Skip to main content

FILEMONA

Filemona

 

1 [Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,

2 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:

3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,

5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao]

6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.

7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,

9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra]

10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]

11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;

12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;

13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;

14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.

15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,

16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.

17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.

18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;

19 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.

20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.

21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

22 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.

23 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,

24 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.

25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Ny Betsaka Mpamaky Indrindra

FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5

  FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5  1 JAONA 5 : 4, 5 “ Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?” INONA NO TIAN’I JAONA AMBARA AMINTSIKA? Mpanoratra: Araka ny lovantsofina tranaina moa dia i Jaona Apostoly izay zandriny indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy no nanoratra ity bokin’i Jaona voalohany ity. Izy dia nalefa sesitany tamin’ny nosy atao hoe Patmo araka ny fanambaran’ny Apokalypsy toko 1. Ny antony nanoratany ilay andininy notsongaina: Nanoratra izy dia ny mba hanomezana toky ny mpino fa ny finoany an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra no manome azy ireo fandresena ny fakam-panahy, ny fanerena ary ny fampianaran-diso eto amin'izao tontolo izao. Manantitrantitra izy fa ny fahaterahan'Andriamanitra dia mitondra ny tanjaka ara-panahy ilaina handresena ny ratsy sy hijanonana...

FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15

 FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15  AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY Mitohy toy izao ny andininy: “ mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa. Izany dia mitarik...