2 Samoela
1 [Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i
Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary
niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga
izy.
2 Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray
tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady
nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka
tamin'ny tany ka nitsaoka.
3 Ary hoy Davida
taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany
amin'ny tobin'ny Isiraely aho.
4 Ary hoy Davida
taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny
olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty
koa Saoly sy Jonatana zanany.
5 Ary hoy Davida
tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy
Jonatana zanany.
6 Dia nanambara
taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary,
indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny
mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7 Dia niherika izy ka
nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8 Ary hoy izy tamiko:
Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9 Ary hoy indray izy
tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra
aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10 Dia nanatona azy
aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka dia
nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny
sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo]
11 Dia noraisin'i
Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona
rehetra teo aminy.
12 Ary nisaona sy
nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy
Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria
lavon-tsabatra ireny.
13 Ary hoy Davida
tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny
vahiny Amalekita aho.
14 Dia hoy Davida
taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny
voahosotr'i Jehovah?
15 Dia niantso zatovo
anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16 ary hoy Davida
taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa
niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
17 Ary Davida nisaona
an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
18 (ary nasainy
nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao
amin'ny Bokin'i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy]
19 Ilay
voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo
ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra]
20 Aza ambaranareo
any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao
mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy
mifora.
21 Hianareo
tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha
angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan'ny
mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na:
nanariana][**Na: toy ny an'izay]
22 Ny tsipìkan'i
Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery;
ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
23 Saoly sy Jonatana,
izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia
tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny
liona.
24 Ry
zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany
jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25 Endrey! lavo teo
amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.
26 Ory noho ny aminao
aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny
fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.
27 Endrey! lavo ny
mahery, ary levona ny fiadiana!
1 [Ny nanjakan'i
Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary ny
niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany
tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho?
Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia
hoy Izy: Any Hebrona.
2 Dia niakatra
nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay
novinadin'i Nabala Karmelita.
3 Ary ny olona izay
tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka
nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
4 Ary dia avy ny
lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny
taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any
Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
5 Ary Davida dia
naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe:
Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo
tamin'ny nandevenanareo azy.
6 Koa haneho
famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao
izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Ary ankehitriny,
aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly
tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.
8 Fa Abnera, zanak'i
Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i
Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 dia nampanjaka azy
tamin'i Gileada sy ny Asorita* sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny
Isiraely rehetra.[Na: (Gesorita)]
10 (Ary efa-polo
taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny
Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.
11 Ary ny andro
nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy
enim-bolana.
12 Ary Abnera,
zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka
nankany Gibeona.
13 Ary Joaba, zanak'i
Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny
kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy.
14 Ary hoy Abnera
tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto
anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15 Dia nisy
nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay
an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i
Davida.
16 Ary izy rehetra
samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia
niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe
Helkata-hazorima*.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra maranitra]
17 Ary mafy ny ady
tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera
sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
18 Ary mba teo koa
izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia
haingan-tongotra tahaka ny gazela* any an-efitra.[Izahao i. and. 19]
19 Ary Asahela
nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily
akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
20 Ary Abnera
niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Dia hoy Abnera
taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary
zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa
Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22 Ary hoy indray
Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona
moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i
Joaba rahalahinao?
23 Nefa tsy nety
nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia
niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka
tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy
nahafatesany dia nijanona.
24 Ary Joaba sy
Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy,
izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty
ny masoandro.
25 Ary ny taranak'i
Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo
an-tampon'ny havoana anankiray.
26 Ary Abnera niantso
an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy
ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy
hanenjika ny rahalahiny?
27 Ary hoy Joaba:
Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao*, dia efa lasa nody any
naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.[Izaho and. 14]
28 Dia nitsoka ny
anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely
intsony na niady taminy intsony izy.
29 Ary Abnera sy ny
olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay*, dia nita an'i Jordana sy
namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb. Arabà]
30 Ary rehefa
niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary
sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i
Davida.
31 Fa ny mpanompon'i
Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny
olon'i Abnera.
32 Ary Asahela dia
nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy
ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava
ratsy ny andro.
1 [Ny nandrosoan'ny
fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera
hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny
tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny
tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
2 Ary Davida niteraka
zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
3 ary Kileaba,
tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny
fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;
4 ary ny fahefatra
dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala;
5 ary ny fahenina dia
Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona.
6 Ary raha mbola
niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery
niandany tamin'ny tamingan'i Saoly.
7 (Ary Saoly nanana
vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny
tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky?
8 Dia tezitra mafy
Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda
va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny
sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho
izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
9
Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza,
raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
10 ka hampiala ny
fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i
Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
11 Dia tsy nahavaly
an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
12 Ary Abnera dia
naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay* hanao hoe: An'iza ny
tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao
hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]
13 Dia hoy izy: Tsara
izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao:
Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i
Saoly.
14 Ary Davida
naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy
Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan*'ny
Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]
15 Ary Isboseta
naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.
16 Ary io vadiny io
nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy:
Mandehana miverina. Dia niverina izy.
17 Ary Abnera efa
niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i
Davida ho mpanjakanareo;
18 koa tanteraho
izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i
Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny
Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra.
19 Ary Abnera efa
niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa
izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao.
20 Dia tonga tany
amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao
fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
21 Ary hoy Abnera
tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ
aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay
rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa
aman-tsara izy.
22 Ary, indreo, tonga
ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy
teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa
soa aman-tsara.
23 Nony tonga Joaba
sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba
hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia
lasa soa aman-tsara.
24 Ary Joaba nankao
amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga
teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
25 Fantatrao anefa ny
amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny
ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
26 Dia nivoaka Joaba
avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy
niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy
fantatr'i Davida izany.
27 Ary nony niverina
tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka
aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i
Asahela rahalahiny.
28 Ary rehefa afaka
izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo
anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i
Nera.
29 Hitsingerina
amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy
ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny
mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
30 Toy izany no
namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i
Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady.
31 Ary hoy Davida
tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary
misikìna lamba fisaonana*, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary
Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay]
32 Dia nandevina an'i
Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo
amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
33 Ary ny mpanjaka nanao
hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho
nahafatesan'i Abnera?
34 Ny tananao tsy
nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny
olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy
indray.
35 Ary izy rehetra
dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida
nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany
aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny
masoandro.
36 Ary azon'ny
vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany
izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
37 Ka dia fantatry ny
vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy
tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera.
38 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy
malaza no maty androany tamin'ny Isiraely?
39 Ary tsy mbola
manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo
zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay
nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
1 [Ny namonoana
an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny
zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary
raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
2 Ary nisy roa lahy,
lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba
no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina
(fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
3 ary ny Berotita
nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
4 Ary Jonatana,
zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy
tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza
azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia
nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
5 Ary Rekaba sy Bana,
zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao
an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
6 Ary niditra tao
anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony,
dia lasa nandositra.
7 Fa raha niditra tao
an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny
trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny
lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay* izy.[Heb.
Arabà]
8 Ary nitondra ny
lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka
hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao;
fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny
mpanjaka tompoko.
9 Ary hoy Davida
tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa
Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
10 ilay nanambara
tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly,
dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin*'ny teny
mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho]
11 koa mainka raha
misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy
hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany
intsony va ianareo
12 Ary Davida nandidy
ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia
nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia
nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
*
1 [Ny nanosorana an'i
Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i Jerosalema ho
renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny
firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2 Fa hatry ny fony
fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika
ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no
ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 Eny, tonga tao
amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida
mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia
nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
4 Telo-polo taona
Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
5 Tao Hebrona no
nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no
nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
6 Ary ny mpanjaka sy
ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy
ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny
mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto
Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]
7 Kanjo afak'i Davida
ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
8 Ary hoy Davida
tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo
amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida.
Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao
an-trano.
9 Dia nitoetra tao
anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i
Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin'ny ao
anatiny.[Heb. fiarovana]
10 Koa dia nandroso
sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
11 [Ny amin'ny
lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro,
naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa
mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
12 Dia fantatr'i
Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra
ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
13 Ary Davida mbola
naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona
izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
14 Ary izao no
anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
15 sy Jibara sy
Elisoa sy Nafega sy Jafia
16 sy Elisama sy
Eliada ary Elifeleta.
17 [Ny nandresen'i
Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho
mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa
raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
18 Ary dia tonga ny
Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
19 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao
eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo
an-tananao tokoa ny Filistina.
20 Ary Davida tonga
tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny
fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny
anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
21 Ary nilaozany tao
ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
22 Ary niakatra
indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
23 Ary nanontany
tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo
aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
24 Ary raha toa
mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia
faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny
miaramilan'ny Filistina.
25 Ary dia nanao
araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba
ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
*
1 [Ny namindrana ny
fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy
voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.
2 Dia niainga Davida
sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny
fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay
mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']
3 Ary nataony teo
amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i
Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny
sariety vaovao.[Na: Gibea]
4 Ary dia nentiny
niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny
fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5 Ary Davida sy ny
taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny
zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny
valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Ary nony tonga teo
amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny
fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7 Dia nirehitra
tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny
fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8 Ary dia tezitra*
Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny
anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza =
Famelezana an'i Oza]
9 Ary Davida
natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho
entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah?
10 Ary Davida dia tsy
nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa
naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.
11 Ary nipetraka telo
volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i
Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12 Ary nambara
tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy
izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka
nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i
Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
13 Ary rehefa
namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy
zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra.
14 Ary Davida
nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony
fotsy.
15 Ary Davida sy ny
taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny
feon'ny anjomara.
16 Ary nony tonga teo
an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely
Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy
nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17 Ary nampiditra ny
fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny
lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy
fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18 Ary nony voatitr'i
Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka
tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
19 Dia nomeny mofo
iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia
ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny
olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]
20 Ary Davida koa mba
nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena
an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely
androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony,
tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21 Ary hoy kosa
Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao
sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i
Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.
22 Ary mbola hivazina
kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka
hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
23 Ka dia tsy
nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
*
1 [Ny nanirian'i
Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny
fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha nipetraka tao
an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony
rehetra manodidina azy izy,
2 dia hoy ny mpanjaka
tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa
ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3 Dia hoy Natana
tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba
anao.
4 Ary tamin'ny
alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Andeha, lazao
amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao
trano hitoerako?
6 Fa tsy mbola
nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy
tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra
toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely]
7 Ary tamin'izay
rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako
akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka
nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
8 Koa lazao amin'i
Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka
anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka
ny Isiraely oloko.
9 Ary nomba anao
tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny
fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe
ambonin'ny tany ianao.
10 Ary hifidy tany ho
an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny
fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy
hampahory azy intsony tahaka ny taloha
11 sy tahaka ny
hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana*
anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa
fa hanome taranaka** ho anao Izy.[*Heb. nampiadana][**Heb. hanao trano]
12 Ary rehefa tapitra
ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby
anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
13 dia io no hanao
trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany
ho mandrakizay.
14 Izaho ho rainy,
ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny
tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
15 nefa ny
famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly,
izay nesoriko teo alohanao.
16 Ary ny taranakao
sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao
hitoetra mandrakizay.
17 Araka izany teny
rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i
Davida.
18 Ary Davida
mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa
aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka
ankehitriny aho?
19 Ary mbola ataonao
ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa
ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza.
Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.
20 Ka inona intsony
no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny
mpanomponao.
21 Noho ny teninao sy
araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao
ny mpanomponao.
22 Koa amin'izany dia
lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy
Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.
23 Ary aiza moa no
misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra
havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho
anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao
ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?
24 Dia nampitoerinao
ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga
Andriamaniny.
25 Ary ankehitriny,
Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny
taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
26 Ary aoka
hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro,
no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida
mpanomponao.
27 Fa Hianao, Jehovah
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe:
Izaho hanome taranaka anao*; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao
hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao]
28 Ary noho izany,
Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary
Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,
29 dia aoka ho
sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo
anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny
fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
*
1 [Ny nandresen'i
Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka
nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny
tanan'ny Filistina.
2 Ary nandresy ny
Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny
kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka
dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
3 Dia resin'i Davida
koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny
fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4 Ary Davida nahazo
babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila
an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny
soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary tonga ny
Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i
Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
6 Ary nametrahan'i
Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida
ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay
rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i Davida
ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany
Jerosalema.
8 Ary teo Beta sy
Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be
dia be.
9 Ary nony ren'i Toy,
mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida,
10 dia nirahin'i Toy
Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho
ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia
fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary
fanaka varahina;
11 dia nohamasinin'i
Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena
izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,
12 dia tamin'i Syria
sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo
azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
13 Ary Davida nahazo
laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny
Lohasahan-tsira.
14 Ary nametrahany
miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny
mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery
an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
15 [Ny mpanao
raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely
rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
16 Ary Joaba, zanak'i
Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy
ny raharaham-panjakana;
17 ary Zadoka, zanak'i
Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no
mpanoratra;
18 ary Benaia,
zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no
mpanolo-tsaina**. [*Heb. Kerenita sy Peletita][**Na: mpisorona]
*
1 [Ny soa nataon'i
Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny
tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
2 Ary nisy
mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i
Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho
mpanomponao no izy.
3 Ary hoy ny
mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny
fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i
Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4 Ary hoy ny mpanjaka
taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao
an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
5 Ary Davida mpanjaka
naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara.
6 Ary nony tonga teo
amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy
nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
7 Ary hoy Davida
taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana
rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao
hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
8 Dia niankohoka izy
ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
9 Dia niantso an'i
Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra
nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny
tomponao.
10 Koa ianao sy ny
zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra
hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny
tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana
zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
11 Ary hoy Ziba
tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny
mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny
latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
12 Ary Mefiboseta
nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao
an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
13 Ary Mefiboseta
nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany
mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
*
1 [Ny nahatonga ny
niadian'i Davida tamin'ny Amonita sy ny Syriana, ary ny nandreseny azy] Ary
rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka Hanona zanany
no nanjaka nandimby azy.
2 Ary hoy Davida:
Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko.
Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga
tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.
3 Ary hoy ireo
mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny
rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy
hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo
hankatỳ aminao?
4 Dia nosamborin'i
Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany
hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy lasa
nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka*
loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko
aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6 Ary nony hitan'ny
taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia naniraka
nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila
an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo lahy, ary
tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7 Ary nony ren'i
Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny
lehilahy mahery.
8 Ary ny taranak'i
Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ary ny Syriana avy
any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha
kosa.
9 Ary rehefa hitan'i
Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo
voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
10 Ary ny olona sisa
kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i
Amona.
11 Ary hoy izy: Raha
tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i
Amona, dia hovonjeko ianao.
12 Mahereza ary, ka
aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika;
ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13 Ary Joaba sy ny
olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala teo
anoloany ireo.
14 Ary nony hitan'ny
taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo
anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny
taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15 Ary nony hitan'ny
Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16 Ary Hadadezera
naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony*; ary dia tonga tany Helama
izy; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadadezera, no nitarika azy.[Eofrata]
17 Ary nony nambara
tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i
Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida,
ka dia rafitra ny ady.
18 Ary vaky
nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy
fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely
an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
19 Ary nony hitan'ny
mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely
izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia
natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.
*
1 [Ny nanaovana
fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina
ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i
Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny
taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona
tany Jerosalema ihany.
2 Ary nony
harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo
an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary
ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
3 Ary Davida dia
naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no
Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
4 Ary Davida naniraka
olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy
nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
5 Ary nanan'anaka
ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
6 Ary Davida naniraka
tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia
nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
7 Ary nony tonga teo
amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry
ny ady.
8 Ary hoy Davida
tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao
an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka
izy.
9 Nefa Oria nandry
teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony
rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
10 Ary nisy nanambara
tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida
tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody
any an-tranonao?
11 Fa hoy Oria
tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano
rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha,
ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny
vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany
aho.
12 Ary hoy Davida
tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia
nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.
13 Ary nasain'i
Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony
hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny
mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14 Ary nony maraina,
Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria
izany.
15 Ary izao no
soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia
ilaozy izy mba hasiany ho faty.
16 Ary raha mbola
nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany
misy lehilahy mahery.
17 Ary ny mponina tao
an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida,
ary maty koa Oria Hetita.
18 Ary Joaba naniraka
hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;
19 ary nandidy ilay
iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,
20 ka tezitra ny
mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo
raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
21 Fa iza no namely
an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato
fikosoham-bary* taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa
nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao
mba maty koa.[vato amboniny]
22 Ary nandeha ilay
iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i
Joaba azy.
23 Ary hoy ny iraka
tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay,
ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
24 Ary ny mpitifitra
teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny
mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
25 Dia hoy Davida
tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao,
fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka
ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
26 Ary nony ren'ny
vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
27 Ary rehefa
afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny
izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i
Davida izany.
1 [Ny nibebahan'i
Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary Jehovah
naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao
taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena,
ary ny iray malahelo.
2 Ilay manan-karena
nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
3 fa ilay malahelo
kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay
novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa
tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no
nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
4 Ary nisy vahiny
tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny
notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy;
fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro
ho an'ilay olona tonga tao aminy.
5 Dia nirehitra mafy
ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana:
Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
6 ary ilay
zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany
zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
7 Dia hoy Natana
tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho
afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
8 ary nomeko anao ny
tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao
koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho
nomeko bebe kokoa ianao;
9 koa nahoana ianao
no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita
nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao
tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
10 Koa noho izany dia
tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy
ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
11 Izao koa no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny
ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao;
ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
12 Fa ianao nanao
izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo
anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
13 Dia hoy Davida tamin'i
Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida:
Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14 Nefa noho ny
nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho
faty tokoa ny zaza izay haterakao.
15 Ary Natana nody
tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria
tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
16 Ary nifona
tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka
nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
17 Ary ny loholona
tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy
nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
18 Ary nony nandray
hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny
nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza,
raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika
ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
19 Ary nony hitan'i
Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy
tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
20 Dia niarina tsy
nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova
ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody
tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia
nihinana izy.
21 Ary hoy ny
mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny
zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina
sy nihinan-kanina kosa.
22 Ary hoy izy: Fony
mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho:
Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
23 Kanjo maty izy
izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho?
Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
24 Ary Davida
nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary
niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona*. Ary Jehovah tia
azy,[Solomona = Miadana]
25 dia naniraka an'i
Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia* noho ny amin'i
Jehovah.[Jedidia = Tian'i Jehovah]
26 Ary Joaba namely
an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
27 Ary Joaba naniraka
olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna
misy rano.
28 Koa vorio ny olona
sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho
no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
29 Ary Davida namory
ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
30 Dia nesoriny ny
satro-boninahitr'ilay mpanjaka* teny an-dohany talenta volamena iray no
lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao
an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5]
31 Ary dia navoakany
koa ny olona teo ka nataony teo amin*'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny
famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny
tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia
niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
*
1 [Ny ratsy nataon'i
Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony
afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara
tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
2 Ary Amnona nalahelo
ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i
Amnona ny haka azy.
3 Fa Amnona
nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary
Jonadaba dia olona fetsy loatra.
4 Ka hoy izy taminy:
Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy
tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara,
anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
5 Ary hoy Jonadaba
taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy
mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara
anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko
mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
6 Dia nandry Amnona
ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy:
Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto
imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
7 Ary Davida naniraka
nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i
Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
8 Dia nandeha Tamara
nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba
razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny
mofo.
9 Dia noraisiny ny
fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy
Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
10 Ary hoy Amnona
tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny
an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny
efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
11 Ary nony nentiny tao
aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia
handry amiko, ranabaviko.
12 Ary hoy ny
anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny
Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb.
fahadalana]
13 Ary ny amiko, ho
entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto
amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy
hisakana ahy tsy ho anao izy.
14 Nefa tsy nety
nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka
nandry taminy.
15 Ary dia halan'i
Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany
azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
16 Ary hoy izy
taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa
nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17 Dia niantso ny
zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy
ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18 Ary niakanjo
akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho
akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka
nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
19 Ary nasian'i
Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia
niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20 Ary hoy Absaloma
anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy,
fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i
Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
21 Fa nony ren'i
Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
22 Ary Absaloma tsy
nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i
Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
23 Ary nony afaka roa
taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima
Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.
24 Ary nankao amin'ny
mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa
trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko
mpanomponao.
25 Fa hoy ny mpanjaka
tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao
mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy,
fa nitso-drano azy ihany.
26 Dia hoy Absaloma:
Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha
hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
27 Fa nanery azy
Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha
hiaraka aminy.
28 Ary Absaloma
nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona
azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa
aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho
lehilahy mahery ianareo.
29 Ary ny zatovon'i
Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia
nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny
ampondrany ka nandositra.
30 Ary raha mbola
teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe:
novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana
na dia iray akory aza.
31 Dia nitsangana ny
mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny
mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32 Ary Jonadaba,
zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe:
Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no
maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara
anabaviny.
33 Koa aoka ny
mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny
mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
34 Fa Absaloma
nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy
olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
35 Ary hoy Jonadaba
tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny
nolazain'ny mpanomponao tokoa.
36 Ary nony efa
voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary
nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba
nitomany mafy dia mafy koa.
37 Fa Absaloma
nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora.
Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
38 Ary Absaloma efa
nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
39 Ary Davida
mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma*; fa nionona izy noho ny amin'i
Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy
hivoaka hamely an'i Absaloma]
1 [Ny nodian'i
Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak'i Zeroia,
nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an*'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra
tamin']
2 Koa naniraka tany
Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao,
modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa
manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
3 dia mankanesa ao
amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.
4 Ary nony niteny
tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy
ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
5 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa
maty vady.
6 Ary izaho
mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy
mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny
ka nahafaty azy.
7 Ary, indreo, ny
mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory
ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay
novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko
sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
8 Ary hoy ny mpanjaka
tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
9 Ary hoy ravehivavy
avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka
sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia
aoka tsy hanan-tsiny.
10 Dia hoy ny
mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona
anao intsony izy.
11 Ary hoy
ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i
Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao
mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho
latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
12 Ary hoy
ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny
indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13 Dia hoy
ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra?
Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany
ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
14 Fa tsy maintsy
maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina
intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy
hanariany ilay noroahiny.
15 Fa izaho no tonga
hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra
ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa
angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
16 Eny, ny mpanjaka
hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay
ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra.
17 Dia hoy ny
mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa
ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy
ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
18 Ary ny mpanjaka
namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao.
Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19 Ary hoy ny
mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany*? Dia hoy ny
navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy
mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho
amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny
rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao
amin'izany rehetra izany?]
20 Ny hampiova tarehy
ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry
tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ
ambonin'ny tany.
21 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha,
alao hody Absaloma zatovo.
22 Dia niankohoka
tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no
ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka
tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
23 Dia niainga Joaba
nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
24 Ary hoy ny
mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary
Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
25 Ary tsy nisy
lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny
Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy
nisy tsiny izy.
26 Ary raha nanaratra
ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa
nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely
roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
27 Ary Absaloma
niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy
tsara tarehy izy.
28 Ary Absaloma
nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny
tavan'ny mpanjaka ihany izy.
29 Ary Absaloma dia
naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy
nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa
mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
30 Koa dia hoy izy
tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary
manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i
Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
31 Ary Joaba niainga
nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny
mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?
32 Fa hoy Absaloma
tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ
hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho?
Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny,
aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka
hovonoiny.
33 Ary Joaba nankany
amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka
Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny
mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
*
1 [Ny niodinan'i
Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia
nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo
alohany.
2 Ary Absaloma nifoha
maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy
olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i
Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy
izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
3 Dia hoy Absaloma
taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona
voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
4 Ary hoy koa
Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy
atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko
rariny izy!
5 Ary isaky ny nisy
olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy
norohany izany olona izany.
6 Ary toy izany no
nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka
hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny
Isiraely.
7 Ary nony afaka
efa-polo taona*, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka
aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah. [Na:
(efa-taona)]
8 Fa nivoady aho
mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola
hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
9 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
10 Ary Absaloma
naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao
mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao
Hebrona.
11 Ary nisy roan-jato
lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa
nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na
inona.
12 Ary Absaloma
naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao
an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary
nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba
an'i Absaloma.
13 Ary nisy olona
tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny
lehilahy amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy Davida
tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha
isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala
faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony
idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15 Ary hoy ny
mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra
sitraky ny mpanjaka tompoko.
16 Dia nivoaka ny
mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy
tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
17 Ary nivoaka ny
mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna
izy.
18 Ary ny mpanompony
rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana* rehetra sy ny
Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo
alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
19 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay?
Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny
ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.
20 Fa vao omaly no
nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa
mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento
hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny
fahamarinana.
21 Fa Itahy namaly ny
mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko,
izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no
hitoeran'ny mpanomponao.
22 Ary hoy Davida
tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra
mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
23 Ary ny olona
rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa
dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny
lalana mankany an-efitra.
24 Ary indro koa
Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny
faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara
niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
25 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny
fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola
ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
26 Fa raha izao kosa
no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay
ataony ho tsara.
27 Ary hoy koa ny
mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa
aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo,
dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara.
28 Indro, izaho
hijanonjanona eny amin'ny fitàna* any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay
teny avy atỳ aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay]
29 Ary Zadoka sy
Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany;
dia nitoetra tany izy.
30 Ary Davida
niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary
nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka
azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
31 Ary nisy nanambara
tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma.
Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny
hevitra ataon'i Ahitofela.
32 Ary nony tonga teo
an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona
tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny
akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
33 ary hoy Davida
taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
34 fa raha hiverina
any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry
mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia
mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela.
35 Ary tsy ao aminao
va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao
an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
36 Indreo, any aminy
ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara;
ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
37 Koa dia tonga tany
an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany
Jerosalema.
1 [] Ary nony vao
nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba,
mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady
ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka
fahavaratra zato ary divay iray tavoara*.[Na: siny hoditra]
2 Ary hoy ny mpanjaka
tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho
an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka
fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any
an-efitra.
3 Dia hoy ny
mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka:
Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny
taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.
4 Dia hoy ny mpanjaka
tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba:
Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka
tompoko.
5 Ary nony nanakaiky
an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny
anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny
ampandehanana.
6 Ary nitora-bato
an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny
lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny
ankaviany.
7 Ary hoy ny
fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy
fanahy!
8 Nataon'i Jehovah
manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary
Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro,
efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
9 Ary hoy Abisay,
zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka
tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny
lohany.
10 Fa hoy ny
mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha
manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no
hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
11 Ary hoy koa Davida
tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza
mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa
Jehovah no nampanao azy izany.
12 Angamba Jehovah
hamindra fo amiko ny amin'ny heloko* ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo
ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)]
13 Ary nony nandeha
teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana
tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato
nanandrify azy sy namafy vovoka.
14 Ary dia tonga tao
ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka*, ka dia
naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra
izay nanaraka azy]
15 [Ny nataon'i
Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny
nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely
dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
16 Ary Hosay Arkita,
sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela
velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
17 Fa hoy Absaloma
tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba
nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao?
18 Ary hoy Hosay
tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto
mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no
hitoerako.
19 Ary koa, iza
indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo
anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
20 Ary hoy Absaloma
tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
21 Dia hoy Ahitofela
tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny
trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo
anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao.
22 Ary dia
nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra
tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.
23 Ary ny hevitr'i
Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra;
toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na
tamin'i Absaloma.
1 Ary hoy Ahitofela
tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka
hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;
2 ary ho tonga ao
aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia
handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3 dia haveriko ho etỳ
aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny
hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4 Ary sitrak'i
Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.
5 Kanefa hoy
Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6 Ary nony tonga teo
amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka
hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7 Ary hoy Hosay
tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.
8 Ary hoy kosa Hosay:
Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka
ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy
miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.
9 Fa, indro, miery
any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy
resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny
olona manaraka an'i Absaloma,
10 ary na dia izay
mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa
fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery
koa ireny manaraka azy ireny.
11 Koa izao kosa no
mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany
Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka
dia ny tenanao no hankany an-tafika.
12 Dia ho tonga ao
aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy
toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray
akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.
13 Fa raha miditra
an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany,
ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato
kely iray aza hita ao.
14 Ary hoy Absaloma
sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i
Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny
sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.
15 Dia hoy Hosay
tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i
Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no
hevitra nomeko azy.
16 Koa maniraha
haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna*
any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny
mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.[Na: tani-hay]
17 Ary Jonatana sy
Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy
ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany
amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.
18 Fa nisy zazalahy
iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy
ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao
an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.
19 Ary nalain'ny
vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary
dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
20 Ary nony tonga tao
amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza
Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy
izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany
Jerosalema.
21 Ary nony efa lasa
ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa
nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità
faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.
22 Dia niainga Davida
sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro,
dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.
23 Ary nony hitan'i
Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia
niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny
ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny
fasan-drainy.
24 [Ny nandresena
an'i Absaloma, sy ny nahafatesany] Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma
nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay
nanaraka azy.
25 Ary Amasa no
notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia
zanak'ilay Isiraelita* atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila,
zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.[Na: Ismaelita;
izahao 1 Tan. ii. 17]
26 Ary ny Isiraely sy
ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada.
27 Ary nony tonga tao
Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i
Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28 Avy mitondra
fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso
sy voanemba* ary voanemba voaendy [erva lenta]
29 sy tantely sy
rononomandry sy ondry ary zanak'omby* ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy;
fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.[Na:
rononomandrin'omby]
1 Ary Davida
nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato
hifehy azy.
2 Ary Davida
nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ary ny ampahatelony
nofehezin'i Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelony kosa
nofehezin'Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa dia
handeha hiaraka aminareo tokoa.
3 Fa hoy ny vahoaka:
Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na
matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray
alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
4 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady
ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.
5 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo
amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny
mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.
6 Ka dia nivoaka teny
an-tsaha ny vahoaka hiady amin'ny Isiraely, ka rafitra tao amin'ny alan'i
Efraima ny ady;
7 ary resy tao ny
lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no
ringana androtrizay, dia olona roa alina.
8 Fa nihahakahaka
teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny
matin'ny sabatra.
9 Ary Absaloma
nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny
ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo
terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia
nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra
nitaingenany.
10 Ary nisy lehilahy
anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako
mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.
11 Ary hoy Joaba
tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy
nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely
volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
12 Fa hoy ralehilahy
tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy
haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no
nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i
Absaloma zatovo.
13 Tsy misy zavatra
azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao
io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy*.[Na: ho nahafoy ahy]
14 Dia hoy Joaba: Tsy
handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany
Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo
terebinta izy.
15 Ary nisy tovolahy
folo, mpitondra ny fiadian'i Joaba, nanodidina an'i Absaloma ka namely azy ho
faty.
16 Ary Joaba nitsoka
ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria
niantran'i Joaba izy.
17 Dia nalain'ny
olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia
nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy
nandositra ho any amin'ny lainy avy.
18 Ary fony mbola
velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao
an-dohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho;
ary dia nataony araka ny anaran'ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola
atao hoe: Fahatsiarovana an'i Absaloma no anarany mandraka androany.
19 [Ny nandrenesan'i
Davida ny nahafatesan'i Absaloma sy ny hamafin'ny alahelony azy] Dia hoy
Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any
amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany
tamin'ny fahavalony.
20 Fa hoy Joaba
taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny
zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany
ianao.
21 Ary hoy Joaba
tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay
Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
22 Fa Ahimaza,
zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza,
aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no
hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly
hahazoanao fitia tsinona?
23 Ka nahoana aza,
hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia
niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita.
24 Ary Davida
nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony
vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy
lehilahy iray mihazakazaka.
25 Ary ny mpitily
niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia
ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
26 Ary ny mpitily
nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy
nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka:
Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
27 Ary hoy ny
mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no
fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka
hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
28 Ary Ahimaza
niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny
tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah
Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny
mpanjaka tompoko.
29 Dia hoy ny
mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i
Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be
aho, nefa tsy fantatro izay antony.
30 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka
nitoetra teo.
31 Ary, indro, avy
ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa
Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay
rehetra nitsangana hikomy aminao.
32 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita:
Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy
anao ho tahaka iny zatovo iny.
1 Ary dia niontana
terỳ ny fon'ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin'ny efi-trano teo ambony
vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma,
zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry
Absaloma zanako, zanako ô!
2 Ary nambara tamin'i
Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an'i Absaloma ny mpanjaka.
3 Ary ny famonjena
dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka
tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
4 Ka dia niakatra
nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin'izany andro izany, toy ny
fisokosokon'ny olona menatra raha mandositra amin'ny ady.
5 Fa ny mpanjaka
nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin'ny feo mafy hoe: Ry Absaloma,
zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
6 Ary niditra tao
amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny
mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy
ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
7 fa ny mankahala
anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa
tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa
raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no
sitrakao.
8 Koa mitsangàna
ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana
amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory
aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho
ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka
ankehitriny.
9 Dia nivoaka ny
mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra
hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo
anatrehan'ny mpanjaka. [Ny nodian'i Davida indray] Ary ny Isiraely dia samy efa
lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.
10 Ary ny vahoaka
rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy
antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny
Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny
amin'i Absaloma.
11 Ary Absaloma, izay
nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin'ny ady. Koa nahoana
ianareo no tsy miteny akory ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka?
12 Ary Davida
mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy
amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny
fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa
tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony
13 rahalahiko
ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho
farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?
14 Ary ataovy amin'i
Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie
izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin'ny miaramila eo
anatrehako mandrakariva ho solon'i Joaba ianao.
15 Ary dia
nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy;
ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny
mpanomponao rehetra.
16 Ary dia nody ny
mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny
mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana.
17 Ary Simey, zanak'i
Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin'ny lehilahy
amin'ny Joda tsena an'i Davida mpanjaka.
18 Ary nisy benjamita
arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon'ny taranak'i Saoly, mbamin'ny
zananilahy dimy ambin'ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy;
ary dia nita an'i Jordana teo alohan'ny mpanjaka izy ireo.
19 Ary navoivoy teo
ny lakana hampitana ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary
nony efa hita an'i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak'i Gera,
niankohoka teo anatrehany.
20 Ary hoy izy
tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy
hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka
tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;
21 fa fantatro, izaho
mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin'ny
taranak'i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
22 Fa namaly Abisay,
zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa
nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?
23 Dia hoy Davida:
Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra
ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa
moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio?
24 Ary dia hoy ny
mpanjaka tamin'i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
25 Ary Mefiboseta,
zanakalahin'i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na
namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka
ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
26 Ary nony efa tonga
hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana
no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
27 Fa hoy izy: Ry
mpanjaka tompoko, nofitahin'ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho
hitaingenako ka hankany amin'ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
28 Nefa
nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka
tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
29 Fa ny taranaky ny
raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko;
nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao.
Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny
mpanjaka?
30 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa
nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
31 Ary hoy Mefiboseta
tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka
tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.
32 Ary Barzilay
Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny
mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.
33 Ary Barzilay dia
lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka,
raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
34 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko
any Jerosalema.
35 Fa hoy Barzilay
tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no
hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
36 Valo-polo taona
izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro
ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay
feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny
mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko?
37 Kely foana no
handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa
nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
38 Trarantitra ianao,
aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny
fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny
mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
39 Dia hoy ny
mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao,
ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
40 Ary ny vahoaka
rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka
Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.
41 Dia nandroso
nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra
amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny
mpanjaka.
42 [Ny nifandiran'ny
Isiraely sy ny Joda, ary ny niodinan'i Seba] Ary, indreo, ny lehilahy rehetra
amin'Isiraely nankao amin'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy
amin'ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny
ankohonany ary ny olon'i Davida rehetra teny aminy hita an'i Jordana?
43 Ary ny lehilahy
rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria
havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany
ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
44 Ary ny lehilahy
amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana
anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho
ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no
niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny
Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
TOKO 20
1 Ary sendra nisy
lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita;
ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i
Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry
Isiraely ô.
2 Ka dia samy
niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba,
zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany
hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
3 Ary nony tonga tao
an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo
vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary
nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao
mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
4 Ary hoy ny mpanjaka
tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana,
ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5 Ary dia lasa Arnasa
namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6 Ary hoy Davida
tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza
mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy,
fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7 Ary dia nivoaka
hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana* ary ny
lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i
Seba, zanak'i Bikry.[Heb. Keretita sy Peletita]
8 Fa nony tonga tao
amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo
fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo
am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy,
dia latsaka ny sabatra.
9 Ary hoy Joaba
tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny
tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
10 Fa Amasa tsy
nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy,
ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny
tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
11 Ary ny zatovon'i
Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i
Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
12 Ary Amasa
nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona
rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i
Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13 Ary nony
nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny
olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
14 Ary izy nandeha
namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny
Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
15 Ary dia tonga izy
ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany
tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny
olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
16 Ary nisy vehivavy
hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao
amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
17 Ary nony efa mby
tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho
no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy
izy: Mihaino aho izao.
18 Ary hoy
ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa
araka izany ny nahavitany raharaha.
19 Izaho dia isan'ny
tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady
handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny
lovan'i Jehovah?
20 Ary Joaba namaly
hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
21 Tsy izany tsy
akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany,
zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy
ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i
Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
22 Dia lasa nanatona
ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i
Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny
anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy.
Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
23 [Ny mpanao
raharaham-panjakan'i Davida] Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra
tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila
mpiambina andriana*; [Heb. Keretita sy Peletita]
24 ary Adorama no
komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny
raharaham-panjakana;
25 ary Seva no
mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
26 ary Ira Jairita
kosa no mpanolo-tsaina* an'i Davida.[Na: mpisorona]
*
1 [Ny amin'ny mosary
naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i
Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny
taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny
Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan']
2 Ary ny mpanjaka
nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny
Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana
taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny
Zanak'Isiraely sy ny Joda),
3 ary hoy Davida
tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako
fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah?
4 Dia hoy ny
Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly
na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy:
Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
5 Dia hoy izy ireo
tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho
ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra
6 no avelao hisy fito
lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i
Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
7 Fa ny mpanjaka
niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana
tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.
8 Ary ny mpanjaka
naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i
Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala*,
zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay
Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19]
9 dia natolony teo
an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i
Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny
fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
10 Ary Rizpa,
zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy
iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny
orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny
voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
11 Ary nambara
tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly.
12 Dia lasa Davida
naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao
Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay
nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao
Gilboa.
13 Ary dia nentiny
niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary
nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo.
14 Ary ny taolan'i
Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina
tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra
nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny
fifonana natao ho an'ny tany.
15 [Ny herim-pon'ny
mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina
sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka
niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
16 Ary Jisbibenoba,
izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato
sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.
17 Fa Abisay, zanak'i
Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay
ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay
intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
18 Ary nony afaka
izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita
nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita.
19 Ary nisy ady
indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima
Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita*, izay nanan-jaran-defona tahaka ny
vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]
20 Ary nisy ady koa
tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby
roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba
teraky ny Refaita.
21 Ary izy nihaika ny
Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.
22 Ireo efatra ireo
no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny
mpanompony avokoa ireo.
*
1 [Hira fisaorana
nataon'i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao
fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny
tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,
2 ka hoy izy: Jehovah
no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
3 Andriamanitra
vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana
avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana
Hianao.
4 Miantso an'i
Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny
fahavaloko.
5 Fa nihodidina
tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra
ahy.
6 Ny famatoran'ny
fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny
fahafatesana.[Heb. Sheola]
7 Fony azom-pahoriana
aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny
feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
8 Dia nihozongozona
sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny,
nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
9 Nisy setroka
nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy
vainafo nidedadeda teo aminy.
10 Dia naondriny ny
lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
11 Dia nitaingina
kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.
12 Efa nanao ny
maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
13 Ary avy teo
amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
14 Dia nampikotroka
tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
15 Dia nandefa
zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka
nampifanaritaka azy.
16 Dia hita ny
fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy
nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.
17 Naninjitra ny
tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be
Izy.
18 Namonjy ahy
tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko
ireny.
19 Nisakana ahy
tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
*
20 Dia nitondra ahy
ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
21 Nanisy soa ahy
araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
22 Fa nitandrina ny
lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
23 Ny fitsipiny
rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
24 Tsy nanan-tsiny
taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
25 Koa namaly ahy
araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
26 Ny olona tsara no
isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
27 Ny madio no
isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa
lalin-tsaina*.[Heb. miolakolaka]
28 Fa ny olona ory
dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
29 Fa Hianao no
jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
30 Fa Hianao no
ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no
ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
*
31 Raha ny
amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra
amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
32 Fa iza no
Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
33 Izany
Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany
Izy.
34 Ary manao ny
tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako
avo Izy.
35 Mampianatra ny
tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36 Omenao ahy ny ampingan'ny
famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
37 Halalahinao ny
lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
38 Manenjika ny
fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany
ritrany.
39 Mandringana sy mandripaka
azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
40 Hianao mampisikina
ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
41 Ary ataonao
miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
42 Miherikerika izy,
fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
43 Torotoroiko
madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka
apariako.
44 Mamonjy ahy
amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy
hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
45 Ny hafa firenena
mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
46 Ny hafa firenena
dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao* amin'ny fiarovany mafy.[Izahao
Sal. xviii.46. Ny dikan'ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc]
*
47 Velona Jehovah;
isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy
famonjena ahy,
48 Dia Andriamanitra,
Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
49 Dia Ilay mitondra
ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay
mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
50 Koa Izany no
hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
51 Manao
famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny
voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
*
1 [Ny fara-teny
nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese,
dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i
Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay
nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc]
2 Ny Fanahin'i
Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako;
3 Andriamanitry ny
Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny
Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana
an'Andriamanitra;
4 Ary izany dia toy
ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy
rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro
manarakaraka ny ranonorana.
5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny
taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra
rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa
tsy hampitsimohiny va?
6 Fa ny tena ratsy
fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana
izy;
7 Ary ny olona izay
mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny
afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]
*
8 [Ny anaran'ny
lehilahy maherin'i Davida] Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida:
Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino
Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray
mandeha monja.
9 Ary ny manarakaraka
azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy
mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo,
ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;
10 dia nitsangana
Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra
tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany,
ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
11 Ary ny
manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko
teo amin'ny tany nisy voanemba* maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra
azy,[erva lenta]
12 dia nijanona teo
afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao
famonjena lehibe Jehovah.
13 Ary nisy telo lahy
samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao
amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby
teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
14 Ary Davida dia tao
amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia
tao Betlehema.
15 Ary Davida naniry
ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao
Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
16 Ary ireo telo lahy
mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny
fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any
amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
17 Fa hoy Davida:
Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha
nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany
no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
18 Ary Abisay,
rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely
ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza
tamin'izy telo lahy.
19 Tsy izy va no be
voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo
lahy teo izy.
20 Ary Benaia,
zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be,
izy no namono ny roa lahy mahery* tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny
liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;[Heb.
lionan'Andriamanitra]
21 ary izy koa no
namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny
an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany
ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany
azy.
22 Izany no nataon'i
Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23 Izy no nalaza noho
ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry
azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
24 Asahela,
rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo,
avy any Betlehema,
25 Sama Harodita,
Elika Harodita,
26 Heleza Paltita,
Ira, zanak'Ikesy Tekoita,
27 Abiezera Anatotita,
Mebonay Hosatita,
28 Zalmona Ahohita,
Maharay Netofatita,
29 Haleba, zanak'i
Bana Netofatita, Itahy, zanak'i Ribay, avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina,
30 Benaia Piratonita,
Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,
31 Abi-albona
Arbatita, Azmaveta Psaromita,
32 Eliaba Salbonita,
tamin'ny zanak'i Jasena, Jonatana,
33 Sama Hararita,
Ahiama, zanak'i Sarara Hararita,
34 Elifeleta, zanak'i
Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak'i Ahitofela Gilonita,
35 Hezray Karmelita,
Paray Arbita,
36 Jigala, zanak'i
Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
37 Zaleka Amonita,
Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
38 Ira Jitrita,
Gareba Jitrita,
39 Oria Hetita; fito
amby telo-polo no isan'izy rehetra.
*
1 [Ny nanisana ny
olona, sy ny aretim-be nanjo azy tamin'izany] Ary ny fahatezeran'i Jehovah
nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao
izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny
Joda.
2 Dia hoy ny mpanjaka
tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny
firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo
ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3 Fa hoy Joaba
amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato
toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany;
fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4 Nefa tsy azon'i
Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy
ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny
lehilahy amin'ny Isiraely.
5 Ary nita an'i
Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny
lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera.
6 Dia tonga tany
Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy*, dia tonga tany Danajana izy,
ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin'ny tany lemaka vao azo]
7 ary tonga tao Tyro,
tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary
dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8 Ary nony efa nitety
ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy
roa-polo andro.
9 Dia natolotr'i
Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy
mahery nahatan-tsabatra* tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny
Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
10 Ary ny
eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida
tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa
ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa
efa nanao fahadalana lehibe aho.
11 Ary raha nifoha
maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i
Jehovah nanao hoe:
12 Mandehana, ka
lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto
anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13 Ary Gada nankany
amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no
tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo
anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto
amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any
amin'izay naniraka ahy.
14 Dia hoy Davida
tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i
Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
15 Ka dia nasian'i
Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana;
ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16 Ary naninjitra ny
tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny
amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka
izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo
amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
17 Ary nony hitan'i
Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe:
Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo
kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao
hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.
18 Ary Gada nankany
amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka
manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19 Koa dia niakatra
Davida araka ny tenin'i Gada, araka izay nandidian'i Jehovah.
20 Ary Araona
nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy
ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka.
21 Ary hoy Araona:
Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy
Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah
hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22 Fa hoy Araona tamin'i
Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo
ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin'ny omby hatao
kitay.
23 Izany rehetra
izany, ry mpanjaka, dia omen'i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin'ny
mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay
tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an'i Jehovah
Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin'i Davida sekely
volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
25 Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.