Skip to main content

2 JAONA

2 Jaona

 

1 [Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona* mamangy an'itompokovavy** voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [* Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria]

2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:

3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana.

 

4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.

5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria]

6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.

7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.

8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.

9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.

10 Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;

11 fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.

12 Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

13 Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.

Ny Betsaka Mpamaky Indrindra

FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5

  FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5  1 JAONA 5 : 4, 5 “ Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?” INONA NO TIAN’I JAONA AMBARA AMINTSIKA? Mpanoratra: Araka ny lovantsofina tranaina moa dia i Jaona Apostoly izay zandriny indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy no nanoratra ity bokin’i Jaona voalohany ity. Izy dia nalefa sesitany tamin’ny nosy atao hoe Patmo araka ny fanambaran’ny Apokalypsy toko 1. Ny antony nanoratany ilay andininy notsongaina: Nanoratra izy dia ny mba hanomezana toky ny mpino fa ny finoany an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra no manome azy ireo fandresena ny fakam-panahy, ny fanerena ary ny fampianaran-diso eto amin'izao tontolo izao. Manantitrantitra izy fa ny fahaterahan'Andriamanitra dia mitondra ny tanjaka ara-panahy ilaina handresena ny ratsy sy hijanonana...

FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15

 FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15  AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY Mitohy toy izao ny andininy: “ mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa. Izany dia mitarik...