Salamo
1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny
ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy
fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy
mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2 Fa ny lalàn'i
Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
3 Dia tahaka ny hazo
ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny
koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
*
4 Fa tsy mba toy
izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
5 Ary noho izany ny
ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny
fiangonan'ny marina.
6 Fa fantatr'i
Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany
amin'ny fahaverezana.
1 [Ny mpikomy
amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary
misaina anoano foana ny firenena?
2 Ireo mpanjakan'ny
tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny
Mesiany ka manao hoe:
3 "Aoka
hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
*
4 Izay mipetraka any
an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5 Dia hiteny azy
amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6 "Izaho kosa
efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
*
7 "Hilaza
zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka
anao androany.
8 Mangataha amiko, dia
homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
9 Hotorotoroinao amin'ny
tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
*
10 Ary amin'izany dia
hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11 Manompoa an'i Jehovah
amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
12 Manoroha ny zanaka,
fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia
hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
*
1 [Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro.
na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i
Absaloma zanany. Jehovah ô, akory
izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2 Maro no milaza ny
fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3 Kanjo Hianao, Jehovah
ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
*
4 Amin'ny feoko no
iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5 Izaho nandry ka
natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6 Tsy hatahotra olona
alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
*
7 Mitsangàna, Jehovah
ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra
Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
8 An'i Jehovah ny
famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny
fitahianao]
1 [Fivavaky ny
azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia
ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia
nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
*
2 Ry lehibe,
mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana
sy hamoron-dainga ianareo?
3 Kanefa aoka ho
fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino,
raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4 Tezera*, fa aza
manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
5 Manatera
fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
*
6 Maro no niteny hoe:
iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7 Efa nasianao fifaliana
ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny
ranom-boalobony.
8 Handry amin'ny
fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no
mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
1 [Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona
mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny
mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2 Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy
Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
*
3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina
no hivavahako* aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
4 Fa tsy
Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5 Tsy hahazo mijanona
eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6 Haringanao ny
mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho
zava-betaveta.
7 Fa izaho kosa noho
ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny
lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
*
8 Jehovah ô, tariho
amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo
anoloako ny lalanao.
9 Fa tsy misy azo
itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana
misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
*
10 Helohy izy,
Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny
fahotany, satria efa niodina taminao.
11 Dia hifaly izay
rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia
ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
12 Fa Hianao, Jehovah
ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga
lehibe.
1 [Fivavaky ny olona
anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha.
Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no
ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3 Ny fanahiko koa dia
mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
*
4 Miverena, Jehovah ô,
afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5 Fa tsy misy
fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza
no hidera Anao?[Heb. Sheola]
6 Efa sasatry ny misento
aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny
fandriako.
7 Lanin'alahelo ny
masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
*
8 Mialà amiko, ianareo
mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9 Jehovah efa nandre ny
fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
10 Ho menatra sy
hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona
nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita.
Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra
manenjika ahy, ka afaho;
2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny
liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
*
3 Jehovah
Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 Raha namaly ratsy
izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy
ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
5 Dia aoka ny
fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny
aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
*
6 Jehovah ô, mitsangàna
amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary
mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7 Aoka ny firenena
maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny
Hianao,
*
8 Jehovah hitsara ny
firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 Aoka ho tapaka ny
ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra
marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
*
10 Ny ampingako dia ao
amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11 Mpitsara marina
Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
12 Raha tsy ibebahana*
Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra
azy,[Na: iverenana]
13 Ary ireo dia kendreny
amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 Indro, efa marary
hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*;
[Heb: lainga]
15 Mihady lavaka izy ka
manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
16 Mitsingerina ho eo
an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny
loza nataony.
*
17 Hidera an'i
Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo
Indrindra.
1 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny
ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida.
Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no
nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay
ta-hamaly ratsy.
*
3 Raha jereko ny
lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay
noforoninao,
4 Inona moa ny olona, no
ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
5 Fa efa nataonao ambany
kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
6 Efa nampanjakainao
amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny
tongony,
7 Dia ny ondry
aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8 Mbamin'ny
voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny
lalan-dranomasina.
9 Jehovah Tomponay ô,
endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
*
1 [Salamo abidy.
Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny
mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah
amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho ravoravo
aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
*
3 Satria lasa nihodina
ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy
Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho
Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy ny
jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty
mandrakizay doria.
6 Ny amin'ny fahavalo,
dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao,
dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho
mandrakizay ny fandravana]
7 Kanefa Jehovah
mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
8 Ary Izy hitsara izao
tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana
Izy.
9 Ka dia Jehovah no ho
fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.
10 Ary hatoky Anao izay
mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
*
11 Mankalazà an'i
Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.
12 Fa izay manadin-drà
dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
13 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra
ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
14 Mba holazaiko avokoa
ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako
amin'ny famonjenao.
*
15 Ny jentilisa efa
latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa
nahazo ny tongony,
16 Jehovah efa nanao
izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny
asan'ny tànany Izy.
17 Hiverina ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay
manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
18 Fa tsy ho mandrakizay
no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny
mahantra.
*
19 Mitsangàna, Jehovah
ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
20 Asio fampahatahorana*
izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na:
fampianarana]
1 [Salamo abidy.
Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô,
nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
*
2 Noho ny fireharehan'ny
ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena nataony izy
ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
3 Ny ratsy fanahy
mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
4 Ny ratsy fanahy
mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no
tontalin-keviny.
5 Tanteraka*
mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy
azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
6 Hoy izy am-pony:
tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
7 Feno ozona sy
fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy
fampahoriana sy faharatsiana.
8 Mamitsaka amin'ny
fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony
mikendry ny mahantra.
9 Manotrika ao
an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra
ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
10 Torotoro sy
mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
11 Hoy izy
anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy
hahita mandrakizay.
*
12 Mitsangàna,
Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
13 Nahoana no
mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy
hanadina Hianao?
14 Efa nahita ihany
Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny
mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
15 Torotoroy ny
sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy
hisy hitanao intsony.
*
16 Jehovah no
Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.
17 Efa nohenoinao,
Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny
sofinao,
18 Hanomezanao rariny
ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny
zanak'olombelona etỳ an-tany.
*
1 [Ny avalin'ny
mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i
Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe:
mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]
*
2 Fa, indro, ny ratsy
fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny
kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
3 Fa rava ny
fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
4 Jehovah dia ao amin'ny
tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony
mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
*
5 Jehovah mizaha toetra
ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny
fanahiny.
6 Handatsaka fandrika
amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary
rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
7 Fa marina Jehovah, ka
fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no
hitan'ny tavany]
1 [Fitarainana noho
ny tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo
nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy
mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
*
2 Samy milaza lainga
amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3 Holevonin'i Jehovah
anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
4 Izay manao hoe:
hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5 Noho ny
fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho
ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko
mahita ny famonjena iriny izy]
*
6 Ny tenin'i Jehovah
dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka
mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
7 Hianao, Jehovah ô,
no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.
*
8 Raha avy izay
isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo
ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy
loatra.
1 Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao
ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
2 Mandra-pahoviana no
mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro?
Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?
3 Jereo aho ka valio,
Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso
fahafatesana aho;
4 Fandrao ny fahavaloko
hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo
aho.
5 Fa raha izaho kosa,
dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
*
6 Hihira ho an'i Jehovah
aho, satria nanisy soa ahy Izy;
1 [Ny faharatsian'ny
olona, sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy
misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
*
*
2 Eny an-danitra Jehovah
miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady
an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy
rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory
aza.
*
4 Tsy mahalala va ny mpanao
ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy
antsoiny?
5 Indreo, matahotra dia
matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6 Na dia foananareo aza
ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.
*
7 Enga anie ka hivoaka
avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny
fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
1 [Ny toetry ny olona
izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao
masina?
*
2 Izay mandeha tsy misy
tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
3 Tsy manendrikendrika
amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay
hahafa-baraka ny namany,
4 Tsy manaja ny ratsy
fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny
fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry
sy maniva tena]
5 Sady tsy mampihana ny
volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy
mba hangozohozo mandrakizay.
*
1 [Ny fahatokiana
an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny
fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka
aminao aho.
*
2 Hoy izaho ny amin'i
Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3 Ary ny amin'ny olona
masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na:
Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako
indrindra]
*
4 Ho be ny fahorian'izay
manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà
aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
5 Jehovah no anjara
lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6 Ny voafaritra ho
anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7 Hisaotra an'i Jehovah
Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny
foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]
8 Ataoko eo anatrehako
mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9 Izany no ifalian'ny
foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana
ahiahy.[Heb: voninahitro]
10 Fa tsy ho foinao ho
any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao
amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny
lò]
11 Hampahafantatra ahy
ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary
fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
1 [Fivavaky ny ory mba
hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony]
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako,
atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo
anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3 Nizaha toetra ny foko
Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa
tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na: fa
tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny
vavako aho]
4 Ny amin'ny asan'ny
olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao
an-keriny.
5 Ny diako maharitra eo
amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
*
6 Izaho miantso Anao, ka
mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny
teniko.
7 Ataovy mahagaga ny
famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka
aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny
anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny
ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina
ahy.
10 Efa mihirim-belona
izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay*
amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na:
Ahy]
12 Ny fijery azy dia
tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao
am-pierena.
13 Mitsangàna, Jehovah
ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny
ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin'ny
tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana
ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro
anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
*
15 Fa izaho kosa, dia
aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy,
raha mifoha.
*
1 [Fitantaran'i
Davida ny namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i
Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana
ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra,
indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao,
Jehovah Heriko ô.
2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary
Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka
famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka
dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
*
4 Nihodidina tamiko
ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ny famatoran'ny
fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny
fahafatesana.[Heb: Sheola]
6 Fony azom-pahoriana
aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny
feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo
an-tsofiny.
*
7 Dia nihozongozona
sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny,
nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8 Nisy setroka
nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy
vainafo nidedadeda teo aminy.
9 Dia naondriny ny
lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
10 Dia nitaingina
kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
11 Efa nanao ny
maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona
matevina.[Heb: aizin-drano]
12 Ary teo amin'ny
famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy
vainafo.
13 Dia nampikotroka tany
an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14 Dia nandefa ny
zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
15 Dia hita ny
mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao,
Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
16 Naninjitra ny
tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be
Izy;
17 Namonjy ahy
tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko
ireny
18 Nisakana ahy
tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
*
19 Dia nitondra ahy
ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20 Nanisy soa ahy
araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.
21 Fa nitandrina ny
lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;
22 Ny fitsipiny
rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23 Tsy nanan-tsiny
taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
24 Koa namaly ahy
araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.
25 Ny olona tsara no
isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26 Ny madio no isehoanao
fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb:
miolakolaka]
27 Fa Hianao mamonjy ny
olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
28 Fa Hianao
mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29 Fa Hianao no ahazoako
mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako
mitsambikina mihoatra ny manda.
*
30 Raha ny
amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra
amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
31 Fa iza no
Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32 Izany Andriamanitra
izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
33 Manao ny tongotro ho
tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
34 Mampianatra ny tanako
hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35 Omenao ahy ny
ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny
fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36 Halalahinao ny lalana
hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37 Manenjika ny
fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny
ritrany.
38 Mamely mafy azy aho,
ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
39 Hianao mampisikina
ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40 Ary ataonao miamboho
ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
41 Mitaraina izy, fa tsy
misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42 Torotoroiko madinika
tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe
no fanariko azy.
*
43 Mamonjy ahy amin'ny
fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa;
ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44 Raha vao mahare ny
lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na:
Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
45 Ny hafa firenena dia
mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
*
46 Velona Jehovah;
isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47 Dia Andriamanitra,
Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
48 Mamonjy ahy amin'ny
fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy
Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
49 Koa izany no hiderako
Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
50 Manao famonjen-dehibe
ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia
amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
*
1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny
tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka
manambara ny asan'ny tànany.
2 Ny andro samy
miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny
alina mandimby azy.
3 Tsy misy teny na
fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay
tsy re ny feony]
4 Efa nivoaka ho any
amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny
faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny
masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
5 Ary ny masoandro dia
tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka
ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6 Any amin'ny
faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka
tsy misy takona amin'ny hafanany.
*
7 Tsy misy tsiny ny
lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i
Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 Mahitsy ny fandidian'i
Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
9 Madio ny fahatahorana
an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy
avokoa.
10 Irina noho ny
volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny
tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
11 Ary ny mpanomponao
dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
*
12 Raha ny
fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny
amin'izay ota tsy fantatra.
13 Arovy ny mpanomponao
tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa
aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
14 Aoka ny tenin'ny
vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
1 [Vavaka ho an'ny mpanjaka raha mivoaka hanafika] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny
andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i
Jakoba.
2 Hahatonga famonjena
ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3 Hahatsiaro ny
fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
4 Hanome anao araka
ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5 Aoka hihoby noho ny
famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay
faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
*
6 Ankehitriny dia
fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny
fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
7 Ny sasany mitoky
amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny
anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8 Ireo dia reraka sady
lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
9 Jehovah ô, vonjeo ny
mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô,
vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]
1 [Fisaorana atao
rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny
haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
2 Ny nirin'ny fony
dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
3 Fa notsenainao
fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 Aina no nangatahiny
taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5 Lehibe ny voninahiny
amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6 Fa nataonao ho
fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
7 Fa ny mpanjaka matoky
an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo
izy.
*
8 Ho azon'ny tananao ny
fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 Hataonao tahaka ny
fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy
amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10 Ny zanany* haringanao
tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny
zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11 Fa nikasa hanisy
ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 Fa hampiamboho azy
ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13 Misandrata amin'ny
herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
*
1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho
ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Alaieleth-hasahara.
Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia
mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2 Andriamanitro ô,
miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita
fiononana aho.
3 Kanefa masina Hianao,
Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
*
4 Hianao no nitokian'ny
razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5 Hianao no nitarainany,
ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 Ary izaho dia olitra,
fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7 Izay rehetra mahita
ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 Ankino amin'i
Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha
mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9 Fa Hianao no
nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola
nampinonoin'ny reniko;
10 Nankinina taminao
hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11 Aza manalavitra
ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
*
12 Mitangorona amiko
ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13 Misanasana vava amiko
izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14 Efa rano aidina aho,
ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15 Maina tahaka ny
tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny
vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
*
16 Fa mitangorona amiko
ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro
aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
17 Mahisa ny taolako
rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18 Mizara ny fitafiako
ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19 Fa Hianao, Jehovah ô,
aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20 Vonjeo amin'ny
sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21 Vonjeo amin'ny
vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo
amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
*
22 Hitory ny anaranao
amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23 Hianareo izay
matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza
voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao
tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny
tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
*
25 Avy aminao no
ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo
anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26 Hihinana ny
mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona
mandrakizay anie ny fonareo.
*
27 Hahatsiaro ka
hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo
anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny
fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy
hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no
hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny
ainy.[Heb: matavy]
*
30 Hisy taranaka hanompo
Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka
hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao
izany.
1 [Ny Mpiandry Tsara]
Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy amin'ny
ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny
fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
*
4 Eny, na dia mandeha
mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza
aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra
ahy.
5 Mamelatra latabatra eo
anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny
kapoakako feno dia feno.
*
6 Eny tokoa, fahasoavana
sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
1 [Fiomanana handray ny
Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay
rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
2 Fa Izy no nanorina azy
tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3 Iza no hiakatra any
an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
4 Izay madio tanana
sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana
hamitaka.
5 Handray fitahiana
avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena
azy.
6 Izany no taranaka
mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao,
ry Andriamanitr'i Jakoba]
*
7 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba
hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
8 Iza izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
9 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2
mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
10 Iza ary izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
*
1 [Salamo abidy.
Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no
anandratako ny fanahiko.
2 Andriamanitro ô,
Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko
aho.
3 Eny, tsy hisy ho
menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
*
4 Ampahafantaro ny
lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
5 Tariho amin'ny
fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro.
6 Tsarovy ny antranao sy
ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
7 Aza ny fahotan'ny
fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny
famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
*
8 Tsara sy mahitsy
Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
9 Mitarika ny
mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10 Ny lalan'i Jehovah
rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny
teni-vavolombelony.
11 Noho ny anaranao,
Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
12 Iza no lehilahy
matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13 Ny fanahiny hitoetra
amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
14 Ny fisainan'i Jehovah
asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
15 Ny masoko mijery an'i
Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
*
16 Todiho aho, ka
amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17 Ny fahorian'ny foko
efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
18 Jereo ny fahoriako sy
ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
19 Jereo ny fahavaloko,
fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
20 Arovy ny fanahiko, ka
vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
21 Aoka ny
tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
22 Andriamanitra ô,
afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
1 [Fangatahana mba tsy
hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa
mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana
aho.
2 Diniho aho, Jehovah ô,
ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 Fa ny famindram-ponao
no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba
miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny fiangonan'ny
mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako noho
ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo
fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny
trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9 Aza mitondra ny
fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy fitaka
eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia
mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro eo
amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
1 [Fahatokiana an'i
Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy
famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza
no hangovitako?
*
2 Raha manatona ahy
hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy
ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy antokony
mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko
aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha no
nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny
fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao
an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao
an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra
ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra
hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
*
7 Mihainoa, Jehovah ô,
fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy Hianao:
tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no
tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny
tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy
Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10 Fa ny raiko
aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia
mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
11 Ampianaro ny lalanao
aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
12 Aza manolotra ahy ho
amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay
mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13 Raha izay re aho no
tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
*
14 Miandrasa an'i
Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
1 [Fiantsoana
an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i
Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny
amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any
an-davaka aho.
2 Mihainoa ny feon'ny
fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny
fitoeranao masina indrindra aho.
3 Aza atao indray
manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza
fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
4 Manomeza azy araka ny
asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany,
valio izy araka izay iendrehany.
5 Fa tsy mihevitra ny
asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy
haoriny.
*
6 Isaorana anie Jehovah,
fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
7 Jehovah no heriko sy
ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny
hirako no hiderako Azy.
8 Jehovah no heriny,
ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
9 Vonjeo ny olonao,
ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny
kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra,
eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
2 Omeo an'i Jehovah
ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny
fihaingoana masina.
*
3 Ny feon'i Jehovah
no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana;
Jehovah no eny ambonin'ny rano be.
4 Ny feon'i Jehovah
be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
5 Ny feon'i Jehovah
manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
6 Dia mampitsambikina
azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny
ombimanga.
7 Ny feon'i Jehovah
mampisaraka ny lelafo;
8 Ny feon'i Jehovah
mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
9 Ny feon'i Jehovah
mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy
manao hoe: Voninahitra e!
*
10 Jehovah nipetraka
teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.
11 Jehovah hanome
hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny
namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano.
Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra
Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah Andriamanitro
ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa
nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody
ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
*
4 Mankalazà an'i
Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
5 Fa indray mipi-maso
ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony
maraina kosa dia misy fihobiana.
6 Ary hoy izaho, raha
mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7 Jehovah ô, noho ny
fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao
Hianao, dia ory aho.
8 Hianao no nantsoiko,
Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9 Inona no soa azo
amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara
ny fahamarinanao va izany?
10 Mihainoa, Jehovah ô,
ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 Efa nampody ny
fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka
nampisikina ahy fifaliana,
12 Mba hankalazan'ny
fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay
aho.[Heb: voninahitro]
1 [Fitarainana
nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay
aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
2 Atongilano amiko ny
sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy
batery fiarovana hamonjena ahy.
3 Fa harambatoko sy
batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy
hitarihanao ahy.
4 Hanafaka ahy
amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no
fiarovana mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no
atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny
fahamarinana.
*
6 Halako izay
mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana
mandainga]
7 Hifaly sy ho
ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka
nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
8 ary tsy mba nangeja
ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny
malalaka Hianao.
9 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary
ny tenako.
10 Fa lanin'alahelo
ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko,
ary efa lany ny taolako.
11 Noho ny ataon'ny
fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako
aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra
ahy.
12 Efa hadino tahaka ny
olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny
endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko
hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky
Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
*
15 Eo an-tananao ny
androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato
amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho
menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy
fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
18 Aoka hangina ny
molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona
sy ny fanamavoana.
*
19 Akory re ny haben'ny
zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo
anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
20 Hanafina azy ao
amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy
ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela
mifanditra izy.
21 Isaorana anie
Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy izaho
tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny
fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
*
23 Tiava an'i
Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia
mamaly ny mpiavonavona Izy.
24 Mahereza, ary aoka
hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
1 [Ny amin'ny
famelan-keloka] Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny
helony sy voasarona ny fahotany.
2 Sambatra ny olona
izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
*
3 Raha nangina aho,
dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
4 Fa efa navesatra
tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny
fahamainana amin'ny lohataona.
*
5 Ny fahotako
nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny
fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
6 Izany no aoka
hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao;
eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
7 Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao
ahy.
*
8 Hanome saina anao
sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka
hanolo-tsaina anao Aho.
9 Aza manahaka ny
soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana
azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
*
10 Be ny
fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho
hodidinin'ny famindram-po.
*
11 Mifalia amin'i Jehovah,
ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho
an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2 Miderà an'i Jehovah
amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3 Mihirà fihiram-baovao
ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4 Fa mahitsy ny tenin'i
Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5 Tia fahamarinana sy rariny
Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
*
6 Ny tenin'i Jehovah no
nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany
rehetra.
7 Mampiavosa ny rano ao
an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao
an-trano fitehirizana Izy.
8 Aoka hatahotra an'i
Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra
amin'izao tontolo izao.
9 Fa Izy no niteny dia
ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
*
10 Jehovah mahafoana ny
fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
11 Ny fisainan'i Jehovah
maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
*
12 Sambatra ny firenena
izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
13 Eny an-danitra no
itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
14 Eo amin'ny fonenany
no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
15 Dia Izy Mpamorona ny
fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
16 Tsy misy mpanjaka
voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny
heriny.
17 Ny soavaly tsy azo
itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
18 Indro, ny mason'i
Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
19 mba hanafaka ny
fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
*
20 Ny fanahintsika
miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
21 Fa Izy no ifalian'ny
fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.
22 Jehovah ô, aoka ny
famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa
novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo
anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako
mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Jehovah no
reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Miaraha mankalaza
an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
*
4 Mitady an'i Jehovah
aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
5 Mijery Azy ireo ka
miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
6 Ity olo-mahantra
ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
*
7 Ny Anjelin'i
Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 Andramo ka izahao
fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
9 Matahora an'i
Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 Na dia ny liona
tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy
ho orin-java-tsoa akory.
*
11 Avia, anaka, mihainoa
ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
12 Na iza na iza ianao
no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
13 Dia arovy ny
lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 Halaviro ny ratsy,
manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
15 Ny mason'i Jehovah
dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 Ny tavan'i Jehovah
tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny
fahatsiarovana azy.
17 Mitaraina ny
marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
18 Akaikin'izay
manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
*
19 Maro ny
fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
20 Miaro ny taolany
rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 Hahafaty ny ratsy
fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
22 Fa Jehovah
manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra
mialoka aminy.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra
hamaly ny ratsy ataon'ny mpanenjika] Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay
manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
2 Raiso ny ampinga
kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3 Ary raiso ny
lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena
anao Aho.
*
4 Aoka ho menatra sy
ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina
hanisy ratsy ahy.
5 Aoka ho tahaka ny
akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
6 Aoka ho maizina sy
malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.
7 Fa tsy ahoan-tsy
ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no
nandavahany hamandrihany ny aiko.
8 Aoka ny
fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato
nafeniny, ka ho latsaka ao amin'izany fandringanana izany indrindra izy.
9 Fa ny fanahiko kosa
hifaly amin'i Jehovah sy ho ravoravo amin'ny famonjeny.
10 Ny taolako rehetra
hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin'izay tsy
tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin'izay mamabo azy?
*
11 Mitsangana ny
vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
12 Mamaly ratsy ahy ho
solon'ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
13 Ary ny amiko, raha
narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny
ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14 Toy ny nisy nanjo ny
sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny
fisaona reny aho.
15 Nefa nony ho lavo
kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely
ahy, nefa tsy fantatro*; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona
faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy]
16 Naman'ny olon-dratsy
manendrikendrika ho enti-mila sitraka* izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb.
hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra]
*
17 Ry Tompo ô,
mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny
fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
18 Hisaotra Anao eo
amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19 Aoka tsy
hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy
tsy ahoan-tsy ahoana.
20 Fa tsy fihavanana no
lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
21 Dia mitanatana vava
amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
22 Efa hitanao, Jehovah
ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
23 Mahatsiarova, ka
mifohaza ho amin'ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho
amin'ny adiko.
24 Tsarao aho, Jehovah
Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian'ireo aho.
25 Aoka tsy hanao
anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
26 Aoka ho menatra sy
hangaihay avokoa izay mifaly amin'ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy
fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
27 Aoka hihoby sy hifaly
izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe:
hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony.
28 Ary ny lelako hilaza
ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
1 [Ny maharatsy ny
miala amin'Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an'ny mpiventy
hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny
amin'ny ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na:
Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
2 Fa miarahaba tena
izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3 Ny tenin'ny vavany
dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4 Faharatsiana no
saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny
ratsy tsy mba laviny akory.
*
5 Jehovah ô, mipaka
amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
6 Ny fahamarinanao
dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina
indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb:
tendrombohitr'Andriamanitra]
7 Endrey ny
hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny
elatrao ny zanak'olombelona.
8 Voky ny matavy ao
an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9 Fa ao aminao no misy
loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10 Ampahareto amin'izay
mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
11 Aoka tsy hanitsaka
ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
12 Indreo! efa lavo ny
mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
1 [Salamo abidy. Ny
tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana
azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho
ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
2 Fa hojinjana faingana
tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3 Matokia an'i Jehovah
ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny
fahamarinana.
4 Ary miravoravoa amin'i
Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
5 Ankino amin'i Jehovah
ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
6 Ary hampiseho ny fahamarinanao
tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
7 Miantombena tsara
miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina
amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
8 Mitsahara amin'ny fahatezerana,
ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no
hiafaran'izany.
9 Fa ny mpanao ratsy
hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
10 Fa rehefa afaka
kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho
hita izy.
11 Fa ny mpandefitra
kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
*
12 Ny ratsy fanahy manao
hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
13 Ny tompo mihomehy
azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
14 Ny ratsy fanahy
nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny
malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
15 Ny sabany hitsatoka
amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
16 Tsara lavitra ny
kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
17 Fa ny sandrin'ny
ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
18 Fantatr'i Jehovah ny
andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
19 Tsy mba ho menatra
amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
20 Fa ny ratsy fanahy
haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho
levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
21 Misambotra ny ratsy
fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy
mahonitra]
22 Fa izay tahìny no
handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
*
23 Avy amin'i Jehovah no
mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
24 Na dia lavo aza izy,
tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
25 Efa mba tanora ihany
aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
26 Miantra mandrakariva
ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
27 Halaviro ny ratsy, ka
manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
28 Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny
ratsy fanahy hofongorana,
29 Ny marina handova ny
tany Ka honina ao aminy mandrakizay
*
30 Ny vavan'ny marina
miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
31 Ny
lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
32 Mitsikilo ny
marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
33 Jehovah tsy
hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha
tsaraina izy.
34 Miandrasa an'i
Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho
faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
*
35 Efa hitako ny ratsy
fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
36 Kanjo nandalo izy ka,
indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37 Diniho ny mahitsy, ka
jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na:
taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]
38 Fa ny mpanota
haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
39 Fa ny famonjena ny
marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana
Izy.
40 Ary Jehovah mamonjy
azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy,
satria nialoka taminy izy.
1 [Fivavak'izay ory dia
ory indrindra] Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny
fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
*
2 Fa mitsatoka amiko ny
zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
3 Tsy misy fahasalamana
ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny
fahotako.
4 Fa ny heloko efa
mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
5 Maimbo sady mihady ny
feriko noho ny hadalako.
6 Mitanondrika sy
mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
7 Ary ny vaniako henika
ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
8 Marikoditra aho sady
torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
*
9 Ry Tompo ô, eo
anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
10 Miemponempona ny
foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
11 Ny olo-malalako sy ny
sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra
eny.
12 Mamela-pandrika izay
mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka
mandrakariva.
*
13 Fa izaho dia tahaka
ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
14 Eny, dia tahaka ny
olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
15 Fa ianao no antenaiko
Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
16 Fa hoy izaho: sao dia
hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha
amiko izy.
17 Fa efa ho lavo aho,
ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
18 Fa ny heloko no
hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]
19 Fa ny fahavaloko
velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20 Ary mamaly ratsy ny
soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
21 Aza mahafoy
ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
22 Faingàna hamonjy ahy,
ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
1 [Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao] Ho an'ny
mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho: hitandrina
ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha
mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia
ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.[Na; na dia teo
anatrehan'ny tsara fanahy aza]
3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho,
dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.
4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny
androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary
ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra,
na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]
6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa
no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
*
7 Ary ankehitriny,
inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
8 Manafaha ahy
amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
9 Mangina aho ka tsy
miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10 Aoka hitsahatra ny
fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
11 Anatra noho ny
fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny
kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
*
12 Mandrenesa ny
fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko
fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
13 Aza atrehinao aho
aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto
intsony.
*
1 [Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny
tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah
aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
2 Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana
Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony
vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia
fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i
Jehovah.
*
4 Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka
tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
5 Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay
nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha
tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo
isaina.
6 Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy
mba sitrakao ny sofiko nataonao malady* ny fanatitra dorana sy ny fanatitra
noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao]
7 Dia hoy izaho:inty
aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
8 Ny hanao ny
sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
9 Efa nilaza teny
mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny
molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
10 Ny fahamarinanao
tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako;
tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe
aho.
11 Hianao, Jehovah ô,
aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao
hiaro ahy mandrakariva.
12 Fa nanodidina ahy
ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho;
maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
13 Aoka ho sitraky ny
fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
14 Aoka ho indray
menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra
izay mankasitraka ahy ho ory.
15 Aoka ho ankona
noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
16 Aoka ho faly sy ho
ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao
hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.
17 Fa na dia ory sy
malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao;
aza ela, Andriamanitro ô.
1 [Fitarainan'ilay
ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy
amin'ny andro fahoriana.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho
sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny
fahavalony.
3 Jehovah hanohana
azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
*
4 Hoy izaho: Jehovah
ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5 Ny fahavaloko
maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
6 Ary raha avy
mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny
tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
7 Mitakoritsika ahy
izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
8 Tena zava-dratsy,
hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
9 Eny, ny sakaizako,
izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony
hamely ahy.
10 Fa ianao kosa
Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
*
11 Izao no
hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko
ahy.
12 Ary ny amiko, dia
manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao
mandrakizay.
13 Isaorana anie
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka
mandrakizay. Amena dia Amena.
1 [BOKY
FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy
hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano
an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Mangetaheta
an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga
aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Ny ranomasoko no
fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay
Andriamanitrao?
4 Izao zavatra izao no
hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka
tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo
mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
*
5 Nahoana no
mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà
an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny
tavany.
6 Andriamanitro ô,
mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny
tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
*
7 Ny lalina miantso ny
lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao
efa nanafotra ahy.
8 Jehovah handidy ny
famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka
amin'Andriamanitry ny aiko.
9 Hoy izaho
amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no
mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
10 Toy ny zavatra
mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro:
Aiza izay Andriamanitrao?
*
11 Nahoana no
mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà
an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako
sady Andriamanitro.
1 Omeo rariny aho,
Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy
famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
2 Fa Hianao no
Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha
mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
3 Ampandehano ny
fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any
an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.
4 Dia hankany amin'ny
alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra;
ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
*
5 Nahoana no
mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy
no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
*
1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa
tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no
nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao
tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
2 Ny tananao no
nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao
ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
3 Fa tsy ny sabany no
nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana
sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
*
4 Hianao dia Hianao no
Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
5 Hianao no
hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely
anay.
6 Fa tsy ny tsipikako
no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
7 Fa namonjy anay
tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
8 Andriamanitra no
ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
*
9 Fa efa nanary anay
ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny
miaramilanay Hianao.
10 Ataonao miamboho ny
fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
11 Atolotrao tahaka ny
ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
12 Mivarotra ny olonao
tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
13 Ataonao fandatsan'ny
olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
14 Ataonao ho
ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny
olona maro.
15 Tsaroako mandrakariva
ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
16 Noho ny feon'ny
mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
*
17 Izany rehetra izany
no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
18 Tsy mihemotra ny
fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
19 Nefa Hianao
nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia* sy nanarona anay tamin'ny
aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
20 Raha nanadino ny
anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
21 Tsy handinika izany
va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
22 Fa noho ny aminao no
amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
*
23 Mifohaza, ry Tompo
ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
24 Nahoana no
manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
25 Fa miankohoka
amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.
26 Mitsangàna hamonjy
anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
1
[Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny
mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana.
Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny
ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
*
2 Tsara tarehy noho
ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no
nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
3 Fehezo eo
am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny
voninahitrao.
4 Ary mitangena
handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny
fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny
tananao ankavanana.
5 Ny zana-tsipìkanao
dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao
am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
*
6 Ny seza
fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny
tehim-panjakanao.
7 Tianao ny
fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa
nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
*
8 Miora sy hazo
manitra* ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory
no mampifaly anao.[Heb: ahalota]
9
Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny
vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
10 Henoy, razazavavy,
dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny
tranon-drainao;
11 Raha irin'ny
mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo
anatrehany.
12 Ary ny zanakavavin'i
Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka
aminao.
13 Be voninahitra ny
zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
14 Mitafy lamba
misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay
manaraka azy dia entina ao aminao.
15 Entina amin'ny
fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
*
16 Ho solon-drainao ny
zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.
17 Hampahatsiaro ny
anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no
hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
1 [Fahatokiana
an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita;
At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora
azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
2 Koa izany no tsy
hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny
ranomasina aza ny tendrombohitra,
3 Na mirohondrohona sy
misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny
fisafoakany.
*
4 Misy ony, koa ny
sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
5 Andriamanitra no eo
afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva
ho maraina ny andro.
6 Nitabataba ny
firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy,
ka niempo ny tany.
7 Jehovah, Tompon'ny
maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
*
8 Avia, jereo ny asan'i
Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9 Mampitsahatra ady
hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary
mandoro ny sariety amin'ny afo.
*
10 Mitsahara, ka aoka ho
fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa
Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.
*
11 Jehovah, Tompon'ny
maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
1 [Fihobiana noho ny
niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena
rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra.
2 Fa Jehovah no avo
indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy.
3 Mandresy firenena maro
Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika.
4 Mifidy ny lovantsika
ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany.
*
5 Efa niakatra tamin'ny
fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara.
6 Mankalazà
an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7 Fa Mpanjaka amin'ny
tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
8 Andriamanitra manjaka
amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianany masina.
9 Ny mpanapaka ny
firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa
an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.
1 [Ny tsy nahazoan'ny fahavalo hamely ny
tanànan'Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita.
Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika,
ao an-tendrombohiny masina.
*
2 Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny
tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
3 Andriamanitra ao
an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4 Fa he! niangona ny
mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
5 Nijery izy ka
talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6 Hovitra no nahazo azy
teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.
7 Amin'ny rivotra avy
any atsinanana no namakianao ny sambon'i Tarsisy.
*
8 Araka izay efa
rentsika no hitantsika, tao an-tanànan'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao
an-tanànan'Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
9 Efa nieritreritra ny
famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin'ny tempolinao.
10 Araka ny anaranao,
Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana
ny tananao ankavanana.
*
11 Aoka hifaly ny
tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin'Joda, noho ny
fitsaranao.
12 Manodidina an'i Ziona
ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
13 Hevero tsara ny
mandany, diniho ny tranon'andrianany, mba hambaranareo amin'ny taranaka
mandimby.
14 Fa izany no
Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika
na dia hatramin'ny fahafatesana aza.
*
1 [Ny fahafoanan'ny
harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra;
mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2 Na ny ambany, na ny
ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3 Ny vavako hiteny
fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4 Hanongilana ny sofiko
hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko
amin-dokanga.
*
5 Nahoana no hatahotra
amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana
ahy,
6 Dia izay matoky ny
hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
7 Tsy misy mahavotra
ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
8 (Fa sarotra avotra
ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
9 Mba ho velona
mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka*.[Na: ho tratry no lò]
10 Fa hita fa maty ihany
ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany
ho an'ny hafa.
11 Araka ny heviny dia
ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka
fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny
anarany eny amin'ny tany maro]
12 Nefa na dia manana
voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy
maintsy ho faty izy.
13 Izany no falehan'ny
olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
14 Tahaka ny fanangona
ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana no
mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona
any amin'ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
15 Fa Andriamanitra kosa
hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy
Izy*.[Na: Rehefa azony aho]
16 Aza matahotra ianao,
raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
17 Fa tsy hitondra na
inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18 Na dia miarahaba tena
aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny
tenanao ianao -
19 Dia hankany amin'ny
razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
20 Izay olona manana
voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho
faty.
*
1 [Ny amin'ny fivavahana
marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa.
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany
hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
2 Avy ao Ziona, izay
tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
*
3 Avy Andriamanitsika ka
tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no
manodidina Azy.
4 Miantso ny lanitra any
ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
5 Angony etỳ amiko ny
oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
6 Hasehon'ny lanitra ny
fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
*
7 Mihainoa, ry oloko, fa
hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia
Andriamanitrao.
8 Tsy ny fanatitrao no
ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
9 Tsy maka
vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
10 Fa Ahy ny biby
rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
11 Fantatro ny vorona
rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny
an-tsaha.
12 Raha mba noana
Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
13 Hihinana ny
nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
14 Manatera
fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny
voadinao;
15 Antsoy Aho amin'ny
andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16 Fa amin'ny ratsy
fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao
ny fanekeko eo am-bavanao?
17 Fa ianao mankahala
fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
18 Raha mahita
mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
19 Ny vavanao
alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
20 Mipetraka miteny
ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika* ny zanakalahin-dreninao.[Na:
manosika]
21 Izany no nataonao,
nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra
anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
*
22 Mihevera izany
ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka
tsy hisy hamonjy.
23 Izay manatitra
fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no
hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
*
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy
hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy.
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny
fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Sasao madio aho mba ho
afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Fa tsaroako ny
fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Taminao dia taminao
ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina
Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Indro, tamin'ny heloka
no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Indro, fahamarinana ao
am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.
*
7 Diovy hysopa aho ho
afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny
oram-panala]
8 Ampandreneso fifaliana
sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao.
9 Afeno ny tavanao ny
fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Amorony fo madio aho,
Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Aza manary ahy hiala
eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
12 Ampodio amiko ny
fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
13 Dia hampianatra ny
olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
*
14 Vonjeo ho afaka
amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby
ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny lelako]
15 Tompo ô, sokafy ny
molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
16 Fa tsy fanatitra no
sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
17 Ny fanatitra ho
an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka,
Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
18 Manaova soa amin'i
Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema.
19 Dia ho sitrakao ny
fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny
afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.
*
1 [Ny loza hanjo izay
tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga
Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i
Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny
famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 Loza no heverin'ny
lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3 Efa tia ny ratsy
noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
4 Ny teny mandripaka
rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
*
5 Andriamanitra kosa
hanimba* anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day
Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana]
6 Ny marina hijery,
dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7 Indro, ny lehilahy
izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka
nikikitra tamin'ny faharatsiany.
8 Fa izaho dia tahaka ny
hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny
famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.
9 Hidera Anao
mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny
olonao masina aho, fa tsara izany.
1 [Ny faharatsian'ny
olona sy ny faniriam-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo
hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao
ny tsara.
*
2 Eny an-danitra
Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry
mitady an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy
rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory
aza.
*
4 Tsy mahalala va ny
mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra
tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra dia
matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely
ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa
narian'Andriamanitra izy.
*
6 Enga anie ka hivoaka
avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny
fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana
Azy, na dia be aza ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny
valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly
hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra
ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
2 Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny
tenin'ny vavako.
3 Fa olona hafa firenena
no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra
an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.
*
4 Indro, Andriamanitra
no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
5 Hamaly ny ratsy
ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
6 Sitrapoko ihany no
hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
7 Fa efa namonjy ahy ho
afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny
fahavaloko.
1 [Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky
azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i
Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny
fitarainako.
2 Henoy aho, ka valio;
miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
3 Noho ny feon'ny
fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny,
ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
*
4 Mangorohoro ato
anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5 Tahotra sy hovitra no
mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
6 Ka hoy izaho: enga
anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita
izay hitoerako;
7 Eny, handositra
lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
8 Handeha faingana
aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny
ranonoram-baratra.
*
9 Aringano izy, ary
akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10 Hodidininy andro
aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
11 Ratsy no ao
anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
*
12 Fa tsy fahavalo no
nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy
no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
13 Fa ianao, lehilahy
mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
14 Dia isika izay
nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao
an-tranon'Andriamanitra.
15 Aoka hanampoka azy ny
fahafatesana*. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita** izy; fa ratsy
no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany***. [*Na: Aoka hahazo azy ny
fandringanana][**Heb: Sheola][***Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany,
dia ao am-pony]
*
16 Raha izaho, dia
Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
17 Hariva sy maraina ary
mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
18 Ka hanavotra ny
fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no
miady amiko.
*
19 Hihaino
Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy
miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
*
20 Efa naninjitra ny
tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
21 Malambo noho ny
rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny
teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
*
22 Apetraho amin'i
Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo
mandrakizay ny marina.
23 Fa Hianao,
Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy
mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky
Anao.
1
[Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana]
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony
nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa
misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory
ahy.
2 Misafoaka manenjika
mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3 Amin'ny andro
atahorako no itokiako Anao.
*
4 Andriamanitra no
iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona
no hataon'ny nofo amiko?
*
5 Manimba ny raharahako
mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na:
Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
6 Miangona izy, miery
izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7 Amin'izany
faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny
firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny
faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
8 Manisa ny firenireneko
Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va
ireny?
9 Amin'izay dia hiamboho
ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy
Andriamanitra.
*
10 Andriamanitra no
iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11 Andriamanitra no
itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
*
12 Nivoady taminao aho,
Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13 Fa efa nanafaka ny
fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy
ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny
velona*.[Na: fahazavan'aina]
1
[Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an'Andriamanitra, na dia
hodidinim-pahavalo aza] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama
nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo
amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko;
eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.
*
2 Hitaraina
amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka
ho ahy.
3 Haniraka avy any
an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy;
eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
4 Ny fanahiko dia eo
afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny
zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny
lelany.
5 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny
voninahitrao.
*
6 Efa namela-pandrika
harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko*; nihady lavaka
teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na:
nitanondrika ny fanahiko]
*
7 Tafatoetra ny foko,
Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
8 Mifohaza, ry
voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na:
Hampifoha ny maraina aho]
9 Hidera Anao eny
amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.
10 Fa lehibe mihatra
amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny
fahamarinanao.
*
11 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny
voninahitrao.
1 [Ny amin'ny famaliana
ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama
nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va
ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo, ry
zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
2 Tsy izany, fa ny
fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany
ianareo.
3 Mivily hatrany
am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4 Misy poizina tahaka
ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny
izy,
5 Ka tsy mihaino ny
feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
*
6 Andriamanitra ô,
torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
7 Aoka ho ritra
tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho
tapa-doha ireny;
8 Aoka ho tahaka ny
lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta
izay tsy mahita masoandro izy.
9 Dieny tsy mbola
mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na
ny lena na ny maina.
10 Hifaly ny marina,
raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;
11 Dia hiteny ny
olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra
Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
1 [Fitarainan'izay
misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth.
Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano
hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo
amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
2 Afaho amin'ny
mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
3 Fa, indro,
manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy
fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4 Tsy heloko* no
ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
5 Ary Hianao, Jehovah
ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny
firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
*
6 Miverina nony
hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
7 Indro, mirezadrezatra
amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
8 Kanjo Hianao, Jehovah
ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
*
9 Koa noho ny
herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
10 Andriamanitra, Izay
mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny
fahavaloko aho.
*
11 Aza mahafaty azy
Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy,
ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
12 Ny fahotan'ny vavany
dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny
ozona sy ny lainga ataony.
13 Aringano
an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa
Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
*
14 Ary miverina nony
hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
15 Miriorio mitady
hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
16 Fa izaho kosa dia hihira
ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho
ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.
17 Ry Heriko ô, Hianao
no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra
Izay mamindra fo amiko.
1 [Fiantsoan'ny efa
resim-pahavalo, mba hotsarovan'Andriamanitra ny teniny] Ho an'ny mpiventy hira
Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i
Mesopotamia* sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita
roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa
nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy
izahay.[Arama-naharaima]
2 Efa nampihorohoro
ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
3 Efa nampahita ny
olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
*
4 Efa notoloranao faneva
ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
5 Mba hahafahan'ny
malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
*
6 Andriamanitra niteny
tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i
Sokota horefesiko;
7 Ahy Gileada, Ahy koa
Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
8 Tavin-dranoko fanasana
Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
*
9 Iza no hitondra ahy ho
any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10 Tsy Hianao va, Izay
efa nanary anay*, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny
miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao]
11 Vonjeo amin'ny
mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
12 Andriamanitra no
haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
1 [Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba
hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny
valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny
fivavako.
*
2 Any am-paran'ny
tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy
izay avo ka tsy tratro;
3 Fa aroko Hianao sy
tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4 Aoka hitoetra ao
an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao
aho,
5 Fa Hianao,
Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra
ny anaranao.
6 Halavao ny
andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.
7 Aoka hitoetra eo
anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no
tendreo hiaro azy;
8 Ka dia izany no
hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.
1 [Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra,
na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra
tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
2 Izy tokoa no
vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo
loatra aho.
3 Mandra-pahoviana no
hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona
sy ny rova mihozongozona;
4 Misaina hanongana azy
hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany
izy, fa manozona amin'ny fony.
*
5 Miantombena
amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6 Izy tokoa no
vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo
aho.
7 Andriamanitra no
iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko
dia ao amin'Andriamanitra.
8 Matokia Azy
mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra
no aro ho antsika.
*
9 Zava-poana tokoa ny
ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana;
zava-poana mihitsy izy.
10 Aza matoky ny
fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny
harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11 Indray mandeha no
nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.
12 Ary Anao koa, ry
Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany
avy.
1 [Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo
nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro
Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny
nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
2 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana
masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3 Fa tsara noho ny aina
ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4 Toy izany no hisaorako
Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5 Toy ny voky tsoka sy
tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny
vavako Anao.
6 Raha mahatsiaro Anao
eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7 Fa efa namonjy ahy
Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
*
8 Mifikitra amiko ny
fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9 Fa ireny dia mitady ny
aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10 Hatolotra ho amin'ny
herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo* izy.[volpa]
11 Fa ny mpanjaka hifaly
amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny
vavan'izay rehetra mandainga.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika
amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra
ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy
fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
3 Izay mandranitra ny
lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny
mangidy.
4 Mba hitifitra
mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
5 Hamafiny ny
hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no
hahita izany?
6 Manao saim-petsy
izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona,
dia ny fony.
7 Mitifitra azy
Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
8 Apotrany izy ka
voasingotra ny lelany ihany; mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na:
Mihifikifi-doha]
9 Dia matahotra ny olona
rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
10 Mifaly amin'i Jehovah
ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra
noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i
Davida. Tonon-kira. Ho anao
ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana
ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]
2 Ry Mpihaino vavaka
ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
*
3 Ny zava-mahameloka
ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
4 Sambatra izay
fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao
amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
5 Zava-mahatahotra no
ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena
anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
6 Mampiorina ny
tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
7 Mampitsahatra ny
firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
8 Dia matahotra noho
ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny
maraina sy ny hariva no ampihobinao.
9 Mamangy ny tany
Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny
onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa
izany no famboatrao ny tany.
10 Mahampoka ny tany
voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy;
mitahy ny fitsimohany Hianao.
11 Satrohanao voninahitra
ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
12 Vonton-drano ny
fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.
13 Rakotra ondry ny
saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
1 [Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra
noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira.
Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
2 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra
Izy ho fiderana Azy.
3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny
asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
4 Ny tany rehetra
hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
5 Avia, ka jereo ny
asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
6 Efa nampody ny
ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no
nifaliantsika tamin*'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
7 Manjaka mandrakizay
amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy
hanandra-tena ny maditra.
*
8 Misaora
an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9 Izay mampitoetra ny
fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10 Fa efa nizaha toetra
anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio
volafotsy amin'ny memy.
11 Efa nampiditra anay
tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12 Efa nampandeha ny
olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa
nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
*
13 Hiditra ao
an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
14 Izay notononin'ny
molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15 Hateriko aminao ho
fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy
osilahy aho.
*
16 Avia, mihainoa
ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho
an'ny fanahiko.
17 Izy no nantsoin'ny
vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
18 Raha nankasitraka*
ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
19 Kanefa efa nihaino
tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.
20 Isorana anie
Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony
tamiko.
1 [Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa
ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay;
hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2 Mba ho fantatra etỳ
ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
*
3 Hidera Anao ny
firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4 Hifaly sy hihoby ny
firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy
hafa ambonin'ny tany dia entinao;
*
5 Hidera Anao ny
firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6 Ny tany efa
nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7 Mitahy antsika
Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
1 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny
Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny
fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny
fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo
anatrehan'Andriamanitra.
3 Fa ny marina mifaly;
eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
*
4 Mihirà ho
an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina
mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
5 Rain'ny kamboty sy
Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
6 Andriamanitra
mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny
fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
*
7 Andriamanitra ô, raha
nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
8 Dia nihorohoro ny
tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry
Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ranonoram-pitahiana no
nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia
novelombelominao.
10 Ny olonao*
tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao,
Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
11 Ny Tompo manome ny
teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
12 Ireo mpanjaka be
miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no
mizara ny babo.
13 Raha mandry eo
amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary
ny volony miravaka volamena tsara
14 Raha aelin'ny
Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
*
15
Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro
tampona ny tendrombohitr'i Basana.
16 Ry tendrombohitra
maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay
tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
17 Ny
kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy;
Sinay dia eo amin'ny itoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
18 Efa niakatra ho any
amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny
olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah
Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah
Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra
aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
19 Isaorana anie ny
Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro*, eny, Andriamanitra
Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha
misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana
anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
20 Andriamanitra no
Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana
amin'ny fahafatesana.
21 Fa Andriamanitra
mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay
mandroso amin'ny fahadisoany.
22 Lazain'ny Tompo hoe:
hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
23 Mba hampihosenanao rà
ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
*
24 Efa hita ny
fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao
amin'ny fitoerana masina*.[Na: amin'ny fahamasinana]
25 Mialoha ny mpihira,
ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively
ampongatapaka.
26 Misaora
an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary
amin'ny loharanon'ny Isiraely.
27 Indry Benjamina kely,
mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka
ny Naftaly.
*
28 Andriamanitrao no
nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
29 Noho* ny tempolinao
eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na:
Avy amin']
30 Teneno mafy ny biby eny
anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia
izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
31 Ho avy ny
tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
*
32 Ry fanjakana
ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
33 Ilay mitaingina ny
lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo
mahery.
34 Ekeo ho
an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny
lanitra.
35 Mahatahotra Hianao,
Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no
manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
*
1 [Fitarainan'izay
nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim.
Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny
rano.
2 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy
hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
3 Sasatry ny
mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry
an'Andriamanitro aho.
4 Maro noho ny
volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay
ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay
tsy nalaiko izy.
*
5 Andriamanitra ô,
Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
6 Aoka tsy ho menatra
noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very
hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
7 Fa noho ny aminao no
itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
8 Efa vahiny amin'ny
rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
9 Fa ny firehetako ny
amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao
dia nihatra tamiko.
10 Nitomany sady
nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
11 Lamba fisaonana no
nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
12 Miresaka ahy izay
mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
13 Fa izaho hivavaka
aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô
noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
14 Afaho amin'ny fotaka
aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano
lalina.
15 Aza avela hanafotra
ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava
amiko ny lavaka fantsakana.
16 Valio aho, Jehovah ô,
fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
17 Ary aza manafina ny
tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy
Hianao.
18 Hatony ny fanahiko,
avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
19 Hianao no mahalala ny
latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo
anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
*
20 Ny latsa dia
nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy,
sy mpanony fa tsy nahita.
21 Fa zava-mangidy no
nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta
aho.
22 Aoka ho fandrika ho
azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
23 Aoka ho jamba ny
masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
24 Aidino aminy ny
fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
25 Aoka ho foana ny
tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
26 Fa izay nasianao
no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
27 Aoka hiampy ny
helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
28 Aoka hovonoina tsy
ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny
marina.
29 Fa izaho dia ory sy
mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
30 Hankalaza ny
anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
31 Fa ho sitrak'i
Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady
mivaky kitro.
*
32 Hahita izany ny
mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
33 Fa mihaino ny
malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
34 Aoka hidera Azy ny
lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
35 Fa Andriamanitra
hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony
ka ho tompony;
36 Dia handova azy ny
taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
1
[Fangatataham-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho
fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna
hamonjy ahy.
2 Aoka ho menatra sy
hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny
manjo ahy;
3 Aoka hiamboho noho
ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
4 Aoka hifaly sy ho
ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao
mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
5 Fa izaho dia ory sy
malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy
Hianao; aza ela, Jehovah ô.
1 [Vavaka ataon'izay
mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao,
Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2 Vonjeo ny
fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
3 Aoka ho vatolampy
fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa
harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
*
4 Andriamanitro ô,
afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy
ny lozabe.
5 Fa Hianao no
fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6 Hianao no
nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka* ahy avy tany
an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa,
ahy hatry, etc]
7 Tonga toa
zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8 Ny vavako ho feno ny
fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
9 Aza manary ahy, rehefa
antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
*
10 Fa miresaka ahy ny
fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
11 Ka manao hoe:
Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
12 Andriamanitra ô, aza
manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
13 Aoka ho menatra sy ho
levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay
mitady hanisy ratsy ahy.
14 Fa izaho kosa dia hanantena
mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
15 Ny vavako hitory ny
fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
16 Ho entiko ny asa
lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao
ihany.
*
17 Andriamanitra ô,
Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka
ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
18 Koa mandra-pahantitro
sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny
sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
*
19 Ary mihatra amin'izay
avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe:
Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
20 Hianao Izay nampahita
ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray
hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay]
21 Ampitomboy ny
voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
22 Izaho kosa hidera
Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao
amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
23 Hihoby ny molotro
raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
24 Ary ny lelako hitory
ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy
ratsy ahy.
*
1 [Ny handrosoan'ny fanjakan'ny mpanjaka
voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny
mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
2 Hitsara* ny olonao
amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka,
etc]
3 Ny tendrombohitra
hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
4 Hitsara2 ny olona ory
izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
*
5 Hatahotra2 anao ny
olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka
fara mandimby.
*
6 Hidina2 tahaka ny
ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny
tany.
7 Ny2 marina hitrebona
amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
8 Ary hanjaka
hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony* ka
hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
9 Ny mponina any
an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
10 Ny mpanjakan'i
Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra
fanomezana.
11 Ary ny mpanjaka
rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
12 Fa hamonjy ny
mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
13 Hiantra ny reraka
sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
14 Hanavotra ny
fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe
eo imasony ny ràny.
15 Dia ho velona
ireny ka hanome azy* volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy
mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka
homena]
16 Hahavoka-bary
betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka
ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny
ahitra amin'ny tany.
17 Ho mandrakizay ny
anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary
izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra*.[Izaho Gen.xxii.
18]
18 Isaorana anie
Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao
fahagagana;
19 Ary isaorana
mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny
voninahiny. Amena dia Amena.
20 Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
1 [BOKY FAHATELO][Ny amin'ny tsy hahaketraka ny
olon'Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon'i
Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
*
2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky
solafaka ny diako,
3 Satria nialona ny
mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4 Fa tsy misy
fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 Tsy mba misy
manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny
olon-kafa izy.
6 Dia izany no
iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7 Bongon-tavy ny
masony; miloatra ny hevitry ny fony.
8 Manazimbazimba izy ka
miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
9 Manao vava manakatra
ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
10 Izany no
itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny;
11 Ka hoy izy:
Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo
Indrindra?
12 Indro, ireny dia
olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
*
13 Foana mihitsy ny
nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana.
14 Azom-pahoriana
mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15 Raha tahìny aho nanao
hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16 Dia nieritreritra
ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17 Mandra-piditro tao
amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18 Eo amin'izay
mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19 Hià! rava indray
mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20 Tahaka ny anaovan'ny
olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny
endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
*
21 Raha lotika ny foko,
ka voatsindrona ny voako,
22 Dia ketrina aho ka
tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
23 Nefa izaho dia eo
aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24 Ny saina omenao no
hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra
aho.
25 Iza no ahy any
an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
26 Na dia levona aza
ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay
Andriamanitra.
*
27 Fa, indro, very
izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 Fa, izaho, dia ny
ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko
aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
1 [Fitarainana
tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly]
Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay
Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
2 Tsarovy ny
fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny
tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
3 Aingao ny
tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao
amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
4 Nierona tao anatin'ny
fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
5 Ny fijery azy dia
tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
6 Ary amin'izao ny
rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Efa nandoro ny
fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany* ny
fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]
8 Hoy izy tam-pony:
aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny
tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.
9 Tsy hitanay ny
famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola
haharetan'izao.
10 Mandra-pahoviana,
Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay
va ny fahavalo?
11 Nahoana no
mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy
amin'ny tratranao, ka mandringàna.
*
12 Fa Andriamanitra no
Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
13 Nampisaraka ny
ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao
anaty rano Hianao.
14 Hianao nanorotoro ny
lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.
15 Hianao namaky ny
vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro, Anao
koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
17 Hianao nametra ny
faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao
azy.
*
18 Tsarovy izao:
Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
19 Aza manolotra ny
ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny
olo-mahantranao.
20 Hevero ny fanekena;
fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.
21 Aoka tsy hiverina
amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
*
22 Mitsangàna,
Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao
isan'andro.
23 Aza manadino ny
feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra
mandrakariva.
1 [Ny fahakaikin'ny
Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth.
Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny,
hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny
olona.
*
2 Fa ho avy tokoa
amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
3 Mihorohoro ny tany sy
ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
*
4 Hoy izaho tamin'ny
mpirehareha: aza mirehareha*, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza
manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
5 Aza manandratra ny
tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
6 Fa tsy avy any
atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana*.[Na: Na avy
amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
7 Fa Andriamanitra no
Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8 Fa misy kapoaka eo
an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra* miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany;
eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
*
9 Fa izaho hanambara
izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.
10 Ary ny tandroky ny
ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny nisehoan'ny fitsarany marina] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra
dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
2 Naoriny ao Salema
ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
3 Teo no
nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny
fiadiana.
*
4 Mamirapiratra
Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin*'ny tendrombohitra fitohàna.[Na:
noho]
5 Voababo ny mahery
fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany avokoa
ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
6 Noho ny teny mafy
nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
7 Hianao no
mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny
fahatezeranao?
8 Avy tany an-danitra
no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka
sina,
9 Raha nitsangana
hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
*
10 Fa ny fahatezeran'ny
olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
11 Mivoadia, ka efao ny
voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy
hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.
12 Manapaka ny
reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
1 [Fahatsiarovana ny amin'ny taon-dasa ho enti-mampionona
ny fo, raha mila ho reraka] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo
nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny,
ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
2 Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny
tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
3 Ta-hahatsiaro
an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny
fanahiko.
*
4 Mampiari-tory ny
masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
5 Nihevitra ny andro fahiny
aho, dia ny taon-dasa ela.
6 Ta-hahatsiaro ny
nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny
fanahiko nanontany mafy hoe:
7 Hanary mandrakizay va
ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
8 Efa nitsahatra
mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
*
9 Efa nanadino hamindra
fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
10 Ary hoy izaho: Izao
no mahararirary ny foko, dia ny niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo
Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
11 Hampahatsiaro ny
asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
12 Eny hisaina ny asanao
rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
*
13 Andriamanitra ô,
amin'ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka
an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
14 Hianao no
Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny
firenena Hianao.
15 Navotan'ny sandrinao
ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
16 Ny rano be nahita
Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny,
nanonjanonja ny lalina.
17 Nandatsaka ranonorana
ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18 Ny fikotrokotroky ny
kotrokorana dia teo amin'ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra;
nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
19 Tany amin'ny
ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy
fantatra ny dian-tongotrao.
20 Ny tanan'i Mosesy sy
Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
1 [Famaranana nalaina
tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila
nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny
tenin'ny vavako.
2 Hiloa-bava hilaza
fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
3 Izay efa rentsika
sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
4 Dia tsy mba
hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana
an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
*
5 Fa nanorina
teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany
lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
6 Mba hahafantatra
izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory
izany amin'ny zanany kosa,
7 Mba hametraka ny
fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny
didiny;
8 Mba tsy ho tahaka
ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy
nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
*
9 Ny zanak'i Efraima,
izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
10 Tsy nitandrina ny
fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
11 Nanadino ny asany
izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
*
12 Teo anatrehan'ny
razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany
lemak'i Zoana.
13 Nampisaraka ny
ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny
antontan-javatra.
14 Ary ny rahona no
nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
15 Namaky vatolampy tany
an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
16 Ary nampivoaka rano
mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
*
17 Kanjo mbola nandroso
nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany
an-efitra.
18 Dia naka fanahy
an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
19 Dia niteny nanohitra
an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va
Andriamanitra?
20 Indro, namely ny
vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va
Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
*
21 Koa nony ren'i
Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady
nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
22 Satria tsy nino
an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
23 Kanefa nandidy ny
rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
24 Dia nandatsaka mana
teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
25 Ny fihinan'ny mahery
no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
*
26 Nampandeha ny rivotra
avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny
rivotra avy any atsimo.
27 Dia nampilatsahany
hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny
ranomasina,
28 Ka nalatsany teny
afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
29 Dia nihinana izy
ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
30 Nefa tsy niala
tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
31 Dia nirehitra
taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy,
ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
*
32 Fa na dia izany
rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana
nataony.
33 Dia nampahalevona
ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
34 Raha novonoiny izy
ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
35 Dia nahatsiaro izy fa
Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra
azy.
36 Kanefa nanao vava
malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
37 Ary ny fony tsy
niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
38 Nefa Andriamanitra
kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo
tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
39 Fa nahatsiaro Izy fa
nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
*
40 Impiry akory izy ireo
no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany
foana!
41 Naka fanahy
an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
42 Tsy mba nahatsiaro ny
tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
43 Izay nanaovany
famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
44 Nampody ny oniny
ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
45 Nandefa lalitra
betsaka* hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy
ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
46 Dia nanome ny
vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
47 Namono ny
voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
48 Dia nanolotra ny
biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
49 Nandatsaka ny
fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary
fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
50 Namboatra lalana
ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana,
fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
51 Ary namely ny
lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
52 Fa namindra
toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry
andiany.
53 Nentiny soa
aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny
ranomasina.
54 Ary nitondra azy
ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay
azon'ny tànany ankavanana.
55 Ary nandroaka ny
jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny
famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
*
56 Nefa naka fanahy
an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony
tsy notandremany.
57 Ary nihemotra izy
ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny
tsipìka manjiona.
58 Ary nampahatezitra
Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny
sarin-javatra voasokitra.
59 Ary nandre izany
Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
60 Sady nahafoy ny
tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
61 Dia natolony ho
babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
62 Dia nanolotra ny
olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
63 Ny zatovolahiny
dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
64 Ny mpisorony
lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
*
65 Dia nifoha ny
Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay
miantsoantso azon'ny divay.
66 Dia namely ny
fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
67 Dia nanary ny
lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
68 Fa nifidy ny
firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69 Dia nanao ny
fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho
mandrakizay.
70 Dia nifidy an'i
Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
71 Tany amin'ny
fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony
sy Isiraely lovany;
72 Dia niandry ireo
araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
1 [Fifonana noho ny
faharavana nataon'ny fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga
eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao
an'i Jerosalema ho korontam-bato.
2 Ny fatin'ny
mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny
bibidia;
3 Ny ràny naidiny
manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
4 Tonga fandatsan'ny
namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
*
5 Mandra-pahoviana,
Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny
fahasaro-piaoronao?
6 Aidino amin'ny
jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay
tsy miantso ny anaranao;
7 Fa efa nandany an'i
Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
8 Aza tsarovana
aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao,
fa reraka indrindra izahay.
9 Vonjeo izahay, ry
Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho
izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
10 Nahoana ny
jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny
jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
11 Aoka ho tonga eo
anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia
arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
12 Ary valio impito
heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay
nanaratsiany Anao, Tompo ô.
13 Fa izahay, olonao
sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara
mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
1 [Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho
an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny
Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao,
Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
2 Fohazy ny herinao
eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
3 Andriamanitra ô,
ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
*
4 Jehovah,
Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny
olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
5 Mampihinana azy
mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
6 Ataonao ho
fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly
handatsa.
7 Andriamanitry ny
maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena
izahay.
*
8 Nisy voaloboka
nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
9 Nitevy teo alohany
Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
10 Nanaloka ny
tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera
andrian-kazo*.[Heb: sederan'Andriamanitra]
11 Nampisandrahaka ny
rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata]
12 Nahoana no
noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
13 Ny lambo avy any
an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
14 Ry Andriamanitry
ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity
voaloboka ity.
15 Arovy* izay
nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na:
Dia]
16 Voadotry ny afo
izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
*
17 Aoka ny tananao ho
amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay
nampaherezinao ho Anao.
18 Dia tsy hihemotra
hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
19 Ry Jehovah,
Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka
hovonjena Izahay.
1 [Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra
noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho
an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
2 Asandrato ny hira, ka
velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
3 Tsofy ny anjomara
amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
4 Fa lalàna ho an'ny
Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
5 Notendreny ho
vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy;
nandre teny tsy fantatro aho.
*
6 Nampiala ny sorony
tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
7 Fony azom-pahoriana
ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny
fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
8 Mihainoa, ry oloko,
dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9 Aza asiana
andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena
hafa.
10 Izaho no Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11 Fa tsy nihaino ny
feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
12 Ka dia navelako
hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
*
13 Enga anie ka hihaino
Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
14 Vetivety dia
hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15 Izay mankahala
an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;
16 Ary hampihinana
azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako
anao.
1 [Ny
fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny
fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.
*
2 Mandra-pahoviana no
hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
3 Alaharo ny tenin'ny
mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra sy
ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
*
5 Tsy mahalala na mahazo
an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny
tany rehetra.
6 Hoy izaho:
Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
7 Kanjo ho faty tahaka
ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.
*
8 Mitsangàna,
Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
1 [Fitarainana noho ny
nikambanan'ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon'i
Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza
mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Fa, indro, mitabataba
ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Ny olonao no iokoany
amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Hoy izy: Avia, ka
andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny
anaran'Isiraely.
5 Fa efa niray tetika
tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6 Dia ny lain'ny Edomita
sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7 Ny Gebalita sy ny
Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8 Ny Asyriana koa
nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
*
9 Ataovy tahaka ny
Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10 Maty tany En-dora
ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11 Ataovy tahaka an'i
Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka
an'i Zebaha sy Zaimona,
12 Izay nanao hoe:
aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
13 Andriamanitro ô,
ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
14 Tahaka ny afo mandoro
ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15 Aoka ho toy izany
no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny
tafio-drivotrao.
16 Sarony henatra ny
tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17 Aoka ho menatra sy
ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
18 Ary aoka ho
fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra
ambonin'ny tany rehetra.
*
1 [Alahelo ny
tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny
Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
2 Manina sady
vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby
an'Andriamanitra velona.
3 Eny, ny tsikirity
mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany.
Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4 Sambatra izay mitoetra
ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
*
5 Sambatra izay olona
manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
6 Raha mandeha mamaky ny
lohasaha Baka* izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana
manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
7 Miampy hery eny
am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy
rehetra.
*
8 Jehovah, Andriamanitry
ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
9 Andriamanitra,
Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
10 Fa ny indray andro eo
an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny
tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny
ratsy fanahy.
11 Fa Masoandro sy
Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah;
tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.
*
12 Jehovah, Tompon'ny
maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
1 [Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny
fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita.
Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy
tamin'ny fahababoany.
2 Voaisotrao ny
heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
3 Efa nampijanona ny
fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
4 Miverena aminay, ry
Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
5 Ho tezitra aminay
mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va
ny fahatezeranao?
6 Tsy hovelominao indray
va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
7 Asehoy anay ny
famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
*
8 Hihaino izay
holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy,
dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
9 Eny tokoa,
akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny
tanintsika.
10 Mihaona ny
famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
11 Ny fahamarinana
mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
12 Eny, Jehovah
hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.
13 Ny rariny no
hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
1 [Vavaka nataon'ny
mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
2 Arovy ny fanahiko,
fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
3 Tompo ô, mamindrà fo
amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
4 Ampifalio ny
fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
5 Fa Hianao, Tompo ô, no
tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
*
6 Mandrenesa ny
fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
7 Amin'ny andro
fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
8 Tsy misy tahaka Anao,
Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
9 Ny firenena rehetra
nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra
ny anaranao.
10 Fa lehibe Hianao ka
manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
*
11 Ampianaro ny lalanao
aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko
hatahotra ny anaranao.
12 Hidera Anao amin'ny
foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao
mandrakizay aho.
13 Fa lehibe ny
famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*
ambany indrindra.[Heb. Shoela]
*
14 Andriamanitra ô, ny
mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko;
Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
15 Fa Hianao, Tompo ô,
dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy
fahamarinana.
16 Todiho aho ka
amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny
ankizivavinao.
17 Anehoy famantarana ny
ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao
Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.
1 [Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena
maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao
an-tendrombohitra masina;
2 Ny vavahadin'i
Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
*
3 Zava-malaza no
anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4 Hanonona an-dRahaba*
sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i
Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
5 Ary Ziona hilazana
hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra
azy.
6 Jehovah hanisa, raha
manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.
7 Hoy izay mihira sy
mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
1 [Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa
foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo
nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i
Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no
itarainako eo anatrehanao;
2 Aoka ny fivavako ho
tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
3 Fa diboka ny
fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
4 Natao ho isan'izay
midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
5 Efa nafoy ho any
amin'ny maty aho*, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy
tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny
maty]
6 Efa nametraka ahy
any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny
lalina.
7 Ny fahatezeranao
manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.
8 Efa
nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo
imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
9 Ny masoko efa
pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana
aminao aho.
*
10 Haneho fahagagana
amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
11 Hotorina any
am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny
fandringanana?
12 Ho fantatra ao
amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany
fanadinoana?
13 Fa raha izaho, dia
Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony
maraina.
14 Jehovah ô, nahoana
no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
15 Ory aho ka efa ho
faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very
hevitra;
16 Manafotra ahy ny
fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;
17 Mandifotra ahy
mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
18 Efa nampanalavirinao
ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i
Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no
hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny
vavako ny fahamarinanao.
2 Fa hoy izaho
Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any
an-danitra.
*
3 Efa nanao fanekena
tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
4 Hampitoetra ny
taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny
taranaka fara mandimby.
5 Ary ny lanitra hidera
ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny
fiangonan'ny olo-masina.
6 Fa iza any an-danitra
no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka
an'i Jehovah,
7 Dia Andriamanitra
mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay
rehetra manodidina Azy?
8 Jehovah, Andriamanitry
ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny
fahamarinanao.
9 Hianao manapaka ny
fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
10 Hianao nanorotoro
an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny
fahavalonao.
11 Anao ny lanitra, Anao
koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina
azy.
12 Ny avaratra sy ny
atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
13 Manan-tsandry mahery
Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
14 Rariny sy fitsarana
no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny
tavanao.
*
15 Sambatra izay olona
mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no
handehanany.
16 Ny anaranao no
hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
17 Fa voninahitry ny
heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
18 Fa an'i Jehovah ny
ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay*.
*
19 Tamin'izany ny olonao
masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay
mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona.[Na:
nanandratra zatovo avy]
20 Efa nahita an'i
Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21 Izy no homban'ny
tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22 Tsy hamitaka* azy
ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
23 Fa handripaka ny
fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24 Ny fahamarinako sy
ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25 Dia hampitoetra ny
tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26 Izy hiantso Ahy
hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27 Ary Izaho kosa
hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
28 Hitahiry ny
famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
29 Hampaharitra ny
taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny
lanitra.
30 Raha mahafoy ny
lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
31 Raha ny teniko no
ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
32 Dia hovaliako
tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
33 Nefa ny
famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34 Ny fanekeko tsy
hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
35 Izao zavatra iray
loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida
mihitsy Aho:
36 Ny taranany
haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo
anatrehako;
37 Hampitoerina
mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any
an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
*
38 Fa efa narianao sy
nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
39 Efa nahafoana ny
fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny
satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
40 Efa noravanao ny
fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
41 Izay rehetra
mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy
izy.
42 Efa nampisandratra
ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony
rehetra.
43 Efa nampihemotra*
ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na:
nampilefitra]
44 Efa nampitsahatra
ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45 Efa nahafohy ny
andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46 Mandra-pahoviana,
Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra
tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47 Tsarovy ny hafohin'ny
androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
48 Iza no olona ho
velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny
fiainan-tsi-hita*? [Heb. Sheola]
49 Tompo ô, aiza ny
famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50 Tompo ô, tsarovy ny
latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra*,
51 Dia ny nandatsan'ny
fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.
52 Isaorana mandrakizay
anie Jehovah. Amena dia Amena.
1 [BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina
amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny
fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô,
efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
*
2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny
tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha
indrindra ka mandrakizay.
3 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka* Hianao Ka manao
hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny
omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy;
Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
6 Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova*; Amin'ny
hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny
kolokolon'ahitra izy]
*
7 Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra
noho ny fahaviniranao.
8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny
fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao;
Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
10 Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny
mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny,
Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
11 Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny
fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
12 Mampianara anay
hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
*
13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
14 Vokiso ny
famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro
rehetra hiainanay.
15 Mampifalia anay araka
ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
16 Aoka hiseho amin'ny
mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.
17 Ary aoka ho aminay ny
fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
1 [Ny fahatokian'ny
olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny
mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny
aloky ny Tsitoha.
*
2 Izaho hilaza an'i
Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay
hitokiako.
*
3 Fa Izy no hanafaka
anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4 Ny volon'elany no
anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy
ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Tsy hatahotra ny
horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6 Na ny
areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka
amin'ny mitataovovonana.
7 Na dia hisy arivo aza
lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8 Hijery maso fotsiny
ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
*
9 Satria hoy ianao:
Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10 Dia tsy hisy loza
hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11 Fa Izy handidy ny
anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao.
12 Eny an-tànany no
hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13 Ny liona masiaka
sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
*
14 Satria Izaho no
niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny
avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15 Hiantso Ahy izy,
dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome
voninahitra azy Aho.
16 Hovokisako
fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
1 [Fifaliana
amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira
hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny
anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 Ary hanambara ny
famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3 Amin'ny valiha tory
folo Sy amin'ny feon-dokanga.
4 Fa ampifalinao amin'ny
nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
*
5 Jehovah ô, akory ny
halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
6 Ny ketrina tsy
mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
7 Raha mitsiry tahaka ny
ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho
fandringanana azy mandrakizay.
8 Nefa Hianao, Jehovah
ô, dia avo mandrakizay.
9 Fa, indreo, ny
fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao
ratsy rehetra.
10 Fa ny tandroko kosa
asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
11 Ary faly ny masoko
mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy
fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
12 Ny marina hamololona tahaka
ny rofia*; Hisandrahaka** tahaka ny sedera any Libanona izy; [*palma][**Heb. Ho
tonga lehibe]
13 Efa nambolena tao
an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
14 Mbola manorobona
ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
15 Mba hanambara fa
mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
*
1 [Ny
fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah
mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
2 Ny seza fiandriananao
nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
3 Mamandra-peo ny riaka,
Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
4 Mihoatra noho ny rano
sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny
voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.
5 Ny teni-vavolombelonao
dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro
maro, Jehovah ô.
1 [Fitarainana
amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra
Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
2 Misandrata, ry
Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
*
3 Mandra-pahoviana re ny
ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy
fanahy?
4 Mirezadrezatra sy
miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
5 Ny olonao, Jehovah ô,
torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
6 Ny mpitondratena sy
ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
7 Fa hoy izy: Tsy mijery
Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.
*
8 Mahalalà ianareo olona
ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
9 Ny Mpanao* ny sofina
va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
10 Ny Mpampianatra ny
jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
11 Jehovah no mahalala
ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
*
12 Sambatra izay olona
anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,
13 Mba homenao
fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy
fanahy.
14 Fa Jehovah tsy mba
hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
15 Fa ny fitsarana
hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
*
16 Iza no hitsangana ho
ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
17 Raha tsy Jehovah no
Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.
18 Fony aho nanao hoe:
Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
19 Raha be ny ahiahy ato
anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
20 Hikambana aminao va
ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna*?
[Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
*
21 Manao andiany hamely
ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
22 Fa tonga fiarovana
avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
23 Dia ampanodiaviny azy
ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika
izy.
1 [Fiantsoana hivavaka
amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i
Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika.
2 Aoka hankeo anatrehany
amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
3 Fa Andriamanitra
lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy.
4 Eo an-tànany ny
fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
5 Azy ny ranomasina, fa
Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.
*
6 Avia, ka aoka
hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah,
Mpanao antsika;
7 Fa Izy no
Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo
anio ny feony manao hoe:
8 Aza* manamafy ny
fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany
an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza]
9 Izay nakan'ny
razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
10 Efa-polo taona no
nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia
amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
11 Ka dia nianiana
tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.
1 [Hira fifaliana noho
ny hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah;
Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra.
2 Mihirà ho an'i
Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
3 Ambarao any amin'ny
jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
*
4 Fa lehibe Jehovah ka
mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra
rehetra.
5 Fa ny andriamanitry ny
firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
6 Famirapiratana sy
voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany
masina.
7 Ry firenena, manomeza
an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8 Manomeza an'i Jehovah
ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9 Miankohofa eo
anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry
tany rehetra.
10 Lazao any amin'ny
jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy
hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy.
*
11 Aoka ho faly ny
lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay
rehetra ao aminy.
12 Aoka ho faly ny saha
sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala
13 Eo anatrehan'i
Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao
araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany.
1 [Ny fisehoan'ny
fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny
mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka
ho ravoravo ny nosy maro.
*
2 Rahona sy aizim-pito
no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
3 Misy afo mialoha Azy
ka mandevona ny fahavalony manodidina.
4 Mahazava izao tontolo
izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
5 Ny tendrombohitra
miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny
tany rehetra.
6 Ny lanitra maneho ny
fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
7 Aoka ho menatra izay
rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny
andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra
rehetra.
8 Ziona mandre ka faly;
Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
9 Fa Hianao, Jehovah ô,
no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra
rehetra Hianao.
*
10 Hianareo izay tia
an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary
mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
11 Ny fahazavana no
voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.
*
12 Mifalia amin'i
Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina*.[Na: ny fahatsiarovana ny
fahamasinany]
1 [Fifaliana
amin'Andriamanitra noho ny nanehoany ny famonjeny sy ny fahamarinany] Fihirana.
Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany
ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2 Jehovah efa
nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny
fahamarinany.
3 Efa nahatsiaro ny
famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita
ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
*
4 Mihobia ho an'i
Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5 Mankalazà an'i Jehovah
amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,
6 Amin'ny trompetra sy
ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.
7 Aoka hirohondrohona ny
ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8 Aoka hiteha-tanana ny
riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
9 Eo anatrehan'i
Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny
fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
1 [Fanomezam-boninahitra
an'Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany] Jehovah no
Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka
hihorohoro ny tany.
2 Lehibe any Ziona
Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
3 Aoka hidera ny
anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.
4 Ny herin'ny mpanjaka
dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no
ataonao eo amin'i Jakoba.
*
5 Manandrata an'i
Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa
masina Izy.
6 Mosesy sy Arona
tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i
Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
7 Niteny taminy tao
anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny
didy izay efa nomeny azy.
8 Jehovah Andriamanitray
ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na
dia namaly azy noho ny nataony aza.
*
9 Asandrato Jehovah
Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah
Andriamanitsika.
1 [Fiantsoana izao
tontolo izao hanompo an'i Jehovah] Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah,
ry tany rehetra.
2 Manompoa an'i Jehovah
amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
3 Aoka ho fantatrareo fa
Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika*, Dia olony sy
ondry fiandriny.[Na: fa tsy isika]
4 Midira eo amin'ny
vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy,
mankalazà ny anarany,
5 Fa tsara Jehovah;
Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny
fahamarinany.
*
1 [Fikasan'ny mpanjaka
ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po
sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
*
2 Hitandrina ny lalana
marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny
fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.
3 Tsy hampitoetra
zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko
izany.
4 Ny fo maditra hiala
amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala]
5 Izay manendrikendrika
ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy
miavonavona am-po;
6 Ny masoko hijery izay
olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana
marina no hanompo ahy.
7 Tsy mba hitoetra ao
anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay
milaza lainga.
8 Haringako isa-maraina
ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra
tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.
1 [Fitarainan'ny mpanompon'Andriamanitra noho ny
fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka
izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao
ny fitarainako.
2 Aza manafina ny
tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny
andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
*
3 Fa levon-ko setroka
ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4 Taninina tahaka ny
ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5 Noho ny
fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6 Tahaka ny sama any
an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7 Tsy mahita tory aho
Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8 Mandatsa ahy
mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9 Fa lavenona no
nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10 Noho ny fahaviniranao
sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
*
11 Ny androko dia tahaka
ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12 Nefa Hianao, Jehovah
ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny
taranaka fara mandimby.
13 Hianao hitsangana ka
hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny
fotoana.
14 Fa sitraky ny
mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15 Hatahotra ny anaran'i
Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny
voninahitrao;
*
16 Fa Jehovah nanangana
an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17 Nijery ny fivavaky ny
mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18 Hosoratana ho an'ny
taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i
Jehovah;
19 Fa Izy nitazana
tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i
Jehovah ny tany,
20 Mba hihaino ny
fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty*, [Heb. zanaky ny
fahafatesana]
21 Mba hotorina any
Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22 Rehefa tafangona
ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
*
23 Efa nahaketraka ny
heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24 Hoy izaho:
Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra
amin'ny taranaka fara mandimby.
*
25 Tany aloha no
nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26 Ireo dia ho levona,
fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba
no hanovanao azy, ka hovana izy;
27 Fa Hianao no tsy
miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
28 Ny zanaky ny
mpanomponao handry fahizay*, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na:
dia mbola haharitra]
*
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny
anarany masina.
2 Misaora an'i Jehovah,
ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3 Izay mamela ny helokao
rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
4 Izay manavotra ny
ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5 Izay mahavoky soa ny
vavanao*; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery**.[*Na:
fanahinao, na fahanteranao][**Na: ho toy ny voromahery]
*
6 Jehovah manao
fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
7 Efa nampahafantatra
an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
8 Mamindra fo sy miantra
Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
9 Tsy mandaha-teny
mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
10 Tsy mba manao
amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
11 Fa tahaka ny
hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay
matahotra Azy.
12 Tahaka ny halavitry
ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika
amintsika.
*
13 Tahaka ny fiantràn'ny
ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
14 Fa Izy mahalala ny
toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
15 Tahaka ny ahitra ny
andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
16 Satria tsofin'ny
rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
17 Fa ny famindram-pon'i
Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra
Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
18 Dia amin'izay
mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
*
19 Jehovah efa
nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao
tontolo izao.
20 Misaora an'i Jehovah,
ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary
mihaino ny feon'ny teniny.
21 Misaora an'i Jehovah,
ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
22 Misaora an'i Jehovah,
ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah,
ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana
sy voninahitra no fitafinao,
2 Mitafy ny mazava
tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3 Ary mametraka ny
rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho
kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
4 Ary manao ny rivotra
ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony*.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny
mpanompony ho lelafo]
*
5 Nanorina ny tany
tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6 Ny rano lalina no
nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7 Noho ny teny mafy
nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia
nirifatra izy
8 Nisondrotra ny
tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
9 Efa nasianao fetra tsy
hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10 Mampandeha loharano
eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
11 Ka isotroan'ny
bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
12 Eo amboniny no
itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13 Manondra-drano ny
tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky
ny tany.
*
14 Mampaniry ahitra ho
an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny
tany.
15 Ary divay izay
mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary
mofo hanohanana ny ain'ny olona.
16 Voky ny hazon'i
Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
17 Izay anaovan'ny
voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny
tranony.
18 Ny tendrombohitra avo
dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
*
19 Nanao ny volana ho
fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20 Mahatonga aizina
Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
21 Ny liona tanora
mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
22 Miposaka ny
masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23 Fa ny olona kosa
mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
*
24 Endrey ny hamaroan'ny
asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra
nataonao* ny tany. [Na: ny harenao]
*
25 Indro ny ranomasina
sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia
zava-miaina, na kely na lehibe.
26 Any no alehan'ny
sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao]
27 Ireo rehetra ireo
miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
28 Manome Hianao, dia
manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29 Manafina ny tavanao
Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any
amin'ny vovoka nanalana azy,
30 Maniraka ny Fanahinao
Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
*
31 Ho mandrakizay anie
ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
32 Jereny ny tany, dia
mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33 Hihira ho an'i
Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola
miaina.
34 Ho maminy anie ny
fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.
35 Ho lany ringana tsy
ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora
an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
*
1 [Fanomezam-boninahitra
an'Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin'ny nitondrany ny Isiraely nivoaka
avy tany Egypta] Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any
amin'ny firenena ny asany.
2 Mihirà ho Azy,
mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3 Ataovy ho
reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
*
4 Mitadiava an'i Jehovah
sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
5 Tsarovy ny asa
mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
6 Ry taranak'i Abrahama
mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
7 Jehovah, Izy no
Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
*
8 Mahatsiaro ny fanekeny
mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
9 Eny, ilay nataony
tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
10 Izay naoriny ho
lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
11 Ka nataony hoe:
Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
12 Fony mbola olom-bitsy
izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13 Ary nifindrafindra
tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
14 Tsy nisy navelany
hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15 Aza manendry ireo
voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16 Dia niantso ny mosary
ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
17 Naniraka lehilahy
hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
18 Nampijaliny tamin'ny
fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
19 Mandra-pahatongan'ny
fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
20 Naniraka ny mpanjaka
hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
21 Nanao azy ho
tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
22 Mba hamatotra ny
mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
*
23 Ary Isiraely nankany
Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
24 Dia nahamaro ny
taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25 Nampiova ny fon'ireny
hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
26 Naniraka an'i Mosesy
mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
27 Ary izy ireo nanao ny
famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
28 Nahatonga aizina Izy
ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
29 Nahatonga ny ranony ho
rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
30 Nisy sahona betsaka
ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
31 Niteny Izy, dia tonga
ny lalitra betsaka* Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. [Na: fihitra,
na kalalao]
32 Nahatonga havandra ho
solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
33 Namely ny voalobony
sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
34 Niteny Izy, dia tonga
ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
35 Dia nihinana ny
zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
36 Ary namely ny
lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
37 Ary dia nitondra ny
olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo
na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
38 Faly Egypta tamin'ny
nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
*
39 Namelatra rahona ho
fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
40 Nangataka izy ireo,
dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
41 Nanokatra ny
vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho
renirano.
42 Fa nahatsiaro ny
teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
43 Dia nitondra ny olony
nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
44 Ka dia nanome azy ny
tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,
45 Mba hitandremany
ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
1 [Ny
fivadibadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny fahamarinan'Andriamanitra]
Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Iza no mahalaza ny
asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3 Sambatra izay
mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4 Jehovah ô, tsarovy aho
araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
5 Hahitako ny soa
azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako
miaraka amin'ny lovanao.
*
6 Efa nanota izahay mbamin'ny
razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7 Ny razanay tany Egypta
tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny
famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny
Ranomasina Mena
8 Kanefa namonjy azy
ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9 Dia noteneniny mafy ny
Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina
tahaka ny efitra Izy,
10 Namonjy azy tamin'ny
tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
11 Dia nosaronan'ny rano
kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12 Dia nino ny teniny
izy Ka nihira ny fiderana Azy.
*
13 Nalaky nanadino ny
asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14 Fa fatra-pila izy
tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
15 Dia nomeny azy izay
nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy*.[Na: ny fanahiny]
16 Dia nialona an'i
Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
17 Nisokatra ny tany,
dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon*'i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
18 Dia nisy afo
nirehitra tamin'ny antokony*; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny
fiangonany]
*
19 Nanao ombilahy kely
tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
20 Ary ny voninahiny
dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
21 Nohadinoiny
Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22 Dia fahagagana
tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
23 Ary nikasa*
handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny
banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb.
nilaza]
*
24 Ary nanamavo ny
tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25 Fa nimonomonona
tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
26 Dia nanandratra ny
tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27 Ary ny taranany
kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
*
28 Nikambana tamin'i
Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
29 Dia nampahatezitra
an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30 Fa nitsangana
nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31 Ary nisaina ho
fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
*
32 Nampahatezitra an'i
Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny
nataon'ireo;
33 Fa niodina tamin'ny
Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
*
34 Tsy naringany ny
firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
35 Fa nifangaro tamin'ny
jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36 Dia nanompo ny
sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37 Namono ny zananilahy
sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia* ireo;[Heb. ireo tompo]
38 Eny, nandatsaka rà
marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho
fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
39 Ary naloto tamin'ny
asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
*
40 Dia nirehitra
tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41 Dia nanolotra azy teo
an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42 Ary nampahory azy
ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
43 Matetika Izy no
nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka
nihalevona noho ny helony.
44 Kanefa nijery ny
fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45 Dia nahatsiaro ny
fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
46 Dia nataony nahita
famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
*
47 Vonjeo izahay, ry
Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny
anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.
48 Isaorana anie Jehovah
Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary
aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
1 [BOKY FAHADIMY][Fiantsoana
ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Aoka hanao izany ny
navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo*,
[Na: fahoriana]
3 Sy nangoniny avy tany
amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy
tany amin'ny ranomasina.
4 Nirenireny tany
an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna
honenana.
5 Noana sy
nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
7 Dia nitondra azy
tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
8 Aoka hidera an'i
Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
9 Fa mahafa-po ny
fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
*
10 Izay nipetraka tao
amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
11 Satria nandà ny
tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12 Dia nampietreny
tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka* izy, nefa tsy nisy hamonjy;[Heb.
tafintohina]
13 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
14 Nitondra azy
nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany
ny fatorany.
15 Aoka hidera an'i
Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
16 Fa nanorotoro ny
varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
*
17 Mitondra fahoriana ny
adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18 Nahamonamonaina azy
ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
19 Dia nitaraina tamin'i
Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
20 Nandefa ny teniny Izy
mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
21 Aoka hidera an'i
Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
22 Ary aoka hanatitra
fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
*
23 Izay midina any
an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe
24 No mahita ny
asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
25 Fa niteny Izy ka
nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
26 Niakatra
hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona
noho ny fahoriana.
27 Nisangodingodina
ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
29 Nanony ny rivotra
mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30 Dia faly ireo,
satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
31 Aoka hidera an'i
Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny
zanak'olombelona!
32 Ary aoka
hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny
fipetrahan'ny loholona.
*
33 Mampody ny ony ho
efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34 Ny tany
mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
35 Mampody ny efitra ho
rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36 Ary amponeniny eo
izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37 Ary hamafy eny
an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38 Dia mitahy azy Izy
mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Fa mihakely sy
mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Mampidina
fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy
misy lalana;
41 Fa manandratra ny
malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry
andiany.
42 Hahita izany ny
marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
*
43 Izay hendry dia
aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
1 [Fahatokiana
an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira.
Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira
sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
2 Mifohaza, ry valiha
sy lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na:
hampifoha ny maraina aho]
*
3 Hidera Anao eny
amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
4 Fa lehibe mihoatra ny
lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
5 Misandrata any
ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany
rehetra ny voninahitrao.
6 Mba hahafaka ny
malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
*
7 Andriamanitra niteny
tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i
Sokota horefesiko;
8 Ahy Gileada, Ahy
Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
9 Tavindranoko fanasana
Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
*
10 Iza no hitondra
ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11 Tsy Hianao va no
efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny
miaramilanay, Andriamanitra ô?
12 Vonjeo amin'ny
fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
13 Andriamanitra no
haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
1 [Ny amin'ny loza
hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako
ô, aza mangina Hianao,
2 Fa nisoka-bava ny
ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga
izy.
3 Teny fankahalana no
nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
4 Ny fitiavako dia
valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
5 Ny soa nataoko
novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
*
6 Anendreo olona
ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra* hitsangana eo
an-kavanany.[Na: aoka Satana]
7 Raha hotsaraina
izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
8 Aoka ho vitsy ny
androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
9 Aoka ho kamboty ny
zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
10 Aoka hirenireny
mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
11 Aoka ny mpampanàna
vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry
ny asany.
12 Aoka tsy hisy
haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
13 Aoka ho fongora ny
taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
14 Aoka hotsarovan'i
Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
15 Aoka ho eo
anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany
anie ny fahatsiarovana azy.
16 Satria tsy mba
nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka
am-po mba hahafaty azy;
17 Tia ozona izy, ka
nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
18 Nitafy ozona tahaka
ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny
taolany tahaka ny diloilo;
19 Dia aoka ho tahaka ny
lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
20 Izany no famaliana
avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
*
21 Fa Hianao, Jehovah
Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny
famindram-ponao.
22 Fa mahantra sy
malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
23 Lasa tahaka ny aloka
mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
24 Efa malemy ny
lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
25 Ary izaho dia tonga
fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
26 Ampio aho Jehovah
Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
27 Ary aoka ho fantany
fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
28 Manozona izy ireo, fa
Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
29 Mitafy henatra ny fahavaloko
Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
*
30 Hidera an'i Jehovah
indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.
31 Fa mitsangana eo
an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
1 [Ny haherezan'ny
Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona] Salamo nataon'i Davida.
Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
*
2 Ny tehin'ny herinao
Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
3 Ny olonao dia mazoto
manolo-tena amin'ny andro anafihanao*; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny
ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.[Na: andron'ny herinao]
4 Efa nianiana Jehovah
ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
*
5 Ny Tompo eo
an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
6 Hitsara any amin'ny
jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona* any amin'ny
tany malalaka Izy.[Heb. loha]
7 Hisotro amin'ny ony
any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
*
*
1 [Salamo abidy. Ny
fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i
Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny
fiangonan-dehibe.
*
2 Lehibe ny asan'i
Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.
3 Madera sady malaza
ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
4 Manao izay hahatsiarovana
ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
5 Nomeny hanina* izay
matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]
6 Ny herin'ny asany
nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.
7 Ny asan'ny tànany
dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
8 Mitoetra mafy
mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9 Manatitra
fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy;
Masina sy mahatahotra ny anarany.
10 Ny fahatahorana
an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra
mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
*
1 [Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra
azy] Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka
ny didiny indrindra.
2 Hahery ambonin'ny
tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
3 Fananana sy harena
no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
*
4 Ao amin'ny maizina
no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina
ireny*.[Na: Izy]
5 Sambatra ny olona
izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
6 Fa tsy hangozohozo
mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
7 Tsy mba manahinahy
hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.
8 Voatohana ny fony, ka
tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.
9 Namafy izy, eny,
nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra
amim-boninahitra ny tandrony.
*
10 Ny ratsy fanahy
hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny
ratsy fanahy.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra lehibe, Izay manandratra ny malahelo] Haleloia. Miderà,
ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.
2 Isaorana anie ny
anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
3 Hatramin'ny
fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i
Jehovah.
4 Avo ambonin'ny
jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
*
5 Iza no tahaka an'i
Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
6 Nefa miondrika
mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7 Manangana ny
malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo
amin'ny zezika,
8 Mba hametraka azy
ho naman'ny mpanapaka ny olony.
9 Mampitoetra tsara ny
momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
*
1 [Ny horohoron'ny tany
aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta] Fony
nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny
firenena hafa fiteny,
2 Joda no fitoerany
masina, Isiraely no fanjakany.
*
3 Ny ranomasina nahita
ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4 Ny tendrombohitra dia
nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
*
5 Inona izato mahazo
anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika
ianao?
6 Ary ianareo
tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana,
tahaka ny zanak'ondry?
7 Mihorohoroa eo
anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
8 Izay mampody ny
vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
1 [Fampitahana
an'Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin'ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay,
aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao
sy ny fahamarinanao.
*
2 Nahoana ny jentilisa
no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
3 Nefa any an-danitra
Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
4 Volafotsy sy volamena
ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
5 Manam-bava izy. fa tsy
miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
6 Manan-tsofina izy, fa
tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
7 Manan-tanana izy, fa
tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny
tendany.
8 Ho tahaka azy izay
manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
*
9 Ry Isiraely ô, matokia
an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
10 Ry taranak'i Arona ô,
matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
11 Hianareo izay
matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
*
12 Jehovah mahatsiaro ka
mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona
Izy;
13 Hotahiny izay
matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
14 Jehovah anie
hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
15 Hitahy anareo anie
Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
16 Ny lanitra dia
an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
17 Ny maty tsy mba
hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;
18 Fa izahay hisaotra
an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
1 [Fisaorana
nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah,
satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
2 Satria efa
nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
*
3 Nihodidina tamiko ny
famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita*;
Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
4 Dia niantso ny
anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5 Mamindra fo sy marina
Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6 Miaro ny kely saina
Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
*
7 Miverena ho amin'ny
fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8 Dia namonjy ny
fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny
tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9 Handeha eo anatrehan'i
Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10 Nino aho; hiteny
tokoa aho*; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
11 Hoy izaho tamin'ny
fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12 Inona no havaliko
an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Handray ny kapoaky ny
famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
14 Hanefa ny voadiko
amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny
olony rehetra.
15 Zava-dehibe eo
imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
*
16 Indrisy! Jehovah
ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha
ny fatorako Hianao.
17 Hianao no haterako
fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
18 Hanefa ny voadiko
amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,
19 Dia eo an-kianjan'ny
tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
1 [Fiantsoana izao
firenena rehetra izao hidera an'i Jehovah] Miderà an'i Jehovah ry firenena
rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.
2 Fa lehibe ny
famindram-pony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah. Haleloia.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka
nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony] Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2 Aoka ny Isiraely
hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3 Aoka ny taranak'i
Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4 Aoka izay matahotra
an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
*
5 Tao an-katerena no
niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6 Jehovah no miandany
amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona
atao amiko?
7 Jehovah no miandany
amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
8 Tsara ny mialoka
amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
9 Tsara ny matoky an'i
Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
*
10 Ny firenena rehetra
nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11 Nitangorona tamiko
ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy
tokoa.
12 Nanodidina ahy tahaka
ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no
handringanako azy tokoa.
*
13 Nanosika ahy mafy
hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14 Jehovah no heriko
sy fiderako. Fa efa famonjena ahy
Izy.
*
15 Ao an-dain'ny marina
ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery;
16 Ny tanana ankavanan'i
Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
17 Tsy ho faty aho, fa
ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
18 Nofaizan'i Jehovah
mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
*
19 Vohay ny vavahadin'ny
fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.
20 Ity no vavahadin'i
Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21 Hidera Anao aho, fa
efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
*
22 Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23 Avy tamin'i Jehovah
izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24 Ity no andro nataon'i
Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
25 Mifona aminao aho,
Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26 Hotahina anie izay
avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano
anareo.
*
27 Andriamanitra Jehovah
ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo
amin'ny tandroky ny alitara aza.
28 Andriamanitro Hianao,
ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
29 Miderà an'i Jehovah,
fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
*
1 [Salamo abidy.
Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay
mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
2 Sambatra izay
mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
3 Eny, Izay tsy manao
ratsy. Fa mandeha araka ny
lalany.
4 Hianao namoaka ny
didinao Mba hotandremana tsara.
5 Enga anie ka ho
tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
6 Dia tsy ho menatra
aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera Anao amin'ny
hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
8 Ny didinao no
hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
*
9 [BETA] Inona no
hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny
teninao.
10 Tamin'ny foko rehetra
no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
11 Ato am-poko no
iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12 Isaorana anie
Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13 Ny molotro no
nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14 Ny lalan'ny
teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
15 Ny didinao no
hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
16 Ny didinao no
hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
*
17 [GIMELA] Asio soa aho
mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18 Ampahirato ny masoko,
mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19 Vahiny etỳ an-tany
aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20 Torotoro ny
fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21 Voateninao mafy ny
mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22 Esory amiko ny
fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao
aho.
23 Na dia ny
mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny
didinao.
24 Ny
teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
*
25 [DALETA] Miraikitra
amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26 Ny lalako no
nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27 Ampahalalao ahy ny
lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28
Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
29 Ny lalan'ny lainga
no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
30 Ny lalàn'ny
fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31 Mifikitra amin'ny
teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32 Ny lalan'ny didinao
no ihazakazahako, Fa* ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
*
33 [HE] Jehovah ô, toroy
ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
34 Omeo fahalalana aho
mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
35 Ampandehano amin'ny
lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36 Amporisiho ny foko ho
amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
37 Avilio ny masoko tsy
hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
38 Tovy ny teninao
amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra*.[Tovy amin'ny mpanomponao
ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
39 Esory ny
fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
40 Indro, manina ny
didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
*
41 [VAO] Aoka ho tonga
amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42 Dia hamaly izay
miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
43 Ary aza dia esorina
amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
44 Dia hitandrina ny
lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
45 Ary handeha amin'ny
malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
46 Hilaza ny
teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
47 Ary hiravoravo
amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
48 Hasandratro ny tanako
ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
*
49 [ZAINA] Tsarovy ny
teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy*.[Na: Satria
nampanantenainao aho]
50 Izao no mampionona
ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
51 Ny mpirehareha
maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
52 Mahatsiaro ny
fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53 Fahatezerana
mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54 Ny didinao no
ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
55 Mahatsiaro ny
anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56 Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.
*
57 [HETA] Anjarako
Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58 Mifona aminao
amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59 Mihevitra ny lalako
aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
60 Mandeha faingana aho
ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
61 Nihodidina tamiko ny
famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
62 Mamatonalina no
hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
63 Naman'izay rehetra
matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
64 Jehovah ô, henika
ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
*
65 [TETA] Jehovah ô,
efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
66 Ampianaro
fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
67 Fony tsy mbola
azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68 Sady tsara Hianao no
Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
69 Namoron-dainga
hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
70 Matavy tahaka ny
menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
71 Soa ihany aho
nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
72 Ny lalàn'ny vavanao
no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
*
73 [JODA] Ny tananao
nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74 Izay matahotra Anao
hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75 Fantatro, Jehovah ô,
fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao
no nampahorianao ahy.
76 Ny famindram-ponao
anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77 Aoka ho tonga
amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78 Aoka ho menatra ny
mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* izy; Izaho hisaintsaina ny
didinao.[Na: nanoloky ahy tamin'ny lainga]
79 Aoka hiverina
amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80 Aoka ho marina tsara
ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
*
81 [KAFA] Ritra ny aiko,
satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82 Pahina ny masoko
miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
83 Fa tahaka ny siny
hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa
ny didinao tsy mba hadinoiko.
84 Hoatrinona no
andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy
Hianao?
85 Efa nanao longoa
hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86 Marina ny didinao
rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
87 Saiky laniny teo
amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88 Velomy aho araka
ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao
aho.
*
89 [LAMEDA] Ho
mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90 Hihatra amin'ny
taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka,
indro, mitoetra izy.
91 Hanefa ny
fitsaranao* no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra
rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
92 Raha tsy ny
lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93 Tsy hohadinoiko
mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94 Anao aho, vonjeo
aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95 Miandry ahy ny
ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96 Efa hitako fa
manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
*
97 [MEMA] Endrey ny
fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98 Ny didinao
mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay
ireny.
99 Hendry noho ny
mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100 Hendry noho ny
anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101 Efa narovako ny
tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
102 Tsy mba miala
amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103 Endrey ny
hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104 Ny didinao no
nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
*
105 [NONA] Fanilon'ny
tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106 Efa nianiana aho
fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107 Ampahorina
indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108 Jehovah ô, aoka
anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy
ny fitsipikao.
109 An-tenda* ihany
ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
110 Ny ratsy fanahy
mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
111 Efa noraisiko ho
lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
112 Apetrako ny foko
hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
*
113 [SAMEKA] Halako ny
mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
114 Fiereko sy ampingako
Hianao; Ny teninao no andrasako.
115 Mialà amiko ianareo
mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
116 Tohàny aho araka ny
teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
117 Tohàny aho mba ho
voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118 Ataonao
tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny
laingany.
119 Efa nataonao fanary
tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny
teni-vavolombelonao.
120 Mipararetra ny
nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
*
121 [AINA] Manaraka ny
fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
122 Iantohy mba ho soa
ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123 Pahina ny masoko
miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
124 Ataovy amin'ny
mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125 Mpanomponao aho, ka
ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126 Efa andro tokony
hampisehoan'i Jehovah ny heriny* izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.[Heb.
hiasan'i Jehovah]
127 Izany no itiavako ny
didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128 Izany no iheverako
ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
*
129 [PE] Mahagaga ny
teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130 Mahazava ny
famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
131 Mitanatana vava aho
ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132 Todiho aho, ka
mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
133 Ampitoero eo amin'ny
teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134 Vonjeo amin'ny
fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
135 Ampamirapirato
amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
136 Rano mandriaka no
mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
*
137 [TSADE] Marina
Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138 Efa voadidinao
amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139 Efa maharitra
aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140 Voazaha toetra
tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
141 Kely aho ka natao
ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142 Ny fahamarinanao dia
fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143 Fahoriana sy
fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144 Ny fahamarinan'ny
teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
*
145 [KOFA] Ny foko
rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no
hotandremako;
146 Nitaraina taminao
aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147 Raha mbola tsy
nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148 Nialoha ny
fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149 Henoy ny feoko araka
ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150 Efa mby akaiky izay
fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151 Akaiky Hianao,
Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152 Efa fantatro ela
tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
*
153 [RESY] Jereo ny
fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154 Soloy vava aho, ka
vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155 Lavitra ny ratsy
fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156 Lehibe ny antranao,
Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157 Maro ny mpanenjika
sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158 Mijery ny mpivadika
aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159 He ny fitiavako
ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160 Fahamarinana no
tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
*
161 [SINA] Na dia ny
mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no
atahoran'ny foko.
162 Faly aho noho ny
teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163 Halako ny lainga
ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
164 Impito isan'andro no
iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
165 Be fiadanana izay
tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
166 Miandry ny
famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao
ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
168 Mitandrina ny
didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo
anatrehanao.
*
169 Aoka anie ho tonga
eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
170 Aoka anie ho tonga
eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
171 Aoka hiboiboika
fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
172 Hihira ny teninao ny
lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
173 Aoka anie hamonjy
ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
174 Efa manina ny
famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
175 Aoka anie ho velona
ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
176 Efa nania aho;
tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba
hadinoiko.
*
1 [Fitarainana ataon'ny
olona miara-mitoetra amin'izay tia ady] Fihirana fiakarana*. Jehovah no
nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra
ambaratonga]
2 Jehovah ô, vonjeo ny
fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
3 Inona no homeny anao,
ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
4 Zana-tsipìkan'ny
mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy*.[Izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Lozako, fa mivahiny
eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
6 Ela loatra izay no
nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.
7 Raha izaho, dia
fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
1 [Fahatokian'izay
manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho
amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy
hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]
2 Ny famonjena ahy dia
avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
3 Tsy mba havelany
hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4 Indro, tsy matory na
rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
*
5 Jehovah no Mpiaro
anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
6 Ny masoandro tsy mba
hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7 Jehovah hiaro anao
amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8 Jehovah hiaro anao, na
mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
1 [Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho
azy] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko:
Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Ny tongotray efa
mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
*
3 Dia ianao ry
Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4 Any no iakaran'ny
firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra
ny anaran'i Jehovah.
5 Fa any no misy seza
fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
*
6 Mangataha fiadanana ho
an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
7 Fiadanana anie ho ao
anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
8 Noho ny rahalahiko sy
ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
9 Noho ny tranon'i
Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
1 [Fanantenana
an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana] Fihirana
fiakarana*. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
*
2 Indro, toy ny
fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy
Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika,
Mandra-pamindra fony amintsika.
3 Mamindrà fo aminay,
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;
4 Eny, tototry ny
famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny
mpiavonavona.
1 [Fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanafahany ny
mpanompony saiky tra-doza] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Raha tsy
Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy
hevitra ambaratonga]
2 Raha tsy Jehovah no
nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3 Dia nitelina
antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 Dia nandifotra
antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5 Eny, nanafotra ny
fanahintsika Ny rano misafoaka.
6 Isaorana anie
Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
7 Ny fanahintsika dia
efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny
fandrika, ka afaka isika.
8 Ny famonjena
antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
1 [Ny fiarovana
mahafinaritra hitan'izay matoky an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Izay
matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa
mitoetra mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
*
2 Tahaka ny
tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony
Hatramin'izao ka ho mandrakizay
3 Fa tsy hitoetra eo
amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina
haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
*
4 Jehovah ô, manaova
soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo.
5 Fa izay mivily ho
amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao
ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
1 [Fifalian'ny efa
nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo] Fihirana fiakarana*.
Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay
nanonofy isika. [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fahizay dia feno
hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa
hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
3 Eny, zava-dehibe no
nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
*
4 Tanteraho, Jehovah ô,
ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any
amin'ny tany atsimo.
5 Izay mamafy
am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
6 Mandeha mitomany
mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny
fihobiana kosa.
1 [Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy
ambinin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia
miari-tory foana ny mpiambina.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Zava-poana ho anareo
ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny
fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory
aza izy.
*
3 Indro, lova avy amin'i
Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.
4 Tahaka ny zana-tsipìka
eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.
5 Sambatra izay mameno
ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly
amin'ny fahavalo eo am-bavahady.
1 [Ny hatsaran'ny
tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Sambatra
izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fa hohaninao tokoa ny
asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
3 Ny vadinao dia tahaka
ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny
zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
4 Indro, fa toy izany no
hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
5 Hitahy anao avy any
Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao
Amin'ny andro rehetra hiainanao.
6 Eny, hahita ny zafinao
anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
1 [Ny hiafaran'ny
mpandrafy an'i Ziona] Fihirana fiakarana*. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny
fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy
hevitra ambaratonga]
2 Mafy no nampahoriany
ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
3 Ny mpiasa dia niasa ny
lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
*
4 Marina Jehovah: Efa
nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.
5 Aoka ho menatra sy hiamboho
Izay rehetra mandrafy an'i Ziona
6 Ka ho tahaka ny ahitra
eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
7 Tsy misy mpijinja
mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;
8 Ka dia tsy hisy
mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no
itsofanay rano anareo.
1 [Fitarainana
ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny
lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Tompo ô, henoy ny
feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
3 Raha mandinika heloka
Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
4 Fa eo aminao no misy
ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
*
5 Niandry an'i Jehovah
aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
6 Ny fanahiko miandry ny
Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny
mpiambina ny maraina.
7 Manantenà an'i
Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana
be;
8 Ary Izy no
hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
1 [Fiononam-po sy
fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Jehovah ô,
tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina
izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na:
Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fa nampionona sy
nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia
tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.
3 Ry Isiraely ô,
manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
1 [Vavaka ho an'ny
tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana*. Jehovah ô, tsarovy
Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Dia ilay nianiana
tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
3 Tsy mba hiditra ao
an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
4 Tsy mba havelako
hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
5 Mandra-pahitako
fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
*
6 Indro, nandre azy tany
Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala* isika.[Na: tany
an-tsahan'i Jara]
7 Aoka hiditra any
amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
8 Mitsangàna, Jehovah
ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
9 Aoka ny mpisoronao
hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
10 Noho ny amin'i
Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
*
11 Jehovah efa
nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny
kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
12 Raha
hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko
azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny
zanany.
*
13 Fa Jehovah efa nifidy
an'i Ziona. Ary naniry azy ho
fonenany.
14 Ity, hoy Izy, no
fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
15 Hotahiko tokoa ny
fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
16 Ny mpisorona ao
dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
17 Ao no hampitsimohako
tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.
18 Ny fahavalony
hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
1 [Ny mahatsara ny
fifankatiavana] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady
mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra
ambaratonga]
2 Tahaka ny diloilo
tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona,
Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony*; [Na: vozon'akanjony]
3 Tahaka ny ando any Hermona,
izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny
fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
1 [Hira ho fisaorana
an'i Jehovah amin'ny alina] Fihirana fiakarana*. Andeha, misaora an'i Jehovah**,
ianareo rehetra mpanompon'i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon'i
Jehovah.[*Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: misaora an'i Jehovah
amin'ny alina]
2 Manandrata ny
tananareo ho amin'ny fitoerana masina*, Ka misaora an'i Jehovah.[Na: amin'ny
fahamasinana]
3 Hitahy anao avy ao
Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
*
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny nitondrany ny Isiraely, ary filazana ny
mahatsinontsinona ny sampy] Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà,
ianareo mpanompon'i Jehovah,
2 Hianareo izay
mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny
tranon'Andriamanitsika.
3 Miderà an'i Jehovah,
fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
4 Fa Jakoba nofidin'i
Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
*
5 Fa fantatro fa lehibe
Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 Manao izay sitrapony
rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny
ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
7 Mampiakatra zavona avy
amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny
rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
8 Dia Ilay namely ny
voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
9 Nanatitra famantarana
sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony
rehetra,
10 Dia Ilay namely ny
jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
11 Dia Sihona,
mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana
rehetra;
12 Ary ny taniny
nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
*
13 Jehovah ô,
mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny
fahatsiarovana Anao.
14 Fa hanome rariny
ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
15 Ny sampin'ny
jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
16 Manam-bava izy, fa
tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
17 Manan-tsofina izy, fa
tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
18 Ho tahaka azy izay
manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
*
19 Misaora an'i Jehovah,
ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
20 Misaora an'i Jehovah,
ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.
21 Isaorana avy any
Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
1 [Fankalazana
an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony]
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Midera
an'Andriamanitra Avo Indrindra*; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb.
Andriamanitry ny andriamanitra]
3 Miderà ny Tompon'ny
tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
*
4 Izy irery no Mpanao
fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
5 Izay nanao ny
lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
6 Izay namelatra ny
tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7 Izay nanao ireo
fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
8 Dia ny masoandro ho
mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
9 Ary ny volana sy ny
kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
10 Izay namely ny
voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
11 Ka nitondra ny
Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
12 Tamin'ny tanana
mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13 Izay nampisaraka
ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
14 Ka nampandeha ny
Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
15 Fa nanary an'i
Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny
famindram-pony),
16 Izay nitondra ny
olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
17 Izay namely
mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
18 Ka nahafaty
mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
19 Dia Sihona,
mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
20 Sy Oga, mpanjakan'i
Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
21 Ary ny taniny nomeny
ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
22 Dia ho lovan'ny
Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
*
23 Izay nahatsiaro
antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
24 Ka naneho hery
namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny
famindram-pony),
25 Izay manome hanina ny
nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
26 Miderà
an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
*
1 [Fahatsiarovana ny
alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay,
Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
2 Teo amin'ny
hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
3 Fa teo dia nangataka
anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao
fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
*
4 Nefa ho nataontsika
ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
5 Raha manadino anao
aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
6 Raha tsy mahatsiaro
anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no
ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
7 Jehovah ô, tsarovy
amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao,
ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
8 Ry Babylona zanakavavy
izay efa resy*, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho
resy]
9 Sambatra izay maka ny
zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny
mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo
anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
2 Hivavaka manandrify ny
tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny
fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao
rehetra.
*
3 Tamin'ny andro
nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny
fanahiko.
4 Jehovah ô, hidera Anao
ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy.
5 Eny hihira ny amin'ny
lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah.
*
6 Fa na dia avo aza
Jehovah dia* mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra
eny.[Na: Fa avo Jehovah ka]
7 Na dia handeha eo
amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao
hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao
ankavanana.
8 Jehovah no
hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy
ny asan'ny tananao.
1 [Fankalazana an'Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra
rehetra sady manerana izao rehetra izao] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo
nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
2 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady
mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
3 Voadinikao ny
toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
4 Fa, indro, tsy misy
teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
5 Manodidina ahy eo
ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
6 Fahalalana mahagaga
ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
*
7 Aiza no hialako
amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8 Na dia miakatra any
an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho
fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
9 Na dia maka ny
elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
10 Dia mbola entin'ny
tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
11 Ary na dia hoy
izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho
tonga alina,
12 Tsia*, fa ny
maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro
ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona
ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
13 Fa Hianao no
nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
*
14 Hidera Anao aho;
fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary
fantatry ny fanahiko marimarina izany.
15 Ny tenako tsy
niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy
endrika tany ambanin'ny tany.
16 Ny masonao efa
nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny
bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
17 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao,
Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
18 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny
fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
*
19 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô*,
Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy
fanahy, Andriamanitra ô]
20 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô,
Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
21 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô,
Sy ho tezitra* amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
22 Halako dia halako
marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
23 Diniho aho,
Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny
eritreritro;
24 Ary izahao na misy
lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
1
[Fangataham-piarovana noho ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny
olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,
2 Izay mihevitra
ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro
3 Mandranitra ny
lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
4 Jehovah ô, vonjeo
amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa
nihevitra handronjina ahy ho potraka.
5 Ny mpiavonavona efa
nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo
amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
*
6 Hoy izaho tamin'i
Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!
7 Jehovah, Tompo ô,
ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.
8 Jehovah ô, aza
manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny,
fandrao hisandratra izy.
9 Ny lohan'izay
manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.
10 Aoka hisy vain'afo
halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka
tsy hiarina intsony.
11 Tsy hampitoerina
amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
12 Fantatro fa Jehovah
no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.
13 Eny tokoa, ny marina
hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
1 [Fitarainana
ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako
Anao.
2 Aoka hankeo
anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny
fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
*
3 Jehovah ô, asio fiambenana
eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
4 Aza avela hirona ho
amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao
izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
5 Aoka ny marina hamely
ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako
izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola
hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
6 Havarina amin'ny
hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
*
7 Toy ny fiasa sy ny
fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita*.
[Heb. Sheola]
8 Fa Hianao no
andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny
aiko.
9 Arovy aho amin'ny
fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.
10 Aoka ny ratsy fanahy
ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
1 [Vavaka ataon'izay foin'ny sakaizany sady enjehin'ny
fahavalony] Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny
feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah.
2 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo
anatrehany ny fahoriako.
*
3 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny
alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.
4 Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona
mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.
5 Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no
aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
6 Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo
aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.
7 Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako
ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
1 [Faniriam-pamindram-po
noho ny fahoriana mafy] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina
sy ny fahamarinanao.
2 Ary aza dia
mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho
marina eo anatrehanao.
*
3 Fa nanenjika ny
fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny
tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
4 Dia reraka ny fanahiko
ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
5 Mahatsiaro ny andro
fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.
6 Mananty tanana aminao
aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
*
7 Faingàna hamaly ahy,
Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho
tahaka izay midina any am-pasana aho.
8 Ampandreneso ny
famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay
lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
9 Jehovah ô, vonjeo
amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
10 Ampianaro hanao ny
sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao
ahy amin'izay tany marina.
11 Noho ny anaranao,
Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka
amin'ny fahoriana.
12 Ary araka ny
famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny
fanahiko; Fa mpanomponao aho.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny
mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan'ny mpanompon'Andriamanitra]
Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako
hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,
2 Izay Mpiantra sy
batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy
fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy
*
3 Jehovah ô, inona ny
olona, no iahianao* azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? [Heb.
ahafantaranao]
4 Ny olona dia tahaka ny
zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
5 Jehovah ô, aondreho ny
lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.
6 Ampitselatselaro ny
helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;
7 Ahinjiro avy any
ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny
hafa firenena,
8 Izay miteny zava-poana
amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.
*
9 Andriamanitra ô,
hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako
Anao,
10 Izay manome famonjena
ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra
mandratra.
11 Afaho aho, ka vonjeo
amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny
tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;
12 Mba ho tahaka ny
zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra
tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy.
13 Ho feno ny trano
fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo
sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;
14 Hahazaka be ny
ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana
any an-dalambenay.
15 Sambatra ny
firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah
ho Andriamaniny.
Louange de David.
1 [Salamo abidy.
Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra
Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay
doria.
2 Hankalaza Anao
isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
*
3 Lehibe Jehovah ka
tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
4 Ny taranaka rehetra
samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
5 Ny lazan'ny
voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
6 Ny herin'ny asanao
mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
7 Hanonona ny
fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
*
8 Mamindra fo sy miantra
Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
9 Manisy soa izao
tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
10 Jehovah ô, midera
Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
11 Milaza ny voninahitry
ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
12 Mba hampahafantarina
ny zanak'olombelona ny herinao* Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao**.
[*Heb. heriny][**Heb. fanjakany]
*
13 Fanjakana mandrakizay
ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
14 Jehovah manohana izay
rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15 Ny mason'izao rehetra
izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
16 Manokatra ny tananao
Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
17 Marina Jehovah
amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18 Jehovah dia eo akaikin'izay
rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 Hanefa ny irin'izay
matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20 Miaro izay rehetra
tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
*
21 Ny fiderana an'i
Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany
masina mandrakizay doria.
*
1 [Dera ho
an'Andriamanitra, Mpamonjy tokana] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry fanahiko.
2 Hidera an'i Jehovah
aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an'Andriamanitra aho, raha mbola
velona koa.
*
3 Aza matoky ny lehibe,
Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
4 Miala ny fofonainy, ka
miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny
fikasany.
5 Sambatra izay manana
an'Andriamanitr'i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an'i Jehovah
Andriamaniny,
6 Izay nanao ny lanitra
sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina
fahamarinana mandrakizay,
7 Izay manome rariny ho
an'ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an'ny noana. Jehovah mamaha ny
mpifatotra;
*
8 Jehovah mampahiratra
ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
9 Jehovah miaro ny
vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan'ny
ratsy fanahy kosa.
10 Manjaka mandrakizay
Jehovah, Hatramin'ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
1 [Haleloia ho an'ny
Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia;
Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
*
2 Manangana an'i
Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3 Mahasitrana ny
torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4 Milaza ny isan'ny
kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
5 Lehibe ny
Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6 Manandratra ny
mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
*
7 Mihirà fiderana ho
an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
8 Izay
manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay
mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9 Manome hanina ho an'ny
biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
10 Tsy ny herin'ny
soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11 Jehovah
mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
*
12 Mankalazà an'i
Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13 Fa manamafy ny
hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14 Mahatonga ny
fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15 Mampandeha ny didiny
ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16 Mandatsaka
oram-panala tahaka ny landihazo* Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona
Izy.[Heb. volon'ondry]
17 Mandatsaka ny
havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny
hatsiakany?
18 Mamoaka ny teniny Izy
ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19 Milaza ny teniny amin'i
Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.
20 Tsy nanao toy izany
tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
1 [Fiantsoana izao
rehetra izao hidera an'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any
ambony.
2 Miderà Azy, ry
anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
3 Miderà Azy, ry
masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
4 Miderà Azy, ry lanitry
ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
5 Aoka hidera ny
anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
6 Nampitoetra ireo ho
mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
*
7 Midera an'i Jehovah
etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
8 Ny afo sy ny havandra,
ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
9 Ny tendrombohitra sy
ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
10 Ny bibi-dia sy ny
biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
11 Ny mpanjaka amin'ny
tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
12 Na ny zatovolahy, na
ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
13 Samia midera ny
anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy
ny lanitra ny voninahiny.
*
14 Ary manandratra
tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny,
ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
1 [Haleloia ho an'i
Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i
Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.
2 Aoka ny Isiraely
hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i
Ziona.
3 Aoka hidera ny anarany
amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4 Fa sitrak'i Jehovah ny
olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
5 Aoka ny olona masina
hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
6 Aoka hisy fanandratana
an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
7 Hamaliany ny Jentilisa
Sy hamaizany ny firenena maro,
8 Hamatorany ireo
mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.
9 Mba hanaovany ny
fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
1 [Haleloia farany]
Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo
amin'ny habakabaky ny heriny.
2 Midera Azy noho ny
asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.
3 Miderà Azy amin'ny
fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
4 Miderà Azy amin'ny
ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
5 Miderà Azy amin'ny
kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.