hatanjaho
amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.
6 Aoka ny tànany
ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
7 Mampianiana anareo
amin'ny gazela* na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i
Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby
haingan-tongotra]
*
8 [Tenin'ny
ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy
izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny
amin'ny havoana.
9 Ny malalako dia
tahaka ny gazela* na ny diera* tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay** izy,
mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny
makarakara.[*Anaram-biby haingan-tongotra][**Heb. ivelan'ny rindrinay]
10 Niteny ny malalako
ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka
andeha ary!
11 Fa, indro, lasa ny
ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
12 Miposaka eo amin'ny
tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny
tanintsika ny feon'ny domohina.
13 Ny aviavy* mahamanitra
ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry
tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
14 E, ry voromailalako
ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny
fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny
feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
15 Sambory ny
amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa
efa mamony izao ny voalobotsika.
16 Ahy ny malalako, ary
azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.
17
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, mitodiha, ry
ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela** na ny diera** tanora eny
an-tendrombohitra be hantsana*** ianao. [*Heb. mandositra ny
aloka][**Anaram-biby haingan-tongotra][***Na: tendrombohitra manelanelana]
1 Teo am-pandriako nony
alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy
nahita azy.
2 Dia hoy izaho: Hifoha
aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana,
hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
3 Hitan'ny antily izay
mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay
tian'ny fanahiko iny?
4 Nony vao nandalo ireo
vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy
navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny
efi-tranon'ilay niteraka ahy.
5 Mampianiana anareo
amin'ny gazela* na amin'ny dieravavy* any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i
Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa
sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
*
6 [Ny amin'ny
nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra,
tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo
mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?
7 Indro ny filanjan*'i
Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery
amin'ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]
8 An-tsabatra avokoa izy
rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny
tahotra amin'ny alina.
9 Nanao filanjana* ho
azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]
10 Volafotsy no nataony
andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny
voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
11 Mivoaha, ry
zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay
satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia
tamin'ny andro nifalian'ny fony.
1 Endrey, tsara tarehy
ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia
voromailala eo amin'ny fisalobonanao*; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany,
izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao
milantolanto]
2 Ny nifinao dia tahaka
ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana;
Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
3 Tahaka ny kofehy jaky
ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao*; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra
ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao**,[*Heb. fitenenanao][**Na: volonao
milantolanto]
4 Ny vozonao dia tahaka
ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no
voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
5 Ny nononao roa dia toy
ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
6 Mandra-pangatsiatsiaky
ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, dia handeha aho ho any amin'ny
tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra
ny aloka]
7 Tsara avokoa izato
bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
8 Hiaraka amiko avy any
Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana
eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny
liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
9 Efa lasanao ny foko,
ry havako* ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny
rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko]
10 Akory ny
hatsaran'ny fitiavanao, ry havako* ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao!
eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka
manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
11 Mitete tantely toy ny
avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao
ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
12 Saha voahidy ny
havako* ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb.
anabaviko]
13 Hianao no saha
anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
14 Eny, narda sy
safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona
rehetra. Miora sy hazo manitra* Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb.
ahalota]
15 Loharano ao
an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
16 Mifohaza, ry
rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako
hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana
ny voankazony tsara.
1 Efa tonga eto
an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro
aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny
divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny,
mivokisa divay, ry malala.
*
2 [Teny nataon'ny
ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa
nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao
hoe: Vohay aho, ry havako* ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy
kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny
alina.[Heb. ampakariko]
3 Fa hoy izaho: Efa
niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
4 Nampiditra ny tànany
teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
5 Nitsangana hamoha
varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny
rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.
6 Namoha varavarana ny
malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny
nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
7 Nahita ahy ny antily
izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny
manda nanala ny lamba fisaronako.
8 Mampianiana anareo
aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana
no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
9 Inona ny malalanao
mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny
malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao
ianao?
10 Ny malalako dia sady
fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
11 Ny lohany dia toy ny
tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
12 Ny masony dia tahaka
ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny
vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
13 Ny takolany dia
tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany
navosaina* misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete
ranon'ny miora.[Heb. tilikambo]
14 Ny tenany dia tahaka
ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra
tsara sady misarona safira;
15 Ny ranjony dia tahaka
ny andry vatosanga* miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia
tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]
16 Mamy dia mamy ny
vavany*, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany
ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
1 Nankaiza ny malalanao,
ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay
aminao hitady azy.
2 Lasa nidina ho any
an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo
an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
3 An'ny malalako aho,
ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
4 Tsara tarehy tahaka
an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i
Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
5 Avilio ny masonao tsy
hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy
andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
6 Ny nifinao dia tahaka
ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana
avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
7 Tahaka ny
hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao*.[Na : ny
volonao milantolanto]
8 Misy mpanjakavavy
enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
9 Fa iray monja kosa no
voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina
amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny
mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
10 Iza moa io vehivavy
mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny
masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
11 Lasa nidina nantany
an-tsaha tsara hazo* aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha
mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]
12 Tsy nampoiziko ny
nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
*
1 Miverena, miverena, ry
Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny
Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima*.[Na: ataon'ny mpandihy roa tonta;]
2 Endrey! mahate-hijery
ny famindran'ny tongotrao mikiraro*, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny
firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]
3 Ny foitrao dia tahaka
ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy!
Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
4 Ny nononao roa dia
tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
5 Ny vozonao dia tahaka
ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo
am-bavahadin'ny tanàna be olona*; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any
Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin'i Beta-rabina]
6 Ny lohanao dia tahaka
an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy.
Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka!
7 Endrey! tsara tarehy
sady mahafinaritra ianao, ry malala*, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra
izao![Heb. ry fitiavana]
8 Izato tsangananao dia
tahaka ny rofia*, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]
9 Hoy izaho: Hananika ny
rofia* aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny
sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma,[palma]
10 Ny vavanao dia toy ny
divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra
misononoka amin'ny molotry ny matory.
11 An'ny malalako aho,
sady manina ahy* izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]
12 Avia, ry malalako,
aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
13 Dia aoka hifoha
maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka
ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no
hanehoako ny fitiavako anao.
14 Mamerovero tsara
ny dodaima*, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao
na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
TOKO 8
1 Enga anie ka ho
tahaka ny anadahiko, izay ninono an'ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny
ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon'olona notevatevaina aho.
2 Dia ho entiko ka
hampidiriko ho ao an-tranon'ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko
divay noharoharoan-java-manitra mbamin'ny ranon'ampongaben-danitro ianao.
3 Aoka hanondana ahy
ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
4 Mampianiana anareo
aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy
efa sitrapony.
*
5 [Ny nandehanany ho
any amin'ny tany nihavian'ny ampakarina] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any
an-efitra, mitehina amin'ny malalany? Teo ambanin'iny hazo poma no namohazako
anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian'ilay niteraka
anao.
6 Ataovy toy ny
fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa
mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita* ny
fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah.[Heb.
Sheola]
7 Na dia ny ony maro
aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na
dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana,
dia hatao tsinontsinona izy.
8 Manana zandrivavy
tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin'ny zandrivavinay***,
raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][**Na:
hataontsika][***Na: zandrivavintsika]
9 Raha manda izy, dia
hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy,
dia hotampenanay** hazo fisaka sedera.[*Na: hananganantsika][**Na:
hotampenantsika]
10 Mànda aho, dia toy
ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
11 Solomona
nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin'olona mpiandry voly ny
tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho
solon'ny vokatra.
12 Ny
tanim-boaloboko, eny, ilay an'ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia
anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an'izay mpiandry voly.
13 Ry mitoetra eny
an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
14 Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela* na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.[Anaram-biby haingan-tongotra]