Genesisy
[Ny namoronan'Andriamanitra izao
tontolo izao]
1 Tamin'ny voalohany
Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2 Ary ny tany dia tsy
nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny
fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
3 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava
sy ny maizina.
5 Ary Andriamanitra
nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva,
ary nisy maraina, andro voalohany izany.
6 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano
amin'ny rano izy.
7 Ary Andriamanitra
nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny
rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8 Ary Andriamanitra
nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa
izany.
9 Ary Andriamanitra
nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny
fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10 Ary Andriamanitra
nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay
mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany;
dia nisy izany.
12 Ary ny tany naniry
ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa
ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
13 Dia nisy hariva.
ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
14 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny
andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona
ireo.
15 Ary aoka ho
fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany;
dia nisy izany.
16 Ary Andriamanitra
nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro
ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17 Ary Andriamanitra
nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
18 sy ho mpanapaka ny
andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary
hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19 Dia nisy hariva,
ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
20 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina
ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
21 Ary Andriamanitra
nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra,
izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina
rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22 Ary Andriamanitra
nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny
ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23 Dia nisy fa
hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
24 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia
biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany
avy; dia nisy izany.
25 Ary Andriamanitra
nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny
karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy
araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
26 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny
tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy
ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay
mandady na mikisaka amin'ny tany.
27 Ary Andriamanitra
nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany
azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28 Ary Andriamanitra
nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka
mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny
voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29 Ary Andriamanitra
nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay
ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa;
dia ho fihinana anareo ireny.
30 Ary ny amin'ny
bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra
izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso
rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
31 Ary
hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
1 Dia vita ny lanitra
sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny andro fahafito
dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro
fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary Andriamanitra
nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no
nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny
nanaovany azy.
[Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona
fony tsy mbola nanota izy]
4 Ary izao no
tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i
Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 Ny hazo madinika
famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola
nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah
Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
6 nefa nisy zavona
niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra.
7 Ary vovo-tany no
namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona
ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
8 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy
izay noforoniny.
9 Ary nampanirin'i
Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady
tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana
ny tsara sy ny ratsy.
10 Ary nisy ony
nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana
efatra:
11 Ny anaran'ny
voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay
misy ny volamena;
12 ary tsara ny
volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 Ary ny anaran'ny
ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 Ary ny anaran'ny
ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony
fahefatra dia Eofrata.
15 Ary Jehovah
Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena
hiasa sy hitandrina azy.
16 Ary Jehovah
Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny
saha dia azonao ihinanana ihany;
17 fa ny hazo
fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay
ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
18 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady
sahaza ho azy izy.
19 Ary tany no
namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina
rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy
avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia
izany no anarany.
20 Dia
nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina
mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
21 Ary Jehovah
Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny
taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
22 Ary ny
taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia
nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
23 Ary hoy
ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny
nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
24 Ary noho izany ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho
nofo iray ihany ireo.
25 Ary nitanjaka izy
mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
*
[Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy
izay nataon'Andriamanitra taminy]
1 Ary ny menarana dia
fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy
tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny
hazo rehetra amin'ny saha?
2 Fa hoy ravehivavy
tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3 fa ny voan'ny hazo
eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na
tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
4 Ary hoy ny menarana
tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
5 fa
fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny
masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny
ratsy.
6 Ary hitan-dravehivavy
fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra
hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny;
ka dia nihinana izy.
7 Dia nahiratra ny
mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy,
ka nataony sikina ho azy.
8 Ary nandre an'i
Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva
ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra
tao anaty hazo tao amin'ny saha.
9 Ary Jehovah
Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
10 Dia hoy izy:
Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia
niery.
11 Ary hoy Izy: Iza
moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay
nandrarako anao tsy hihinananao?
12 Dia hoy
ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo,
ka dia nihinana aho.
13 Ary hoy Jehovah
Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy:
Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
14 Ary hoy Jehovah
Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby
fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no
handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15 Dia
hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy
hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
16 Ary hoy koa Izy
tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha
manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no
hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
17 Ary hoy koa Izy
tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny
hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho
izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra
hiainanao.
18 Ary haniry tsilo
sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
19 Ny
fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny
tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny
vovoka indray ianao.
20 Ary ralehilahy
nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
21 Ary Jehovah
Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo
azy.
22 Ary hoy Jehovah
Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka
hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy
ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23 ka dia nesorin'i
Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 Eny, noroahiny ny
olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny
lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
*
[Ny amin'i Kaina sy Abela]
1 Ary Adama nahalala
an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa
nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2 Ary niteraka an'i
Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa
tany.
3 Ary rehefa afaka
elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4 fa nitondran'i Abela
kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i
Abela mbamin'ny fanatiny;
5 fa Kaina mbamin'ny
fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady
nanjombona ny tarehiny.
6 Ary hoy Jehovah
tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny
tarehinao?
7 Raha tsara toetra
ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia
mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa
ianao no tokony hanapaka azy.
8 Ary Kaina niteny
tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana
Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9 Ary hoy Jehovah
tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny
rahalahiko va aho?
10 Ary hoy Izy: Inona
no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11 Ary ankehitriny
dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny
rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12 Raha miasa ny tany
ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny
eny ambonin'ny tany ianao.
13 Dia hoy Kaina
tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14 Indro, efa
noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho
ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita
ahy dia hamono ahy.
15 Ary hoy Jehovah
taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy.
Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay
rehetra hahita azy.
16 Ary Kaina dia
niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i
Edena.
[Ny taranak'i Kaina, sy ny
nahaterahan'i Seta]
17 Ary Kaina nahalala
ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina
vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny
anaran'ny zananilahy.
18 Ary Enoka niteraka
an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i
Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
19 Ary Lameka
nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
20 Ary Ada niteraka
an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
21 Ary ny anaran'ny
rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina
rehetra.
22 Ary Zila kosa
niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary
ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
23 Ary hoy Lameka
tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka,
mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho
ny faharatrako.
24 Raha valiana fito
heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i
Lameka.
25 Ary Adama nahalala
ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony
hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho
solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.
26 Ary Seta koa
niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
*
1 [Ny taranak'i Adama
tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny
andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no
nanaovany azy;
2 lahy sy vavy no namoronany
azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany
azy.
3 Ary rehefa
telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny
tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
4 Ary ny andron'i
Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka
zazalahy sy zazavavy izy.
5 Ary ny andro
rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
6 Ary rehefa dimy
amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
7 Ary ny andro
niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
8 Ary ny andro
rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty
izy;
9 Ary rehefa
sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
10 Ary ny andro
niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby
valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
11 Ary ny andro
rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
12 Ary rehefa
fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
13 Ary ny andro
niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 Ary ny andro
rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15 Ary rehefa dimy
amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda
izy.
16 Ary ny andro
niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby
valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17 Ary ny andro
rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia
maty izy.
18 Ary rehefa roa
amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1
Enoka izy.
19 Ary ny andro
niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 Ary ny andro
rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty
izy.
21 Ary rehefa dimy
amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
22 Ary niara-nandeha
tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23 Ary ny andro
rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
24 Ary niara-nandeha
tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
25 Ary rehefa fito
amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i
Lameka izy.
26 Ary ny andro
niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo
amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
27 Ary ny andro rehetra
niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
28 Ary rehefa roa
amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy
izy;
29 ary ny anarany
nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny
fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
30 Ary ny andro
niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby
diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
31 Ary ny andro
rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia
maty izy.
32 Ary rehefa
diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
1 [Noa sy ny
Safo-drano] Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy
maro,
2 dia hitan'ny
zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady
ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3 Ary hoy Jehovah:
Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny
faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4 Ny Nefilima
nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha
nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany;
ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 Ary hitan'i Jehovah
fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy
amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6 Ary Jehovah
nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 Dia hoy Jehovah:
Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona
ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny
voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8 Fa Noa kosa nahita
fitia teo imason'i Jehovah.
*
9 Ary izao no
tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona
niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10 Ary Noa niteraka
zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11 Ary simba ny tany
teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12 dia
hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy
efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
13 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako,
satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy
mbamin'ny tany Aho.
14 Koa manaova
sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny
sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15 Ary toy izao no
hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny
sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16 Ary hasianao
fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy
hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao
efitra telo mifanongoa izy.
17 Ary, indro, Izaho
efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay
manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
18 Nefa kosa haoriko
ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao
aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19 Ary ny
zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany
ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy
ireo.
20 Ny vorona, samy
araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia,
roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao
hovelomina.
21 Ary analao ho anao
ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho
fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.
22 Dia nataon'i Noa
izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
1 Ary hoy Jehovah
tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao
rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona
miara-belona aminao izao.
2 Ny biby madio
rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny
biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 ary ny
voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany
taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4 Fa raha afaka
hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy
efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy
ho ambonin'ny tany.
5 Ary Noa nanao araka
izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
6 Ary efa enin-jato
taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
7 Ary Noa sy ny
vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao
anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8 Ary ny biby madio
sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka
amin'ny tany,
9 dia nisy niditra
tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka
izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
10 Ary rehefa afaka
hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
11 Tamin'ny andro
fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona
niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny
lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
12 Dia nisy
ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 Androtrizay
indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary
Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy
niaraka taminy;
14 dia izy ireo sy ny
bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy
araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany
avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 Dia niditra tao
amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo
rehetra izay manam-pofonaina.
16 Ary izay niditra
tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay
nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
17 Ary naharitra
efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka
nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
18 Ary nahery ny rano
ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano
ny sambo-fiara.
19 Ary nahery dia
nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra
avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
20 Dimy ambin'ny folo
hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 Dia maty ny nofo
rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy
sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny
olona rehetra.
22 Izay rehetra
nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina,
dia maty avokoa.
23 Ary naringana ny
zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny
biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana
tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny
sambo-fiara ihany no sisa velona.
24 Ary nahery
tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
1 Ary Andriamanitra
nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay
niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha
rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 Ary tampina ny
loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana
nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Ary nihena
niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato
andro, dia efa nihena ny rano.
4 Dia nipetraka teo amin'ny
tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo
tamin'ny volana fahafito.
5 Ary ny rano dia
mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany
tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
6 Ary rehefa afaka
efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa
nataony.
7 Dia namoaka goaika
anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
8 Dia namoaka
voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano
tambonin'ny tany, na tsia.
9 Fa tsy hitan'ilay
voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao
anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary
Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny
sambo-fiara.
10 Ary mbola niandry
hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray
izy.
11 Dia niditra teo
aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva
maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano
tambonin'ny tany.
12 Ary mbola niandry
hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy
intsony iny.
13 [Ny nivoahan'i Noa
avy tao amin'ny sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy] Ary
tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika
amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny
tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
14 Ary tamin'ny andro
fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15 Ary Andriamanitra
dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
16 Mivoaha amin'ny
sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka
aminao.
17 Ary ny
zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny
vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany
sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
18 [Ny nataon'izy
telo mirahalahy, zanak'i Noa, sy ny teny naminanian-drainy azy] Dia nivoaka Noa
mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Ny zava-manan'aina
rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra
mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao
amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 Ary Noa dia
nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio
rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
21 Dia nandre ny
hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany
intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy
hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho
tahaka izay nataoko.
22 Raha mbola
maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny
taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny
ririnina,ary ny andro sy ny alina.
1 Ary Andriamanitra
nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny
tany.
2 Ary ny tahotra sy
horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny
mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra
ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3 Ny biby
mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko
anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 Kanefa ny nofo izay
mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5 Fa ny ranareo kosa
dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no
hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona
avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
6 Izay mandatsaka ny
ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny
endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 Koa ny aminareo,
dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha
eny.
8 Ary Andriamanitra
niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9 Indro, Izaho efa
manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
10 sy amin'ny
zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny
bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny
sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11 Dia aoriko ny
fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12 Ary hoy
Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho
aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka
fara mandimby:
13 Ny avako efa
napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny
tany.
14 Ary raha
mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
15 dia hotsarovako ny
fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo
rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16 Ary ho eo amin'ny
rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay
izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo
rehetra ambonin'ny tany.
17 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho
amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
18 Ary ny
zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama
ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.
19 Ireo telo lahy
ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany
rehetra.
20 Ary vao tonga
mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
21 Ary nisotro
tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny
lainy.
22 Ary hitan'i Hama,
rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa
lahy teo ivelany.
23 Ary nalain'i Sema
sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia
mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy
nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
24 Dia nahatsiaro
Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany
faralahy taminy.
25 Dia hoy izy: Ho
voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.
26 Ary hoy koa izy:
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27
Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema
izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28 Ary ny andro niainan'i
Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 Ary ny andro
rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
*
1 [Ny taranak'izy
telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i
Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny
safo-drano.
2 Ny zanakalahin'i
Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 Ary ny
zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 Ary ny
zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 Avy tamin'ireo no
niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny
fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6 Ary ny
zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7 Ary ny
zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny
zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Ary Kosy niteraka
an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9 Izy dia mpihaza
mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i
Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
10 Ary ny
niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany
Sinara.
11 Ary nivoaka avy
tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i
Rehobot-ira sy Kala
12 ary Resena teo
anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13 Ary Mizraima
niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14 sy ny Patrosita sy
ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15 Ary Kanana
niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16 ary ny Jebosita ,
sy ny Amorita sy ny Girgasita
17 sy ny Hivita sy ny
Arkita sy ny Sinita
18 sy ny Arvadita sy
ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny
Kananita.
19 Ary ny
fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara,
ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20 Ireo no zanak'i
Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny
fireneny.
21 Dia niteraka koa
Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22 Ny zanakalahin'i
Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23 Ary ny
zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24 Ary Arpaksada
niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25 Ary Ebera niteraka
roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no
nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26 Ary Joktana
niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27 sy Hadorama sy
Ozala sy Dikla
28 sy Obala sy
Abimaela sy Sheba
29 sy Ofira sy Havila
ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30 Ary ny
fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31 Ireo no zanak'i
Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny
fireneny.
32 Ireo no
mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy
tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
1 [Ny nanaovan'ny
olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny
olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 Ary raha
nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany
Sinara izy ka nonina teo.
3 Ary niresadresaka
hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na
taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
4 Ary hoy izy: Andeha
isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny
lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany
rehetra isika.
5 Dia nidina Jehovah
hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
6 Ary hoy Jehovah :
Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao
fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay
saintsaininy hatao.
7 Aoka isika hidina,
ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankalala teny izy.
8 Dia tao no
nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra
tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9 Koa izany no
nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny
tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany
rehetra.
*
10 [Ny taranak'i Sema
mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato
taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
11 Ary ny andro
niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
12 Ary rehefa dimy
amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
13 Ary ny andro
niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
15 Ary ny andro
niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16 Ary rehefa efatra
amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
17 Ary ny andro
niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato
taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
18 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19 Ary ny andro
niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona;
ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 Ary rehefa roa
amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
21 Ary ny andro
niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22 Ary rehefa
telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
23 Ary ny andro
niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary
niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
24 Ary rehefa sivy
amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
25 Ary ny andro
niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby
zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26 Ary rehefa fito-polo
taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana
izy:
*
27 [Ny taranak'i
Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera
niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
28 Ary maty Harana,
raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao
Oran'ny Kaldeana.
29 Ary Abrama sy
Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny
anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy
rain'Iska.
30 Ary momba Saray;
tsy nanan-janaka izy.
31 Ary Tera nitondra
an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy,
vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany
amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
32 Ary dimy amby
roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
1 [Ny
niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta]
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao
ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2 dia hahatonga anao
ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho
fitahiana tokoa ianao;
3 ary hitahy izay
manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny
firenena rehetra ambonin'ny tany.
4 Dia nandeha Abrama
araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary
efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5 Ary Abrama nitondra
an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay
efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo
hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6 Ary Abrama dia
nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny
Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7 Ary Jehovah niseho
tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina
alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8 Ary nifindra niala
teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy
teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina
alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9 Ary nifindra Abrama
ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10 Ary nisy mosary
teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny
mosary teo amin'ny tany.
11 Ary rehefa nadiva
ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa
vehivavy tsara tarehy ianao,
12 ka, raha hitan'ny
Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa
hovelominy.
13 Masìna ianao,
lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no
hamelomany ahy.
14 Ary rehefa tonga
tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra
ravehivavy.
15 Ary nahita azy ny
tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao
izy.
16 Ary Abrama
nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy
sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17 Dia nasian'i
Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i
Abrama.
18 Ary Farao dia
nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no
tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 Nahoana ianao no
nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny
vadinao, ento izy, ka mandehana.
20 Dia nomen'i Farao
teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny
mbamin'ny fananany rehetra ireo.
1 [Ny nisarahan'i
Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama
dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany
rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
2 Ary Abrama nanana
harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3 Ary mbola nandeha
ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay
niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
4 dia teo amin'ny
tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny
anaran'i Jehovah teo Abrama.
5 Ary Lota koa, izay
niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6 Ary tsy omby azy
roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray
monina izy.
7 Dia niady ny
mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny
Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8 Ary hoy Abrama
tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry
ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9 Moa tsy eo
anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha
hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia
hianavaratra kosa aho.
10 Ary Lota nanopy ny
masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i
Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i
Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11 Dia nofidin'i Lota
ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia
nisaraka izy roa lahy.
12 Ary Abrama nonina
tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany
amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13 Ary ny mponina tao
Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
14 Ary Jehovah niteny
tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny
masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy
mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15 fa ny tany rehetra
izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16 Ary hataoko maro
tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia
ho azo isaina koa ny taranakao.
17 Miaingà ianao,
mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa
homeko anao izy.
18 Ary Abrama
nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay
any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
*
1 [Ny namaboana an'i
Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama]
Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i
Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2 dia nandeha izy
ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora.
sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny
mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3 Ary ireo rehetra
ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny
Ranomasin-tsira izany).
4 Fa efa nanompo an'i
Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny
folo kosa dia niodina izy.
5 Ary tamin'ny taona
fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka
namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima
tany Save-kiriataima
6 ary ny Horita tany
an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan'ny efitra.
7 Dia niverina indray
izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra
an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8 Dia nivoaka ny
mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny
mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra
hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
9 dia
tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy
Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka
efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
10 Ary ny lohasahan'i
Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny
mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany
an-tendrombohitra.
11 Ary izy ireo
namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa
nandeha.
12 Ary namabo ny
zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa
nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
13 Ary tonga ny
anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina
teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo
dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
14 Ary raha nahare
Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny
folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
15 Dia nitokotoko
hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika
azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
16 Ary nampody ny
fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa
mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
17 Dia nivoaka ny
mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny
mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo
mpanjaka nomba azy.
18 Ary Melkizedeka,
mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
19 Dia nitso-drano
azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia
Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
20 Ary isaorana anie
Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao.
Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
21 Ary hoy ny
mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany
ho anao.
22 Fa hoy Abrama
tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah,
Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23 fa tsy handray na
taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe:
Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
24 afa-tsy izay efa
nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy
Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
1 [Ny
nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga
tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza
matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho
anao.
2 Ary hoy Abrama:
Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy
manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3 Ary hoy koa Abrama:
Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato
an-tranoko no handova ahy.
4 Ary, indro, ny
tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao,
dia izy no handova anao.
5 Dia nitondra azy
nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny
kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny
taranakao.
6 Ary nino an'i
Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
7 Ary hoy Izy taminy:
Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba
homeko anao ity tany ity ho lovanao.
8 Ary hoy Izy:
Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
9 Ary hoy Izy taminy:
Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy
ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
10 Dia nentiny teo
aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny
tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
11 Ary nidina teo
amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12 Ary rehefa
hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina
mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13 Ary hoy Jehovah
tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy
azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
14 Ary izany firenena
izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia
hivoaka mitondra harem-bevava izy.
15 Nefa ianao kosa ho
any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao
hodi-mandry.
16 Fa raha mby
amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny
Amorita.
17 Ary rehefa maty ny
masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana
mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo
zavatra voasasaka ireo.
18 Tamin'izany andro
izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa
nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony
lehibe, dia ny ony Eofrata,
19 dia ny Kenita sy
ny Kenizita sy ny Kadmonita
20 ary ny Hetita sy
ny Perizita sy ny Refaita
21 ary ny Amorita sy
ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
1 [Ny
nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy
nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Ary hoy Saray
tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia
amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny
tenin'i Saray.
3 Ary rehefa nonina
folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama,
Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
4 Dia nivady tamin'i
Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka
izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Ary hoy Saray
tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao
ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny
tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
6 Ary hoy Abrama
tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay
sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 Ary Ilay Anjelin'i
Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo
anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora.
8 Ary hoy Izy: Ry
Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy;
Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
9 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay
ataony aminao.
10 Ary hoy koa Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo
isaina izy noho ny hamaroany.
11 Ary hoy indray
Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 Ary izy ho
lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny
olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra
izy.
13 Ary Hagara nanao
ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay
mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
14 Izany no nanaovana
ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy
Bareda izany.
15 Ary Hagara dia
niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia
nataon'i Abrama hoe Isimaela.
16 Ary efa enina amby
valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
*
1 [Ny
nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho
famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary
rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany
hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy
misy tsiny ianao.
2 Fa Izaho hanao ny
fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Dia niankohoka
Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4 Raha ny amiko, dia,
indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5 Ary ny anaranao tsy
hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny
firenena maro ianao.
6 Dia hahamaro ny
taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka
hiseho avy aminao.
7 Ary haoriko ny
fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny
taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny
taranakao mandimby anao Aho.
8 Ary homeko anao sy
ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho
fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
9 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko
ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara
mandimby.
10 Ary izao no
fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay
hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11 Dia hoforana
ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12 Ny zazalahy teraka
havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo
hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa
firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
13 Tsy maintsy
hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao
amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14 Ary ny lehilahy
tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny;
efa nivadika ny fanekeko izy.
15 Dia hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao
Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16 Ary hitahy azy Aho
ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena
maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
17 Dia niankohoka
Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato
taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18 Ary hoy Abrahama
tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19 Ary hoy
Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany
dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay
ho an'ny taranany mandimby azy.
20 Ary ny
amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro
ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo
izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
21 Nefa ny fanekeko
haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22 Ary rehefa vita ny
teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
23 Koa dia nalain'i
Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny
vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra
ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
24 Ary efa sivy amby
sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25 Ary efa telo
ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26 Androtrizay
indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;
27 ary ny lehilahy
rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa
firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
*
1 [Ny nisehoan'ny
anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo
terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny
andro;
2 dia nanopy ny
masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka
nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka
hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
3 ka nanao hoe: Tompo
ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny
mpanomponao.
4 Aoka hangalana rano
kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo
am-pototry ny hazo ianareo;
5 dia haka mofo kely
aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany
ianareo; fa tonga atỳ amin'ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy:
Ataovy ihany araka izay nolazainao.
6 Dia nandeha
faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana,
makà koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
7 Ary Abrahama kosa
nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka
nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
8 Ary Abrahama naka
ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo
anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia
nihinana izy telo lahy.
9 Ary hoy izy telo
lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day
izy.
10 Ary hoy Izy:
Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana
zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay
teo ivohon'Ilay niteny.
11 Ary Abrahama sy
Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra
tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12 Ary Saraha dia
nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa
tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13 Ary hoy Jehovah
tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va
aho, kanefa izao efa antitra izao?
14 Fa moa misy
zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny
taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
15 Dia nandà Saraha
satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay
niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.
16 [Ny nifonan'i
Abrahama ho an'i Sodoma] Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia
nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Ary Jehovah nanao
hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
18 Fa Abrahama ho
tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena
rehetra ambonin'ny tany.
19 Fa efa nifidy azy
Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny
lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i
Abrahama izay efa nolazainy taminy.
20 Ary hoy Jehovah:
Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia
mavesatra indrindra;
21 hidina Aho ka
hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay
efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
22 Dia nihodina niala
teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola
nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
23 Dia nanatona
Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
24 Angamba misy
olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny
tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?
25 Sanatria Anao raha
hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao
tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny
tany rehetra?
26 Ary hoy Jehovah:
Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny
tanàna rehetra noho ireny.
27 Dia namaly
Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka
sy lavenona:
28 Angamba ho latsaka
dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy?
Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
29 Dia, mbola niteny
taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy:
Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
30 Ary hoy izy: Aoka
anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho
hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
31 ArY hoy izy:
Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao.
Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
32 Ary hoy izy: Aoka
anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany
aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny
folo.
33 Dia lasa nandeha
Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho
any amin'ny fonenany.
1 [Ny
nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia
nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo
am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy
izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2 Dia hoy izy: Mba
mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio
alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha
amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto
an-kianja ihany izahay anio alina.
3 Ary rehefa
noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao
an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira,
dia nihinana izy.
4 Ary raha tsy mbola
nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma,
hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao
an-tanàna;
5 dia niantso an'i
Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao
izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6 Dia nivoaka teo
am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 ary hoy izy: Masìna
ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8 Indro, manan-janaka
roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no
havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo
lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto
ambanin'ny tafon-tranoko izy.
9 Ary hoy izy ireo:
Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa
matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao
noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy
ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
10 Fa naninjitra ny
tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka
nakatony ny varavarana.
11 Dia nampanjambena
ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka
hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
12 Ary hoy izy roa
lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy
ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna,
ento miala amin'ity tanàna ity;
13 fa horavanay ity
tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia
naniraka anay Jehovah handrava azy.
14 Dia nivoaka Lota
ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe :
Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa
nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
15 Ary nony maraina
koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento
ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny
heloky ny tanàna.
16 Ary nony
nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany
roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy
roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
17 Ary rehefa
nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy
ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18 Ary hoy Lota
taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19 indro, fa efa
nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao
ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any
an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20 indro, io vohitra
io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy
kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21 Ary hoy izy
taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako
io vohitra nolazainao io.
22 Mandehana
faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho
mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23 Ary ny masoandro
efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
24 Ary Jehovah nandatsaka
tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25 ka nandrava ireny
tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary
ny zava-maniry teo amin'ny tany.
26 Fa ny vadin'i Lota
niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27 Dia nifoha maraina
koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
28 ary nitsinjo an'i
Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra
ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29 Ary raha
noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i
Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana,
tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
30 [Ny niandohan'ny
firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany
an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao
Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Ary hoy ny vavimatoa
tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny
tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
32 andeha
hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara
avy amin'ny raintsika.
33 Dia nampisotroiny
divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry
tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
34 Ary nony
ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny
raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia
midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
35 Dia nampisotroiny
divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka
nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
36 Dia samy
nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.
37 Dia niteraka
zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita
mandraka androany.
38 Ary ny zandriny
koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no
rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
*
1 [Ny nivahinian'i
Abrahama tao Gerara] Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany
atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 Ary hoy ny
filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka,
mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
3 Fa Andriamanitra
nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro,
fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
4 Fa Abimeleka anefa
tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena
marina?
5 Tsy ralehilahy va
no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko
izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako
izany.
6 Ary hoy
Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny
fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy
hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7 Ary ankehitriny
avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona
ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia
ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
8 Dia nifoha maraina
koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra
izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 Ary Abimeleka dia
nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao?
ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko
sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10 Ary hoy koa
Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany
ianao?
11 Dia hoy Abrahama:
Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany
ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
12 Nefa anabaviko
ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko;
ka dia nanambady azy aho.
13 Ary raha
nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy
izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra
halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
14 Ary Abimeleka naka
ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary
Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15 Ary hoy Abimeleka:
Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
16 Ary hoy kosa izy
tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro,
ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa
nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
17 Ary Abrahama dia
nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny
vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 Fa Jehovah efa
nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny
amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
1 [Ny
nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy
an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha
araka ilay efa noteneniny.
2 Dia nanan'anaka
Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny
fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3 Ary ny anaran'ny
zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe
Isaka.
4 Dia noforan'i
Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa
nandidian'Andriamanitra azy.
5 Ary efa zato taona
Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
6 Ary hoy Saraha: Efa
nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7 Ary hoy koa izy:
Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha?
kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8 Ary rehefa lehibe
ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro
nanotazana an'Isaka.
9 Ary Saraha nahita
fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
10 Dia hoy izy
tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io
andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
11 Fa ratsy teo
imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
12 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza
sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny
teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13 Nefa ny zanaky ny
andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 Dia nifoha maraina
koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i
Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia
nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i
Beri-sheba.
15 Ary rehefa lany ny
rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray
ny zaza.
16 Dia lasa izy ka
nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza
mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia
nanandratra ny feony nitomany.
17 Ary
ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay
Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo
anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo
amin'ny itoerany.
18 Mitsangana, areno
ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 Dia
nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy;
ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Ary
nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka
nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 Ary nonina tany
an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
22 [Ny fanekena
nataon'i Abrahama sy Abimeleka] Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy
Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe:
Omban'Andriamanitra ianao amin'izay rehetra ataonao;
23 koa ankehitriny
ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako
ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny
tany izay ivahinianao.
24 Ary hoy Abrahama:
Hianiana ihany aho.
25 Ary Abrahama
nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny
mpanompon'i Abimeleka an-keriny
26 Dia hoy Abimeleka:
Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho
koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27 Ary Abrahama naka
ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa
lahy.
28 Ary Abrahama
nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
29 Ary hoy Abimeleka
tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30 Ary hoy izy: Mba
horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona
amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31 Izany no nanaovana
io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
32 Dia nanao fanekena
tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny
miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
33 Dia namboly hazo
tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah,
dia Andriamanitra Mandrakizay.
34 Ary Abrahama
nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
*
1 [Ny
nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra
izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry
Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 Ary hoy Izy: Ento
ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany
Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray
izay holazaiko aminao.
3 Ary nifoha maraina
koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa
niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra
dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra
taminy,
4 Nony tamin'ny andro
fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5 Ary hoy Abrahama
tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy
handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6 Dia nalain'i
Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany;
fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha
izy mianaka.
7 Ary Isaka niteny
tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka.
Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao
fanatitra dorana?
8 Fa hoy Abrahama:
Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha
izy mianaka.
9 Ary rehefa tonga
teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny
alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany
izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10 Ary Abrahama
naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 Fa niantso azy
Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama
ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12 Dia hoy Izy: Aza
maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa
hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny
zanakao, dia ny lahitokanao.
13 Ary Abrahama
niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny
kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra
azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
14 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no
anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i
Jehovah.
15 Dia niantso an'i
Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16 ka nanao hoe: Ny
tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka
tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17 dia hitahy anao
tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny
amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny
taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
18 ary amin'ny
taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny
teniko ianao.
19 Ary Abrahama dia
niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany
Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
*
20 [Ny taranak'i
Nahora] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro,
efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21 dia Oza
lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama,
22 ary Kaseda sy Hazo
sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23 Ary Betoela
niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora,
rahalahin'i Abrahama.
24 Ary ny
vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama
sy Tahasy ary Meaka.
*
1 [Ny nahafatesan'i
Saraha sy ny nandevenana azy] Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby
roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2 Ary Saraha dia maty
tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama
hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
3 Ary Abrahama
nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny
taranak'i Heta ka nanao hoe:
4 Vahiny sy mpivahiny
eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny
fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5 Dia namaly an'i
Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
6 Mihainoa anay,
tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny
fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao
tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
7 Dia nitsangana
Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
8 dia niteny taminy
ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho
eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i
Zohara,
9 mba homeny ahy ny
zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola
tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10 Ary Efrona
nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita
teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny
tanànany, ka nanao hoe:
11 Tsia, tompokolahy,
fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia
omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno
ny fatin'ny vadinao.
12 Ary niankohoka teo
anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
13 dia niteny tamin'i
Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino
ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko
ao ny fatin'ny vadiko.
14 Ary Efrona dia
namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
15 Tompokolahy,
mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany
amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
16 Dia neken'i
Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo
anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
17 Ary ny sahan'i
Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay
teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny
rehetra manodidina, dia natao varo-maty
18 tamini'i Abrahama
ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin'ny
tanànany.
19 Ary rehefa afaka
izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny
saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
20 ka ny saha
mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i
Abrahama ho tany fandevenana.
*
1 [Ny nampakan'i
Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia
efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama
tamin'ny zavatra rehetra.
2 Ary hoy Abrahama
tamin'ilay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany
rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao;
3 fa hampianianiko
amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho
an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina ianao;
4 fa any amin'ny
tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.
5 Ary hoy ilay
mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny
vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay
nialanao va aho?
6 Ary hoy Abrahama
taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
7 Jehovah,
Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy
tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny
taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo
alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.
8 Ary raha tsy hety
hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao
ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
9 Ary nataon'ilay
mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny
amin'izany zavatra izany izy.
10 Ary ilay mpanompo naka
rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny
tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho
any an-tanànan'i Nahora.
11 Ary
nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny
rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy
mpantsaka iny
12 Dia hoy izy:
Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa
Abrahama tompoko.
13 Indro, mijanona
eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna
mivoaka hantsaka rano;
14 koa izay zazavavy
hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy:
Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho
voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao
soa ny tompoko.
15 Ary raha tsy mbola
nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela,
zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy
teny an-tsorony.
16 Ary ilay zazavavy
dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala
azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia
niakatra.
17 Ary ilay mpanompo
dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy
amin'ny sininao aho.
18 Ary hoy
razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo
an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
19 Ary rehefa
nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako
hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20 Ary dia naidiny
faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka
indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny
ramevany rehetra izy.
21 Ary ralehilahy nandinika
azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny
nalehany, na tsia.
22 Ary rehefa
tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena
iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo,
hatao amin'ny tànany;
23 ary hoy izy:
Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao
an-tranon'ny rainao?
24 Ary hoy izy
taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i
Nahora, aho.
25 Ary hoy koa izy
taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano
handrianareo koa.
26 Dia niondrika
ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,
27 ary nanao hoe:
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny
famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i
Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.
28 Dia lasa
nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao
an-tranon'ny reniny.
29 Ary Rebeka nanana
anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo
ivelany, teo am-pantsakana.
30 Ary rehefa hitany
ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny
tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia
nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva
teo am-pantsakana ralehilahy.
31 Ary hoy Labana:
Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho
efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.
32 Dia niditra tao
an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome
mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny
tongotry ny olona izay nomba azy.
33 Dia nandroso
hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy
efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
34 Dia hoy
ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.
35 Ary Jehovah efa
nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy
ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy
andevovavy, ary rameva sy boriky.
36 Ary rehefa antitra
Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa
natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.
37 Ary efa
nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy
amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;
38 fa any amin'ny
tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny
zanako.
39 Ary izaho namaly
ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40 Ary hoy izy
tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny
homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy
amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
41 Dia ho afaka
amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy
manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.
42 Ary tonga androany
teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama
tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
43 indro, mijanona
eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako
hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,
44 ka hamaly hoe izy:
Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy
voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko.
45 Ary raha tsy mbola
nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny
an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho
taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
46 Dia nampidininy
faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary
hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa
izy.
47 Dia nanontany azy
aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela,
zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony
ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.
48 Dia niondrika aho
ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah,
Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina
haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany
49 Koa ankehitriny,
raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha
tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho
amin'ny ankavia.
50 Dia namaly Labana
sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany,
ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
51 Indro, Rebeka eto
anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao
izy, araka izay nolazain'i Jehovah.
52 Ary rehefa nandre
ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo
anatrehan'i Jehovah izy.
53 Ary ilay mpanompo
dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny
an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
54 Dia vao izay no
nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary
nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny
tompoko.
55 Ary hoy ny
anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny
zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
56 Fa hoy ralehilahy
taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho
mba hankany amin'ny tompoko.
57 Ary hoy izy ireo:
Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
58 Dia niantso
an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va
ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59 Dia namoaka
an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny
olony izy.
60 Dia nitso-drano
an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie
ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.
61 Ary niainga Rebeka
mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka
tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
62 Ary Isaka efa
tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany
atsimo izy.
63 Ary Isaka nivoaka
mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy
ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
64 Ary Rebeka koa
nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny
rameva izy.
65 Ary hoy izy
tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy
mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny
fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66 Ary dia
nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67 Ary Isaka dia
nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho
vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
*
1 [Ny nanambadian'i
Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama,
sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no
anarany.
2 Dia niteraka an'i
Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama
izy.
3 Ary Joksana
niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy
Letosima ary Leomima.
4 Ary ny
zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo
rehetra ireo no zanak'i Ketora.
5 Dia natolotr'i
Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
6 Fa ny zanak'ireo
vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka
nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana
ho any amin'ny tany atsinanana.
7 Ary ny andro
niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
8 Dia niala aina
Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia
voangona any amin'ny razany izy.
9 Ary nalevin'Isaka
sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona,
zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
10 dia ilay saha izay
novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama
sy Saraha vadiny.
11 Ary rehefa maty
Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo
akaikin'i Bera-lahai-roy.
*
12 [Ny
taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay
naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
13 Izao no anaran'ny
zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota,
lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
14 sy Misma sy Doma
sy Masa
15 sy Hadada sy Tema
sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16 Izy ireo no
zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia
andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
17 Ary ny andro niainan'Isimaela
dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia
voangona any amin'ny razany .
18 Ary ny taranany
nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana
mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
*
19 [Ny amin'i Esao sy
Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
20 Abrahama niteraka
an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i
Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
21 Ary Isaka
nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i
Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
22 Ary nifanosika ny
zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia
mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
23 Ary hoy Jehovah
taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao
am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny
hanompo ny zandriny.
24 Ary rehefa tonga
ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Dia teraka ny
voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia
nataony hoe Esao ny anarany.
26 Ary rehefa afaka
izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny
ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo
taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
27 Dia nitombo ireo
zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa
lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
28 Ary Isaka tia an'i
Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
29 Ary nahandro
hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
30 Dia hoy Esao
tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho
(izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
31 Fa hoy Jakoba:
Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32 Dia hoy kosa Esao:
Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
33 Ary hoy Jakoba:
Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i
Jakoba ny fizokiany.
34 Ary Jakoba nanome
an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka
lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
*
1 [Ny
nivahinian'Isaka tany Gerara] Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy
ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i
Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
2 Ary Jehovah niseho
taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay
holazaiko aminao.
3 Mivahinia eto
amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny
taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay
nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4 dia hahamaro ny
taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao
ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena
rehetra ambonin'ny tany;
5 satria efa nihaino
ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny
teniko ary ny lalàko.
6 Ary Isaka dia
nitoetra tany Gerara.
7 Ary ny lehilahy
tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa
natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy
tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
8 Ary rehefa nitoetra
ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny
Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9 Ary Abimeleka dia
niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no
nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo:
Fandrao maty aho noho ny aminy.
10 Ary hoy Abimeleka:
Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona,
dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11 Dia nandidy ny
vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny
vadiny dia hatao maty tokoa.
12 Dia namafy
tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria
efa notahin'i Jehovah izy.
13 Ary nanan-karena
ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14 fa nanana fananana
be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny
Filistina.
15 Ary ny lavaka
fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i
Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16 Ary hoy Abimeleka
tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
17 Ary lasa niala teo
Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18 Dia noloaran'Isaka
indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa
efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana
ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19 Dia nihady teo
amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
20 Ary niady tamin'ny
mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano;
ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria
nifanditra taminy izy ireo.
21 Dia nihady lavaka
fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe
Sitna.
22 Dia nifindra niala
teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba
niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i
Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
23 [Ny
nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka]
Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
24 Ary Jehovah niseho
taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama
rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny
taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
25 Ary nanorina
alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo
koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
26 Ary Abimeleka
mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao
Gerara hankany amin'Isaka.
27 Fa hoy Isaka
taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka
nandroaka ahy niala teo aminareo?
28 Ary hoy izy ireo:
Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy
hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena
aminao,
29 fa tsy hanisy
ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy
nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa
nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i
Jehovah.
30 Dia nanao fanasana
ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
31 Dia nifoha maraina
koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa
nody soa aman-tsara izy.
32 Ary tamin'izany
andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka
fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
33 Dia nanao ny
anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba
mandraka androany.
34 [Ny nampakaran'i
Esao vehivavy Kananita ho vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia
nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i
Elona Hetita, izy.
35 Dia nangidy
tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
*
1 [Ny fitaka nataon'i
Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina
ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy
hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2 Ary hoy izy: Indro
fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3 koa ankehitriny,
masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny
tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4 ary anaovy hanim-py
aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano
anao, dieny tsy mbola maty aho.
5 Ary Rebeka nandre
an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao
nitady haza ho entiny.
6 Ary Rebeka niteny
tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny
tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
7 Ihazao aho, ka
anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah,
dieny tsy mbola maty aho.
8 Koa ankehitriny,
anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
9 Mankanesa kely any
amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py
ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
10 ary dia ho entinao
any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11 Fa hoy Jakoba
tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho
lehilahy malambo hoditra kosa;
12 ary angamba
hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona
amiko, fa tsy tso-drano.
13 Ary hoy ny reniny
taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka
mandehana, itondray aho.
14 Dia nandeha izy ka
naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py
araka ilay tian'ny rainy.
15 Ary nalain-dRebeka
ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao
an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
16 Ary ny hoditry ny
zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17 dia natolony teo
an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18 Ary Jakoba nankany
amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa
ianao, anaka?
19 Ary hoy Jakoba
tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao
nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba
hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20 Ary hoy Isaka
tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary
hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21 Ary hoy Isaka
tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na
Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22 Ary Jakoba
nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia
feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
23 Ary tsy
nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny
tànany; dia notsofiny rano izy.
24 Ary hoy izy:
Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25 Ary hoy kosa
Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba
hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana
izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26 Ary hoy Isaka
rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27 Dia nanatona izy
ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka
nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i
Jehovah.
28 Ary
hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary
vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 Hanompo anao anie
ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho
tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky
ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie
izay manisy soa anao.
30 Ary rehefa vita ny
nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy,
dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31 Ary izy koa nanao
hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka
hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao
rano ahy.
32 Fa hoy Isaka rainy
taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33 Ary toran-kovitra
indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko,
ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko
rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34 Raha vao ren'i
Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe:
Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35 Ary hoy rainy:
Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36 Dia hoy Esao: Moa
tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny
fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary
hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37 Dia namaly Isaka
ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny
rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no
namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38 Ary hoy Esao
tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re
aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39 Dia namaly Isaka
rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao,
ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
40 Fa ny sabatrao no
hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay
andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
*
41 [Ny nialan'i
Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny
zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho
ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny
andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
42 Ary nisy namambara
tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka
an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao
mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43 Ary ankehitriny,
anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i
Labana anadahiko.
44 Ary mitoera any
aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
45 eny,
mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay
nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy
anareo mirahalahy indray andro?
46 Ary hoy Rebeka
tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka
vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny
zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
1 Ary Isaka nampaka
an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy
amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
2 Miainga ka
mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà
vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3 Ary Andriamanitra
Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga
firenena maro ianao;
4 ary homeny anao
anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba
handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5 Ary Isaka
nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i
Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
6 Ary nony hitan'i
Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any
Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka
vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
7 koa Jakoba efa
nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8 ary hitan'i Esao fa
efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9 dia lasa Esao
nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i
Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay
nananany.
10 [Ny
nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany
Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11 Ary tonga teo
amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny
masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana,
dia nandry teo izy.
12 Ary nanonofy izy,
ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny
lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13 Ary, indro,
Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i
Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao
sy ny taranakao;
14 ary ny taranakao
ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana
ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana
ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15 Ary, indro, Izaho
momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao
indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay
voalazako taminao.
16 Ary Jakoba
nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa
Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17 Dia raiki-tahotra
izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa
tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18 Ary nifoha maraina
koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho
tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
19 Ary ny
anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay
tanàna tany aloha.
20 Dia nivoady Jakoba
ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana
alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21 ka ho tafaverina
soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho
Andriamanitro,
22 ary ity vato izay
naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao
ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
*
1 [Ny nanompoan'i
Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny
zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
2 Dia nijery izy, ka,
indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy
telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no
fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo
am-bavan'ny fantsakana.
3 Ary nangonina teo
ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala
amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia
naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny
fitoerany.
4 Ary hoy Jakoba
tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any
Harana izahay.
5 Ary hoy izy taminy:
Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray
ihany.
6 Ary hoy izy taminy:
Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely
zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
7 Ary hoy izy: Indro,
mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby
aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8 Dia hoy izy: Tsy
azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy
rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana;
dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9 Raha mbola niteny
taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa
mpiandry ondry izy.
10 Ary rehefa hitan'i
Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i
Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny
vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana
anadahin-dreniny izy.
11 Ary Jakoba
nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12 Dia nambaran'i
Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka
Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13 Ary rehefa ren'i
Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy
izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia
nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
14 Ary hoy Labana
taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray
volana Jakoba,
15 dia hoy Labana
taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao
amiko izay ho karamanao.
16 Ary Labana
nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny
zandriny.
17 Ary Lea nalemy
maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18 Ary Jakoba tia
an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely,
zanakao faravavy.
19 Ary hoy Labana:
Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20 Dia nanompo an'i
Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo
imasony izany noho ny fitiavany azy.
21 Ary hoy Jakoba
tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny
fetr'androko.
22 Ary nampamory ny
tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23 Kanjo nony hariva
dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia
nanambady azy Jakoba.
24 Ary nomen'i Labana
an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25 Ary nony efa
maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao
nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no
nofitahinao aho?
26 Dia hoy Labana: Tsy
fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
27 Tanteraho ny
herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny
fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
28 Dia nataon'i
Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa
Rahely zananivavy ho vadiny.
29 Ary nomen'i Labana
an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30 Dia novadin'i
Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana
fito taona indray izy.
31 Ary rehefa hitan'i
Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
32 Dia nanan'anaka
Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy:
Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
33 Dia nanan'anaka
indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa
nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
34 Dia nanan'anaka
indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana
amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana
ny anarany hoe Levy.
35 Dia nanan'anaka
indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i
Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
1 Ary rehefa
hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny
izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho
faty aho.
2 Dia nirehitra
tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay
nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3 Ary hoy izy: Indro
Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako
zaza aminy.
4 Dia nomeny azy Bila
ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5 Dia nanan'anaka
Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6 Ary hoy Rahely:
Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny
zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7 Dia nanan'anaka
indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
8 Ary hoy Rahely:
Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia
nataony hoe Naftaly ny anarany.
9 Ary rehefa hitan'i
Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho
vadin'i Jakoba koa.
10 Ary Zilpa,
ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
11 Ary hoy Lea:
Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12 Ary Zilpa,
ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13 Ary hoy Lea:
Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony
hoe Asera ny anarany.
14 Ary nivoaka
nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry
tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely
tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15 Ary hoy izy
taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny
dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina
noho ny dodaiman'ny zanakao.
16 Ary nony hariva,
rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao
hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao
tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
17 Ary Andriamanitra
nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i
Jakoba.
18 Ary hoy Lea: Efa
nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny
ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19 Dia nanan'anaka
indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
20 Ary hoy Lea: Efa
nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko,
fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21 Ary rehefa afaka
izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22 Ary Andriamanitra
nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
23 Ary nanan'anaka
izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 Dia nataony hoe
Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy
koa.
25 [Ny fanekena hafa
koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia
hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
26 Omeo ahy ny vadiko
aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana
izay nanompoako anao.
27 Ary hoy Labana
taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa
namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
28 Ary hoy koa izy:
Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
29 Ary hoy Jakoba
taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato
amiko.
30 Fa kely ny
fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa
nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho
no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
31 Ary hoy izy: Inona
ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao;
raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako
ihany ny ondry aman'osinao:
32 Handeha hitety ny
ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary
ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa
ireny no ho karamako.
33 Ny fahamarinako no
ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako:
izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo
amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
34 Ary hoy Labana:
Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
35 Dia navahany
tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara
sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry;
dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
36 Ary nasiany
lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry
aman'osin'i Labana sisa.
37 Ary Jakoba dia
naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy
tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo
amin'ny tsorakazo.
38 Ary ireny
tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo
anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry
aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano
izy.
39 Dia nikambana
tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40 Ary ny zanak'ondry
navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny
mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry
aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
41 Ary na oviana na
oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo
anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo
ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
42 Fa raha osaosa
kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no
an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.
43 Dia nitombo harena
indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy
andevolahy ary rameva sy boriky.
1 [Ny nandosiran'i
Jakoba avy tany Mesopotamia hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny
zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra
nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao
voninahitra rehetra izao.
2 Ary hitan'i Jakoba
ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Ary hoy Jehovah
tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary
homba anao Aho.
4 Ary Jakoba naniraka
ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
5 ka nanao taminy
hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny
taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6 Ary fantatrareo fa
tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7 Fa ny rainareo efa
namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra
hahatonga loza tamiko izy.
8 Raha nilaza hoe
izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra:
ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka
sadika ny ondry aman'osy rehetra.
9 Dia
nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
10 Ary rehefa mby
amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako
tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana
tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
11 Ary hoy Ilay
Anjelin'Andriamanitra tamiko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty
aho.
12 Ary hoy Izy: Mba
atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay
mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra
nataon'i Labana taminao.
13 Izaho no
Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko;
miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany
nahaterahanao.
14 Dia namaly Rahely
sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao
an-tranon'ny rainay?
15 Tsy nataony toy
ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay
rehetra.
16 Fa ny harena
rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay
izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
17 Dia niainga
Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 dia nitondra ny
ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa
nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany
amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
19 Ary Labana efa
lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny
sampin-drainy.
20 Ary Jakoba dia
nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny
handosirany.
21 Ary nandositra izy
ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra
hankany an-tendrombohitra Gileada.
22 Ary tamin'ny andro
fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Dia nitondra ny
havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra
Gileada.
24 Fa Andriamanitra
nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe:
Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Ary Labana dia
nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo
an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo
an-tendrombohitr'i Gileada.
26 Ary hoy Labana
tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka
nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
27 Nahoana no
nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko
ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka
sy ny lokanga,
28 sady tsy mba
navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao
adaladala ianao.
29 Manankery hanisy
ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina
ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Ary ankehitriny,
raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao,
nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
31 Dia namaly Jakoba
ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba
halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Izay hahitanao ny
andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato
amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra
azy.
33 Ary Labana niditra
tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy,
fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Fa efa
nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia
nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy
nahita.
35 Ary hoy Rahely
tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto
anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa
tsy nahita ny sampy.
36 Dia tezitra Jakoba
ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe:
Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Fa efa nosavanao
avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao?
Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa
lahy,
38 Izao roa-polo
taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba
namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
39 Izay
voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo
an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina
alina.
40 Nony antoandro
matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny
masoko ny torimaso.
41 Izao roa-polo
taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no
nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako
ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Raha tsy
Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no
nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra
efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Dia namaly Labana
ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo
zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry
aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko
anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
44 Koa ankehitriny
avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko
sy aminao izany.
45 Dia naka vato iray
Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46 Ary hoy Jakoba
tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary
dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
47 Ary ny anaran'ny
antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy
hoe Galeda.
48 Ary hoy Labana:
Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany
hoe Galeda.
49 Ary nataony hoe
Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy
mifankahita isika.
50 Raha tahìny
hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo
ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho
vavolombelona amintsika.
51 Ary hoy indray
Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato
ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 dia aoka ho
vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato
ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy
hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa
hanisy ratsy.
53 Ny andriamanitr'i
Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy
mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no
nianianan'i Jakoba.
54 Dia namono zavatra
hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba
hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny
alina,
*
1 Ary nifoha maraina
koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia
lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
2 Ary Jakoba nizotra
tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
3 Ary hoy Jakoba,
raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany
nataony hoe Mahanaima.
4 [Ny nihaonan'i
Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny,
ho any Seira, tanin'i Edoma.
5 Ary nanome teny azy
izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i
Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany
mandraka ankehitriny;
6 ary manana omby sy boriky
sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao
tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
7 Dia niverina tany
am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao
izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
8 Dia natahotra
indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay
nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva;
9 fa hoy izy: Raha
tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny
antokony anankiray.
10 Ary hoy Jakoba: E
Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay
efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia
hanao soa aminao Aho;
11 tsy mendrika ho
nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana
rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona
afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga
toby roa aho.
12 O vonjeo aho
amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho,
fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
13 Fa Hianao efa
nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny
fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14 Dia nitoetra teo
izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba
hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,
15 dia osivavy
roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
16 ary rameva
telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo,
borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
17 Dia natolony teo
an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny
mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
18 Dia nanome teny ny
voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany
anao hoe: An'iza ianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?
19 dia lazaonao hoe:
An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy
Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
20 Ary nanome teny ny
faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko,
ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo
izy.
21 Ary lazao hoe koa:
Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany
aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao
hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
22 Ary dia lasa
nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo
amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.
23 Dia nitsangana
tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny
roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka
izy.
24 Ary naka azy ireo
izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
25 Dia Jakoba irery
no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy
ambara-pahazavaratsin'ny andro.
26 Ary rehefa hitany
fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny
foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
27 Ary hoy Izy:
Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy
havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
28 Ary hoy Izy
taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
29 Ary hoy indray
Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona
tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.
30 Dia nanontany
Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy:
Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
31 Ary ny
anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa
nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
32 Dia niposaka
taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny
feny.
33 Izany no tsy
ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria
nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
1 Ary Jakoba dia
nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia
nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
2 Ary nataony
loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka,
ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
3 Ary Jakoba nandeha
teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany
teo akaikin'ny rahalahiny.
4 Dia nihazakazaka
hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary
samy nitomany izy mirahalahy.
5 Ary Esao nanopy ny
masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka
aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny
mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 Dia nanatona ny
ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
7 Dia nanatona koa
Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely
ka niankohoka.
8 Ary hoy Esao: Inona
moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba
hahitako fitia eto imason'itompokolahy.
9 Ary dia hoy Esao:
Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10 Ary hoy Jakoba:
Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia
raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho
tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11 Trarantitra ianao,
raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy
Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny
zavatra.
12 Ary hoy Esao: Aoka
hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
13 Fa hoy Jakoba
taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry
aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia
ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
14 Trarantitra ianao,
aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay
dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza,
mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
15 Ary hoy Esao:
Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa
hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto
imason'itompokolahy aho.
16 Dia niverina
androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira.
*
17 Ary Jakoba
nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo
maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io
hoe Sokota.
18 Ary Jakoba tonga
soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy
tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
19 Dia novidiny vola
zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
20 Ary nanorina
alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
1 [Ny nakan'i Sekema
an'i Dina sy ny namalian'i Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina,
zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy
tompon-tany.
2 Ary nahita azy
Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka
azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3 Ary ny fony dia
raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka
dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4 Ary Sekema dia
niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5 Ary ren'i Jakoba fa
efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby
aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6 Dia nivoaka Hamora,
rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
7 Ary ny zanak'i
Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra
indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely
noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony
hatao izany.
8 Ary Hamora nidinika
taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny
zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9 Ary aoka
hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa
ny zanakai-vavy,
10 Dia hiara-monina
aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra
ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.
11 Ary hoy Sekema
tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho,
ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12 na dia harena be
sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay
holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13 Ary ny zanak'i
Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho
ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
14 ary hoy izy
taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy
voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15 Izao ihany no
azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy
rehetra aminareo,
16 dia homenay anareo
ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina
aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17 Fa raha tsy
hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka
handeha izahay.
18 Dia sitrak'i
Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19 Ary tsy
nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny
zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao
an-tranon'ny rainy.
20 Ary Hamora sy
Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny
mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21 Ireo olona ireo
mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao
varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia
aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy
kosa.
22 Nefa izao monja
ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina
amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto
amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23 Tsy ho antsika va
ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka
hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24 Ary izay rehetra
nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema
zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny
vavahadin'ny tanànany.
25 Ary nony tamin'ny
andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny
sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka
niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26 Ary Hamora sy
Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina
tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.
27 Ary ny zanak'i
Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny
anabaviny.
28 Ny ondry
aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy
izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29 ary ny fananany
rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny
avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.
30 Ary hoy Jakoba
tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa
nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny
Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono
ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
31 Fa hoy kosa izy:
Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
*
1 [Ny nankanesan'i
Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any;
ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao
nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2 Dia hoy Jakoba
tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo
andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3 ary andeha hiainga
isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra,
Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana
izay nalehako.
4 Dia natolony teo
amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny
an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao
akaikin'i Sekema ireo.
5 Dia lasa nandeha
izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy,
ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6 Ary Jakoba dia
tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny
olona rehetra izay nomba azy.
7 Ary nanorina
alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no
nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8 Ary maty Debora,
mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo
ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9 Ary Andriamanitra
niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy
azy.
10 Ary hoy
Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny
anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11 Ary hoy
Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy
mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny
haterakao;
12 ary ny tany izay
nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao
koa no homeko ny tany.
13 Ary Andriamanitra
niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
14 Ary Jakoba dia
nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina
fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
15 Ary ny anaran'ny
tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
16 [Ny nialan'i
Jakoba tany Betela, sy ny nahafatesan-dRahely tany an-dalana, ary ny anaran'ny
zanakalahin'i Jakoba roa ambin'ny folo] Dia nifindra niala tany Betela izy; ary
nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza
Rahely sady sarotiny.
17 Ary nony sarotiny
toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato
koa no zazalahy ho anao.
18 Ary rehefa hiala
aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao
azy hoe Benjamina.
19 Dia maty Rahely ka
nalevina teo amin'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
20 Ary Jakoba
nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny
fasan-dRahely mandraka androany.
21 Dia lasa nifindra
Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
22 Ary raha nonina
teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila,
vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
23 Ary ny
zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia
Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary
Zebolona;
24 ny zana-dRahely
kosa dia Josefa sy Benjamina;
25 ary ny zanak'i
Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
26 ary ny zanak'i
Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba
izay naterany tany Mesopotamia.
27 Ary Jakoba nankany
amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i
Abrahama sy Isaka.
28 Ary ny andro
niainan'Isaka dia valo-polo amby zato taona.
29 Dia niala aina
Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela
niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
*
1 [Ny taranak'i Esao]
Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):
2 Esao naka vady
tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama,
zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,
3 ary Basemata,
zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.
4 Ary Ada niteraka
an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;
5 ary Oholibama
niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany
tany amin'ny tany Kanana.
6 Dia nentin'i Esao
ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony
sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra
izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany
hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
7 Fa samy be loatra
ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy
ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
8 Koa nonina tany
an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
9 Ary izao no
taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
10 Ny anaran'ny
zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela,
zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
11 Ary ny
zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12 Ary Timna no
vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i
Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
13 Ary izao no zanakalahin'i
Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata,
vadin'i Esao.
14 Ary izao no
zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao:
niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
15 Izao no
loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i
Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny
sy Kenaza loham-pireneny
16 sy Kora
loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no
loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i
Ada.
17 Ary izao no
zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera
loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena
avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i
Esao.
18 Ary izao no
zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama
loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama,
zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
19 Ireo no zanak'i
Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20 Ary izao no
zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy
Zibona sy Ana
21 sy Disona sy Ezera
ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra,
tany amin'ny tany Edoma.
22 Ary ny
zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
23 Ary izao no
zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
24 Ary izao no
zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana
tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).
25 Ary izao no
zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.
26 Ary izao no
zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27 Ary izao no
zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28 Ary izao no
zanak'i Disana: Oza sy Arana.
29 Ary izao no
loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny
sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
30 sy Disona
loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no
loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
31 Ary izao no
mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka
nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
32 Nanjaka tany Edoma
Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
33 Ary maty Bela, dia
nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
34 Ary maty Jobaba,
dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
35 Ary maty Hosama,
dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany
amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
36 Ary maty Hadada,
dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
37 Ary maty Samla,
dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
38 Ary maty Saoly,
dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
39 Ary maty
Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no
anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i
Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
40 Ary izao no
anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka
ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy
Jeteta loham-pireneny
41 sy Oholibama
loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
42 sy Kenaza
loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
43 sy Magdiela
loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny
Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny
Edomita.
*
1 [Ny nankahalan'ny
rahalahin'i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo] Ary Jakoba nonina tany
amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
2 Ary izao no
tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry
ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy
ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3 Ary tian'Isiraely
mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka
nanaovany akanjo lava.
4 Ary nony hitan'ny
rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia
nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
5 Ary nanonofy
Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy
izany.
6 Fa efa nilaza
taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
7 Indro, namehy
amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary,
indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo
anatrehan'ny amboarako.
8 Ary hoy ny
rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va
ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9 Ary nanonofy indray
izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho;
ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo
niankohoka teo anatrehako.
10 Ary nambarany
tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka
nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy
tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo
anatrehanao?
11 Dia nialona azy ny
rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
12 Ary lasa ny
rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
13 Ary hoy Isiraely
tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba
hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
14 Ary hoy ny rainy
taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry
aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo
amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15 Ary nisy lehilahy
nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy
ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
16 Dia hoy kosa izy:
Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany
ondry.
17 Ary hoy
ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha
isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany
Dotana.
18 Ary nahatazana azy
eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia
niray tetika hamono azy izy.
19 Dia niresaka hoe
izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
20 Koa ankehitriny,
andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto
lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy;
dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
21 Ary Robena nandre
izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy
isika.
22 Ary hoy koa Robena
taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ
an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy
amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
23 Ary rehefa tonga
teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava
teny aminy;
24 dia nobetainy izy
ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano
tao.
25 Ary nipetraka
nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo,
nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra
ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
26 Ary hoy Joda
tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika
sy hanafina ny ràny isika?
27 Andeha
hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny
tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny
rahalahiny.
28 Ary raha nandalo
teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka
Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia
nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
29 Dia niverina
nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia
nandriatra ny fitafiany izy.
30 Dia niverina
nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no
halehako?
31 Ary nalain'ireo
rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony
tamin'ny rà ny akanjo.
32 Dia nampanateriny
ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay;
koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
33 Dia fantany, ka
hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa
Josefa.
34 Ary Jakoba dia
nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary
nisaona ny zanany andro maro.
35 Dia avy ny
zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety
nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any
amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
36 Ary ny Midianita
nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady
mpifehy ny mpiambina.
*
1 [Ny fanambadian'i
Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara] Ary
tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa
nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2 Ary teo no
nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy
izy ka nanambady azy.
3 Dia nanan'anaka
ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4 Dia nanan'anaka
indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5 Dia nanan'anaka
indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda
nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
6 Ary Joda naka vady
ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
7 Fa ratsy fanahy teo
imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
8 Ary hoy Joda
tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy
maso ny rahalahinao.
9 Ary fantatr'i Onana
fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny
izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny
rahalahiny.
10 Ary ratsy teo
imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
11 Ary hoy Joda
tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao
mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny
rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12 Ary rehefa ela,
dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny
alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy
Hira Adolamita sakaizany.
13 Dia nisy nanambara
tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
14 Ary nanaisotra ny
akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona,
dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna;
satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho
vadin'i Sela izy.
15 Ary hitan'i Joda
izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16 Dia nivily
nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho
(fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no
homenao ahy, raha handry amiko ianao?
17 Dia hoy izy:
Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa
hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
18 Ary hoy izy: Inona
no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny
kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry
taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
19 Ary niainga
ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka
niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
20 Dia
nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay
fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
21 Dia nanontany ny
olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy
janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga
teo.
22 Dia niverina tany
amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona
tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
23 Dia hoy Joda: Aoka
ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity
zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
24 Ary rehefa afaka
tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga
Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy.
Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
25 Ary rehefa navoaka
izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay
tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay
tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
26 Dia nahafantatra
ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i
Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
27 Ary tamin'ny andro
niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
28 Ary raha niteraka
izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka
nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
29 Ary rehefa
nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona:
Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
30 Ary rehefa afaka
izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny
tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
*
1 [Ny nanaovana an'i
Josefa tao an-trano-maizina] Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary
Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no
nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2 Ary Jehovah nomba
an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay
Egyptiana tompony izy.
3 Ary hitan'ny
tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i
Jehovah avokoa teo aminy.
4 Ary Josefa nahita
fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara
ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
5 Ary hatramin'izay
nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany
dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny
fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany
an-tsaha.
6 Dia navelany ho
andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay
rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa
dia bikàna sady tsara tarehy.
7 Ary taorian'izany
ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia
handry amiko.
8 Dia nandà izy ka
nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay
tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho
andraikitro avokoa.
9 Tsy misy lehibe
noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy
ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy
lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra?
10 Ary na dia niteny
tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy
izy na hiara-mitoetra aminy.
11 Ary tamin'ny
indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra
tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.
12 Dia nisambotra azy
tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i
Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
13 Ary rehefa
hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra
any ala-trano izy,
14 dia niantso ny
mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato
amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso
tamin'ny feo mahery aho;
15 ary nony reny fa
nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary
nandositra iny ka lasa any ala-trano.
16 Dia
napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny
tompony tao an-trano.
17 Dia nilaza taminy
izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo,
izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
18 ary rehefa
nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka
lasa nandositra any ala-trano izy.
19 Ary rehefa ren'ny
tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny
ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20 Ary ny tompon'i
Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny
mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
21 Nefa Jehovah nomba
an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny
mpitandrina ny trano-maizina.
22 Dia natolotry ny
mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay
tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
23 Ny mpitandrina ny
trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany,
satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
1 [Ny nilazan'i Josefa
ny nofin'izy roa lahy tandapan'i Farao] Ary taorian'izany ny mpitondra
kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny
mpanjakan'i Egypta tompony.
2 Ary tezitra
indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny
mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3 Dia nataony tao
an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao
anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
4 Ary Josefa
notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo
izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5 Ary nanonofy izy
roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny
mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny
nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6 Ary Josefa nankao
aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7 Dia nanontanian'i
Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny
tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8 Ary hoy izy roa
lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa
taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna
ianareo, lazao amiko izany.
9 Dia nambaran'ny
lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy:
Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10 ary ilay
tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny,
ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
11 Ary teny an-tanako
ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny
kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
12 Ary hoy Josefa
taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
13 Ato anatin'ny
hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay
nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka
ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
14 Fa mba tsarovy
aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao
amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
15 fa nangalarina
mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay
tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
16 Ary rehefa
hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia
hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo
feno mofo fotsy aho;
17 ary teo anatin'ny
karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra
fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay
nololohaviko izany.
18 Dia namaly Josefa
ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19 Ato anatin'ny
hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony
amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
20 Ary tamin'ny andro
fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho
an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra
kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
21 Ary ny lehiben'ny
mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia
nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
22 fa ny lehiben'ny
mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa
lahy avy.
23 Kanjo tsy mba
nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
1 [Ny nilazan'i
Josefa ny nofin'i Farao, sy ny nanandratana azy ho mpanapaka any Egypta] Ary
rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo
amoron'i Neily izy.
2 Koa, indreo, nisy
ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny
amin'ny bararata.
3 Ary indreo, nisy
ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka
azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.
4 Ary ireo ombivavy
ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy.
Dia nahatsiaro Farao.
5 Ary natory indray
izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny
tahony iray, sady vokatra no tsara.
6 Ary, indreo kosa,
nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana,
niseho nanaraka ireny.
7 Ary ny salohim-bary
maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro
Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8 Ary nony maraina,
dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta
sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny,
kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.
9 Dia niteny tamin'i
Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny
fahadisoako:
10 Farao dia tezitra
tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny
mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
11 Ary nanonofy
izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay
avy izahay.
12 Ary tao aminay dia
nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay
taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny
nofinay avy izahay.
13 Ary samy tonga
araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao
amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.
14 Dia naniraka Farao
ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao andavaka izy; ary
nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.
15 Ary hoy Farao
tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho
nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16 Ary Josefa dia
namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay
valiny hiadanan'i Farao.
17 Ary hoy Farao
tamin'i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron'i Neily aho;
18 koa, indreo, nisy
ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy teo Neily; ary nihinana
teny amin'ny bararata ireny.
19 Ary, indreo, nisy
ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy
indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin'ny tany
Egypta rehetra.
20 Ary ireo ombivavy
fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay
nialoha azy.
21 Ary rehefa
nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa
mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.
22 Ary hitako
tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny
tahony iray, sady vokatra no tsara;
23 ary, indreo kosa,
nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any
atsinanana, niseho nanaraka ireny;
24 ary ny
salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary
nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
25 Ary hoy Josefa
tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra
no nambarany tamin'i Farao.
26 Ny ombivavy fito
tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito
taona; iray ihany ny nofy.
27 Ary ny ombivavy
fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary
ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia
ho fito taona mosarena.
28 Izany dia ilay efa
nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony
amin'i Farao.
29 Indro, hisy fito
taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;
30 ary manaraka izany
kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo
amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;
31 ary ny
fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy
izany; fa ho mafy indrindra izany.
32 Ary naverina
indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra
izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.
33 Koa ankehitriny
aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny
tany Egypta.
34 Aoka hanao izany
Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny
ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.
35 Ary aoka izy ireo
hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be
amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry
izany izy
36 Ary aoka izany
hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay
ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.
37 Ary sitrak'i Farao
sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38 Dia hoy Farao
tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny
Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
39 Ary hoy koa Farao
tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra
izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
40 koa ianao no
hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko
rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41 Ary hoy indray
Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra
aho.
42 Dia nesorin'i
Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia
nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
43 dia
nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo
alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta
rehetra izy.
44 Ary hoy Farao
tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona
hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
45 Ary nataon'i Farao
hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i
Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany
Egypta.
46 Ary efa telo-polo
taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala
teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
*
47 Ary ny tany dia
nahavokatra tsy omby fàmpana tamin'ny taon-jina fito.
48 Dia namory ny
hanina rehetra tamin'izany fito taona izany teo amin'ny tany Egypta izy ka
nitahiry izany tao amin'ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny
isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin'ny tanàna.
49 Ary Josefa namory
vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa
intsony izy, satria efa tsy hita isa.
50 Ary nisy zazalahy
roa naterak'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, tamin'i
Josefa, raha tsy mbola tonga ny taona mosarena.
51 Ary ny anaran'ny
lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa
nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.
52 Ary ny anaran'ny
zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy
teto amin'ny tanin'ny fahoriako.
53 Ary tapitra ny
taon-jina fito teo amin'ny tany Egypta;
54 dia niandoha kosa
ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain'i Josefa; ary nisy mosary tany
amin'ny tany rehetra; nefa eran'ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina
ihany.
55 Ary rehefa mosarena
ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin'i Farao ny olona;
ary hoy Farao tamin'ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa; ary izay
holazainy aminareo dia ataovy.
56 Ary ny mosary dia
tany amin'ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka
nivaro-bary tamin'ny Egyptiana.
57 Ary ny tany
rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny
mosary tany amin'ny tany rehetra.
*
1 [Ny nandehanan'ny
zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa]Ary
fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy:
Nahoana no mifampijery foana ianareo ?
2 Dia hoy koa izy:
Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho
antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3 Dia lasa nidina izy
folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4 Fa Benjamina,
rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny;
fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5 Dia tonga ny
zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary
koa ny tany Kanana.
6 Ary Josefa no
mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary
tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7 Ary hitan'i Josefa
ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny
mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany
Kanana izahay mba hividy hanina.
8 Ary fantatr'i
Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9 Ary Josefa
nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo;
hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
10 Fa hoy izy ireo
taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11 Zanaky ny lehilahy
iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny
mpanomponao.
12 Ary hoy izy
taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
13 Fa hoy izy; Roa
ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any
amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay
ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14 Ary hoy Josefa
taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15 dia izao àry no
hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy
tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16 Iraho ny anankiray
aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina
ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia
mpisafo tokoa ianareo.
17 Dia nataony tao
an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
18 Ary nony tamin'ny
andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa
izaho matahotra an'Andriamanitra:
19 Raha olo-marina
ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao
amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny
mosary any amin'ny tranonareo;
20 ary ny zandrinareo
faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy
hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
21 Dia niresaka hoe
izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny
fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino
isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
22 Dia namaly azy
Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota
amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
23 Ary izy ireo tsy
mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny
niresahany taminy.
24 Ary Josefa dia
nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka
niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo
imasony.
25 Ary Josefa nanome
teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao
anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao
izany taminy izy.
26 Ary natainginy
tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
27 Ary raha
nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay
handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
28 Dia hoy izy
tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako
izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe:
Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?
29 Ary tonga tany
amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay
rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy :
30 Mafy ny teny
nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany
izahay.
31 Ary hoy izahay
taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
32 roa ambin'ny folo
mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny
faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
33 Dia hoy
ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina
ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka
mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
34 ary ento mankaty
amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa
olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto
amin'ny tany ianareo.
35 Ary raha
nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany
am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany
am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36 Ary hoy Jakoba
rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto
intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra
izany,
37 Ary Robena niteny
tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina
atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho
atỳ aminao indray.
38 Ary hoy Jakoba:
Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery
ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay
halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny
volo fotsiko.
*
1 [Ny nandehanan'ny
zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary
teo amin'ny tany.
2 AryY rehefa laniny
ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana
indray, mividia hanina kely ho antsika.
3 Ary Joda niteny
taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy
hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 Raha
hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy
hanina ho anao;
5 fa raha tsy
hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita
ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Ary hoy Isiraely:
Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa
mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
7 Ary hoy izy ireo:
Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka
nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va
ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va
izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
8 Ary hoy Joda
tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka
handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny
zanatsika madinika koa.
9 Izaho no hiantoka
azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka
hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra
hiainako aho;
10 fa raha tsy
nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 Ary hoy Isiraely
rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra
malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina
haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota
sy lota sy pistakia ary amygdala;
12 ary mitondra vola
toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny
lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Ary ny
rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any
amin-dralehilahy;
14 ary Andriamanitra
Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba
hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana
anaka aho, dia foana anaka ihany.
15 Dia nentin'ireo
lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny
teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka
tonga teo anatrehan'i Josefa.
16 Ary Josefa, raha
nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao
an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra
izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny
andro.
17 Dia
nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao
an-tranon'i Josefa ireo.
18 Dia raiki-tahotra
ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy:
Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana
antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo
isika, ary halainy koa ny borikintsika.
19 Dia nanatona
an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo
am-baravaran'ny trano nanao hoe:
20 Mba henoy kely
izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
21 ary rehefa tonga
teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny
volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay;
ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
22 Ary nitondra vola
hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny
volanay tao anatin'ny lasakanay.
23 Ary hoy izy:
Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny
rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia
efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
24 Ary
nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano,
dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
25 Dia nandamina ny
zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro;
fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
26 Ary rehefa tonga
tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba
hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo
anatrehany izy.
27 Ary Josefa
nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra
nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
28 Dia hoy izy: Tsara
ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka
niankohoka.
29 Ary Josefa nanopy
ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy
izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy:
Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
30 Dia niala faingana
Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany
izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
31 Ary rehefa nanasa
ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao
hoe: Ento ny nahandro.
32 Dia narosony
mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana
koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy
mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
33 Dia nipetraka teo
anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny
fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
34 Ary samy
nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny
anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra.
Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
1 [Ny
nampahafantaran'i Josefa ny rahalahiny fa izy no Josefa, sy ny nanirahany haka
ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe:
Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary
ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
2 ary ny kapoakako,
dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy
mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
3 Ary raha vao nazava
ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
4 Ary rehefa
tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny
mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa
tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
5 Tsy iny va no
fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
6 Dia nahatratra azy
ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7 Ary hoy izy ireo
taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny
mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
8 Indro fa ny vola
izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy
tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na
volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
9 Izay anankiray
amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia
ho andevon'itompokolahy.
10 Dia hoy izy: Aoka
ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo
tsy hanan-tsiny.
11 Ary samy nampidina
faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
12 Dia nikaroka
fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny
faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay
kapoaka.
13 Ary samy
nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka
niverina ho any an-tanàna.
14 Ary Joda sy ny
rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka
tamin'ny tany teo anatrehany.
15 Ary hoy Josefa
taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay
lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
16 Ary hoy Joda:
Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary
hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny
mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay
nahitana ny kapoaka tao aminy.
17 Nefa hoy Josefa:
Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany
no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny
rainareo.
18 Dia nanatona azy
Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao
handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra
amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
19 Itompokolahy
nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
20 Ary hoy izahay
tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky
ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny
sisa, ary tian'ny rainy izy.
21 Ary ianao nanao
tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
22 Ary hoy izahay
tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha
misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
23 Ary hoy ianao
tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy,
dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
24 Ary rehefa
tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny
tenin'itompokolahy.
25 Dia hoy ny rainay:
Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
26 Ary hoy izahay:
Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia
hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy
miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
27 Dia hoy ny
mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy
tamiko;
28 fa lasa niala
tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola
hitako mandraka ankehitriny izy;
29 ary raha
halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia
hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
30 Koa ankehitriny,
raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza
(fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),
31 koa raha hitany fa
tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny
mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
32 Fa ny mpanomponao
efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao
izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.
33 Koa ankehitriny,
trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo
ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
34 Fa hataoko ahoana
no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita
izay loza hanjo ny raiko aho.
1 Ary Josefa tsy
nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo
aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko.
Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao
izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2 Dia nitomany mafy
izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
3 Ary hoy Josefa
tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy
nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
4 Ary hoy Josefa
tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy
Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 Ary ankehitriny,
aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa
hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 Fa roa taona izao
no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay
tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 Ary Andriamanitra
efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny
tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
8 Ary amin'izany, tsy
ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i
Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta
rehetra.
9 Andeha miakatra
faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa
zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna
hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10 dia honina eo
amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao
ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
11 Dia hamelona anao
eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao
sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
12 Ary, indro,
hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no
miteny aminareo.
13 Dia hambaranareo
amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa
mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
14 Dia namihina ny
vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba
nitomany teo amin'ny vozony.
15 Ary dia nanoroka
ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka
izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16 Ary re tao
an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao
sy ny mpanompony izany.
17 Ary hoy Farao tamin'i
Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho
entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
18 ary alao ny
rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny
tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.
19 Ary ankehitriny
efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta
hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
20 Aza malahelo ny
amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
21 Ary nataon'ny
zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i
Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
22 Ary izy rehetra
samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy
telon-jato sy akanjo indimy miova.
23 Ary izao kosa no
nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany
Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho
entiny eny an-dalana.
24 Dia nampandehaniny
ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra
eny an-dalana ianareo.
25 Dia niakatra avy
tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany
Kanana.
26 Dia nilaza taminy
izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany
Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
27 Dia nolazain'izy
ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny
sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona
indray ny fanahin'i Jakoba rainy
28 Ary hoy Isiraely:
Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny
tsy mbola maty aho.
1 [Ny
nifindran'Isiraely sy ny ankohonany ho any amin'ny tany Egypta] Ary niainga
Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono
zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
2 Ary Andriamanitra
niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba,
ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3 Dia hoy Izy: Izaho
no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta
ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4 Izaho hiara-midina
aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny
tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
5 Dia niainga Jakoba ka
niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny
zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i
Farao hitondrana azy.
6 Ary nentin'izy ireo
ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany
Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7 ny zananilahy sy ny
zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba
azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8 Ary izao no
anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9 Robena,
lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona
ary Karmy
10 Ary ny
zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly,
zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
11 Ary ny
zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12 Ary ny
zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy
Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i
Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 Ary ny
zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14 Ary ny
zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15 lreo no
zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy;
ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 Ary ny
zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary
Arely.
17 Ary ny zanak'i
Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny
zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18 Ireo no zanak'i
Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i
Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
19 Ny
zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 Ary ny
zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i
Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 Ary ny
zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy
sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Ireo no
zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny
isan'izy rehetra.
23 Ary ny
zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Ary ny
zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Ireo no
zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no
naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
26 Ny isan'izay
rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony,
afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Ary ny
zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny
terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 Ary Joda nirahiny
nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia
tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29 Ary Josefa
nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena
izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo
amin'ny vozony.
30 Ary hoy Isiraely
tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa
mbola velona ihany ianao.
*
31 Ary hoy Josefa
tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao
ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny
tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32 Ary mpiandry ondry
ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy
ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 Ary raha hiantso
anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo?
34 dia izao no
havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny
fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba
hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny
Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
1 [Ny nahazoan'Isiraely
sy ny ankohonany fonenana tsara tao Gosena, ary ny nanjo ny Egyptiana noho ny
hamafin'ny mosary] Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny
raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra
ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany
Gosena izy.
2 Ary ny dimy lahy
tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
3 Ary hoy Farao
tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy
tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
4 Ary hoy koa izy
tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy
ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny
tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny
tany Gosena ny mpanomponao.
5 Ary Farao dia
niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ
aminao;
6 ny tany Egypta dia
eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny
rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy
lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby
aman'ondriko.
7 Dia nentin'i Josefa
ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.
8 Ary hoy Farao
tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
9 Dia hoy Jakoba
tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no
ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny
andro nivahiniany.
10 Ary Jakoba, rehefa
nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
11 Dia namponenin'i
Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta,
dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa
nandidian'i Farao.
12 Dia novelomin'i
Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy
rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
*
13 Ary tsy nisy
hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny
tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
14 Dia nangonin'i
Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany
Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao
an-tranon'i Farao ny vola.
15 Ary rehefa lany
avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo
amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana
no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16 Ary hoy kosa
Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17 Dia nentiny tany
amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny
sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy
tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
18 Ary rehefa tapitra
izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka
nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary
efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona
intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
19 nahoana no dia ho
faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny
tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo
voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
20 Dia notakalozan'i
Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny
sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
21 Ary ny olona dia
nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.
22 Ny tanin'ny
mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny
mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy
nanakalozany ny taniny.
23 Dia hoy Josefa
tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i
Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24 Ary rehefa misy
vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny
efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao
an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
25 Ary hoy izy: Efa
namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay,
dia ho mpanompon'i Farao.
26 Dia nataon'i
Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i
Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
*
27 Ary nonina tao
amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo
zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28 Ary ny andro
niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny
andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
29 Ary rehefa
antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka
nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy
ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna
ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
30 Fa rehefa lasa
mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka
halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
31 Ary hoy Jakoba:
Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny
farafara Isiraely.
*
1 [Ny tso-drano
nataon'i Jakoba tamin'i Manase sy Efraima, zanakalahin'i Josefa] Ary rehefa
afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia
nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Ary nisy nilaza
tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia
nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
3 Ary hoy Jakoba
tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny
tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
4 Indro, Izaho
hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia
homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5 Ary ankehitriny, ny
zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola
tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia
ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
6 Fa ny zanakao izay
haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny
an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
7 Ary izaho, raha
niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany
Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata,
ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
8 Ary rehefa
hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
9 Ary hoy Josefa
tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy :
Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
10 Ary efa pahina ny
mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa
nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
11 Dia hoy Isiraely
tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro,
Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
12 Ary Josefa
nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka
tamin'ny tany izy.
13 Dia notantanan'i
Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny
ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny
ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
14 Dia
nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima,
nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa
niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
15 Dia nitso-drano
an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy
Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako
ka mandraka androany,
16 ny Anjely Izay
Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka
ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary
hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
17 Ary rehefa hitan'i
Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima,
dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny
lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
18 ka hoy Josefa
tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo
amin'ny lohany ny tananao ankavanana.
19 Fa tsy nety ny
rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga
firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny
taranany ho firenena maro.
20 Dia nitso-drano
azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely
rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie
ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
21 Ary hoy Isiraely
tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody
anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.
22 Ary izaho manome
anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko
tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
*
1 [Ny
tso-dranon'Isiraely nanambarany izay ho toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary
Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako
aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2 Miangòna, ka
mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
*
3 Ry ROBENA,
lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana,
manan-tombon-kery.
4 Mandroadroatra toy
ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao
ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia
niakarany!
*
5 SIMEONA sy LEVY dia
mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
6 Aza mankeo
amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa
tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no
nanatraingoany omby.
7 Ho voaozona anie ny
fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany;
hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
*
8 Ry JODA,
hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao;
hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9 Zana-diona, Joda,
avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny
liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
10 Ny tehim-panjakana
tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony,
mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
11 Mamatotra ny
borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny
eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary
ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
12 Mangamanga ny
masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
*
13 ZEBOLONA, ao
amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary
ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
*
14 ISAKARA dia boriky
henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
15 Ary hitany fa
tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony
hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
*
16 DANA hitsara ny
olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
17 Dana ho menarana
ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra
ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18 Ny famonjenao no
andrasako, Jehovah ô!
*
19 GADA, ny manao
andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
*
20 ASERA dia avy ao
aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
*
21 NAFTALY dia
dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
*
22 JOSEFA dia sampana
mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika
mihoatra ny fefy.
23 Nampahory azy ny
mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
24 Kanefa mateza hery
ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay
Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
25 Avy amin'ny
Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy
anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny
lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
26 Ny tso-dranon'ny
rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny
tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo
an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
*
27 BENJAMINA dia
amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
*
28 Ireo rehetra ireo
no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy
sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no
nitsofany rano azy.
29 Dia nanafatra azy
izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno
ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona
Hetita,
30 ao anatin'ny zohy
izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana,
dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany
fandevenana.
31 Tao no nandevenany
an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka
vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
32 ny saha sy ny zohy
ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.
33 [Ny nahafatesan'i
Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i
Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo
am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
*
1 Ary Josefa nihohoka
tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 Ary nasain'i Josefa
nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia
nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
3 Ary notanterahiny
taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny
Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
4 Ary rehefa tapitra
ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka
nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao
amin'i Farao, ka ataovy hoe:
5 Ny raiko efa
nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay
nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa
ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia
hiverina atỳ indray.
6 Ary hoy Farao:
Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7 Dia lasa niakatra
Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao
rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny
tany Egypta,
8 ary ny ankohonan'i
Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy
ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
9 Ary nisy kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10 Ary rehefa tonga
teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy
mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11 Ary rehefa
hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy:
Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe
Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
12 Ary ny
zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
13 dia nitondra azy
tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha
Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i
Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14 Ary rehefa
voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny
mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15 Ary rehefa
hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao
fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra
nataontsika taminy.
16 Dia naniraka
nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola
maty,
17 ka nanao hoe: Izao
no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny
fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny
fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha
niteny taminy izy ireo.
18 Koa nanatona azy
ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho
mpanomponao.
19 Ary hoy Josefa
taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
20 Hianareo no
nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao
tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 Koa ankehitriny,
aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia
nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 Ary Josefa sy ny
ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo
amby zato taona.
23 Ary hitan'i Josefa
ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia
noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.
24 Ary hoy Josefa
tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka
hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany
tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
25 Ary Josefa dia
nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra,
dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26 Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.