Ezra
1 [Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody, sy
ny nanomezany azy ny fanaka avy tao amin'ny tempoly] Ary tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny
fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay
nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy,
sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
2 Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny
lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay
any Joda.
3 Koa iza avy moa
aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any
Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
4 Ary na iza na iza sisa
tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy
volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny
tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
5 Dia niainga ny
lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay
rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any
Jerosalema.
6 Ary izay rehetra
manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy
fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny
sitrapo.
7 Dia navoak'i Kyrosy
mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany
Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
8 Ary Mitredata,
mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia;
namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i
Joda.
9 Ary izao no isany:
Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
10 kapoaka volamena
misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia
hafa koa arivo;
11 efa-jato amby dimy
arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia
nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy
tany Babylona.
1 [Ny anaran'ny Jiosy
nentin'i Zerobabela nody] Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra
avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona,
ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any
an-tanànany avy,
2 dia ny olona izay
niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay
sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny
Isiraely dia izao:
3 Ny taranak'i Parosy
dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
4 ny taranak'i Sefatia
dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
5 ny taranak'i Ara dia
dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
6 ny taranak'i
Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby
valon-jato sy roa arivo;
7 ny taranak'i Eliama
dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
8 ny taranak'i Zato dia
dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
9 ny taranak'i Zakay dia
enim-polo amby fiton-jato;
10 ny taranak'i Bany dia
roa amby efa-polo amby enin-jato;
11 ny taranak'i Bebay
dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
12 ny taranak'i Azgada
dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
13 ny taranak'i
Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
14 ny taranak'i Bigvay
dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
15 ny taranak'i Adina
dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
16 ny taranak'i Atera,
avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
17 ny taranak'i Bezay
dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
18 ny taranak'i Jora dia
roa ambin'ny folo amby zato;
19 ny taranak'i Hasoma
dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
20 ny zanak'i Gibara dia
dimy amby sivi-folo;
21 ny zanak'i Betlehema
dia telo amby roa-polo amby zato;
22 ny mponina tany Netofa
dia enina amby dimam-polo;
23 ny mponina tany
Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
24 ny zanak'i Azmaveta
dia roa amby efa-polo;
25 ny zanak'i
Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
26 ny zanak'i Rama sy
Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
27 ny mponina tany
Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
28 ny mponina tany
Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
29 ny zanak'i Nebo dia
roa amby dimam-polo;
30 ny taranak i Magbisy
dia enina amby dimam-polo amby zato;
31 ny zanak'ilay Elama
anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
32 ny taranak'i Harima
dia roa-polo amby telon-jato;
33 ny zanak'i Loda sy
Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
34 ny zanak'i Jeriko dia
dimy amby efa-polo amby telon-jato;
35 ny zanak'i Sena dia
telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
36 Ary ny mpisorona koa
dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby
fito-polo amby sivin-jato;
37 ny taranak'Imera dia
roa amby dimam-polo sy arivo;
38 ny taranak'i Pasora
dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
39 ny taranak'i Harima
dia fito ambin'ny folo sy arivo.
40 Ary ny Levita koa dia
izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia
efatra amby fito-polo.
41 Ary ny mpihira koa
dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
42 Ary ny taranaky ny
mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny
taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay,
dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
43 Ary ny Netinima koa
dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
44 ny taranak'i Kerosa,
ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona,
45 ny taranak'i Lebana,
ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba,
46 ny taranak'i Hagaba,
ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana,
47 ny taranak'i Gidela,
ny taranak'i Gahara, ny taranak'i Reaia,
48 ny taranak'i Rezina,
ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama,
49 ny taranak'i Oza, ny
taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay,
50 ny taranak'i Asna, ny
taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
51 ny taranak'i Bakboka,
ny taranak'i Hakofa, ny taranak'i Harora,
52 ny taranak'i Bazlota,
ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
53 ny taranak'i Barkosa,
ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
54 ny taranak'i Nezia,
ny taranak'i Hatifa.
55 Ary ny taranaky ny
mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta,
ny taranak'i Peroda,
56 ny taranak'i Jala, ny
taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
57 ny taranak'i Sefatia,
ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy.
58 Ny Netinima rehetra
sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
59 Ary izao no niakatra
avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza
ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):
60 ny taranak'i Delaia,
ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby
enin-jato.
61 Ary ny avy tamin'ny
taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny
taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita
io, ka dia notononina araka ny anarany.
62 Ireo no nitady ny
soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka
nesorina tamin'ny fisoronana.
63 Ary ny governora
nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy
mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
64 Ny tontalin'ny olona
rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
65 afa-tsy ny
ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito
arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
66 ny soavaliny dia
enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby
roan-jato;
67 ny ramevany dia dimy
amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy
enina arivo.
68 Ary ny sasany
tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany
Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra
eo amin'ilay efa niorenany.
69 Nanome araka izay
nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika* volamena
arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona
zato.[Izahao 1 Tan. xxix. 7]
70 Ary samy tafapetraka
teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy
ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra
samy tao an-tanànany avy.
*
1 [Ny nanombohana ny
raharaham-pivavahana indray, sy ny nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny
volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely,
dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
2 Dia nitsangana Jesoa,
zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela,
sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana
fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra.
3 Dia naoriny teo
amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy,
ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra
dorana marain-tsy hariva.
4 Ary nitandrina ny
andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny
voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy,
tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy.
5 Ary rehefa afaka
izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny
voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay
voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho
an'i Jehovah.
6 Tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho
an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
7 Ary nomeny vola ny
mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny
zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any
Libanona hatramin'ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i
Kyrosy, mpanjakan'i Persia.
8 Ary tamin'ny volana
faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny
tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i
Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny
mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny
fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
9 Dia niara-nitsangana
Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda,
ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa
mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
10 Ary rehefa naorin'ny
mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona,
sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa,
kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
11 Dia nanao hira
nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay
ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha
nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
12 Nefa maro ny
mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa
nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony
izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
13 ka dia tsy fantatry
ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa
nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
*
1 [Ny nataon'ny
Samaritana hisakanana ny Jiosy tsy hanao ny tempoly sy ny nandraran'ny
mpanjakan'i Persia azy tsy hanao intsony] Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy
ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho
an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2 dia nanatona an'i
Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba
hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany
koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny
andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3 Fa Zerobabela sy Jesoa
mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy
misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho
an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy,
mpanjakan'i Persia, anay.
4 Ary ny tompon-tany
nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny
trano
5 sady nanamby olona
hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i
Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
6 Ary raha vao nanjaka
Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany
Joda sy Jerosalema.
7 Ary tamin'ny andron'i
Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany
sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny
taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana* sady nataony teny Syriana*
koa.[Heb. Aramiana]
8 Rehoma mpanolo-tsaina
sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka
hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:
9 Rehoma mpanolo-tsaina
sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny
Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita
sy ny Elamita,
10 mbamin'ny firenena
sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany
an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11 Izao no teny amin'ny
taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy
mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....
12 Aoka ho fantatry ny
mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa
tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia
mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13 Koa aoka ho fantatry
ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia
tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho
an'ny fanjakana izany any aoriana.
14 Koa satria mahazo ny
fivelomanay* avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay
tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny
mpanjaka izany izahay, [Heb. mihinana ny sira]
15 mba hizahana ny boky
tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa
tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro,
sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana
io tanàna io.
16 Ary mampahafantatra
ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy
hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.
17 Dia nampitondrain'ny
mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra
mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany
an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana .....
18 Ny taratasy izay nampitondrainareo
ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19 ary izaho nandidy, ka
nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro
hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho
teo.
20 Ary efa nisy mpanjaka
mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny
ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21 Koa dia manaova didy
hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo
teny avy atỳ amiko.
22 Ary tandremo tsara,
fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka
hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
23 Ary rehefa voavaky
teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny
taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho
any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny*. [Heb. amin-tsandry
aman-kery]
24 Dia natsahatra tsy
natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany
izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
*
1 [Ny namporisihan'i
Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i
Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany
sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny
anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
2 Dia nitsangana
Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao
ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo
mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3 Ary tamin'izany andro
izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny
ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no
nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4 Ary izao koa no
nataonay* taminy Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io? [Na:
(nataony)]
5 Nefa ny
mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo,
mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny
amin'izany raharaha izany.
6 Ny tenin'ny taratasy
izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy
Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ;
ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
7 eny, nampitondrainy ho
any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny
fiadanana be.
8 Aoka ho fantatry ny
mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra
lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny
rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9 Dia nanontany ireo
loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy
hanangana io manda io?
10 Nanontany ny anarany
avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona
izay lohany;
11 ka izao no teny
navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka
manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray
tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
12 Fa noho ny
nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo
an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io
trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
13 Fa tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy
mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
14 Ary ny fanaka
volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i
Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny
tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any
Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa
notendreny ho governora;
15 ary hoy izy taminy:
Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any
Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa
niorenany ihany.
16 Dia avy Sesbazara ka
nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany
andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola
vita.
17 Koa raha sitraky ny
mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na
misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any
Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny
amin'izany zavatra izany.
1 Ary tamin'izany
Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay
nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
2 Dia tao Akmeta, tao
an-dapa izay any amin'ny tanin'ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy
anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
3 Tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin'ny
tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran'ny
olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny
hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
4 dia vato vaventy telo
andalana sy hazo vaovao iray andalana; ary aoka haloa avy amin'ny tranon'ny
mpanjaka izay lany;
5 ary ny fanaky ny
tranon'Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain'i
Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona,
dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho
amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon'Andriamanitra avokoa.
6 Koa amin'izany, ry
Tatenay, governora any an-dafin'ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny
Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny ony, mihataha ianareo.
7 Aza misakana ny
fanaovana io tranon'Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny
loholon'ny Jiosy hanao io tranon'Andriamanitra io eo amin'ilay efa niorenany
ihany.
8 Ary izaho manao didy
ny amin'ny hataonareo amin'ny loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany
tranon'Andriamanitra izany: aoka ny haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny
any an-dafin'ny ony, no handoavana marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo,
mba tsy ho azon-tsampona izy.
9 Ary izay zavatra
ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho
an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo,
araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro
isan'andro tsy tapaka izany,
10 mba hanaterany
fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany
mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.
11 Ary izaho manao didy
fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny
tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny
tranony noho izany.
12 Ary Andriamanitra,
Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka
rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany
tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka
hotovina marina tokoa izany.
13 [Ny nahavitana ny
tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ
an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany
teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
14 Dia nanao ny trano ny
loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria,
zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry
ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i
Persia.
15 Dia vita io trano io
tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina
nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
16 Ary ny
Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy
tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny
fifaliana;
17 ary ny nateriny
hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy
zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely
rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
18 Dia nanendry ny
mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy,
hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra
ao amin'ny bokin'i Mosesy.
19 Ary ny olona izay efa
nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra
ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;
20 fa ny mpisorona sy ny
Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny
Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny
mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,
21 Dia nihinana izany ny
Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra
niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady
an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
22 ka dia nitandrina ny
andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny
fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i
Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny
tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
*
1 [Ny nandehanan'ny
Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy tany Babylona] Ary rehefa afaka izany,
tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra,
zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
2 zanak'i Saloma,
zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
3 zanak'i Amaria,
zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
4 zanak'i Zerahia,
zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
5 zanak'i Abisoa,
zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
6 io Ezra io dia
niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy,
izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy
izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
7 Ary niakatra koa ny
sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita
sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema
tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
8 Ary tonga tany
Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny
mpanjaka.
9 Fa tamin'ny andro
voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona;
ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany
Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
10 Fa Ezra nampiomana ny
fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely
didy sy fitsipika.
11 Ary izao no tenin'ny
taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay
mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny
Isiraely:
12 Artaksersesy,
mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny
lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
13 Izaho manao didy fa
na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary
ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14 Fa ianao efa
nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda
sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15 ary hitondra ny
volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina
tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
16 ary ny volafotsy sy
ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo
aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny
tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
17 Koa amin'izany dia
ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny
fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo
ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18 Ary izay rehetra
sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia
ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
19 Ary ny fanaka izay
nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo
anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
20 Ary izay rehetra
mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia
alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
21 Ary izaho,
Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny
fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i
Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra,
aminareo, dia tovy marina izany,
22 na hatramin'ny
talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny
diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
23 Na inona na inona
andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny
tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra
amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
24 Ary mampahafantatra
anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny
mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra
io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
25 Ary ianao, ry Ezra,
araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy
mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra
mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka
hampianarinareo.
26 Ary na iza na iza tsy
mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka
hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
27 Isaorana anie
Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny
mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
28 sady efa nampahazo
ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny
mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka
ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny
Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
*
1 [Ny olona niaraka
tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana
sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona
tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
2 Gersoma, avy tamin'ny
taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny
taranak'i Davida;
3 Zakaria, avy tamin'ny
taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo
amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4 Elihoenay, zanak'i
Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
5 ny zanak'i Jahaziela,
avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
6 Ebeda, zanak'i
Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
7 Jesaia, zanak'i
Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;
8 Zebadia, zanak'i
Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
9 Obadia, zanak'i
Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby
roan-jato lahy;
10 ny zanak'i Josifia,
avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
11 Zakaria, zanak'i
Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,
12 Johanana, zanak'i
Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
13 ary ny avy tamin'ny
taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy
Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy,
14 Otahy sy Zaboda, avy
tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.
15 Ary novoriko teo amoron'ny
ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny
olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia
iray akory aza.
16 Ka dia nirahiko
Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy
Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy
mpampianatra ireo).
17 Ary nampitondraiko
teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny
holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any
aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
18 Ary araka ny soa
nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray* ho
any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary
Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na:
an'Isi-sekela]
19 ary Hasabia sy
Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany
roa-polo lahy;
20 ary avy tamin'ny
Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia
roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21 Dia niantso andro
fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo
anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny
vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22 Fa nahamenatra ahy ny
hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny
fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao
hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy
ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23 Ary nifady hanina
izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
24 Ary nanokana roa
ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary
rahalahiny folo lahy ho namany,
25 ka nolanjaiko ny
volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao
an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy
ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
26 eny, nolanjaiko
hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka
volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato
27 sy kapoaka volamena
misarona roa-polo, lanjan'ny darika* arivo, ary fanaka varahina roa
manganohano, tsara toy ny volamena. [Izahao 1 Tan. xxix. 7]
28 Ary hoy izaho taminy:
Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny
volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny
razanareo.
29 Koa miambena ianareo,
ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny
mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any
Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
30 Dia noraisin'ny
mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany
mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.
31 Dia niala teo amin'ny
ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany
mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no
namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 Ary nony tonga
tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
33 Ary tamin'ny andro
fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo
an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary
teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa
Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34 an-isany sy
an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny
lanjany rehetra.
35 Ary ny olona izay
niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry
ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra
sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy
roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah
ireo rehetra ireo.
36 Ary ny didin'ny
mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ
an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny
tranon'Andriamanitra.
*
1 [Ny alahelon'i
Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny
nibebahan'ny olona tamin'izany] Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia
nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny
Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny
fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny
Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
2 Fa efa naka
tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa
miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny
mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
3 Ary nony nandre
izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady
nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana
iny aho.
4 Dia nivory teo
amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny
amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary
izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny
fanatitra hariva.
5 Ary nony tamin'ny
fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra
ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho
amin'i Jehovah Andriamanitro aho
6 ka nanao hoe:
Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry
Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny
fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
7 fa hatramin'ny
andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no
nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny
mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary
hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao.
8 Koa ankehitriny vao
niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny
namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana* eo
amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena
famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23]
9 Fa andevo izahay,
nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony
nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay
famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava
eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10 Koa ankehitriny,
ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao
izahay,
11 dia ilay
nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo
holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny
fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
12 koa aza manome ny
zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny
zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba
hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho
lovan'ny taranakareo mandrakizay.
13 Ary na dia efa
nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay
betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa
namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
14 fa raha handika ny
didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho
tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka
akory?
15 Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka
ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa
noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
1 Ary raha mbola
nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny
tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny
Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy
dia mafy koa ny olona.
2 Dia namaly Sekania,
zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa
nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena
avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny
Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
3 Koa aoka izahay
hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay
naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny
didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Mitsangàna, fa
adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy
izany.
5 Dia nitsangana Ezra
ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao
araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6 Dia nitsangana
niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano
nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba
nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona
izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
7 Dia nandefa teny
eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina
avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8 ary na iza na iza
no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia
horobaina* ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay
efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]
9 Ary nony tamin'ny
andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny
Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary
nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka
nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 Dia nitsangana
Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria
naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny
Isiraely.
11 Koa mitsora amin'i
Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha
amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12 Dia namaly ny
fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy
hataonay;
13 nefa maro ny
olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady
raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa
nanota tamin'izany zavatra izany;
14 koa aoka ny
mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona
rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho
vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny
loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany
sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
15 Jonatana, zanak'i
Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy
Sabetahy Levita niandany taminy koa.
16 Fa ny olona izay
efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana
Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny
fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika
Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
17 Ary nony tonga ny
andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny
lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 Ary ny hita teo
amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny
dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny
dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 dia nanola-tanana
nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho
fanati-panonerany.
20 Ary ny avy
tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;
21 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy
Jozabada ary Elasa.
23 Ary ny avy
tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy
Joda ary Eliezera:
24 ary ny avy
tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia
Saloma sy Talema ary Ory.
25 Ary ny avy
tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy
Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota
ary Elia;
27 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada
ary Aziza;
28 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary
Ramota;
30 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy
Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31 ary ny avy
tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 sy Benjamina sy
Maloka ary Semaria;
33 ny avy tamin'ny
taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy
Manase ary Simey;
34 ny avy tamin'ny
taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35 sy Benaia sy
Bedeia sy Keloho
36 sy Vania sy
Meremota sy Eliasiba
37 sy Matania sy
Matenay sy Jasao
38 sy Bany sy Binoy
sy Simey
39 sy Selemia sy
Natana sy Adaia
40 sy Maknadebay sy
Sasay sy Saray
41 sy Azarela sy
Selemia sy Semaria
42 sy Saloma sy
Amaria ary Josefa;
43 ny avy tamin'ny
taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary
Benaia.
44 Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny