BOKY KAOMANTERA MOMBA NY EPISTILY VOALOHANY NOSORATAN'I JAONA
Ny votoatin'ity sy ny hevitra rehetra voasoratra ato dia nosoratan'ny OLOMBELONA ihany fa tsy nataon'ny AI na dia malaza sy efa mivoatra aza ny AI amin'izao. Ny antony dia mba ahatonga ny tenin'Andriamanitra ho fianarana hatrany, ary natao fanadihadiana lalina ihany koa. Koa antenainay fa hitondra zava-baovao sy fahalalana ho anao izay tia sy mandalina ny Soratra Masina izao Kaomantera izao. Mazotoa mamaky sy mandalina.
(Aza adina ny manohana anay amin'ny alalan'ny FANOMEZANA ARA-BOLA NA TOROHEVITRA NA FANATSARANA mba hampandehanana ny fikarohana sy ny fikirakirana momba ny tranokala)
MISAOTRA ANAO
1. Ny Mpanoratra
Tsy voalaza no sady tsy hitantsika ao amin’ity taratasy ity hoe iza no nanoratra ilay boky; kanefa araka ny lovantsofina dia i Jaona no nanoratra azy. Dia ilay Jaona Apôstôly. Anisan'ireo lehilahy 12 izay nantsoin'i Jesosy voalohany hanaraka azy izy.
I Jaona no nanoratra ny Filazantsara fahefatra dia Filazantsaran’i Jaona. Mitovy an'ny Filazantsaran'i Jaona ny fomba fisainana sy ny fomba fanoratana ity taratasy ity; izany no manambara fa olona iray ihany no nanoratra an’ireo boky roa ireo. Ireto misy andalana vitsivitsy mampiseho izany:
|
Epistilin’i Jaona Voalohany |
Ny Filazantsaran'i Jaona |
|
1 Jaona 1:1 |
Jaona 1:1, Jaona 1:4, Jaona 1:14 |
|
1 Jaona 2:5 |
Jaona 14:23 |
|
1 Jaona 2:6 |
Jaona 15:4 |
|
1 Jaona 2:8; 1 Jaona 3:11 |
Jaona 13:34 |
|
1 Jaona 2:8, 1 Jaona 2:10 |
Jaona 1:5, Jaona 1:9; Jaona 11:10 |
|
1 Jaona 2:13-14 |
Jaona 17:3 |
|
1 Jaona 3:1 |
Jaona 1:12 |
|
1 Jaona 3:2 |
Jaona 17:24 |
|
1 Jaona 3:8 |
Jaona 8:44 |
|
1 Jaona 3:13 |
Jaona 15:20 |
|
1 Jaona 4:9 |
Jaona 3:16 |
|
1 Jaona 4:12 |
Jaona 1:18 |
|
1 Jaona 5:13 |
Jaona 20:31 |
|
1 Jaona 5:14 |
Jaona 14:14 |
|
1 Jaona 5:20 |
Jaona 17:2 |
2. Ny fotoana sy ny toerana
Efa antitra i Jaona ka tokony ho tany amin’ny taona 50 na 60 taorian'ny nahafatesan'i Kristy ny fotoana nanoratana ilay boky. Angamba i Jaona no apostoly zandriny indrindra. Ary angamba izy no apostoly farany mbola velona. Nipetraka tao amin'ny tanàna nantsoina hoe Efesosy izy.
3. Ireo olona nandray ny taratasin'i Jaona
Tany Efesosy i Jaona fony nanoratra ity taratasy ity ary nalefany tany amin'ireo fiangonana tao amin'io faritra io izany. Nanoratra ho an'ireo Kristiana tao amin'ireo fiangonana ireo izy. Fantany tsara izy ireo ary tiany. Noheveriny ho toy ny fianakaviany mihitsy izy ireo ary niresaka tamin'izy ireo toy ny hoe niresaka tamin'ny zanany.
4. Ny antony nanoratan'i Jaona ity taratasy ity
Nisy olona sasany tao amin'ireny fiangonana ireny no nino zavatra diso. Kanefa ny olona mpikambana tao amin'ny fiangonana ihany no nampianatra ny mpiangona an’ireo zavatra diso ireo. Na izany aza, dia niala tamin'ny finoana izy ireo ary nandao ny fiangonana (1 Jaona 2:19). Koa nikasa ny hanitsy ireo hevitra diso ireo tao amin'ny taratasiny i Jaona. Ny hevitra diso iray dia ny hoe tsy tena olombelona i Kristy. Toa olombelona Izy nefa tsy tena olombelona. Nampianatra mazava tsara i Jaona fa tonga olombelona tokoa ny Zanak’ Andriamanitra. Niaina teto an-tany Izy tamin’ny maha-olombelona Azy. Tena maty olombelona tokoa i Kristy. Nitsangana tamin’ny maty indray ilay lehilahy, dia i Kristy Jesosy.
Nisy olona nampianatra fa olombelona fotsiny i Jesosy. Nampianatra izy ireo fa tsy tena Andriamanitra Izy. Satria araka ny finoan’ny sasany, Andriamanitra dia tsy afaka ny ho faty. Nilaza izy ireo fa tonga tao amin'i Jesosy i Kristy. Avy eo dia nandao azy indray i Kristy talohan'ny nahafatesany. Namaly izany i Jaona. Nasehony fa iray amin'Andriamanitra i Jesosy. Izy no Kristy, izay nanolotra ny ainy ho antsika. Tsy misy olombelona tsotra afaka manala ny fahotantsika tahaka ny nataon'i Jesosy Kristy Tompo.
Ireo olona ireo dia nampianatra zavatra diso hafa. Izao no nolazainy: “Ratsy ny vatana, fa tsara ny fanahy. Ny tena fiainana dia ao amin'ny fanahy. Izay ataontsika ao amin'ny vatana dia tsy misy fiantraikany amin'ny fanahy. Koa tsy maninona ny fomba fiainantsika ao amin'ny vatana”.
Nihevitra ireo olona ireo fa tsy nisy dikany ny ratsy nataony. Nilaza izy ireo fa tia an'Andriamanitra kanefa, mbola mivelona ho an'ny tenany ihany izy ireo. Nasehon'i Jaona fa diso izany hevitra izany. Raha tia an'Andriamanitra isika dia tsy maintsy ho tsara ny fiainantsika. Tsy tokony hanohy hanota isika. Tsy maintsy miaina tahaka ny fiainan'i Jesosy isika. Tsy maintsy miaina fiainana marina sy tsara isika satria tsara Andriamanitra.
5. Ny tanjon'ny taratasy
Nanoratra ity taratasy ity i Jaona mba hampaherezana ny Kristiana. Tiany ho fantatr'izy ireo ny marina. Amin'izay dia ho fantany ny hevi-diso. Asehon'ny taratasy fa zanak'Andriamanitra ny Kristiana noho izany dia mahafantatra Azy ho Ray izy ireo. Raha Andriamanitra no Rainy, dia mpirahalahy sy mpirahavavy avokoa izy rehetra. Asehon'i Jaona azy ireo ny karazana fiainana tokony hiainan'ny zanak'Andriamanitra. Mizara ny fiainana izay omen'ny Tompo Jesosy azy ireo izy rehetra. Izany no fiainana mandrakizay, izay tsy manam-pahataperana. Tian'i Jaona ho fantatry ny Kristiana rehetra fa manana izany fiainana izany izy ireo. Tiany ho azony antoka izany.
Nanoratra momba ny fahamarinana i Jaona. Izany no fomba ahafantarantsika ny marina. Fantatsika izany satria efa nihaona tamin'i Jesosy isika. Fantatsika i Jesosy, koa fantatsika ny marina.
TAHAKA IZO NO AMBARAN’NY TARATASY HO AN’NY VAHOAKA KRISTIANA
a. Tokony ho azony antoka tsara ny momba an’i Kristy (1 Jaona 5:20).
· Fantatr'izy ireo izay marina momba an'Andriamanitra sy Kristy. 1 Jaona 2:21; 5:7, 16, 20
· Fantatr'izy ireo fa efa tonga ny Zanaka (Jesosy Kristy). 1 Jaona 5:20
· Fantatr'izy ireo fa tonga i Jesosy mba hanala ny fahotany. 1 Jaona 3:16
b. Tokony
matoky izy ireo fa hiaina mandrakizay miaraka amin'i Jesosy
(1 Jaona 3:3; 1 Jaona 5:13).
· Fantatr'izy ireo i Jesosy Kristy. 1 Jaona 2:3, 13
· Fantatr'izy ireo fa azy ireo. 1 Jaona 2:5; 3:10, 18-19
· Fantatr'izy ireo fa zanak'Andriamanitra izy ireo. 1 Jaona 5:19
· Fantatr'izy ireo fa efa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy ireo ka manana fiainambaovao. 1 Jaona 3:14
· Fantatr'izy ireo fa velona izy ireo satria velona ao anatin'izy ireo i Jesosy. 1 Jaona 3:24; 4:13
d. Tokony hasehony amin'ny alalan'ny fiainany tsara fa Kristianina izy ireo.
· Tsy maintsy tia an'Andriamanitra izy ireo ary tsy maintsy manao izay lazain' Andriamanitra koa.
· Tokony hifankatia izy ireo. 1 Jaona 2:29; 1 Jaona 3:6, 10; 5:2
6. Ny endriky ny taratasy
|
1. |
Ny Teny fiainana |
1 Jaona 1:1-4 |
|
2. |
Andriamanitra dia fahazavana ary tokony handeha amin'ny fahazavana isika |
1 Jaona 1:5-10 |
|
3. |
Kristy no miteny ho antsika ary tokony hankatò an'Andriamanitra isika |
1 Jaona 2:1-6 |
|
4. |
Didy vaovao avy amin'i Kristy |
1 Jaona 2:7-17 |
|
5. |
Fampitandremana momba ny Kristy sandoka |
1 Jaona 2:18-29 |
|
6. |
Ny zanak'Andriamanitra dia manao ny tsara |
1 Jaona 3:1-10 |
|
7. |
Mifankatiava ary minoa an'i Kristy |
1 Jaona 3:11-24 |
|
8. |
Zahao toetra ny fanahy na marina izy na tsia |
1 Jaona 4:1-6 |
|
9. |
Andriamanitra dia fitiavana. Tia antsika Izy ary tokony ho tia Azy isika. |
1 Jaona 4:7-21 |
|
10. |
Ny finoana dia mandresy izao tontolo izao |
1 Jaona 5:1-5 |
|
11. |
Milaza amintsika ny marina momba ny Zanany Andriamanitra |
1 Jaona 5:6-12 |
|
12. |
Mahafantatra an' Andriamanitra amin' ny alalan'i Kristy isika |
1 Jaona 5:13-21 |
TOKO VOALOHANY
Ny Tenin'ny fiainana (1 Jaona 1:1-4)
Andininy 1: Nanoratra ity taratasy ity momba an'i Jesosy i Jaona, izay teny fiainana
Ny 'Teny fiainana' dia ny Tompo Jesosy. Ary ny 'Teny fiainana' dia midika koa hoe ny hafatry ny filazantsara. Nanoratra momba ny Tompo Jesosy i Jaona. Ary nanoratra momba ny fiainana omen'i Jesosy izy. Izany fiainana izany dia ho an'izay mino. Ny Teny no miteraka fiainana. Izany dia momba ny vaovao tsaran'i Jesosy Kristy izay fiainana.
Ny Teny, izany hoe Jesosy Tompo, dia efa nisy hatrizay hatrizay. Efa velona Izy talohan'ny fotoana sy ny niandohan'izao tontolo izao. Avy amin' Andriamanitra i Kristy sy ny hafatra momba ny fiainana. Izany no fikasan' Andriamanitra hatramin'ny talohan'ny famoronana. Tonga teto amin'izao tontolo izao i Jesosy Tompo mba hanatanteraka izany tanjona izany.
I Jaona sy ireo izay niaraka taminy dia nahafantatra an'i Jesosy Tompo. Efa nandre izay nolazainy izy ireo. Efa nihaino izay nampianariny. Niaraka taminy izy ireo. Nahita Azy marina tokoa izy ireo. Nijery Azy izy ireo. Nahita izay rehetra nataony izy ireo. Niara-niaina taminy nandritra ny 3 taona izy ireo. Fantatr'izy ireo fa tena olombelona tokoa i Jesosy.
Nisy olona nandà fa tena tonga olombelona tokoa Andriamanitra. Kanefa tonga tokoa Izy. Izy no Jesosy Kristy. Nilaza i Jaona fa tena niaina Azy tokoa izy ireo. Jesosy Kristy no Andriamanitra niaraka tamin'izy ireo teto antany.
Andininy faha-2 : Avy amin'Andriamanitra i Jesosy mba hampiseho amintsika ny tena fiainana
Avy amin'Andriamanitra ny Tompo Jesosy. Tonga olombelona Izy. Nasehony antsika ny atao hoe tena fiainana. Ny tena fiainana dia ny fiainana ao amin'ny fanahy. Manana izany fiainana izany Izy ary tonga Izy mba hanome antsika izany. Izany no fiainana mandrakizay. Andriamanitra dia manome izany ho an'izay mino ny Zanany Lahy.
Vavolombelon'izany fiainana izany i Jaona. Ny fiainana dia niaraka tamin'ny Ray. Nasehon'i Jesosy antsika izany fiainana izany. I Jaona sy ireo izay nino an'i Jesosy Tompo dia nahita izany fiainana marina izany. Efa nandray izany izy ireo. Noporofoiny fa marina ny hafatra.
Ny zavatra hitan'izy ireo dia fiainana mandrakizay. Andriamanitra no manome izany fiainana izany. Fantatr'i Jaona fa manana izany fiainana izany izy ankehitriny. Ary tsy hifarana mandrakizay ity fiainana ity. Tian'i Jaona ny hizara izany fiainana izany amin'ireo mpamaky ny taratasiny. Ao amin'i Jesosy Tompo ity fiainana ity. Ireo izay mahalala an'i Jesosy no manana izany fiainana izany.
Jesosy Tompo, Izay fiainana, dia niaraka tamin'Andriamanitra Ray ary tonga teto amintsika Izy ka naneho antsika izany fiainana izany. Ireo vavolombelona ireo dia nandray izany fiainana izany avy amin'Andriamanitra. Ary ny fiainana mandrakizay dia avy amin'Andriamanitra Ray
Andininy faha-3 : Rehefa mino ny hafatr'Andriamanitra isika dia miditra ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra
Ireo izay nino voalohany dia niteny ka nolazainy izay hitany ary naveriny izay reny. Niseho tamin'izy ireo ny Teny fiainana (izany hoe i Jesosy) ary mila mino Azy isika. Ren'izy ireo izay nolazainy ka mila mandre izay lazainy koa isika ary mila mino izany koa. Tsy ho azy ireo ihany ny hafatry ny fiainana ao amin'ny Tompo Jesosy fa ho antsika koa. Manambara izany amin'ireo mamaky ny taratasiny i Jaona. Afaka mahita sy mandre ny fahamarinan' Andriamanitra ao amin'i Jesosy ny olona rehetra. Ny fahafantarana an'i Jesosy dia ny fandraisana ny fiainana izay omen'Andriamanitra amin'ny alalany.
Ny hafatry ny filazantsara dia ny hinoan'ny olona an'i Jesosy. Ireo izay mino no hahazo fiainana mandrakizay. Avy amin'Andriamanitra izany fiainana izany. Hizara ny fiainana izay nananan'i Jaona sy ireo namany izy ireo satria fantany fa manana fiainana vaovao miaraka amin'Andriamanitra izy ireo. Afaka ny ho mpinamana tsara ihany koa izy ireo amin'ny fananana izany fiainana izany. Hiaraka amin'i Jaona sy ireo namany ao amin'ny fianakavian' Andriamanitra.
Ity fiainana ity no mampiray ny Kristiana amin'Andriamanitra izay Ray. ary mampiray azy ireo amin'i Jesosy Zanakin'ny Ray. I Jesosy dia iray amin'ny Ray. Noho izany, Izy koa dia Andriamanitra tahaka ny maha-Andriamanitra ny Ray. Andriamanitra iray ihany nefa misy olona telo. Ny olona fahatelo dia ny Fanahin' Andriamanitra.
Andininy faha-4
Nanoratra ity taratasy ity i Jaona toy ny hoe solontenan'ireo vavolombelona hafa rehetra ireo izy. “Ary izao zavatra izao ihany” no ao amin'ny taratasy. Nanoratra ny taratasy izy mba hifaklian’izy roroa dia izy Jaona sy ny olona izay mamaky ny taratasiny. Hanome fifaliana be ho azy rehetra izany raha mino ny hafatry ny filazantsara izy ireo. Ny tanjon'ny taratasy dia ny mba hizaran'ny mpamaky ny fiainana mitovy amin'i Jaona sy ireo namany. Andriamanitra dia manome ity fiainana mandrakizay ity ho an'izay mino ny Zanany.
Andriamanitra dia mazava ka tokony handeha amin'ny fahazavana isika (1 Jaona 1:5-10)
Andininy faha-5: Lavorary Andriamanitra ka ny olona izay mahalala an' Andriamanitra dia tsy tokony hanao ratsy.
Tsy nanambara ny hafatra vaovao i Jaona fa izay reny avy tamin’i Jesosy ihany no nolazainy. Fony Jesosy mbola teo amin’izy ireo, dia nampianatra azy ireo Izy ka nasehony azy ireo ny fomba hahafantarana an'Andriamanitra. Avy eo dia nirahiny izy ireo hampianatra izany amin'ny olon-kafa koa. Izany no nataony mba ahafantaran’ny olona an’ Andriamanitra. Izany no hafatra ren'i Jaona avy amin'ny Tompo ary nambaran’i Jaona fa Andriamanitra dia mazava.
Andriamanitra dia mazava araka ny natiorany. Toy ny famirapiratan'ny mazava no anehoan'Andriamanitra ny tenany ka avy amin'Andriamanitra ny mazava rehetra. Andriamanitra no namorona azy. Mampiasa ny teny hoe mazava i Jaona mba hilazana izay rehetra tsara, masina ary mahitsy. Ity hafatra ity dia mampiseho zavatra momba ny toetran' Andriamanitra. Tsara, marina ary masina Andriamanitra. Andriamanitra, izay mazava, dia mahita ny zavatra rehetra, tsy misy azontsika afenina eo anatrrehany. Mampiasa ny teny hoe maizina i Jaona mba hilazana ny asa ratsy, ota ary fahadisoana. Tsy misy ratsy ao amin'Andriamanitra. Lavorary Izy ary tsy afaka manao ratsy.
Mety hiala amin'ny mazava ny olona sasany satria tian'izy ireo kokoa ny maizina toy izay ny mazava satria ratsy ny zavatra ataony (Jaona 3:19-21). Tsy mety hisy maizina ao amin'Andriamanitra. Ireo olona manao ratsy dia tsy afaka mizara fiainana amin'Andriamanitra. Ireo izay mino an'Andriamanitra dia tsy maintsy miaina ao amin'ny mazava.
Andininy faha-6 : Ny olona manao ratsy dia tsy afaka miombom-piainana amin’ Andriamanitra
Asehon'i Jaona izao ny tokony ho fiantraikan'ity hafatra ity eo amin'ny fiainantsika. Ao amin'ireo andininy dimy manaraka, dia misy zavatra telo izay lazain’ny olona nefa diso (andininy 6, 8 ary 10). Aorian'ireo zavatra diso tsirairay ireo, dia asehon'i Jaona amintsika ny marina (1:7, 9; 2:1). Ny zavatra lazain'ireo dia ny hoe tsy misy fiantraikany aminy ny fahotana. Koa tsy mampaninona antsika ny zavatra izay ataontsika, hoy izy ireo ary milaza izy ireo fa tafaray amin'Andriamanitra. Kanefa mbola manohy manota ihany.
Manome fianana vaovao ho an'izay mino Azy Jesosy ary avy amin' Andriamanitra io fianana io. Io fiainana io dia firaisana amin'Andriamanitra. Kanefa tsy mety hisy firaisan'ny maizina sy ny mazava.
Mety hilaza ny olona iray fa miombom-piaianana amin'Andriamanitra izy fa raha manao ratsy kosa izy dia mandainga izany hoe, tsy manao ny marina satria ratsy ny asany. Ny olona manao ny ratsy dia tsy mandeha amin’ny mazava fa mandeha amin’ny maizina. Ny mpanao ny ratsy dia toy ny olona mandeha amin'ny maizina. Tsy mety ary tsy afaka mifandray ny maizina sy ny mazava. Noho izany dia tsy miombom-piainana amin’ Andriamanitra ny olona mandeha amin’ny maizina.
Nilaza ireo mpampianatra sandoka fa nandeha tao amin'ny mazava izy ireo; kanefa, ny zavatra nataony kosa dia asan'ny maizina.
Tsy nanao izay marina sy tsy nankatò ny famarinana ireo mpampianatra sandoka ireo. Mino i Jaona fa ny fitsapana ny fahamarinana dia tsy finoana fotsiny, ny fahamarinana dia tsy amin’ny zavatra izay lazaintsika ihany fa kosa mila misy fiantraikany amin’ny izay ataontsika ny zavatra izay inoantsika; izany hoe, tokony asehontsika amin'ny alalan'ny asa tsara sy ny fahitsiana ny finoantsika an'Andriamanitra.
Andininy faha-7: Andriamanitra ihany no afaka manasitrana antsika amin’ny fahotatsika.
Misy zavatra mifanohitra no ambaran’i Jaona eto: ny olona manao ny ratsy dia miaina ao amin'ny maizina fa ny olona manao ny tsara kosa dia miaina ao amin'ny mazava. Iaina amin’ny mazava no tian'Andriamanitra hiainantsika; satria tiany mba hino ny Filazantsara isika. Ary tokony hiaina mba hampifaly Azy. Masina Andriamanitra ary manao ny marina foana Izy. Ao amin'ny mazava Andriamanitra satria mazava Izy. Ny hoe miaina ao amin'ny mazava dia ny mahatoky an'Andriamanitra, dia ny miaina tahaka ny fomba iainan' Andriamanitra.
Ny tena Kristiana dia olona izay miaina amin’ny mazava ary mino an’i Jesoa Kristy Tompo ka miombom-piainana na mifampizara fiainana aminy. Ny firaisankina eo amin'ny Kristianina dia mampiseho fa an'Andriamanitra izy ireo. Io firaisankina io no porofo fa tena mifandray sy mifampizara fiainana tokoa ny Kristianina ary mampiaray azy amin'Andriamanitra koa. Izany firaisankina izany no tena tian’i Jaona iainan’ny olona izay namaky ny taratasiny.
Ny teny hoe 'ra' eto dia midika hoe fahafatesan'i Jesosy. Ny Testamenta Taloha dia manambara fa ao amin’ny ra no misy ny aina. Nanolotra ny ainy ho antsika i Jesosy ary tamin'ny alalan’ny fahafatesany no nanesorany fahotantsika. Nesorin’i Jesosy ny fahotantsika. Koa izany no antony mahatonga antsika tsy maintsy mino Azy. Fantantsika rehetra anefa fa tsy misy olona tonga lafatra raha mbola miaina eto ambonin’ny tany. Fa Andriamanitra kosa mamela ny heloky ny olona rehetra mino ny Zanany. Ka io no fomba hanadiovan’ Andriamanitra ny heloka dia ny finoantsika ny Zanany Izay naty ho antsika.
Nositranin’Andriamanitra ny helontsika. Io fanasitranana io no mahatonga antsika rehetra ho votsotra amin’ny fahotana. Noho izany, dia afaka miray tsara amin’ Andriamanitra isika satria ny ran’i Jesosy Zanany no fanafody nanasitranana antsika rehetra tamin’ny otantsika.
Nisy olona sasany nampianatra fa olombelona tsotra ihany i Jesosy fa tsy Zanak’Andriamanitra. Nilaza izy ireo fa ny nahafatesan’i Jesosy dia ny amin’ny maha olombelona tsotra Azy fotsiny. Izany hoe, ny amin’ny maha olona tsotra an’i Jesosy no nahafatesany. Izany no antony ilazan’ireo olona ireo fa ilay Andriamanitra Zanaka dia tsy naty velively. Kanefa, i Jaona eto dia manambara mazava tsara fa tena naty, ary naty ho antsika i Jesosy Izay Andriamanitra Zanaka mba hanadio antsika amin’ny fahotantsika.
Andininy faha-8 : Ny olona mandà ny fahotany dia mampandainga ny tenany.
Nisy olona nilaza fa tsy nila ny Tompo izy ireo mba hanala ny fahotany. Nihevitra izy ireo fa tsy nanana ota. Kanefa tsy marina izany fiheverana izany, ary efa ota tanteraka ny fiheverana tahaka izany.
Mety hilaza isika fa tsy misy ota ato amintsika. Kanefa, diso izany; satria, toy fanamarinantena eo anatrehan’ Andriamanitra izany.
Ireo
izay milaza izany dia nisafidy ny hanadino ny fahotanany satria
tsy manaiky fa nanota ny olona rehetra. (Ny maha olombelona dia tsy maintsy
manana ota ihany.) Tsy miaina araka ny fahamarinana izay nasehon' Andriamanitra
izy ireo satria mandà ny tena zava-misy momba ny fahotanany. Ny fahamarinana izay
iorenan'ny fiainana dia tsy ao aminy. Tsy mizara ny fisian'Andriamanitra izy
ireo. Jesosy anefa nanambara fa Andriamanitra no fahamarinana. Ka ny
fahamarinan'Andriamanitra mihitsy no tsy ao amin’ny olona izay milaza ny tenany
ho tsy manana ota.
Andininy faha-9 : Mamela antsika Andriamanitra rehefa miaiky ny fahotantsika isika
Mifanohitra amin'izany kosa ny olona izay miaiky ny fahotany. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fahotana. Kenefa tsy manimba ny firaisantsika amin’ Andriamanitra izany . Fa ny tokony ataontsika dia ny hoe, miaiky fa nanota isika. Izany hoe, tokony hiaiky ny helontsika amin’ Andriamanitra isika. Koa raha manao izany isika dia hamela ny helotsika Andriamanitra.
Nampanantena ny hamela ny helontsika Andriamanitra, ary mbola vonona ny hitazona izany fampanantenana izany Izy. Tsy hoe hamela fotsiny fa hanaisotra izany mihitsy satria tsara fanahy sy masina Izy; ny fahotana dia tsy afaka hitoetra miaraka Aminy. Izany no mahatonga fa tsy maintsy esoriny amin’ny olona rehetra izay miaiky ny helony ny heloka. Tamin’ny alalan’i Jesosy no nanatanteranan’ Andriamanitra izany fanesorana ota izany, satria Tompo Jesosy no nitondra ny sazy tokony ho antsika noho ny fahotantsika. Izany no antony nahafatesany. Koa ankehitriny, Andriamanitra dia afaka mamela ny helok'ireo izay miaiky ny fahotanany. Mamela ny helotsika Andriamanitra ary manadio antsika koa. Kanefa, mba hahatanterahan’izany, dia tsy maintsy miaiky ny fahotantsika anefa isika amin’izay, dia hamela ny helotsika Andriamanitra ka manadio antsika tanteraka.
Andininy faha-10 : Tsy mino ny tenin'Andriamanitra ny olona mandà ny fahotany
Misy olona milaza fa tsy nanota sy tsy nanao ratsy izy. Kanefa Andriamanitra dia milaza fa samy efa nanota avokoa ny olona rehetra. Izany no antony tsy maintsy nahatongavan'i Jesosy. Tonga mba ho faty ho an'ny fahotan'ny olona rehetra Izy. Raha tsy nanota isika dia tsy ho maty i Jesosy. Tsy ho marina izay nolazain'Andriamanitra.
Ireo izay milaza fa tsy nanota dia efa nanapaka ny tenany tamin' Andriamanitra satria tsy nino ny tenin'Andriamanitra izy ireo. Tsy nahalala an'i Jesosy Tompo sy tsy nino ny fahamarinan'ny filazantsara ny olona izay milaza fa tsy manana ota ary tsy afaka manana ny fiainam-baovao izay omen'i Jesosy Tompo. Izy no manome izany fiainana izany ho an'ireo izay matoky Azy.
TOKO FAHAROA
Kristy no miteny ho antsika ary tokony hankatò an'Andriamanitra isika (1 Jaona 2:1-6)
Andininy 1 : Miteny amin'Andriamanitra Ray ho antsika i Jesosy
Mety hieritreritra ny olona sasany fa ampahany ara-dalàna amin'ny fiainana kristiana ny fahotana. Minia hanohy ny otany. Ary mety hieritreritra mihitsy aza izy ireo fa tsy maninona ny manota ary hamela antsika foana Andriamanitra. Fa ny amin’ny maha Kristiana dia tsy tokony hanohy hanota isika izany hoe, raha azo atao aza, dia tsy tokony hanota isika satria ny fahotana dia fahavalo izay hampiala antsika amin'ny fahazavana. (Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia hampiala antsika amin'izay tsara, masina ary marina ny fahotana.) Mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra ny fahotana ary manimba ny fifaliana tokony hozarain'ny kristiana izany.
Manoratra toy izao i Jaona izay ray satria manoratra ho an'ireo zanany izay tiany izy. Ary ambarany fa tsy tokony hanota izy ireo. Nanoratra ilay taratasy izy mba hanampiana azy ireo tsy hanota.
Tsy tokony hanota isika kanefa amin’ny maha olombelona dia malemy sy tsy lavorary. Kanefa tokony hiaiky ny helontsika amin’Andriamanitra isika. Ary mila manapa-kevitra ny amin’ny tsy hanohizana ny ota intsony. Raha azo atao aza, dia tokony hanitsy izay tsy nety nataontsika isika. Ary tsy maintsy mangataka amin'ny Tompo isika mba hamela ny helokay.
Raha misy olona manota, dia manana vahaolana amin'izany Andriamanitra. Jesosy dia vonona hanampy antsika satria tonga hamonjy antsika Izy ary afaka miresaka amin'Andriamanitra Ra. Izy no solontenan'ilay olona nanota. Kanefa, mbola tsy nanota mihitsy Izy. Nanao ny tsara sy lavorary Izy ary Izy no Andriamanitra Zanaka. Mahalala tsara antsika Izy, ary azony tsara ireo zavatra izay iainantsika eto ambonin’ny tany. Noho izany, afaka miresaka amin'Andriamanitra Ray Izy ka mangataka ny mba hamela ny helontsika.
Andininy faha-2 : Maty noho ny fahotantsika i Jesosy
Afaka manao izany i Jesosy satria maty noho ny fahotantsika Izy. Nentiny ho Azy ny fahotantsika rehetra. Andriamanitra no tsy maintsy manasazy ny fahotantsika ary nataony tao amin'i Jesosy izany. Tsy nilaza tamin'ny Ray i Jesosy fa tsy manan-tsiny isika. Raha manota isika dia meloka. Fa nijaly sy maty ho antsika ary nanolotra ny tenany ho sorona noho ny fahotantsika Izy. Ary tamin'ny fahafatesany no nanatanterahan'i Jesosy ny lalàn'Andriamanitra. Nanaiky izay nataon'i Jesosy Kristy Andriamanitra. Noporofoiny izany rehefa nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty ho amin'ny fiainana Izy. Noho izany, afaka mangataka amin'Andriamanitra i Jesosy Kristy mba hamela antsika ary Andriamanitra no hanao izany.
Tsy afaka manao na inona na inona isika mba handresena lahatra Andriamanitra hamela ny helotsika. Saingy Andriamanitra mihitsy no nanamboatra ny lalanamba handosirantsika. Nirahiny ho amin'izany tanjona izany ny Zanany Lahitokana, dia i Jesosy. Napetrany tamin'ny Tompo Jesosy ny fahatezerany rehetra tamin'ny fahotana. Koa rehefa mino an'ny Tompo Jesosy isika, dia hamela ny helotsika Andriamanitra noho ny Aminy.
Nanoratra ho an'ireo izay nino i Jaona. Nilaza izy fa tsy maty ho azy ireo ihany i Kristy fa maty ho an'ny fahotan'ny olona rehetra. Ampy ho an'ny olona rehetra izay miaina eto amin'izao tontolo izao ny fahafatesany. Tsy midika akory izany fa hamela ny heloky ny rehetra Andriamanitra. Tsy maintsy mino an'i Jesoa Kristy Tompo ny olona tsirairay zay vao azon’ Andriamanitra havela heloka. Tsy maintsy manaiky izay nataon’i Jesosy ho azy ireo izy ireo. Izany no antoky ny handraisana soa avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy
Nampianatra ireo mpampianatra sandoka fa tsy maty ho an'ny rehetra i Jesosy. Maty ho an'ireo izay nanaiky ny hafatra nentiny ihany i Jesosy. Ao amin'ity andininy ity, dia manazava tsara i Jaona fa diso io hevitra io.
Andininy faha-3 : Ny olona mahalala an'Andriamanitra dia mankatò ny didiny
Manova ny resaka i Jaona izao. Toy izao no ahafantarantsika an'Andriamanitra. Ny fahafantarana an'Andriamanitra dia ny fandehanana amin'ny mazava. Ny fandehanana amin'ny mazava dia midika hoe miaina araka izay takian'Andriamanitra. Tsy maintsy mankatò ny didin'Andriamanitra isika. Amin'izay dia afaka matoky isika fa mahafantatra Azy. Afaka miaina an'Andriamanitra isika. Afaka mahafantatra ny firaisan'Andriamanitra izay noresahin'i Jaona ao amin'ny 1:4 isika.
Afaka mahafantatra an'Andriamanitra isika raha mankatò Azy. Saingy tsy amin'ny ataontsika no ahafantarantsika Azy. Fantatsika Izy amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy. Raha mahafantatra an'Andriamanitra isika, dia haniry hankatò ny teniny. Mety tsy ho vitantsika ny hanao izay rehetra lazain'Andriamanitra. Na izany aza, dia tokony maniry hanao izany isika.
Andininy faha-4 : Ny olona izay tsy mankatò ny didin'Andriamanitra dia tsy mahalala Azy
Izay tsy mankatò ny didin'Andriamanitra dia tsy mahalala Azy. Mety hilaza izany olona izany fa mahalala an'Andriamanitra izy. Kanefa lainga ary diso izay lazainy. Tsy mahalala an'Andriamanitra izy. Tsy fantany ny fahamarinana izay omen'Andriamanitra. Raha nahalala ny marina izy, dia ho nankatò an'Andriamanitra.
Andininy faha-5 : Ny olona izay mankatò an'Andriamanitra dia tena tia Azy
Ny olona izay mankatò ny tenin'Andriamanitra dia mahalala Azy. Mihoatra noho ny didin’ Andriamanitra ny zavatra izay nolazainy satria mitarika ny olony Andriamanitra ary tsy maintsy manaraka sy mankato izay lazainy no olona.
Ny olona mankatò an'Andriamanitra dia tena tia Azy. Rehefa manohy mampifaly an'Andriamanitra ny olona iray dia hitombo ny fitiavany an' Andriamanitra. Tratry ny tanjon’ny fitiavan’ Andriamanitra io olona iray raha tena tia an’ Andriamanitra.
Ny tena fitiavana an'Andriamanitra dia tsy tao amin'ny teny fotsiny ihany fa aseho amin’ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra izany. Voaporofon’ Andriamanitra tokoa izany fitiavantsika Azy izany raha toa ka mahatoky eo imosony sy mahatoky amin’ny teniny isika. Ary mahazo antoko isika fa velona ao amin'ny firaisan'Andriamanitra. Fantatsika izany satria te hankatò Azy isika. Afaka matoky izany isika raha miaina tahaka an'i Jesosy.
Andininy faha-6 : Tokony hitondra tena tahaka an'i Jesosy isika
Nampifaly ny Ray i Jesosy fony Izy mbola teto an-tany ka nanao izay rehetra nasain'ny Ray nataony; kanefa nanao izay rehetra azony natao ny devoly mba haka fanahy an'i Jesosy saingy tsy nanota mihitsy i Jesosy.
Mety hilaza isika fa miara-miaina amin'Andriamanitra. Raha izany no izy, dia tokony hiaina tahaka an'i Jesosy isika. Tsy maintsy miaina araka ny toromarik'Andriamanitra isika. Tsy tokony hanota isika ka ny fiainan'i Jesosy no lamina tsy maintsy arahintsika. Kanefa tsy milaza i Jaona fa afaka mahatratra ny fenitra mitovy amin'i Jesosy isika kanefa io no fomba tokony hiainantsika.
Didy vaovao avy amin'i Kristy (1 Jaona 2:7-17)
Andininy faha-7 : Efa nisy hatrizay ny didy momba ny fitiavana
Fitiavana no lohahevitra ato amin'ity fizarana ity. Tian'i Jaona ireo olona anoratany. Noho izany, dia antsoiny hoe sakaiza malalany izy ireo.
Eto izy dia miresaka momba ny didy nomen'ny Tompo Jesosy (Jaona 13:34). Hoy Jesosy: 'Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo.' Tokony hifankatia isika tahaka ny nitiavany antsika. Tsy didy vaovao intsony izany ankehitriny fa efa didy hela ka efa anisan’ny filazantsara. Tokony ho tia an'Andriamanitra sy ny olona isika. Toy izany no fomba fiainan'i Jesosy. Didy efa ela ny didy momba ny fitiavana. Nomen'i Jesosy ho an'ireo nanaraka Azy izany. Efa ela izy io satria ao amin'ny Testamenta Taloha ny didy momba ny fitiavana. Niresaka momba ny didy 10 i Jesosy, dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa. (Jereo ny Eksodosy toko faha-20 sy Matio 22:37-40.)
Efa fantatr'ireo olona nandray ny taratasin'i Jaona io didy io. Fantatr'ireo olona ireo fa tokony ho tia an'Andriamanitra sy ny namany izy ireo. Anisan'ny filazantsaran'i Kristy izany. Efa ela be ho an'ny mpamaky io didy io. Efa fantatr'izy ireo izany hatramin'ny ninoan'izy ireo an'i Jesosy tamin’ny voalohany. Ren'izy ireo tamin'ny mpampianatra azy izany fony izy ireo vao lasa Kristianina. Ka ny fitiavana dia ampahany tena ilaina amin'ny hafatry ny filazantsara.
Andininy faha-8 : Ny didy ho amin'ny fitiavana dia didy vaovao ihany koa
Etsy ankilany, tsy vaovao ny didy fa efa ela. Etsy ankilany kosa, vaovao izy io. Efa ela ny lalàn'ny fitiavana. Na izany aza, misy fahasamihafana ankehitriny, izay mahatonga azy io ho vaovao. Vaovao izy io satria nasehon' Andriamanitra ny fitiavany antsika. Naniraka an'i Jesosy ho faty ho antsika Izy. Vaovao izy io satria nankatò ny lalàna rehetra i Jesosy. Ny fitiavana no mahatanteraka ny lalàna. Koa vaovao ny didy ho amin'ny fitiavana noho i Jesosy. Izy no mahatonga antsika hanana fiainam-baovao miaraka amin'Andriamanitra. Tia antsika fatratra i Jesosy ka nanolotra ny tenany ho faty ho antsika.
Ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra dia tsy afaka mankatò io didy io. Fa ankehitriny kosa ireo izay mahalala an'Andriamanitra dia afaka manao izany. Afaka mitia an'Andriamanitra sy ny olon-kafa izy ireo. Vaovao ny didy momba ny fitiavana satria natao ho takatry ny olona rehetra ny fitiavana. Tokony ho tia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny Kristianina. Nantsoin'i Jesosy hoe didy vaovao izany ary nantsoin'i Jaona hoe didy vaovao koa izany.
Ity didim-pitiavana ity dia didy vaovao satria efa nasehon’i Jesosy antsika ilay fitiavana sy ny dikan'ilay fitiavana. Ny fitiavany dia mihoatry ny fitian’ olombelona, ary ity fitiavana eto ity dia fitiavana hafa mihitsy satria nomen’ Andriamanitra karaza fitiavana tahaka ny an’i Jesosy no olona izay mahalala Azy. Ny olona mahalala an’Andriamanitra dia manomboka mahafantatra ny tena fitiavana. Afaka mitia an'Andriamanitra sy ny tsirairay amin'ity karazana fitiavana vaovao ity ny olana mahalala an’Andriamanitra. Ary afaka mifankatia tahaka ny nitiavan'i Kristy azy ireo.
Ny fiantraikan’ny didy vaovao dia tokony ho hita eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izany hoe, mihamihena ny maizina. Ary manomboka mamirapiratra amin’izy ireo ny mazava . Ny maizina izay ambaran’i Jaona eto dia sarinteny izay entiny anondroany ny fahotana sy ny fahadisoana. Koa rehefa mankatia an’Andriamanitra sy ny olona tsirairay izy ireo dia mitombo ao anatin’izy ireo ny tena mazava. Ny teny hoe mazava eto, dia teny manondro ny fiovana izay mitranga ao amin'ny Kristianina. Rehefa mitombo ny fitiavany ny Tompo dia mitombo tahaka izany koa ny fitiavana izay tahaka ny nitiavan’i Jesosy azy ireo. Izany no dingan’ny fitiavana izay ilain’Andriamanitra.
Andininy faha-9 : Ny tena kristiana dia tia ny kristiana hafa
Nisy olona nilaza fa nanana fahalalana manokana momba an'Andriamanitra. Nody nanana ny fahazavana sy nahafantatra an' Andriamanitra izy ireo. Saingy ny fiainany dia naneho ny tsy fahamarinan’izy ireo satria tsy niaina tahaka an'i Jesosy, tsy tia Azy na ny Kristianina hafa araka ny tokony ho izy, izy ireo. Rah any marina dia tsy tena nahalala an' Andriamanitra mihitsy izy ireo.
Araka ny ambaran’i Jaona, ny hoe mandeha amin'ny mazava dia mifankatia. Ny fitiavan'Andriamanitra ao aminy dia aseho amin'ny atao. Noho izany, ny fankahalana dia ny tsy fisian'io fitiavana io. Ny olona iray izay tsy tia rahalahy na anabavy mandeha amin’ny maizina. Eto i Jaona dia miresaka momba ny fitiavana tokony hifanarahan'ny Kristianina. Ny hoe rahalahy sy anabavy dia teny entin’i Jaona anondroany ireo Kristiana hafa. Noho izany, ny olona iray izay mankahala rahalahy na anabavy dia mbola ao anatin'ny maizina ihany.
Mety ho nisy olana tao am-piangonana. Na dia izany aza, ny olona tia ny Tompo dia tokony ho tia ny hafa, tokony ho tia ny olona izy ireo na mino an'i Kristy ireo olona ireo na tsia.
Misy olona sasany mankahala ny hafa. Mety hieritreritra ireo olona ireo fa ao amin'ny mazava izy ireo, nefa raha mankahala ny hafa dia mbola ao amin’ny maizina ihany satria ny fankahalana dia mampiseho fa mbola ao amin'ny maizina fa tsy ao amin'ny mazava. Fankahalana dia fanaovana ny ratsy ka mahadiso lalana.
Andininy faha-10
Ny Kristianina izay tia ny Kristianina hafa dia ao amin'ny mazava ary izay misy mazava dia tsy misy maizina. Ary ao amin’ny mazava dia tsy misy ota na fahadisoana.
Andininy faha-11
Fa ho an'ny Kristiana izay mankahala ny Kristiana hafa kosa dia tsy misy mazava ao aminy satria fahadisoana sy fandehanana ao amin’ny maizina ny fankahalana ny Kristianina hafa. Ny fankahalana no porofo iray manambara fa tsy mankato ny didy olona iray ka diso lalana tanteraka. Izany hoe, toy ny olona ao anaty haizina izy. Ary azo antoka fa ho very lalana ny olona iray raha mandehandeha ao anaty haizina satria tsy fantany izay misy azy ary tsy fantany izay alehany. Ary ny tena loza, dia raha ela loatra izy no ao anaty haizina dia mety ho jamba izy satria tsy mahita ny hazavana intsony ny masony.
Ary toy izany koa, ny olona mankahala ny hafa dia toy ny olona mandeha ao amin'ny maizina. Toy ny hoe ny fankahalana no mahatonga ny mason'io olona io ho jamba. Tsy mety ny ataony. Ary tsy mahita izay alehany izy. Ho very ny firaisan'io olona io amin'ny Tompo. Tsy hahita ny lalany hiverina amin' Andriamanitra intsony izy.
Andininy faha-12 : Namela ny helontsika Andriamanitra dia mba hahafantarantsika Azy, ary nomeny hery isika dia mba handresentsika ilay ratsy dia ny devoly.
Ao amin'ireo andininy telo manaraka, dia manoratra ho an'ny zanany, ray ary tanora i Jaona. Azo inoana fa mampiasa ny teny hoe 'anaka' ho an'ny vondrona iray manontolo izy. Ny mpikambana sasany ao amin'io vondrona io dia antsoiny hoe ray ary ny mpikambana hafa dia antsoiny hoe zatovolahy. Ny ray dia ireo, na lehilahy na vehivavy, izay matotra kokoa amin'ny fiainany kristiana. Tsy fanavahana noho ny taona izany. Manoratra ho an'ireo olona rehetra izay efa nahalala ny Tompo aloha izy. Mampahatsiahy azy ireo izy fa namela ny helony Andriamanitra. Zava-marina tokony ho fantatr'izy ireo izany famelan’ Andriamanitra ny helony izany ary tokony matoky tsara izy ireo fa marina izany. Amin'izany fahalalana izany dia afaka ny ho Kristianina matanjaka izy ireo satria efa namela ny helony Andriamanitra. Ary afaka mifampizara ny fiainana izay omeny izy ireo.
Ny hoe 'ny anarany' dia midika hoe ilay olona. Kristy na ny anaran’i Krsisty no ambarany eto. Koa namela ny helok'izy ireo Andriamanitra noho i Kristy. Izy no antony namelan'Andriamanitra ny helok'izy ireo. Izany dia noho ny maha an’ny Tompo Jesosy azy. Mamela ny helok'izy ireo Andriamanitra noho izay nataon'ny Tompo Jesosy satria maty Izy noho ny helok'izy ireo ary nitsangana tamin'ny maty mba hamonjy azy ireo. Namonjy azy ireo tamin'ny fahotana Izy. Noho izany, dia an’ny Tompo Jesosy izy ireo izao izany hoe, vahoakany.
Andininy faha-13
Ilay olona efa nisy talohan'ny zavatra rehetra dia i Jesosy Tompo. Niaraka tamin'Andriamanitra Izy. Andriamanitra Izy talohan'ny nisian'izao tontolo izao. Ireo izay antsoin'i Jaona hoe 'ray' dia mahalala an'i Jesosy Tompo. Ny Kristiana rehetra dia mahalala Azy sy Andriamanitra Ray. Fa ireo olona izay antsoin'i Jaona hoe 'ray' ireo dia manana fahalalana lalindalina kokoa momba ny Tompo. Izany hoe, Kristiana matotra kokoa sy tena mahalala ny Tompo.
Tsy matotra ara-pinoana tahaka ireo ray ireo ny tanora. Kanefa fantatr'izy ireo izay inoany ary tsy nety nino ireo mpampianatra sandoka izy ireo fa mankatò ny tenin'Andriamanitra ary miantehitra amin'ny heriny. Koa afaka mandresy ny devoly izy ireo na dia miezaka hampanota azy aza i Satana.
Andininy faha-14
Tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mino an'i Jesosy Tompo ary Andriamanitra no rainy ary efa nahalala Azy izy ireo. Kanefa mila mitombo ny ankizy mba ho matotra; koa na dia lazaina hoe, mila mitombo izy ireo mba ho matotra, dia efa manana fifandraisana tsara amin’ Andriamanitra anefa izy ireo.
Ny ray dia efa nahalala an'i Jesosy, Izay talohan'ny zavatra rehetra. Mila mitombo hatrany amin'ny fahalalana an'i Kristy koa izy ireo.
Matanjaka ny tanora, ary matanjaka toy izany koa izy ireo amin'ny ady amin'ilay ratsy ka mila herim-po sy tanjaka izy ireo amin'ny tolona na ady izay ataony. Matanjaka izy ireo satria ao anatiny ny tenin' Andriamanitra, fantany izay nolazain'Andriamanitra ary mankatò izany izy. Fantany ihany koa ny Soratra Masina ary mampiasa ny Soratra Masina izy ireo rehefa miady amin'ny devoly satria ny tenin’Andriamanitra ihany no ahafahana mandresy an’ny devoly.
Andininy faha-15 : Aza tia zavatra ratsy
Eto, ny hoe, izao tontolo izao dia tsy midika hoe ny tany izay nataon' Andriamanitra. Nataony ho tsara sy kanto ny tany, ary ny hoe, izao tontolo izao dia tsy midika hoe ny olona eto amin'izao tontolo izao. Tian'Andriamanitra ny olona rehetra izay miaina eto amin'izao tontolo izao. Ny hoe 'izao tontolo izao' eto dia midika hoe izay zavatra rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon' Andriamanitra. Izany hoe, ny zavatra rehetra izay ambany fifehezan’i Satana. Ka tafiditra amin'izany ny zavatra maro ataon'ny olona eto amin'izao tontolo izao.
Kanefa, na dia eto amin'izao tontolo izao aza ny Kristianina, ny Kristianina dia tsy an’izao tontolo izao. Satria, efa niala tamin'io tontolo io izy ireo ka any amin' Andriamanitra ny fonenany izany hoe, tsy eto amin’ity tontolo ity intsony ny fonenany. Noho izany, ny Kristianina dia tsy mitovy amin'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra.
Nampianatra ireo mpampianatra sandoka fa tsy voatery hisy izany tsy fitoviana izany. Kanefa ny tena tanjon’ny Kristiana dia ny mba hampifaliana an’ Andriamanitra; izany hoe, tsy maintsy miala amin'izay zavatra rehetra manohitra an' Andriamanitra izy ireo. Tsy afaka miaraka ny hoe, tia an' Andriamanitra sy tia izao tontolo izao. Kanefa mbola nisy Kristiana sasany naniry ny zavatra an'izao tontolo izao. Koa izany no nahatonga an’i Jaona ho nanao izao fampinarana izao.
Ny fitiavana izao tontolo izao dia faniriana izay feno fitiavan-tena atolotr' izao tontolo izao, toe-tsaina ratsy izay manome lanja ambony ny tontolo hita maso mihoatra ny fitiavana an’Andriamanitra. Ka ireo, izay tia izao tontolo izao dia mahita ny fiarovana azy ireo eto amin'izao tontolo izao. Mahita fiarovana eto amin’izao tontolo izao ireo olona izay tia izao tontolo izao, izany hoe, miantehitra amin’ny hereny ihany izy, ary tsy miraharaha an’Andriamanitra sy ny fiarovana avy amin’Andriamanitra. Koa izany no anambaran’i Jaona fa raha misy tia izao tontolo izao dia tsy ao anitiny ny fitiavana Ray. Izany olona izany dia efa nandà ny fitiavan'Andriamanitra. Ny fitiavana izao tontolo izao dia manohitra ny fitiavan'ny Ray. Ka io fitiavana izao tontolo izao dia mandroaka ny fitiavan'Andriamanitra hiala amin'izany olona izany. Ka tsy afaka ny ho tia izao tontolo izao sy hitia ny Ray miaraka isika.
Andininy faha-16 : Ny toe-tsaina ratsy dia mahatonga antsika hanota
Avy amin'izao tontolo izao ny zavatra an'izao tontolo izao. Ka ny devoly no mifehy ireo zavatra ireo. Mety ho toa tsara izy ireo kanefa tsy avy amin' Andriamanitra. Manome ohatra telo momba ireo zavatra ireo i Jaona eto. Tsy dia ny zavatra ratsy loatra no zava-dehibe fa ny olana dia ny fihetsiky ny olona iray manoloana ireo zavatra ireo.
· Ny filan’ny nofo. Ny filan’ny nofo dia natioran’ny toetran’olombelona Tsy voatery ho ratsy foana ny faniriana. Saingy eto i Jaona dia milaza ireo zavatra izay mety hahatonga ny olona iray hanota. Ka ny fanirian'ny nofo dia faniriana ratsy avokoa satria ny zava-dratsy dia toa manintona kokoa ; satria ny olona dia maniry ny hanana zavatra izay hahafa-po ny nofony. Ka mifanohitra amin'izay tian'Andriamanitra ho an'ny olony izany.
· Eo koa ny filan'ny maso. Matetika ny zavatra hitan'ny olona dia mety hiteraka faniriana ratsy ao anaty satria izay hitany no tiany ho hahozony, ka matetika izany no mitarika ho amin’ny fahotana. Ny filan'ny nofo dia mety ho ao anatin'ny olona iray. Fa ny filan'ny maso kosa dia avy aty ivelany mankao ao anaty.
· Rehaka momba izao fiainana izao. Maro ny zavatra mahatonga ny olona hirehareha. Mety hirehareha izy ireo noho ny tanjany na ny fahasalamany. Mety hirehareha izy ireo noho ny laharana na ny fahaizany. Mety hirehareha izy ireo noho ny heriny, ny harenany na ny fananany. Fahotana io toe-tsaina io. Avy amin’Andriamanitra ny fiainana rehetra ka tsy misy antony tokony hireharehana.
Andininy faha-17
Tsy tokony ho tia an'izao tontolo izao isika, satria hifarana izy io. Efa nanomboka izany fiafarana izany. Indray andro any dia ho tanteraka izany fiafarana izany. Tsy ho eo intsony izao tontolo izao. Tsy maharitra izao tontolo izao sy ny faniriany. Ho levona izay rehetra ezahin'ny olona ho azo ho an'ny tenany.
Mifanohitra amin'izany kosa, ny zavatra avy amin'Andriamanitra dia tsy ho tapitra mandrakizay. Hifarana izao tontolo izao fa ny olona mankatò an' Andriamanitra kosa dia mbola ho velona ihany, izany hoe, tsy ho faty mihitsy izy ireo fa hiara-miaina mandrakizay amin'Andriamanitra. Amin’ny Kristiana, ny fiainana mandrakizay dia efa manomboka hatreto avy ambonin’ny tany. (Ampitahao amin’ny Jao 17 : 3) Fa amin'ny ho avy, dia hankafy fiainana feno miaraka amin'Andriamanitra koa izy ireo.
Mampitandrina ny amin'i Kristy sandoka i Jaona (1 Jaona 2:18-29)
Andininy faha-18
Antsoin’i Jaona hoe zanany ny olona mamaky ny taratasiny eto. Io fiantsoana azy ireo toy ny zanaka io no anehoan’i Jaona fa tena tiany izy ireo. Izany hoe, ny fitiavany azy ireo dia toy ny ray mankatia ny zanany naterany satria tsapan’i Jaona fa tompon'andraikitra amin'izy ireo izy. Koa izany no mahatonga azy miahy sy mikarakara azy ireo toy ny ray mikolokolo sy mikarakara ny zanany. Koa izany no nampazoto azy hampitandrina azy ireo momba ny loza izay ho avy.
Nantsoin'i Jaona hoe 'ora farany' ny fotoana niainan'izy ireo. Ny tiany holazaina amin’izany dia ny fotoana farany alohan'ny hiverenan'i Kristy. Rehefa afaka izany, dia ho tonga ny farany dia ny fahataperan’izao tontolo izao. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fiangonana io fotoana farany io. Hifarana io fotoana farany io rehefa tonga eto amin’izao tontolo izao i Kristy. Ary isika dia miaina amin’io fotoana farany io koa.
Nantsoin'i Jesosy hoe ratsy ity andro ankehitriny ity. Izany no nolazainy mba hanondroany ilay fotoana ho avy alohaka Izy hiverina. Efa tonga ampahany izany vanim-potoana izany. Tonga ny tena mazava (andininy 17). Ny vanim-potoana ankehitriny dia vanimpotoan’ny herin’ny maizina izay efa hifarana tsy ho ela. Hifarana tanteraka io vanim-potoana io rehefa miverina i Jesosy.
Efa nampitandrina ny amin’i Kristy sandoka izay ho avy ny Tompo Jesosy (Matio 24:5). Mety ho nampianatra momba an’ity Kristy sandoka ity koa ny mpampianatra tao amin’ny fiangonana. Mety ho nanambara ny amin’ny farany sy ny faharatsian’i Kristy sandoka koa izy ireo. Antikristy no niantsoin’ireo mpampianatra tao amin’ny fiangonana ireo Kristy sandoka ireo izay fahavalon’ilay Tena Kristy. Ny Kristy sandoka dia olona izay miezaka mba hampiala ny maro ao anatin’ny fiangonana dia ny mba hivaonany amin’ny mazava mba hanaraka ny maizina. Hanana fahefana matanjaka ireo olona ireo fa amin’ny fiavian’i Kristy kosa no haharesy azy.
Fa alohan'ny hahatongavan'ny tena Antikristy kosa dia hisy Kristy sandoka maro. Ny sasany efa tonga tamin'ny fotoana nanoratan'i Jaona ny epistiliny, maro ny efa tonga hatramin'izay. Ary ny sasany dia mbola tena miasa amin’izao. Olona manohitra an'i Kristy izy ireo ary miezaka mandrava izay rehetra nataon'i Kristy. Ireo no fahavalon’ny Kristianina sy ny fiangonana satria ireo Kristy sandoka ireo dia manana tanjona ratsy izay mitovy amin'izay ho hitantsika ao amin'ny Antikristy. Mankahala an'i Jesosy Kristy Tompo izy ireo ary mankahala izay rehetra an'i Kristy koa.
Maro ny Kristy sandoka izay efa tonga ary izany no porofo mampiseho fa efa miaina amin’ny ora farany isika izao ary mihamaro ireo olona izay manohitra manohitra an'i Kristy. Izany koa no mampiseho fa akaiky ny farany ary miaina amin'ny vanim-potoana farany io isika alohan'ny hiavian'i Jesosy Tompo fanindroany. Saingy tsy fantatsika hoe oviana ilay fotoana iahavian’i Krsisty.
Andininy faha-19
Ireo Kristy sandoka maro tamin'ny fotoana nanoratan'i Jaona dia tao amin'ny fiangonana. Anisan'ireny ireo mpampianatra sandoka ary niteraka olana tao amin'ny fiangonana izy ireo, avy eo dia nandao ny fiangonana niaraka tamin'ny vondrona misy azy. Tsy anisan'ny fiangonana intsony izy ireo. Raha ny marina, tsy tena anisan'ny fiangonana mihitsy izy ireo. Ireo fihetsiny ireo no nanehoany fa tsy tena Kristianina izy ireo. Satria, raha tena Kristianina marina izy ireo dia tsy ho nandao ny fiangonana. Tamin'izany andro izany dia fiangonana iray monja no nisy isaky ny toerana. Eny, na dia manana fiangonana maro azy isika izao, fa izay rehetra mino ny tenin'Andriamanitra dia anisan'ny fiangonana marina iray ihany.
Efa lasa ireo mpampianatra sandoka sy ireo nanaraka azy ireo ny fahalasanany no nanehoany fa tsy mino izy ireo ary nasehony tsara fa tsy anisan’ny fiangonana izy ireo.
Andininy faha-20 : Ny Fanahy Masina no mampianatra ny fahamarinana ho an'ny Kristiana rehetra
Mifanohitra amin'ireo mpampianatra sandoka, ny Kristiana dia mahalala ny marina. Nilaza ireo mpampianatra sandoka fa nanana fahalalana miafina izy ireo. Kanefa io fahalalana manokana io dia ho an'ireo izay nanaraka ny heviny ihany. Asehon'i Jaona fa ny tena fahalalana dia avy amin'ny Tompo irery ihany. Tsy ho an'ny olona vitsivitsy manokana io fahalalana marina io fa ho an’ny olona rehetra izay an’i Kristy.
Ny Fanahin'Andriamanitra dia tonga amin'izay mino ary mampianatra azy ny marina. Izany no fampanantenan'i Kristy satria hoy Izy ao amin’ny Jaona 16:13: “Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.” Koa fantatr'izy ireo ny maha samy hafa ny marina sy ny diso ary fantatr’izy ireo koa Andriamanitra marina sy Ilay Jesosy Kristy Tena izy.
Andininy faha-21
Tsy noho ny fisalasalan’i Jaona amin’ny fahalalany no anoratany fa ny mba hampahery azy ireo. Ary tian’i Jaona izy ireo hanao zavatra mifanaraka amin'izay fantany sy izay inoany; satria mahalala ny marina ny olona izay anoratany ilay taratasy, ary afaka mampianatra ny fiangonana ny marina ihany koa satria fantatr'izy ireo ny marina ary afaka mamantatra izay diso. Fantatr'izy ireo fa tsy misy lainga avy amin'ny marina ary avy amin’Andriamanitra ny fahamarinana ary Andriamanitra tsy manome fahadisoan-kevitra. Tsy avy amin' Andriamanitra ireo mpampianatra sandoka ireo satria mampianatra ny marina foana Andriamanitra.
Andininy faha-22 : Manohitra ny fahamarinana momba an'i Jesosy ireo Kristy sandoka ireo.
Mampiseho ny fampianaran’ireo Kristy sandoka ireo ity andininy ity satria nilaza izy ireo fa i Jesosy dia tsy i Kristy. Nosarahin’izy ireo ny maha olona an’i Jesosy sym aha Andriamanitra an’i Kristy. Nilaza ireo Antikristy ireo fa tsy Andriamanitra i Jesosy, izany hoe, nataony ho olona tsotra mitovy amin’ny olona rehetra i Jesosy satria araka ny fampianarany, dia tsy ho afaka ny hiaraka ny maha olona sy ny maha Andriamanitra an’i Jesosy. Io fanambarana io no tena lainga ratsy sy faharatsiana goavana satria manohitra ny fampianaran’ny Filazantsara izany hevitra izany. Sady Andriamanitra no sady olombelona i Jesoa Kristy Tompo. Tsy maintsy ho Andriamanitra sady olombelona Izy mba hahafahany manala ny fahotantsika.
Io fampianarana izay nataon’ireo Antikristy io no manambara fa, araka ny fampianarany, dia tsy tao amin’i Jesosy i Kristy . Ary ataony fa tsy naty niaraka tamin’ny fahafatesan’i Jesosy i Kristy. Raha izany no marina, dia tsy Zanak'Andriamanitra i Jesosy ary tsy afaka hamonjy antsika ny fahafatesan'ny olona tsotra. Tsy ho ampy hanesorana ny fahotan'ny hafa izany fahafatesana izany. Ny olona milaza lainga toy izany no Kristy sandoka. Tsy manondro ny Antikristy anefa io andininteny satria mbola tsy tonga izy (jereo ny 1 Jaona 2:18 etsy ambony). Saingy io toe-tsaina Antikristy io ihany no ao amin'ireo izay Kristy sandoka ankehitriny.
Azo inoana fa tsy tsapan'ireo mpampianatra sandoka fa nandà an' Andriamanitra Ray izy ireo. Nihevitra izy ireo fa nino an'Andriamanitra. Fa raha tsy Zanak'Andriamanitra i Jesosy dia tsy Ray Andriamanitra. Raha tsy misy ny Zanaka dia tsy misy Ray. Ny Ray sy i Jesosy Kristy Zanaka dia iray ao amin'ny Andriamanitra iray. Koa ny fandavana ny Iray dia fandavana ny Iray hafa koa.
Andininy faha-23
Nisy olona sasany nilaza fa nahalala an'Andriamanitra kanefa nandà ny Zanaka izy ireo. Noho izany, dia tsy manana ny Ray na ny Zanaka izy ireo. Ny Fahalalantsika an'Andriamanitra dia amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompo ihany. Raha tsy manaiky an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra isika, dia tsy afaka mahafantatra an'Andriamanitra Ray. Ny tena Kristianina dia mino fa Zanak' Andriamanitra i Jesosy. Fantatr'izy ireo ny Zanaka, ary fantany koa ny Ray. Amin'ny alalan'ny Zanaka, dia mifandray amin'Andriamanitra toy ny zanany izy ireo. Andriamanitra no rain'izy ireo.
Andininy faha-24 : Aza manaiky hafatra izay miezaka manova ny filazantsara
Ny mpamaky ity taratasy ity dia mila miaro ny fahamarinana. Tamin’ny fandrenesany ny Filazantsara tamin’ny voalohany no nianarany ny fahamarinana. Ny filazantsara no fahamarinana satria momba an'i Jesosy Kristy izy io. Jesosy no fahamarinana. Ny fampianaran’ny filazantsara dia avy amin’i Kristy tenany. Ireo mpamaky ny bokin'i Jaona dia nandre ny filazantsara avy tamin'ny apostoly izay voalohany nadray ny filazantsara sy mino ny filazantsara.
Fantatr'izy ireo ny marina momba ny Ray sy ny Zanaka. Nino izy ireo fa i Jesosy no Kristy. Rehefa nino ireo zavatra ireo izy ireo dia nanomboka ny fiainany izay maha kristiana azy. Tsy maintsy mahazo antoka izy ireo fa tsy ho very izany fahamarinana izany.
Tsy ampy ny mihaino fotsiny ny filazantsara. Tsy maintsy aseho sy ampiasaina amin’ny fiainanantsika andavanandro ny fahamarinana. Ary izay inoantsika dia tokony hitondra fiantraikany amin’ny fiainantsika. Koa rehefa mino ny fahamarinana isika dia tafaray amin'ny Tompo, izany hoe, miara-belona amin'ny Zanaka sy ny Ray. Ary ato anatintsika ny fahamarinana ary ao amin’ny Zanaka sy ny Ray isika.
Miresaka voalohany momba ny Zanaka i Jaona. Amin’ny alalan’ny Zanaka ihany no ahafahantsika mahafantatra ny Ray.
Andininy faha-25
Ny fitoerana ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny Ray no antoka iray izay ahazoana fiainana mandrakizay. Izany no fiainam-baovao ao amin'ny fanahy ary tsy manam-pahataperana izany fiainana izany. Ny Tompo Jesosy dia nampanantena ity fiainana ity ho an'ny mpino rehetra; ankehitriny dia manome fiainana ho an’ny olono Izy, ary hiara-hiaina amin'Andriamanitra mandrakizay izy ireo. Manomboka amin’ny olona izay matoky an’i Jesosy ity fiainana mandrakizay ity ary efa ao anatin’izy koa izany.
Manana fiainana izay iainantsika isika eto an-tany, ary fiainam-batantsika dia manam-pahataperana na dia efa miaina ao anatin’ny fiainana mandrakizay aza ny saintsika noho ny nahafantarantsika ny ray araka ny vavaka izay nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:3. Ny fiainam-batantsika dia tsinotsinona sy kely raha oharina amin’ny fiainana izay homen’ny Tompo ny fanahintsika. Hitranga izany rehefa haka antsika hiala eto an-tany i Jesosy Tompo ary hiara-miaina Aminy any an-danitra isika.
Andininy faha-26
Manoratra momba ireo mpampianatra sandoka i Jaona. Ary nampitandremany momba ireo mpampianatra sandoka ireo ny mpamaky ny epistiliny satria manao ezaka sy fomba rehetra mba hampiala ny mpino amin’ny fahamarinana momba an’i Kristy sy ny Filazantsarany izy ireo (mpampianatra sandoka ireo). Vonona am-pifaliana i Jaona mba hanitsy ireo fahadisoana nampianarin'ireo mpampianatra sandoka ireo. Tiany ho azo antoka fa tsy hisy amin'ireo mpamaky azy hanaraka ny laingany.
Andininy faha-27 : Mampianatra antsika ny marina mandrakariva ny Fanahy Masina
Ireo mpampianatra sandoka ireo dia miezaka mitarika ny Kristiana hiala amin'ny fahamarinana. Saingy ny Kristiana dia manana ny Fanahin'A ndriamanitra ao anatiny izay mitarika sy mampianatra azy. Ary efa nirahin’ny Tompo Jesoa hitoetra ao anatin’ny olony ny Fanahin’ Andriamanitra izay afaka mampianatra azy ny marina rehetra, ary hitarika antsika amin’ny marina rehetra koa. Ho fantatsika ny marina raha mihaino Azy isika ary asehony antsika izay lainga.
Tsy mila olon-kafa hampanapa-kevitra ho azy ireo ny amin'izay tsara sy ratsy ny Kristianina satria fantatr'izy ireo izay tsara sy ratsy noho ny Fanahin' Andriamanitra Izay mitoetra ao aminy. Na dia izany aza, mila mpampianatra ihany isika saingy tsy maintsy zahana toetra aloha izay ampianarin'ny mpampianatra. Izany no ataon'ny Fanahin'Andriamanitra ho an'ny Kristianina. Mampianatra ny Kristianina izay tokony hinoana sy izay tokony ho laviny Izy. Tena misy ny Fanahin'Andriamanitra ary mampianatra ny marina mandrakariva. Tsy afaka mampianatra lainga mihitsy Izy ary afaka matoky Azy mandrakariva ny olony. Araka ny nampianaran'ny Fanahin'Andriamanitra azy ireo no tsy maintsy itoeran'izy ireo ao amin'i Kristy.
Andininy faha-28 : Afaka matoky isika rehefa miverina i Jesosy
Ny hoe 'ankehitriny' no ahafantarana fa ity no fotoana farany (jereo 2:18). Rehefa mifarana io vanim-potoana io dia ho avy indray i Jesosy Tompo. Koa nilaza tamin'izy ireo i Jaona mba hanohy hiaina ao amin'i Kristy. Tsy tokony hamela na inona na inona hanala azy ireo amin'ny Tompo izy ireo.
Tomoera ao aminy ianareo. Ny fitoerana ao aminy no ahazahoana antoka tsara satria raha mitoetra ao aminy isika dia ho avy toy namana amintsika Izy. Tsy fatantsika anefa ny fotoana ihaviany, kanefa manana antoka isika fa tsy maintsy ho avy Izy indray andro any. Ary tiany ho vonona tsara amin’ny fiaviany isika.
Amin’ny fiaviany fanindroany, dia ho avy toy ny Mpitsara Izy ary tsy maintsy hampamoahina sy asehony miharihary eo anatrehany ny olona rehetra. Hampamoahiny ny amin’izay rehetra nataony no olona koa raha miala amin'ny Tompo isika dia ho menatra sy ho afa-baraka.
Andininy faha-29
Marina i Kristy ary tsy isalasalana izany. Ireo izay manao ny marina no naterak'Andriamanitra. Marina Andriamanitra ary ny zanany dia tiany mba hanana fahamarinana tahaka Azy koa.
TOKO FAHATELO
Ny zanak'Andriamanitra dia manao ny tsara (1 Jaona 3:1-10)
Andininy 1 : Tian'Andriamanitra isika ary nataony zanany
Manohy amin'ny lohahevitra roa izao i Jaona:
ü Naterak’Andriamanitra ny Kristianina.
ü Ny fiverenan'i Kristy.
Ambaran’i Jaona amintsika ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray antsika. Izay rehetra mino no zanany ary Izy no rain'ny Kristiana rehetra. Ary teraka indray ao amin’Andrimanitra isika.
Fitiavana lehibe no itian’ny Ray antsika tsirairay ary mihoatra lavitra noho ny fitiavana rehetra ny fitiavany. Fantatsika izany fitiavana izany satria naniraka ny Zanany Jesosy Izy mba ho faty noho ny fahotantsika. Afaka ny ho zanak'Andriamanitra isika noho izany fitiavana izany.
Nahagaga an’i Jaona io fitiavan’Andriamanitra antsika io. Fitiavana hafa mihitsy no nitiavany antsika ary fitiavana tsara lavitra noho ny fitiavana rehetra. Izany no nahatonga an’i Jaona ho gaga ary mahatonga antsika ho zanak’ Andriamanitra izany fitiavana izany. Jereo sy eritrereto anie izany halehiben’ny fitiavana izany e! Ary ny Ray no nanome antsika izany fitiavana izany.
Jereo ange ny halehiben'ny fanomezana avy amin'ity fitiavana ity e, dia ny niantsoany antsika hoe zanany; ary nataony zanany isika noho ny fitiavany. Tsy avy amintsika izany fiantsoana antsika ho zanany izany fa noho ny fitiavan’ Andriamanitra ihany.
Ny olona rehetra izay tena Kristianina dia efa nateraka indray ary lasa fianakavian'Andriamanitra. Zanak'Andriamanitra izy ireo ankehitriny.
Tsy mahalala an'Andriamanitra ny olon’izao tontolo izao satria tsy nahafantatra an’i Jesosy izy ireo fony teto an-tany i Kristy. Tsy mahalala an' Andriamanitra ny olon’izao tontolo izao satria tsy mahafantatra ny Zanany izy ireo. Tsy fantatr’izao tontolo izao fa zanak'Andriamanitra ny Kristianina ary tsy an’izao tontolo izao ny Kristiana, ary vahiny sy mpivahiny eto amin’izao tontolo izao ny Kristiana, ary an’ny amin’ny toeran-kafa ny tena toerany.
Andininy faha-2 : Rehefa miverina i Jesosy dia ho tahaka Azy isika
Zanak'Andriamanitra isika ankehitriny. Saingy tsy mbola nasehony antsika izay ho toetrantsika amin'ny ho avy. Fantatsika fa hanova antsika Andriamanitra. Tsy ho toy ny fiainantsika ankehitriny foana no hiainantsika fa ny ho avy no tsara lavitra.
Mbola tsy fantatsika ny soa rehetra ho azon'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ho avy. Fa zavatra iray no azo antoka: Ho tahaka an'i Kristy, Zanak'Andriamanitra, isika.
Indray andro any dia hiverina i Jesosy Tompo haka ny olony ho any an-danitra. Dia ho hitantsika i Jesosy Kristy araka ny maha-Izy Azy. Rehefa mahita Azy isika dia hiova. Hiova ho tahaka Azy ny olony rehetra. Saingy tsy hisy olona afaka hitovy Aminy mihitsy anefa. Tsy ho Andriamanitra tahaka Azy isika. Fa hitovy Aminy amin'ny toetrantsika. Hiara-hiaina amin' Andriamanitra Ray sy amin'i Jesosy Tompo isika. Tsy ho faty mandrakizay isika. Ho dioviny amin'ny otantsika isika ary tsy hisy ota intsony. Tahaka ny maha-masina an'i Jesosy no hanamasinany antsika koa.
Andininy faha-3 : Ankehitriny dia tiantsika ny ho tahaka an’i Kristy.
Ny teny hoe 'fanantenana' dia tsy midika hoe misy fisalasalana. Fa ny fanantenana no hitovizantsika amin'i Kristy. Ho hitantsika Izy araka ny tena maha-Izy Azy. Andriamanitra no nampanantena izany ary hataony izany. Hitranga izany saingy amin'ny ho avy.
Tsy isalasalana fa hizara izany fiainana izany isika ary efa natolotr’i Kristy antsika izany fianana izany. Hiara-belona Aminy isika ary tsy ho tapitra mandrakizay izany fiainana izany.
Fantatsika fa indray andro any dia hanova antsika ny Tompo. Tokony hisy fiantraikany amintsika izany ankehitriny. Ny olona rehetra manana izany fanantenana izany dia miala amin'ny fahotana. Ankehitriny, ny olona rehetra manana izany fanantenana ao amin'i Kristy izany dia haniry ny hitovy Aminy. Koa satria madio sy masina Izy, dia tokony mba haniry ny hitovy aminy koa isika. Ary ny fomba fiainan'i Jesosy no tokony ho fiainantsika ary tokony hiaina tahaka izany ny olona manantena Azy.
Andininy faha-4
Malemy anefa ny olona rehetra ary tsy tanteraka no sady mpanao ratsy isika rehetra. Kanefa tsy hanohy hiaina amin’ny fahotana ny olona izay manantena an’Andriamanitra. Ny ota amin'ny maha-ota azy dia mifanohitra amin'ny lalàn'Andriamanitra.
Ny olona sasany dia tsy nihevitra fa ratsy avokoa ny ota rehetra, nilaza izy ireo fa tsy nisy dikany ny ota sasany. Saingy nohazavain'i Jaona tsara fa ratsy avokoa ny ota rehetra.
Misy olona sasany dia mbola manohy miaina ao anatin'ny ota. Misafidy ny hanao ny ratsy izy ireo. Tsy miezaka mankatò ny lalàn'Andriamanitra izy ireo. Ary tsy miaina araka izay tian’Andriamanitra hiainany.
Andininy faha-5 : Ny hanala ny fahotantsika no anton-dian’i Jesosy
Fantatsika fa tonga i Jesosy ary izany no anisan'ny hafatry ny filazantsara izay raisintsika. Fantatsika fa Andriamanitra Izy. Ary fantatsika fa teraka ho olombelona Izy. Fantatsika fa niaina teto an-tany Izy. Tonga Izy mba hanaisotra ny fahotantsika. Nosazin'Andriamanitra i Jesosy noho ny fahotantsika rehetra. Nesorin’i Kristy tamintsika avokoa ny otantsika rehetra.
Tsy nanota i Jesosy. Na ny maha-Andriamanitra na mahaolombelona Azy dia tsy nanota Izy ary tsy nanao ratsy. Nanao izay sitrapon'Andriamanitra foana Izy. Lavorary Izy ka afaka nitondra ny fahotantsika ho Azy.
Andininy faha-6 : Tsy tokony hanohy hanota intsony isika
Tsy misy ota ao amin'i Kristy. Noho izany, ny olona miara-belona Aminy dia tsy tokony hanana ota ary tsy tokony manohy manota koa (Ampitahao Romana 6:15). Satria, ny otantsika no tena antony nahafatesan'i Jesosy.
Ity andininy ity anefa tsy midika hoe tsy manota ny Kristianina. Manao ota sy manana ota izy ireo saingy tsy tokony manohy manao fiainana tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Tompo no nanome azy ireo ny hery izay ahafahany handà ny fahotana. Koa ho an’ny Kristiana, ny fahotana dia tsy anisan’ny fiainany andavanandro izay mahazatra azy.
Ireo izay mbola manohy ny fiaianany ao anatin’ny fahotana dia tsy mbola nahita an'i Jesosy, tsy mbola nahafantatra ny zava-bitan’i Jesosy ary tsy azo lazaina hoe nino ny filazantsara. Mazava ho azy, fa tsy an’i Kristy ny olona manao toy izany.
Andininy faha-7 : Manao ny tsara ny olona marina
Mety hisy olona hilaza fa marina izy, kanefa mbola manao ny ratsy ihany anefa. Ny fanohizany ny fanaovana ny ratsy no manambara fa diso sy lainga izany fanambarany ny tenany hoe marina izany. Tsy tokony hino azy ireo isika. Ny olo-marina dia olona izay manao ny tsara sy mahitsy, izany hoe, ny olona manao ny marina ihany no marina.
Noho io teny io no ilazan’i Jaona fa tokony hanao ny marina isika Kristianina dia ny mba hahatonga antsika ho marina tahaka an’i Jesosy. Izy no modely tokony harahintsika ary afaka manampy antsika hanao ny tsara koa Izy.
Andininy faha-8 : Tian'ny devoly hanota ny olona
Ambaran’i Jaona eto mazava tsara fa ny devoly no niandohan'ny fahotana. Ary azo lazaina fa manana ny toetran’ny devoly ny olona izay zatra miaina ao anatin’ny fahotana amin’ny fiainany andavanandro. Izany hoe, ny olona izay manohy manota amin’ny ataony andavanandro dia zanakin’ny devoly satria manana toetra mitovy amin’ny devoly.
Ireo izay manota dia avy amin'ny devoly satria avy tamin’ny devoly no niandohan’ny ota. Efa hatramin'ny voalohany no nanaovany ny ratsy. Nitondra ota teto amin'izao tontolo izao izy rehefa naka fanahy an'i Adama sy Eva (Genesisy 3). Nampirisika azy ireo tsy hankatò ny feon'Andriamanitra izy. Ary hatreto, dia mbola miezaka misakana ny olona tsy hatoky an'i Jesosy Tompo koa izy.
Efa nisy ny Zanak’Andriamanitra talohan’ny nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao. Na izany aza, tonga teto an-tany Izy, ary nateraka mba hiaina tahaka ny fiainan’ny olona rehetra. Tonga Izy mba handrava ny asa ratsy rehetra izay nataon’ny devoly. Niaina fiainana tonga lafatra teto i Jesosy, izany hoe, tsy nanota mihitsy Izy tamin’ny androm-piainany teto an-tany. Avy eo Izy dia naty noho fahotan’ny besinimaro. Ny asan'ny devoly dia ny hahatonga ny olona hanota sy ho faty. Noravan'i Jesosy anefa io asan’ny devoly io. Ary nesoriny ny fahotantsika ary nomeny fiainana isika. Nandresy devoly ny Tompo Jesosy ary nanafaka antsika tamin'ny herin'ny ota.
Andininy faha-9 : Rehefa tonga Kristianina isika dia omen'Andriamanitra fiainana vaovao isika
Rehefa mino ny fahamarinan'ny filazantsara isika dia omen' Andriamanitra fiainam-baovao. Toy ny fahaterahana indray io fiainana io, ka tonga olom-baovao isika izay naterak'Andriamanitra. Ny fiainam-baovao izay omen'Andriamanitra dia fiainana tsy misy fahotana satria fiainana avy amin' Andriamanitra. Tsy misy fahotana ny toetran’Andriamanitra ary izany no mahatonga ny olona naterak'Andriamanitra tsy manana ota.
Tsy midika anefa izany fa olona lavorary ny Kristianina. Manota ihany izy saingy tsy fomba fiaina mahazatra azy ny fanaovana fahotana. Tsy manohy ny fianany ao amin’ny fahotana izy ireo satria naterak' Andriamanitra.
Andininy faha-10 : Ny fitiavana ny namana no mampiseho fa tena zanak’ Andriamanitra ny Kristianina iray.
Afaka mamantatra ny olona tena Kristiana mazava tsara isika. Amin’ny fomba fiainany no ahafantarantsika izany; satria, ireo izay naterak' Andriamanitra dia manao ny tsara ary tia ny Kristiana hafa koa. Kanefa kosa, ny olona avy amin’ny devoly dia olona izay manohy manao ny asany ratsy ary tsy tia ny olona hafa.
Manao ny marina ny tena zanak’Andriamanitra ary tia ny olona sy ny Kristiana hafa izy ireo. Izay tsy tia ny olona sy ny Kristianina hafa dia tsy naterak' Andriamanitra, satria tsy mitoetra ao aminy Ilay Andriamanitra fitiavana. Izay miara-miaina amin'Andriamanitra dia tokony ho tia ny zanak’Andriamanitra fa raha tsy tia ny Kristianina hafa namantsika isika dia tsy zanak'Andriamanitra velively.
Mifankatiava ary minoa an'i Kristy (1 Jaona 3:11-24)
Andininy faha-11 : Tokony hifankatia isika
Ny hafatra dia ny tokony hifankatiavantsika. Izany dia manondro ny didy nomen'i Kristy antsika (Jaona 13:34). Ireo mpamaky ity taratasy ity dia nandre izany didy izany rehefa nandre voalohany ny vaovao tsara izy ireo. Izany hoe, tamin’izy ireo voalohany nino an’i Kristy. Manan-danja amin’ny filazantsara ny fitiavana ary ny fitiavantsika ny Kristianina hafa no mampiseho fa mino isika. Ny fifankatiavana no porofo fa zanak' Andriamanitra isika.
Andininy faha-12 : Namono ny rahalahiny i Kaina satria ratsy fanahy izy
Avy amin'ny devoly ny niandohan'i Kaina fa tsy avy amin' Andriamanitra satria tsy tia ny rahalahiny, izay nantsoina hoe Abela, izy. Isika izay mino an' Andriamanitra dia tsy tokony ho tahaka an'i Kaina. Tokony ho tia ny rahalahiny i Kaina saingy nankahalainy io rahalahiny io. Mifanohitra amin’izany isika, satria isika dia tokony hitia ny Kristianina hafa.
Ireo izay mankahala ny namany dia tsy an'Andriamanitra; izany hoe, ny devoly no mifehy ny fiainan'izy ireo. Tsy hoe ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny no nahatonga azy ho lasa zanakin’ny devoly; fa satria efa zanakin’ny devoly izy ka izany no nitarika azy hamono ny rahalahiny.
Zanak'i Adama i Kaina sy i Abela (Genesisy 4:1-8). Nanao araka izay nangatahan'Andriamanitra i Abela, izany hoe, nanolotra ondry ho an'Andriamanitra izy, ary neken'Andriamanitra izany. Fa i Kaina kosa dia tsy nanao izay nankasitrahin’Andriamanitra, fa nanolotra ny vokatrin’ny ny tany ho an'Andriamanitra izy fa tsy ondry, ary tsy neken'Andriamanitra izany. Nanao ny tsara i Abela fa Kaina kosa nanao ratsy. Izany no nahatonga an'i Kaina hankahala an'i Abela. Nandeha tany an-tsaha izy ireo ary namono an'i Abela izy avy teo. Ny fanaovana ny tsara no antony namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny. Ary nialona an'i Abela izy. Ny devoly sy ny zanany dia mankahala izay manao ny tsara.
Andininy faha-13 : Matetika ny olona tsy Kristianina no mankahala ny Kristianina
Toy ny nataon'i Kaina tamin'i Abela no zavatra iainan’ny olona tena Kristiana amin’izao. Izany hoe, raha manao ny tsara isika dia hisy olona hankahala antsika noho izany. Tsy tokony hahagaga antsika anefa izany; satria io toetra io dia hatrany tampiandohana mihitsy ka mbola tohizan’ny zanakin’ny devolo hatramin’izao.
Tsy hoe hankahala ny Kristianina mandrakariva izao tontolo izao, tsy izany no ambaran’i Jaona eto. Tsy hoe nankahala an'i Jesosy foana koa ny olona. Fa ny Kristianina kosa, tahaka an'i Abela, dia tokony hanao asa tsara hatrany. Ny asa tsara ataon'izy ireo no mampiseho ny faharatsian’ny asan’i Satana. Ka io fanaovana asa tsara io no antony iray hankahalan’i Satana ny Kristianina.
Andininy faha-14 : Ny fitiavana no anehoantsika fa tena Kristianina isika
An'i Jesosy Tompo avokoa ny olona rehetra rehetra mino Azy, ary fantatr'izy ireo fa manana fiainam-baovao miaraka amin’ny Tompo izy. Ary mety hankahala ny olon’ny Tompo ny olona eto amin'izao tontolo izao. Kanefa voaro amin'ny Tompo izy ireo.
Mifanohitra amin'ny fiainam-baovao ny fahafatesana. Toy ny olona maty no toetran’ny olona rehetra izay tsy mahalala ny Tompo. Isika Kristiana anefa mahalala fa tsy maty intsony isika satria miara-belona aminintsika ny Tompo. Ary io fiarahantsika miaina amiaraka amin’ny Tompo io no nahatonga antsika ho tafiditra ao amin’ny fiainam-baovao. Talohan'izay dia an'ny fahafatesana isika fa ankehitriny kosa dia efa ao amin’ny fiainana satria ny Tompo no namindra antsika avy tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana. Ankehitriny dia an'Andriamanitra isika. Fantatsika fa marina izany. Ny fifankatiavantsika dia mampiseho fa marina izany.
Fantatsika fa manana fiainana isika ary izany dia noporofointsika tamin’ny fanehoantsika fitiavana ny Kristiana hafa. Ka io fitiavana io no mampiseho fa zanak'Andriamanitra isika. Tsy hoe fitiavantsika no maha-Kristianina antsika. Fa ny fitiavana no mampiseho fa efa tonga Kristianina isika. Tsy manana izany fiainam-baovao miaraka amin’ny Tompo izany ny olona tsy manana fitiavana; ary ny tsy fananana fitiavana no marika iray manambara fa mbola mitoetra ao amin’ny fahafatesana ny olona iray. Mifanohitra amin'ny fiainana miaraka amin'Andriamanitra izany. Ny fitiavana no porofon'ny fiainana. Fa ny fankahalana kosa no porofon'ny fahafatesana.
Andininy faha-15 : Ny fankahalana dia toy ny famonoana olona
Nampianatra i Jesosy Tompo fa ny fahatezerana tsy amin'antony dia mitovy amin'ny famonoana olona (Matio 5:21-22). Koa eto, i Jaona dia milaza fa ny fankahalana dia mitovy amin'ny famonoana olona koa. Matetika ny fankahalana no dingana voalohany amin'ny famonoana olona. Ireo izay mankahala dia mety hamono olona. Izany no nataon'i Kaina. Na dia tsy mamono olona aza ny olona mankahala ny namany, fa ny toe-tsainy kosa dia mitovy ihany amin’ny toe-tsain’ny mpamono olona.
Izay mamono olona dia tsy manana fiainana ao amin'Andriamanitra. Ary izay mankahala koa dia manana toe-tsaina mitovy amin’ny olona izay mpamono olona koa, ary ny fankahalana dia tsy mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Andininy faha-16 : Tsy tia tena ny olona manam-pitiavana
Afaka mahafantatra ny atao hoe tena fitiavana isika satria manana ny lamim-pitiavana miaraka amin’i Jesosy Kristy. Hoy i Jesosy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Maty ho antsika Izy, satria tiany antsika ary izany no nataony, dia nisafidy ny ho faty izy dia ny mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Izany no nanehoany ho antsika ny tena fitiavana.
Isika koa dia tokony hanaka ilay fitiavana nasehon’i Kristy. Tsy misy fitiavantena io fitiavana nasehon’i Kristy antsika io. Noho izany, dia tokony ho vonona ny hanolotra ny tenantsika ho an'ny Kristianina hafa isika. Midika izany fa tokony ho faty ho azy ireo isika raha ilaina izany.
Tsy voajanahary amintsika izany fitiavana izany. Fa kosa rehefa naterak' Andriamanitra isika dia omeny antsika manomboka eo amin’ny fahateraham-baovao izany fitiavana izany. Ary afaka mitia isika satria tia antsika Izy.
Andininy faha-17 : Ny olona izay mandà tsy hanampy ny rahalahiny dia tsy maneho fitiavana marina
Eto misy ohatra iray izay maneho izany tsy fananana fitiavana izany: Nisy olona iray izay nanana fananana be dia be, mihoatra noho izay ilaina ho an'ny tenany. Nahita ny rahalahy iray izay tsy manana ny hiveloman’ny tenany izy, ary tena mila fanampiana io olona io. Ny fitiavana anefa tsy hoe manery io olona mpanankarena io mba hanome an’io olona iray mahantra io ny fananany rehetra fa, mba hanome kely fotsiny amin'izay ananany. Ny fananan’ilay mpanankarena anefa maneho fa afaka manome izay ilain’io olona mahantra io izy, kanefa tsy nanome izany ilay mpanankarena. Ka io tsy fanomezana io no manaporofo tsy tena no sady tsy manam-pitiavana marana ilay mpanankarena.
Tian'Andriamanitra isika. Ary io karazana fitiavana io no nomen’ Andriamanitra isika. Nomen'Andriamanitra io fitiavana io ho an'izay rehetra an'Andriamanitra. Kanefa ny fitiavan’ity olona ity dia tsy tahaka ny fitiavana izay nitiavan’Andriamanitra. Ary araka ny nataony aza, dia tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra mitoetra ao anatiny; satria, raha tena nanam-pitiavana izy dia nanampy ny rahalahy izay hitany fa tena mila fanampiana. Raha tsy vonona hanampy ny rahalahintsika isika, dia tsy ato amintsika ny fitiavan'Andriamanitra.
Andininy faha-18 : Tokony hampiseho ny fitiavantsika amin'ny alalan'ny ataontsika isika
Tsy tokony hilaza fotsiny hoe tia isika, satria ny fitiavana dia tsy maintsy haseho amin’ny asa izay ataontsika. Tokony hifankatia sy ho mavitrika amin'ny fitiavantsika isika Kristiana. Tokony hiasa mba ho tombontsoan'ny hafa koa isika. Andao hasehontsika amin’ny asa ny fitiavana fa tsy atao am-bava fotsiny. Ny fitiavana izay tsy miseho amin’ny asa dia tsy tena fitiavana.
Andininy faha-19 : Rehefa mamela ny helotsika Andriamanitra dia afaka manana feon'ny fieritreretana madio isika
An’ny fahamarinana isika raha mifankatia. Satria ny fitiavana ao anatintsika no mampahafantatra izany amintsika. Raha an’ny fahamarinana isika dia hanana fieritreretana madio, ka izany no hanome antsika fahatokiana hanatona an'Andriamanitra.
Ny fahamarinana dia manondro an'Andriamanitra. Ireo izay an'ny fahamarinana no olon'Andriamanitra. Avy amin'Andriamanitra izy ireo ary zanak'Andriamanitra koa.
Rehefa manatona an'Andriamanitra isika dia handray antsika Izy. Ary afaka manatona Azy tsy amin-tahotra. Ny fieritreretana momba ny tahotra na ny fieritreretana momba ny fahadisoana no mety hampivarahontsana antsika tsy hanatona an’Andriamanitra, fa tokony matoky tsara isika fa efa namela atsika Andriamanitra.
Andininy faha-20
Mety hanome tsiny antsika ny feon'ny fieritreretantsika rehefa manota isika. Saingy afaka mampionona ny feon'ny fieritreretantsika isika. Fantatsika fa lehibe noho ny feon'ny fieritreretantsika Andriamanitra ary mahalala ny faharatsiana ao anatintsika koa Izy. Fantany ihany koa izay nataontsika sy izay mbola hataontsika. Kanefa mbola tia antsika ihany. Noho izany, dia tokony hiaiky ny fahotantsika aminy isika. Ary vonona hatrany hamela antsika Izy raha miaky izany Aminy isika.
Andininy faha-21
Rehefa mamela ny helotsika Andriamanitra dia manadio antsika ho afaka amin'ny fahotana rehetra Izy. Amin'izay dia tsy tokony hanome tsiny antsika intsony ny fieritreretantsika. Rehefa tsy manome tsiny antsika ny fieritreretantsika dia afaka hanatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana isika.
Matoky koa isika fa afaka mahafantatra an'Andriamanitra, afaka miara-miaina Aminy, afaka manatona Azy isika ary afaka miresaka Aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Noho izany, dia tokony hatoky Azy amin'ny hoavintsika rehetra isika rehetra.
Andininy faha-22 : Mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra satria mampifaly Azy isika
Raha tsy miampanga antsika ny feon'ny fieritreretantsika, dia manana fahatokiana hanatona an'Andriamanitra isika. Afaka manatona an'Andriamanitra isika ary mivavaka Aminy. Ary afaka hahazo izay angatahintsika isika. Homen’ Andriamanitra antsika izany satria mankatò Azy sy mampifaly Azy isika Azy. Tsy hoe manana zo hahazo izany avy aminy isika, omena antsika izany satria efa tiany rahateo ny hanome izany ho antsika.
Andininy faha-23 : Ny didin'Andriamanitra dia ny tokony hifankatiavantsika
Didin'Andriamanitra ho antsika ity. Tsy maintsy mino an'i Jesosy Kristy isika ary tsy maintsy mifankatia. Ireo dia ampahany roa amin'ny didy iray ihany izay tsy maintsy ankatoavintsika. Fa ny Tompo Jesosy koa dia nanome antsika didy vaovao, dia ny mba hifankatiavantsika (Jaona 13:34).
Tsy maintsy matoky sy mahatoky an'i Jesosy Kristy isika. Tsy maintsy manaiky isika fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy Kristy. Nisy mpampianatra sandoka niezaka nanasaraka an'i Jesosy tamin'i Kristy. Tsy nanaiky izy ireo fa amin’ny maha olona Jesosy dia Zanak'Andriamanitra.
Ireo mpampianatra sandoka dia tsy tia araka izay takian'Andriamanitra. Tsy afaka nanao izany izy ireo satria tsy nanana ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy tena nino an'i Jesosy Kristy ho Zanak'Andriamanitra, izy ireo. Tsy nino izy ireo fa maty ho an'ny fahotantsika i Jesosy Kristy.
Andininy faha-24 : Andriamanitra no nanome antsika ny Fanahiny
Izay miaina ao amin'Andriamanitra dia hankatò Azy. Izay mankatò an'Andriamanitra dia mitoetra ao aminy. Kanefa tsy noho ny zavatra nataontsika no nahazoantsika izany firaisaina amin’Andriamanitra izany fa noho Andriamanitra Tenany ihany. Velona ao amin’Andriamanitra isika, ary miara-belona amintsika koa Andriamanitra, fantatsika fa marina izany. Ary ny fanomezany ny Fanahy Masina no porofo manamarina izany fiombonam-pianinantsika amin’Andriamanitra izany. Ny Fanahin' Andriamanitra dia manampy antsika hankatò an'Andriamanitra ary ny Fanahiny no mahatonga antsika hino sy ho tia.
TOKO FAHAEFATRA
Izahao toetra ny fanahy mba hahitana hoe raha tena marina (1 Jaona 4:1-6)
Andininy 1 : Tokony hozahantsika toetra raha avy amin'Andriamanitra ny hafatry ny olona iray izay miteny
Misy fanahy hafa miasa eto amin'izao tontolo izao. Ireo dia miteny amin'ny alalan'ny olona toy ny mpampianatra sandoka. Maro amin'izy ireo no efa mambra tao amin’ny fiangonana saingy niala tao. Maro amin’ny olona ankehitriny no miteny na manambara fampianarana kanefa avy amin'ny fanahy hafa. Mety hiteny ao am-piangonana ny sasany amin’ireo, ary mety tsy ao am-piangonana koa no anaovan’ny sasany ny fampianarany. Mila fantarintsika tsara hoe, avy aiza marina ny fototra na fotom-pampianarana izay ambaran’ity olona ity. Tsy hoe, avy hatrany dia hino izay lazainy isika, fa tokony fantarintsika tsara na avy amin’Andriamanitra io fampianaranay io na tsia. Raha avy amin' Andriamanitra ny fampianarany dia tokony hino ny hafany isika. Raha tsy avy amin'Andriamanitra koasa dia tsy tokony hino izany hafany isika.
Tsy maintsy izahantsika toetra ny olona iray izay miteny, satria mety ho avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra na avy amin'ny fanahy hafa ny teniny. Na dia toa marina aza ny teny dia mbola mila fantarina ihany ny niandohany. Ny niandohany dia na ny Fanahin'ny fahamarinana na ny fanahin'ny fahadisoana.
Olona maro no milaza sy mampianatra fa tena hafatr’Andriamanitra no ambarany. Kanefa, mety tsy ho fahamarinana na hafatra tian’Andriamanitra tokoa no ambarany. Ka izany no antony anambaran’i Jaona fa tokony hojahantsika toetra ny fanahy na avy amin’Andriamanitra izany na tsia. Mety ho mpaminany sandoka izy ireo satria efa maro ny mpaminany sandoka eto amin'izao tontolo izao. Mampianatra zavatra tsy marina toa marina izy ireo ary ny fanahy ratsy no mampiteny azy. Ary ny fotompampianarany dia zava-diso avokoa.Fa ny mahatalanjona, dia mety hiseho ho manana ny Fanahin' Andriamanitra izy ireo nefa raha ny marina dia manana fanahy ratsy no ao anatiny.
Andininy faha-2 : Ny Fanahy Masina dia mampianatra ny marina momba an'i Jesosy
Izany no fomba ahafahantsika mahafantatra ny Fanahin' Andriamanitra. Ny fitsapana dia izay lazain'ny fanahy momba an'i Kristy. Ny Fanahy avy amin'Andriamanitra dia mampianatra fa tonga i Jesosy Kristy. Tonga tamin'ny vatana olombelona Izy. Midika izany fa Zanak' Andriamanitra i Jesosy. Zanaka Izy talohan'ny nahatongavany teto an-tany. I Jesosy no Kristy nandritra ny androm-piainany sy ny nahafatesany. Mbola Izy ihany no Jesosy Kristy Tompo.
Mety ho nino ireo mpaminany sandoka fa avy amin'Andriamanitra i Kristy. Saingy azo inoana fa nilaza izy ireo fa tsy Kristy i Jesosy. Nolavin’izy ireo ny fahatongavan’i Kristy ho olombelona sy ny nahafatesany amin’ny maha Andriamanitra Azy. Izany fitsapana na fijahana toetra izany no ahafantaratsika ny tena fiavian’ilay fampianarana. Izany no maneho fa na avy amin’ny olona na avy amin’Andriamanitra ny fampianarany.
Andininy faha-3 : Manohitra ny hafatry ny filazantsara ny fanahy ratsy
Tonga olombelona i Jesosy Kristy. Ny fanahy tsy manaiky an’io fanambarana io dia tsy avy amin’Andriamanitra. Ny fanahy sandoka dia tsy manaiky fa i Jesosy no Kristy. Io fanahy io dia hiasa amin'ny alalan'i Kristy sandoka izay rentsika fa ho avy (1 Jaona 2:18). Efa eto amin'izao tontolo izao io fanahy io. Ary miara-miasa amin'ireo izay manohitra ny filazantsara izy.
Andininy faha-4 : Andriamanitra dia velona ao anatinao amin'ny alalan'ny Fanahiny. Ary Andriamanitra dia lehibe noho ny devoly.
Napetrak'i Jaona voalohany ao amin'ilay fehezanteny aorian’ny teny hoe, “Anaka” ny hoe “ianareo”. Notondroiny mazava tsara “ianareo” eto, mba hanambarany ireo olona izay mpanara-dia an’i Kristy. Ianareo no nandresy, fa tsy ireo mpampianatra sandoka na ireo an'izao tontolo izao ireo. Ary ambarany mazava tsara koa fa avy amin' Andriamanitra ianareo.
Ireo izay mino ny Tompo dia nandresy ireo mpaminany sandoka ireo satria ny olona izay avy amin’ Andriamanitra dia tsy nety nino ny fampianarany. Izany no antony ilazany fa nandresy ireo mpamijnany sandoka ireo ny olona avy amin’Andriamanitra satria Andriamanitra no miasa ao aminy. Ao amin'ny olony Andriamanitra. Ary lehibe noho ny olona izay eto amin'izao tontolo izao Izy. An’ny devoly ny olona izay eto amin'izao tontolo izao. Ary izao tontolo izao eto dia manondro izay rehetra manohitra an'Andriamanitra sy ny sitrapony.
Mitoetra ao anatintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina Andriamanitra. Izany no antony nandatsahany ny Fanahiny dia ny mba ahafahany mitoetra ato anatintsika. Ny an’ny devoly dia mitoetra ao anatin’ny olon’izao tontolo izao. Ary ny fanahy izay miasa ao amin’i Kristy sandoka dia avy amin’ny devoly.
Andininy faha-5 : An'Andriamanitra ny Kristianina, fa tsy an'izao tontolo izao
Ireo an'izao tontolo izao dia miteny lainga momba ny Tompo satria ny devoly izay miasa ao anatin’izy ireo dia manohitra ny fahamarinana momba an'i Kristy. Ny fiteniny sy ny fampianarany ary ny fiheverany dia avy amin’izao tontolo izao ary devoly no mibaiko azy ireo. Satria an’ny devoly ny mpampianatra sandoka, ary ny olon’ny devoly koa dia mihaino sy mankato azy.
Andininy faha-6
Mifanohitra amin’ny mpampianatra sandoka isika. Ny hoe 'izahay' eto dia ahitana ireo olona rehetra izay milaza ny marina momba an'i Jesoa Kristy Tompo. Ireo olona ireo dia hihaino ny marina. Fa ny olona izay tsy an'Andriamanitra dia tsy hino ny marina. Afaka mamantatra ny fampianaran’ny olona sy ny fanahy nipoirany isika, ary fantantsika na avy amin’Andriamanitra ny fampianarany na avy amin’ny fanahy hafa. Mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny olony ny Fanahin’Andriamanitra izay mitoetra ao amin’ny olony.
Ny tena Fanahy dia ny Fanahin’Andriamanitra. Ary mitoetra ao amin'ny vahoakan' Andriamanitra io Fanahy io. Io Fanahin’Andriamanitra izay mitoetra ao anatin’ny olon’Andriamanitra io no manosika azy hilaza ny marina.
Misy fanahy sandoka avy amin'ny devoly. Misy koa fanahin'ny olona izay tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra. Mazava ho azy, fa tsy avy amin’ Andriamanitra ny fampianarana ataon’ireo olona izay tsy an’Andriamanitra ireo. Mampianatra lainga izy ireo ary mitarika ny olona hiala amin'ny fahamarinana.
Andriamanitra dia fitiavana. Tia antsika Izy ary tokony ho tia Azy isika (1 Jaona 4:7- 21)
Andininy faha-7 : Tokony hifankatia ny Kristianina
Tokony hankatò ny didy sy hifankatia isika. Anisan'ny toetran'ny Kristianina ny fitiavana satria zanak'Andriamanitra izy. Ary mahazo io fitiavana io avy amin’ny Ray ny zanak’Andriamanitra.
Tokony ho tia ny Kristianina hafa koa isika satria avy amin'Andriamanitra ny fitiavana. Ary Andriamanitra no niandohan'izany fitiavana izany. Ataon’Andriamanitra ho afaka hankatia ny Kristiana hafa isika isika na dia tsy natiorantsika na toetrantsika azy ny hankatia olona.
Izay rehetra manana io fitiavana io dia naterak'Andriamanitra. Tsy hoe fomba na toetra ny fitiavana, fa asehontsika amin’ny asa izany. Ireo olona naterak'Andriamanitra dia hifankatia satria ny fitiavana no manaporofo fa naterak'Andriamanitra isika. Ka noho izany, ny olona tia dia mahafantatra an'Andriamanitra.
Andininy faha-8
Amin’ny alalan’ny fitiavana no ahafantarana ny olona iray, na avy amin’ Andriamanitra izy na tsia. Raha mahafantatra an'Andriamanitra isika dia ho tia ny Kristianina hafa. Raha tsy tia ny Kristianina isika dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra. Ny antony dia satria Andriamanitra dia fitiavana.
Tsy hoe fanoritana na famaritana an’Andriamanitra ny fitiavana, fa kosa mihoatra lavitra noho ny fitiavana ary Izy. Kanefa ny fitiavana dia an’isan’ny toetrany sy ny maha Andriamanitra Azy satria ny zavatra rehetra nataony dia natao tam-pitiavana avokoa.
Andininy faha-9 : Tian'Andriamanitra isika. Nirahiny i Jesosy.
Nasehon'Andriamanitra ny fitiavany antsika sy ny olona rehetra. Nirahiny ho amin'izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana izay tiany. Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra, dia niara-nonina tamintsika. Nasehony antsika ny fitiavan'Andriamanitra.
Jesosy dia Andriamanitra Zanaka. Tonga olombelona Izy ary niaina teto an-tany. Nirahin'Andriamanitra ho amin'izany tanjona izany Izy, mba hahavelona antsika amin'ny alalan'i Kristy. Maty ho antsika sy ho an'ny fahotantsika Izy. Andriamanitra nanangana Azy tamin'ny maty. Ary ankehitriny Andriamanitra dia manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona izay ao amin’ny Zanany.
Andininy faha-10
Tsy mitovy amin’ny fitiavana rehetra ny fitiavana voalaza eto amin’ny bokin’i Jaona ity, satria araka ny hita nampiasain’i Jaona ato amin’ny bokiny, izy dia nampiasa teny Grika hafa izay manondro fitiavana izay tsy mahazatra olombelona. Tsy mahazatra olombelona ny fitiavana nampiasainy satria, ilay fitiavana hita eto dia tena fitiavana avy amin’ Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany no niandohan'ity fitiavana ambaran’i Jaona eto ity. Tian'Andriamanitra isika. Tsy hoe, noho ny zavatra nataontsika no nitiavny antsika, fa tiany foana isika na dia tsy nanao na inona na inona aza. Ny fitiavantsika olombelona dia fitiavana tsy lavorary sy kely raha oharina amin’ny fitiavany. Mety hifanohitra amin'izay nampianarin'ireo mpampianatra sandoka ireo ny fitiavan’Andriamanitra.
Izao no fitiavana: ny nitiavan'Andriamanitra antsika. Ny fitiavan’ Andriamanitra no tena fitiavana, ary nasehon’Andriamanitra ho antsika izany. Talohan’ny nitiavantsika Azy, dia efa tia antsika Izy. Tsy ho afaka hitia an’ Andriamanitra isika raha toa ka tsy homeny antsika izany fitiavana izany.
Ka noho ny fitiavan’Andriamanitra no nanomezany ny Zanany mba ho faty ho antsika. Ary ho faty noho ny fahadisoantsika. Tamin’ny alalan’ny fahafatesany no nanafahan’i Kristy ny fahadisoantsika. Kanefa, nandresy ny fahafatesana Izy, mba hananatsika ny fiainam-baovao. Noho izany, dia afaka ny hahazo fiainana isika noho ny nataon’i Kristy.
Andininy faha-11 : Tokony hifankatia ny Kristianina satria tia antsika Andriamanitra
Noho ny fitiavan’Andriamanitra fatratra antsika, isika koa dia tokony hifankatia koa. Nasehon’ Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany ho faty ho antsika ny fitiavany antsika. Noho izany, dia tokony alaintsika tahaka ny fitiavan’Andriamanitra. Ary tokony ho vonona mandrakariva hanolotra ny tenantsika ho an’ny hafa isika mba hanaporofoantsika ny fitiavantsika ny namantsika.
Andininy faha-12
Nilaza ho nahita an'Andriamanitra ireo mpampianatra sandoka ireo. Noho izany araka ny teniny, dia manana fahalalana miavaka momba an’Andriamanitra izy ireo, araka izay nasehon’Andriamanitra azy. Tsy marina anefa izany, satria mbola tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra na aoviana na ovanaTsy mety ho marina izany, satria tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra. Diso ny zavatra nolazain'izy ireo.
Naniraka antsika mba hankatia ny rahantsika izay hitan’ny masontsika i Jaona. Tsy hitantsika anefa Andriamanitra. Ary mahalala Azy izy rehefa mifankatia. Ary tahaka ny nitiavantsika ny namantsika, dia toy izany koa ny tokony hitiavantsika an’Andriamanitra. Satria, fitiavana no porofo fa tena mitoetra ato anatintsika Andriamanitra.
Tsy hoe, noho ny fitiavantsika ny namantsika no antony itoeran’ Andriamanitra ato anatintsika, fa mitoetra ato anatintsika Andriamanitra ka izany no ahafahantsika mankatia ny namantsika.
Koa ny fitiavana izay anantsika no nahatratraran’ny tanjon’ny fitiavan’ Andriamanitra tao amintsika. Namorona fitiavana tahaka ny fitiavany tao amintsika Andriamanitra. Tsara sy lavorary io fitiavan’ Andriamanitra izay nomeny antsika io. Ary isika rehetra dia manana sy norasana io fitiavana lavorary io avokoa mba ahafahantsika mankatia an’ Andriamanitra sy ny olona hafa koa.
Andininy faha-13 : Fantatsika fa Andriamanitra dia velona ato anatintsika
Mahalala an’Andriamanitra tsara isika, na dia tsy hitantsika aza Izy. Fantatsika fa mitoetra ao aminy isika, ary fantatsika koa fa mitoetra ao amintsika Izy. Ny Fanahiny izay mitoetra ato anatintsika no nahafantarantsika izany rehetra izany.
Andininy faha-14 : Fantatsika fa Andriamanitra naniraka an'i Jesosy mba hamonjy antsika
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra; fa ny hany hitantsika dia Andriamanitra naniraka ny Zanany dia i Jesosy. Nandrintra ny androm-piainan’i Jesosy teto an-tany, dia hitan’i Jaona sy ny namany Izy. Nahita an'i Kristy tamin'ny masony mihitsy izy ireo. Fantany fa Izy no Zanak'Andriamanitra. Fantany fa ny Ray no naniraka Azy. Izay rehetra mino dia afaka mahalala izany fahamarinana izany. Ka na dia efa tsy hitan’ny masontsika ary izany ankehitriny, dia toa hitantsika amin’ny alalan’ny finoantsika, fa Andriamanitra naniraka ny Zanany ho eto amin’izao tontolo izao.
Ny antony nanirahan'Andriamanitra an'i Jesosy dia ny hamonjy ny olona amin'ny ota sy ny fahafatesana. Amin'ny alalan'i Jesosy no ahafahan'ny olona ho afaka sy hahazo fiainam-baovao miaraka amin'Andriamanitra.
Efa nanota ny olona rehetra. Ary ny fahotany no nampisaraka azy amin' Andriamanitra. Noho izany, dia maty ho an’ny fahotan’ny olona rehetra i Jesosy. Koa ny fahafatesany dia efa ampy hamonjena ny tsirairay. Saingy, ny mba hahazoana izany famonjeny izay nataony izany, dia tsy maintsy mino sy matoky Azy isika.
Andininy faha-15 : Ny tena kristiana dia mino fa i Jesosy no zanak'Andriamanitra
Mitoetra ao anatin’izay mino Andriamanitra. Dia ireo izay manaiky fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra, naniraka ny Zanany Andriamanitra. Tonga Jesosy mba hamonjy ny olona rehetra. Koa raha mino an’i Jesosy ny olona, dia hahazo ny fiainam-baovao, ary avy amin’Andriamanitra izany fiainam-baovao izany.
Andininy faha-16 : Afaka miantehitra amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika
Afaka matoky ny Kristianina fa tena misy ny fitiavan'Andriamanitra. Afaka miantehitra amin'izany izy ireo. Fantany fa tia azy ireo Andriamanitra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavany. Tian'Andriamanitra ny olona rehetra, ary sarobidy aminy isika tsirairay.
Milaza indray ilay mpanoratra fa Andriamanitra dia fitiavana (1 Jaona 4:8). Ny toetran'Andriamanitra dia ny mitia sy ny miasa amin'ny fitiavana. Ny fitiavany dia avy amin'ny toetrany manokana. Tsy hoe noho ny olona tia Azy no antony nitiavany ny olona, fa tiany no olona satria Andriamanitra dia fitiavana.
Koa ny olona manana ny fitiavana dia mitoetra ao amin' Andriamanitra. Ary Andriamanitra koa mitoetra ao aminy. Ary miantefa amin’ny olona rehetra izany ftiavan’Andriamanitra izany.
Andininy faha-17
Tia an'Andriamanitra sy ny Kristianiana hafa isika Kristiana. Velona ao amin'Andriamanitra isika, ary Andriamanitra koa velona ato anatintsika. Io fiombonam-piainana amin’Andriamanitra io no antoka iray anantsika toky amin’ny fitsaran’Andriamanitra rehefa hitsara ny tany Andriamanitra amin’izay fotoana izay.
Tanteraka ao amintsika ny fitiavana rehefa tia an'Andriamanitra isika. Ary izany no toky ananantsika aminy. Tahaka ny nitiavantsika an'Andriamanitra sy olona hafa, dia mahatratra ny tanjony ny fitiavana. Ary hitombo ato anatintsika ny fitiavana. Ary ho matotra kokoa amin'ny fitiavana isika. Izany no nokasain' Andriamanitra hataony ho antsika.
Ho avy ny andro hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra. Izany no atao hoe, faran’izao tontolo izao araka ny efa rentsika sy fantantsika. Afaka ny hatoky an’Andriamanitra isika amin’izany, tsy hoe noho ny nataontsika no ananantsika fahatokiana, fa satria kosa, miombom-piainana amin’i Jesosy isika. Ary efa nesoriny ny otantsika rehetra.
Manana fahatokiana isika satria tahaka an'i Kristy. Tahaka ny iveloman'i Kristy ao amin'Andriamanitra no ivelomantsika ao amin'Andriamanitra koa amin'ny alalany. Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra. Ao aminy no maha-zanak' Andriamanitra antsika. Tahaka ny itiavan'Andriamanitra ny Zanaka no itiavany antsika koa. Niaina teto an-tany tao amin'ny fitiavan'ny Ray i Jesosy. Ary miaina ao amin'ny fitiavan'ny Ray koa isika.
Eto an-tany isika, kanefa i Jesosy dia efa tsy eto an-tany amin’izao. Koa isika no solontenan’i Kristy hitaona sy hitondra olon-kafa hanatona an’ Andriamanitra
Andininy faha-18 : Tsy matahotra izahay, noho ny fitiavan'Andriamanitra
Mifanohitra amin’ny fahatokisantena izay entin’ny fitavana ny tahotra. Tsy misy tahotra ao amin'ny fitiavana tonga lafatra. Ny fitiavana dia manome fahatokisana amin'Andriamanitra. Koa rehefa mitombo ao amin'ny olona iray ny fitiavana dia hanjavona ny tahotra.
Ny fitiavana tonga lafatra dia ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Izany no fitiavana eo amin'Andriamanitra sy ny Kristianina. Tsy matahotra isika satria manam-pitiavana. Satria tia antsika Andriamanitra dia tsy misy tokony hatahorantsika.
Ny tahotra dia mifandray amin'ny ho avy sy ny tsy fantatra. (Ny 'tsy fantatra' dia midika hoe zavatra hitranga amin'ny ho avy izay tsy ampoizintsika.) Eo ny tahotra ny fahafatesana. Ny fitiavan'i Kristy no mandresy izany tahotra izany. Mitondra fampanantenana amin’ny fiainam-baovao i Jesosy Kristy. Eo ny tahotra ny sazy noho ratsy nataontsika. Saingy i Kristy no nitondra ny sazy rehetra noho ny fahotantsika. Ny fitiavany tonga lafatra dia manala izay rehetra mety hampatahotra antsika. Amin'ny fitiavana, dia afaka matoky ny ho avy isika. Ny tsy fantatra dia eo ambany fifehezan'Andriamanitra, izay tia antsika.
Rariny raha matahotra ireo olona izay tsy tia an'Andriamanitra. Ho avy ny andro hitsaran'Andriamanitra azy ireo.
Andininy faha-19 : Tia ny hafa isika satria Andriamanitra no efa tia antsika taloha
Isika Kristiana dia tia an'Andriamanitra ary mifankatia. Saingy ny fitiavantsika dia fihetsika feno fankasitrahana noho ny fitiavan' Andriamanitra. Tia isika satria Izy no tia antsika taloha. Tsy ho afaka hitia isika raha tsy Andriamanitra no tia antsika taloha. Nomeny antsika ny fitiavany. Noho izany, dia afaka mitia isika. Koa ny fitiavany no hery nomeny antsika mba hitiavantsika Azy.
Tsy antsika ny fitiavana izay itiavantsika. Tsy isika no mamorona azy, ary tsy manana ny fahefana haneho azy koa isika. Ka io fitiavana izay itiavantsika io dia fitiavan’Andriamanitra, ary ny fitiavany no nomeny antsika. Miaina ao amin'ny Ray isika. Ary miaina ao amin'i Jesosy Zanaka koa. Noho isika miaina amiaraka amin’ny Ray sy Zanaka, dia tonga ho antsika koa io fitiavana io. Amin'ny alalan'io fitiavana io dia afaka mitia an'Andriamanitra sy no namana isika.
Andininy faha-20 : Izay mankahala ny hafa dia tsy tia an'Andriamanitra
Nisy olona nilaza fa tia an'Andriamanitra. Saingy nankahala ny Kristiana hafa anefa izy. Raha tsy ho tia ny namany na Kristiana hafa izy, dia tsy marina io fanambarany io. Satria, raha tena tia an’Andriamanitra marina isika dia tokony hitia ny namana koa. Ary ny fitiavantsika ireo rahalahy sy anabavy Kristiana ireo no porofo fa tena tia an’Andriamanitra isika.
Tia isika satria tia antsika Andriamanitra. Ny fitiavan'Andriamanitra ao anatintsika no ahafahantsika mifankatia. Izany no fitsapana ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Mety hilaza isika fa tia an'Andriamanitra. Na izany aza, raha tsy mifankatia isika dia tsy tsy tena tia an’Andriamanitra. Mora kokoa ny mitia ireo rahalahintsika sy anabavintsika izay hitantsika maso toy izay mitia an’ Andriamanitra izay tsy hitantsika maso. Raha tsy mifankatia isika dia tsy tia an'Andriamanitra.
Andininy faha-21
Ny didy voalohany dia ny tokony hitiavantsika Andriamanitra. Koa raha tia an’Andriamanitra isika dia tokony hitia ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo. Tsy afaka mampisaraka ireo fitiavana roa ireo isika satria iray ihany izy ireo. Raha tia an'Andriamanitra isika dia tokony hankatò Azy. Ary ny didiny dia ny hifankatiavantsika.
TOKO FAHADIMY
Ny finoana no mandresy izao tontolo izao (1 Jaona 5:1-5)
Andininy 1 : Tsy maintsy mino isika fa i Jesosy no Kristy
Niezaka nampisaraka an'i Jesosy tamin'i Kristy ireo mpampianatra sandoka. Araka ny hevitr'izy ireo dia ny hoe: i Kristy dia Andriamanitra fa i Jesosy kosa dia olombelona ihany. Nampianatra izy ireo fa tsy mety maty Andriamanitra. Noho izany dia tsy maty i Kristy. Ireo izay mieritreritra toy izany dia tsy naterak' Andriamanitra.
Koa raha te ho zanank’Andriamanitra isika dia tsy maintsy mino fa i Jesosy no Kristy.Tsy maintsy mino isika fa tonga teto an-tany Jesosy. Sady Andriamanitra Izy no olombelona. Tsy maintsy mino isika fa maty ho antsika i Jesosy Kristy. Saingy tsy ny fahafatesana no faran’ny fiainany, fa nitsangana tamin’ny maty Izy mba hananany fiainana indray. Nahavita izay nahatongavany Izy. Nitsangana tamin'ny maty Izy mba hanaporofoana izany.
Tsy maintsy mino isika fa i Jesosy no Kristy. Tsy hoe, hino azy fotsiny isika, fa tokony hatoky azy koa. Ary tsy maintsy manaiky izay nataony ho antsika koa. Koa raha matoky Azy isika dia hanova antsika Izy ary hanome antsika fiainam-baovao Andriamanitra. Izany no fahaterahana indray, rehefa aterak' Andriamanitra isika.
Andininy faha-2
Ny hany ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny hanajantsika sy itiavantsika an’Andriamanitra. Tsy maintsy mankatia ny zanany sy Andriamanitra isika, ka izany no didy azontsika avy tamin’ny Ray. Raha tia an'Andriamanitra isika dia tsy maintsy tia ny Kristianina hafa koa. Tsy afaka tia an'Andriamanitra isika raha tsy tia ny zanany. Tsy azo atao ny hoe, tia an’Andriamanitra irery ihany, kanefa tsy tia ireo zanak’Andriamanitra.
Andininy faha-3 : Mankatò ny didin'Andriamanitra isika satria tia an'Andriamanitra
Ny fitiavana an'Andriamanitra dia izao, dia ny ankatoavantsika ny didiny. Fankatoavantsika ny didiny no hany no fomba iray izay anehoantsika ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Raha tia an'Andriamanitra isika dia hankatò ny didiny. Izany no vokatra fototra amin'ny fitiavantsika an'Andriamanitra.
Tsy sarotra loatra amintsika ny didiny. Ary tsy mafy loatra amintsika satria Andriamanitra nanome antsika fahefana sy hery mba hahatonga antsika hahatanteraka izany. Tia Azy isika, ary noho ny fitiavantsika azy, dia maniry ny mba hankato ny didy isika. Ary ny Kristianina dia maniry mandrakariva ny zavatra tian’Andriamanitra.
Andininy faha-4 : Ny finoantsika dia manampy antsika handresy izay rehetra manohitra antsika
Afaka mankatò an'Andriamanitra isika satria efa nandresy izao tontolo izao. Matoky an'i Jesosy isika. Ny fahatokiantsika an’i Jesosy no antoka iray hampahomby antsika amin’ny ady na tolona izay ataontsika. Mandresy isika satria naterak'Andriamanitra. Noho ny fahaterahana avy amin'Andriamanitra dia mandresy izao tontolo izao isika. Io fahaterahana vaovao io no manafaka antsika amin'izao tontolo izao sy manala antsika amin'ny fitondran'ny devoly ary mahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra.
Izao tontolo izao dia midika hoe izay rehetra manohitra an' Andriamanitra, ny fiangonana ary ny kristiana. Mety ho fanenjehana ny kristiana izany. Na mety koa, hiezaka haka fanahy ny kristiana hanao ratsy izao tontolo izao. Maro ny zavatra miezaka manimba ny fitokisantsika amin'i Jesosy Tompo. Fa amin'izany rehetra izany, Andriamanitra dia manome hery dia ny mba handresentsika.
Tamin’ny fotoana voalohany nametrahantsika fitokisana tamin’i Kristy, dia nanomboka teo isika dia efa nandresy izao tontolo izao. Efa niady ho antsika Izy ary nandresy. Teraka tao amin’ny fandresen’i Jesosy isika. Ary afaka manohy mandeha miaraka amin’izany fandresena izany isika. Amin'ny alalan'ny fatokisana Azy, dia afaka mandresy izao tontolo izao eo amin'ny fiainantsika isika.
Ny finoantsika no mandresy. Ny finoana dia ny fatokisantsika an'i Kristy sy izay inoantsika. Mino isika fa i Jesosy no Kristy. Ary mino isika fa Izy no Zanak'Andriamanitra. Ary matoky isika fa hanafaka sy hamonjy antsika ho afaka amin’ny faharatsiana rehetra Izy. Ary antenaintsika fa hanao ny zavatra rehetra izay nampanantenain’ny Ray ho antsika Izy. Izany finoana izany no mitarika antsika mba haharesy izao tontolo izao amin’ny alalan’ny finoantsika.
Andininy faha-5
Ireo olona matoky an'i Kristy ihany no mandresy izao tontolo izao. Mba handresena amin'ity ady ity dia tsy maintsy mino an'i Jesosy Kristy isika. Mino isika fa Zanak'Andriamanitra Izy. Andriamanitra Izy ary tonga olombelona. Amin'ny maha-Andriamanitra sy olombelona Azy dia nandresy izao tontolo izao Izy. Tsy misy olonkafa afaka manome antsika hery handresena amin'ity ady ity afa-tsy Izy. Matoky an'i Jesosy isika, ary noho izany, dia miombona amin’ny zava-bitany na fendresena vitany isika. Ary noho Izy no ahafahantsika mandresy.
Andriamanitra dia manambara amintsika ny marina momba ny Zanany (1 Jaona 5:6- 12)
Andininy faha-6 : Ny porofo fa zanak'Andriamanitra i Jesosy
Ny rano sy ny ra dia manondro ny batisa sy ny fahafatesan'i Jesosy. Jesosy Zanak'Andriamanitra dia tonga tamin'ny ranon'ny batisa. Izany hoe, nandalo batisa Izy mba hanombohany ny asany. Jesosy Zanak' Andriamanitra dia tonga tamin'ny ran'ny fahafatesany. Izany hoe, nahavita ny asany teto an-tany tamin'ny fahafatesany Izy. Nandalo ny fahafatesana Izy ary nitsangana tamin'ny maty indray.
Tsy tonga tamin'ny rano ihany i Jesosy, izany hoe, tsy tonga tamin'ny batisa fotsiny. Fa tonga tamin'ny rano sy ny ra Izy. Izany dia mampiseho fa tena maty tokoa i Jesosy Kristy. I Jesosy sy i Kristy dia olona iray ihany. Nilaza ireo mpampianatra sandoka fa nandao an'i Jesosy talohan'ny nahafatesany i Kristy. Nihevitra izy ireo fa i Kristy, amin'ny maha-Andriamanitra azy, dia tsy afaka maty. Saingy i Jesosy Kristy dia sady Andriamanitra no olombelona ary maty ho antsika Izy.
Ny Fanahin'Andriamanitra dia manampy amin'ny porofon'ny rano sy ny ra. Mampiseho ny fahamarinana amin'izay mino Izy. Milaza amintsika Izy fa i Jesosy no Kristy tamin'ny batisany sy ny fahafatesany. Jesosy Kristy no Zanak' Andriamanitra. Ny Fanahin'Andriamanitra dia mampahatsiahy antsika ny fomba fiainan'i Jesosy. Milaza amintsika izay nataon'i Jesosy Izy.
Afaka matoky izay rehetra asehon'ny Fanahin'Andriamanitra antsika isika. Izy no fahamarinana. Izy no niandohan'ny fahamarinana. Ny toetrany dia fahamarinana. Milaza ny marina foana Izy. Ary tsy mba milaza lainga.
Andininy 7-8 : Telo no vavolombelona fa i Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra
Teo ambanin'ny lalàna taloha dia tsy maintsy nisy vavolombelona roa na telo mba hanaporofoana ny raharaha iray (Deoteronomia 19:15). Ny Fanahin'Andriamanitra dia milaza amintsika toy ny rano sy ny ra. Afaka miantehitra amin'ny porofon'ireo vavolombelona telo ireo isika. Io porofo io dia mampiseho fa i Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
Zava-misy teo amin'ny tantara ny rano sy ny ra. Tao ny Fanahin' Andriamanitra ary ankehitriny dia vavolombelon'izany Izy.
Andininy faha-9 : Ny tenin'Andriamanitra dia zava-dehibe kokoa noho ny tenin'ny olona
Ara-dalàna raha mino izay lazain'ny olona isika. Matetika isika no mino ireo vavolombelona nahita ny zava-nitranga iray. Mety tsy hilaza ny marina izy ireo. Saingy milaza ny marina foana Andriamanitra. Mino izay lazain'ny olona isika. Tokony ho vonona kokoa hino izay lazain' Andriamanitra. Izay fantany no lazain'Andriamanitra. Tsy misy olon-kafa afaka miteny amin'ny fahefana toy izany.
Andriamanitra dia efa nahalala ny Zanany talohan'ny namoronany izao tontolo izao. Ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahin'Andriamanitra dia Andriamanitra iray ihany. Andriamanitra Ray dia nilaza momba an'i Jesosy Kristy hoe: "Ity no Zanako." (Matio 3:17; 17:5.) Tia ny Zanaka Izy.
Fahiny, Andriamanitra dia niteny tamin'ny alalan'ny rano sy ny ra mba ho vavolombelona. Mbola miteny amintsika ihany Andriamanitra ankehitriny.
Andininy faha-10 : Ireo olona mandà an'i Jesosy dia tsy nino ny tenin' Andriamanitra
Ny finoantsika dia i Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra. Manaiky isika fa izany no fahamarinana. Fantatsikaao amin'ny tenantsika fa marina izany satria ao anatintsika ny Fanahin'Andriamanitra. Izy no vavolombelon'ny fahamarinana ho antsika. Manana fahatokisana anaty isika fa i Jesosy no Zanak'Andriamanitra. Mino izay nolazain'Andriamanitra momba Azy isika Fantatsika fa rariny ny mino an'i Jesosy.
Andriamanitra nilaza fa i Jesosy no Kristy. Nilaza koa Izy fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Misy olona tsy mino izany. Mandà izy ireo fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Tsy manaiky izy ireo fa izy no Kristy. Koa mampilaza izy ireo fa mandainga Andriamanitra. Ary manindrahindra fa tsy marina ny tenin’ Andriamanitra. Tsy nety nino an’Andriamanitra sy i Kristy izy ireo.
Ny mandray ny Zanaka dia mandray ny Ray. Ny mandà ny Zanaka dia mandà ny Ray. Tsy misy olona afaka manaiky an'Andriamanitra sady mandà ny Zanany.
Andininy faha-11 : Andriamanitra manome antsika fiainana mandrakizay, noho i Jesosy
Izany no vokatry ny tenin'Andriamanitra. Jesosy dia manana fiainana mandrakizay. Ary ao amin'ny Tompo Jesosy izany fiainana izany. Nasehony antsika izany. Rehefa mandray an'i Jesosy Kristy isika, dia omen'Andriamanitra antsika izany fiainana mandrakizay izany. Fanomezan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Zanany izany. Ny fiainana mandrakizay dia fiainana miaraka amin' Andriamanitra ankehitriny ary tsy hifarana mandrakizay izany fiainana izany. Ireo izay manana fiainana mandrakizay dia hiara-miaina amin'Andriamanitra mandrakizay. Mety ho faty ara-dalàna izy ireo, saingy tsy ho faty mihitsy ao amin'ny fanahiny.
Tonga i Kristy mba hahazoantsika ity fiainana mandrakizay ity. Mahazo izany isika rehefa matoky Azy. Izany no fahaterahana indray. Aterak' Andriamanitra isika rehefa tonga Kristiana.
Andininy faha-12 : Rehefa matoky an'i Jesosy isika dia mahazo fiainana mandrakizay
Ny fananana ny Zanaka dia ny firaisan-kina velona amin’ Andriamanitra. Izay misy izany firaisana izany no misy ny fiainana. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay.
Ireo izay tsy manana io firaisankina io dia tsy manana ny fiainana. Ao amin'i Kristy ihany no ahitantsika ny fiainana mandrakizay. Ireo izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra dia tsy afaka mandray izany fiainana izany.
Mahafantatra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy isika (1 Jaona 5:13-21)
Andininy faha-13 : Afaka matoky isika fa manana fiainana mandrakizay
Ho tonga amin'ny faran'ny taratasiny i Jaona. Manome ny famintinana amin' izay rehetra nosoratany hatreto izy. Tiany ho azo antoka ny amin'ny fiainana ny Kristianina rehetra. Manana ny fiainana marina ao amin'i Kristy izy ireo. Mahatsapa izy fa tsy matoky izany izy ireo. Tiany ho fantatr'izy ireo fa manana fiainana mandrakizay izy ireo. Tiany hampitombo ny fitokisany sy ny fatokisany an'i Kristy.
Tsy fiainana ho avy tsy manam-pahataperana fotsiny ny fiainana mandrakizay. Fiainana tsara kalitao kokoa izay azontsika iainana ankehitriny izany, satria efa ao anatintsika ny fiainan’i Kristy.
Ny finoana ny anarany eto dia midika hoe matoky ilay olona. Matoky an'i Jesosy izay Zanak'Andriamanitra izy ireo.
Andininy faha-14 : Afaka matoky isika fa mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra
Fantatsika fa manana fiainana mandrakizay isika. Ary izany no antoka izay azahaoantsika fahatokiana amin’ny fanatontsika an’ Andriamanitra. Afaka manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika. Ary matoky isika fa hihaino ny vavaka atantsika Andriamanitra.
Andininy faha-15 : Mamaly vavaka Andriamanitra
Afaka mangataka amin'Andriamanitra izay rehetra tiany isika. Amin'izay dia fantatsika fa mihaino antsika Andriamanitra. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy. Afaka matoky izany isika. Raha mihaino antsika Andriamanitra dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Mety tsy hamaly avy hatranyanefa Izy. Saingy afaka matoky isika fa ho avy ny valiny.
Mila mahafantatra izay mifanaraka amin'ny drafitr'Andriamanitra isika. Dia afaka mangataka izany isika. Tsy maintsy mino isika fa hamaly antsika Andriamanitra. Hoy Jesosy: 'Na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana, dia minoa fa efa nandray izany ianareo, dia ho azonareo izany' (Marka 11:24).
Andininy faha-16 : Tokony hivavaka isika rehefa misy Kristianina hafa manota
Tsy lavorary ny Kristianina ary manota ihany koa. Rehefa mahita Kristianina manota isika dia tokony hivavaka momba izany. Manana andraikitra amim-pitiavana isika hikarakara olona toy izany. Tokony ho fihetsika voajanahary ananantsika ny mivavaka. Ny vavaka dia atao ho an'ny ota izay tsy miteraka fahafatesana. Ny fampanantenana dia hoe hamaly ny vavaka Andriamanitra. Hanome aina ny olona izay nanota Izy. Hamela ny fahotana Izy. Ny fatona dia misy ampahany amin’ny fahafatesana. Satria ny fahotana ao amin'ny Kristianina dia manapaka ny firaisana amin'ny Tompo. Mila an'Andriamanitra io olona io mba hamela ny fahotany. Koa ny fivavaka no hampiverina ny firainy amin’ny Tompo.
Ny fahafatesana sy ny fiainana eto dia manondro ny fanahin'ny olona. Misy ota izay mitondra fahafatesana ho an'ny fanahin'olombelona. Ny fandavana an’i Jesosy tsy ho Kristy no oto mahafaty. Ny olona manao io ota io dia tsy matoky an'i Kristy. Tsy mahazo fiainana avy amin'i Kristy izy. Ny olona toy izany dia mandà ny hino izay fantatr'ilay olona fa marina. Ny fanohizana io ota io dia hitarika ho amin'ny fahafatesana. Tsy manoro hevitra antsika hivavaka ho an'ireo izay manao io ota io i Jaona. Isalasalana ny hahazoana ny valimbavaka ho an’ny ota toy izany. Tsy mandrara ny vavaka toy izany izy. Saingy mihevitra izy fa fandaniam-potoana fotsiny izany.
Andininy faha-17 : Ota avokoa ny eritreritra sy ny fihetsika ratsy rehetra
Nanao fanavahana ny ota i Jaona. Ny sasany mitarika ho amin'ny fahafatesana ary ny sasany tsy mitarika ho amin'ny fahafatesana. Tsy midika akory izany fa ratsy kokoa noho ny fahotana hafa ny fahotana sasany. Mety ho nampianatra ireo mpampianatra sandoka fa tsy ota avokoa ny fihetsika ratsy rehetra. Fa ny eritreritra sy ny fihetsika ratsy rehetra kosa dia ota araka ny nambaran’i Jaona eto. Lehibe avokoa ny ota rehetra.
Andininy faha-18 : Hanampy ny Kristianina Andriamanitra mba tsy hanota
Ireo izay naterak'Andriamanitra dia Kristianina. Ireo izay tonga Kristianina dia tsy maintsy mitsahatra manota. Tsy hanohy manota intsony tahaka ny taloha izy ireo. Izany no fitsapana ny fahamarinana ao aminy. Mankahala ny fahotana izy ireo ary miezaka ny hampifaly an'Andriamanitra. Tsy hoe tsy ho resy mihitsy izy ireo. Saingy tsy hinia hanao fomba fiainana feno fahalotoana izy ireo.
Mikarakara ny zanany i Jesosy Zanak’Andriamanitra. Hiaro antsika amin’ny devoly Izy ary tsy hamela an’i Satana hanimba antsika Izy. Tsy hamela an’i Satana hifehy antsika Izy ary tsy hamela an’i Satana hitarika antsika hiverina amin’ny ota.
Andininy faha-19 : Andriamanitra hiaro antsika amin'ny devoly
Andriamanitra no niandohan'ny fiainam-baovao ananantsika. Teraky ny Andriamanitra isika fony vao natoky an'i Jesosy Kristy. Fantatsika fa an'Andriamanitra isika ary zanak'Andriamanitra isika ankehitriny.
Eo ambany fifehezan'ny devoly izao tontolo izao manontolo. Tafiditra ao anatin'izany izao tontolo izao izany ny olona rehetra izay tsy mahalala an' Andriamanitra. Ny izao tontolo izao dia midika hoe izay rehetra manohitra an' Andriamanitra. Ary tafiditra ao anatin'izany izao tontolo izao izany ny fahavalon' Andriamanitra rehetra. Manana fahefana eto amin'ity izao tontolo izao ity i Satana.
Andininy faha-20 : Nampianatra antsika ny marina momba an'i Jesosy Andriamanitra
Fantatsika fa tonga teto an-tany i Jesosy Zanak'Andriamanitra. Avy tamin'Andriamanitra Izy ary tonga olombelona. Tonga teto ant-tany Izy, ary mbola miaraka amintsika mandrakariva Izy. Ary ny Zanak'Andriamanitra no nahatonga antsika ho afaka hahatakatra ny marina. Afaka mahafantatra an' Andriamanitra isika rehefa matoky an'i Jesosy. Mino isika fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra. Ankehitriny dia afaka mahafantatra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny zavatra niainana isika satria Izy no Andriamanitra marina. Izy no Andriamanitra marina, tsy tahaka ny andriamani-diso rehetra. Ny Andriamanitsika no hany Andriamanitra marina.
Miaina ao anatin'ny firaisan'ny Ray sy Andriamanitra isika. Miaina ao amin'Andriamanitra isika satria an'i Jesosy Kristy Zanany. Jesosy Kristy Tompo, miaraka amin'Andriamanitra Ray sy Andriamanitra ary Fanahy Masina, no Andriamanitra marina. Ny fahafantarana Azy dia ny fananana fiainana mandrakizay. Izany fiainana izany dia ao aminy. Hoy Jesosy: 'Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy ny mahafantatra an'i Jesosy Kristy Izay nirahinao' (Jaona 17:3).
Andininy faha-21 : Tsy maintsy miaro tena amin'ny sampy isika
Izay rehetra maka ny toeran'Andriamanitra dia andriamanitra sandoka. Tsy maintsy miaro tena amin'ny andriamanitra sandoka toy izany ny Kristianina. Maro ny zavatra mety haka fanahy antsika hiala amin'ilay tena Andriamanitra. Niezaka nanao izany ireo mpampianatra sandoka tamin'ny alalan'ny heviny diso momba an'i Kristy. Mila mitandrina isika mba hitoerantsika ao amin'ny Tompo.