FEPETRA FAMPIASANA
(Daty nanavaozana farany: 18 Aogositra 2026)
Tongasoa eto amin'ny hianatrabaiboly.top. Amin'ny alalan'ny fidiranao sy fampiasanao ity tranonkala ity, ianao dia manaiky sy manaraka antsakany sy andavany ireto fepetra voalaza manaraka ireto. Tsy maintsy mamaky izany tsara aloha ianao mba hahafantaranao izany rehetra izany.
1. Fanesorana sy Fanekena ny Fepetra
Amin'ny fidiranao amin'ity tranonkala ity, ianao dia manaiky ho fehezin'ireto Fepetra momba ny Fampiasana sy ny Politika momba ny Tsiambaratelon’ity tranokala ity. Raha tsy manaiky ny iray amin'ireto fepetra ireto ianao, dia iangaviana ny mba tsy hampiasanao na ny hitsidihanao azy.
2. Votoaty sy Zon’ny mpamorona (Intellectual Property)
Zon'ny Lahatsoratra sy Fampianarana: Ny votoaty rehetra hita ao amin'ity tranonkala ity (lahatsoratra, fampianarana, sary ary fitaovana fianarana ankoatry ny Dikan’ny Soratra Masina izay nalaina mivantana avy ao amin’ny Baiboly) dia fananan’ny tranokala ara-dalàna raha tsy misy filazana hafa.
Fampiasana Azo Atao: Azo vakina, zaraina amin'ny alalan'ny rohy (links), na tehirizina ao amin’ny finday sy solosaina; kanefa tsy azo atao mba hitadiavana tombontsoan’ny tena manoka (tsy azo atao ho fitaovana ho fitadiavam-bola) ny votoaty.
Fandrarana: Tsy azo kopia tanteraka ka avoaka amin'ny anaranao, na amidy ny votoatin'ity tranonkala ity raha tsy misy fahazoan-dalana an-tsoratra.
3. Fitsipika momba ny Mpampiasa
Rehefa mampiasa ity tranonkala ity ianao (anisan'izany ny fandefasana fanehoan-kevitra na fifandraisana):
Tsy azo atao ny mandefa fanehoan-kevitra misy fankahalana, herisetra, fiteny mamoafady, na fampielezana tsaho ratsy momba olona na fikambanana iray ary fanehoana zavatra tsy ara-dalàna.
Tsy azo atao ny mandefa fitaovana hisakanana na handravana ny fiasan'ny tranonkala (spam, hacking, na malicious code).
4. Rohy mankany amin'ny Tranonkala Hafa
Ity tranonkala ity dia mety ahitana rohy (links) mankany amin'ny tranonkala na serivisy any ivelany; kanefa tsy tompon'andraikitra amin'ny votoaty, politika, na fomba fiasan'ireny tranonkala any ivelany ireny izahay.
5. Famerana ny Andraikitra
Ity tranonkala ity dia natolotra amin'ny endriny misy ankehitriny ("as is"). Na dia manao izay tratry ny herinay aza izahay mba hanomezana fampianarana marina ary azo antoka:
Tsy miantoka izahay fa tsy hisy fahatapahana na olana ara-teknika mihitsy ny tranonkala.
Tsy tompon'andraikitra izahay amin'ny fatiantoka na olana ara-teknika mety hitranga amin'ny fitaovanao vokatry ny fampiasana ity tranonkala ity.
6. Fanovana ny Fepetra
Manana zo hanova na hanavao ireto Fepetra Fampiasana ireto izahay amin'ny fotoana rehetra. Mamporisika anao izahay mba hitsidika ity pejy ity matetika mba hahalalanao ny fanavaozana vaovao.