Ezekiela
1 [Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary
tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo,
raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra,
ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
2 Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy
taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny
tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary
ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany
avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy
namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny
metaly mamirapiratra.
5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina
efatra. Ary ny fikery azy dia
hoatra ny endrik'olona.
6 Ary samy nanana tarehy
efatra sy elatra efatra avy izy.
7 Ary mahitsy ny
tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary
mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
8 Ary nisy tanan'olona
teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy
ny elany avy izy efatra.
9 Nifanendry ny elany;
tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy
rehetra.
10 Ary ny toetry ny
tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana
ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny
tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
11 Ary ny tarehiny sy ny
elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny
namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
12 Dia samy nizotra
tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany
dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
13 Ary tahaka ny vainafo
mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo;
nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo,
sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
14 Ary ny
zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
15 Ary hitako ny
zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo
anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.
16 Ny tarehin'ny kodia
sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra,
ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
17 Raha nandeha izy, dia
nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18 Ary ny boriboriny
manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19 Ary raha nandeha ny
zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy
nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20 Na aiza na aiza no
tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy
haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny
fanahin'ny zava-manan'aina.
21 Raha nandeha ireny,
dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto;
ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany
koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
22 Ary teo ambonin'ny
lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny
krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.
23 Ary nivelatra mahitsy
sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy
rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24 Ary raha nandeha izy,
dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia
tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
25 Ary nisy feo avy teo
ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina
ny elany.
26 Ary teo ambonin'ny
eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana
mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana
dia nisy hoatra ny endrik'olona.
27 Ary nahita toy ny
volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy;
ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina
dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
28 Toy ny tarehin'avana
amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra
manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita
izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
1 [Ny niantsoana an'i
Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa
hiteny aminao Aho.
2 Ary nisy fanahy tonga
tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny
tamiko.[Na: nody ny aiko]
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo
jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa
nanota tamiko avokoa mandraka androany.
4 Ary ho any amin'ny
zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
5 Ary na hihaino izy na
tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo
aminy.
6 Ary ianao, ry zanak'olona,
aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy
ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza
matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra
izy. [Na: maditra]
7 Ary holazainao aminy
ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
8 Fa ianao kosa, ry
zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka
maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
9 Ary hitako fa, indro,
nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
10 Dia novelariny teo
anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana
sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
1 Ary hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia
mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.
2 Dia nosokafako ny
vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny
tsinainao. Dia nihinana aho, ka,
mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
4 [Ny nanirahana an'i
Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
5 Fa tsy ho any
amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho
any amin'ny taranak'Isiraely ihany;
6 tsy ho amin'ny
firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny
teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
7 Fa ny
taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa
ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
8 Indro, efa
nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny
handriny.
9 Ataoko toy ny
diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy
na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
10 Ary hoy Izy
tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho
mamin'ny fonao*, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
11 Dia mandehana
mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
12 Ary nisy fanahy*
nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie
ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
13 Ary reko koa ny
fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry
ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
14 Ary nisy fanahy*
nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin'ny
fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na:
rivotra][**Heb. mangidy]
15 Dia tonga tany
amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony
Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay
torana iny aho.
16 Ary nony afaka ny
hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17 Ry zanak'olona,
efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny
avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
18 Raha hoy Izaho
amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na
miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny
ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny
tananao ny ràny.
19 Fa raha mananatra
ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy
amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao
ny fanahinao.
20 Ary koa, raha ny
marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka
fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao
azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony
tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
21 Fa raha mananatra
ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy,
satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
22 [Faminaniana ny
amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy
tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako
aminao.
23 Dia nitsangana aho
ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i
Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany
dia nikarapoka nihohoka aho.
24 Ary nisy fanahy
tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe:
Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.
25 Fa ianao, ry
zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo
mivoaka ho ao aminy ianao.
26 Ary hampiraiketiko
amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa
taranaka maditra izy.
27 Fa raha miteny
aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino,
dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata
sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
2 ary ataovy fahirano
izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina
azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina
azy.
3 Ary makà lapoely,
ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka
hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny
taranak'Isiraely izany.
4 Ary ataovy ambany
mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely;
koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5 Fa Izaho dia manao
fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby
telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
6 Ary rehefa tapitrao
ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny
heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko
solon'ny herintaona ho anao.
7 Dia banjino tsara
io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely
azy.
8 Ary, indro,
hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny
fahiranonao.
9 Ary mangalà vary
tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao,
ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro
izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no
hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10 Ary an-danjany no
hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny
fihinanao azy.
11 Ary rano afàtra no
hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12 Ary hatao toy ny
mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao
azy eo imasony.
13 Ary hoy Jehovah:
Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena
izay handroahako azy.
14 Dia hoy izaho:
Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho
mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na
izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo
fahavetavetana.
15 Dia hoy Izy
tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao
kitay hanendasanao ny mofonao.
16 Ary hoy koa Izy
tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina,
ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no
hosotroiny amin'ny fahatahorana.
17 Ka dia ho
mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny
helony.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava,
ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
2 Ny ampahatelony dia
dory amin'ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao
koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia
aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 Ary analao
vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4 Ary ireny indray
dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo
hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
5 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka
voahodidin'ireny tany ireny izy.
6 Ary nanao ditra tsy
nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny
jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko
sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena
manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady
tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 dia izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao
fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9 Ary noho ny
fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy
hataoko tahaka izany intsony.
10 Koa ny ray dia
hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao
fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny
rivotra rehetra;
11 eny, raha velona
koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny
zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia
hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 Ny ampahatelony eo
aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary
ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony
dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko
manenjika azy Aho.
13 Ary ho tanteraka
amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo
izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy
ny fahatezerako.
14 Ary hataoko lao sy
fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra
mandalo.
15 Ka dia hisy latsa
sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina
anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana
ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 raha alefako ho
fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana
anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo,
izay tohan'aina.
17 Dia haterako
mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo
aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao
ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
1 [Ny amin'ny
handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry
ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny
lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny
fitoerana avonareo.
4 Ary hokoroina ny
alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro; ary
hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
5 Ary ny fatin'ny
zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny
manodidina ny alitaranareo eny.
6 Any amin'ny
fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho
rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo,
ary hokapaina ny tsangan-kazonareo* ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny
asanareo.[Na: tsangam-batonareo]
7 Ary hisy faty
hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8 Nefa hamelako hisy
sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa,
Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
9 Ary izay afaka
aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo,
rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony,
izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny
ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
10 Ka dia ho fantany fa
Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy
Aho.
11 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao,
ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny
taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny
areti-mandringana!
12 Ny lavitra ho
fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy
izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13 Dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny
alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny
amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny
ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany
hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;
14 Hahinjitro aminy ny
tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana
mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny amin'ny
handringanana ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely:
Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny
farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
3 Ankehitriny dia mby
akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka
ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4 Ary tsy hiantra
anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao,
ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah.
5 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy*![Heb. loza
iray]
6 Injao ny farany!
Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7 Mby akaiky ny
anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny
andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
8 Ary vetivety foana
dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny
fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny
fahavetavetanao.
9 Ary tsy hiantra
anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary
ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no
mamely.
10 Indro ny andro, indro
mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny
avonavona!
11 Ny fanaovana
an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa
intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny*, na ny zava-mendrika eo
aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]
12 Mby akaiky ny
fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny
mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13 Fa ny mpivarotra tsy
hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana
ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy
amin'ny helony.
14 Efa nitsoka ny
trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny
ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15 Ny sabatra no eny
ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any
an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon'ny
mosary sy ny areti-mandringana.
16 Ary na dia misy
afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala
an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17 Hiraviravy ny tanana
rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18 Hisikina lamba
fisaonana* koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]
19 Ny volafotsiny dia
harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny
volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny
Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga
fahatafintohinana mahameloka azy.
20 Fa ny firàvany tsara
tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia
ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21 Ary hatolotro ho babo
eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny
tany, ka holotoin'ireny izy.
22 Dia hiamboho azy koa
Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23 Manefa gadra, fa efa
feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny
tanàna.
24 Ka dia hitondra izay
jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny
avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
25 Ho avy ny
fandringanana*; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.[Na: fampangovitana]
26 Mifanontona ny
fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny
mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena
amin'ny anti-panahy.
27 Hitomany ny mpanjaka,
eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka;
Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony
izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Fahitana ny amin'ny
nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro
fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao
an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka
tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.
2 Ary hitako fa, indro,
nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny
valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny
volon'ny metaly mamirapiratra.
3 Ary nisy
nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy*
nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any
Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny
kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra
fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
4 Ary, indro, teo ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo
amin'ny lohasaha.
5 Dia hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko
tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny
alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
6 Dia hoy koa Izy
tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana
lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny
fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
7 Dia nentiny ho eo
amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny
ampiantany.
8 Dia hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy
varavarana.
9 Ary hoy Izy tamiko:
Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
10 Dia niditra aho ka
nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby
hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely,
voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
11 Ary nisy olona
fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo
anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy
nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny
setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12 Ary hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny
maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary*? Fa hoy izy: Jehovah tsy
mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]
13 Ary hoy koa Izy
tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
14 Dia nentiny ho eo
anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary,
indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
15 Dia hoy Izy tamiko:
Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto
koa ianao.
16 Dia nentiny ho eo
amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo
am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana
sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny
tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka
manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17 Dia hoy Izy tamiko:
Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va
ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny
tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny
rantsan-kazo ho amin'ny orony.
18 Ary Izaho kosa dia
hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho;
ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
1 [Ny amin'ireo lehilahy
nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako
Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia
mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
2 Ary, indreo, nisy
lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika
ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy
izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy
fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka
nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3 Ary ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima,
izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay
olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo
am-balahany.
4 Ary hoy Jehovah
taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny
handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao
eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
5 Ary reko Izy nanao
tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka
mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Fa na lahy antitra, na
zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa
izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny
fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny
trano ireo.
7 Ary hoy Izy taminy:
Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
8 Ary raha mbola
namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe:
Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely
amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
9 Dia hoy Izy tamiko:
Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno
ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria
hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
10 Ary Izaho kosa,
dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo
an-dohany ny nataony*.[Heb. lalany]
11 Ary, indro,
ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo
am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao
ahy.
1 [Fahitana ny
amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy]
Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny
kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana
no fijery azy; ary Jehovah* niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
2 Ary niteny
tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny
kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny
kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo
imasoko izy.
3 Ary ny kerobima
nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno
ilay rahona ny kianja anatiny.
4 Dia niakatra niala
teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny
trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny
famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
5 Ary ny fikopakopaky
ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny
feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
6 Ary rehefa
nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo
analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana
teo anilan'ny kodia.
7 Ary ny kerobima
anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo
Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny
tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia
nivoaka.
8 Ary nisy
nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
9 Ary hitako fa,
indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo
anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato
krysolita.
10 Ary izy efatra dia
nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
11 Raha nandeha izy,
dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa
tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy
raha nandeha.
12 Ary feno maso
manodidina ny tenany* rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny
kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
13 Ny amin'ny kodia
dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia*![Na: Mikodiadiava!]
14 Ary samy nanana
tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny
tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny
fahefatra nitarehim-boromahery.
15 Ary niakatra ny
kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
16 Ary raha nandeha
ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny
kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa
ny kodia.
17 Raha nijanona izy,
dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa
ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
18 Dia niala avy teo
ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo
ambonin'ny kerobima.
19 Ary nasandratry ny
kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha
nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady
atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry
ny Isiraely no teo amboniny.
20 Izany dia ilay
zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony
Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21 Samy nanana tarehy
efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy
nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.
22 Ary ny endriky ny
tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia
ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
1 [Filazana ny
amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy*
nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny
tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona
dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo
Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na:
rivotra]
2 Dia hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady
manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,
3 dia izay manao hoe:
Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
4 ka dia maminania
hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.
5 Ary tonga tao amiko
ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah:
Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao
an-tsainareo.
6 Hianareo efa
nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa
nofenoinareo faty.
7 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena,
ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
8 Natahotra ny
sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah
Tompo.
9 Ary havoakako avy
ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao
fitsarana aminareo Aho.
10 Ho lavon'ny sabatra
ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho
fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
11 Ity tanàna ity tsy ho
vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny
Isiraely no hitsarako anareo
12 ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny
fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no
nataonareo.
13 Ary raha mbola
naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina
tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany
sisa amin'ny Isiraely?
14 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
15 Ry zanak'olona, ny
rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao*, dia ny taranak'Isiraely
rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah;
izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]
16 Koa lazao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa
aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy
vetivety* Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]
17 Koa lazao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary
hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny
Isiraely ianareo.
18 Ary ho tonga ao izy
ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19 Dia homeko fo iray
izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo
vato, ka homeko fo nofo izy,
20 mba handehanany araka
ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho
oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21 Fa ny amin'izay
manana fo manina ny zava-dratsiny* sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo
an-dohany ihany ny nataony**, hoy Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny
zava-dratsiny][Heb. lalana]
22 Dia nasandratry ny
kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny
Isiraely no teo amboniny.
23 Ary ny voninahitr'i
Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny
tendrombohitra atsinanan'ny tanàna.
24 Dia nisy fanahy*
nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra
ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana
izay efa hitako.[Na: rivotra]
25 Ary nolazaiko
tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.
* *
1 [Ny
nasain'Andriamanitra nataon'i Ezekiela hahalalan'ny Isiraely fa samy ho
lasan-ko babo, na ny mpanjaka, na ny vahoaka] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, ianao
monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita,
ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
3 Koa ianao, ry
zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka
miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho
any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4 Dia havoakanao
antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana;
fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho
any amin'ny fahababoana.
5 Boroboahy eo
imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6 Ataovy an-tsoroka
eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny
andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho
famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
7 Dia nanao araka
izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py
entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia
noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny
andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo
imasony.
8 Ary nony maraina
dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ry zanak'olona, moa
ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona
izao ataonao izao?
10 Ambarao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny
mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
11 Lazao hoe: Izaho
dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo;
hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
12 Ary ny mpanjaka,
izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia
maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy;
hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.
13 Ary ny fandrika
haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any
Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty
any ihany.
14 Ary izay rehetra
manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho
amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15 Ary dia ho fantany
fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any
amin'ny tany samy hafa izy.
16 Nefa hamelako
olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti-
mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa
izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17 Tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona,
hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny
ranonao.
19 Ary lazao amin'ny
vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao
amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary
amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka
tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
20 Dia ho rava ny tanàna
onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
22 Ry zanak'olona,
ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe:
Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23 Koa lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao
fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy
ny tenin'ny fahitana rehetra.
24 Fa tsy hisy fahitana
foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
25 Fa Izaho no Jehovah;
hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany;
fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy
hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
26 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
27 Ry zanak'olona,
indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany,
ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
28 Koa lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny
teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny amin'ireo mpaminany
sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao
amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
3 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny
zavatra tsy hitany.
4 Tahaka ny
amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
5 Tsy niakatra ho eo
amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba
hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.
6 Mahita zava-poana
sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i
Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny
7 Moa tsy fahitana
tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo:
Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
8 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo
lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
9 Ary ny tanako no
hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny
mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy
sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho
no Jehovah Tompo.
10 Noho ny
nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy
fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no
mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,
11 koa lazao
amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy
ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa
ianareo, ry tafiodrivotra.
12 Indro, raha mirodana
ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay
nandaloranareo azy?
13 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary
hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny
fahavinirako hahafongana azy.
14 Dia harodako ny
ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra
hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka
haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
15 Dia hotanterahiko
amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny
fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay
mpandalotra azy,
16 dia ny mpaminanin'ny
Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana
ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
17 Koa ianao, ry
zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana
araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
18 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao
amin'ny famavanin'ny tanana* rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny
loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo,
nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]
19 Ary manamavo Ahy ao
amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba
hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy
tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny
lainganareo.
20 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy
any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo
izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
21 Hotriariko koa ny
fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho
azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no
Jehovah.
22 Satria lainga no
entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady
entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny
lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
23 dia tsy hahita anoano
foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny
tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Anatra ho an'ny
mpanompo sampy, sy filazana ny hanjo azy] Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga
tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry zanak'olona, ireto
olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana
mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho?
4 Koa mitenena aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny
taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny
fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho
Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
5 mba hisamborako ny
taranak'Isiraely amin'ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra
noho ny sampiny.
6 Koa ataovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa
ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
7 Fa na iza na iza
amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely,
no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny
fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany
hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
8 ary hanandrina izany
olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho
ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah.
9 Ary raha misy voataona
ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany
izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny
Isiraely oloko izy.
10 Ary hitondra ny
heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay
manontany aminy koa,
11 mba tsy hialan'ny
taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny
fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah
Tompo.
*
12 Ary tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
13 Ry zanak'olona, raha
misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako,
ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny
olona sy ny biby,
14 na dia ao aza ireto
telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho
voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
15 Raha mampandeha biby
masiaka eo amin'ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny
tany ka tsy azon'olona aleha noho ny biby,
16 na dia ao aza ireo
telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny
zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany
kosa ho lao.
17 Ary raha mitondra
sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny
tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
18 na dia ao aza ireo
telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny
zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19 Ary raha mandefa
ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako,
dia amin'ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
20 na dia ao aza Noa sy
Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny
zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny
fahamarinany.
21 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako
efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny
areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
22 Kanefa, indro, hisy
sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy;
indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony,
dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i
Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
23 Eny, hampionona
anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa
tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Fanoharana mampiseho
ny toetr'i Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, inona
no ihoaran'ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka
izay isan'ny hazo any an'ala?
3 Moa mba fangalan-kazo
hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
4 Indro, hatsipy any
anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may.
Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
5 Indro, fony izy tsy
mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny
afo sy may izy?
6 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay
natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
7 Ary hanandrina azy
ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia
ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
8 Ary hataoko lao ny
tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny nivadihan'i
Jerosalema, sy ny nahafoizany an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy amin'izany]
Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,
3 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy
nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
4 Ary ny amin'ny
nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro
nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na
voahodidina lamban-jaza akory.
5 Tsy nisy maso
niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza,
mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho
zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.
6 Ary raha nandalo
Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha
mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha
mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
7 Efa nataoko
alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe
ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa
mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
8 Ary raha nandalo
Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana:
ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana
taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
9 Dia nampandroiko
rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rànao, dia nohosorako
diloilo.
10 Notafiako lamba
misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy*, ary nampisikiniko rongony
fotsy madinika sy notafiako amparasily.[Hoditra voasoka ho menamena. na
hodi-biby tsy fantatra]
11 Noravahako
firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12 Ary nasiako kavina
ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13 ka dia niravaka
volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba
misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no
fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina
ho miendrik'andriana
14 Ary dia niely tany
amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany
noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15 kanjo natoky ny
hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao* sady nanaram-po
nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]
16 Ary nangalanao ny
fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka
nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
17 Ary nalainao koa
ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia
nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
18 nalainao koa ny
fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo
manitro dia napetrakao teo anoloany
19 Ary ny haniko izay
nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay
nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo
tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
20 Ary nentinao ny
zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho
fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao
izany?
21 Ary novonoinao ny
zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.
22 Ary tamin'ny
fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro
fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina
teo amin'ny rànao.
23 Ary rehefa vitanao
izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
24 dia nanao trano
fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny
an-kalalahana rehetra teny.
25 Ary teny
an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary
novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra
ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26 Hianao efa
nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary
nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27 Ary, indro,
nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho
amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina,
izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28 Ary nijangajanga
tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny,
nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
29 Ary mbola
nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto*.
Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
[Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]
30 Akory ny
fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo,
dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
31 Tamin'ny nanaovanao
ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny
fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy
janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.
32 Ny vadin'olona
mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny!
33 Sy vehivavy janga
rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady
manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba
hijangajangany aminao.
34 Ary hafa noho ny
amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy
nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy
mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
35 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah. ry kala janga:
36 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe* sy ny nampisehoana ny fitanjahanao
tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay
fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb.
nanidinanao varahina]
37 dia, indro, hovoriko
ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra
mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina
ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny
fitanjahanao rehetra izy;
38 ary hotsaraiko ianao
araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny
rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
39 Dia hatolotro ho eny
an-tànan'ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny
fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao
soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40 Dia hitondra vahoaka
maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin'ny
sabany ianao.
41 Ary hodorany amin'ny
afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao
ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
42 Toy izany no hialako
fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho
tezitra intsony.
43 Noho ny tsy
nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo
rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao* ihany no hatsingeriko ho eo
an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny
fahavetavetanao rehetra va ianao**?[*Heb. lalanao][**Na: Fa raha tsy izany, dia
Izao indray no hanao ratsy miohatra noho ny fahavetavetanao rehetra]
44 Indro, ny mpanao
ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka
an-dreniny ihany ny zananivavy.
45 Hianao dia
zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia
rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no
reninareo, ary Amorita no rainareo.
46 Samaria no
zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny
zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
47 Nefa tsy araka ny
alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no
nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra
noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.
48 Raha velona koa Aho,
hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao
tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
49 Indro, izao no
helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary
fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana
ny malahelo sy ny mahantra izy.
50 Niavonavona izy ka
nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra
azy.
51 Ary tsy ampy
antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny
fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina
indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
52 Hianao koa dia aoka
hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao
izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina
noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny
nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
53 Ary hampodiko avy
amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny
zananivavy mbamin'izay olonao voababo,
54 mba hitondranao ny
henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao
azy*.[Na: tamin'ny nampiononanao azy]
55 Ary ny rahavavinao,
dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy
ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia
hody amin'ny toetrareo taloha koa.
56 Nefa tsy mbola mba
notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro
niavonavonanao,
57 fony tsy mbola niseho
ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay
rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao
manodidina.
58 Ny faharatsianao sy
ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
59 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny
fianianana ka nivadika ny fanekena.
60 Nefa hotsarovako ny
fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena
mandrakizay aminao Aho.
61 Dia hotsarovanao ny
nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao
sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay
nanaovako fanekena taminao aza.
62 Izaho hanorina ny
fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
63 mba hahatsiarovanao
sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela
ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
*
1 [Ny amin'ny nanetrena
ny taranak'i Dasida, sy ny mbola hanandratana azy indray] Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
3 ka ataovy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava
ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao
Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
4 ny tendron'ny tarony
dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana*; eny, tao
an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]
5 Nangalany koa ny
voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo
amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
6 Dia naniry iny ka
tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny
fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7 Ary nisy voromahery
lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany
voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany
avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8 Voavoly tao amin'ny
saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka
tsara indrindra.
9 Ataovinao hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba
halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry
mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany
intsony*.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy
amin'ny fakany aza]
10 Koa, indro, na dia
voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny
rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany
izy.
11 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Lazao amin'ny
taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao
aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny
mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13 Ary naka ny anankiray
tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana
azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
14 mba hietry ny
fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15 Fa niodina taminy izy
ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo.
Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny
fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16 Raha velona koa Aho,
hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady
nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny,
any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
17 Ary amin'ny
hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro,
dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy
vahoaka betsaka aza.
18 Fa efa nanamavo ny
fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany
izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny
fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 Ary ny fandrika
haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any
Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21 Ary ny miaramilany
rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho
amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny
izany.
22 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera
avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka
hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23 Ao amin'ny
tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy
ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao
aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 Ary ho fantatry ny
hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka
nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina;
Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
*
1 [Ny famalian'Andriamanitra
ny olona araka ny asany avy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Nahoana no manao izao
ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana
voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
3 Rana velona koa Aho,
hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny
Isiraely intsony.
4 Indro, Ahy ny fanahy
rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy
Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
5 Fa raha marina ny
olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6 fa tsy mihinana eny
an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny
taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay
mararin'ny fadim-bolana,
7 na mampahory olona, fa
mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana
ary manafy lamba ny matanjaka,
8 tsy mampanàna vola, na
maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana
marina amin'ny miady,
9 ary mandeha araka ny
lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho
velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10 Fa raha miteraka
zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany
amin'ireo zavatra ireo aza iny
11 (nefa tsy nanao ireo
zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny
vadin'ny namany,
12 na mampahory ny
malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na
manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13 na mampanana vola, na
maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana
rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
14 Ary, indro, raha iny
kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy,
nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
15 ka tsy mihinana eny
an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny
taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
16 na mampahory olona, na
maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba
ny mitanjaka,
17 miaro ny tànany tsy
hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny
fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy;
ho velona tokoa izy.
18 Ny amin'ny rainy,
noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany
izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19 Nefa, hoy ianareo:
Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao
izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho
velona tokoa izy.
20 Ny fanahy izay manota
no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra
ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny
faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
21 Fa raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko
rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho
faty.
22 Ny fahadisoany
rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny
fahamarinana izay nataony.
23 Moa sitrako akory va
ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny
alehany mba ho velona izy ?
24 Fa raha ny marina no
miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana
rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra
izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny
fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
25 Nefa hoy ianareo: Tsy
marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny
fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana]
26 Raha ny marina miala
amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny
heloka nataony ihany izy.
27 Ary raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia
hovelominy ny fanahiny.
28 Raha mahita izy ka
miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy
ho faty.
29 Nefa hoy ny
taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny
fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb.
lalana]
30 Koa samy hotsaraiko
araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga
fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31 Esory ho afaka
aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy
fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
32 Fa tsy sitrako ny
fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.
Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.
*
1 Ary manaova hira
fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
2 ka ataovy hoe: Nahoana
ny liom-bavy reninareo no namitsaka* tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny
zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy.
Namitsaka]
3 Ary nahalehibe ny
zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza
sady nihinana olona.
4 Nahare ny lazany ny
firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia
nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
5 Ary nony hitan'ny
liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka
notezainy ho tonga liona tanora.
6 Ary nivoivoy teny
amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady
nihinana olona.
7 Ary nisavika ny
mpitondratenan'ireny izy* sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay
rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
8 Ary ny jentilisa
manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy
namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
9 Ary nataony tamin'ny
vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i
Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny
tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
10 Ny reninao dia tahaka
ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao*: Vokatra sady
nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na:
Eny, tahaka ny tenanao]
11 Ka nisy rantsany mafy
azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika
tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny
rantsany.
12 Nefa nongotana
tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any
atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina;
Levon'ny afo ireny.
13 Ary ankehitriny
voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.
14 Ary afo no mivoaka
avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany
mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana
izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
*
1 [Ny toetry ny
Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola
hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana
fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba
hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
2 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
3 Ry zanak'olona,
mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy
Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4 Tsy hotsarainao va
izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny
razany izy.
5 Ary ataovy aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy
ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany
Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe:
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
6 tamin'izany andro
izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely
sady tena endriky ny tany rehetra,
7 dia hoy Izaho
taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto
tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Nefa niodina tamiko
izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na
nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako,
ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
9 Kanefa niasa noho
ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay
nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny
nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
10 Koa dia nentiko
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
11 Dia nomeko azy ny
didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona
manaraka izany.
12 Ary nomeko azy koa ny
Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no
manamasina azy.
13 Kanjo niodina tamiko
tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy,
fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto
dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny
fahatezerako hahalany ringana azy.
14 Kanefa niasa noho ny
amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay
nahita ay nitondrako azy nivoaka.
15 Ary Izaho dia
nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny
tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany
rehetra,
16 satria efa nanamavo
ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny
fony dia nanaraka ny sampiny.
17 Nefa niantra azy
ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
18 Fa hoy Izaho tamin'ny
zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na
mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
19 fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko,
ka araho izany.
20 Ary manamasina sy
Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
21 Kanjo niodina tamiko
koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny
fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy,
ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any
an-efitra ny fahatezerato.
22 Nefa nampihemotra ny
tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo
anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23 Dia nanangan-tanana taminy
tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka
azy any amin'ny tany samy hafa,
24 satria tsy nanaraka
ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony
nanaraka ny sampin'ny razany.
25 Ary nomeko didy tsy
tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
26 Dia nandoto azy
tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra
hamaky ny afo*, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no
Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny voalohan-teraka rehetra; izahao Eks.
xiii. 12]
27 Koa mitenena amin'ny
taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany
tamiko:
28 Nony nitondra azy ho
any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana
andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany
zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao
koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra
aidiny.
29 Ka dia hoy Izaho
taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo
no natao anarany mandraka androany.
30 Koa ataovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny
fanaon*'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany
va,[Heb. lalana]
31 ary mandoto tena
amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny
fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va
hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah
Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32 Ary tsy ho tanteraka
mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia
tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho
an'ny vato aman-kazo.
33 Raha velona koa Aho,
hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana
aidina no hanjakako aminareo.
34 Ary amin'ny tanana
mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako
anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny
tany izay nampielezana anareo.
35 Dia ho entiko ho any
an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36 Tahaka ny
nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany
koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
37 Ary hampandaloviko eo
ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
38 Ary havahako hiala
aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany
ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy;
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
39 Ary ny aminareo, ry
taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka
manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo
ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny
sampinareo.
40 Fa ao
an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy
Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra
amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny
voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
41 Hankasitrahako toy ny
hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny
firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana
anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko
aminareo.
42 Ary ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho,
dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
43 Ary hotsaroanareo any
ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko
anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
44 Dia ho fantatrareo fa
Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy
araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely,
hoy Jehovah Tompo.
1 [Fanoharana ny amin'ny
ala may sy ny sabatra voatsoaka] Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny
hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
3 Ary lazao amin'ny ala
amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy
ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho
main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
4 Ka dia ho hitan'ny
nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
5 Dia hoy izaho:
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no
ataony?
6 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
7 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka
maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.
8 Ary ataovy amin'ny
tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao,
ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka
eo aminao.
9 Ary noho ny
handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny
sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany
avaratra,
10 Ka dia ho fantatry
ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy
hiditra intsony izy.
11 Ary ianao, ry
zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny
fangidiana eo imasony.
12 Ary raha izy manao
aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa
re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary
hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika
rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
13 Dia tonga tamiko
ay tenin'i Jehovah nanao hoe:
14 Ry zanak'olona,
maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re!
Voaranitra sady voafotsy koa.
15 Voaranitra
hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny
tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
16 Ary nomena hofotsiana
izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra
eo an-tanan'ny mpamono.
17 Mitomania sy
midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny
lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy,
koa misafoa sirana ianao;
18 Fa vita ny
fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza
no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.
19 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na
telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny
sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana* no manemitra azy.[Heb. lehibe]
20 Nahebihebiko teny
amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga
fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra*
hamono.[Na: voatsoaka]
21 Miomana, ka mandrosoa
eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry
hamelezanao na aiza na aiza.
22 Hiteha-tanana koa Aho
ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
23 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah hoe:
24 Hianao, ry
zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i
Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana*,
eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]
25 Manaova lalana
hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao
Jerosalema mimanda.
26 Fa ny mpanjakan'i
Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa,
mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny
sampy* sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]
27 Mby eo an-tànany
ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy
fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady,
hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany
sy tilikambo.
28 Nefa tahaka ny
sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy*, nefa Jehovah** no
mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.[*Na: izay efa nianianana
mafy][**Heb. Izy]
29 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny
nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay
rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana
ianareo.
30 Ary ianao, ry ilay
ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro
amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,
31 izao no lazain'i
Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao
intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
32 Havadiko,
havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra
mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
33 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny
amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia
sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
34 (Raha mahita
zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany* anao ao amin'ny
vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka
mahafaty.[Heb. Hametrahana]
35 Ampidiro amin'ny
tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany
nahaterahanao, no hitsarako anao.
36 Ary haidiko aminao
ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo
an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,
37 Dia ho kitain'ny
afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah
no niteny izany.
*
1 [Ny fahotan'i
Jerosalema sy ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, moa
tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ?
Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
3 ka ataovy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany
sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
4 Ny rà izay nalatsakao
no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa
nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no
nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
5 ka na ny akaiky anao
na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6 Indreo ny lehiben'ny
Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny* avy mba handatsa-drà.[Heb
sandriny]
7 Ao aminao no anozonana
ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao
aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8 Hamavoinao ny zavatra
masina. ary lotoinao ny Sabatako.
9 Ao aminao misy olona
mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny
an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
10 Ao aminao misy mandry
amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
11 Misy manao
fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny
vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
12 Ao aminao misy
mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao
an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13 Koa, indro, manjera
tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao
aminao.
14 Hahatoha va ny fonao,
na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka* aminao? Izaho Jehovah
no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
15 Ary haeliko ho any
amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary
holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16 Ary dia ho hitan'ny
jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho
no Jehovah.
17 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah anao hoe:
18 Ry zanak'olona, ny
taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina
sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy
izy.
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika,
dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
20 Toy ny anangonana
volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy
mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo
amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho
voarendrika;
21 eny, nangoniko
ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho
voarendrika ao anatiny ianareo.
22 Toy ny andrendrika
volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Ry zanak'olona,
lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro* sady tsy
ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio]
25 Mikomy ny
mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona
izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao
aminy.
26 Ny mpisorona dia
mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny
tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary
mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27 Toy ny amboa-dia*
mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary
mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa]
28 Ary ny mpaminaniny
mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
29 Ny vahoaka manao
an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny
dia ampahoriny tsy andrariny.
30 Ary nitady olona
teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho
an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
31 koa dia haidiko eo
aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary
hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony*, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
*
1 [Fanoharana ny
amin'Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
3 ary nijangajanga
tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny
tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
4 Ny anaran'ny zokiny
dia Ohola*, ary ny rahavaviny dia Oholiba**; ary novadiko izy ka niteraka
zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no
Oholiba.[*Ohola = lainy][**Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
5 Ary raha mbola
vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny
Asyriana mifanolotra aminy,
6 izay mitafy
mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady
mpitaingin-tsoavaly.
7 Nijangajanga
tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria
sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany
tena.
8 Ary ny
fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola
tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny
fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9 Ary noho izany dia
natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay
nahamaimay azy.
10 Ireny no nampiseho
ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany
novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary
efa niharan'ny fitsarana.
11 Ary nony hitan'i
Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny
fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
12 Maimay tamin'ny
Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona
mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
13 Dia hitako fa efa
nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
14 ary mbola
nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo
amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
15 samy nisy
fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany;
ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny
zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
16 Ary raha vao hitan'ny
masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17 Ary tonga tany
aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto
azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra
niala taminy kosa ny fanahiny.
18 Ary rehefa naneho
ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy
ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
19 Dia nampitombo ny
fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay
nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.
20 Fa izy dia maimay
tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy
aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.
21 Nitady ny
fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny
nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
22 Koa izao, ry
Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny
lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany
manodidina izy mba hamely anao,
23 dia ireny
zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy
andrian-dahy*, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy
rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady
mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
24 Ary ho avy izy
mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao,
izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina
hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny
fitsarany izy.
25 Ary ho entiko
hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny:
hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra,
ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa
aminao holevonin'ny afo.
26 Ary hendahany ny
lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27 Ary hatsahatro ny
fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany
Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao
intsony Egypta.
28 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo
an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
29 ary hamely anao
amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany
mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao,
dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30 Havo aminao izany
zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny
nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
31 Tamin'ny
nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny
kapoakany.
32 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina
àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 Ho feno
fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny
kapoak'i Samaria rahavavinao.
34 Hosotroinao sy
hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa
Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo
ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 Jehovah niteny
tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy
ny fahavetavetany,
37 fa efa
nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no
nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho
an'ireny mba ho levona.
38 Izao koa no
nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady
nandoto ny Sabatako koa.
39 Ary nony efa
novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny
fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
40 Ary koa, naniraka
ho any amin'ny olona avy lavitra ianao*; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo,
tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy
niravahanao.[Heb. ianareo]
41 ary nipetrahanao
tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay
nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42 Ary teo aminy nisy
ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka
dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny
an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43 Dia hoy Izaho ny
amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy
hijangajanga amin'io ihany va?
44 Eny, mbola nankao
aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny
efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45 Ary olona marina
no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria
mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
46 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho
mpanjenjena* sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]
47 Ary ireo olona
maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny
zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.
48 Toy izany no
hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy
rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
49 Ary hatsingeriny
aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo;
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
* *
1 [Fahitana ny
amin'ny vilany fahandroana, ary ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesan'ny
vadin'i Ezekiela] Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny
taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona
miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.
3 Ary milazà
fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio
rano ao anatiny;
4 ary arotsahy ao ny
vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony;
fenoy taolana voafantina izy.
5 Alao ny ondry
voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*,
dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angòny eo
ambaniny ny taolana]
6 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy
harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa
aza anaovana filokana.
7 Fa ny ràny dia ao
aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny
tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.
8 Mba hampakatra ny
fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy
mangadihady mba tsy ho voasarona.
9 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
10 Atohofy betsaka ny
kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra
hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
11 Dia foàny ny
vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka
ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
12 Efa nanasatra dia
nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo
amin'ny afo ny harafesiny.
13 Ny fahalotoanao
dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy
hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
14 Izaho Jehovah no
niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na
hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
15 Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ry zanak'olona,
indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa
aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
17 Misentoa
malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny
hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na
mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.
18 Ary nony maraina
dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony
maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
19 Ary hoy ny olona
tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao
ataonao izao?
20 Dia hoy izaho
taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21 Lazao amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny
fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy
mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny
zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
22 Dia manaova tahaka
ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny
fahan-kanina aterin'olona;
23 ary aoka ho eo
an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona
na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
24 Ary Ezekiela dia
ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba
hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah
Tompo.
25 Ary ianao, ry
zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny
voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy
ny zananivavy,
26 eny, amin'izany
andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny
sofinao izany;
27 amin'izany andro
izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia
hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao;
ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Faminaniana ny
amin'ny firenena mifanila fonenana amin'ny Isiraely, dia ny Amonita, ny
Moabita, ny Edomita ary ny Filistina] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy aminy hoe:
Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny
nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary
noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
4 Dia indro kosa,
hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny
tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy
hisotro ny ronononao.
5 Ary Raba dia hataoko
tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry
aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao
ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,
7 Dia, indro, hahinjitro
aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy
ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany;
Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda
efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9 Dia, indro, hotatahako
kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany,
dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10 Ho an'ny zanaky ny
atsinanana koa tahaka ny taranak'i Amona'ihany, eny, hatolotro ho fananan'ireny
izy, mba tsy hotsarovana ao amin'ny firenena intsony ny taranak'i Amona.
11 Ary hotanterahiko ny
fitsarana an'i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
12 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany
azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13 Dia izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny
biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra
hatrany Dedana.
14 Ary ny tanan'ny
Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny
fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy
Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany
ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany
hatry ny fony ela,
16 Dia izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny
keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
17 Ary famaizana
mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa
Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
1 [Faminaniana ny
amin'ny handravana an'i Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana
tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao
hoe: zananivavy.
2 Ry zanak'olona, noho
ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay
vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy
kosa ho foana,
3 Dia izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro
hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4 Ary horavan'ireo ny
mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny
vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5 Ho famelarana harato
eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia
ho babon'ny-firenena izy.
6 Ary ny zana-bohiny*
eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no
Jehovah.[Heb. zananivavy]
7 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8 Ny zana-bohitrao* any
an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy
tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]
9 Ary hametraka lohondry
vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany* ny
tilikambonao.[Heb. sabany]
10 Ho feno ny
vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho
ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha
miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay
voabanga izy.
11 Ny kitron-tsoavaliny
no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny
sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany.
12 Hobaboiny ny hirenao,
horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra;
ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.
13 Ary hatsahatro ny
feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao.
14 Dia hataoko toy ny
vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony;
fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
15 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny
fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo
ampovoanao?
16 Dia hidina hiala
amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo
sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka
amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
17 Ary hanao hira
fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay
nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo
amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny
mponina rehetra eo aminy!
18 Ankehitriny dia
raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny,
toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
19 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary
hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao,
20 Dia hampidiniko
hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka
hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao
hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana
intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona;
21 Dia hataoko
fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho
hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
1 [Ny harena
amam-boninahitra nananan'i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Hianao, ry
zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
3 ka ataovy aminy hoe:
He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any
ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry
Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
4 Ao amin'ny ranomasina
ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
5 Hazo kypreso avy any
Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao
andrin-tsambonao.
6 Oka avy any Basana no
nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no
nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
7 Rongony madinika samy
hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga
sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
8 Ny mponina any Sidona
sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no
mpitondra sambonao.
9 Ny zokiolon'i Gebala
sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra
teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny
rantonao.
10 Ny avy any Persia sy
ny Lydiana* ary ny Libyana** dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga
sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb. Loda][**Heb.
Pota]
11 Ny terak'i Arvada sy
ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no
tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao
manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12 Tarsisy no mpandranto
nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy
vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
13 Javana sy Tobala ary
Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony
ny varotrao.
14 Ny terak'i Togarma
nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15 Ny terak'i Dedana no
mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga
hivarotra tao aminao ka nitondra ivory* sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb.
vangy ivory]
16 Syria no mpandranto
nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba
volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy
ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
17 Joda sy ny tanin'ny
Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy
zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
18 Damaskosy no
mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny
harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
19 Vedana koa sy Javana
avy any Ozala dia nitondra vy voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy
veromanitra no natakalony ny varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy
Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra
no isian'ny varotrao]
20 Dedana no mpandranto
nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
21 Arabia sy ireo
andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy
ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
22 Ny mpandranto avy any
Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy
vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
23 Harana sy Kane ary
Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany
aminao.
24 Ireo no mpandranto
nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy
hafa soratra ary vata sedera mifehy* misy fitafiana soa no natakalony ny
varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
25 Ny sambon'i
Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny
ranomasina.
26 Nentin'ny
mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina
ny rivotra avy any atsinanana.
27 Ny harenao sy ny
vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny
mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay
tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao
amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
28 Noho ny
fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
29 Ary samy midina
miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo
rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
30 Ary manandratra ny
feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy* sady manopy vovoka
hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
31 Ary mibory loha
avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny
fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
32 Ary raha
midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao
hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny
ranomasina ?
33 Raha nivoaka avy
amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny
haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
34 Tamin'ny andro
nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika
taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
35 Talanjona anao ny
mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka
dia mivalomainty.
36 Misitrisitra anao
ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony
mandrakizay
1 [Faminaniana ny
amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;
2 Ry zanak'olona,
lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria
miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny
anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny
ranomasina. Nefa olona ihany ianao,
fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny
fonao,
3 Hay! hendry noho
Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina
azo afenina anao izany!
4 Ny fahendrenao sy
ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy
volafotsy ho ao amin'ny rakitrao
5 Ny haben'ny
fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona
ny fonao noho ny harenao;
6 Koa, indro, izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny
fonao,
7 Dia, indro, hitondra
olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny
firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony
matroka ny famirapiratanao
8 Havariny ho any
an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny
ranomasina.
9 Moa mbola hitompo teny
fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho?
Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay
manatrabaka anao
10 Tahaka ny
fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny
izany, hoy Jehovah Tompo.
11 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
12 Ry zanak'olona,
manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy
tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy
tombon-kase]
13 Tany Edena,
sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny
karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira,
ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny
sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na:
vehivavy]
14 Hianao dia kerobima
voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra
masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny ianao
tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka
tao aminao.
16 Noho ny habetsahan'ny
varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko
ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako
ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17 Niavonavona ny fonao
noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny
famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho
fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18 Noho ny haben'ny
helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao
masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko
tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
19 Ny firenena rehetra
izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao
intsony mandrakizay.
*
20 [Faminaniana ny
amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
21 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
22 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary
hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha
manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
23 Fa hahatonga
areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia
hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny
manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24 Ary tsy hisy roy
mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy
amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah Tompo.
25 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny
taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko
aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.
26 Dia handry fahizay
any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy
amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao
tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
*
1 [Ny hamaliana an'i
Farao sy ny vahoakany ary ny taniny] Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo
tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy
mbamin'i Egypta rehetra.
3 Mitenena, ka ataovy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao,
mpanjakan'i Egypta, ilay dragona* makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia
ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny
tenako.[Na: mamba]
4 Ary hasiako farango ny
valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny
Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano
rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
5 Ary hariako any
an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao;
hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko
hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
6 dia ho fantatry ny
mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho
an'ny taranak'Isiraely izy.
7 (Nony mandray anao
amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra;
Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny
valahan'izy rehetra.)
8 Dia izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho
aminao ny olona sy ny biby.
9 Ary ny tany Egypta ho
rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
10 Dia, indro, avy
hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady
ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i
Etiopia.
11 Tsy
hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy
honenana efa-polo taona izy.
12 Ary hataoko tany
rava dia rava* ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao** efa-polo taona ny
tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary
hahahako any amin'ny tany samy hafa.[**Heb. rava ao amin'ny tany rava][**Heb.
lao amin'ny tanàna lao]
13 Fa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any
amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
14 Ary haveriko avy
amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany,
izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
15 Eny, ho ambany
noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony;
Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
16 Dia tsy ho
tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny
andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
17 [Ny babo azon'i
Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany
Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona
fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona,
mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny
miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny
lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny
miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
19 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona,
ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony
sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
20 Ho valin'ny
fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony
ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
21 Amin'izany andro
izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko
vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny andro hitsarana
an'i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà
ianareo! Indrisy ny andro!
3 Fa efa antomotra ny
andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana
hamaliana ny jentilisa izany.
4 Ary hisy sabatra tonga
any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any
Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5 Etiopia sy Libya* sy
Lydia** sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny
tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[*Heb. Pota][**Heb.
Loda]
6 Izao no lazain'i
Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny
heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah
Tompo.
7 Ho rava dia ho rava*
izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao**.[*Heb. rava ao amin'ny tany
rava][**Heb. lao ao amin'ny tanàna lao]
8 Ka dia ho fantatra fa
Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay
rehetra manampy azy.
9 Amin'izany andro izany
dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana
izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro
namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
10 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko
mahafoana ny horakorak*'i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
11 Izy sy ny vahoakany
manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina
handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno
faty ny tany.
12 Hahatankina an'i
Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny
fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho
Jehovah no niteny izany.
13 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao
Memfisa*; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
14 Handrava an'i Patrosa
Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;
15 Hampidina ny
fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny
vahoaka be any No.
16 Hampirehitra afo any
Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary
Memifisa* dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]
17 Ny zatovon'i Avena sy
Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
18 Any Tapanesa dia ho
maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny
fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny
zananivavy.
19 Toy izany no
hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
20 [Ny hahafoanan'i
Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana
voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
21 Ry zanak'olona, ny
sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy
noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy
hahatan-tsabatra.
22 Koa izany no
nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta,
Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro;
Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
23 Dia haeliko ho any
amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy
hafa.
24 Fa
hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny
an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo
anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
25 Eny,
hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny
sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny
an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany
Egypta.
26 Dia haeliko ho any
amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa;
Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny nanetrena an'i
Asyria atao fananarana an'i Egypta] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny
volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe:
Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
3 Indro, Asyria dia
sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka
avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
4 Ny rano no
nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no
nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony
hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 Koa dia nijoroaka
ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady
nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
6 Teo amin'ny sampany
no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no
niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny
firenena malaza rehetra.
7 Ka dia tsara tarehy
tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano
maro ny fakany.
8 Tsy nahatakona azy
ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny
hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy
tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
9 Nohatsaraiko
tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany
Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
10 Koa izany no
nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy* ka nanandratra ny
lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny
hahavony,[Heb. ianao]
11 Dia hatolotro eo
an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny
faharatsiany no nandroahako azy.
12 Ary izay fahavalo
masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny
an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary
notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina
niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
13 Mipetraka eo
amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny
bibi-dia rehetra,
14 Mba tsy hisy
hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na
hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky
amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra
ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay
midina any an-davaka.
15 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* dia
nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady
nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona
noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.[Heb. sheola]
16 Tamin'ny
fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho
any amin'ny fiainan-tsi-hita* izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny
hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia
izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb.
sheola]
17 Ireo koa dia
niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ho any amin'izay
voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo
ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.[Heb. sheola]
18 Tahaka an'iza
amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao?
Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo
amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra.
Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
1 [Fitomaniana noho
ny nanjo an'i Farao sy ny vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny
volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manaova
hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe:
Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo
tahaka ny dragona* ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao
ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na.
mamba]
3 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny
haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
4 Dia hatsipiko eny
an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny
voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5 Haeliko eny
an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao* ny lohasaha.[Heb.
hahavonao]
6 Hataoko safotry ny
rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
7 Ary raha hovonoiko
ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny
kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8 Eny, ireny fanazavana
eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao,
ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9 Hataoko mitebiteby
koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny
naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
10 Eny, hataoko
talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany,
raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy
amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
11 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
12 Ny sabatry ny mahery,
izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao
maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro
be rehetra.
13 Haringako koa ny biby
fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony
ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
14 Dia hahenako* ny
ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na.
hampandriko hadio]
15 Raha hataoko lao ny
tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary
haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16 Izany no hira
fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany;
Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany
izany, hoy Jehovah Tompo.
17 Ary tamin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18 Ry zanak'olona,
isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny
firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19 Mihoatra noho ny
an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara* amin'izay tsy
voafora.[Heb. mandria]
20 Any amin'ny
voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra;
Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21 Izy sy ny nanampy azy
no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita*
manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny
sabatra.[Heb. Sheola]
22 Ao koa Asyria
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy
rehetra, samy lavon'ny sabatra;
23 Efa natao any
am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny
fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga
tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
24 Ao koa Elama
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy
rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany,
dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy
mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
25 Teo amin'ny
voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra;
Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny
sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary
samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny
voa-trabaka no nametrahany azy.
26 Ao koa Meseka-tobala
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora
izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy
tany amin'ny tanin'ny velona izy.
27 Ary tsy
hiara-miampatra* amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia
ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita** ka mitondra ny fiadiany, sady
voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony,
satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[*Heb.
mandry][**Heb. Sheola]
28 Eny, ianao dia
haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra* amin'ny voatrabaky ny
sabatra.[Heb. mandry]
29 Ao koa Edoma
mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny
voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra* amin'ny tsy
voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
30 Ao koa ireo
andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina
tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary
miampatra* tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra
henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
31 Ireny dia ho
hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny
sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
32 Fa efa nahatonga
ny fahatahorana azy* tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina**
ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao
mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[*Na. Ahy][**Heb.
hampandrina]
* *
1 [Fananterana ny nanendrena
an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga
sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray
ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3 ary
hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara
hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]
4 nefa tsy mety taitr
izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho
eo an-dohany ihany ny ràny.
5 Nandre ny feon'ny
anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha
nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
6 Fa raha hitan'ilay
mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka
tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia
matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay
mpitily.
7 Koa ianao, ry
zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha
mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 Raha hoy Izaho
amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy
mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany
izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.
9 Fa raha mananatra
ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety
miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10 Ary ianao, ry
zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto
aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia
nahoana no mbola velona izahay?
11 Lazao aminy hoe:
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy
fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana
moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
12 Ary ianao, ry
zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy
hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy
fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary
ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
13 Raha lazaiko amin'ny
marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka
manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny
heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
14 Ary koa, raha hoy
Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny
fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
15 ka mamerina ny natao
tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka
tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 Ny fahotana rehetra
izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy
izy, ka dia ho velona tokoa.
17 Kanefa, hoy ny zanaky
ny firenenao: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo; nefa ny fitondran*'ny tenany
no tsy marina.[Heb. lalan']
18 Raha ny marina miala
amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
19 Ary raha ny ratsy
fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho
velona amin'izany izy.
20 Kanefa, hoy ianareo:
Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko
araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']
*
21 [Ny nisokafan'ny
vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola
hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy
tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny
namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao
amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
22 Dia efa tonga tamiko
ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra
izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay
nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka
tsy moana intsony aho.
*
23 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Ry zanak'olona, ny
monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny
ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena
antsika ny tany ho lovantsika
25 Koa lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny
sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26 Mitoky amin'ny
sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny
namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27 Izao no holazainao
aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho
lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko
ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato* sy amin'ny lava-tany dia
ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
28 Fa hataoko rava sy
lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry
ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
29 Dia ho fantany fa
Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana
nataony.
30 Ary ianao, ry
zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo
am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika,
ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
31 Dia mankao aminao
tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare
ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny
vavany*, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy
am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]
32 Koa, indro, ianao dia
ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay
mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]
33 Ary nony tanteraka
izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany
tokoa tao aminy.
1 [Ny amin'ny mpiandry
ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena
mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely
izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
3 Ny taviny dia
haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba
andrasanareo.
4 Tsy manatanjaka ny
malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny
noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5 Dia miely izy, satria
tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.
6 Mirenireny eny an-tendrombohitra
sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany
rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
7 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
8 Raha velona koa Aho,
hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko
ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny
ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny
ondriko,
9 dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
10 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny
amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy
hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny
ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11 Fa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika
azy.
12 Toy ny fandinidiniko
ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa
niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any
amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13 Ary ho entiko mivoaka
avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia
ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely
sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny
tany.
14 Eny amin'ny tany
tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny
Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary
eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra* no hihinanany, dia any an-tendrombohitry
ny Isiraely.[Heb. matavy]
15 Izaho no hiandry ny
ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
16 Ny very hotadiaviko,
ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny
matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
17 Ary ny aminareo, ry
ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry
aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18 Moa ataonareo ho
zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny
tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia
nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
19 Ary ny amin'ny
ondriko, moa izay voahosihosin'ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay
voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
20 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry
matavy amin'ny ondry mahia.
21 Satria ny tehezanareo
sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no
entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
22 dia hovonieko ny
ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny
ondry namany.
23 Ary hanangana
Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no
hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24 Ary Izaho Jehovah no
ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah
no niteny izany.
25 Ary hanao
fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany
intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia
any anaty ala aza.
26 Ary izy sy ny
manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana
amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27 Ary hamoa ny hazo any
an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia
ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko
amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.
28 Ary tsy ho babon'ny
jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy
hanaitaitra azy.
29 Ary hampaniry voly ho
laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na
hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
30 ka dia ho fantany fa
Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko,
hoy Jehovah Tompo.
31 Ary ny aminareo
ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy
Jehovah Tompo.
1 [Ny handravana an'i
Edoma noho ny nandrafiany ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
3 dia ataovy aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra
Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
4 Ny tanànanao hataoko
korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
5 Noho ny fandrafianao
hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin*'ny sabatra,
fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,[Heb. ho eo
an-tànan']
6 Dia izao no lazain'i
Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika
anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
7 Hataoko foana sy lao
ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny
miverina,
8 Ary hofenoiko ny olony
voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary
amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny
sabatra.
9 Hataoko rava
mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah.
10 Ary noho ny
nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy
avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
11 Dia izao no lazain'i
Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao
Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny
tenako amin'ny hitsarako anao.
12 Ka dia ho fantatrao
fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny
tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
13 Ary nanao teny
miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko
izany.
14 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
15 Toy ny nifalianao ny
amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no
hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka
dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
1 [Ny hitahian'i Jehovah
ny tanin'ny Isiraely] Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny
tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely,
mihainoa ny tenin'i Jehovah:
2 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny
havoana fahagola!
3 Dia maminania, ka
lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny
nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny
jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy
fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
4 Dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah
Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha
ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho
an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
5 Eny, izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny
fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma
rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy
tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6 Koa maminania ny
amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny
lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro,
tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny
nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
7 Dia izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina
anareo no hitondra henatra.
8 Fa ianareo kosa, ry
tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely
oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
9 Fa, indro, hitodika ho
aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 Ary hahamaro ny olona
eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny
tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
11 Dia hampitombo olona
sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako
mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny
tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12 Eny, hampivoivoy
olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo* izy ka
hahalasa anareo* ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo**.[*Heb.
anao][**Heb. ianao]
13 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany
olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
14 Dia tsy handany olona
intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15 Ary hataoko tsy
mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny
fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy
Jehovah Tompo.
16 [Ny fifampiankinan'ny
famonjena ny Isiraely sy ny fahamasinany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah
nanao hoe:
17 Ry zanak'olona, ny
taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny
fanaony* sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny
fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony* eo anatrehako.[Heb. lalany]
18 Ka dia naidiko ho
aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin'ny tany sy noho
ny nandotoany izany tamin'ny sampiny.
19 Ary naeliko ho any
amin'ny firenena izy ka nahahaka ho any amin'ny tany samy hafa; araka ny
fanaony* sy ny asany no nitsarako azy.[Heb. lalany]
20 Ary nony tonga tany
amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina
tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny
tanin'i Jehovah izy.
21 Dia namindrako fo ny
anarako masina, izay nolotoin'ny taranak'Isiraely tany amin'ny firenena izay
nalehany.
22 Koa atsovy amin'ny
taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no
anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay
nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo.
23 Ary hohamasiniko ny
anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany
fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho
amin'ny ataoko aminareo.
24 Fa halaiko avy any
amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho
entiko ho any amin'ny taninareo.
25 Dia hofafazako rano
madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny
sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26 Ary homeko fo vaovao
ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny
nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27 Ary ny Fanahiko no hataoko
ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny
fitsipiko ka hanaraka azy.
28 Ary honina any
amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho
ho Andriamanitrareo.
29 Ary hovonjeko ho
afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra
ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
30 ary hataoko vokatra
koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa
amin'ny mosary intsony ianareo.
31 Dia hotsarovanareo ny
lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny
tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32 Tsy noho ny aminareo
no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy
mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
33 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo
rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa
rava.
34 Ary hasaina ny tany
efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy.
35 Fa holazainy hoe: Ity
tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao
dia misy mponina sady asiana manda;
36 ka dia ho fantatry ny
jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa
rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka
izany.
37 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao
ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38 Toy ny ondry aman'osy
masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no
hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia
ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
*
1 [Fanoharana ny amin'ny
hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i
Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy
nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
2 Ary nitondra ahy nandehandeha
teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha
ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
3 Ary hoy Jebovah
tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary
hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
4 Dia hoy indray Izy
tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry
taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
5 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho
velona;
6 ary hasiako ozatra
ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako
fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7 Dia naminany aho araka
izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary,
indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana
namany avy.
8 Ary hitako fa, indro,
naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy
fofonaina tao aminy.
9 Dia hoy Izy tamiko:
Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny
fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra
efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10 Dia naminany araka
izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia
nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
11 Dia hoy Izy tamiko:
Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy
manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
12 Koa maminania, ka
ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no
hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho
entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely;
13 ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra
anareo hiala amin'ny fasanareo.
14 Ary hataoko ao
anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny
taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady
nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15 Ary tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
16 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy
ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio
soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny
taranak'Isiraely namany rehetra.
17 Ary ampifanatony
izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18 Ary raha miteny
aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao
amin'izany va ianao?
19 dia ataovy aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa,
izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho
eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho
tonga iray eny an-tanako.
20 Ary ny tapa-kazo
izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
21 Dia lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy
any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina
any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
22 ary hataoko ho
firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary
mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony
izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
23 Ary tsy handoto
tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony
izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary
hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24 Ary Davida
Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka
ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
25 Ary honina any
amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny
razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary
Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
26 Ary hanao
fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary
hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy
mandrakizay.
27 Ary ny
tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
28 Ka dia ho fantatry
ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny
fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
*
1 [Ny handresena an'i
Goga sy Magoga mbamin'ny firenena maro izay ho entiny hiady amin'ny Isiraely]
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona,
manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy
Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
3 ka ataovy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i
Rosy sy Meseka ary Tobala.
4 Ary hitarika anao
Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny
tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka
izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary
samy mitan-tsabatra;
5 miaraka aminy ny
Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana*, samy mitondra ampinga lehibe sy
fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota]
6 Gomera koa
mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany
avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7 Miomana, ka mitaova
tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka
ianao no ho mpitarika* azy.[Na: mpitandrina]
8 Rehefa afaka andro
maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny
tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany
amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny
ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy
rehetra.
9 Eny, hiakatra
ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny
rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena
maro izay miaraka aminao.
10 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao
an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
11 ka hanao hoe:
Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry
fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy
manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12 mba hamabo sy
handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny
izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary
omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
13 Sheba sy Dedana
ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia
hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao
betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary
hahazo babo betsaka?
14 Koa maminania, ry
zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa
amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho
fantatrao va izany?
15 Ary ho tonga avy
any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena
maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy
miaramila betsaka;
16 ary hiakatra
hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao;
any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba
hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny
ataoko aminao, ry Goga.
17 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny,
dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny
hampakarako anao hamely azy?
18 Ary amin'izany
andro izany, dia ny andro hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny Isiraely, hoy
Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19 Fa amin'ny
fahasaro-piaroko sy ny afon'ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro
izany dia hisy horohoro mafy any amin'ny tanin'ny Isiraely,
20 ka hangorohoro eo
anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia
ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany
ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany
fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
21 Dia hiantso
sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo:
ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.
22 Ary hamaly azy*
amin'ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra
vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany
mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.[Heb. hifandahatra aminy]
23 Ka dia hasehoko ny
fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro
Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
1 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy
Meseka ary Tobala.
2 Hitarika sy hitondra
anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any
an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
3 Ary hasiako ny
tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao
an-kavanana ny zana-tsipìkanao.
4 Any an-tendrombohitry
ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena
izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana
rehetra sy ny bibi-dia ianao.
5 Eny an-tsaha no
hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
6 Ary haterako afo
Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho
fantany fa Izaho no Jehovah.
7 Ary ny anarako
masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako
holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no
Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
8 Indro, tonga izany ka
tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
9 Ary hivoaka ny mponina
ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny
ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary
hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
10 fa tsy haka kitay
hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka
hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah
Tompo.
11 Ary amin'izany andro
izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny
lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana* ny mpandalo izany;
ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany
hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]
12 Ary fito volana
mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
13 Eny, ny
tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro
hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
14 Ary izy hanavaka
sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa
handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito
volana, dia vao hikatsaka izy;
15 ary raha mandeha
mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo
anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro
ben'i Goga.
16 Ary hisy tanàna
koa hatao hoe Hamona*. Toy izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona maro
be]
17 Ary ianao, ry
zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina
rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna
ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia
fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy
hisotroanareo rà.
18 Ny nofon'ny
lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo,
dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy
any Basana izy rehetra.
19 Dia hihinana matavy
ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny
fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20 Ary ho voky soavaly
sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo
amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
21 Ary hasehoko any
amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana
hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
22 Ary ho fantatry ny
taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka
hatramin'ny ho avy rehetra.
23 Ary ho fantatry ny
jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika
tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo
an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24 Araka ny fahalotoany
sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
25 Koa izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary
hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny
amin'ny anarako masina Aho.
26 Dia mba hahatsiaro*
ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa
mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra]
27 rehefa ampodiko avy
any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary
hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
28 dia ho fantany fa
Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny
firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko
any izy na dia iray akory aza.
29 Ary tsy hafeniko
aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko,
hoy Jehovah Tompo.
* *
1 [Ny fahitana naseho
tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby
roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia
tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo
taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i
Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
2 Fahitana avy
amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka
napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo
amin'ny ilany atsimo.
3 Dia nentiny nankao
aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony
teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4 Dia hoy ralehilahy
tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao,
ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao
izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra
hitanao.
5 Ary, indro, nisy
ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy
nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho
iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny
hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny
volotara koa.
6 Dia tonga teo amin'ny
vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia
nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana
voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany*.[Na: ary eran'ny volotara ny
sakan'ny tokonana iray koa]
7 Ary ny trano
fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany;
ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo
anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
8 Dia norefesiny koa ny
lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
9 Ary norefesiny ny
lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary
ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
10 Ary ny trano
fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny;
mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny
roa.
11 Ary norefesiny koa ny
haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny
folo hakiho.
12 Ary nisy nifefy teo
anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny
trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho
koa ny tamin'ny lafiny iray.
13 Dia norefesiny koa ny
vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny
iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
14 Ary ny tongo-bato dia
noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja
manodidina ny vavahady.
15 Ary hatreo anoloan'ny
vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia
dimam-polo hakiho.
16 Ary nisy varavarankely
makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny
tongo-bato ao anatin'ny vavahady*; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao
anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra
dia samy nisy sarin'ny hazo rofia** avokoa.[*Na: sady manodidina azy ny
vavahady][**palma]
17 Dia nentiny ho any
amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato
teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
18 Ary ny lampivato dia
teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato
ambany io.
19 Dia norefesiny koa ny
sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny,
dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
20 An norefesiny koa ny
lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
21 Ary ny trano
fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia
nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary
dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22 Ary ny
varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia* taminy dia nitovy
ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho
fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]
23 Ary nisy vavahadin'ny
kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny
atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny
anankiray, ka zato hakiho.
24 Dia nentiny
nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny
tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25 Ary nisy
varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo
varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby
roa-polo hakiho ny sakany.
26 Ary nisy ambaratonga
fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo
rofia* iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny
tongo-batony.[palma]
27 Ary nisy vavahady
fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo
hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
28 Ary nentiny niditra
tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny
vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
29 ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany
koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina,
dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
30 Ary nisy tohany
manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
31 Ary ny tohany dia
nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
32 Dia nentiny
niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka
araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33 Ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany
koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina,
dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34 Ary nanatrika ny
kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
35 Ary nentiny ho any
amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany
koa,
36 ary ny trano
fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy
manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny
sakany.
37 Ary nanatrika ny
kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny
tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]
38 Ary nisy efi-trano
misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny
fanatitra dorana.
39 Ary teo amin'ny
lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana
ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40 Ary teo anilany eo
ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy
latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny
vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
41 Nisy latabatra efatra
teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny
ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
42 Ary nisy latabatra
efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy
sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny
hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hafa.
43 Ary nisy fihantonana
roa rantsana*, vodivoam-pelatanana ny halavany**, naorina manodidina eny
amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[*Na:
nisy filirany][**Na: ny habeny]
44 Ary teo ivelan'ny
vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia
nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray
koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45 Ary hoy izy tamiko:
Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny
anjara-raharahany amin'ny trano.
46 Ary ny efi-trano
manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny
anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny
taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
47 Dia norefesiny ny
kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro
sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
48 Ary nentiny ho any
amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny
lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho
koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny
tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
49 Roa-polo hakiho ny
lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary
ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray
tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
1 Ary nentiny ho ao
amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny
sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny
iray; sakan'ny trano-lay izany.
2 Ary ny sakan'ny
varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho
avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo
hakiho.
3 Dia nandroso ho ao
anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana,
ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito
hakiho.
4 Dia norefesiny ny
lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny
ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
5 Ary samy norefesiny
manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny
paosin-trano dia efatra hakiho.
6 Ary ireo paosin-trano
ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny
rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy
hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
7 Ary ny sakan'ireo
efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky
ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny
ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny
ambany.
8 Dia hitako fa nisy
tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia*
eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny
trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]
9 Ny hatevin'ny rindrina
ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa
navela manolotra ny paosin-trano.
10 Ary ny teo
anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na
aiza.
11 Ary ny varavaran'ny
paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny
avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia
dimy hakiho manodidina.
12 Ary ny trano izay teo
anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho
ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina,
ary sivi-folo hakiho ny lavany.
13 Dia nandrefy ny trano
izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny
rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14 Ary ny sakan'ny trano
eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15 Dia norefesiny ny
lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo
an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny
kianja
16 ary ny tokonana sy ny
varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo
(manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny
tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17 ary ny eo ambonin'ny
varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina
manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra
avokoa.
18 Ary nisy sarin'ny
kerobima sy ny hazo rofia* natao, ka ny sarin'ny hazo rofia* dia teo
anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]
19 ka ny tarehin'olona
no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora
kosa no nanatrika ny hazo rofia* tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny
trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]
20 Hatramin'ny tany ka
hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia*,
dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]
21 Efa-joro ny tolan'ny
ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy
tamin'izany koa.
22 Ny alitara dia hazo,
ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary
ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo
anatrehan'i Jehovah.
23 Ary ny ati-trano
lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
24 Ary ireo
lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny
anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.
25 Ary nisy sarin'ny
kerobima sy ny hazo rofia* natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe
tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana** hazo teo
anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[*palma][**Na: tatao]
26 Ary nisy
varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia* teo an-daniny roa,
dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano
ary teo amin'ny tokonana*.[*palma][**Na: tatao]
1 Dia nentiny nivoaka
nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny
efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny
avaratra,
2 dia ho eo anoloan'ilay
lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo
hakiho.
3 Tandrifin'ny roa-polo
hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja
ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony
indrindra.
4 Ary teo anoloan'ny
efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana
iray* hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.[Na: (zato)]
5 Ary nohakelezina ny
efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho
ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 Fa nifanongoa telo
ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy
noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
7 Ary nisy ampiantany
teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo
anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
8 Fa ny lavan'ireo
efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny
teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
9 Ary teo ambanin'ireo
efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy
eo amin'ny kianja ivelany.
10 Ary nisy efi-trano
koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana,
tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.
11 Ary nisy lalana teo
anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny,
sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy
ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
12 ary tahaka ny
varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny
fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra
aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13 Dia hoy izy tamiko;
Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja
voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i
Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina
indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny
fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
14 Raha miditra ao ny
mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany
izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao
fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao
manatona ny olona.
15 Ary nony vita ny
nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady
izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
16 Norefesiny tamin'ny
volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara
manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
17 Norefesiny koa ny
lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara
fandrefesana.
18 Norefesiny koa ny
lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara
fandrefesana.
19 Nitodika nankany
amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny
volotara fandrefesana.
20 Norefesiny avokoa ny
lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany,
ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
1 [Ny nidiran'ny
voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny tempoly, sy ny teny nampitondrainy
tamin'izany] Ary nentiny ho any amin'ny vava*;) hady aho, dia ilay vavahady
manatrika ny atsinanana.
2 Ary, indro, tamy ny
voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia
tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny
voninahiny.
3 Ary ny tarehin'ny
zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny
tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara
ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Ary ny voninahitr'i
Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Dia nisy fanahy*
nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro,
feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.[Na: rivotra]
6 Dia reko fa nisy
niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7 Dia hoy Izy tamiko: Ry
zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako,
izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny
taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny
sampin*'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb.
fatin']
8 tamin'ny nametrahany
ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny
teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny
tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy
tamin'ny fahatezerako Aho.
9 Fa amin'izao kosa dia
aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin*' ny mpanjakany, ka dia
honina ao aminy mandrakizay Aho.[Heb. fatin']
10 Hianao, ry
zanak'olona, asehoy amin'ny taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny
amin'ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
11 Ary raha menatra ny
amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny
fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny
endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna
rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary
ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
12 Izao no lalàna
amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo
an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.
13 [Ny amin'ny
alitaran'ny fanatitra odorana sy ny fanokanana azy] Ary izao no mariky ny
alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra
vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray
hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no
fiorenan'ny alitara.
14 Ary hatramin'ny
fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary
ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny
avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
15 Ary ny fanambonin'ny
alitara* dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana** dia hisy tandroka
efatra.[*Heb. Harela = tendrombohitr'Andriamanitra][**Heb. Ariela =
fatan'Andriamanitra, na lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny
fanambonin'ny alitara ireo]
16 Roa ambin'ny folo
hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary
efa-joro sokera izy,
17 Ary ny rindriny dia
efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny
sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny
hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia
manatrika ny atsinanana.
18 Ary hoy izy tamiko:
Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara
amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà
aminy:
19 Ny Levita mpisorona,
taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia
homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
20 Dia hangalanao ny
ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny
rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao* azy sy
hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka
ota azy; Lev. viii. 15]
21 Halainao koa ny
vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana
voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.
22 Ary amin'ny andro
faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary
hodioviny* ny alitara tahaka ny nanadiovany* azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny
dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
23 Ary rehefa vita ny
anadiovanao* azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy
tsy misy kilema ianao.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy;
Lev. viii. 15]
24 Ary haterinao eo
anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia
hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
25 Hafitoana no hanateranao
osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy
izay tsy misy kilema.
26 Hafitoana no
hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany*
azy.[Heb. hamenoana ny tànany]
27 Ary rehefa tapitra
izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny
mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo;
ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
1 [Lalàna ny amin'ny
mpanjaka sy ny mpisorona] Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny
vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana;
ka, indro, nirindrina io.
2 Dia hoy Jehovah
tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona;
fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no
hirindrinany.
3 Kanefa kosa ny
mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria
mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary
amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4 Dia nentiny
nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa,
indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka
nihohoka aho.
5 Ary hoy Jehovah tamiko:
Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka
hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna
rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy
ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
6 Ary lazao amin'ireo
maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay
ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!
7 dia ny nitondranareo
vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto
ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia
nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
8 ary tsy nitandrina ny
anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho
mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
9 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny
zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.
10 Ary na dia ny Levita
aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala
tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11 Ary ho mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny
amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly* sy ho mpanao fanompoam-pivavahana
ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny
fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho
azy.[Heb. trano]
12 Satria nanao
fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga
fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako
tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13 ary tsy hanatona Ahy
ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay
zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana
nataony izy.
14 Ary hotendreko ho
mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra
sy ny zavatra rehetra atao ao.
15 Fa ny Levita
mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny
fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no
hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako
hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
16 Eny, izy no hiditra
ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana
ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17 Ary raha miditra any
amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy
hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny
kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18 Satroka rongony no ho
eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy
hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19 Ary raha mivoaka ho
any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay
fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano
masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny
fitafiany ireny.
20 Tsy hanaratra ny
lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
21 Ny divay dia tsy
hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
22 Ary tsy hanambady
vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny
taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.
23 Ary hampianatra ny
oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny
tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.
24 Ary raha misy
mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany
azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana
rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25 Ary tsy hiditra
am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na
zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia
mahazo miditra am-paty ihany izy.
26 Ary rehefa voadio aza
izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27 Ary amin'ny andro
hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny
noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28 Ary hisy lova ho azy,
dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa
Izaho no anjarany.
29 Ny fanatitra hohanina
sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny
zavatra rehetra izay voatokana* eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb.
herema]
30 Ary ny santatry ny
voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra
izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny
santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba
hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31 Ny zavatra maty ho
azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny
mpisorona.
1 [Ny amin'ny tany
homena ho an'ny tempoly sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny
amin'ny zavatra haloa ho an'ny mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa
zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho
fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy
arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny
fari-taniny rehetra manodidina izany.
2 Ary io dia hanalana
efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny
sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3 Eny, araka izany
fandrefesana izany no handrefesanao* dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary
iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina
indrindra.[Na: Ary amin'izany voarefy izany dia mbola hisy horefesinao koa,
dia]
4 Ho anjara masina
amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao
amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i
Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana
masina.
5 Ary tany dimy arivo
amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano
roa-polo.
6 Ary homenareo koa ny
zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina
ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny
taranak'Isiraely rehetra izany.
7 Ary ny mpanjaka dia
homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany
ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny
mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka
miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny
sakany*, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na
amin'ny atsinanana.[Heb. lavany]
8 Ho taniny izany, dia
anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro* dia tsy
hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely
isam-pireneny.[Heb. mpanjakako]
9 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny
fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo
ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10 Mizana marina sy
efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11 Hitovy fatra ny efaha
sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia
ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12 Ny sekely dia
roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no
ho manenareo.
13 Izao no zavatra
haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary
haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;
14 ary ny didy ny
amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora;
fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
15 Ary ondry iray
isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao
fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana
fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
16 Ny vahoaka rehetra no
handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.
17 Fa ny mpanjaka kosa
no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra
aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia
amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no
hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra
dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny
taranak'Isiraeb.
18 [Ny amin'ny andro
firavoravoana sy ny fanatitra isan'andro] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha
mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy
tsy misy kilema ianao ka hanadio* ny fitoerana masina.[Heb. hanafaka ota]
19 Ary hangalan'ny
mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano
sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny
vavahadin'ny kianja anatiny.
20 Ary toy izany koa no
hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy,
na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
21 Amin'ny andro
fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska;
andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22 Ary amin'izany andro
izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny
ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23 Ary amin'ny andro
firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny
hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy
misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
24 Ary hanatitra ny
fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha
isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.
25 Amin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana,
dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na
ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
1 [Ny amin'ny mpanjaka
sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny
zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka]
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika
ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa
amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
2 Dia hiditra avy any
ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka
hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny
fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo
amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha
tsy efa hariva ny andro.
3 Ary ny vahoaka koa
hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny
andro voaloham-bolana.
4 Ary ny fanatitra
dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia
zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5 Ary ny fanatitra
hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina
fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo iray hina
isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
6 ary amin'ny andro
voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina
ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
7 Ary hanatitra
fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha
isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany*, ary ny
diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
8 Ary raha miditra ny
mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary
amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
9 Fa raha ny vahoaka
kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay
miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady
atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny
vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa
amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
10 Ary ny mpanjaka dia
hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
11 Ary amin'ny andro
firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina
isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny
zanak'ondry, dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia eran'ny hina
isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
12 Ary raha ny mpanjaka
no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i
Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny
ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata;
ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
13 Ary zanak'ondry
anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra
dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
14 Ary hanatitra
fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy
diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho
an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
15 Ary toy izany no
anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho
fanatitra mandrakariva.
16 Izao no lazain'i
Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny
mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
17 Fa raha manome
zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia
ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho
amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
18 Ary tsy haka amin'ny
lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy
amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny
zara-taniny.
19 Dia nentiny niditra
tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny
mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny
faran'ny andrefana.
20 Dia hoy izy tamiko:
Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra
noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka
lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21 Dia nentiny nivoaka
ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny
kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22 Teny amin'ny zorony
efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany,
ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23 Ary nisy rafitra teo
anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana
ambanin'izany rafitra manodidina izany.
24 Dia hoy izy tamiko:
Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana
eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.
1 [Ny amin'ny onin'ny
ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary,
indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa
manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny
ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
2 Dia nentiny nivoaka
tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina
tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny
lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny
ilany ankavanana.
3 Ary nony nandeha
niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo
hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
4 Ary nandrefy arivo
hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary
nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5 Ary nandrefy arivo
hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano,
dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6 Dia hoy izy tamiko: Ry
zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny
ony izy.
7 Ary nony niverina
aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
8 Dia hoy izy tamiko:
Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any
amin'ny tani-hay* ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo
an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabà]
9 Ary ny
zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho
velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho
sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]
10 Ary hisy mpaka
hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho
famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny
hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
11 Fa ny honahona sy ny
heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
12 Ary eny amoron'ny
ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny
raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria
mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany,
ary ho fanafody ny raviny.
*
13 [Ny ho faritry ny
Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanànan'Andriamanitra]
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova
araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14 Ary samy handova
avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny
razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15 Ary izao no faritry
ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana
mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16 dia Hamata, Berota,
Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i
Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17 Ary ny fari-taniny
dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary
amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18 Ary ny lafiny
atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny
Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina
atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
19 Ary ny lafiny atsimo
dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny
lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20 Ny lafiny andrefana
koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata.
Izany no lafiny andrefana.
21 Hozarainareo ho
anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.
22 Ary amin'ny filokana
no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka
ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely;
hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
23 Ary amin'izay
firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah
Tompo.
1 Ary izao no anaran'ny
firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana
mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo
avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana;
anjara iray ho an'i Dana.
2 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa
ho an'i Asera.
3 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray
koa ho an'i Naftaly.
4 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Manase,
5 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Efraima.
6 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an? i Robena.
7 Ary mifanolotra
amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Joda.
8 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay
tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny
lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany
andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9 Ny tany izay
hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray
alina ny sakany.
10 Ary ho an'ny
mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny
lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany
atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana
masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
11 Ho an'ny mpisorona
izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny
nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka
ny nivilian'ny Levita,
12 eny, ho azy izany ho
tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra
amin'ny faritanin'ny Levita.
13 Ary ny Levita koa dia
hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa
alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina
ny lavany, sy iray alina ny sakany.
14 Ary tsy ho azony
hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany;
fa masina ho an'i Jehovah izany.
15 Ary ny dimy arivo,
ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia
tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny
tanàna no ho ao afovoany.
16 Ary izao no ohany: Ny
avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby
efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny
andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
17 Ary ny amin'ny tany
fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby
roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary
ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
18 Ary ny lavany sisa
mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray
alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny
vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.
19 Ary izay mpiasa ao
an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
20 Ny tany voatokana
rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina
voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
21 Ary ho an'ny mpanjaka
ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny
tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana
hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa
alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany,
ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana
masina no ho eo aforoany.
22 Ary hatramin'ny
zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny
mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka
izany.
23 Ary ny amin'ny
firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia
hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
24 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia
iray koa ho an'i Simeona.
25 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'Isakara.
26 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Zebolona.
27 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray
koa ho an'i Gada.
28 Ary mifanolotra
amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny
ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina
Lehibe.
29 Izany no tany
hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no
ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
*
30 Ary izao no ohatry ny
tanàna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
31 Ary ny anaran'ny
vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra,
dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny
iray.
32 Ary amin'ny
atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i
Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
33 Ary amin'ny atsimo
diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i
Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
34 Ary amin'ny andrefana
dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray,
vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray.
35 Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.