Hebreo
1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa
nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro
samy hafa sy ny fanao samy hafa;
2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika
ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany
izao tontolo izao,
3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany
indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa
nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana
ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo
4 ka natao
tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5 Fa
anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao
androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho
Zanako"? (2 Sam. 7.14.)
6 Ary raha
mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary
aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
7 Ary ny
anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny
mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).
8 Fa ny
Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia
mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
9 Tianao
ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao,
efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6,
7).
10 Ary
izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary
asan'ny tananao ny lanitra;
11 Ireo dia
ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12 Ary toy ny
lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy
miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).
13 Fa anjely
iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana,
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
14 Tsy fanahy
manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova
famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]
1 Ary
amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika,
fandrao hindaosina hiala aminy isika.
2 Fa raha
mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny
fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,
3 hataontsika
ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia
ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre
tamintsika kosa,
4 sady
Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny
fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina
nozarazarainy araka ny sitrapony.
5 Fa tsy
anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
6 Fa ny
anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao
azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
7 Nataonao
ambany kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana
izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety]
8 Ny zavatra
rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa
tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny
azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra
rehetra.
9 Fa Ilay
natao ambany kely* noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny
fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba
hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny
fahasoavan'Andriamanitra. [*Na: vetivety]
10 Fa
miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra
rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka
ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
11 Fa iray no
nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy
mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
12 ka manao
hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no
hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia]
13 Ary koa:
"Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza
nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
14 Koa satria
manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany
amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 ary mba
hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho
ny tahotra ny fahafatesana.
16 Fa hita
marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa
amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra
Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba
hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 Fa satria
nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay
alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha
nalaim-panahy izy]
1
[Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina,
mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe
Izay ekentsika, dia Jesosy,
2 Izay
mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny
tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7]
3 Fa Izy
dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao
trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Fa ny trano
rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia
Andriamanitra.
5 Ary Mosesy
dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana
izay zavatra mbola holazaina;
6 fa Kristy
kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha
hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba
ny fanantenana.
7 Koa araka
izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
8 Aza
manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy
tany an-efitra,
9 Izay
nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako
efa-polo taona izy.
10 Koa
tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny
fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Ary araka
izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako
mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
12 Tandremo,
ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala
amin'Andriamanitra velona;
13 fa
mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy
aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
14 Fa efa
tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny
fahatokiantsika hatramin'ny farany;
15 raha atao
hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka
ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
16 Fa iza moa
no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany
Egypta va?
17 Ary iza no
nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany
an-efitra ny fatiny?
18 Ary iza
no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19 Ka dia
hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
TOKO 4. 1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny
fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo
toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika
koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny
dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na:
satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]
3 Fa isika
izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe:
"Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny
fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana
izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa
nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary
Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito"
(Gen. 2.3).
5 Ary
amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal.
95. 11].
6 Koa
satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara
tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia
mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao
amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha
hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)
8 Fa raha
Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao
aorian'izany.
9 Koa dia
mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
10 Fa izay
niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany,
tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy]
11 Koa aoka
isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka
amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
12 Fa velona
sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka
manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny
tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
13 Ary tsy
misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra
rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
14 [Fampitahana
an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay
lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona
ilay efa nekentsika.
15 Fa isika
tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay
efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana
ota.
16 Koa aoka
isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba
hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay
andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany]
1 Fa ny
mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona
hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka
ota,
2 dia olona
izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia
mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
3 ary noho
izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy
ny ataony ho an'ny olona ihany.
4 Ary tsy
misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay
antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
5 Dia toy
izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay
nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"
(Sal.2.7);
6 ary toy ny lazainy
eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny
fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
7 Tamin'ny
andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana
mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady
voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na:
voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany]
8 dia
nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9 ary rehefa
natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay
rehetra manaraka Azy,
10 fa
notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i
Melkizedeka."
11 [Anatra sy
famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro
izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12 Fa na dia
tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila
izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary
efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Fa izay
rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana,
satria mbola zaza-bodo.
14 Fa ho
an'izay efa lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra
nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]
1 Koa aoka
hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny
tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana
amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2 ary
fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny
fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
3 Ary izany
no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4 Fa izay efa
nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra
sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa
nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6 nefa
nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo
ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho
fahamenarana.
7 Fa izay
tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho
an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
8 fa izay
maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny
hiafarany dia ny hodorana.
9 Nefa, ry
malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny
aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10 Fa
Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay
nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo
sady mbola manompo ihany.
11 Ary mbola
irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny
fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
12 mba tsy
hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny
finoana sy ny faharetana.
13 Fa
Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe
noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14 ka nanao
hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen.
22.17).
15 Ary araka
izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16 Fa ny
olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia
ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17 Ary
amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny
fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana
izany,
18 mba ho
zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no
hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny
fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19 izay
ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any
anatin'ny efitra lamba;
20 tany no
nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe
"mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.
1
[Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i
Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama,
rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2 sady
nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika
ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa,
izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3 tsy
manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana
voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),-
izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
4 Ary hevero
ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny
ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5 Ary izay
avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny
fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany,
na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
6 nefa izay
tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i
Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7 Ary tsy azo
lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny
tenany.
8 Ary etỳ dia
izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay
nambara fa velona.
9 Ary toa azo
lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny
fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10 satria
mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i
Abrahama.
11 Koa raha
nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny
olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i
Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
12 Fa raha
ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13 Fa Izay
nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy
olona manompo eo amin'ny alitara.
14 Fa hita
marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena
izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
15 Ary hita
marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i
Melkizedeka,
16 izay natao
tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy
manam-pahataperana.
17 Fa Izy dia
nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i
Melkizedeka" (Sal.110.4).
18 Fa misy
fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19 (fa ny
lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny
fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20 Ary tahaka
an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21 - fa ireny
kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana
nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina:
Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22 - dia
tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara
lavitra.
23 Fa natao
maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa
dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa
amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany
Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26 Fa
Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy
tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27 Izay tsy
mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny,
voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany
dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
28 Fa ny
lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny
fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay
notanterahina ho mandrakizay.
1
[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i
Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no
fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny
ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
2 Mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay
naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
3 Fa ny
mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary
amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
4 Koa raha
etỳ ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo
ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5 dia ireo
manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any
an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny
tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay
naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
6 Fa
ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia
araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay
natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
7 Fa raha tsy
nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana
hotadiavina ho an'ny faharoa.
8 Fa manome
tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay
hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
9 Nefa tsy
araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy
nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra
tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Fa izao no
fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy
Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 Ary samy
tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i
Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka
hatramin'ny lehibe indrindra;
12 Fa
hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny
fahotany" (Jer. 31. 31-34).
13 Amin'ny
anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay
tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
1 Koa na dia
ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana,
ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany.
2 Fa nisy
tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana
masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
3 Ary ao
anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny
fitoerana masina indrindra,"
4 izay nisy
lovia* volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay
voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena,
izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky
ny fanekena; [* Na: alitara]
5 ary teo
ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra
fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
6 Ary rehefa
voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely
voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
7 Fa ny
faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona;
ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny
tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
8 koa izany
no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny
fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9 fanoharana
izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana
sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
10 (fa
naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa),
dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
11 Fa Kristy
kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky
teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy
nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
12 ary tsy
mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia
niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana
mandrakizay.
13 Fa raha ny
ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay
voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,
14 mainka fa
ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra,
tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka
amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
15 Ary noho
izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra
fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany,
mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
16 Fa raha
misy didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy.
[* Na: fanekena]
17 Fa mafy ny
didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha
mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena]
18 Koa na dia
ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
19 Fa rehefa
voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia
nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry
jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 dia hoy
izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
21 Ary ny
tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany
rà toy izany koa.
22 Ary saiky
diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy
rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Koa dia
tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny
tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Fa Kristy
tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny
tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo
anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra
Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny
fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha
izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo
izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao
Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27 Ary tahaka
ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia
hisy fitsarana,
28 dia tahaka
izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia
hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
1 Fa ny
lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany
zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra
ateriny mandrakariva isan-taona.
2 Raha izany,
dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray
mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Fa amin'ireo
dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy
mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
5 Koa nony
niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra
alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho
Ahy;
6 Ny
fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 Dia hoy
Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny
sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8 Rehefa
nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny
fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka
ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
9 dia hoy
indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny
voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10
Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i
Jesosy Kristy indray mandeha.
11 Ary ny
mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy
manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 fa Izy
kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa
mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa
mipetraka mandrakizay]
13 ka
hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Fa ny
fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona
hamasinina.
15 Ary ny
Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16
"Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy
Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
17 dia hoy
koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer.
31.33, 34).
18 Ary
rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 [Teny
famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa
amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana
masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20
amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo
amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady
manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
22 dia aoka
isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa
tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy]
23 aoka
hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa
mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 ary aoka
isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25 aza
mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara
kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Fa raha
minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy
fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa
fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay
handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay
manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo
ka tsy asiana famindram-po;
29 manao
ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay
nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana
azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa
fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary
koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31 Zavatra
mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32 Fa tsarovy
ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa
nohazavaina ianareo;
33
indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana
ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
34 Fa sady
niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny
fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra
sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara
lavitra sady maharitra]
35 Koa aza
manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 Fa tokony
hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana,
rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
37 Fa
"rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy
hitaredretra"
38 Ary
"ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy,
dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)]
39 Fa isika
tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho
amin'ny famonjena ny fanahy.
1
[Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no
fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2 Fa izany no
nahatsara laza ny ntaolo.
3 Finoana no
ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka
dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4 Finoana no
nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka
izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny
amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola
miteny ihany.
5 Finoana no
namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria
nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa
nankasitrahan'Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy
amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay
manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa
izay mazoto mitady Azy.
7 Finoana no
nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa
notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no
nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana
araka ny finoana.
8 Finoana no
naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony
ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9 Finoana no
nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any
an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany
teny fikasana izany aminy;
10 fa
nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika
sy Mpanao izany.
11 Ary na
Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa
nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12 Koa dia
avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny
kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy
hita isa.
13 Ireo
rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana;
fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa
vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
14 Fa izay
milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 Ary raha
tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16 Fa
amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany
Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra
tanàna ho an'ireo Izy.
17 Finoana no
nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy
tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18 dia ilay
nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao"
(Gen. 21.12).
19 Fa
nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny
avy tamin'izany no nandraisany azy.
20 Finoana no
nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
21 Finoana no
nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka
nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
22 Finoana no
nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany
ny amin'ny taolany.
23 Finoana no
nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy,
satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
24 Finoana no
nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe
izy,-
25 nifidy
mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana
fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
26 nanao ny
fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta,
satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 Finoana no
nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa
naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 Finoana no
nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay
nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny]
29 Finoana no
nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny
Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30 Finoana no
nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31 Finoana no
tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny
mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
32 Ary inona
koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy
Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33 izay
nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana,
nanakombona ny vavan'ny liona,
34 namono ny
fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia
nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny
firenena hafa.
35 Ny
vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany
nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany
fitsanganana tsara lavitra;
36 ary ny
sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37
notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia
nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
38 (nefa izao
tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy
tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39 Ary ireo
rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba
nandray ny teny fikasana,
40 fa
Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao
tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
1 [Fananarana
hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany,
satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona,
dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota
izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana
amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
2 mijery an'i
Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana,
fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka
dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
3 Fa hevero
tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho
ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena]
4 Hianareo
tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
5 Ary
hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe:
"Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza
reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6 Fa izay
tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny"
(Oha. 3.11,12).
7 Famaizana
no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa
aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8 Fa raha tsy
faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9 Ary koa,
isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy;
tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
10 Fa ireny
dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa
Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
11 Fa ny
famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa
rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho
an'izay nanaovana azy izy.
12 Koa
hatanjaho* ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [* Na: ahitsio]
13 ary
manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry
ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14 Miezaha
mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy
manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15 Ary
mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao
hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
16 fandrao
hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay
nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
17 Fa
fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia
nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny
ranomaso aza.
18 [Ny
halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny
helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo
tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy
ny tafio-drivotra
19 sy ny
fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka
mba tsy hasian-teny intsony izy;
20 fa tsy
tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny
tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
21 ary satria
loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy
mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).
22 Fa ianareo
kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia
Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny
fihaonana fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra,
sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona
marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny
fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia]
24 sy amin'i
Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay
tsara lavitra noho ny an'i Abela.
25 Tandremo
mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny
nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany,
mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
26 Izay
nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny
fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa
ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
27 Ary ny hoe
"indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra
ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy
ampihorohoroina.
28 Koa satria
mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana
fahasoavana* ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny
fanajana sy ny fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]
29 fa
Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
1 [Anatra sy
fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2 Aza
manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny
sasany, nefa tsy fantany.
3 Tsarovy
izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina,
satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
4 Aoka
hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny
fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
5 Aoka tsy ho
amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy
Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos.
1.5).
6 Ka dia sahy
manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no
azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
7 Tsarovy ny
mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny
niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
8 Jesosy
Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9 Aza mety
havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina
amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra
azy.
10 Isika
manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11 Fa rehefa
nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho
ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
12 Ary
amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny
olona amin'ny ràny.
13 Koa aoka
isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14 Fa etỳ
isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15 Koa aoka
isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra
mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16 Fa aza
manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
17 Manekè ny
mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay
tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny
fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18 Mivavaha
ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena
tsara amin'ny zavatra rehetra.
19 Nefa
mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho
aminareo.
20 Ary
Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry
ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay*, [*
Na: Mpiandry ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny
maty]
21 Izy anie
hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao
anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho
Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa tsara]
[**Na: (anatintsika)]
22 Ary
mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra
epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
23 Aoka ho
fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha
faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24 Manaova
veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay
an'Italia dia manao veloma anareo.
25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.