Zakaria
1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny
taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i
Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:
2 Tezitra indrindra
tamin'ny razanareo Jehovah.
3 Koa lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro.
4 Aza mba toy ny
razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy
fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5 Ny razanareo - aiza
moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?
6 Fa ny teniko sy ny
didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va
izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny
maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany
no nataony tamintsika.
7 [Fahitana voalohany:
ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby
roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny
taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i
Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:
8 Nahita tamin'ny alina
aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny
rotra* teny an-dohasaha*, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
[*myrta][**Na: amin'ny alokaloka]
9 Dia hoy izaho: Tompoko
ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho
haneho anao ny amin'ireo.
10 Ary ralehilahy izay
nijanona teny amin'ny rotra* dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy
eny amin'ny tany. [myrta]
11 Ary namaly Ilay
Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra* ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy
teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]
12 Ary Ilay Anjelin'i
Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy
hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa
nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13 Dia novalian'i
Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14 Ary ilay anjely
niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
15 Ary tezitra indrindra
Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo
kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina
eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17 Miantsoa indray hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny
tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema
indray.
1 [Fahitana faharoa: ny
amin'ny tandroka efatra sy ny mpiasa efatra] Ary natopiko ny masoko, ka hitako
fa, indreo, nisy tandroka efatra.
2 Ary hoy izaho
tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no
tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
3 Ary dia nanehoan'i
Jehovah mpiasa efatra aho.
4 Dia hoy izaho: Avy
hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda,
ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy
mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony
tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.
5 [Fahitana fahatelo: ny
amin-dralehilahy nitondra famolaina] Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa,
indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
6 Dia hoy izaho: Ho aiza
moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny
lavany aho.
7 Ary, indro, nivoaka
ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
8 ka nanao taminy hoe:
Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy
mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
9 Fa Izaho, hoy Jehovah,
ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
10 He! he! mandosira avy
any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny
lanitra ianareo, hoy Jehovah.
11 He! vonjeo ny
tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
12 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny
firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny
anakandriamasony. [Heb. aorian'ny]
13 Fa, indro, hahinjitro
eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa
Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy.
14 Mihobia sy mifalia,
ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
15 Ary firenena maro no
hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao
afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy
ho aminao.
16 Ary Jehovah hanana
an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema
indray.
17 Mangina eo
anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina
Izy.
*
1 [Fahitana fahefatra:
Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia
nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay
Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
2 Ary hoy Jehovah
tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay
nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny
afo va ity?
3 Ary Josoa nitafy
fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
4 Dia namaly Jehovah ka
nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto.
Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko
akanjo fihaingoana ianao.
5 Dia hoy izaho: Aoka
hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany,
sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
6 Ary Ilay Anjelin'i
Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
7 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko,
dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko
lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
8 Koa mihainoa, ry
Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa
olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana* Mpanompoko. [Na:
solofo]
9 Fa, indro, ny vato
izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*;
indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray
andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]
10 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo
ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
*
1 [Fahitana fahadimy:
ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely
niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
2 Dia hoy izy tamiko:
Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena
volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela
fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny
isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
3 ary misy hazo oliva
roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny
anankiray eo an-kaviany.
4 Dia niteny tamin'ilay
anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Ary ilay anjely
niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy
izaho: Tsia, tompoko.
6 Dia namaly izy ka
nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na
amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
7 Iza moa ianao, ry
tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao*;
ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe:
Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo
anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]
8 Dia tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ny tànan'i Zerobabela
no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho
fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
10 Fa iza no nanamavo ny
andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo
fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany
rehetra
11 Dia namaly aho ka
nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro
sy eo an-kaviany ireo?
12 Ary namaly koa aho ka
nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona
volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
13 Dia namaly izy hoe:
Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia,
tompoko.
14 Dia hoy izy: Ireo
no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
*
1 [Fahitana fahenina:
ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata
famarana] Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy
horonan-taratasy manidina.
2 Ary hoy izy tamiko:
Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho;
roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
3 Dia hoy izy tamiko:
Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra
dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka
izany koa.
4 Ho entiko mivoaka
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy
ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny
tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.
5 Dia nivoaka ilay
anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io
mivoaka io.
6 Dia hoy izaho: Inona
moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana* 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra
[Heb. efaha]
7 (ary, indro, nisy
vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao
anatin'ny vata famarana*. [Heb. efaha]
8 Ary hoy izy:
Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana* io; ary
natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. [Heb. efaha]
9 Dia natopiko ny
masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny
elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo
anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7
10 Dia hoy izaho
tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana*.
[Heb. efaha]
11 Ary hoy izy tamiko:
Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia
hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.
*
1 [Fahitana fahafito: ny
amin'ny kalesy efatra] Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy
kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary
tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
2 Tamin'ny kalesy
voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
3 tamin'ny kalesy
fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly
sadamena*. [na: sada sady matanjaka]
4 Dia nanontany
tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Ary ilay anjely namaly
ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy
nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.
6 Io misy ny soavaly
mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka
azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
7 Ary ny mena* dia
nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana
ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany
izy. [na: matanjaka]
8 Dia nitaraina mafy
tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany
avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
9 [Ny satro-boninahitra
teo an-dohan'i Josoa] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
10 Mandraisa avy amin'ny
babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro
izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay
novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
11 eny, mandraisa
volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i
Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
12 dia lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana*;
ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy** sady hanao ny tempolin'i Jehovah.
[*na: solofo] [**na: ary hisy hitsimoka eo ambaniny]
13 Eny, Izy no hanao ny
tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo
amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy*;
ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny
seza fiandrianany]
14 Ary ny
satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i
Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.
15 Ary izay lavitra dia
ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa
Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha
hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
* *
1 [Valin'ny
fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza
hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona
fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i
Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2 ary Betela efa
naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony* hifona amin'i Jehovah [na:
ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka]
3 ka hiteny amin'ny
mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe:
Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny
taon-dasa ela?
4 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
5 Lazao amin'ny vahoaka
rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany
tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao,
ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6 Ary raha mihinana sy
misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va
ianareo*? [na: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro]
7 Moa tsy tokony ho
nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo,
fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina
azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka*? [na:
sefela]
8 Ary tonga tamin'i
Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy
mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;
10 ary aza mampahory ny
mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy
mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11 Nefa tsy nety nihaino
ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy
handre.
12 Eny, nanao ny fony ho
mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay
nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany
fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny
maro,
13 Koa toy ny
niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy
hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;
14 fa haeliko amin'ny
tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany
no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa
nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
1 Ary tonga ny tenin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny,
saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho.
3 Izao no lazain'i
Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema;
ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i
Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
4 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny
an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona
noho ny fahanterany;
5 ary eny an-dalambe
any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao
eny an-dalambe.
6 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity
firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy
Jehovah, Tompon'ny maro.
7 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany
atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho;
8 ary hitondra azy
Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho
Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny
izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny
andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny
nanaovana ny tempoly.
10 Fa talohan'izany
andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na
valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay
nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny
namany avy ny olona rehetra.
11 Fa amin'izay kosa
dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity
Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
12 Fa hisy vokatry ny
fiadanana, ny voaloboka hamoa*, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra
hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko
izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny
voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka]
13 Ary toy ny
nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry
taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga
fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
14 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny
razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
15 dia ho toy izany kosa
no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro
izao: aza matahotra ianareo.
16 Izao no zavatra
hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina,
eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
17 ary aza misy
mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia
fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
18 Ary ny tenin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
19 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny
fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny
fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana
ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny
fahamarinana sy ny fiadanana.
20 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro
ho avy;
21 ary ny mponina ao
amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha
tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho
koa mba handeha.
22 Eny, ho avy ny olona
maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any
Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah.
23 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny
firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray
ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo
Andriamanitra.
*
1 [Ny handravana ny
firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy
tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no
hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona* Mbamin'ny firenena
rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]
2 Sy Hamata koa, izay
mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
3 Ary Tyro nanao manda
mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny
fotaka eny an-dalambe.
4 Indro, hofoanan'ny
Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny
tenany ho levon'ny afo.
5 Askelona hahita izany
ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho
tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona
tsy honenana.
6 Zazasary no ho
mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
7 Hesoriko eny
am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary
izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i
Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
8 Ary hitoby Aho hiaro
ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary*
tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa
hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
9 Mifalia indrindra,
ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny
Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady
mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho atỳ aminao][**heb. voavonjy]
10 Ary hofoanako tsy
hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny
tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia
hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka
hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]
11 Ny aminao koa,
noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao
an-davaka tsy misy rano.
12 Miverena ho amin'ny
fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako
hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
13 Fa nohenjaniko ho Ahy
Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady
amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery
ianao,
14 Ary Jehovah hiseho ao
aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka
anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
15 Ary Jehovah,
Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka
vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay,
Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
16 Ary hovonjen'i
Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa
ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.
17 Fa akory ny
hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary
ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
*
1 Mangataha
ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah,
Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny
ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2 Fa ny sampy* niteny
zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga,
Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy
misy mpiandry. [heb. terafima]
3 Amin'ny mpiandry
ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah,
Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny
soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
4 Avy ao aminy no
hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao
aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory
rehetra.
5 Ary ho toy ny lehilahy
mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy,
satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6 Hampahery ny
taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko*, Satria
mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah
Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
7 Ho toy ny lehilahy
mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho
faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
8 Hisiaka hiantso azy
Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny
efa nihamaroany ihany izy.
9 Ary hafafiko any
amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy*; Ary
samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any
amin'ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
10 Dia hampody azy
avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any
amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11 Dia hamaky ny
ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano
lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina
fanapahan'i Egypta.
12 Dia hampahereziko
ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny
hihavian'ny loza, ary ny hahafoizana ny ondrin'i Jehovah noho ny fandavany Azy,
sy ny hanolorana ireny ho amin'ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry
Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao
2 Midradradradra, ry
hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be;
Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
3 Injay!
fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny
liona tanora! Fa rava ny kirihitrala
eny amoron*'i Jordana [heb. reharehany]
4 Izao no lazain'i
Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
5 dia ireo vonoin'ny
tompony* nefa tsy ananany heloka**; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana
anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
[*na: izay nividy azy][**na: nefa tsy atao ho meloka ireny]
6 Fa tsy hiantra ny
mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra
ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany
avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.
7 Ary niandry ny ondry
izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny
iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary
nandrasako ny ondry.
8 Ary nandringana ny
mpiandry ondry telo* Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy
intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. [na: telo amin'ireo mpiandry ireo]
9 Dia hoy Izaho: Tsy
hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka
ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.
10 Ary noraisiko ny
tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko
tamin'ny firenena rehetra.
11 Ary tapaka
tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina
ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.
12 Dia hoy izaho taminy:
Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka
ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
13 Ary hoy Jehovah
tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany!
Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy
tanimanga tao an-tranon'i Jehovah.
14 Dia notapahiko koa
ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy
Isiraely.
15 Ary hoy Jehovah
tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny mpiandry ondry adala.
16 Fa, indro, Izaho
hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny
niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka*; fa hohaniny
ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]
17 Lozan'ny mpiandry
ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny
masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony
ankavanana.
*
1 [Ny hampaherezana ny
Isiraely sy ny hanamasinana azy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny
amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny
fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
2 Indro, Izaho hanao
an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra
manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i
Jerosalema.
3 Ary amin'izany andro
izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka
haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny
firenena rehetra amin'ny tany.
4 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary
ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i
Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
5 Ary ireo lohany
amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia
heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
6 Amin'izany andro izany
ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny
amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny
firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary
Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7 Ary hovonjen'i Jehovah
aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny
voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8 Amin'izany andro izany
dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao
aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i
Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo
anoloany.
9 Amin'izany andro izany
dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema
Aho.
10 Ary haidiko amin'ny
taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy
ny fifonana, ka hijery Ahy Izay* nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny
fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona
ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
11 Amin'izany andro
izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona
eo amin'ny lohasaha Megido.
12 Ary hisaona
mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida
mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny
vadin'ireo mitokana;
13 ny fianakavian'ny
taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey
mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
14 ny fianakaviana sisa
rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
1 Amin'izany andro izany
dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any
Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2 Ary amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny
tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany
sy ny fanahim-pahalotoana.
3 Ary raha mbola hisy
haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho
velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray
aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
4 Ary amin'izany andro
izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany;
ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
5 fa hanao hoe: Tsy
mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely.
[na: nividy]
6 Dia hisy hanao aminy
hoe: Ka inona itony ratra amin*'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako
ireny. [heb. anelanelan']
7 [Ny hanadiovana ny
Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny
mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny
mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika
Aho.
8 Ary amin'ny tany
rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny
ampahatelony sisa no havela ao kosa.
9 Ary ho entiko
miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika
volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy;
hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary
izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
1 Indro, hisy
andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.
2 Ary hangoniko ny
jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina
ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho
lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
3 Dia hivoaka Jehovah
ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
4 Ary amin'izany
andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana
tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany
hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny
tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
5 Dia handositra ho
any amin*'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny
lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo
ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah
Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy**. [na: hamaky][heb. Anao]
6 Ary amin'izany
andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
7 fa hisy andro iray,
izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia
hisy mazava.
8 Ary amin'izany
andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany
hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny
ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy
hisian'izany.
9 Ary Jehovah ho
Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady
iray no anarany.
10 Ho tonga tahaka ny
tani-hay* ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i
Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny
vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny
vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo
famiazam-boaloboky ny mpanjaka. [heb. Arabà]
11 Dia hisy mponina
any, ary tsy hisy ozona* intsony, fa Jerosalema handry fahizay. [heb. herema]
12 Ary izao no areti-mandringana
hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema:
Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny
itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
13 Ary amin'izany
andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary
hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
14 Ary ny Joda koa
hamely an'i* Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra,
dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka. [na: hiady any]
15 Ary ho toy izany
koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny
boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho
tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
16 Ary ny sisa
rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia
hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia
Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana
an-trano rantsan-kazo.
17 Ary na iza na iza
amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema
hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba
hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
18 Ary raha ny
firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy,
sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy
miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
19 Izany no
fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy
miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
[na: fahotana]
20 Amin'izany andro
izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I
JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo-
anoloan'ny alitara.
21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita* intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. [na: mpandranto]