Hagay
1 [Famporisihana ny olona hanao ny tempoly] Tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i
Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany
tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa,
zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena
ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i
Jehovah.
3 Dia tonga ny
tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
4 Moa andro tokony
hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa
rava ity trano ity?
5 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
6 Efa namafy be
ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo,
nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama
dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
7 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
8 Miakara any
an-tendrombohitra*, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako
izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.[Na: amin'ny tany havoana]
9 Nanampo be ianareo,
kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy
Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy
mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10 Ary noho izany dia
ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny
tany tsy hahavokatra.
11 Ary niantso ny
fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka
sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy
mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tanana.
12 Ary Zerobabela,
zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa
rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny
tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary
natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
13 Ary nambaran'i
Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao
hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
14 Dia notairin'i
Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny
fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra
amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny
maro, Andriamaniny,
15 tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa
nanjakan'i Dariosa.
*
1 [Ny voninahitry ny
tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro
fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i
Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
2 Lazao amin'i
Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i
Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe:
3 Iza no mbola sisa
aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao
ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo
ity?
4 Nefa mahereza
ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i
Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka
miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
5 araka ny teny fanekena
nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia
mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia
hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
7 ary hampihorohoroiko
koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko
voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
8 Ahy ny volafotsy, ary
Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
9 Ny voninahitr'ity
trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
10 Tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i
Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
11 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka hevitra amin'ny mpisorona hoe:
12 Raha misy mitondra
hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na
izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho
tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
13 Ary hoy Hagay: Raha
misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia
namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
14 Dia namaly Hagay
nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity
firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa
izay ateriny ao dia maloto.
15 Koa masìna ianareo,
hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy
vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;
16 fony tamin'izany
andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy
nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana,
dia roa-polo ihany.
17 Ny vary main'ny
rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin'ny asan'ny
tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
18 Masìna ianareo,
hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin'ny andro
fahefatra amby roa-polo amin'ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro
nanorenana ny tempolin'i Jehovah.
19 Mbola ao an-tsompitra
ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny
ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro
anio izao no hitahiako anareo.
20 Ary tonga fanindroany
tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao
hoe:
21 Lazao amin'i
Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22 dia hahohoko ny seza
fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary
hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny
namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
23 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.