Deoteronomia
1 [Teny
nataon'i Mosesy ho fampahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny
Isiraely sy ny nitondrany azy hatrany Horeba ka hatrany an-dafy atsinanan'i
Jordana] IZAO no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany
an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa,
tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
2 (lalana
Iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo
ny tendrombohitra Seira no aleha.)
3 Ary tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona
fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa
nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy,
4 rehefa namono
an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i
Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5 Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany
Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6 Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany
Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
7 mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any
amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any
amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany
atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any
Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8 Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro
ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy
Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9 Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka
nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
10 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary,
indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao.
11 (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie
hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa
nolazainy taminareo!)
12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny
fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
13 Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary
hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
14 Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny
izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15 Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona
hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy
mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka
amin'ny firenenareo.
16 Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro
izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny
olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
17 Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy
ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny
fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18 Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny
amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
19 Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha
namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana
mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah
Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
20 Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto
amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21 indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo
anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah,
Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
22 Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka
haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra
teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay
hiakarantsika.
23 Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo
lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
24 ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany
havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
25 dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina
tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitsika ho antsika.
26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny
tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
27 Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao
hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta
hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
28 Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa
nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny
olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa
hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29 Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza
matahotra azy;
30 Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo
anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany
Egypta teo imasonareo,
31 ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah
Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny
lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
32 Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola
tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
33 Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady
tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro
no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34 Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka
nianiana hoe:
35 Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy
fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy,
any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka
tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
37 Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny
aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
38 fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo
anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny
Zanak'Isiraely ny tany.
39 Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho
babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro
izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova
azy.
40 Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any
an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
41 Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota
tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra
nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny
fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any
an-tendrombohitra.
42 Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza
miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo
anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
43 Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo;
ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany
an-tendrombohitra ihany.
44 Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina
tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny
reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
45 Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i
Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny
taminareo.
46 Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro
izay nitoeranareo tao.
1 Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra
tamin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain'i Jehovah
tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seira ela ihany isika.
2 Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3 Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity
tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
4 Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha
hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao rahalahinareo, izay monina any Seira; dia
hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
5 ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny
taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan'i Esao ny
tendrombohitra Seira.
6 Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary
vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay
rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe
ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy
nanan-java-mahory akory ianao.
8 Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika
izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao
Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany
amin'ny efitr'i Moaba.
9 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na
mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko
ho lovan'ny taranak'i Lota.
10 Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy
maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11 Ireo koa no natao ho Refaita tany aloha tahaka ny
Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12 Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny
taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina
nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah
azy ho lovany.)
13 Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita
ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
14 Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea
ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo
taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra
izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah
taminy.
15 Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy
handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby.
16 Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17 dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18 Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka
hahazo any Ara,
19 dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa
aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny
taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
20 Izany koa no natao ho tanin'ny Refaita; fa ny
Refaita no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka
ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita
no nonina nisolo azy,
22 araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao,
izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka
dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23 ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra
hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo
no nonina nisolo azy).
24 Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka
Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i
Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
25 Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny
lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia
hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho
hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe
ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny
ankavia;
28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola
no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
29 (araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina
any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any
amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay.
30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela
antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy
nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao
anio izao.
31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka
hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny
taniny.
32 Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra
hiady amintsika tao Jahaza.
33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika,
ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro
izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny
zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna
izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
36 Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka
Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy
nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika
teo anoloantsika.
37 Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy
nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao
amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika
antsika.
1 Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny lalana
mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana,
mbamin'ny vahoakany rehetra.
2 Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa
efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary
ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita,
izay nonina tao Hesbona.
3 Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo
an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia
nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
4 Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro
izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny
tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.
5 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo
sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
6 Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika
tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny
isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy.
7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo
tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
8 Ary nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka
roan'ny Amorita ny tany izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny
lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona
9 Hermona nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny
Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
10 dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy
Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna
amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana.
11 Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona
tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i
Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka
ny hakihon'ny lehilahy.
12 Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro
izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny
antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy
ny Gadita.
13 ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i
Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra,
dia Basana rehetra (atao hoe tanin'ny Refaita izany.
14 Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba
rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany
(dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka
androany).
15 Ary Gileada dia nomeko an'i Makira.
16 Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany
Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha,
sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay
fari-tanin'ny taranak'i Amona,
17 ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany
hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny
Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany.
18 Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka
nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho
lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo
rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
19 Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny
ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay
nomeko anareo,
20 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny
rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah
Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any
amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
21 [Ny amin'ny tsy hidiran'i Mosesy ao Kanana, sy ny
nanendrena an'i Josoa handimby azy] Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany
andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah
Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i
Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah
Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23 Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro
izany aho ka nanao hoe:
24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny
mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy
andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny
asanao sy ny herinao?
25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa
izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy
nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny
amin'izany zavatra izany ianao.
27 Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny
masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary
aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
28 fa mandidia an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy
sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary
izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
29 Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i
Beti-peora isika.
*
1 [Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto
mitandrina ny lalàna] Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny
fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra
sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary
aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay
andidiako anareo.
3 Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho
ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia
naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah
Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo,
araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny
tany izay efa hidiranareo holovana.
6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho
fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa
handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy
manan-tsaina tokoa io firenena io
7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana
andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra
iantsoantsika Azy?
8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba
manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo
anatrehanareo anio?
9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny
fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao
miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny
zanakao sy ny zafinao izany,
10 dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao
teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko
hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay
hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady
hampianariny ny zanany koa.
11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny
tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady
nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12 Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny
teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay
nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato
fisaka roa ireo.
14 Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro
izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany
izay efa hidiranareo holovana.
15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita
endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao
amin'ny afo tany Horeba;
16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra
voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia
sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 na sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na
sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na
sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka
mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny
lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay
nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny
lanitra.
20 Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka
avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho
Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
21 Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka
nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22 Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita
an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken'i
Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra
voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah
Andriamanitrao anao.
24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny,
Andriamanitra saro-piaro Izy.
25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa
nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra
voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo
imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona
aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany
izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa
haringana tokoa.
27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny
firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny
firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny
tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na
manimbolo.
29 Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah
Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny
fanahinao rehetra.
30 Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo
zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any
am-parany ka hihaino ny feony;
31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao
ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny
razanao, izay efa nianianany taminy.
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao
hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany
ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka
izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra
niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy
amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana
sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny
fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho
anareo tany Egypta teo imasonao?
35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa
Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny
feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony
lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany
mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny
lehibe,
38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe
sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho
lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao,
fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany
ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako
anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro
andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao
mandrakizay.
*
41 [Ny nanendrena tanàna telo handosiran'izay nahafaty
olona tsy nahy] Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy
atsinanan'i Jordana,
42 mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka
tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny
anankiray amin'ireo tanàna ireo:
43 dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka,
an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny
Manasita.
*
44 [Fitarihan-teny nataon'i Mosesy ny amin'ny lalàna]
Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
45 Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika,
izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta
izy,
46 tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha
tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita
nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa
nivoaka avy tany Egypta izy,
47 ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga,
mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy
atsinanan'i Jordana,
48 hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka
Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
49 dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i
Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.
1 [Ny amin'ny Didy Folo] Ary Mosesy niantso ny
Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny
fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema
mba hankatò azy.
2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika
tany Horeba;
3 tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany
fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto
anio.
4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao
an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.
5 Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy ianareo
tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra
noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra, ka
hoy Izy:
6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny
mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany
ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy;
fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny
heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia
amin'izay mankahala Ahy,
10 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby,
izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
11 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao;
fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
12 Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka
izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao
rehetra.
14 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro
fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na
ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny
borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo
am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao
koa.
15 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta
ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah
Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah
Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay
nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba
hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
17 Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza
mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
18 Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza
mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny
ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory
aza.
19 Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo
mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany
an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny
vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
20 Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina,
raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny
loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
21 ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah
Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny
feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny
amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
22 Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa
handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah
Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
23 Fa iza moa tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny
feon'Andriamanitra velona niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona
ihany?
24 Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i
Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra
holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
25 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko
ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy
taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
26 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany
Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny
taranany mandrakizay
27 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any
an-dainareo ianareo.
28 Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka
holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao
azy mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho lovany.
29 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i
Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho
amin'ny ankavia;
30 fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah
Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa,
ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
*
1 [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no
lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo
hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
2 mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao,
hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy
ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro
ianao.
3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka
izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay
nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono
sy tantely.
4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia
Jehovah iray ihany.
5 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao
rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao
anio izao.
7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na
mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
8 ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny,
ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
9 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy
eo amin'ny vavahadinao.
10 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho
any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao
homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
11 sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy
nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy
nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary
mihinana ianao ka voky,
12 dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay
nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano
nahandevozana.
13 Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka
manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny
andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah
Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah
Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
16 Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo
ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
17 Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo
sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i
Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay
nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny
fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
20 Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho
avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny
fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
21 Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany
Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany
Egypta.
22 Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe
sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
23 Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy
hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny
razantsika homena azy.
24 Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy
rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa
mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
25 Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka
izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa
nandidiany antsika.
1 [Ny amin'ny handringanana ny Kananita] Rehefa
entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa
hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny
Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita
ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
2 ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo
anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy,
na mamindra fo aminy;
3 ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy
homenao ho vadin'ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin'ny
zanakao-lahy.
4 Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy
izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i
Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5 Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao,
ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny
sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.
6 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao
ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho
Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa
no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo
dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
8 fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany
ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah
anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana
dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao
ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy
famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka
arivo mandimby,
10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny
fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly
azy miharihary.
11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika,
izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka
mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny
fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin'ny razanao;
13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao
Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao
sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny
ateraky ny ondry aman'osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao
homena anao.
14 Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra;
tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15 Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka
tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony
amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay
hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary
aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17 Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo
firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18 dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay
nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny
masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry
nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany
no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
20 Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah
Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy
hitanao.
21 Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao
no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22 Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao
tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao
hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23 Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao
izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
24 Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho
foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona
hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25 Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia
hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo
aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana
eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany.
26 Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao,
fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo
imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
1 [Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny
Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona
izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio
dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady
handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i
Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry
tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny
didiny ianao, na tsia.
3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho
noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao,
hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra
aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny
tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
5 Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny
fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
6 Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba
handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any
amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny
amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka
sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
9 tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po,
sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary
ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
10 Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i
Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah
Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny,
izay andidiako anao anio;
12 fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao
trano tsara ka mitoetra ao,
13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao,
ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao
rehetra,
14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
tamin'ny trano nahandevozana,
15 Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady
mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy
rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,
16 Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia
zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao
ary hanisy soa anao any am-parany;
17 ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy
ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
18 fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome
anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny
razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
19 Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao
mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka
eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
20 tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay
aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino
ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
1 [Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA,
ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka
handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka
tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny
Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo
anoloan'ny taranak'i Anàka?
3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao
no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana
azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy
faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.
4 Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo
anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i
Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena
ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no
andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no
androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay
nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no
anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena
mafy hatoka ianao.
7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i
Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany
amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia
mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo.
8 Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i
Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny
vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah
taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra
sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
10 dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa,
voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra
nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
11 Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo
alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana
hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany
Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy
ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena
ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany
tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho
izy ianao.
15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny
tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny
fanekena dia teny an-tanako roa.
16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i
Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky
nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy
teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
18 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo
andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na
nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny
nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
19 Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana
aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy
indray Jehovah tamin'izany andro izany.
20 Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka
saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany.
21 Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy
kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy
nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony
dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.
22 Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no
nampahatezeranareo an'i Jehovah.
23 Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao
Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko
anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino
Azy, na nino ny feony.
24 Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo
hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
25 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho
nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i
Jehovah fa handringana anareo Izy.
26 Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe:
Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao
tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tananao
mahery.
27 Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary
Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na
ny fahotany,
28 fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay
nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any
amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no
nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
29 Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao
nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
1 Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko
hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ
amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
2 dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo
amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny.
3 Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka
nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra
aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
4 Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato
fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao
an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah
ahy ireny.
5 Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra,
ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao
ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny
fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao
no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7 Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary
nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
8 Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny
firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo
anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny
anarany mandraka androany.
9 Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo
amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah
Andriamanitrao taminy.
10 Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina
tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy
tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
11 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo
alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany
homena azy.
12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy
ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo
ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i
Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao
sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah
Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay
andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny
lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i
Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena
rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony
ianareo.
17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo
Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra,
Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;
18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy,
sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny
tany Egypta ianareo.
20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no
hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay
efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny
masonao.
22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta;
nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny
amin'ny lanitra ianao.
1 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo
mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny
didiny.
2 Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny
amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah
Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny
nahinjitra
3 sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany
Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra,
4 sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy
ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina
Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany,
5 ary izay nataony taminareo tany an-efitra,
hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity,
6 ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i
Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny
tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina
izay nomba azy;
7 fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay
nataon'i Jehovah.
8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo
anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo
holovana;
9 ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay
nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay
tondra-dronono sy tantely.
10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba
tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy
nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.
11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany
be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,
12 dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao;
ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny
taona ka hatramin'ny fiafarany.
13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako
anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy
amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana
amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny
varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby
fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny
fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i
Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy
hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny
tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny
fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo
izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;
19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na
mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao
sy eo amin'ny vavahadinao izy;
21 mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny
taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena
azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.
22 Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao
izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah
Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,
23 dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena
rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho
ianareo.
24 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny
tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony
Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
25 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa
hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany
rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
26 Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo
anoloanareo anio:
27 fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah
Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
28 ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i
Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo
anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
29 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka
tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no
hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo
an-tendrombohitra Ebala.
30 Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry
ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay
tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?
31 Fa ianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra
sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy
ianareo ka honina eo;
32 koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny
fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
*
1 [Ny amin'ny handravana izay zavatra momba ny
fivavahana amin'ny sampy, ary ny amin'ny hivavahana amin'Andriamanitra ao amin'izay
tany fidiny] IZAO no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any
amin'ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana
amin'ny andro rehetra hiainanareo ambonin'ny tany.
2 Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan'ny
firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin'ny
tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
3 Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo
ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin'ny afo ny Aserahany, ary ny
sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia
hofoananareo tsy ho eo amin'izany tany izany intsony ny anarany.
4 Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrareo
ianareo.
5 Fa ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrareo
amin'ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy
halehanareo.
6 Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy
ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra
asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary
ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo;
7 ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin'izay rehetra
harin'ny tananareo, izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
8 Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto
ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy
izao.
9 Fa ianareo tsy mbola tonga any amin'ny fitsaharana
sy ny lova izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
10 Fa rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka monina any
amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny
fitsaharan'ady amin'ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry
fahizay,
11 dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah
Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra
andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà
sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay
zavatra tsara ataonareo voady amin'i Jehovah.
12 Dia hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo
ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny
ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba
manana anjara na lova eo aminareo.
13 Mitandrema mba tsy haterinao eny amin'izay tany
rehetra tianao ny fanatitra doranao;
14 fa eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah ihany
amin'ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay
rehetra andidiako anao.
15 Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao,
araka izay rehetra irinao eny amin'ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian'i
Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy
mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
16 Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny
tany toy ny rano.
17 Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny
ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny
voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, na ny zavatra rehetra
hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny
tananao.
18 Fa eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no
hihinananao azy, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia
ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny
ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra hanin'ny tananao.
19 Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin'ny
andro rehetra hiainanao amin'ny taninao.
20 Raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny
fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho,
satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay
rehetra irin'ny fanahinao ianao.
21 Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i
Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny
ondry aman'osinao izay nomen'i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao,
ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin'ny fanahinao izany.
22 Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny
diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo
mihinana azy.
23 Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa
ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin'ny hena ianao.
24 Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin'ny tany toy
ny rano izy;
25 eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao
sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
26 Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady
dia ento mankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah.
27 Ary atero eo amin'ny alitaran'i Jehovah
Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran'ny
fanatitrao hafa dia aidino eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny
henany dia azonao hohanina ihany.
28 Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay
andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay,
raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
29 Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo
anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy
ianao ka honina eo amin'ny taniny,
30 dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny
fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny
amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny
firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
31 Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao;
fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny
andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo
ho an'ny andriamaniny.
1 Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba
harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
2 [Ny amin'ny fampijaliana izay mivavaka amin'ny sampy
na mitaona ny sasany hivavaka aminy] Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo
aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
3 sady manao hoe: Andeha isika hanaraka
andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia
tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na
mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany
na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo
rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
5 Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy
no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no
hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
6 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty
satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay
nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny
trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i
Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao
ratsy.
7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky
ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao
na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo
andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina
anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany
rehetra),
9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza
mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany
hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.
11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady
hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka
avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra
ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
13 Raha mandre teny ianao ny amin'ny tanànanao
anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
14 Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao
ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo
andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
15 dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha,
indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany
fahavetavetana izany,
16 dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina
amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny
biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra.
17 Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo
afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra
ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany
tanàna izany ka tsy haorina intsony.
18 Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory
ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany
mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka
izay nianianany tamin'ny razanao,
19 raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka
hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay
mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.
1 [Ny amin'ny hifadiana izay fanao vetaveta, na izay
zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza
mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny
maty.
2 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao
ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra
ambonin'ny tany.
3 Aza mihinana izay fahavetavetana.
4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny
ondry sy ny osy
5 sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny
pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
6 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny
kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
7 Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao
ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka,
satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy
mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny
fatiny tsy hokasihinareo.
9 Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no
ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia
tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
11 Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
12 Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy
ny gypa sy ny ankoay
13 ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango
mainty, samy araka ny karazany, avy
14 ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
15 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka
ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
16 ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
17 ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
18 ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany
avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19 Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia
haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20 Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21 Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny
vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa
firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro
zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22 [Ny amin'ny fandoavana ny fahafolon-karena] Aloavy
tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny
vokatra any an-tsaha isan-taona;
23 dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny
ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny
voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra
an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
24 Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy
mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay
hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i
Jehovah Andriamanitrao ianao,
25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola
ka ho entinao eo an-tananao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah
Andriamanitrao;
26 ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny
fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa
tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no
hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;
27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao;
fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
28 Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny
vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
29 ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba
manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny
mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i
Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
1 [Ny amin'ny taom-panafahana] Ary isam-pito taona dia
manaova fanafahana ianao.
2 Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa
rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny
namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
3 Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena
handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
4 kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa
hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho
lovanao,
5 raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao
ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao
anio.
6 Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay
nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy
hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka
anao.
7 Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao
anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza
manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo;
8 fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory
izay ilainy, araka izay mahory azy.
9 Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao
manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery
ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina
amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
10 Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha
manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao
anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao.
11 Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no
andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny
malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao.
12 Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo,
na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka
izy amin'ny taona fahafito.
13 Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy
havelanao handeha fotsiny;
14 fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry
aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa
nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
15 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta
ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako
anao izao zavatra izao anio.
16 Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho,
satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
17 dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny
varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no
hataonao amin'ny ankizivavinao.
18 Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka,
fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao
enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.
19 [Ny ho fanao amin'ny voalohan-teraky ny biby
fiompy] Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry
aman'osinao dia hohamasininao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny
voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman'osinao.
20 Eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no
hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana
izay hofidin'i Jehovah.
21 Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba,
na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an'i
Jehovah Andriamanitrao ireny.
22 Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny
olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany
mihinana ny gazela sy ny diera.
23 Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny
tany toy ny rano.
1 [Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska
sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny
Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah
Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
2 Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia
ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny
anarany.
3 Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy;
hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa
tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny
andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
4 Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny
fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny
henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.
5 Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao
rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;
6 fa eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah
Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony
ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
7 Ary atsatsiho amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny
tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia
any amin'ny lainao.
8 Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa
ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy
hanao raharaha ianao amin'izany.
9 Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin'ny
andro iandohan'ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
10 Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka
ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo,
izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;
11 ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny
ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty
ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah
Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
12 Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa
tandremo sy araho ireo didy ireo.
13 Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana
amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny
famiazanao.
14 Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy
ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary
ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao
an-tanànanao.
15 Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho
an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria
hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao
rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
16 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao
no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny,
dia amin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro
firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana
amin'ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra
fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
17 fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny
fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
18 [Ny amin'ny fitsarana sy ny fifidianana mpanjaka]
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i
Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny
fitsarana marina ireo.
19 Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha
tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny
hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
20 Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona
ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
21 Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny
alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
22 Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa
halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
1 Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah
Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa
fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
2 Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo
imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
3 ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka
aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra
efa nandrarako azy,
4 ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho
tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo
amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
5 dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na
vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no
hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy
hahafaty azy.
7 Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono
azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao
ny fanao ratsy.
8 Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka
tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana
ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i
Jehovah Andriamanitrao.
9 ary mankanesa amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny
anankiray izay mpitsara amin'izany andro izany, ka manontania, dia hambarany
aminao ny teny fitsarana.
10 Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny
tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony
anao.
11 Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny
fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay
hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
12 Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny
mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia
hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
13 Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy
hiavonavona intsony.
14 Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana
mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
15 dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no
hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho
mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny
rahalahinao ianao.
16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na
hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy
Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.
17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny
fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany
izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka
ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona.
19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro
rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka
hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto
hankatoavany azy,
20 mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny,
ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho
amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy
sy ny taranany.
1 [Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny
Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova
eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny
anjaran'i Jehovah no ho fihinany.
2 Fa tsy hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah
no lovany, araka izay nolazainy taminy.
3 Ary izao no ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny
olona, dia avy amin'izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na
osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny
vavoniny;
4 ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny
ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan'ny volon'ondrinao no homenao
azy.
5 Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah
Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana
mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah.
6 Ary raha misy Levita miala amin'ny tanànanao
anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny
fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah,
7 ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i
Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo
anatrehan'i Jehovah,
8 dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho
fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy.
9 [Ny amin'ny mpaminany] REHEFA tonga any amin'ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny
fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo.
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny
zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro,
na mpanao sikidy, na mpanana ody,
11 na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao
azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra
manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i
Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao
ianao.
14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia
mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i
Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny
rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no
hohenoinareo;
16 araka izay rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah
Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe
izany intsony aho, fandrao maty.
17 Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay
nolazainy.
18 Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny
rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy
izay rehetra handidiako azy.
19 Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay
holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny
anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny
anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.
21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no
fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah?
22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany,
ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah
izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza
matahotra azy.
1 [Ny amin'ny tanàna handosiran'izay mahafaty olona
tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay
tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka
monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2 dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny
taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
3 Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao,
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona
rehetra ao.
4 Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha
mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo
aloha
5 toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any
an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia
mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy,
dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka
hovelomina;
6 fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà,
raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany,
dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny
namany teo aloha.
7 Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna
telo ho anao.
8 Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny
fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany
rehetra izay nolazainy homena ny razanao
9 (raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna
rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao,
ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny
telo ireny;
10 mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao,
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà
ianao.
11 Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika
azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny
anankiray amin'ireo tanàna ireo,
12 ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy
ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13 Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo
amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14 [Ny amin'ny tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny
vavolombelona] Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana
teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao holovanao.
15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy
hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na
inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny
teny.
16 Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana
hiampanga olona ho nanao ratsy,
17 dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy
izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro
izany;
18 ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa
vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
19 dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no
hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20 Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary
tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
21 Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao
solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana,
tongotra solon'ny tongotra.
1 [Ny amin'ny miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka
hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho
ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra
anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
2 Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny
mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny
fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na
mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha
aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
5 Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao
hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka
handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa
no hitokana ny tranony.
6 Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka,
nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy,
fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
7 Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy
mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty
any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
8 Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy
ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any
an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
9 Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony
amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
10 Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana ianao, dia
milazà fihavanana aminy.
11 Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso
anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao
izy.
12 Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy,
fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
13 Ary rehefa atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo
an-tananao izy, dia hovonoinao amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14 Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy
ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary
hohaninao ny babo azo tamin'ny fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
anao.
15 Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra izay
lavitra anao indrindra ka tsy tanànan'ireto firenena ireto.
16 Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona
rehetra ao.
17 Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita
sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay
nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
18 mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny
fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo
amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
19 Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao
halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao
amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao
fahirano?
20 Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa
dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao
mandra-paharesiny.
1 [Ny amin'ny fanesoran-keloka, raha misy faty hita,
nefa tsy fantatra izay nahafaty azy] Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita
miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao
holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2 dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka
horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.
3 Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty
indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga
hitarihany.
4 Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona
amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady
misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5 Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa
izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy
hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady
rehetra sy ny vonoana rehetra;
6 ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny
faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa
voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no
nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
8 Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay
navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho
afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
9 Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha
hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
10 [Ny amin'ny vehivavy babo hovadin'izay nahazo azy]
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah
Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11 ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny
babo ka tianao hovadina,
12 dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany
ny lohany sy alàny ny hohony,
13 ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny
nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany
ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao
ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
14 Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso
handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena
na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
15 [Ny amin'ny lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy
mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy
miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay
tsy tiany no lahimatoa:
16 amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny
zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany
ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17 fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no
hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy,
ka azy ny fizokiana.
18 [Ny fanao amin'ny zanaka maditra tsy zaka anarina]
Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny
feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19 dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny
amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
20 dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy
mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay,
fa mpandany sy fileony.
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao
an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny
Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
22 [Ny amin'ny fandevenana ny fatin'ny meloka izay efa
nahantona tamin'ny hazo] Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony
hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny hazo.
23 dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny
fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa
voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao,
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
1 [Didy samy hafa ny amin'ny fitiavana ny namana, sy
ny tsi-fampifamadihana ny fomban-javatra] Raha hitanao mania ny omby na ny
ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any
amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
2 Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny
rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao
mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
3 Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na
ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka
hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
4 Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny
ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa
manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy;
ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo
imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
6 Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny
an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny
efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
7 Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no
alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
8 Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina
ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà
ho ao an-tranonao ianao.
9 Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo
ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao
sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10 Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11 Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony
mifamahofaho.
12 Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny
lambanao izay itafianao.
13 [Didy ny amin'ny fanamasinana ny fanambadiana] Raha
misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa
nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny
famantarana azy ho virijina:
15 dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny
famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna
eo am-bavahady.
16 Dia hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy
hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray
izy;
17 ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe:
Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny
famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny
loholona amin'ny tanàna izy mivady.
18 Ary halain'ny loholona amin'ny tanàna izany
lehilahy izany ka hofaizany.
19 Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka
homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray
tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony
hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy
hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny
tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty,
satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao
an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy
vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry
tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny
Isiraely ny fanao ratsy.
23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona,
ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny
vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty:
razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy
koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo
aminao ny fanao ratsy.
25 Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy
an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry
aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
26 Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona;
fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny
namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.
27 Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany
razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay
tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy
roroa,
29 dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny
rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa
nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra
hiainany.
1 Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry
amin'izay nandrian-drainy.
2 [Didy maro samy hafa] Tsy mahazo miditra amin'ny
fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
3 Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i
Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo
miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
4 Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny
fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy
hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny,
5 satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny
an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an'i
Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
6 Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i
Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
7 Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy
amin'ny andronao rehetra mandrakizay.
8 Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa
rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny ianao.
9 Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny
fiangonan'i Jehovah.
10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao,
dia mifadia ny ratsy rehetra.
11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay
nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao
anatiny.
12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy;
ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray
izy.
13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby
ho fivoahanao;
14 ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka
raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy
ny fivalananao.
15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny
tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina
ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
16 Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo
izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
17 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay
tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
18 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely
hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19 Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny
karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa
fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
20 Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola,
na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
21 Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao
zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah
Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay
efa hidiranao holovana.
22 Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia
aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho
fahotana aminao.
23 Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao
izany.
24 Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao,
araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny
vavanao.
25 Raha mankany amin'ny tanim-boaloboky ny namanao
ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra
mody.
26 Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao,
dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny
namanao.
TOKO 24
1 [Didy samy hafa ny amin'ny fisaoram-bady sy ny
tsi-fanaovana izay hampahory ny sasany] Raha misy lehilahy maka vady ka
mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo
aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary
hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
2 Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia
mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
3 Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady
azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka
mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
4 ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy
mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i
Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao ho lovanao.
5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha
hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao
an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na
ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny
Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra
izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8 Mitandrema ny amin'ny habokana, ka araho tsara izay
rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no
hotandremanareo harahina.
9 Tsarovy izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i
Miriama teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta.
10 Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza
miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11 Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay
nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
12 Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao
miloaka alina ny antoka,
13 fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa
tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho
fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
14 Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay
mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.
15 Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny
karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no
irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho
fahotana aminao izany.
16 Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary
ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny
fahotany avy ihany ny olona.
17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny
kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatòka.
18 Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah
Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao
hanao izany zavatra izany.
19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy
amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny
kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao
amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.
20 Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza
miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny
mpitondratena izany.
21 Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina
hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny
mpitondratena izany.
22 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta
ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
1 [Ny amin'ny kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny
fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha
misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia
aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2 Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka
hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny
helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3 Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa
tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny
tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4 Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba
ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny
rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6 Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny
anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely
izy.
7 Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny
vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona
ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny
rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8 Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy
ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9 dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny
vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora
amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety
mamelo-maso ny rahalahiny.
10 Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny
Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
11 Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray
manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny
tànany ka mandray azy an-kasarotana,
12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny
masonao.
13 Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao
an-kitaponao.
14 Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao
an-tranonao.
15 Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga
ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
16 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah
Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao
ny tsy marina.
17 [Ny amin'ny handringanana ny Amalekita] Tsarovy
izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy
tany Egypta,
18 dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny
namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha
reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.
19 Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao
fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay
omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana
ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
1 [Ny fisaorana ho fanao raha manatitra ny
fahafolon-karena, ary izay tokony hatao aminy] Ary rehefa tonga ao amin'ny tany
izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina
ao,
2 dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany,
izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka
ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah
Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
3 dia mankanesa amin'ny mpisorona amin izany andro
izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa
tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razantsika homeny
antsika.
4 Dia horaisin'ny mpisorona eny an-tananao ny harona
ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao.
5 Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy,
dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe
sy mahery sady maro isa.
6 Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory
antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny
razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy
ny asantsika ary ny fahoriantsika;
8 ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy
fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah
antsika nivoaka avy tany Egypta,
9 dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity
Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10 Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny
voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i
Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrao.
11 Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i
Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny
vahiny eo aminao.
12 Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy
amin'ny vokatrao amin'ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny
fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny
mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
13 ary dia lazao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy
ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay
nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
14 Tsy nisy nohaniko teo amin'ny fisaonako, na nentiko
nivoaka teo amin'ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa
nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra
nandidianao ahy.
15 Tsinjovy ao amin'ny fonenanao masina any
an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay
nianiananao tamin'ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16 [Teny farany hampahazoto ny Isiraely hatoky ny
fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio no andidian'i Jehovah
Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho
amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
17 Efa nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao
Izy, ka handeha amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny
fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa
firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao
ny didiny rehetra,
19 sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra
izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena
masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
*
1 [Ny amin'ny hanaovana tsangam-bato hanoratana ny
lalàna, sy ny hanaovana ny tso-drano sy ny fanozonana ao an-tendrombohitra
Gerizinia sy Ebala] Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka
ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
2 Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any
amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe
ho anao, ka lalory sokay;
3 dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna
ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah
Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i
Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
4 Ary rehefa tafita an'i Jordana ianareo, dia
atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo
andro any ka lalory sokay.
5 Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah
Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
6 Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah
Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah
Andriamanitrao.
7 Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo
sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
8 Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra
amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
9 Dia niteny tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo
Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no
efa tonga firenen'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
10 Koa henoy ny feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary
araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
11 Dia nandidy ny vahoaka tamin'izany andro izany
Mosesy ka nanao hoe:
12 Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima
hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy
ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
13 Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra
Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana
ary ny Naftaly.
14 Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely
rehetra amin'ny feo mahery hoe:
15 Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra
voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah,
asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia
hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
16 Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny
reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
17 Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary
ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18 Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny
vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19 Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny
vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe:
Amena.
20 Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa
mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21 Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka
rehetra hanao hoe: Amena.
22 Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny
zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao
hoe: Amena.
23 Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny
vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
24 Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona.
Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
25 Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina.
Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
26 Hozonina izay tsy mankatò ny tenin'ity lalàna ity.
Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
*
1 [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah,
ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i
Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay
andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny
firenena rehetra amin'ny tany ianao;
2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana
rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any
an-tsaha.
4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny
taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny
ateraky ny ondry aman'osinao.
5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao,
raha mivoaka.
7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny
fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona
anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny
fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any
amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah,
araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah
Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa
ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa
anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry
ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena
anao.
12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony
fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy
hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao,
fa ianao kosa tsy hisambotra.
13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho
rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i
Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka
azy.
14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako
anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka
andriamani-kafa ka hanompo azy.
15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah
Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny
lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao
fanozonana rehetra izao :
16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any
an-tsaha.
17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny
taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
19 Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao,
raha mivoaka.
20 Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia
horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao,
mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny
nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.
21 Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny
areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa
hidiranao holovana.
22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy
fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra
na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny
mandra-pahalany ritranao.
23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao,
ary ho vy ny tany eo ambaninao.
24 Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny
taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
25 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny
fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito
kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny
fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
26 Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy
ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27 Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny
tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
28 ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny
fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
29 Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny
mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka
tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny
mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
30 Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy;
hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy
hihinana ny vokatra.
31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana
ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina
aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy
hanan-kamonjy ianao.
32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny
firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny
alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa
nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany
an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
34 Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho
hitan'ny masonao.
35 Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy
azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka
hatramin'ny tampon-dohanao.
36 Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy
fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka
aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao
any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.
38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any
an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny.
39 Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy
hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.
40 Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra ianao,
nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho
anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho
lanin'ny valala.
43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia
ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
44 Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy
hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
45 Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka
hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay
nandidiany anao.
46 Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny
taranakao mandrakizay izany,
47 satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao
tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra
rehetra.
48 Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana
any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay
hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny
mandra-pandringany anao.
49 Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy
lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no
fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
50 firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny
antitra, na hiantra ny tanora
51 dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny
taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na
ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry
aman'osinao, mandra-pandringany anao.
52 Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra
ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny
taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra
eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
53 Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay
haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny
nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao
anao.
54 Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo
aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny
zanany sisa,
55 ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany
izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena,
izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.
56 Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao,
izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny
fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary
ny zananivavy
57 noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany
vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny
fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny
tanànanao.
58 Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra
amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao
anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
59 dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony
aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy
sady maharitra ela.
60 Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta
rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
61 Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra
koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i
Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
62 Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao
fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny
feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
63 Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa
sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy
handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa
hidiranao holovana.
64 Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra
hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato
aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
65 Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy
hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo
miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
66 Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia
hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
67 Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia
hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny
tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
68 Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any
Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony
ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo
ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
69 [Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely,
sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny
fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany
amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
*
1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao
taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo
tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny
rehetra,
2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny
masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita
ary sofina handre ianareo mandraka androany.
4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona
aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny
tongotrao ny kapanao.
5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no
fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
6 Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia
nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady
amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho
zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8 Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho,
mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.
9 Hianareo rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo
sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,
10 ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny
vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
11 hidiranao amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao
sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
12 hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho
Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany
tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
13 Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy
fianianana izao,
14 fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i
Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa;
15 fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany
Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa;
16 ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny
hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
17 fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy,
na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah
Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny;
fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
18 ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity
fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana
aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny
mangetaheta.
19 Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa
hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny
fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra
amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny
anarany.
20 Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely
rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay
voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity.
21 Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny
zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany
lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay
nampaharanan'i Jehovah azy
22 fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany
rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory
hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima,
izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany
23 dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah
no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao
fahatezerana lehibe izao?
24 Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy
nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony
Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
25 Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady
niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena
azy;
26 dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i
Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra
eto amin'ity boky ity;
27 ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana
mirehitra no nandroahan'i Jehovah azy tsy ho eo amin'ny taniny sy
nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa, tahaka ny amin'izao anio izao.
28 An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa
antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny
teny rehetra amin'ity lalàna ity.
1 Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany,
dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro
izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah
Andriamanitrao anao ianao,
2 ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino
ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra
andidiako anao sy ny zanakao anio,
3 dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny
fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any
amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
4 Raha misy aminao voaroaka any amin'ny
faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary
avy any indray no hanalany anao.
5 Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny
tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy
sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6 Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny
fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra
sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
7 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny
fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra
ireny.
8 Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka
hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
9 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy
ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny
kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly
aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
10 raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao
ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny
lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy
ny fanahinao rehetra.
11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy
dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no
hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13 Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka
hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba
hohenointsika ka harahintsika?
14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao
sy ao am-ponao, mba harahinao.
15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny
fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i
Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny
lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i
Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao,
fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa
ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana,
rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho
vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny
fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba
ho velona ianao sy ny taranakao,
20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka
hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny
andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i
Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
1 [Anatra farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy
Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna] Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny
izao tamin'ny Isiraely rehetra
2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona
androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza
tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy
no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny
ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
4 Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony
tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny
nataony tamin'ny taniny.
5 Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo
hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy;
fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy
anao Izy.
7 Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo
imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena
ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany
homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no
hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na
mivadi-po ianao.
9 Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka
natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i
Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.
10 Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito
taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana
amin'ny trano rantsan-kazo,
11 ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao
eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo
anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy,
na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka
hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra
amin'ity lalàna ity.
13 Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka
hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra
hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i
Jordana ianareo.
*
14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny
andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay
fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra
tao amin'ny trano-lay fihaonana.
15 Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny
andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny
andri-rahona.
16 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa
hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka
hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany
honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany
andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra
izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro
izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no
mahatonga izao fahoriana izao amiko?
18 Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany
andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka
andriamani-kafa izy.
19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana
izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao
fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
20 Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy
tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho
voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary
handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
21 Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny
fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka
am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia
ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena
azy izy.
22 Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao
fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely.
23 Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka
nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak'Isiraely
hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
24 Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky
avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
26 Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo
anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona
aminao.
27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao;
indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i
Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
28 Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny
firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao;
ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
29 Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy
tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry
ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah
ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.
*
30 Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana,
dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
1 [Ny fihirana nataon'i Mosesy] MIHAINOA, ry lanitra,
fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin'ny vavako!
2 Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary
hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary
ny ranonorana amin'ny anana.
3 Fa ny anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny
fahalehibiazan'Andriamanitsika.
4 Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny
lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy
misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
*
5 Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy
izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
6 Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena
adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no
nanao anao sy nanorina anao?
7 Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay
hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny
anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
8 Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa,
Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo
firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely.
9 Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho
lovany.
10 Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny
tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany
tahaka ny anakandriamasony.
11 Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka
manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy
nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany,
12 Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy
andriamani-kafa teo aminy.
13 Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany
Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny
vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato
14 Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy
Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay
vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka
ianao.
*
15 Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy
ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy
izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
16 Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary
tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
17 Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay
tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao
niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo.
18 Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao,
Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
19 Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny
fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zananivavy.
20 Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay
hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
21 Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy
Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa
hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay
firenena adala.
22 Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro
hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany
mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra
aza.
23 Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko
aminy ny zana-tsi-pikako:
24 Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny
areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko
aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka
amin'ny vovoka.
25 Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany,
Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny
zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
26 Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy;
Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona,
27 Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako,
Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo;
Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
28 Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy
manam-pahalalana.
*
29 Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka
hahafantatra izay ho farany.
30 Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary
hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny
Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
31 Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny
vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
32 Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary
avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady
mangidy koa ny sampahony.
33 Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona,
Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
*
34 Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase
ato an-trano firaketako?
35 Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy
izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy
faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
36 Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny
amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny
voahazona, na ny afaka.
37 Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny
vatolampy izay nialofany,
38 Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny
divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho
fierena ho anareo.
39 Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka
tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no
maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako.
40 Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao
hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
41 Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka
voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony,
Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro
hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe
amin'ny fahavalo.
43 Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny
mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa
ho an'ny taniny sy ny olony.
*
44 Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra
amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i
Nona.
45 Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny
Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
46 dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny
rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo
hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no
fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany
izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
48 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay
indrindra ka nanao hoe:
49 Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny
tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano
ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany.
50 Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay
iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i
Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny
razany,
51 satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely
ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy
nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo.
52 Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao,
kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Ny tso-drano nataon'i Mosesy tamin'ny
firenen'Isiraely] Ary izao no tso-drano nataon'i Mosesy,
lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
2 Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy
avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy;
Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy
lalàn'afo ho an'ireo.
3 Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny
masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny
teninao.
4 Lalàna no nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny
fiangonan'i Jakoba.
5 Ary tonga mpanjakan'i Jesorona Izy, Rehefa tafangona
ny lehiben'ny vahoaka Sy ny firenen'Isiraely rehetra.
*
6 Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho
vitsy olona izy.
*
7 Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô,
mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho
azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
*
8 Ary ny amin'i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny
Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy
nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,
9 Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita
azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy
fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
10 Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely
ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana
eo ambonin'ny alitaranao.
11 Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny
asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy
hiarina intsony izay mankahala azy.
*
12 Ary ny amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i
Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo
an-damosiny.
*
13 Ary ny amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah
anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny
rano lalina mamitsaka any ambany,
14 Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny
voan-javatra soa vokatry ny volana,
15 Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra
fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay
16 Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo
aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho
tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny
rahalahiny.
17 Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza,
Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny
faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.
*
18 Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry
Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
19 Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary
ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny
ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.
*
20 Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay
manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira
ny sandry mbamin'ny tampon-doha.
21 Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa
teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny
firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny
fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
*
22 Ary ny amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona;
Miantsampy avy ao Basana izy.
*
23 Ary ny amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky
fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo
anie ianao.
*
24 Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina
mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny
rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.
25 Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny
andronao ny fiadananao.
*
26 Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay
mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.
27 Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary
ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka
manao hoe: Aringano.
28 Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny
loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny,
mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
29 Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry
olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny
voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
*
1 [Ny nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia
niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao
an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany
Gileada rehetra hatrany Dana
2 sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny
Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana
3 ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i
Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4 Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako
tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita
azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
5 Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo
amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba,
tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka
androany.
7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary
tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8 Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo
andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
9 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny
fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny
Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10 Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny
Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika
11 tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay
nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony
rehetra ary ny taniny rehetra
12 ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.