2 Mpanjaka
1 [Ny nahararian'i Ahazia, sy ny nilazan'i Elia fa ho
faty izy] Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
2 Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo
amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao
taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na
ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira
hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova
aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo
amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i
Ekrona, ianareo?
4 Koa noho izany dia
tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary
dia lasa Elia.
5 Dia niverina tany
amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
6 Ary hoy ireo
taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana
miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely
va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa
ho faty tokoa.
7 Ary hoy izy taminy:
Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany
taminareo?
8 Ary ireo namaly azy
hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny
valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
9 Ary ny mpanjaka
naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany
aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny
tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô,
midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka.
10 Fa Elia namaly ka
nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho,
dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo
fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy
mbamin'ny dimam-polo fehiny.
11 Dia naniraka
mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny
mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô,
midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.
12 Fa namaly Elia ka
nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo
milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao.
Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy
mbamin'ny dimam-polo fehiny.
13 Ary dia naniraka mpifehy
dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra
ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka
nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho
zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
14 Indro, efa nisy
afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo
ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny
aiko ankehitriny.
15 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza
matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny
mpanjaka.
16 Ary hoy izy
tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany
amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy
Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay
niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17 Ka dia maty izy
araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy,
dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama,
zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.
18 Ary ny asan'i
Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
*
1 [Ny nampakarana
an'i Elia ho any an-danitra, sy ny fahagagana voalohany nataon'i Elisa] Ary
nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia,
dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2 Ary hoy Elia
tamin'i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany
Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao,
tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3 Ary nivoaka nankany
amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe:
Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny
lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
4 Ary hoy Elia
taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho
any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny
ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5 Ary ireo zanaky ny
mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va
fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Ary
izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
6 Ary hoy Elia
taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana.
Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao
anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
7 Ary nisy dimam-polo
lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny;
fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
8 Ary Elia nandray ny
kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka
dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.
9 Ary nony efa tafita
izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny
tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny
anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.
10 Fa hoy izy:
Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho
anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11 Ary raha mbola
nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo
nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any
an-danitra.
12 Ary raha nahita
izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely
sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny
fitafiany ka notriariny roa.
13 Ary nalainy ny
kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo
amoron'i Jordana.
14 Dia noraisin'i
Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia
hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano,
dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
15 [Ny niverenan'i
Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy
ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny
fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka
niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
16 Dia hoy ireo
taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; masìna
ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i
Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha
anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
17 Ary raha nanery
azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka
dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
18 Ary tonga tao
aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy
nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19 Ary hoy ny mponina
tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana
ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny
tany tsy mampahavanon'anaka*.[Na: tsy mahavanom-boly]
20 Dia hoy izy:
Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy
izany.
21 Ary nivoaka
nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao
no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara* ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na
tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
22 Ka dia tsara* ny
rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]
23 Ary dia niakatra
avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia,
indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe:
Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24 Ary nitodika izy
ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy
beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy
madinika ireo.
25 Dia niala teo
Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any
Samaria.
1 [Ny nikambanan'i
Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, hiady tamin'ny
Moabita] Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria
tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda,
ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na
tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy
izy;
3 nefa izy nikikitra
tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa
tsy niala tamin'izany.
4 Ary Mesa,
mpanjakan'i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny
Isiraely izy, dia zanak'ondry iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy*.[Na:
ny volon-janak'ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy]
5 Fa rehefa maty
Ahaba, dia niodina tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.
6 Ary Jorama mpanjaka
nivoaka avy tany Samaria tamin'izany andro izany ka nandamina ny Isiraely
rehetra.
7 Ary nandeha izy,
dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny
mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady
aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny
oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 Ary hoy izy: Aiza
ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i Edoma.
9 Dia nandeha ny
mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary
nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy
ny biby fiompy izay nentiny.
10 Dia hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto
mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
11 Ary hoy Josafata:
Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy
anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato
ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
12 Ary hoy Josafata:
Ao amin'izy io tokoa ny tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i Elisa ny
mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13 Ary hoy Elisa
tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana
any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny
mpanjakan'ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo
ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
14 Dia hoy Elisa:
Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha
tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao
na hijery anao akory aho.
15 Nefa itondray
mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry
an'i Elisa ny tànan'i Jehovah.
16 Ary hoy Elisa:
Izao no lazain'i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17 Fa hoy Jehovah:
Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io
lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby
fiompinareo.
18 Ary ho zavatra kely
ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa
Izy.
19 Ary handrava ny
tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo
tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa
rehetra ho fanimbana azy.
20 Ary nony maraina,
tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa
tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 Ary rehefa ren'ny
Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy
hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana* no ho miakatra, ka dia niandry teo
amin'ny sisin-taniny.[Heb. nahasikina]
22 Ary nony nifoha
maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny
rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 Dia hoy izy: Rà
io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra;
koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!
24 Kanjo nony efa
tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny
Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany
amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
25 Dia nandrava ny
tanàna izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary
nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra
mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia
io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26 Ary rehefa
hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy
nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa
tsy afaka izy.
27 Ary nalainy ny
zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra
dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia
niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.
1 [Ny nampitomboan'i
Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy anankiray,
vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko
mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa
tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2 Dia hoy Elisa
taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao
an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao
an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3 Ary hoy izy: Andeha
mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra,
nefa aza atao vitsy.
4 Ary rehefa tafiditra
ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary
manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5 Dia niala teo aminy
ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy
mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6 Ary nony feno ny
vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa
ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7 Dia avy ravehivavy
ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio
ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao
sy ny zanakao.
8 [Ny amin'ilay
vehivavy Sonemita sy ny zanany] Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany
Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary
isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9 Ary hoy ravehivavy
tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay
mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10 Masìna ianao,
andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy
latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika
izy, dia ao no hipetraka.
11 Ary tamin'ny
indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony
ary nandry tao.
12 Ary hoy izy
tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy,
dia nitsangana teo anatrehany izy.
13 Ary hoy Elisa
tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay
tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao?
Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia
namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
14 Ary hoy Elisa: Fa
inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy
manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15 Ary hoy Elisa:
Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16 Dia hoy izy: Raha
mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao.
Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga
amin'ny ankizivavinao.
17 Koa nefa nanan'anaka
tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay
fotoana nolazain'i Elisa taminy.
18 Ary nony efa
lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray
andro,
19 Ary hoy izy
tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo
anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20 Dia
notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy
mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
21 Ary ravehivavy
niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra,
dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22 Ary niantso ny
vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty
amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny
lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23 Fa hoy ny lahy:
Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na
Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24 Ary ravehivavy dia
nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka
mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy
ampijanoniko ianao.
25 Dia lasa
ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra
Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy
tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26 masìna ianao,
mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara
ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara
ihany.
27 Ary rehefa tonga
tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny
tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra:
Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany
tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28 Dia hoy
ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza
mamitaka ahy?
29 Ary hoy izy
tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha
mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza
mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
30 Ary hoy ny
renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia
tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka
nanaraka azy.
31 Ary Gehazy nialoha
azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na
faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy
mahatsiaro akory ny zazalahy.
32 Ary rehefa tonga
tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33 Ary niditra izy,
ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
34 Ary niakatra izy
ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany,
ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny
tenan'ny zazalahy.
35 Dia niasa-dia tao
an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy,
ary nihiratra ny masony.
36 Ary Elisa niantso
an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa
tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 Dia niditra
ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia
nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38 [Ny nanatsaran'i
Elisa ilay hanina saiky nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo roa-polo hahavoky
ny olona zato lahy] Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary
tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy
izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa
hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
39 Ary ny anankiray
nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy,
dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia
nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy
nahafantatra.
40 Ka dia noloarany
hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry
lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty* ao am-bilany. Ary tsy azony
nohanina.[Heb. fahafatesana]
41 Fa hoy Elisa:
Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary
amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao
am-bilany.
42 Ary nisy lehilahy
avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny
lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso
tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43 Fa hoy kosa ny
mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy
indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah:
Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
44 Dia narosony teo
anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny
tenin'i Jehovah.
1 [Ny nanasitranana
an'i Namàna, sy ny nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy nataony] Ary Namàna,
komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny
tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary
lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2 Ary ny Syriana
nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany
amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3 Ary hoy io tamin'ny
tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko!
dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.
4 Ary niditra Namana
ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay
avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
5 Dia hoy ny
mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy
volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6 Ary izy nitondra ny
taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ
aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna
mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.
7 Ary nony efa
novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy
ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no
anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa masìna
ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
8 Ary rehefa ren'i
Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny
Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no
nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy
mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.
9 Ary dia nandeha
Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny
tranon'i Elisa.
10 Ary Elisa naniraka
olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody
aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11 Fa tezitra Namàna,
dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka
hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny
tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12 Tsy tsara noho ny
ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo
mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13 Dia nanatona ny
mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no
nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka
va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
14 Dia nidina izy ka
nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny
nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15 Ary niverina
nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy,
dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa
tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany
koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
16 Fa hoy izy: Raha
velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho.
Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
17 Ary hoy Namana:
Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao?
fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony
ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.
18 Nefa ny amin'izao
zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny
tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako,
ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah
anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
19 Ary hoy izy
taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa
lavidavitra*.[Heb. kiba iray anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]
20 Fa hoy Gehazy,
zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity
Namàna Syriana* ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa
raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra
aminy.[Heb. Aramiana]
21 Ka dia lasa Gehazy
nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy,
dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany
va?
22 Ary hoy izy: Tsara
ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo
roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany
havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa
miova izy.
23 Ary hoy Namàna:
Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta
volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka
nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24 Fa nony tonga tao
amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao
an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
25 Fa Gehazy kosa
niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza
ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26 Fa hoy kosa Elisa
taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny
kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana
fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na
ankizilahy, na ankizivavy va izao?
27 Koa ny habokan'i
Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany
izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
1 [Ny
nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo
zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay
itoeranay eto aminao.
2 Masìna ianao, aoka
hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay
any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
3 Fa hoy ny
anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao.
Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
4 Ka dia niaraka
taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 Fa nony nikapa hazo
ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe
izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]
6 Ary hoy ny
lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay
nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay
lela-famaky.
7 Ary hoy izy: Indro,
raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
8 [Ny nataon'i Elisa
hamonjena ny Isiraely tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i Syria
niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no
hitobiako.
9 Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao
hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.
10 Ary ny
mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny
lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy
indray mandeha, na indroa aza.
11 Dia sosotra
indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny
mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika
momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
12 Ary hoy ny
mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao
amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny
lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
13 Ary hoy ny
mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary
nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
14 Ary dia nampandeha
soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary
nanodidina ny tanàna.
15 Ary rehefa nifoha
maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy
miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo
taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16 Ary hoy Elisa: Aza
matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
17 Ary Elisa nivavaka
hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary
Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny
tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
18 Dia nidina nankany
aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho,
ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny
tenin'i Elisa.
19 Ary hoy Elisa
taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia
hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany
Samaria ireo.
20 Ary rehefa tonga
tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba
hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao
afovoan'i Samaria izy.
21 Ary nony nahita
azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va
izy? Hasiako va izy?
22 Fa izy namaly hoe:
Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny
tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary
handehanany any amin'ny tompony.
23 Dia nanao fanasana
lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia
nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany
amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
24 [Ny nataon'i Elisa
tamin'ny nisian'ny mosary mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany,
Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka
nanao fahirano an'i Samaria.
25 Dia nisy mosary
mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny
loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny
kaba ho sekely dimy.
26 Ary raha
nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy
vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
27 Ary hoy ny
mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny
famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?
28 Ary hoy koa ny
mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity
vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa
hohanintsika rahampitso.
29 Ka dia
nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy:
Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
30 Ary nony nandre ny
tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary
nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba
fisaonana* no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]
31 Dia hoy izy:
Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy
hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
32 Fa Elisa nipetraka
tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka
olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny,
dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono
olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny
varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny
fingadongadon'ny tongotry ny tompony?
33 Ary raha mbola
niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro,
izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?
1 Fa hoy kosa Elisa:
Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy
izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana*, ary ho
sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i
Samaria.[Heb. sea]
2 Fa namaly ny
lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka
tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra
aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny
masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
3 Ary nisy boka
efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika
foana eto mandra-pahafatintsika?
4 Raha hoy isika:
Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary
raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany
amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona
isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
5 Dia niainga izy
rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny
an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
6 Fa Jehovah efa
nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny
soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa
ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny
Egyptiana hiady amintsika.
7 Dia niainga izy ka
riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny
tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra
hamonjy ny ainy izy.
8 Ary rehefa tonga
teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray
Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia
nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay
anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
9 Dia nifampilaza hoe
izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny
mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro
isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
10 Dia avy izy ka
niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany
an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory
aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
11 Ary niantso ny
mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny
mpanjaka.
12 Ary ny mpanjaka
nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako
aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena
isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe:
Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia
hidirantsika ny tanàna.
13 Ary ny mpanompony
anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay
sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato
ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka
haniraka hizaha izany.
14 Dia nalainy ny
soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny
Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
15 Dia nandeha
nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno
fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny
fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
16 Dia nivoaka ny
olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana,
dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia
sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
17 Ary ilay mpanafika
malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny
vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay
nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy
ny mpanjaka.
18 Koa dia tanteraka
ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha,
maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny
vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba
tsara toto eran'ny famarana;
19 ka izany mpanafika
malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao
varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa
hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
20 Ary dia toy izany
no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
1 [Ny amin'ny
nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny
tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka
mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao
hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka
haharitra fito taona amin'ny tany.
2 Dia niainga
ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy
sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.
3 Ary nony afaka ny
fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa
nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.
4 Ary ny mpanjaka
niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Masìna ianao,
lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.
5 Ary raha mbola
nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia,
indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka
ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity
ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
6 Ary nony
nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka
ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny
vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka
ankehitriny.
7 [Ny nilazan'i Elisa
tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa
tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy
nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
8 Dia hoy ny mpanjaka
tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay
lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy
hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
9 Dia lasa Hazaela
nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any
Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo
anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka
ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko
izao?
10 Ary hoy Elisa
taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa*
Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]
11 Ary nibanjina azy
mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.
12 Ary hoy Hazaela:
Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay
ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony
hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay
bevohoka eo aminy hotatahanao.
13 Fa hoy Hazaela: Fa
zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra
lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro,
ianao ho mpanjakan'i Syria.
14 Dia niala tamin'i
Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no
nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona
tokoa ianao.
15 Ary nony ampitso,
dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony
ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
*
16 [Ny nanjakan'i
Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i
Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama,
zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.
17 Roa amby telo-polo
taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
18 Ary nandeha
tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i
Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i
Jehovah izy.
19 Nefa Jehovah tsy
nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy
taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an*'ny taranany.[Na: izy sy]
20 Tamin'ny androny
no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21 ka dia nankany
Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany
latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary
ny olona nandositra nody*.[Heb. ho any an-dainy]
22 Ary Edoma mbola
niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina
tamin'izany andro izany.
23 Ary ny tantaran'i
Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?
24 Ary Jehorama lasa
nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i
Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
*
25 Ary tamin'ny taona
faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely,
no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
26 Roa amby roa-polo
taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny
Isiraely.
27 Ary nandeha
tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.
28 Ary niaraka
tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria,
tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
29 Dia niverina
Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny
nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i
Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i
Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
1 [Ny nanosorana an'i
Jeho ho mpanjaka, sy ny namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia ary Jezebela] Ary
Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao
taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka
mankanesa any Ramota-gileada;
2 ary rehefa mby any
ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka
manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
3 ary raiso ny
tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i
Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny
varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
4 Ary nandeha ilay
zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany*, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay zatovo
mpaminany]
5 Ary nony mby tany
izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô,
mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy
izy: Aminao, ry komandy ô.
6 Ary nitsangana izy
ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy
taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao
Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
7 Ary hamely ny
tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny
mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
8 Eny, ho fongotra ny
taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny
tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
9 Ary ny taranak'i
Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny
taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
10 Ary Jezebela
hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia
namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
11 Ary Jeho nivoaka
nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany
va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy:
Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
12 Fa hoy ireo:
Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy
tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely
Aho.
13 Dia samy nandray
faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny
ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
14 Ary Jeho, zanak'i
Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra
niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
15 Nefa Jorama
mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny
nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria),
ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto
an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
16 Dia niakatra teo
amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary
Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
17 Ary ny mpitily
mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery
olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho.
Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy
manao hoe: Fihavanana va?
18 Dia nandeha ny
mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny
mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa
ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy,
nefa tsy niverina.
19 Dia naniraka
mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao
hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao
izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
20 Ary ny mpitily
nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny
fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra
hoatra ny olona adala izy.
21 Ary hoy Jorama:
Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny
Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny
avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i
Nabota Jezirelita izy.
22 Ary Jorama, nony
nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe:
Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela
reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
23 Ary Jorama
nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry
Ahazia.
24 Ary nohenjanin'i
Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa
azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka
dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
25 Ary hoy Jeho
tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota
Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka
an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza
izao hoe:
26 Efa hitako tokoa
omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao
eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io
araka ny tenin'i Jehovah.
27 Ary nony hitan'i
Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny
trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio
koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora,
izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty
teo.
28 Ary ny mpanompony
nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany
ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
29 Ary tamin'ny taona
fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i
Ahazia tamin'ny tany Joda.
30 Dia tonga tany
Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty* ny
masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.[Heb.
antimony]
31 Ary nony niditra
teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
32 Ary niandrandra ny
varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy
tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
33 Ary hoy Izy:
Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny
rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
34 Dia niditra tao
an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao
ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
35 Koa dia lasa ireo
handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony
ary ny felatanany ihany.
36 Ary niverina ireo
ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay
nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no
hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
37 Ary ny fatiny ho
toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza
hoe Jezebela ity.
1 [Ny namongorana ny
taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny
nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany
Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any
amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny
zanak'i Ahaba nanao hoe:
2 Ary raha tonga atỳ
aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao
aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
3 dia izahao izay
tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho
amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny
tomponareo.
4 Dia raikitahotra
indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo
anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
5 Ary ny lehiben'ny
tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka
tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao
anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao
ihany no ataovy.
6 Dia nanoratra
taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny
teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ
amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny
mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
7 Ary nony efa tonga
tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono
azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i
Jeho tany Jezirela.
8 Ary tonga ny iraka
ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny
mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady
mandra-pahamarain'ny andro.
9 Ary nony maraina,
dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina
ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no
nahafaty ireto rehetra ireto?
10 Aoka ho
fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny
amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia
mpanompony.
11 Ka dia novonoin'i
Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy
rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy
miangana na dia iray akory aza.
12 Dia niainga izy ka
nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian*'ny mpiandry ondry tany
an-dalana Jeho,[Na: Bet-ekda]
13 dia nifanena
amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange
ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary midìna mba
hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.
14 Ary hoy Jeho:
Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka
famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy
nasiany miangana na dia iray akory aza.
15 Ary rehefa niala
teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia
niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko
amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho,
dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho
ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
16 Ary hoy Jeho:
Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo
amin'ny kalesy izy.
17 Ary rehefa tonga
tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany
Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i
Elia.
18 Ary Jeho namory ny
vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa
Jeho no hanompo azy fatratra.
19 Koa ankehitriny
vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny
mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono
zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga,
dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny
mpanompon'i Bala.
20 Ary hoy Jeho:
Manendre* fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry* andro izy.[*Heb.
Manamasina][Heb. nanamasina]
21 Ary Jeho naniraka
tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka
tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao
an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22 Dia hoy Jeho
tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra.
Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23 Ary Jeho sy
Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny
mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah
eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
24 Ary nony niditra
hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia
nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra
ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy
no hisolo ny ainy.
25 Ary rehefa vita ny
nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika
malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy
tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary
ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26 Ary namoaka ny
orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27 Ary nandrava ny
tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana
mandraka androany izany.
28 Toy izany no
nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
29 Nefa Jeho tsy dia
niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny
Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30 Ary hoy Jehovah
tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo
imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao
am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao
hatramin'ny zafindohalika.
31 Nefa Jeho tsy
nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny
fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny
Isiraely izy.
32 Tamin'izany andro
izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely
azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra
33 hatrany Jordana no
ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny
Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia
Gileada sy Basana.
34 Ary ny tantaran'i
Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra
ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
35 Ary Jeho lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza
zanany no nanjaka nandimby azy.
36 Ary ny andro izay
nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
*
1 [Ny nanjakan'i
Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ary
nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka
nandringana ny zanak'andriana rehetra.
2 Fa Joseba.
zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy,
zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny
mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i
Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
3 Ary niery
enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka
tamin'ny tany.
4 Ary tamin'ny taona
fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo* sy ny
mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy
nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny
mpanjaka.[Heb. Kariana]
5 Ary izy nandidy azy
hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia
hiambina ny tranon'ny mpanjaka;
6 ary ny ampahatelony
ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny
mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
7 Ary ny roa toko
aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny
tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
8 Ary hanemitra
manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza
mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra
izy.
9 Ary ny kapiteny dia
nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny
olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary
nankany amin'i Joiada mpisorona.
10 Ary ny kapiteny
nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao
an-tranon'i Jehovah.
11 Ary ny mpiambina
nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny
lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka
hatramin'ny trano.
12 Dia nentin'i
Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra
izy, dia notolorany ny Vavolombelona*; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy,
ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny
Didy Folo]
13 Ary nony ren'i
Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka
tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.
14 Ary hitany fa,
indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary
ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny
vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany
Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
15 Fa Joiada
mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe:
Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny
sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah
izy.
16 Ary ny olona
nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho
any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17 Ary Joiada
nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i
Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18 Ary ny vahoaka
rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny
endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala,
novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina
ny tranon'i Jehovah.
19 Ary nalainy ny
kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina
nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny
mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza
fiandrianan'ny mpanjaka izy.
20 Dia nifaly ny
vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny
sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
*
1 [Ny nanjakan'i
Joasy tamin'ny Joda, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona Joasy
fony izy vao nanjaka:
2 Ary tamin'ny taona
fahafito nanjakan'i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany
tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
3 Ary Joasy nanao
izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i
Joiada mpisorona saina azy.
4 Nefa kosa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao
fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.
5 Ary hoy Joasy
tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao
an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo
tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo
ho ao an-tranon'i Jehovah,
6 aoka horaisin'ny
mpisorona amin'ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin'ny
trano, na amin'inona na amin'inona no hitany misy simba.
7 Kanjo hatramin'ny
fahatelo amby roa-polo taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry
ny mpisorona ihany ny simba tamin'ny trano.
8 Ka dia niantso an'i
Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe:
Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza
mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny
simba amin'ny trano ny vola.
9 Ary ny mpisorona
nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba
amin'ny trano.
10 Fa Joiada
mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo
anilan'ny alitara tamin'ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i
Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra
izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.
11 Ary rehefa hitany
fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny
mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady
nisainy.
12 Ary ny vola
voalanja dia natolotr'ireo ho eo an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny
amin'ny tranon'i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy
ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon'i Jehovah
13 sy ho amin'ny
mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny
simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.
14 Nefa tsy nisy
lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka
volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin'ny tranon'i Jehovah
tamin'ny volafotsy nampidirina tao;
15 fa nomeny ny
mpiasa izany ka nentin'ireo nanamboatra ny tranon'i Jehovah.
16 Ary tsy
nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky
ireo.
17 Fa ny vola natao
fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao
an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.
18 Ary tamin'izany
dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy;
ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.
19 Ary Joasy,
mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny
Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra
nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny
tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho
any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany
Jerosalema Hazaela.
20 Ary ny tantaran'i
Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary nitsangana ny
mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo*, ao
am-pidinana mankany Sila.[Heb. fiarovana]
22 Fa Jozakara,
zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia
nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no
nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i
Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny
taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny
Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria,
ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i
Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
3 Ary ny
fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo
an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i
Hazaela, mandrakariva izy.
4 Ary Joahaza nifona
tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny
Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.
5 Ary Jehovah nanome
mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary
nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
6 Kanefa tsy niala
tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa
nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha* aza dia mbola tao Samaria
ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
7 Fa tsy nisy sisa
navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy
kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa
nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8 Ary ny tantaran'i
Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao
amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
9 Ary Joahaza lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany
no nanjaka nandimby azy.
*
10 Tamin'ny taona
fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i
Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina
ambin'ny folo taona izy.
11 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay
nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha
tamin'izany ihany izy.
12 Ary ny tantaran'i
Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia,
mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely va izany?
13 Ary Joasy lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza
fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny
Isiraely.
*
14 Ary Elisa dia nararin'ny
aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany
aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky
ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15 Ary hoy Elisa
taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16 Ary hoy izy
tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa
nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.
17 Ary hoy izy: Vohay
ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia
nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia
zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka
ianao mandra-pandringanao azy.
18 Ary hoy koa izy:
Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny
Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19 Ary ilay
lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka
indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa
izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
20 Ary dia maty Elisa
ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny
fitsingerenan'ny taona.
21 Ary nisy nandevina
olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i
Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny
fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
*
22 Ary Hazaela,
mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i
Joahaza.
23 Fa Jehovah
namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy
ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24 Ary maty Hazaela,
mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Ary Joasy, zanak'i
Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna
izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady.
Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
*
1 [Ny nanjakan'i
Amazia tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza,
mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby roa-polo
taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa
tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
4 Kanefa ny fitoerana
avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro
ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary nony
tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony
izay namono ny mpanjaka rainy.
6 Fa ny zanak'ireo
namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny
bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty
amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy;
fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
7 Izy no nahafaty ny
Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny
ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8 Tamin'izany Amazia
dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho,
mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9 Fa Joasy
mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao
hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany
Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia
namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10 Efa namely an'i
Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany
voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny
loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
11 Fa tsy nanaiky
Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia,
mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12 Dia resy teo
anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
13 Ary Amazia,
mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka
nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka
hatramin'ny vavahady an-jorony.
14 Ary nalainy avokoa
ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao
an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona
natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15 Ary ny tantaran'i
Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda,
tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va
izany?
16 Ary Joasy lasa
nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny
mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17 Ary ny andro
niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i
Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
18 Ary ny tantaran'i
Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Joda va izany?
19 Ary ny olona
niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona
nampanaraka namono azy tany.
20 Ary nasampiny
tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida izy.
21 Ary ny vahoaka
rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona
tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
22 Izy no hanamboatra
an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny
razany ny mpanjaka.
*
23 [Ny nanjakan'i
Jeroboama II tamin'ny Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny fanjakana ho
tahaka ny teo] Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i
Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy,
mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona
izy.
24 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay
nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25 Izy no nampody ny
sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny
ranomasin'ny tani-hay*, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany
Gata-hefera.[Heb. Arabà]
26 Fa efa hitan'i
Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny
voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27 Fa tsy mba
nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny
Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28 Ary ny tantaran'i
Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany
an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa
voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
29 Ary Jeroboama lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary
Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i
Azaria tamin'ny Joda, ary ny nanjakan'i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy
Pekahia ary Peka tamin'ny Isiraely] Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo
nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i
Amazia, mpanjakan'ny Joda.
2 Enina ambin'ny folo
taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
4 kanefa ny fitoerana
avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro
ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary Jehovah namely
ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano
nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy
nitsara ny vahoaka.
6 Ary ny tantaran'i
Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
7 Ary Azaria dia lasa
nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i
Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
*
8 Tamin'ny taona
fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i
Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao
Samaria izy.
9 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny
fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10 Ary Saloma,
zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka
nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11 Ary ny tantaran'i
Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany.
12 Izany no ilay
tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny
zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia
tanteraka izany.
13 Ary Saloma,
zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo
nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria
izy.
14 Fa Menahema,
zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i
Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15 Ary ny tantaran'i
Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
16 Tamin'izany
Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao
hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary
izay bevohoka rehetra tao notatahany.
17 Tamin'ny taona
fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i
Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria
izy.
18 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala
tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19 Ary Pola,
mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola
talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
20 Ary nampandoavin'i
Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely
volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia
niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
21 Ary ny tantaran'i
Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
22 Ary Menahema lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23 Tamin'ny taona
fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia,
zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
24 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama,
zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
25 Ary Peka, zanak'i
Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy
Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy
olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia
nanjaka nandimby azy.
26 Ary ny tantaran'i
Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
27 Tamin'ny taona
faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i
Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo
taona izy.
28 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i
Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
29 Tamin'ny andron'i
Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka
nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary
Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany
Asyria izy.
30 Ary Hosea, zanak'i
Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka
nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
31 Ary ny tantaran'i
Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
*
32 [Ny nanjakan'i
Jotama tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia,
mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny
Joda.
33 Dimy amby roa-polo
taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
34 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no
nataony.
35 Kanefa ny
fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady
nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no
nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
36 Ary ny tantaran'i
Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
37 Tamin'izany andro
Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka,
zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.
38 Ary Jotama lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao
an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
1 [Ny nanjakan'i
Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Peka,
zanak'i Remalia, no vao nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama, mpanjakan'ny Joda.
2 Roa-polo taona
Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany
Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka
ny nataon'i Davida rainy izy;
3 fa nandeha tamin'ny
lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny
afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo
anoloan'ny Zanak'Isiraely.
4 Ary namono zavatra
hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo
sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
5 Ary tamin'izany dia
niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i
Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy
naharesy azy.
6 Tamin'izany andro
izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i
Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina
ao mandraka androany.
7 Ary Ahaza naniraka
olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe:
Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i
Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
8 Ary nalain'i Ahaza
ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny
rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny
mpanjakan'i Asyria.
9 Dia nanaiky ny
teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka
azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10 Ary nandeha Ahaza
mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary
nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara
sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona.
11 Ary Oria mpisorona
dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy
tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka
avy tany Damaskosy.
12 Ary nony tonga avy
tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka
nanatitra fanatitra teo amboniny.
13 Ary nandoro ny
fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra
aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
14 Ary ny alitara
varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny
trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo
avaratry ny alitarany.
15 Ary Ahaza mpanjaka
nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny
fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana
mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana
mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka
rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra
alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola
hataoko fanontanian-javatra
16 Ary Oria mpisorona
dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
17 Ary nesorin'i
Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano,
ary ilay tavin-drano lehibe* dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina:
izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina]
18 Ary ny Fialofana
tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay
an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny
mpanjakan'i Asyria.
19 Ary ny tantaran'i
Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Joda va izany?
20 Ary Ahaza lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i
Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
*
1 [Ny nanjakan'i
Hosea, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny nahatonga
izany] Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny
Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria;
ary nanjaka Sivy taona izy.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny
Isiraely teo alohany.
3 Niakatra hanafika
azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra* ho
azy Hosea.[Heb. fanomezana]
4 Ary ny mpanjakan'i
Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So,
mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria
intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria
sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5 Dia niakatra ny
mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao
fahirano azy telo taona.
6 Ary tamin'ny taona
fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia
nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i
Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
7 Ary ny
nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah
Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka
tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa
izy
8 ka nandeha araka ny
fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely
sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
9 Ary ny
Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah
Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia
hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
10 Ary nanangana
tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra
sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy;
11 ary nandoro
ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny
jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy
ka nampahatezitra an'i Jehovah.
12 Fa nanompo sampy,
izay nandraran'i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13 Nefa ny mpaminany
rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny
Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko,
araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany
mpanompoko ho aminareo.
14 Kanefa tsy nihaino
izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah
Andriamaniny.
15 Ary nolaviny ny
didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony
izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga
zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i
Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16 Ary nahafoy ny
didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho
an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka
teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
17 Ary nampandeha ny
zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy
ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18 Koa dia tezitra
indrindra tamin'ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy
nisy sisa afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
19 Ary ny Joda koa
aza tsy mba nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay
rehetra nataon'ny Isiraely koa.
20 Dia narian'i
Jehovah ny taranak'Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo
an-tànan'ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21 Fa nendahany niala
tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama,
zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i
Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22 Ary ny
Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy
niala tamin'izany izy
23 Mandra-panaisotr'i
Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany
mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny
Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24 [Ny nametrahana
olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny]
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy
Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny
Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny
tanànany.
25 Ary raha vao
nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha
ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
26 Dia hoy ny olona
tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny
amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry
ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro,
nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny
tany.
27 Ary ny mpanjakan'i
Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo
ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra
azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
28 Dia tonga ny
mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka
nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
29 Kanefa ny
isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny
trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny
isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
30 Koa ny olona avy
any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i
Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
31 ary ny Avita nanao
an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i
Adrameleka Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.
32 Dia natahotra an'i
Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho
mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny
trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33 Jehovah dia
natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny
fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34 Mandraka androany
dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah,
ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay
nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35 Sady nanaovany
fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo
anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36 Fa Jehovah, Izay
nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny
sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no
hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37 Ary ny didy sy ny
fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka
hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38 Ary ny fanekena
izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay
andriamani-kafa ianareo;
39 Fa Jehovah
Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny
tanan'ny fahavalonareo rehetra.
40 Nefa tsy nety
nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
41 Ka dia natahotra
an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra
voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny
razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.
*
1 [Ny niandohan'ny
nanjakan'i Hezekia, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely] Ary tamin'ny taona
fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao
nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby roa-polo
taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany
Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
3 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
4 Izy no nandrava ny
fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary
nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa
nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny
anarany nataony hoe Nehostana*.[Nehostana = Ilay varahina]
5 Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay
rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
6 Fa nifikitra
tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
7 Ary Jehovah nomba
azy, ka dia nambinina* tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny
mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
8 Izy no namely ny
Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny
tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
9 Ary tamin'ny taona
fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea,
zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera
mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10 Ary nony tapitra
ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i
Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no
nahafahana an'i Samaria.
11 Ary ny mpanjakan'i
Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy
teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
12 Satria tsy nihaino
ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra
nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
13 [Ny niadian'i
Sankeriba tamin'i Hezekia] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo
nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely
ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14 Ary Hezekia, mpanjakan'ny
Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso
aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i
Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato
sy talenta volamena telo-polo.
15 Ary Hezekia nanome
azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny
rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
16 Tamin'izany andro
izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i
Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda;
ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
17 Ary ny mpanjakan'i
Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila
betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia
niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana
teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny
sahan'ny mpamotsy lamba.
18 Ary nony efa
niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay
lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy
ny raharaham-panjakana.
19 Dia hoy Rabsake
tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe,
dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianao?
20 Hoy ianao (nefa
teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no
miodina amiko ianao?
21 Fa, indro, ianao
matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona
iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i
Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
22 Ary raha hoy
ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana
avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy
Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23 Koa aoka
hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo
ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24 Hataonao ahoana no
fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely
indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly.
25 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity
tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
26 Dia hoy Eliakima,
zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no
ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho
ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]
27 Fa hoy Rabsake
taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy
hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny
manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka
aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
28 Dia nijoro teo
Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny
tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
29 Izao no lazain'ny
mpanjaka: Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo
amin'ny tanako izy tsy akory.
30 Ary aza mety
hampahatokin'i Hezetia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no
hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy
akory ity tanàna ity.
31 Aza mihaino an'i
Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko
hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny
aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy
ianareo,
32 mandra-pihaviko
hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary
sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara
diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i
Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy
antsika.
33 Moa nisy nahavonjy
ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34 Aiza moa ireo
andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy
Hena ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
35 Iza moa amin'ny
andriamanitra rehetra amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako,
koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36 Nefa nangina ny
olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny
mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
37 Ary Eliakima,
zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa,
zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i
Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
1 [Ny amin'ny
namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba,
mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia
nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao
an-tranon'i Jehovah,
2 Ary izy naniraka
an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny
mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i
Amoza.
3 Ary hoy ireo
taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary
fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy
hery hiterahana azy.
4 Angamba ho ren'i
Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny
mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany
izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao
hamonjy izay mbola sisa.
5 Dia nankany
amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6 Ary hoy Isaia
taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra
ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria
iretsy Ahy.
7 Fa, indro, Izaho
efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny
taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Dia niverina
Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano
tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Ary nony ren'i
Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady
aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:
10 Izao no
holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny
Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11 Indro, ianao efa
nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny
nandravany* azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12 Moa nahavonjy azy
va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy
Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?
13 Aiza ny
mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna
Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Dia noraisin'i
Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao
an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15 Ary Hezekia
nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no
Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra
sy ny tany.
16 Atongilano ny
sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary
mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra
velona.
17 Jehovah ô, marina
ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny
taniny
18 ary efa nanary ny
andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny
tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
19 Koa ankehitriny,
Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany,
mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao
irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
20 Ary Isaia, zanak'i
Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.
21 Koa izao no teny
nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa
anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra
Jerosalema zanakavavy.
22 Fa iza no
nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy
nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
23 Ny irakao no
nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny
tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny
kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any
amin'ny alany midokadoka.
24 Izaho no nihady ka
nisotro rano vao niseho*, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny
lahin-drano rehetra any Egypta**. [*Na: ranon'ny firenena hafa][Heb. Mazora]
25 Tsy mbola renao
va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny
andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka
dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
26 Ary efa tsy
nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny
ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny
tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
27 Fa samy fantatro
avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao
amiko.
28 Satria efa tezitra
amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny
masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko
amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
29 Ary izao no ho
famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana
ianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa
amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova
tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
30 Ary izay sisa
amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra
hamoa.
31 Fa hisy sisa
hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny
fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
32 Koa izao no
lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity
tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo
anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
33 Ny lalana izay
nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy
Jehovah.
34 Fa hiaro ity
tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
35 Ary tamin'ny
alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo
alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha
olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
36 Dia niainga
Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37 Ary raha
niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian'i Adrameleka sy
Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin'ny
tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby
azy.
1 [Ny nahararian'i
Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i
Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky
maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy
ho velona.
2 Dia nitodika
nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3 Jehovah ô, enga
anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy
tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany
mafy dia mafy izy.
4 Ary raha tsy mbola
tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao
hoe: [Na: kianja]
5 Miverena, ka lazao
amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah,
Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny
ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho
ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6 Ary hampiako dimy
ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny
tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny
tenako sy Davida mpanompoko.
7 Ary hoy Isaia: Makà
ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
8 Ary hoy Hezekia
tamin'i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho ka hiakatra any
an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso?
9 Dia hoy Isaia: Izao
no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay
zavatra nolazainy: handroso hàdiny* folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
[Heb. ambaratonga]
10 Ary Hezekia namaly
hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka
hiverina hàdiny folo.
11 Ary Isaia
mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo
Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.
12 Tamin'izany andro
izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i
Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13 Ary Hezekia
nandray* azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia
volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano
fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany:
tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao
amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
14 Dia nankany amin'i
Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo
olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany
an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15 Dia hoy izy: Ka
inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato
an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato
amin'ny firaketako rehetra.
16 Ary hoy Isaia
tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:
17 Indro, avy ny
andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra
noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona
na inona na inona, hoy Jehovah.
18 Ary na dia ny
terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka* any amin'ny lapan'ny
mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb. ionoka]
19 Dia hoy Hezekia
tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny,
tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
20 Ary ny tantaran'i
Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny
lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary Hezekia lasa
nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
*
1 [Ny nanjakan'i
Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy
amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Hefziba.
2 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay
noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
3 Fa namboariny
indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho
an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny
Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka
nanompo ireny,
4 sady nanao alitara
tao an-tranon'i Jehovah koa izy, dia tao amin'izay nolazain'i Jehovah hoe: Ao
Jerosalema no hasiako ny anarako.
5 Fa nanao alitara
teo anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah ho an'izay rehetra eny
amin'ny lanitra izy.
6 Ary ny zanany
nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho
tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo
imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 Ary ny sarin'i
Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i
Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay
nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8 Ary tsy hampandeha
ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho,
raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny
lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9 Nefa tsy nihaino
izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon'ny jentilisa,
izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
10 Ary Jehovah
nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11 Satria Manase,
mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho
izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny
sampiny,
12 dia izao kosa no
lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'i
Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina
ny sofiny roa.
13 Ary hohenjaniko
ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary
hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no
manohoka azy koa.
14 Ary hafoiko ny
lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho
babon'ny fahavalony rehetra izy,
15 satria efa nanao
izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny
razany avy any Egypta ka mandraka androany.
16 Ary na dia ny rà
marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema
rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay
ratsy eo imason'i Jehovah.
17 Ary ny tantaran'i
Manase sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
18 Ary Manase lasa
nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony
amin'ny sahan'i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
*
19 Roa amby roa-polo
taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema,
Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin'i Haroza, avy any Jotba.
20 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah koa izy tahaka ny nataon'i Manase rainy.
21 Fa nandeha
tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay
notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
22 Ary nahafoy an'i
Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.
23 Ary ny mpanompon'i
Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
24 Ary ny vahoaka
namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia
zanany hisolo azy.
25 Ary ny tantaran'i
Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny
Joda va izany?
26 Ary nalevina tao
amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka
nandimby azy.
*
1 [Ny niandohan'ny
nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny
Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo
taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i
Adaia, avy any Bozkata.
2 Ary nanao izay
mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i
Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny
ankavia.
3 Ary tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana
mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka
nanao hoe:
4 Miakara any amin'i
Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i
Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5 ary aoka hatolony
ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah
izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah
hanamboarany ny simba amin'ny trano,
6 dia ho an'ny
mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato
voapaika hanamboarana ny trano.
7 Kanefa tsy
nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8 Dia hoy Hilkia
mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao
an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
9 Ary Safana
mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny
mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy
teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10 Ary Safana
mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona
ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
11 Ary rehefa ren'ny
mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany
izy.
12 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i
Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
13 Mandehana ianareo,
ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny
amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay
mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity
hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
14 Dia nandeha Hilkia
mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda
mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny
fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy);
dia niresaka taminy izy ireo.
15 Ary hoy ravehivavy
taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny
lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
16 Izao no lazain'i
Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina
eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
17 Satria nahafoy Ahy
izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra
Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny
fahatezerako ka tsy hosakanana.
18 Fa ny amin'ny
mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia
ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny
amin'ny teny izay novakinao,
19 satria nino anatra
ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny
amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny
hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo
anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
20 Koa, indro,
hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny
fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity
tanàna ity. Dia nitondra valiny ho
any amin'ny mpanjaka izy ireo.
1 [Ny fahazotoan'i Josia
handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i
Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary
nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema
rehetra.
2 Dia niakatra ho ao
an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny
Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany
ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny
rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
3 Ary ny mpanjaka
nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i
Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny
didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny
fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra
koa dia mba nanaiky ny fanekena.
4 Ary ny mpanjaka
nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry
varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho
an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka
nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary
nentiny ho any Betela ny vovony.
5 Ary natsahany koa ny
mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda
handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny
Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra
koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny
Zodiaka* ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba
xxxviii. 32]
6 Ary ny Aseraha
navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny
lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary
ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
7 Ary noravany ny
tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny
tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
8 Ary nampaka ny
mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana
avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany
Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo
anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha
miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
9 Fa ny mpisorona
tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah
any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny
rahalahiny ihany izy.
10 Ary nolotoiny koa
Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha
ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
11 Ary ny soavaly izay
nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny
fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka
tandapa*, izay tao Parvara**, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro
nodorany tamin'ny afo.[*Heb. ionoka][**Tokony ho anaran-trano madinika sasany
teo an-kianjan'ny tempoly]
12 Ary ireo alitara teo
an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny
Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny
tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany
amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
13 Ary nolotoin'ny
mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny
ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona,
mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i
Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i
Amona.
14 Dia notorotoroiny ny
tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona
ny nitoerany.
15 Ary ny alitara izay
tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay
nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka
notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16 Ary nitodika Josia ka
nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao
am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny
tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra*.[Izahao 1 Mpanjaka
xiii. 2]
17 Dia hoy izy:
Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy:
Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao
zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
18 Ary hoy izy: Aoka
itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay
mpaminany avy tany Samaria.
19 Ary ny trano
rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay
nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i
Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
20 Ary ny mpisorona
rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny
alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany
Jerosalema.
21 Ary ny mpanjaka
nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo,
araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
22 Fa tsy nisy Paska
notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely,
na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny
Joda;
23 fa tamin'ny taona
fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska
izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
24 Ary ny nanao azy
ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny
fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia
nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao
amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
25 Ary tsy nisy
mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony
rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy
rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26 Nefa Jehovah tsy
nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana
nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i
Manase Azy.
27 Dia hoy Jehovah:
Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary
holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho
ao ny anarako.
28 Ary ny tantaran'i
Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
29 Tamin'ny andro
nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany
amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia
nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30 Ary ny fatiny dia
napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any
Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i
Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31 [Ny nanjakan'i
Joahaza sy Joiakima ary Joiakina] Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao
nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny
dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
32 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
33 Ary nafatotr'i
Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any
Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena
iray ny fanjakana.
34 Ary Farao-neko
nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary
ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka
maty tany.
35 Ary ny volafotsy
sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny
olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy
nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
*
36 Dimy amby roa-polo
taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona
tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia,
avy any Romaha.
37 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.
1 Tamin'ny andro
nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary
nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2 Ary Jehovah
nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny
miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia
nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i
Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3 Dia araka ny
tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy
ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
4 sy noho ny rà
marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy
netezan'i Jehovah hamela ny helony.
5 Ary ny tantaran'i
Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny
bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
6 Ary Joiakima lasa
nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Ary ny mpanjakan'i
Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i
Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i
Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.
*
8 Valo ambin'ny folo
taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany
Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any
Jerosalema.
9 Ary nanao izay
ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10 Tamin'izany andro
izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona, hamely an'i
Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11 Dia tonga koa
Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao
fahirano azy ny mpanompony.
12 Ary Joiakina,
mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny
reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany*;[Heb. ionoka] ary
nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
13 Ary navoakan'i
Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao
an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i
Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay
nolazain'i Jehovah.
14 Ary nentiny ho
babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery
rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny
mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 Ary nitondra an'i
Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny
mpanjaka sy ny tandapa* sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo
avy tany Jerosalema ho any Babylona.[Heb. ionoka]
16 Ary ny lehilahy
mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo
lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho
babo tany Babylona avokoa.
17 Ary Matania,
rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i
Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18 [Ny nanjakan'i
Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy
Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika
ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia
Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
19 Ary nanao izay ratsy
eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.
20 Fa ny
fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda
ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny
mpanjakan'i Babylona.
1 Ary tamin'ny andro
fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia
dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely
an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy
izy.
2 Ary nataony
fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia
mpanjaka.
3 Ary tamin'ny andro
fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy
nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
4 Ary nisy voabanga
ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana
nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny
mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha
tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay*.[Heb. Arabà]
5 Ary ny
miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny
tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
6 Ary voasambotra ny
mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka
dia notsaraina tao izy.
7 Ary ny
zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia
kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany
Babylona.
8 Ary tamin'ny andro
fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo
nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
9 ka nandoro ny
tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany
Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
10 Ary ny manda
manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay
nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
11 Ary izay olona
sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary
ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho
babo avokoa.
12 Nefa ny olona
malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa
tany.
13 Ary ireo andry
varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano
varahina lehibe* izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka
nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]
14 Ary nentiny koa ny
vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny
fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15 Ary nentiny koa ny
fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia
samy nentiny avokoa
16 ary ny andry roa sy
ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i
Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra
izany dia tsy hita lanja.
17 Valo ambin'ny folo
hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny
hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny
kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
18 Ary ny lehiben'ny
mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona
manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
19 ary tao an-tanàna no
nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy
tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny
mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny
olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
20 dia nosamborin'i
Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i
Babylona tao Ribla.
21 Dia novonoin'ny
mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no
nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
22 Fa ny amin'ny olona
izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho
mpanapaka azy.
23 Ary nony ren'ny
komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no
notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany
amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i
Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay
Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24 Ary Gedalia nianiana
taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny
mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i
Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25 Ary tamin'ny volana
fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny
fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia,
dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26 Ary niainga ny olona
rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa
natahotra ny Kaldeana izy.
*
27 Ary tamin'ny andro
fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona
fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda,
tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia
nasandrany* hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb.
nasandratra ny lohany]
28 Dia nitenenany soa
izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo
mpanjaka namany tao Babylona.
29 Ka dia novan'i
Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo
anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
30 Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.