Jeremia
1 [Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny
nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia,
isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
2 izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i
Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo
nanjakany,
3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia,
mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo
nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana
an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
4 Tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Hatry ny fony ianao
tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy
mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
6 Ary hoy kosa aho:
Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7 Fa hoy Jehovah
tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako
anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8 Aza matahotra azy
ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9 Dia naninjitra ny
tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa
nataoko ao am-bavanao ny teniko,
10 ary indro Aho
manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny
fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy
hamboly.
11 Ary tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary
hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro* no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo
hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany]
12 Dia hoy Jehovah
tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13 Ary tonga tamiko
fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary
hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14 Dia hoy Jehovah
tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny
tany.
15 Fa, indro,
hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho
tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i
Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra
any Joda.
16 Ary hifandahatra
aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany
ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo
anatrehan'ny asan'ny tànany.
17 Fa ianao kosa dia
misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza
matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
18 Indro, Izaho hanao
anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany
rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny
vahoaka.
19 Fa hiady aminao
ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
*
1 [Ny fivadihan'ny
Isiraely ampitahaina amin'ny tsi-fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary tonga
tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2 Mandehana, ka
miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny
niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony
ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny
tany tsy mbola nifafy zavatra;
3 Masina ho an'i
Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia
nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
4 Mihainoa ny tenin'i
Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny
taranak'Isiraely!
5 Izao no lazain'i
Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra
Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
6 Ary izy tsy nanao
hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta
sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany
karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na
nonenan'olona?
7 Ary nitondra anareo
niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny
zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny
taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
8 Ny mpisorona tsy
nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny
mpitondra* koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala
ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]
9 Koa mbola
hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.
10 Fa mità ho any
amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka
diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
11 Moa nisy firenena efa
nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko
kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.
12 Talanjona amin'izany
ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
13 Fa zava-dratsy roa
loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka
famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
14 Moa mpanompo va
Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
15 Hamely azy no
ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao
nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
16 Ny mponina tao Memfisa*
sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]
17 Moa tsy ny
nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny
an-dalana va no nahatonga izany taminao?
18 Koa inona no anton'ny
ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora*? Ary inona
no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny
Ony**? [*Neily][**Eofrata]
19 Ny haratsianao no
anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa
ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy
nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
20 Fa hatramin'ny ela no
efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao:
Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny
hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
21 Fa Izaho namboly anao
ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no
nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
22 Fa na dia misasa
sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia
mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]
23 Ahoana no anaovanao
hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny
nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy
haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
24 Sy ry borikivavi-dia
tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny
fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho
sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.
25 Aza esorina ny kapa
amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy
fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
26 Toy ny fangaihain'ny
mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny,
izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
27 Dia izay manao
amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka
ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany
kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
28 Fa aiza ireny
andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy
anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no
isan'ny andriamanitrao.
29 Nahoana no
mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy
Jehovah.
30 Foana ny namelezako
ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana* ny
mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]
31 Ry taranaka,
dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely
va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy
izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i
Jehovah]
32 Hanadino ny firàvany
va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina?
Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
33 Kanto izany
fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao*![Na: Ka
na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]
34 Ary koa eo
an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny,
tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
35 Nefa hoy ianao: Tsy
manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra
aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
36 Nahoana ianao no
maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny
nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.
37 Izany koa dia
hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy
hambinina amin'ireo ianao.
1 Fa hoy Izy*: Raha misy
lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo
miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa
ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va
ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona]
2 Andrandrao amin'ny
tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona
taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny
fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
3 Ka dia voasakana ny
orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia
handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
4 Moa tsy hitaraina
amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy,
hatry ny fony aho mbola tanora?
5 Ho tezitra mandrakizay
va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy
izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
6 [Ny amin'ny nanariana
ny Isiraely, sy ny mbola handraisana azy indray] Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny
andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely
mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny
ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
7 Ary nataoko fa rehefa
nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary
Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8 Ary hitako fa na dia
efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny
fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany
aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
9 Ary tamin'ny
fihorakorahan'ny fijangajangany* no nandotoany ny tany, ary nijangajanga
tamin'ny vato sy ny hazo izy.[Na: Noho ny fijejojejoany sy ny fijangajangany]
10 Fa na dia izany
rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda
mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
11 Ary hoy Jehovah
tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
12 Mandehana, ka torio
manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina,
hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy
Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13 Kanefa kosa ekeo ny
helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy
nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba
nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
14 Miverena, ry zaza
mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna
ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
15 Dia homeko mpitondra*
araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra** anareo amin'ny fahalalana sy ny
fahendrena.[Heb. mpiandry ondry][**Heb. hiandry]
16 Koa rehefa mitombo sy
mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy
hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy
akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara
intsony.
17 Amin'izany andro
izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory
any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy
handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
18 Amin'izany andro
izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka
hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny
razanareo ho lovany.
19 Ary Izaho efa nanao
hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova
izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka
tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.
20 Kanefa toy ny
vehivavy misintaka miala amin'ny lahy*, dia toy izany tokoa no nisintahanareo
niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.[Heb. sakaizany]
21 Injay! feo re any
an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny
Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah
Andriamaniny.
22 Miverena ianao, ry
zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay,
fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
23 Foana tokoa ny
horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana*; Marina fa ao amin'i
Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.[Na: Foana tokoa ny
fihorakorahana any amin'ny havoana]
24 Fa lanin'ilay
mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia
ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
25 Aoka handry ao
amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray,
satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny
razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
1 Raha hiverina
ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha
hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy
foana,
2 Fa hianiana amin'ny
hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy
no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
3 [Ny hanjo ny Joda
sy Jerosalema, raha tsy mibebaka izy] Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda
sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo*, fa aza mamafy amin'ny tsilo. [Na:
Miasà tany vaovao ho anareo]
4 Miforà ho an'i
Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema!
Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka
hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
5 Ambaraonareo ao
amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny
anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika
hiditra amin'ny tanàna mimanda.
6 Manangàna faneva
manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga
loza sy fandringanana be avy any avaratra.
7 Misy liona miakatra
avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa
mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao,
ka tsy hisy mponina.
8 Ary noho izany dia
misikìna lamba fisaonana* ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny
firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]
9 Ary amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka
ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
10 Dia hoy izaho:
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema
tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny aina
ny sabatra.
11 Amin'izany andro
izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay
avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko
zanakavavy*, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalàn'ny oloko
zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]
12 Dia ho tonga avy
amiko izay rivotra mahery noho ireny*; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra
aminy.[Na: Dia ho tonga etỳ amiko ny rivotra mahery izay avy amin'ireny]
13 Indro, avy toy ny
rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny
soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
14 Ry Jerosalema,
sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no
hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15 Fa injany! misy
feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i
Efraima,
16 Lazaonareo amin'ny
firenena, torio amin'i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany
lavitra ka manakora hamely ny tanànan'ny Joda.
17 Manodidina azy
ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
18 Ny alehanao sy ny
asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany
sady mihatra amin'ny ainao.
19 Endrey ny kiboko!
Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey!
mila ho triatra izany ny foko*! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa
ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.[Heb. Endrey ny
rindrin'ny foko!]
20 Fandravana
mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava
indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
21 Mandra-pahoviana re
no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?
22 Fa adala ny oloko,
Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha
ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23 Nojereko ny tany, ka,
indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy
nanam-pahazavana izy;
24 Nojereko ny
tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra
nihozongozona;
25 Nojereko, ka, indro,
tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
26 Nojereko, ka, indro,
ny saha mahavokatra* aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo
anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na: karmela]
27 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
28 Noho izany dia
hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany
Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29 Noho ny fihorakoraky
ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny
tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala* sy mananika ny vatolampy
izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.[Heb. rahona]
30 Ary hanao ahoana
ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena
aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao
hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no
hotadiaviny.
31 Fa efa nandre feo
Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy
izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo
sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo
mpamono olona.
*
1 [Ny faharatsian'ny
olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i
Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha
mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia
havelako ny helok'i Jerosalema.
2 Ary na dia misy aza
manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
3 Jehovah ô, tsy
mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy
nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy;
Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
4 Ka dia hoy izaho:
Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny
fitsipik'Andriamaniny;
5 Handeha ho any
amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i
Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka
zioga sy nanito fatorana.
6 Koa noho izany dia
mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia* avy any
an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy
ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny
fiodinany.[lopa]
7 Koa nahoana Aho no
hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy
Andriamanitra; Efa nampianianiko* izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra
niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]
8 Tahaka ny soavaly
tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny
namany avy.
9 Tsy hovaliako va
izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
10 Miakara eo amin'ny
mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny
sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.
11 Fa efa nivadika
tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
12 Nahafoy an'i
Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy
hahita sabatra na mosary isika;
13 Ny mpaminany dia
hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny*; Eny, izany no hanjo azy.[Na:
ny teny]
14 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany,
indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay
hazo ka holevoniny.
15 Indro, efa
hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy
Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy
fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
16 Ny
tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy
lehilahy mahery avokoa.
17 Ary hohaniny ny
vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny
ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao,
sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
18 Nefa na dia amin'izany
andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
19 Ary raha hoy izy*:
Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika?
Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo
andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any
amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]
20 Ambarao ao amin'ny
taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:
21 Henoy izao, ry
firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary
manan-tsofina, fa tsy mandre:
22 Izaho va tsy
atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao
ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka
na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia
mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
23 Fa ity firenena ity
dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
24 Ary tsy manao
anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay
mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy;
Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
25 Ny helokareo no
nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26 Fa misy hita fa ratsy
fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy,
mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
27 Toy ny tranom-borona
feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy
mpanankarena izy.
28 Efa mihatavy izy ka
mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady
mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba
tsarainy.
29 Tsy hovaliako
amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
30 Zava-mahagaga sy
mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;
31 Ny mpaminany maminany
lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko
mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?
1 [Ny fahantomotry ny
loza voalaza] Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i
Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo* ao
Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na:
manangàna famantarana]
2 Ziona zanakavavy dia
ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka*.[Na: Aringako
ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy]
3 Ao aminy no alehan'ny
mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao
akaikiny avy izy.
4 Mitaova ianareo hanao
ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro.
Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
5 Mitsangàna, ka andeha
isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana
an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
7 Toy ny loharano
mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy
fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny
faharatrana.
8 Minoa anatra ianao, ry
Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko
tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
9 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay
sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny* ny tananao toy ny mpioty
voaloboka.[Na: harona]
10 Iza no hilazako sy
hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino
izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah ka tsy ankamaminy.
11 Fa ny
fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino
amin'ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa
na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny
ela niainana koa;
12 Ary ho lasan'ny
sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny
mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
13 Satria izy
rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny
mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
14 Fa nataotaony
foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany
hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
15 Nomenarina izy
noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba
valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy dia ho
tafintohina izy, hoy Jehovah.
16 Izao no lazain'i
Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana
masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra
izahay.
17 Ary nasiako
mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo*: Tsy
hihaino izahay.[Heb. izy]
18 Koa henoinareo, ry
jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
19 Henoy, ry tany!
Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany;
Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
20 Nahoana no itondrana
ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin'ny tany
lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra
vonoinareo hatao fanatitra.
21 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy
ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny
namany.
22 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena
lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;
23 Tsipika sy lefona no
entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny
ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny
ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
24 Efa renay ny lazany,
ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana
tahaka ny vehivavy raha miteraka.
25 Aza mivoaka ho any
an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy
fampangorohoroana manodidina.
26 Ry oloko zanakavavy,
misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy
ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka
amintsika ny mpandringana.
27 Ho mpizaha toetra ao
amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy
hizahanao toetra ny alehany.
28 Tena maditra avokoa
izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy
avokoa izy rehetra.
29 May ny tafoforana,
levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy
voaisotra ny ratsy.
30 Ataon'ny olona hoe,
volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.
*
1 [Fananarana ny olona
izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no teny
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mitsangana eo
am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe:
Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto
vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
3 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo
sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
4 Aza matoky ny teny
lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.
5 Fa raha ataonareo
tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona
amin'ny namany ianareo,
6 Ary tsy mampahory ny
vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany
ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
7 Dia hamponeniko
amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo,
hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
8 He! ianareo matoky ny
teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
9 Hay! hangalatra sy
hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro
ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy
fantatrareo?
10 Nefa mbola avy miseho
ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo
ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra
ireto!
11 Moa ataonareo ho zohy
fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny
tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
12 Fa mandehana ianareo
any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any
am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
13 Koa ankehitriny, hoy
Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo
Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary
niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
14 Koa dia ho toy ny
nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako
sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
15 Ary hesoriko hiala
eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny
taranak'i Efraima rehetra.
16 Koa aza mivavaka ho
an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy
na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
17 Tsy hitanao va ny
ataon'ireo any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema?
18 Ny zaza
manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba
hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho
an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
19 Moa Izaho va no
ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
20 Koa izao no
lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina
amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha
ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
21 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho
naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
22 Fa tsy ny amin'ny
fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na
nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta;
23 Fa izao kosa no
nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho
oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
24 Kanjo tsy nihaino izy
na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo
ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
25 Hatramin'ny andro
nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia
nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha
maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
26 Nefa tsy nihaino Ahy
izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy
mihoatra noho ny razany aza.
27 Ary na dia holazainao
aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia
antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
28 Koa lazao aminy hoe:
Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra;
Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.
29 Hetezo ny volonao, ry
Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra
mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
30 Fa manao izay ratsy
eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny
trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
31 Ary izy nanorina ireo
fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema,
handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba
nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
32 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny
taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny
tany.
33 Ary ny fatin'ity
firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy
hanaitaitra azy.
34 Dia hatsahatro any
an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo
miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny
tany.
1 Amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny
Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny
mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
2 ka haeliny eo anatrehan'ny
masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa
tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo
anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny
ambonin'ny tany.
3 Ary ny sisa rehetra
amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra
nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
4 [Ny nikirizan'ny
olona tamin'ny fanaovan-dratsy, sy ny hamafin'ny loza hanjo azy] Ary koa, lazao
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina?
Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5 Nahoana ity
firenena eto Jerosalema ity* no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra?
Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena
Jerosalema ity]
6 Nihaino Aho, ka
nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny
haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily
mankamin'ny alehany avy* tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy
mivily eny am-pandehanany]
7 Na dia ny vano eny
amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny
sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny
oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
8 Ahoana no
anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny
fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
9 Mahazo henatra ny
hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia
nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
10 Ary noho izany dia
homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy, satria izy
rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na
mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
11 Fa nataotaony
foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany
hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
12 Nomenarina izy
noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba
valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho
tafintohina izy, ho Jehovah.
13 Hakifako tokoa
izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo
ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
14 Nahoana isika no
mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna
mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho
faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i
Jehovah.
15 Nanantena fiadanana
isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana*, fa indro fampitahorana.[
Na: fahafinaretana]
16 Ny fiefonefon'ny
soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly
matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia
ny tanàna sy izay monina ao.
17 Fa indro Aho handefa
bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo
ireny, hoy Jehovah.
18 Indrisy! enga anie ka
hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato
anatiko.
19 Injany! misy feo
fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah
tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy
ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy
amin'ny firenena hafa?
20 Lasa ny fararano,
tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
21 Torotoro aho noho ny
fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
22 Moa tsy misy balsama
va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny
fanasitranana ny oloko zanakavavy?
23 Enga anie ka ho rano
ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina
noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
TOKO 9
1 [Ny alahelon'i Jeremia
noho ny faharatsian'ny olona] Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho
tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy,
satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
2 Manenjana ny lelany
toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no
mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny
ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
3 Samia miaro tena
amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza;
Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha
manaratsy.
4 Izy rehetra samy
mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany
handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
5 Ny fonenanao dia ao
anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
6 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa
ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?
7 Zana-tsipìka mahafaty
ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny
namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
8 Tsy hovaliako va izy
amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
9 Noho ny amin'ny
tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any
an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy
mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny
voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
10 Ary Jerosalema dia
hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia*; ary ny tanànan'ny Joda hataoko
lao tsy hisy mponina.[Na: jakala]
11 Iza no olon-kendry
mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara
izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy
mandeha mamaky eo aminy?
12 Ary hoy Jehovah:
satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary
tsy nihaino ny feoko,
13 Fa nandeha araka ny
ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,
14 Dia izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako
zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
15 Ary haeliko any
amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko
azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
16 Izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira
fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
17 Ary asaovy haingana ireny
hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy
hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.
18 Fa misy feo
midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra
isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano
nitoerantsika.
19 Nefa mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny
vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra
hira fahalahelovana ny namany avy.
20 Fa ny fahafatesana
efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba
handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny
an-kalalahana.
21 Ataovy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny
zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan*'ny mpijinja, Izay tsy misy
manangona azy.[Heb. any aorian']
22 [Ny amin'ny
tsi-fahatokian-tena, sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay mitsara marina]
Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary
aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy
hirehareha amin'ny hareny;
23 Fa izay te-hirehareha
dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho
Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ
ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
24 Indro, avy ny andro,
hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa*,[Na:
izay toy ny tsy voafora]
25 Dia Egypta sy Joda sy
Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo,
izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny
taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
*
1 [Ny mahatsinontsinona
ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr'i Jehovah sy ny fahatezerany] Henoy
ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Aza mianatra ny fanaon*'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo
famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb.
didin']
3 Fa ny fanaon'ny
firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny
mpiasa amin'ny famaky;
4 Volafotsy sy volamena
no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy
hihetsiketehany.
5 Toy ny hazo voasana ho
sari-drofia* izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba
afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy
soa.[palma]
6 Tsy misy tokoa izay tahaka
Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
7 Iza no tsy hatahotra
Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny
hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy
tahaka Anao.
8 Fa ketrina sy adala
avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
9 Volafotsy voafisaka
nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa
sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay
zavatra izy rehetra.
10 Fa Jehovah no
Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay.
Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny
fahavinirany
11 (Izao no holazainareo
amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany,
dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny)
12 Dia Ilay nanao ny
tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary
namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
13 Raha mampirohondrohona
ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny
tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy
amin'ny firaketany.
14 Efa ketrina avokoa ny
olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra
voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina,
sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
15 Zava-poana ireny, dia
asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
16 Tsy mba tahaka ireo
ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no
firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
17 Angony ny
korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny
haterena!
18 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina
amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.
19 Mahita loza aho, fa
torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao,
ka dia hozakaiko ihany.
20 Rava ny laiko, ary
tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy
misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
21 Fa efa ketrina ny
mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia
miely ny ondry andrasany rehetra.
22 Injany! misy
siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny
tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny
amboadia.
23 Jehovah ô, fantatro
fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny
diany
24 Jehovah ô, anaro aho,
nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao
tonga tsinontsinona aho.
25 Aidino amin'ny
jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay
tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy
nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
*
1 [Ny nivadihan'ny
Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany]
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mihainoa ny tenin'izao
fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any
Jerosalema,
3 Ary ataovy aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy
mankatò ny tenin'izao fanekena izao,
4 Izay nandidiako ny
razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko,
ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo,
ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5 Mba hotoviko ny
fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany
tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka
nanao hoe: Ho izany tokoa anie*, Jehovah ô![Heb. Amena]
6 Ary hoy Jehovah
tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny
rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy
izy.
7 Fa nananatra mafy ny
razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe:
Mihainoa ny feoko.
8 Nefa tsy nihaino izy
na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany
izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay
nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9 Ary hoy koa Jehovah
tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any
Jerosalema.
10 Fa izy niverina nankamin'ny
heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka
andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda
efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.
11 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na
dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12 Dia handeha ny
tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny
andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy
azy akory amin'ny andro fahoriany.
13 Fa araka ny isan'ny
tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i
Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara
handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
14 Koa aza mivavaka ho
an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy;
Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy
Aho.
15 Hanao inona ao
an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy,
ary ny hena masina dia esorina aminao*; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na:
Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny
hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]
16 Hazo oliva maitso
sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny
fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.
17 Fa Jehovah, Tompon'ny
maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy
nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka
nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
18 [Ny teny nasain'i
Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i
Jeremia] Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia
nasehonao ahy ny fanaony.
19 Fa izaho dia tahaka
ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no
tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary
aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana
intsony ny anarany.
20 Nefa, ry Jehovah,
Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho
hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
21 Koa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza
maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,
22 izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra,
ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;
23 Ka tsy hisy hiangana
izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana
azy.
1 [Ny fitarainana
nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah
azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa
aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy
fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
2 Nambolenao izy, ka dia
miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa
manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany]
3 Fa Hianao, Jehovah ô,
mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho
toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb.
hamasino]
4 Mandra-pahoviana no
hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny
faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo:
Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5 Raha
niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao
ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao
toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i
Jordana?[Heb. ny reharehany]
6 Fa na dia ny
rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny,
niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza
izy.
7 Nilaozako ny tranoko,
nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.
8 Raha amiko, ny lovako
dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
9 Moa tahaka ny vorona
mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona
mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10 Mpitondra maro no
nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra
lao ny anjarako mahafinaritra;
11 Nataony lao izany,
eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy
nisy nandatsaka am-po.
12 Ny mpandrava dia
tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy
sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa,
ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.
13 Vary no nafafiny, fa
tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany;
Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah.
14 Izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia
izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako
tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15 Nefa nony efa
voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any
amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16 Koa raha mba hianatra
ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa
Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina
ao amin'ny oloko izy;
17 Fa raha tsy hankatò
kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy,
hoy Jehovah.
*
1 [Ny hampietrena ny
avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo
rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2 Dia nividy fehin-kibo
aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3 Ary tonga tamiko
fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
4 Ento ny fehin-kibo
izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any
Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 Ka dia nandeha aho,
ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ary nony afaka andro
maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao
any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Dia nankany Eofrata
aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay
fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na
inona intsony.
8 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah hoe:
9 Izao no lazain'i
Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny
avonavon'i Jerosalema.
10 Ity firenena ratsy
ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka
manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity
fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11 Fa toy ny firaikitry
ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy
ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy
fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12 Ary izao teny izao
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny
tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray
ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Dia holazainao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony* ny mponina rehetra amin'ity
tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy
ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno]
14 Ary hampifamohiko
izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na
hamindra fo tsy handringana azy.
15 Mandrenesa ka
mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16 Manomeza voninahitra
an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary
dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo,
ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana,
ka hampodiny ho aizim-pito.
17 Fa raha tsy hihaino
izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy
fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo
ny ondrin'i Jehovah.
18 Lazao amin'ny
andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka
eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19 Voarindrina ny tanàna
any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko
babo avokoa izy rehetra.
20 Atopazy ny masonareo,
ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny
ondrinao tsara tarehy?
21 Ahoana re no
holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany
no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny
vehivavy raha miteraka?
22 Ary raha manao
anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao
no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny
ombelahin-tongotrao.
23 Moa mahova ny hodiny
va ny Etiopiana, ary ny leoparda* va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo
manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady
misoratsoratra]
24 Koa dia haeliko
izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
25 Izany no lokanao,
dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky
tamin'ny lainga.
26 Ary Izaho kosa dia
hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny
henatrao.
27 Ny fijangajanganao
sy ny fanenonao*, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any
an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry
Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao
v. 8]
*
1 [Ny tsy
hahafahan'ny olona amin'ny loza, na dia efa nifonan'i Jeremia
tamin'Andriamanitra aza izy] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny
amin'ny mosary.
2 Misaona ny Joda,
ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny
tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
3 Ny lehibeny
maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano
ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy
mangaihay izy ka misaron-doha.
4 Noho ny
fangentan*'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny
mpiasa ka misaron-doha.[Na: satria tora-kovitra]
5 Ary na dia ny
dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny
ahi-maitso.
6 Ary ny borikidia
mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny
amboadia* izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.[Na: jakala]
7 Ry Jehovah ô, na
dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be
ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
8 Ry Fanantenan'ny
Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny
vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina
monja?
9 Nahoana Hianao no
dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola
ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay;
Aza dia mandao anay.
10 Izao no lazain'i
Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny
tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary
valiany ny fahotany.
11 Dia hoy Jehovah
tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.
12 Fa na dia mifady
hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho,
fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
13 Dia hoy izaho:
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny
sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto
amin'ity tany ity ianareo.
14 Dia hoy Jehovah
tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka
azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana
tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
15 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa
tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany
ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
16 Ary ny firenena
izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny
mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny,
na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
17 Koa lazao aminy
izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy hitsahatra; Fa
ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny kapoka maharary
indrindra.
18 Raha mivoaka any
an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa
aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia
mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany*.[Na: ka tsy mahalala]
19 Efa narianao tokoa va
Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay
Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy
nahita asa, ary andro fanasitranana*, fa indro fampitahorana.[Na:
fahafinaretana]
20 Jehovah ô, tsaroanay
ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
21 Noho ny amin'ny
anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza
fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
22 Mba misy mahalatsaka
ranonorana va ireny sampin*'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana
mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah
Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo
zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']
1 Ary hoy Jehovah
tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy
hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny,
aoka hiala izy.
2 Ary raha tàhiny izy
manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana* dia ho amin'ny areti-mandringana,
ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary
dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny
fahababoana.[Heb. fahafatesana]
3 Ary manendry zavatra
efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny
amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;
4 Ary manolotra azy ho
mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra* amin'ny tany Aho noho ny amin'i
Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany
Jerosalema.[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra]
5 Fa iza no hangoraka
anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily
hanantsafa anao?
6 Hianao efa nahafoy Ahy
sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao,
ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra*.[Heb. manenina]
7 Ary kororohiko amin'ny
fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny,
aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
8 Ny mpitondratenany
mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra
mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia
mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny
tahotra.
9 Izay niteraka fito dia
mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy
mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo
anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
10 [Fitarainan'i Jeremia
tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry neny, ny
niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany
rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa
ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
11 Dia hoy Jehovah:
Nahafaka anao Aho hahasoa anao*; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo
amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.[Na: ny hahasoa anao ihany
no nisehoako ho fahavalonao]
12 Mety tapaka va ny vy,
dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
13 Ny fanananao sy ny
rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana
noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
14 Ary hampitondraiko ny
fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako*,
ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako]
15 Hianao no mahalala,
Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia
mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny
aminao no nitondrako latsa.
16 Hitako ny teninao ka
nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina
tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
17 Izaho tsy nipetraka
na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny
fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.
18 Nahoana re no dia tsy
mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho
tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
19 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana eo
anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana
ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no
hanatona azy,[Heb. hampivereniko]
20 Ary hataoko manda
varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy
hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;
21 Ary hanafaka anao
amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny
mpampahory.
*
1 [Ny
nasain'Andriamanitra nataon'i Jeremia ny amin'ny loza hampijaliana ny Joda] Ary
tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2 Aza manam-bady ianao,
ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity.
3 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin'ity tany ity sy
ny amin'ny reniny izay niteraka azy ary ny amin'ny rainy izay niteraka azy
amin'ity tany ity koa:
4 Ho fatin'ny loza samy
hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary
ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia
ny fatiny.
5 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa
alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy
Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
6 Ho faty na ny lehibe
na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na
hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;
7 Ary tsy hisy
hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary
tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny
reniny;
8 Ary aza miditra ao
amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy
hisotro.
9 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity
tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo
miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.
10 Ary raha ambaranao
amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana
Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no
helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray?
11 dia lazao aminy hoe:
Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany
andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny
nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.
12 Ary ny tenanareo koa
nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny
ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
13 Ka dia horoahiko
hiala amin'ity tany ity ianareo ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny
razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, satria tsy
hamindra fo aminareo Aho.
14 Koa, indro, avy any
andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah,
Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
15 Fa izao kosa: Raha velona
koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany
avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho
amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.
16 Indro, Izaho haniraka
mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia
haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny
havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17 Fa ny masoko dia
mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona
amin'ny masoko ny helony.
18 Alohan'izany anefa
dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko,
dia ny namenoany ny lovako tamin'ireo fatin'ny sampiny* sy fahavetavetany
ireo.[Heb. fahavetavetany]
19 Jehovah ô, ry heriko
sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga
aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa
lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20 Moa mahay manao andriamanitra
ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.
21 Koa, indro,
hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy
ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.
1 Ny fahotan'ny Joda dia
voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao
am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany*
izany,[Heb. alitaranareo]
2 Dia amin'izay
hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany*, akaikin'ny hazo maitso,
ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
3 Ry tendrombohitro any
an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na
dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao
rehetra.
4 Ary avy amin'ny
tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary
hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa
narehitrareo ny afon'ny fahatezerako*, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy
afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako]
5 [Ny amin'ny
fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i
Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona
matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
6 Fa ho tahaka ny olona
mahantra any* an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa
honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira
izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]
7 Hotahina izay olona
matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
8 Fa ho toy ny hazo
ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy
hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy
izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
9 Ny fo dia mamitaka
mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa
no mahafantatra ny aminy?
10 Izaho Jehovah no
Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny
alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
11 Toy ny tsipoy
mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny
rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany*, ka ho adala no
farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]
12 Seza fiandrianana be
voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13 Ry Jehovah,
Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana
amin'ny vovoka izay miala aminao*, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah,
loharano velona.[Heb. amiko]
14 Jehovah ô, sitrano
aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
15 Indro, ireo dia manao
amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
16 Fa izaho tsy
nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza
dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia
miharihary eo anatrehanao.
17 Enga anie ka tsy ho
fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!
18 Aoka ho menatra izay
manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa
izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary
ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
19 [Ny amin'ny
hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka
mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny
Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema
20 ka lazao amin'ny olona
hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary
ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto.
21 Izao no lazain'i
Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata,
ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;
22 ary aza mitondra
entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha
akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
23 Nefa tsy nihevitra izy,
na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
24 Ary raha mihaino Ahy
tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity
tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,
25 izay mpanjaka sy
mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny
vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka
sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna
ity.
26 Ary ho avy ny olona
avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny
Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy ny tany havoana ary ny tany
atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra
hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao
an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]
27 Fa raha tsy mihaino
Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra
amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo
tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
*
1 [Fanoharana ny amin'ny
tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny tonga
tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Mitsangàna, ka
midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako
anao ny teniko.
3 Dia nidina tany
amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny
ankodina fanaovana izy.
4 Ary raha simba ny
vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny
mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga
hanaovana azy.
5 Dia tonga tamiko ny
tenin'i Jehovah hoe :
6 Moa tsy mahazo
manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i
Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia
toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
7 Vetivety* Aho dia
milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray
mipi-maso]
8 Nefa raha miala
amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay
nokasaiko hamelezako azy.
9 Ary vetivety kosa
Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
10 Nefa raha manao
izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa
izay nolazaiko hanasoavako azy.
11 Koa amin'izany,
lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay
hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy
tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
12 Nefa hoy ireo:
Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao
araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
13 Koa izao no
lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra
toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.
14 Hitsahatra tsy ho
eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho
ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
15 Fa efa nanadino
Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy* no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary
nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany
amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,[Heb;
zava-poana]
16 Mba hahatonga ny
taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra
mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
17 Toy ny
fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny
fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany
loza.
18 [Ny nitadiavan'ny
olona hamely an'i Jeremia, sy ny vavaka nataon'i Jeremia tamin'izany] Dia hoy
ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka
tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na
ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika* ho enti-mamely azy, ary aoka
tsy hohenointsika akory izay teniny.[Heb. lelantsika]
19 Mihainoa ahy,
Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
20 Ratsy va no havaly
ny soa? Fa efa nihady lavaka
hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy
hampiala ny fahatezeranao aminy.
21 Koa aoka ho mosarena
ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny
vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky
ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
22 Aoka hisy
fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any
aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady
nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
23 Fa Hianao, Jehovah ô,
no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny
helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo
anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
1 [Fanoharana ny amin'ny
tavoara vaky] Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary
makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,
2 dia mivoaha ho any
amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota*,
ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,[Harsota = tavim-bilany(?)]
3 ka ataovy hoe: Mihainoa
ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga
loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny
sofiny
4 satria efa nahafoy Ahy
izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato
ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny
mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity
5 ary nanorina ny
fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i
Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na
Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7 Ary hofoanako*
amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko
lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy
izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb.
hararako]
8 Ary ity tanàna ity dia
hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy
dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9 Ary hampihinaniko ny
nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny
nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny
fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10 Dia torotoroy eo
imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11 ka ataovy aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity
firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany
tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny
tsi-fisian-tany hafa handevenana.
12 Dia toy izany no
hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i
Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.
13 Ary ny tranon'i
Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i
Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony
ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho
an'izay andriamani-kafa.
14 [Ny faminanian'i
Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany
Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny
kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
15 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra
amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay
nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.
*
1 Ary Pasora, zanak'i
Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i
Jeremia naminany izany zavatra izany,
2 dia namely an'i
Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo
am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
3 Ary nony ampitso, dia
nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy
nataon'i Jehovah hoe Pasora* ny anaranao, fa Magora-misabiba**.[*Pasora =
fiadanana manodidina(?)][**Magora-misabiba = Fampangorohoroana manodidina]
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao
rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny
masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i
Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
5 Ary ny harena rehetra
amin'ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany
rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo
an-tànan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any
Babylona.
6 Ary ianao, ry Pasora,
sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any
Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao
mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
7 [Ny fitarainana
nataon'i Jeremia] Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka
resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
8 Fa na oviana na oviana
no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy
fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy
isan'andro.
9 Dia hoy izaho: Tsy
hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny
afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra
aho ka tsy mahazaka.
10 Fa reko ny
endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny,
hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay
hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy
hovaliantsika.
11 Kanefa Jehovah
momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina
ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy
hendry*. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy ambinina]
12 Fa Hianao,
Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy
ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
13 Mihirà ho an'i
Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny
tanan'ny mpanao ratsy.
14 Ho voaozona anie ny
andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina
anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!
15 Ho voaozona anie
ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin'ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka
nahafaly azy indrindra.
16 Aoka Izany
lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan'i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary
aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
17 Satria tsy
nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an'Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy
mandrakariva ny kibony.
18 Nahoana re aho no
nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany
aman-kenatra ny androko!
*
1 [Ny amin'ny
hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy
tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy
Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
2 Masìna ianao,
manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba
hialan'ireo aminay.
3 Dia hoy Jeremia
taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe:
4 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny
an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i
Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto
afovoan'ity tanàna ity ireo.
5 Ary Izaho no hiady
aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny
fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
6 Ary hamely ny mponina
amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana
izy.
7 Ary rehefa afaka
izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka
ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary
amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia
hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na
hamindra fo aminy.
8 Ary ity firenena ity
dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny
lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:
9 Izay mbola mitoetra
eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary
areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano
anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
10 Fa efa manandrina ity
tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.
11 Ary henoy ny tenin'i
Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.
12 Ry taranak'i Davida,
izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny
mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary
mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
13 Indro, hohatoniko
ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka,
hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay?
Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?
14 Fa hamaly anareo
araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny
alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
1 [Anatra mafy noho ny
faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny
tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2 Henoy ny tenin'i
Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i
Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto
vavahady ireto:
3 Izao no lazain'i
Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny
mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny
sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity
fitoerana ity.
4 Fa raha mankatò izany
teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly,
dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5 Fa raha tsy hihaino
izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho
lao tokoa ity trano ity.
6 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy
ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy
onenana.
7 Ary hanendry*
mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia
hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina]
8 Ary firenena maro no
handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah
no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
9 Dia hovaliana hoe:
Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany
tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10 Aza mitomany ny maty
ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo;
Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka
nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina
atỳ intsony izy,
12 Fa ho faty any
amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13 Lozan'izay
manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka
ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14 Sady manao hoe:
Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy
varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15 Moa dia ho
mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao
fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
16 Nitsara ny tenin'ny
ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no
fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17 Nefa tsy misy
alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny
fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18 Ary noho izany dia
izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy!
Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19 Halevina toy ny
fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i
Jerosalema.
20 Miakara any Libanona,
ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa
ringana avokoa ireo tia anao.
21 Efa niteny taminao
Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy
hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22 Ny mpitondra* anao
rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho
menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry
ondry]
23 Ry ilay mponina any
Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao*,
raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha
miteraka![Na: fahantranao]
24 Raha velona koa Aho,
hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza
ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo
ianao,
25 Ka hatolotro eo
an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
26 Ary ianao sy ny
reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka
any no hahafatesanareo.
27 Fa ny tany iriny
hiverenana dia tsy hiverenany.
28 Moa ity lehilahy
Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy
mahafinaritra va? Koa nahoana no
nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
29 Ry tany! ry tany!
ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.
30 Izao no lazain'i
Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy
hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina
Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda
intsony
1 [Faminaniana ny
amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo mpiandry
izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
2 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry
ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy
nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo,
hoe Jehovah
3 Ary Izaho hanangona
ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko
ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
4 Ary hanendry
mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po
intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
5 Indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana* marina ho an'i Davida, ka
hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny
tany.[Na: Solofo]
6 Amin'ny androny no
hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay
hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
7 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah,
Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
8 Fa izao kosa: Raha
velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika
azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay
nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
9 [Faminaniana ny
amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny
foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny
lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.
10 Fa feno
mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny
kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon*'ny olona, sady ny
tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']
11 Fa na mpaminany na
mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy* avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia
mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy]
12 Koa dia ho toy ny
lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao;
Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
13 Ary tamin'ny
mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy
ka nampivily ny Isiraely oloko,
14 Ary tamin'ny
mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy
mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy
tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma
raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
15 Koa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro,
hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny
mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany
rehetra.
16 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany
aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy,
fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
17 Milaza
mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita
fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe:
Tsy hisy loza hanjo anareo.
18 Fa iza moa no efa
isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny
teniny?
19 He! ny tadion'i
Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta
amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
20 Ny fahatezeran'i
Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny
fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21 Tsy naniraka ireo mpaminany
ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany
ihany izy.
22 Fa raha isan'ny
mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka
namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.
23 Moa Andriamanitra etỳ
akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24 Moa misy olona
mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy
Jehovah.
25 Efa reko ny nolazain'ny
mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy
aho.
26 Mandra-pahoviana?
Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky
ny fony va?
27 Ny hampanadino ny
oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny
nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?
28 Ny mpaminany izay
manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara
marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy
Jehovah.
29 Tsy tahaka ny afo
va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy
va?
30 Koa, indro, fa
hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny
namany avy.
31 Indro, hoy
Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
32 Indro, hasiako
izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko
amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy
azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
33 Ary raha manontany
anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no
entan*'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy
Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]
34 Ary ny mpaminany
sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia
hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
35 Samia manontany
amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah?
Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
36 Fa ny hoe: Ny
entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany
no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona,
dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.
37 Izao no hanontanianareo*
amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i
Jehovah?[Heb. hanontanianao]
38 Fa raha hoy ianareo:
Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe:
Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao
hoe: Ny entan'i Jehovah,
39 Dia, indro, hanadino
anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny
razanareo tsy ho eo anatrehako;
40 Ary hataoko mihatra
aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay
tsy hohadinoina.
*
1 [Ny amin'ny aviavy roa
sobiky] Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka
teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny
Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo
ho any Babylona.
2 Ny sobiky iray dia
nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky
anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny
haratsiny.
3 Dia hoy Jehovah
tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa
dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny
haratsiny.
4 Ary tonga tamiko
indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko
ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany
ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
6 Fa hojeren'ny masoko
izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka
tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
7 Ary homeko fo
hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho
Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
8 Ary ny amin'ny aviavy
ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah:
Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary
izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay
mitoetra any amin'ny tany Egypta,
9 eny, hatolotro ho
mpanjenjena* sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy,
ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany
rehetra izay handroahako azy.[Na: ho fampangovitana]
10 Ary hampameleziko azy
ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho
amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
*
1 [Ny handravan'i
Babylona ny Joda sy ny firenena manodidina, ary ny loza hanelezana an'i
Babylona sy ny firenena hafa rehetra] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny
amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i
Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona
2 dia izay nolazain'i
Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany
Jerosalema hoe:
3 Hatramin'ny taona
fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka
mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no
nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha
maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4 Ary Jehovah naniraka
ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka
naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5 Samia miala amin'ny
lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any
amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho
mandrakizay.
6 Ary aza manaraka
andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra
Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7 Nefa tsy nihaino Ahy
ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo
hahitanareo loza.
8 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9 dia, indro,
hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny
mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako
tokoa* ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.[Heb.
hataoko herema]
10 Ary hatsahatro eo
aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny
feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
11 Ary ity tany rehetra
ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny
mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
12 Ary rehefa tapitra ny
fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy
izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko
rava mandrakizay.
13 Ary hotoviko
amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia
izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely
ny firenena rehetra.
14 Fa ireo kosa indray
dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny
ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.
15 Fa izao no nolazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny
divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay
anirahako anao.
16 Ary hisotro izy ka
hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17 Dia noraisiko ny
kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay
nanirahan'i Jehovah ahy,
18 dia Jerosalema sy ny
tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy
ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio
izao;
19 ary Farao,
mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany
rehetra,
20 ary ny olona samy
hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka
rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa
any Asdoda;
21 ary Edoma sy Moaba
sy ny taranak'i Amona,
22 ary ny mpanjaka
rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy*
any an-dafin'ny ranomasina;[Na: amoron-tsiraka]
23 ary Dedana sy Tema
sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24 ary ny mpanjaka
rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay
monina any an-efitra;
25 ary ny mpanjaka
rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any
Media,
26 ary ny mpanjaka
rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny
fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny
mpanjakan'i Sesaka* koa dia hisotro manaraka ireo.[Sesaka = Babela]
27 Koa lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely:
Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony
noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28 Ary raha tsy mety
mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29 Fa, indro, ao
amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny
fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa
hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
30 Koa maminania
aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any
ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy
amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka,
hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
31 Mihatra amin'ny
faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena;
Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny
sabatra, hoy Jehovah.
32 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa,
ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
33 Ary amin'izany
andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny
tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na
halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
34 Midradradradrà,
ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny
amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka
hianjera toy ny fanaka tsara.
35 Ny mpiandry ondry
tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36 Injany! misy feo
fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa
nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37 Ary efa tonga lao
ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
38 Nandao ny fiereny
toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory
sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.
*
1 [Ny niampangana
an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i
Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy
tamin'i Jehovah nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny
tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny
rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray
akory aza.
3 Fa angamba hihaino
ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay
kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.
4 Ary lazao aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha
araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
5 ary tsy mihaino ny
tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa
Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
6 dia hataoko tahaka
an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra
ambonin'ny tany ity tanàna ity.
7 Ary ny mpisorona sy
ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo
teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.
8 Koa nony efa
tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny
vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka
rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
9 Nahoana ianao no
naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary
ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia
tao an-tranon'i Jehovah.
10 Fa nony ren'ny
mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny
mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny
vavahady vaovaon'i Jehovah.
11 Ary ny mpisorona sy
ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka
tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity
izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
12 Dia nilaza tamin'ny
mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy
haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.
13 Koa ankehitriny
ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah
Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana
anareo.
14 Fa ny amiko, dia,
indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy
marina.
15 Kanefa mihevera
tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy
amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka
ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
16 Dia hoy ny mpanapaka
sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka
tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika
no nitenenany tamintsika.
17 Dia nisy nitsangana
ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
18 Mika Morastita dia
naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda
rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina
toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra
misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
19 Moa namono azy va
Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va
izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa
nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe
amin'ny tenantsika.
20 Ary nisy lehilahy
anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i
Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity
tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
21 Ary nony ren'i
Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady
hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka
nandositra, ary tonga tany Egypta;
22 ary Joiakima mpanjaka
naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona
sasany nanaraka ny hankany Egypta.
23 Ary Oria dia
nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary
izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny
fasam-bahoaka.
24 Nefa ny tànan'i
Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo
an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
*
1 [Ny amin'ny zioga
hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny
namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i
Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao
tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
2 Izao no nolazain'i
Jehovah tamiko: Manaova famatorana* sy zioga ianao, ka ataovy eo
am-bozonao,[Na: kofehy]
3 ary ampanatero any
amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny
mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny
mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ
amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda;
4 ary asaovy lazainy
amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo:
5 Izaho no nanao ny tany
sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny
sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.
6 Ary ankehitriny Izaho
dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko
hanompo azy koa.
7 Ary ny firenena rehetra
dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana
hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka
lehibe izy.
8 Ary izay firenena na
fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy
mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia
hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena
izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.
9 Ary aza mihaino ny
mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny
mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny
mpanjakan'i Babylona ianareo.
10 Fa lainga no
vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia
horoahiko ianareo ka ho ringana.
11 Fa izay firenena
mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo
azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady
honina ao izy.
12 Ary Zedekia, mpanjakan'ny
Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo
amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny
vahoakany, dia ho velona ianareo.
13 Nahoana no ho
fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao
mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy
mety manompo ny mpanjakan'i Babylona?
14 Koa aza mihaino ny
tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona
ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.
15 Fa tsy naniraka azy
Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba
handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany
izay maminany aminareo.
16 Ary ny mpisorona sy
ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza
mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny
fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no
vinaniny aminareo.
17 Aza mihaino azy, fa
manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava
ity tanàna ity?
18 Fa raha mpaminany
tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i
Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka
sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato
Jerosalema
19 Fa izao ny lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe* sy ny
fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna
ity,[Heb. ranomasina]
20 dia izay tsy nalain'i
Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i
Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona,
mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema,
21 eny, izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa
ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema:
22 Ho any Babylona no
hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako
azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna
ity.
1 [Ny faminanian'i
Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona
izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania,
zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo
anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny
mpanjakan'i Babylona,
3 ka ao anatin'ny roa
taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i
Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna
ity ka nentiny ho any Babylona:
4 ary Jekonia, zanak'i
Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany
Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny
ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.
5 Dia hoy Jeremia
mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka
rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,
6 Eny, amena! hoy
Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny
teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah
mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity
indray.
7 Kanefa kosa mba
henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8 Ny mpaminany izay tany
alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary
areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9 Ny amin'ny mpaminany
izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany
nirahin'i Jehovah tokoa izy.
10 Dia nesorin'i Hanania
mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
11 Ary Hanania niteny
teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no
hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny
vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia
mpaminany.
12 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka
tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
13 Mandehana, ka lazao
amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa
zioga vy kosa no hataonao solony.
14 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko
tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia
nomeko azy koa.
15 Dia hoy Jeremia
mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao
Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.
16 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no
hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao
17 Ka dia maty tamin'ny
volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
*
1 [Taratasy
nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no
fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema
ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny
mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy
tany Jerosalema ho any Babylona
2 (rehefa lasa niala
tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny
Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
3 dia ilay teny
nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay
nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
4 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay
natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
5 Manaova trano ianareo,
ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
6 Manambadia, ka
miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio
ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie
ianareo, fa tsy hihavitsy.
7 Ary katsaho izay
hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i
Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
8 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny
mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny
nofinareo izay nofisinareo*.[Na: izay nampanonofisinareo]
9 Fa lainga no vinaniny
aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
10 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy
anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity
tany ity ianareo.
11 Fa Izaho mahalala ny
hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy
loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy
fanantenana]
12 Ary hiantso Ahy
ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
13 Ary hitady Ahy
ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
14 Eny, ho hitanareo
Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko
avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay
nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa
nanolorako anareo hobaboina.
15 Fa hoy ianareo:
Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
16 Fa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida
sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny
rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
17 izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary
ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo
hanina noho ny haratsiny izy.
18 Ary henjehiko amin'ny
sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena*
any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy
zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy[Na:
ho fampangovitana]
19 noho ny tsy
nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko
ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino
ianareo, hoy Jehovah.
20 Koa mihainoa ny
tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ
Babylona.
21 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i
Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo
amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
22 Ary izy roa lahy dia
hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe:
Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i
Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
23 noho ny nanaovany
izay fady indrindra* tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny
vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako
azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana]
24 Ary Semaia Nehelamita
dia hilazanao hoe:
25 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao
taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy
amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa
koa nanao hoe:
26 Jehovah efa nanao
anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho
mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao
azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
27 koa nahoana ianao no
tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany
aminareo?
28 Fa naniraka ho aminay
any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano
ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
29 Ary Zefania mpisorona
namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
30 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
31 Maniraha ho any
amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i
Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko
izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga
32 dia izao no lazain'i
Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy
hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana
amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana
tamin'i Jehovah no notoriny.
*
1 [Ny hampodiana ny
voninahitry ny Isiraely, sy ny hampijaliana izay nampahory azy] Izao no teny
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay
efa nolazaiko taminao.
3 Fa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy
amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa
nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
4 Ary izao no teny izay
nolazain'i Jehovah ny amin'ny Isiraely sy ny Joda,
5 eny, izao no lazain'i
Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
6 Anontanionareo ka
izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery
ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza
iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
7 Indrisy! fa lehibe
izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba
izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.
8 Fa amin'izany andro
izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny
vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary
ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy]
9 Fa ianao hanompo
an'i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho
anao.[Heb. Mpanjakany]
10 Koa aza matahotra
ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa,
indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin'ny tany
izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy
hisy hanaitaitra azy.
11 Fa momba anao
hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay
nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny
antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
12 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
13 Tsy misy
handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny
ferinao ianao*.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao,
Ary tsy, manana plasitera fanasitranana ianao]
14 Ireo tia anao dia
efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin'ny fahavalo no
namelezako anao, dia ny famaizan'ny lozabe, noho ny habetsahan'ny helokao sy ny
hamaroan'ny fahotanao.
15 Nahoana ianao no
mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo
atsahatra? Fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no
nanaovako izany taminao.
16 Koa izay rehetra
mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko
babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia
hatolotro horobaina.
17 Fa hotanterahiko
ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny
nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
18 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, ary ny
fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin'ny havoany, ary ny
lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy.
19 Ary hisy fisaorana
sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady
hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
20 Ny zanany koa ho
tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia
hovaliako izay rehetra mampahory azy.
21 Ary ilay malazany
dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa;
Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny
ainy* ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.[Heb. fony]
22 Ary ianareo ho oloko,
ary Izaho ho Andriamanitrareo.
23 He! ny tadion'i
Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny
lohan'ny ratsy fanahy.
24 Ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny
hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
1 [Ny famindram-po ho
an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy
Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho
oloko.
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra;
Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha
Aho ka nanome]
3 Tany lavitra any* no
nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako
anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]
4 Mbola hanorina anao
indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka
mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
5 Mbola hanao
tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia
hamboly sady hihinana ny vokatra.
6 Fa mbola hisy andro
hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana
ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah
Andriamanitsika.
7 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny
amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô,
vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
8 Indro, hitondra azy
avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny
tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay
manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
9 Amin'ny fitomaniana no
hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny
renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa
Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
10 Mihainoa ny tenin'i
Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any
lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy
indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
11 Fa Jehovah efa
nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy.
12 Ka dia ho avy ireny
ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny
zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny
zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly
vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
13 Ary amin'izany dia ho
faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa
hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho
afaka alahelo.
14 Dia hovokisako
zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy
Jehovah.
15 Izao no lazain'i
Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra;
Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany,
satria lany ritra ireny.
16 Izao no lazain'i
Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny
tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo
ireny.
17 Ary misy fanantenana
ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny
taniny indray.
18 Efa reko tokoa
Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy
kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah
Andriamanitro.
19 Nony efa niverina
tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny
toe-tenako aho, dia niteha-tratra*; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny
tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe]
20 Zanako mahafinaritra
va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny
mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko*; Hamindra fo aminy tokoa
Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko]
21 Manangàna
famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana
efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely
virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto.
22 Mandra-pahoviana no
hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao
amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
23 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao
amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy
amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny
fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24 Ary ny Joda sy ny
tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy
mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.
25 Fa ny fanahy ana dia
hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26 Ary tamin'izay dia
nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
27 Indro, avy ny andro,
hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny
taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28 Ary toy ny niambenako
azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy
izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29 Amin'izany andro
izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy,
ka ny nifin'ny zanany no madilo.
30 Fa ny olona rehetra
samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia
izy ihany no hadilo nify.
31 Indro, avy ny andro,
hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny
taranak'i Joda,
32 Nefa tsy araka ny
fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko,
Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony]
33 Fa izao no fanekena
havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah:
Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho
Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34 Ary samy tsy
hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i
Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka
hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy
hotsarovako intsony ny fahotany.
35 Izao no lazain'i
Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny
filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja
ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no
anarany:
36 Raha miova eo
anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo
anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely.
37 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny
tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay
rehetra nataony, hoy Jehovah.
38 Indro, avy ny andro,
hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny
tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
39 Ary ny famolaina dia
mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, dia
hasangodina ho any Goa;
40 Ary ny lohasaham-paty
sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka
hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i
Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
*
1 [Ny nividianan'i
Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no
teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo
nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i
Nebokadnezara.
2 Fa tamin'izany no
nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary
Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo
amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
3 Fa Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe:
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona
ity tanàna ity, ka ho afany;
4 ary Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra
eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy
sady hifankahita maso aminy;
5 ary ho any Babylona no
hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na
dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6 Ary hoy Jeremia:
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
7 Indro Hanamela,
zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny
sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
8 Ary Hanamela,
zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana
araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay
ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky
tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i
Jehovah izany.
9 Ary novidiko
tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary
nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.
10 Ary nosoratako
tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary
nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.
11 Ka dia noraisiko
ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase
araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
12 dia natolotro an'i
Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena
tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo
anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny
vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny
trano fiambenana.
13 Ary nandidy an'i
Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:
14 Izao no lazain'i
Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto,
dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy
tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy
mba haharitra ela.
15 Fa izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano
sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.
16 Ary rehefa
voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny
vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:
17 Indrisy, Jehovah
Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe
sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
18 Mamindra fo
amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny
zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny
maro, no anarany,
19 lehibe amin'ny
fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny
zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny
vokatry ny asany,
20 dia Ilay nanisy
famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na
ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao
tahaka ny amin'izao anio izao.
21 Ary nitondra ny
Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny
famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary
ny fampahatahorana lehibe,
22 ka dia nanome azy
ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia
tany tondra-dronono sy tantely.
23 Ary tonga teto
izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny
lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony
izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24 Indro, ny
tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia
atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary
sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny
masonao izany.
25 Ary Hianao,
Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary
makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny
tanàna.
26 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
27 Indro, Izaho no
Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko
va?
28 Koa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity
sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.
29 Ary ny Kaldeana,
izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro
azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho
an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba
hampahatezitra Ahy.
30 Fa izay ratsy eo
imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony
ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny
tànany, hoy Jehovah.
31 Fa ity tanàna ity
dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy
ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32 noho ny ratsy
rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany
sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny
Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33 Fa efa niamboho
Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha
maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
34 Fa nametraka ny
fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany
azy;
35 ary nanorina ny
fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba
hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay
tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany
fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36 Koa noho izany dia
izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity,
izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny
sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37 Indro izy
hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny
fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity
tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
38 ary izy ho oloko, ary
Izaho ho Andriamaniny.
39 Dia homeko fo iray sy
lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby
azy;
40 dia hanao fanekena
mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny
fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
41 Eny, ho faly aminy
Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko
rehetra sy ny fanahiko rehetra.
42 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity
firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay
nokasaiko* ho azy.[Heb. nolazaiko]
43 Ary mbola hisy
fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy
olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.
44 Eny, saha no
hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary
hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i
Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany
havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* ary amin'ny
tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy
Jehovah.[Heb. Sefela]
1 [Teny anankiray koa ny
amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony] Ary
tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo
an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy;
Jehovah no anarany;
3 Antsoy Aho, dia
hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy
fantatrao.
4 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny
amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny
sabatra,
5 Raha mandroso hiady
amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko
tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity
tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6 Dia, indro,
hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko
aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7 Ary ny Joda sy ny
Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha
izy.
8 Ary hodioviko ho afaka
amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony
rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
9 Ary ho anarana
mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra
ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy
hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko
aminy.
10 Izao no lazain'i
Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka
tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao
amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na
biby fiompy
11 Ny feo mifaly sy ny
feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny
feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa
mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao
an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany*, hoy
Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana]
12 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby
fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry
hampandriany ny ondry aman'osiny,
13 Dia amin'ny tanàna
any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka
amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny
Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanànan'ny Joda,
ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy
Jehovah.
14 Indro, avy ny andro,
hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny
aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
15 Amin'izany andro
izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana* marina ho an'i Davida
Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.[Na: Solofo]
16 Amin'izany andro
izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana
azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny
taranak'Isiraely;
18 Ary ny Levita
mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra
dorana sy fanatitra hohanina* ary fanatitra hafa alatsa-drà.[Na: sy handoroany
fanatitra hohanina]
19 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
20 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny
alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
21 Dia ho azo foanana
koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo
amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22 Toy ny hamaroan'ny
kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny
ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i
Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24 Tsy hitanao va izay
nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia
efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo
imasony intsony izy.
25 Izao no lazain'i
Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy
notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
26 Dia hariako ny
taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho
mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny
fahababoana izy ka hamindrako fo.
* *
1 [Faminaniana ny
amin'ny hanjo an'i Zedekia, sy fananarana ny olona noho izy nanandevo indray
izay efa novotsorany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah,
fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny
fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay
namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro,
hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany
amin'ny afo izy;
3 ary ianao tsy ho
afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany;
ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika
aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
4 Nefa henoy ny tenin'i
Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy
ho fatin-tsabatra ianao.
5 fa amin'ny fiadanana
no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny
nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao,
ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza
izany, hoy Jehovah.
6 Dia nolazain'i Jeremia
mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda. tany Jerosalema izany teny
rehetra izany.
7 fony ny miaramilan'ny
mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa
rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny
tanànan'ny Joda.
8 Izao no teny tonga
tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka
rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
9 mba samy handefa ny
ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka,
mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
10 Ka dia nanaiky ny
mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny
ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony;
eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
11 Kanjo taorian'izany
dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa
nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny
indray.
12 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo
tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala
tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
14 Isam-pito taona samia
mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao
enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka
nanongilana ny sofiny.
15 Ary nibebaka ianareo
androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana,
samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia
tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
16 kanjo nivadika indray
ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny
ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy
ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
17 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny
rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo
kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny
mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin*'ny fanjakana rehetra amin'ny
tany ianareo.[Na: ho fampangovitana]
18 Ary hatolotro ny
olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay
nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny
tapany izy,
19 eny, hatolotro ny
mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona
ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
20 dia hatolotro eo
an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny
voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
21 Ary Zedekia,
mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy
eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i
Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
22 Indro, handidy Aho,
hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka
ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy
hisy mponina.
*
1 [Ny amin'ny Rekabita]
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i
Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
2 Mankanesa any amin'ny
taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao
amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
3 Dia nalaiko Jazania,
zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra
mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
4 ka nampidiriko ho ao
amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana
zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny
mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry
varavarana.
5 Ary norosoako kapoaka
sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe:
Misotroa divay ianareo.
6 Fa hoy kosa ireo: Tsy
hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay
hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
7 ary aza manao trano
ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany
akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona
ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
8 Dia nankatoavinay
izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra
nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na
ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
9 ary tsy hanao trano
hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
10 fa efa nitoetra an-day
izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
11 Fa raha nananika ny
tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany
Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka
dia izany no itoerany eto Jerosalema.
12 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda
sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va
ianareo? hoy Jehovah.
14 To ny tenin'i
Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy
misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa
niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino
ianareo.
15 Nirahiko taminareo
koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka
azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary
ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia
honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy
nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
16 Eny, nankatoavin'ny
zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity
firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
17 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko
mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay
nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary
niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
18 Ary ny taranak'i
Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo
sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra
nanafarany anareo,
19 dia izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba,
tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
*
1 [Ny nanoratana ny
tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny
taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia
tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:
2 Makà horonan-taratasy
ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny
Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao
dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
3 Angamba hoheverin*'ny
taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny
lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb. hohenoin']
4 Ary Jeremia niantso
an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny
horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia
izay efa nolazainy taminy.
5 Ary Jeremia nandidy
an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i
Jehovah;
6 fa mandehana ianao, ka
vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro
fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako,
ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
7 Fa angamba ny fifonany
hoborahina* eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy
izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny
amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka]
8 Ary Baroka, zanak'i
Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky
ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
9 Fa tamin'ny volana
fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia,
mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy
tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa
tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.
10 Dia novakin'i Baroka
teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia
tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana
mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny
tranon'i Jehovah.
11 Ary nony ren'i
Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny
boky,
12 dia nidina nankany
amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary
indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia,
zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy
Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
13 Dia nambaran'i Mikaia
azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo
anatrehan'ny vahoaka.
14 Dia nirahin'ny
mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho
any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay
novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka,
zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
15 Ary hoy izy Ireo
taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo
anatrehany.
16 Ary rehefa reny ny
teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka:
Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17 Ary Baroka dia
nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny
vavany.
18 Dia hoy Baroka
taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia
nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
19 Dia hoy ny mpanapaka
tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona
hahita izay itoeranareo.
20 Dia niditra tao
amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa
napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo
anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
21 Ary nirahin'ny
mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny
efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny
mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka
izany.
22 Ary ny mpanjaka
nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo
nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23 Ary nony efa namaky
toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny
horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana,
mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
24 Nefa ny natahotra
akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony
rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
25 Ary na dia efa nifona
tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny
horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
26 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia,
zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa
nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
27 Dia tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny
horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i
Jeremia, nanao hoe:
28 Makà horonan-taratasy
hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny
horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.
29 Ary ny amin'i
Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah:
Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao
tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy
hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
30 Koa izao no lazain'i
Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo
amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny
hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
31 Ary hampijaliko izy
mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy
amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza
rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
32 Ary Jeremia dia naka
horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria,
ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao
amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo;
sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
*
1 [Ny nangatahan'i
Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny
nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i
Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
2 nefa na izy, na ny
mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay
nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.
3 Ary Zedekia mpanjaka
naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia,
mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i
Jehovah Andriamanitsika re izahay.
4 Ary Jeremia mbola
niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao
an-trano-maizina izy.
5 Ary efa niainga avy
tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao
fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
6 Dia tonga tamin'i
Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:
7 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny
Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny
miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta
taniny;
8 fa ho avy indray ny
Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.
9 Izao no lazain'i
Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny
Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10 Fa na dia mamely ny
miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay
voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka
handoro ity tanàna ity amin'ny afo.
11 Ary raha niala tany
Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,
12 dia nivoaka Jeremia
avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany
eo amin'ny vahoaka.
13 Ary raha tonga teo
am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe
Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia
mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.
14 Fa hoy Jeremia:
Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka
dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.
15 Ary tezitra tamin'i
Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina
tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
16 Ary nony tafiditra
tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao
andro maro,
17 dia naniraka haka azy
Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao
hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy;
ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.
18 Ary hoy koa Jeremia
tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny
mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina
aho?
19 Aiza moa ireo
mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na
hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?
20 Koa trarantitra
ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto
anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana
mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
21 Dia nasain'i Zedekia
mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy
nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo
izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia
teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
1 [Ny nitoeran'i Jeremia
tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia, zanak'i
Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora,
zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka
rehetra nanao hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary
areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa
ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
3 Izao no lazain'i
Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i
Babylona tokoa ka ho afany.
4 Dia hoy ny mpanapaka
tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa
mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona
rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy
ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy
kosa.
5 Dia hoy Zedekia
mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na
inona hisakana anareo.
6 Ary naka an'i Jeremia
izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia,
zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy
tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka
fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
7 Ary Ebeda-meleka
Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny
nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny
vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
8 dia nivoaka avy tao
an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
9 Ry tompokolahy
mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia
mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay
itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
10 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao
hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty
izy.
11 Ary Ebeda-meleka
nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny
mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba
tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao
amin'i Jeremia.
12 Dia hoy Ebeda-meleka
Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy
vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
13 ka dia nosintoniny
tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra
teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
14 Ary Zedekia mpanjaka
naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana
fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia:
Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
15 Ary hoy Jeremia
tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na
dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
16 Ary Zedekia mpanjaka
nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay
nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao
eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
17 Dia hoy Jeremia tamin'i
Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny
Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa
ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa
ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
18 fa raha tsy mivoaka
hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo
an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho
afa-mandositra ny tànany ianao.
19 Ary hoy Zedekia
mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho,
fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
20 Fa hoy Jeremia: Tsy
hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah,
izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
21 Fa raha tsy mety
mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
22 Indreo, ny vehivavy
rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho
any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao
hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao
amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
23 Ny vadinao rehetra sy
ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho
afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho
ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.
24 Dia hoy Zedekia
tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty
ianao.
25 Fa raha ren'ny
mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe:
Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay,
fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
26 dia ataovy aminy hoe:
Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho
faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
27 Ary nankany amin'i
Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay
teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo,
ka dia tsy re ny raharaha.
28 Ary Jeremia nitoetra
teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana
an'i Jerosalema.
*
1 [Ny nanafahana an'i
Jerosalema, sy ny nanjo an'i Zedekia, ary ny nanesorana an'i Jeremia tao
an-davaka, sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazainy tamin'i Ebeda-meleka] Ary
rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy
nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao
fahirano azy;
2 ary nony tamin'ny
andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo
nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
3 dia niditra ny
mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady
ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy
Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny
mpanjakan'i Babylona.
4 Ary rehefa nahita ireo
Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa
nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny
mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka
nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
5 Fa ny miaramilan'ny
Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any
Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao
izy.
6 Ary ny zanakalahin'i
Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary
ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.
7 Ary nopotsiriny ny
mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any
Babylona.
8 Ary nodoran'ny
Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny
mandan'i Jerosalema noravany.
9 Ary ny olona sisa tao
an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
10 Nefa ny olona
malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny
tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
11 Ary Nebokadnezara,
mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny
amin'i Jeremia nanao hoe:
12 Ento izy, ka tandremo
tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
13 Ary Nebozaradana,
lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera,
Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra
14 dia naniraka haka
an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia,
zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia
nitoetra tao amin'ny olona.
15 Ary tonga tamin'i
Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny
trano fiambenana ihany, nanao hoe:
16 Mandehana, ka lazao
amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko
hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro
izany.
17 Nefa hovonjeko ianao
amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona
izay atahoranao.
18 Fa hovonjeko tokoa
ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky
Ahy, hoy Jehovah.
*
1 [Ny nanafahana an'i
Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i
Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy
tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina,
azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao
amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany
Babylona.
2 An'ny lehiben'ny
mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao
nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
3 Ary Jehovah nahatonga
izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny
tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4 Ary, indro,
ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao
kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara
ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia
mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao
sy sitrakao no andehano.
5 Ary raha tsy mbola
nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia,
zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho
mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana
any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina
vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6 Ary Jeremia nankany
amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny
vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
7 Ary raha ren'ny
mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny
mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka
ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny
malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
8 dia tonga tany amin'i
Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana,
zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary
Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9 Ary Gedalia, zanak'i
Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao
hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny
mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
10 Ary ny amiko, dia,
indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa
ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka
ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.
11 Ary koa, ny Jiosy
rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay
tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny
Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana,
ho mpanapaka azy,
12 dia niverina ny Jiosy
rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany
amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy
voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
13 Ary Johanana, zanak'i
Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany
amin'i Gedalia tany Mizpa
14 ka nanao taminy hoe:
Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka
an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i
Ahikama.
15 Ary Johanana, zanak'i
Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao,
aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona
hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny
Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny
Joda?
16 Fa hoy Gedalia,
zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa
miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
1 Ary tamin'ny volana
fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela,
zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny
mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa
izy.
2 Dia nitsangana
Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely
sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa
nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
3 Ary ny Jiosy rehetra
izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita
tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
4 Ary nony ampitson'ny
andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
5 dia nisy valo-polo
lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady
voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy
ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
6 Ary Isimaela, zanak'i
Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny
ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe:
Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
7 Ary nony tonga tao
afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny
olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
8 Fa nisy folo lahy
tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any
an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia
nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
9 Ary ilay lavaka
nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i
Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny
Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
10 Ary nentin'Isimaela
ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na
ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny
mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania,
nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona
izy.
11 Fa nony ren'i
Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny
ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
12 dia novoriny ny olona
rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo
amoron'ny kamory* ao Gibeona izy.[Heb. ny rano be]
13 Ary ny olona rehetra
izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy
ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14 Ary ny olona rehetra
izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona
an'i Johanana, zanak'i Karea.
15 Fa Isimaela, zanak'i
Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa
nankany amin'ny taranak'i Amona.
16 Ary Johanana, zanak'i
Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona
rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany
Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy
mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany
Gibeona;
17 ary dia lasa izy ireo
ka nitoetra tao Gerota-kimama*, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany
hankany Egypta.[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama]
18 tsy ho tratry ny
Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono
an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho
mpanapaka ny tany.
1 [Ny nangatahan'ny
Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia
tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny
mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i
Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
2 ka niteny tamin'i
Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny
fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto
sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka
izao hitan'ny masonao izao),
3 mba hambaran'i Jehovah
Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
4 Dia hoy Jeremia
mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah
Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i
Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
5 Dia hoy izy tamin'i
Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha
tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao
aminay izahay.
6 Na ho soa, na ho
ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao,
mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
7 Ary nony afaka
hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
8 Ary izy niantso an'i
Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy
mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
9 ka nanao taminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy
mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka]
10 Raha mbola honina
amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary
hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako
anareo.
11 Aza matahotra ny
mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa
momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.
12 Ary hataoko mahita
famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any
amin'ny taninareo.
13 Fa raha hoy kosa
ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo,
14 fa manao hoe: Tsia;
fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na
handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
15 dia mihainoa ny
tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i
Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany
Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
16 dia hahatratra anareo
any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay
ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
17 Ary ny olona rehetra
izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary
ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay
hataoko mihatra aminy.
18 Fa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny
fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany
no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho
fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy
hahita ity tany ity intsony.
19 Jehovah efa nilaza ny
aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho
fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
20 Kanjo efa nivily
ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah
Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re
izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay,
fa hataonay.
21 Ary efa nambarako
taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo
ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
22 Koa aoka ho
fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana
ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
1 [Ny nandosiran'ny
olona nankany Egypta, sy ny teny nampilazain'Andriamanitra ny amin'ny
handresen'ny Kaldeana an'i Egypta] Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia
tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny
izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
2 dia niteny Azaria,
zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra
ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah
Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
3 fa Baroka, zanak'i
Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny
Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
4 Ary Johanana, zanak'i
Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy
nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
5 Fa Johanana, zanak'i
Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny
Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao
amin'ny tanin'ny Joda,
6 dia ny lehilahy sy ny
zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay
navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i
Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i
Neria
7 ka dia nankany amin'ny
tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany
Tapanesa.
8 Dia tonga tamin'i
Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
9 Mitondrà vato lehibe
eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo
akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy
amin'ny Joda,
10 ka lazao aminy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho
haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka haoriko
amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany
tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
11 Eny, ho avy izy
hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny
areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana,
ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
12 Ary handrehitra afo
ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny
ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny
lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.
13 Ary hotorotoroiny ny
tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany
amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.
*
1 [Fananarana ny Jiosy
any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny
Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola
sy Tapanesa sy Memfisa*, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb. Nofa]
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza
rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra;
ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao
aminy,
3 noho ny ratsy nataony
hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo
andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.
4 Ary naniraka ny
mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka
naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako
izany.
5 Nefa tsy nihaino izy
na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo
manitra ho an'andriamani-kafa.
6 Ka dia naidina ny
fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny
amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny
amin'izao anio izao.
7 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no
anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy
sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy
hahamisy miangana anareo,
8 noho ny
ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo
manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo
hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho
fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?
9 Moa hadinonareo va ny
ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo
sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny
lalamben'i Jerosalema?
10 Tsy mbola torotoro fo
izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko
sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.
11 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo
Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
12 Ary halaiko ny sisa
amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany
ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny
sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra
sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary
fandatsa.
13 Fa hovaliako izay
monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny
sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
14 Ary na sisa amin'ny
Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho
tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany,
afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
15 Ary ny lehilahy
rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho
an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be
dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa,
dia namaly an'i Jeremia hoe:
16 Raha ny amin'ilay
teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
17 Fa hataonay tokoa ny
teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho
an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny
efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny
tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky
hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
18 Fa hatrizay
nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra
na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na
inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.
19 Ary raha nandoro
ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina
fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo
hasiana ny sariny* sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho
enti-mivavaka aminy]
20 Ary hoy Jeremia
tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra
izay efa namaly azy:
21 Ny nandoroanareo
ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema,
dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo
mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy
va?
22 Ka dia tsy
nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny
fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy
ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio
izao.
23 Noho ny nandoroanareo
ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i
Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony
ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao
anio izao,
24 Ary hoy koa Jeremia
tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i
Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:
25 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo
samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao
hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho
an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny,
hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
26 Koa henoinareo ny
tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro
Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny
vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao
hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
27 Indro, miambina
anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda,
izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary
mandra-pahalany ritrany.
28 Ary izay
afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any
amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda
rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho
tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
29 Ary izao no famantarana
ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba
hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
30 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny
fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i
Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
*
1 [Teny
nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka] Ny teny izay nataon'i
Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny
ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra
nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
3 Hoy ianao: Idiran-doza
aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento
aho ka tsy mahita fitsaharana.
4 Lazao aminy hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa
namboleko, dia izao tany rehetra izao.
5 Mitady zavatra lehibe
ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo
rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any
amin'izay rehetra nalehanao.
* *
1 Ny tenin'i Jehovah
Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.
2 [Faminaniana ny amin'i Egypta] Ny amin'i Egypta. Ny
amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata,
tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny
taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
3 Mitaova amin'ny
ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4 Fehezo amin'ny kalesy
ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka
samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo
fiarovan-tena.
5 Indrisy ny ahitako
azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady
miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana
manodidina, hoy Jehovah.
6 Tsy ho afa-mandositra
ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony
Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7 Iza moa izato mizotra
tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8 Egypta mizotra tahaka
an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra
aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9 Miakara, ianareo
soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy
mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana*, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana**,
izay mitana sy manenjana tsipìka.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]
10 Fa izao andro izao
dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony;
Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia
Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany
avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
11 Miakara any Gileada,
ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody
maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,
12 Efa ren'ny firenena
ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy
mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13 Ny teny izay
nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14 Ambaraonareo any
Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy
hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny
sabatra.
15 Nahoana no voapaoka
ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
16 Efa nahatafintohina
ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika
hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho
afaka amin'ny sabatra mandoza,
17 Nitaraina tany izy
hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
18 Raha velona koa Aho,
hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara
amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho
tahaka izany no hihaviany.
19 Ry Egypta zanakavavy
mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany
lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20 Egypta dia tahaka ny
ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny
fihitra avy any avaratra!
21 Na dia ny olona
karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia
mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny
andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22 Ny feony dia toy ny
fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy
hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23 Kapainy ny alany, hoy
Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo
isaina.
24 Ho afa-baraka Egypta
zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.
25 Ary hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô
Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay
rehetra matoky azy;
26 Ary hatolotro eo
an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay*
toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray]
27 Fa aza matahotra
ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro,
hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany
nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy
hisy hanaitaitra azy.
28 Aza matahotra ianao,
ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny
firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba
hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
1 [Faminaniana ny
amin'ny Filistina] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny
amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.
2 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria
manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay
monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina
rehetra amin'ny tany.
3 Noho ny fikatrokatroky
ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny
fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy
tanana,
4 Noho ny hihavian'ny
andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra
amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny
sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
5 Voaharatra Gaza,
ringana* Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola
hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]
6 Indrisy ry sabatr'i
Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao
ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
7 Hataony* ahoana no
fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny
amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
1 [Faminaniana ny amin'i Moaba] Ny amin'i Moaba. Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo,
fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba* sady
raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]
2 Tsy misy ho
reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe:
Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena,
Hanenjika anao ny sabatra.
3 Injay! misy feo
fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4 Rava Moaba, ny
madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5 Fa miakatra mitomany
lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany
Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6 Mandosira, vonjeo ny
ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra* any an-efitra ianareo.[Na: ny
anjavidy]
7 Fa noho ny nitokianao
tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho
lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
8 Ary ny mpandringana ho
tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha
koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.
9 Omeo elatra Moaba, fa
hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
10 Ho voaozona anie Izay
manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay
mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
11 Moaba nandry fahizay
hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina
nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny
tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
12 Koa, indro, avy ny
andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka
hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13 Ary Moaba ho menatra
noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i
Betela tokiny.
14 Ahoana no anaovanareo
hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
15 Rava Moaba, fa ny
tanànany dia efa nanihina*. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any
amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.[Na:
efa levon-ko setroka]
16 Efa antomotra ny loza
hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17 Mitomania azy,
ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny
anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara
tarehy!
18 Ry Dibona, zanakavavy
mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany
mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady
mandrava ny fiarovanao.
19 Ry mponina any
Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy
na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
20 Afa-baraka Moaba,
eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona
fa rava Moaba.
21 Ary ny fitsarana dia
miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22 Sy Dibona sy Nebo sy
Beti-diblataima
23 Sy Kiriataima sy
Beti-gamola sy Beti-meona
24 Sy Keriota ary Bozra,
eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25 Voakapa ny tandrok'i
Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
26 Ataovy leony izy, fa
niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho
tonga fihomehezana kosa.
27 Fa tsy efa nataonao
ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, no dia
mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28 Ry mponina any Moaba!
ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny
voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
29 Ffa renay ny
fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny
fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
30 Izaho mahalala ny
fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31 Koa hidradradradra
noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary
hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32 Mihoatra noho ny
fitomanian*'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina
ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia
tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na:
fitomaniana an']
33 Ary ny hafaliana sy
ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba,
ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy
hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34 Ny fitarainan'i
Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy
Eglata-selisia*; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.[Na: ilay
ombivavy kely telo taona]
35 Ary hatsahatro ao
Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro
ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
36 Ary noho izany ny
foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany
manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay
nohariny.
37 Fa mibory ny loha
rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra
sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
38 Eny, amin'ny
tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa;
Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
39 Indrisy!
raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy,
ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
40 Fa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka
an'i Moaba.
41 Afaka ny tanàna*, ka
azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy
maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.[Na: keriota]
42 Ary horavana tsy ho
firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
43 Tahotra sy lavaka ary
fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44 Izay mandositra ny
tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia
ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy
Jehovah.
45 Ao amin'ny alokalok'i
Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo
mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin*'i
Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
46 Idiran-doza ianao, ry
Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny
zanakao-vavy.
47 Nefa mbola hampodiko
avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny
amin'ny fitsarana an'i Moaba.
1 [Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny taranak'i
Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy
manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany*, ary ny
vahoakany monina ao amin'ny tanànany?[Na: Malkana]
2 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i
Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny
hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy
Jehovah.
3 Midradradradrà, ry
Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba
fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko
babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
4 Nahoana no ny lohasaha
no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy
mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra
atỳ amiko?
5 Indro Aho hahatonga
tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny
maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady
tsy hisy hamory izay mandositra.
6 Ary rehefa afaka
izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy
Jehovah.
7 [Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma. Izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny
fahendreny?
8 Mandosira,
miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny
loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
9 Raha tonga ao
aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory
izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
10 Izaho dia
nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy;
Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
11 Ilaozy ny zanakao
ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao
mpitondratena.
12 Fa izao no
lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza
dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa
tsy maintsy hisotro tokoa.
13 Fa ny tenako no
nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava
ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
14 Fa efa nahare
filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny
jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna
hanafika.
15 Fa, indro, hataoko
tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona,
16 Ry ilay monina ao
an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny
fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao
eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy
eny ianao, hoy Jehovah.
17 Ary ho figagana
Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza
rehetra efa namelezana azy.
18 Ary toy ny nandravana
an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy
hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
19 Indro, toy ny
fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no
hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza*; Fa hampandosiriko tampoka Edoma
hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no
tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry
mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]
20 Koa henoy ny saina
avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay
noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny
kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
21 Tamin'ny
fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re
hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
22 Indro, hanidina
hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary
amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny
vehivavy mihetsi- jaza.
23 [Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i Damaskosy.
Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy;
Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra*.[Na: Misy fanahiana
hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona]
24 Efa ketraka Damaskosy
ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny
fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
25 Nahoana re no tsy
nilaozana ny tanàna malaza*, tanana fifaliako![Na: Indrisy! efa lao ny tanàna
malaza]
26 Ka dia
hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho
ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
27 Ary hisy afo
hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i
Beni-hadada.
28 [Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny amin'i
Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i
Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
29 Halainy ny lainy sy
ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny
ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana
manodidina!
30 Mandosira, ka
mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy
Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo
sy namoron-kevitra hamelezany anareo*.[Heb. azy]
31 Mitsangàna, iakaro ny
firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy
vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina.
32 Ho babo ny ramevany,
ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra
rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra
ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
33 Ary Hazora dia ho
fonenan'ny amboadia* sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na
zanak'olombelona hivahiny any.[Na: jakala]
34 [Faminaniana ny
amin'i Elama] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i
Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
35 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay
fototry ny heriny.
36 Ary hitondra Avotra
efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary
haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy
halehan'ny voaroaka avy any Elama.
37 Fa hampivadi-po an'i
Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka
hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary
hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
38 Dia hapetrako ao
Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny
mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
39 Nefa any am-parany
dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
*
1 [Faminaniana ny amin'i
Babylona] Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i
Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana.
2 Ambaraonareo, eny,
torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy
hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny
sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
3 Fa misy firenena avy
any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina
intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
4 Amin'izany andro izany
sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy
mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka
hitady an'i Jehovah Andriamaniny.
5 Hanontany ny lalana
mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i
Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
6 Ondry very ny oloko,
fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny
an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana
ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
7 Izay rehetra nahita
azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay,
satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah,
fanantenan'ny razany.
8 Mandosira hila an'i
Babylona, eny, mialà amin'ny tanin'ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny
anankiray izay tari-dalan'ny ondry aman'osy andiany.
9 Fa, indro, Izaho
hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra
hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany
azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy
miverina foana.
10 Ary Kaldea ho
voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
11 Satria, mifaly sy
miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy
kely mively vary* ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;[Na: ombivavy
kely eny amin'ny ahitra]
12 Dia ho menatra
indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny
firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
13 Noho ny fahatezeran'i
Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra
mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
14 Milahara manodidina
hamely an'i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza
tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin'i Jehovah no nanotany.
15 Akoray manodidina
izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian'i Jehovah
izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
16 Aringano tsy ho any
Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny
sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy
handositra ho any amin'ny taniny avy.
17 Ondry iray voavily ny
Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no
nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no
nanapatapaka* ny taolany.[Na: nikiky]
18 Koa izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny
mpanjakan'i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.
19 Ary hampodiko ho any
amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy
Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
20 Amin'izany andro
izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny
Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria
havelako ny helok'izay sisa narovako.
21 Iakaro Ibefikomiana*
sy ny mponina ao Arapamaliana*; Ravao sy aringano** manarakaraka azy, hoy
Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.[*Anaran'i Babylona
io][**Heb. ataovy herema]
22 Misy tabataban'ady
amin'ny tany sy fandringanana be.
23 Indrisy! tapaka sy
torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana
any amin'ny firenena.
24 Nofandrihako
ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa
ianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
25 Novohan'i Jehovah
ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy hataon'i
Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
26 Avia avokoa
ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny
antontan-bary, ka levony* avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.[Heb.
ataovy herema]
27 Vonoy ireo
ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny
fotoana hamaliana azy.
28 Injany! misy
feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny
famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny
tempoliny.
29 Antsoy ny mpandefa
zana-tsipìka* hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia
manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy,
eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona
tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.[Na: ny mahery]
30 Koa hiampatrampatra
eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin'izany
andro izany, hoy Jehovah.
31 Indro, hiatrika
aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny
andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32 Ho tafintohina
Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao
an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i
Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa
azy.
34 Mahery ny Mpanavotra
azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba
hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
35 Indro! hisy sabatra
hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny
olon-kendriny, hoe Jehovah.
36 Indro! hisy sabatra
hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny
lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
37 Indro! hisy sabatra
hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra
ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny
firaketany, ka horobaina izany.
38 Ny fihantonan'ny
andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny
sampiny mahatahotra mahadala azy.
39 Koa ny bibi-dia any
an-efitra sy ny kary* sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony
mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.[Heb.
jakala]
40 Toy ny
nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny,
hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
41 Indro, misy firenena
avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any
amin'ny faran'ny tany.
42 Tsipika sy lefona no
entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina,
sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady,
hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
43 Efa ren'ny
mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo
azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
44 Indro, toy ny
fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana no hiakarany
ho any amin'ny misy ahitra mateza**; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy
izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no
tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry
mahajanona eo anatrehako?[*Heb. ny reharehany][**Na: fonenany mafy]
45 Koa henoy ny saina
avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay
noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny
kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
46 Noho ny antsoantso
hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana
dia re any amin'ny firenena.
1 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona
sy izay monina ao Leba-kamay*.[Leba-kamay = Kaldea]
2 Ary haniraka olona
hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny;
Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
3 Izay manenjana tsipìka
mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy
hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano* avokoa ny
miaramilany rehetra,[Heb. Ataovy herema]
4 Mba hiampatrampatra
any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra
any an-dalambeny.
5 Fa Jehovah, Tompon'ny
maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena,
na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
6 Mandosira hiala an'i
Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho
ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
7 Babylona dia kapoaka
volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa
nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
8 Tampoka no naharavan'i
Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny
feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
9 Nitady hanasitrana
an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika
samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony
ary mitehika amin'ny rahona.
10 Nasehon'i Jehovah ny
fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah
Andriamanitsika.
11 Lambolamboy ny
zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny
mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba
handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny
tempoliny.
12 Manangàna faneva eo
akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina,
alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy
ny amin'ny mponina any Babylona.
13 Hianao izay monina
eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony
ny filanao harena.
14 Jehovah, Tompon'ny
maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa
ianao, ary ireny dia* hanakora hamely anao, [Na: na dia hofenoiko olona maro
toy ny valala aza ianao, dia ireny no]
15 Dia Ilay nanao ny
tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary
namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
16 Raha
nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany
amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny
rivotra avy amin'ny firaketany.
17 Efa ketrina avokoa ny
olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra
noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina,
satria tsy misy aina ao aminy.
18 Zava-poana ireny, dia
asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
19 Tsy mba tahaka ireo
ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no
firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
20 Langilangiko sy
fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho
entiko mandringana fanjakana,
21 Ary ianao no ho
entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
22 Hianao koa no ho
entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro
ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny
virijina;
23 Hianao koa no ho
entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko
manorotoro ny governora sy ny lefiny.
24 Ary hampanodiaviko
an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa
nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
25 Indro mamely anao
Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy
Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera
amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
26 Ary tsy mba hakana
vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay
ianao, hoy Jehovah.
27 Manangana faneva eny
amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre* firenena hamely
azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy
hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina**. [*Heb.
Manamasina][**Na: mahatsiravina]
28 Manendre firenena sy
ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny
tany rehetra anjakany.
29 Mihorohoro sy
mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah
rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
30 Nitsahatra tamin'ny
ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy,
lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny
hidiny.
31 Mifamoivoy be ihany
ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba
hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
32 Ary efa azo ny
fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
33 Fa izao no lazain i
Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia
tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia
ho avy ny andro hijinjana azy.
34 Efa lanin'i
Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny
vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay;
Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
35 Aoka ny mponina ao
Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary
aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
36 Koa izao no lazain'i
Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho
anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
37 Ary Babylona ho tonga
korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra
mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
38 Hiara-mierona toy ny
liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
39 Raha mbola liana izy,
dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory
amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
40 Hampidiniko ho any
amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
41 Endrey! afaka
Sesaka*! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any
amin'ny firenena Babylona.[Sesaka = Babela]
42 Ny ranomasina
nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.
43 Ny tanànany dia lao
sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy
zanak'olombelona mamaky eo.
44 Ary Bela dia
hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy
hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
45 Mivoaha avy ao
afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy
ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
46 Ary fandrao ketraka
ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny
iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy
tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
47 koa, indro, avy ny
andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary
ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
48 Ny lanitra sy ny tany
sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao
aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
49 Toy ny
nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no
hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
50 Hianareo izay tsy
voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra
ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51 Menatra izahay, fa
efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no
niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
52 Koa, indro, avy ny
andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary
hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53 Na dia miakatra any
an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay
heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54 Injany! misy feo
mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny
Kaldeana!
55 Fa Jehovah no
mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary
hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny
firohondrohony.
56 Fa tonga ao aminy,
dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny;
Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka
hamaly tokoa.
57 Ary hataoko mamo
ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny
olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha
intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
58 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa
hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona
ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
59 Ny teny izay
nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia,
fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona
tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
60 Ary nosoratan'i
Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia
ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
61 Ary hoy Jeremia
tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba
hovakinao ireo teny rehetra ireo,
62 ka manaova hoe:
Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy
hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
63 Ary rehefa tapitra ny
famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata
izy.
64 ka ataovy hoe: Toy
izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko
mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
* *
1 [Tantaran'ny
nahafahana an'i Jerosalema sy ny zavatra nanjo tamin'izany]Iraika amby roa-polo
taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no
nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i
Jeremia avy any Libna.
2 Ary nanao izay ratsy
eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
3 Fa ny fahatezeran'i
Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany
azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
4 Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia,
dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra,
hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina
azy izy.
5 Ary ny tanàna dia
nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia
mpanjaka.
6 Ary tamin'ny andro
fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy
nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
7 Ary nisy voabanga ny
tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna
tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo
anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha
tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay*.[Heb. Arabà]
8 Ary ny miaramilan'ny
Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay
any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
9 Ary voasambotra ny
mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any
amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
10 Ary ny mpanjakan'i
Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny
Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
11 Ary nopotsiriny ny
mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina
izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina
mandra-pahafatiny.
12 Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo
nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon*'ny mpanjakan'i Babylona,[Heb.
izay nitsangana teo anatrehan']
13 ka nandoro ny
tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany
Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
14 Ary ny manda rehetra
manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay
nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
15 Ary ny sasany
tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa
nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia
nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
16 Nefa ny olona
malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho
mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17 Ary ireo andry
varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny
tavin-drano varahina lehibe*, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia
novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.[Heb.
ranomasina]
18 Ary nentiny koa ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana
sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao
fanompoam-pivavahana.
19 Ary nentin'ny
lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia
famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny
kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka
avokoa,
20 ary ny andry roa sy
ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo
ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny
tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita
lanja.
21 Fa ny andry, dia valo
ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina
azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
22 Ary nisy kapitaly
varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy
harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy.
Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
23 Ary nisy ampongabendanitra
enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina
ny harato dia zato.
24 Ary ny lehiben'ny
mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka
ary mpiandry varavarana telo lahy;
25 ary tao an-tanàna no
nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy
tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny
mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny
olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
26 dia nosamborin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i
Babylona tao Ribla.
27 Dia novonoin'ny
mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no
nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
28 Izao no olona izay
nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby
roa-polo sy telo arivo;
29 tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby
valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
30 tamin'ny taona
fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo
amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny
tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
31 Ary tamin'ny andro
fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona
fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia
nasandrany* hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb.
nasandrany ny lohany]
32 Dia nitenenany soa
izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo
mpanjaka namany tao Babylona.
33 Ka dia novan'i
Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina
teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
34 Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]