Habakoka
1 [Ny fandozana nataon'ny Kaldeana, ary ny fitarainan'ny
mpaminany noho izany] Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka
mpaminany.
2 Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa
tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3 Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy
loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4 Koa noho izany dia
ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny
marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra* .[Heb. miolana]
5 Jereo any amin'ny
jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo
Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6 Fa, indro,
atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka* sady mirehidrehitra, Izay
mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.[Heb. mangidy]
7 Mahatsiravina sy
mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8 Faingana noho ny
leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia* hariva; Ny
mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy
lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]
9 Hampidi-doza no
ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra*, Ka manangona
sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan'izy rehetra]
10 Izy manakora ny
mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia
ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany* izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]
11 Dia mihelina toy
ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no
andriamaniny!
12 Tsy hatrizay
hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry
Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no
nanangananao azy
13 Hianao, Izay madio
maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no
mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina
noho izy,
14 Ary manao ny olona
ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka,
izay tsy mana-mpanapaka?
15 Aingainy amin'ny
fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato
tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
16 Koa izany no
amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo
manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara
matavy.
17 Koa noho izany dia
hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka
tsy hiantra?
*
1 [Ny nilazan'i
Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo
ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay
holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.
2 Dia namaly ahy
Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo
amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza*.[Na: mba
hihazakazahan'izy mamaky azy]
3 Fa ny fahitana dia
mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny,
na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy
hijanona.
4 Indro, feno avonavona
ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny
finoany*.[Na: fa ny marina amin'ny finoana no ho velona]
5 Ary koa, mamitaka ny
divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka
ny fiainan-tsi-hita*, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona
ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..[Heb.
Shoela]
6 Tsy hanao oha-teny
hamelezana azy va ireto rehetra ireto ? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana*
hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy!
Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka[Heb.
fampanonona]
7 Tsy hitsangana tampoka
va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony
ianao?
8 Fa efa namabo firenena
maro ianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny
ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny
mponina rehetra ao aminy.
9 Lozan'izay fatra-pila
harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny
avo, Mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza
10 Efa namoron-tsaina
izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena
maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao ianao.
11 Fa hitaraina ny vato
ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano* no hamaly azy.[Heb.
hazo]
12 Lozan'izay manao
vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!
13 Indro, tsy avy amin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny
firenena noho ny zava-poana?
14 Fa ny tany ho feno ny
fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny
ranomasina.
15 Lozan'izay mampisotro
divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba
hijery ny fitanjahany;
16 Efa feno henatra
ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha*; Hatolotra anao ny
kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny
voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao]
17 Fa hanody anao ny
loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby,
Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny
mponina rehetra ao aminy.
18 Mahasoa inona ny
sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra
an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny
nanaovany sampy moana?
19 Lozan'izay manao
amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra
va ireo ? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy
fanahy akory ao anatiny.
20 Jehovah dia ao
amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!
*
1 [Vavaka
nangatahan'ny mpaminany famindram-po] Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny
Sigionota.
2 Jehovah ô, efa reko
ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao
an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia
tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
3 Tamy avy any Temana
Andriamanitra, Dia ny iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana*. Manarona
ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.[Sela]
4 Misy famirapiratana
toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany;12 Ary ao no
fieren'ny heriny.[Na: avy eo anilany]
5 Eo alohany no
andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka* no mivoaka avy eo
aoriany.[Na: zava-mahamay]
6 Mijanona Izy ka
manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny
tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny
fahagola ny Azy.
*
7 Mahita ny lain'i
Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
8 Moa amin'ny ony va no
irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny
ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny
kalesim-pamonjenao Hianao ?
9 Nalan-tsarona ny
tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny*. [Sela] Namakivaky ny tany
Hianao mba hisy ony.[Na: ny fiainana tamin'ny firenena dia teny]
10 Nahita Anao ny
tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka* ny ranonorana mivatravatra,
Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.[Heb. Mandalo]
11 Ny masoandro sy ny
volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao
mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
12 Amin'ny fahatezeranao
no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13 Mivoaka hamonjy ny
olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny
tranon*'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany** ny fanorenany.
[sela][*Heb. lohan'][**an-katony]
14 Ny lefony ihany no
anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely
ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
15 Mitety ny ranomasina
amin'ny soavalinao Hianao, Dia eny amin'ny rano be miavovona.
*
16 Nony mandre aho, dia
mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana
ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho,
Dia izay hiakaran'ny mpanao an-diany hamely ny olonao.
*
17 Fa na dia tsy
mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso
fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina
aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
18 Nefa izaho dia mbola
hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.