Joela
1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i
Petoela.
2 [Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho
izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra
amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny
razanareo, va izao?
3 Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo
hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka
mandimby azy.
4 Izay sisan'ny kijeja* dia nohanin'ny koraika; Ary izay
sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao*: Ary izay sisan'ny valalavao dia
nohanin'ny sompanga***. [*Heb. mpikiky][**Heb. mpilelaka] [***Heb. mpandany]
5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny,
midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria
tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
6 Fa misy firenena
mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona,
ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
7 Nataony simba tokoa
ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka
nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8 Midradradradrà toy
ny virijina misikindamba fisaonana* noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.[Heb.
lamba malailay]
9 Efa tapaka tsy ho
ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina;
Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
10 Mariry ny saha,
misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena*
ny diloilo.[Heb. Malazo]
11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà,
ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa
majifa ny vokatry ny saha;
12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa
ny ampongaben-danitra sy ny rofia* ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha;
Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. [palma]
13 Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona;
midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha
mandry amin'ny lamba fisaonana* mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana
ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny
fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]
14 Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana
masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i
Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i
Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny,
ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
17 Matimaso ao
ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano
fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
18 Indrisy, ny
fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy;
Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.
19 Jehovah ô, Hianao
no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa
nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Na dia ny biby any
an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa
levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
*
1 [Filazana ny loza
hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary
miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra
amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2 Dia andro maizina
sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina
miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy
tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany
hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
3 Eo alohany misy afo
mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo
alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy
azony.
4 Mitarehin-tsoavaly
ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5 Tahaka ny
figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny
fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety,
ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6 Eo anoloany dia
raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika*; [Na:
tera-mena]
7 Mitsarapaka tahaka
ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso
amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8 Tsy mifanosika izy,
fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza
izy, dia tsy voaratra*. [Na: voasakana]
9 Mifamoivoy eran'ny
tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra
ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10 Eo alohany dia
mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana
tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11 Ary Jehovah
mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary
mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny
andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
12 Koa na dia
ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary
amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13 Ary ny fonareo no
triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny
amin'ny loza,
14 Fandrao mba*
hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy
fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na]
15 Tsofy ao Ziona ny
anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.
16 Angony ny vahoaka,
manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny
zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny
ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17 Eo anelanelan'ny
lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao
fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah,
ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa*; Fa nahoana no
hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny
jentilisa azy ho ambentinteny]
18 [Ny hitsaharan'ny
loza, sy ny hihavian'ny fitahiana] Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady
niantra ny olony.
19 Eny, Jehovah
namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny
ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary
tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
20 Ary ilay avy any
avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina
sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny
vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra,
ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21 Aza matahotra, ry
tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22 Aza matahotra, ry
biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary
vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23 Ary ianareo, ry
zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa
hanome anareo ny loha-orana onony Izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra
ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra
ny fahamarinana ianareo]
24 Dia ho feno vary ny
famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25 Ary honerako ho
anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny
kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26 Ary hihinana ianareo
ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny
fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
27 Dia ho fantatrareo fa
ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy
hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
*
1 [Ny amin'ny
handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa
afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany
ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny
zatovonareo hahita fahitana;
2 Ary na dia ny
mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany
andro izany.
3 Ary hanisy fahagagana
eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka
mitankosina.
4 Ny masoandro hampodina
ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah,
izay sady lehibe no mahatsiravina.
5 Ary na zovy na zovy no
hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra
Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah,
ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
1 Fa, indro, amin'ireo
andro ireo sy amin'izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema
avy amin'ny fahababoany,
2 Dia hangoniko ny
jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin'ny Lohasahan'i Josafata*, ary ao
no hifandaharako aminy noho ny amin'ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny
tany amin'ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,[Josafata = Jehovah no
mitsara]
3 Sady nanaovany loka ny
oloko, dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no
namidiny divay ka nosotroiny.
4 Ary ianareo koa, ry
Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo?
Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no
hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
5 Noho ny natanareo ny
volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra
ho ao amin'ny tempolinareo;
6 Ary ny zanak'i Joda sy
ny zanak'i Jerosalema dia namidinareo tamin'ny zanaky ny Grika, hamindranareo
azy hanalavitra ny taniny.
7 Indro, hofohaziko izy
hiala ny amin'ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary
hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
8 Ka hamidiko ho
lasan'ny zanak'i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary
hamidiny amin'ny Sabeana kosa ireny, dia ho an'izay firenena lavitra; Fa
Jehovah no efa niteny.
9 Antsoy any amin'ny
jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka
handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
10 Tefeo ho sabatra ny
fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay
kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
11 Avia faingana,
ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midina ao ny
maherinao, Jehovah ô.
12 Hifoha ny jentilisa
ka hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny
jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
13 Arosoy ny fijinjana,
fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny
famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
14 He izany vahoaka
mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i
Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana.
15 Ny masoandro sy ny
volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
16 Jehovah mierona ao
Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa
Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely.
17 Ary dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona,
tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba
handeha hamaky eo intsony.
18 Amin'izany andro
izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny
havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, ary hisy loharano
hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak'i Sitima.
19 Egypta kosa ho tonga
tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda,
dia ny nandatsahany rà marina teo amin'ny taniny.
20 Fa Joda honenana
mandrakizay, ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby.
21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.