Skip to main content

3 JAONA

3 Jaona

 

1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera]

 

2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.

4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,

6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia]

7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.

8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.

9 Nanoratra tamin'ny fiangonana* Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [* Gr. eklesia]

10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.

 

13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina*; [* Gr. volotara]

14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.

15 Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.

Ny Betsaka Mpamaky Indrindra

FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5

  FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5  1 JAONA 5 : 4, 5 “ Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?” INONA NO TIAN’I JAONA AMBARA AMINTSIKA? Mpanoratra: Araka ny lovantsofina tranaina moa dia i Jaona Apostoly izay zandriny indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy no nanoratra ity bokin’i Jaona voalohany ity. Izy dia nalefa sesitany tamin’ny nosy atao hoe Patmo araka ny fanambaran’ny Apokalypsy toko 1. Ny antony nanoratany ilay andininy notsongaina: Nanoratra izy dia ny mba hanomezana toky ny mpino fa ny finoany an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra no manome azy ireo fandresena ny fakam-panahy, ny fanerena ary ny fampianaran-diso eto amin'izao tontolo izao. Manantitrantitra izy fa ny fahaterahan'Andriamanitra dia mitondra ny tanjaka ara-panahy ilaina handresena ny ratsy sy hijanonana...

FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15

 FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15  AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY Mitohy toy izao ny andininy: “ mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa. Izany dia mitarik...