Joba
1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy
voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy
mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny
ratsy.
2 Ary niteraka fito
lahy sy vavy telo izy.
3 Ary ny fananany dia
ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato
ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny
atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4 Ary fanaon'ny
zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony;
dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro
aminy.
5 Ary isaky ny
tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina
ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny
isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà
an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
6 Ary tamin'ny indray
andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba
tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
7 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe:
Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
8 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka
azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra
an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9 Ary Satana dia
namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i
Joba an'Andriamanitra?
10 Tsy Hianao va no
nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany
rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
11 Fa ahinjiro ange
ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza*
izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
12 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no
aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
13 Ary tamin'ny
indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny
zananilahy sy ny zananivavy;
14 ary nisy iraka
tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy
nandrasana teo anilany,
15 dia namely azy
tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza
aminao.
16 Raha mbola niteny
izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka
avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona
azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17 Raha mbola niteny
izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko,
dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza
aminao.
18 Raha mbola niteny
izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
19 ary, indro, nisy
rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera
tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany
no afa-nandositra hilaza aminao.
20 Dia nitsangana
Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny
tany ka niankohoka
21 sady nanao hoe:
Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako
any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i
Jehovah
22 Tamin'izany
rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
1 [Ny fizahan-toetra
faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary
tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo
anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo
anatrehan'i Jehovah.
2 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao
hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka
azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra
an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany
ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
4 Ary Satana dia
namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra
ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
5 Fa ahinjiro ange ny
tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao
aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
6 Dia hoy Jehovah
tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Dia nivoaka Satana
avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany
ka hatramin'ny tampon-dohany.
8 Dia naka
tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 Ary hoy ny vadiny
taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza
an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
10 Fa hoy izy taminy:
Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa
ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?
Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
11 Ary rehefa ren'ny
sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga
avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary
Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona
azy.
12 Ary nanopy ny
masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia
nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa
izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.
13 Ary
niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy,
nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa
mafy loatra ny fahoriany.
*
1 [Ny fitarainan'i
Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka
nanozona ny androny
2 nanao hoe:
3 Foàna anie ny andro
nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 Izany andro izany
dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka
tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5 Aoka ny aizina sy
ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo
amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina
azy.[Na:handoto azy]
6 Izany alina izany
aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny
taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7 Indro izany alina
izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8 Aoka hanozona azy
ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9 Aoka ho maizina ny
kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho
faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10 Satria tsy nanidy
ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
*
11 Nahoana re aho no
tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany
an-kibo e?
12 Nahoana no nisy
lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
13 Fa raha tsy izany,
dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 Teo amin'ny mpanjaka
sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**,
[*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]
15 Na teo amin'ny
andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 Na efa tsy ary toy ny
zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny
mazava akory.
17 Any no
itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18 Miara-miadana
avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Samy any ny kely
sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
*
20 Nahoana no fahazavana
no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
21 Izay miandry
fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena
nafenina:
22 Izay faly indrindra
sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23 Dia olona izay
mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
24 Fa mialoha ny
haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 Fa Izay atahorako no
mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
26 Tsy mbola nahita
fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny
tebiteby.
*
1 [Ny teny voalohany
nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Raha misy sahy miteny
aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no
mahazaka izany?
3 Indro, efa nananatra
ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4 Ny teninao efa
nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Nefa ankehitriny mba
manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka
raiki-tahotra ianao
6 Tsy ny fivavahanao* va
no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb.
fahatahoranao]
*
7 Masìna ianao, tsarovy
fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8 Araka izay efa hitako,
dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9 Ny
fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no
mahalevona azy.
10 Ny feon'ny olona,
eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11 Mirenireny ny
lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
*
12 Nisy teny tonga
tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13 Tamin'ny eritreritra
avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14 Dia azon-tahotra sy
hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15 Ary nisy fanahy
nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Nijanona izy, nefa
tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko;
Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17 Ho marina noho*
Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny
olona?[Na: eo anatrehan']
18 Indro, tsy matoky ireo
mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19 Koa mainka izay
mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora
poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20 Indray andro monja dia
montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
21 Tsy voaongotra va ny
kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
1 Miantsoa ange! moa
misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
2 Fa ny adala dia
vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
3 Izaho nahita olona
adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 Lavitra ny famonjena
ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 Ny vokatry ny taniny
dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika
mitanatana vava hahazo ny fananany
6 Fa tsy mivoaka avy
amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7 Nefa teraka ho amin'ny
fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8 Fa raha toa ahy kosa
dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny
teniko,
9 Dia Izay manao
zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Dia Izay mampilatsaka
ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
11 Ka apetrany amin'ny
avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
12 Dia Izay mahafoana ny
hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13 Ny fahafetsen'ny
hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia
rava;
14 Na dia amin'ny
antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny
mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
15 Fa vonjeny kosa ny
malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny
mahery izy.
16 Dia misy fanantenana
ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
*
17 Indro, sambatra ny
zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny
famaizan'ny Tsitoha;
18 Fa sady mandratra Izy
no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19 Amin'ny fahoriana
enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra
aminao.
20 Raha avy ny mosary,
dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao
tsy ho voan'ny sabatra Izy;
21 Hampiereny tsy ho
voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 Ny fandringanana sy
ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 Fa vita fanekena
amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Ary ho hitanao fa ny
fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy
misy very ny ao;
25 Ary ho hitanao koa fa
maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26 Haharitra ianao
ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary
akarina amin'ny fotoana.
27 Izany ary no izy, fa
efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Enga anie ka
holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny
fahoriako!
3 Fa ankehitriny
mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy
aho.
4 Fa ny zana-tsipiky
ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny
fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 Maneno va ny boriki-dia,
raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6 Azo hanina va ny
matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na:
ranon-tsikobonkobon-danitra]
7 Ny zavatra izay
nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko
ahy aza.
*
8 Enga anie ka ho azoko
izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9 Ka ho
sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka
hahamaito ny aiko,
10 Dia hahita fiononana
amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana
aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
11 Inona moa ny heriko,
no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa
ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny
androko]
12 Herim-bato va ny
heriko? Na varahina va ny nofoko?
13 Tsy efa foana va ny
hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
*
14 Izay efa
mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana
ny Tsitoha izy.
15 Ny rahalahiko
mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any
an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
16 Izay mainty
azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
17 Fa raha taninin'ny
hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany
izy;
18 Mivilivily no
fandehany tankina izy ka levona.
19 Ny antokon'i Tema
mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
20 Very hevitra ireo,
satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
21 Fa ankehitriny efa
tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22 Moa aho va efa nanao
hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
23 Ary vonjeo amin'ny
tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
*
24 Mampianara ahy, dia
hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
25 Endrey ny herin'ny
teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26 Ny amin'ny teniko
ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
27 Eny, fa na dia ny
kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28 Fa ankehitriny,
masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy
akory aho.
29 Masìna ianareo,
diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray
aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
30 Moa misy heloka va eo
amin'ny lelako?
1 Tsy mahafantatra izay
ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany?
Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
2 Toy ny mpanompo maniry
alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
3 Dia toy izany no
anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho
ahy.
4 Raha vao mandry aho,
dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*,
ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
5 Ny nofoko mitafy
olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Faingana noho ny
famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 Tsarovy fa rivotra ny
aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 Tsy hahita ahy intsony
ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Tahaka ny rahona
misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny
fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
10 Tsy hiverina any
an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
*
11 Ary izaho dia tsy
hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny
fangidian'ny aiko.
12 Ranomasina va aho, na
trozona, No dia asianao fiambenana?
13 Raha hoy izaho:
Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 Dia mampitahotra ahy
amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Ka dia aleon'ny
fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato
fitofezako* izato;[Heb. taolako]
16 Maharikoriko ahy
izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
*
17 Inona moa ny
zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18 Sady fantarinao
isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
19 Mandra-pahoviana re
vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20 Na dia ho nanota aza
aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia
nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
21 Ary nahoana no tsy
mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry
any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony
aho.
*
1 [Ny teny voalohany
nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no
hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3 Andriamanitra va
hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
4 Raha nanota taminy ny
zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
5 Fa raha ianao kosa
mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
6 Ary raha madio sy
mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny
fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7 Ka na dia kely aza no
niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
*
8 Fa masìna ianao,
anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
9 (Fa vao omaly isika ka
tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10 Tsy ireny va no
hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11 Haniry va ny
zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy
rano?
12 Mbola maitso izy
sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13 Toy izany no
lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny
mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]
14 Fa ho maito ny
fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
15 Miankina amin'ny
tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka
azy iny.
16 Mitsimoka tsara
tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny
tanimboliny;
17 Mifelipelika
mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
18 Kanjo nony fongorany
hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita
anao akory aho.
19 Indro, izany ihany no
fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
20 Indro, Andriamanitra
tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
21 Mbola hofenoiny hehy
ny vavanao sy hoby ny molotrao.
22 Izay mankahala
anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Fantatro tokoa fa
izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Raha te-hifandahatra
aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
4 Hendry am-po Izy sady
matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Izay mamindra
tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny
fahatezerany,
6 Ary mampihorohoro ny
tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Mandidy ny masoandro
Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Sady Izy irery
ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Manao ireo kintana
lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo
kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
10 Ary manao
zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
*
11 Indro, mandalo ahy
Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Indro, mipaoka Izy,
ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Andriamanitra tsy
mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo
ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
14 Mainka fa izaho tsy
mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 Fa na dia marina aza
aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany
heriko.
16 Raha mba niantso aho,
ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Fa manorotoro ahy
amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Sady tsy avelany haka
aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 Raha ny amin'ny
herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny
fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Na dia marina aza
aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho,
dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Marina aho, ataoko
tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
*
22 Tsy misy hafa aminy,
ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Raha misy loza*
mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb.
fikapohana]
24 Ny tany efa
voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo
Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Ny androko dia
faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Mihelina tahaka ny
lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana
zozoro]
*
27 Raha hoy izaho:
Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Dia mahatsiravina ahy
ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Tsy maintsy hatao ho
meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 Na dia mandro amin'ny
oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31 Dia hanitrika ahy any
am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta
aho.
32 Fa tsy olona tahaka
ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33 Tsy misy
mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 Aoka hanaisotra ny
tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Dia hiteny aho ka tsy
hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
1 Maharikoriko ahy ny
aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2 Hanao
amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny
iadianao amiko aho.
3 Mahafaly Anao va ny
hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny
ratsy fanahy?
4 Manana maso nofo va Hianao?
Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
5 Tahaka ny andron'ny
zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6 No dia mikaroka izay
heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 Na dia fantatrao aza
fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8 Ny tananao ihany no
namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray
aho izao.
9 Masina Hianao, tsarovy
fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray
Hianao!
10 Tsy naidinao toy ny
ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Eny, notafianao
hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12 Aina sy famindram-po
no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 Saingy izao no
nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
*
14 Raha manota aho,
dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15 Raha meloka aho, dia
lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno
henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 Fa raha sahy
miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina
indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Mbola hanangana
vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny
fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
*
18 Ka nahoana no
namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala
aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 Ary efa toy ny tsy
ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Tsy vitsy va ny
androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 Dieny tsy mbola
lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny
fahafatesana,
22 Ho any amin'ny
tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady
maizim-pito ny famirapiratana any.
*
1 [Ny teny voalohany
nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Moa tsy hovaliana
va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava,
dia ho marina va?
3 Ny bedibedinao va no
hampangina ny olona? Ka dia haniratsira
ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Ary dia hiteny hoe:
Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 Enga anie ka hiteny
Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 Dia hasehony aminao
ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia
novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
7 Takatry ny sainao va
ny fomban*'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny
famantarana an']
8 Avo tahaka ny lanitra
izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no
fantatrao? [Heb. Sheola]
9 Lava noho ny tany
ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 Raha mandroso Izy ka
misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Fa Izy mahafantatra
ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na:
Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
12 Koa na dia ny
olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza
dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena;
Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
*
13 Raha ampanatrehinao
Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 Ka misy heloka eo
an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao
an-dainao;
15 Dia hahazo
hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy
hatahotra;
16 Fa ho hadinonao ny
fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 Ary hamirapiratra
lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia
ho tonga tahaka ny maraina.
18 Hatoky ianao, satria
misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
19 Dia ho tafandry
ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
20 Fa ny mason'ny ratsy
fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina
ihany no hany sisa azony antenaina.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Marina ary fa ianareo
ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Kanefa izaho mba
manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa
no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4 Tonga fihomehezan'ny
sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga
fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5 Endrehin-datsa ny
ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela
mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny
hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
*
6 Mandry fahizay ny
lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra
an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
7 Kanefa anontanio ange
ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao
izy;
8 Ary makà saina*
amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina
hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]
9 Iza no tsy mahalala,
raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i
Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
10 Izay mitana ny ain'ny
zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
11 Moa tsy ny sofina va
no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12 Ao amin'ny fotsy volo
ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 Ao amin'Andriamanitra
kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14 Indro, mandrava Izy,
ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 Indro, manampina ny
rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 Izy no manana hery
sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17 Alany voninahitra ny
mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny
fahadalan'ny mpitsara.
18 Vahany ny
fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19 Alàny voninahitra ny
mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20 Koroiny ny
laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
21 Mandatsaka
fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
22 Manala rakotra izay
lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo
amin'ny mazava.
23 Mahalehibe ny
firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa
mitondra azy hody indray.
24 Mahavery saina ny
loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
25 Mitsapatsapa
amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo
Izy.
1 Indro, izany
rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2 Izay fantatrareo dia
mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3 Kanefa raha izaho, dia
ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4 Fa ianareo kosa dia
mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5 Enga anie ka hangina
mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
*
6 Masìna ianareo, henoy
ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7 Hanao teny tsy marina
ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va
ianareo?
8 Hiangatra ho Azy va ianareo?
Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
9 Ho tsara aminareo va,
raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka
zanak'olombelona va Izy?
10 Hanameloka anareo
mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11 Tsy hampahatahotra
anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy
aminy?
12 Ireo teny tononinareo
ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13 Mangina, ka mialà
amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
*
14 Nahoana no hitondra
ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na:
Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15 Na dia hamono ahy aza
Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany
aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
16 Ary izao no ho
famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary
ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
17 Mihainoa dia mihainoa
ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18 Indro, fa efa
voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19 Iza no hahazo
hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
*
20 Izao zavatra roa loha
izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21 Esory hanalavitra ahy
ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22 Dia miantsoa, fa
izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23 Firy ary ny heloko sy
ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24 Nahoana no manafina
ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25 Moa izay ravin-kazo
indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no
enjehinao?
26 Fa zava-mangidy no
tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27 Dia mampiditra ny
tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny
hodiavin'ny tongotro dia feranao.
28 Dia izaho ity izay
mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana
lanin'ny kalalao.
1 Ny olona tera-behivavy
dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2 Mitsimoka tahaka ny
voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy
mitoetra.[Na: malazo]
3 kanefa amin'izay toy
izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao
hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao]
4 Aiza no misy madio
ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5 Raha voafetra ny
androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony
ihoarana,
6 Dia mihodina tsy
hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny
mpikarama.[Na: hotaperany]
7 Fa azo antenaina ny
hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy
hisy ny solofony;
8 Na dia efa tonga
antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
9 Raha mahare ny
fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora
nambolena.
10 Fa ny olona kosa maty
ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
11 Ny rano miala eo
amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
12 Ary toy izany koa
ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny
lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
*
13 Enga anie ka
hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy
mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia
hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14 Raha maty ny olona,
moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro
fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako]
15 Dia hiantso Hianao,
ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
16 Fa ankehitriny manisa
ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
17 Efa voaisy tombo-kase
ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
18 Kanefa na dia ny
tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra
hiala amin'ny fitoerany;
19 Lanin'ny rano ny
vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny
fanantenan'ny zanak'olombelona.
20 Mandresy azy ho
mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21 Omem-boninahitra ny
zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
22 Ny mihatra amin'ny
tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no
mampalahelo ny fanahiny.
*
1 [Ny teny fanindroany
nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Tokony handahatra
hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any
atsinanana va,
3 Ary hamaly amin'ny
teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4 Eny, foananao ny
fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na:
hamavoinao]
5 Fa ny helokao no
manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny
helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6 Ny vavanao ihany no
manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
*
7 Hianao va no voalohany
izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va
ianao?
8 Isan'ny mpihevitra teo
amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9 Inona no fantatrao, ka
tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10 Ny anti-panahy sy ny
fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11 Ataonao ho
tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao
amin'ny fahalemem-panahy?
12 Nahoana no dia
entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy
foana ny masonao,
13 Ka miefonefona
amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14 Inona ny
zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15 Indro, ireo anjeliny*
aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
16 Koa mainka fa izay
vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
*
17 Hanambara aminao aho,
ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18 Dia zavatra
notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
19 Ireny ihany no nomena
ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20 Ny ratsy fanahy
mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho
an'ny lozabe.
21 Feo mampitahotra no
ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny
mpandroba.
22 Tsy manantena ho
afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23 Mirenireny hitady
izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro
maizina.
24 Fahoriana sy
fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa
vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
25 Satria naninjitra ny
tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26 Mimaona amin'ny
fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
27 Satria efa matavitavy
tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28 Ary monina ao
an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa
voatendry ho korontam-bato.
29 Tsy hanan-karena izy,
sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny
fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
30 Tsy ho afaka amin'ny
maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny
fofonain'Andriamanitra izy.
31 Aoka tsy ho voafitaka
hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32 Raha mbola tsy tonga
aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33 Ho tahaka ny
voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka
ny voniny.
34 Fa tsy ho vanona ny
ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny
mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
35 Torontoronina
fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Efa nandre zavatra
maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
3 Efa tapitra va izay ny
bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
4 Izaho kosa mba mahazo
miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo
manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
5 Mahazo mampahery anareo
amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana
ataon'ny molotro.
*
6 Na dia miteny aza aho,
dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy
mihena izany.
7 Fa ankehitriny efa
nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
8 Ary efa nampifezaka ny
tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy
ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
9 Amin'ny fahatezerany
no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho
fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
10 Nisanasana vava
tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy
izy.
11 Efa
voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo
an-tànan'ny mpanota.
12 Tamin'ilay izaho tsy
nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka
nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
13 Manodidina ahy ny
mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny
aferoko ho amin'ny tany.
14 Bangabangainy
lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 Lamba fisaonana* no
voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny
tandroko.[Heb. lamba malailay]
16 Ny tavako
tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Kanefa tsy misy
eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 Ry tany ô, aza
manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Fa na dia
ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko
dia any amin'ny avo.
20 Na dia mihomehy
ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa
aho,
21 Mba hanamarina ahy
olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny
sakaizako*.[Heb. sakaizany]
22 Fa rehefa lasa ny
taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
1 Efa ho ritra ny
aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2 Eny, fanesoana
tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3 Masina Hianao, aoka
ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4 Fa ny fon'ireto dia
voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5 Izay manolotra ny
sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
*
6 Ary efa nanao ahy
ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7 Efa pahina ny
masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8 Ankona noho izany
ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny
mpihatsaravela-tsihy.40
9 Fa ny marina mifikitra
tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10 Avia avokoa indray
ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
*
11 Mihelina ny androko,
voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12 Ny alina ataon'ireny
ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13 Raha mbola misy
antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no
hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14 Ny fasana* no
nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny
fahalòvana]
15 Fa aiza ary ny
fanantenako? Ary iza no mahita azy?
16 Midina any amin'ny
vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny
vovoka aho.[Heb. Sheola]
*
1 [Ny teny fanindroany
nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no
hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia
vao hiteny izahay.
3 Sao ataonareo ho
biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
4 Ry ilay mamiravira
tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary
ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
5 Tsy izany, fa ho
faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6 Ny mazava manjary
maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7 Etena ny herin'ny
diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8 Fa ny tongony ihany
no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato
izy;
9 Azon'ny fandrika ny
ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
10 Miafina ao amin'ny
tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11 Fampitahorana no
mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
12 Liana azy ny loza*,
ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
13 Eny, laniny
tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny
fahafatesana.
14 Ongotana hiala
amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay
mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
15 Izay tsy taranany
no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
16 Maina ny fakany ao
ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
17 Ny fahatsiarovana
azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18 Roahina hiala
amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo
izao.
19 Tsy manana fara
mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny
fonenany.
20 Ny manjo azy dia
italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
21 Izany tokoa no anjaran'ny
ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no
hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3 Efa im-polo izay no
nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4 Ary raha diso tokoa
aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5 Raha mirehareha
amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6 Dia aoka ho
fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy
tamin'ny fandrika haratony.
7 Indro, miantso mafy
aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8 Ny lalako dia
nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana
alehako.
9 Ny voninahitro nalany
tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10 Efa nandrava ahy
manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny
fanantenako.
11 Dia nampirehetiny
tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12 Miara-mandroso ny
antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby
manodidina ny laiko.
13 Ny rahalahiko efa
nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14 Efa tsy misy eto
intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
15 Ny vahiny izay
mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa;
Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16 Antsoiko ny
mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
17 Ny fofonaiko
mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
18 Eny, ny ankizilahy
madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy
ireny.
19 Na dia izay
nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay
olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20 Ny taolako miraikitra
amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko
enti-mandositra.
*
21 Mamindrà fo amiko,
mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa
mikasika ahy.
22 Nahoana no manenjika
ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
23 Enga anie ka ho
voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24 Enga anie ka ho
voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho
mandrakizay izy!
25 Kanefa raha izaho,
dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo
ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]
26 Ary rehefa levona ny
hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita
an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27 Eny, izaho no
hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko*
ato anatiko.[Heb. voako]
28 Raha hoy ianareo:
Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny
mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]
29 Dia matahora ny
sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra,
mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
*
1 [Ny teny fanindroany
nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Noho izany dia mamaly
ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no
mahatonga]
3 Reko lalandava ny
anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4 Tsy fantatrao va fa
hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
5 Dia vetivety foana ny
firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny
mpihatsaravelatsihy?44
6 Fa na dia mipaka
amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7 Dia ho very
mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza
izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8 Manidina tahaka ny
nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny
alina izy.
9 Ny maso izay
mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony
ny fitoerany.
10 Ny zanany
hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 Ny taolany dia
feno ny herin'ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka
izany.[Na: ota tsy fantatra]
12 Na dia mamy ao
am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 Ary tsitsiny ka
tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14 Dia miova ny
haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Harena no
nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Ny poizin'ny
vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Tsy ho faly mahita
renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 Tsy azony atelina
izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia
tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Fa nampahory sy
nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Satria tsy
mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany
indrindra izy.
21 Tsy misy tsy
tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 Ho poriporitra
izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23
Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny,
halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 Raha mandositra ny
vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 Tsoahany izany, ka
mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny
aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26 Ny aizim-pito no
voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady
handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27 Hambaran'ny
lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 Ho lasa ny harena
tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.
29 Izany no anjaran'ny
ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Mihainoa dia mihainoa
ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3 Mandefera amiko ianareo,
fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà
ihany indray ianareo.
4 Raha ny amiko, moa ny
ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny
fanahiko?
5 Jereo aho, dia aoka ho
talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6 Eny, raha mahatsiaro
izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7 Nahoana no velona
ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8 Ny zanany koa
mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9 Ny ankohonany
miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Ny ombilahiny
mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Mamoaka ny zanany
madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Mihoby mitondra
ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13 Mandany ny androny
amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any
amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
14 Kanefa anie ireo no
manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny
lalanao.
15 Zinona izay Tsitoha,
no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Indro, tsy avy
amin'ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy
fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
*
17 Indraindray foana
no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary
amelaran'Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na:
izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
18 Ka tonga tahaka ny
mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny
tafio-drivotra.
19 Andriamanitra, hoy
ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny
ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20 Aoka ny masony
ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny
fahatezeran'ny Tsitoha.
21 Fa mampaninona azy
moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
22 Moa Andriamanitra va
no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb.
avo]
23 Maty ny anankiray,
raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana
ahiahy;
24 Feno ronono ny
fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
25 Ary ny anankiray maty
amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Samy mandry ao
amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
*
27 Indro, fantatro ny
hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28 Fa hoy ianareo: Aiza
ny tranon'ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay
fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
29 Kanefa tsy mba
nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*,
ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
30 Amin'ny andro
hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana
dia enti-miala izy?
31 Iza no hanambara ny
lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*?
[Na: Azy]
32 Ary ho entina ho eny
an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy
miambina]
33 Ho mamy aminy ny
bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny
maro tany alohany.
34 Endrey! ity ianareo
mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia
lainga ihany!
*
1 [Ny teny fanintelony
nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Mahasoa
an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny
tenany ihany ny olon-kendry.
3 Mampaninona ny
Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy
diso ny alehanao?
4 Moa ny
fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny
fitsarana?
5 Tsy be va ny
faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6 Fa efa naka tsatòka
tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny
mahantra*.[Heb. mitanjaka]
7 Tsy nanome rano
hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8 Fa ny olona sandriana
ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9 Efa nampialainao maina
ny mpitondratena. Ary tapahina ny
sandrin'ny kamboty.
10 Koa noho izany dia
misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao
tampoka;
11 Moa tsy ianao va ny
maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12 Tsy avo tahaka ny
lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13 Nefa hoy ianao:
Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny
rahona maizina va Izy?
14 Ny rahona matevina
manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15 Moa hizotra amin'ny
lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy
fanahy.
16 Izay nesorina
alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
17 Dia ireo izay manao
tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho
anay*? [Heb. azy]
18 Kanefa Izy no efa
nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19 Ny marina mahita ka
mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20 Marina tokoa fa efa
rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
*
21 Mifankazara amin'ny
Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22 Masìna ianao,
mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23 Raha miverina aminy
ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24 Ario eny amin'ny
vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato
eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25 Fa ny Tsitoha no ho
akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho
anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]
26 Fa amin'izany dia
hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27 Raha mifona aminy
ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28 Ary raha misy
kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny
mazava.
29 Raha misy mietry*,
dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry
izy]
30 Hanafaka ny olona
meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Mbola atao ho
fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny
fisentoako.[Na: mangidy]
3 Enga anie ka ho
fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
4 Dia handahatra ny
teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
5 Ary hahalala izay
teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
6 Hery lehibe va no
handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra
no hihaino ahy
7 Fa amin'izany dia
olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho
tamin'ny Mpitsara ahy.
8 Indro, miantsinanana
aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
9 Mianavaratra amin'izay
iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
10 Fa mahalala ny lalana
falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
*
11 Ny tongotro nifikitra
tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
12 Ny didin'ny molony
tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na:
anjara-haniko]
13 Nefa tsy miova saina
Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
14 Eny, manatanteraka
izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
15 Roa Izany no
mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra
Azy.
16 Fa Andriamanitra no
mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
17 Fa tsy ny
fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na:
Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny
maizim-pito amin'ny tavako Izy]
1 Nahoana no tsy misy
fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy
izany androny Izany?
*
2 Misy mamindra
fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
3 Mandroaka ny
borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
4 Manosika ny mahantra
hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5 Indro, tahaka ny
fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby;
Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
6 Any an-tsaha izy
maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7 Mandry mitanjaka
amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny
hatsiaka;
8 Kotsan'ny
ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy,
fa tsy manam-pialofana.
9 Misarika ny kamboty
eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
10 Mandeha
mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny
amboaram-bary.
11 Manao diloilo eo
anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka
izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]
12 Mitrona ny
lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy
ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
13 Ireny no mpikomy
amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny
alehany.
14 Raha vao
mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy,
ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
15 Ny mason'ny
mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia
manao very maso izy.
16 Misy manamy trano
nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17 Fa ny aizim-pito*
no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny
aizim-pito* izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
18 Mitsinkafona
paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny
lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
19 Toy ny
andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny
fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]
20 Manadino azy ny
vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary
tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy*,[Heb. faharatsiana]
21 Dia ilay nandroba
ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22 Kanefa
halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana
indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23 Ataony mandry
fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24 Nasandratra izy,
kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny
olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
25 Raha tsy izany,
dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
*
1 [Ny teny
fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2 Fanapahana sy
fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
3 Azo isaina va ny
miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy*? [Na: Amin'iza no tsy
iposahan'ny fahazavany?]
4 Ary aiza no
hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio
izay tera-behivavy?
5 Indro, ny volana
aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
6 Koa mainka fa ny
olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
*
1 [Ny teny navalin'i
Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Endrey! nanohana ny
tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
3 Ary nanolo-tsaina
ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
4 Iza no nandaharanao
teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?
5 Ny matoatoa dia
ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
6 Ny
fiainan-tsi-hita* miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy
mirakotra.[Heb. Sheola]
7 Mamelatra ny
lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny
tsy misy.
8 Fonosiny amin'ireo
rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
9 Manakona ny seza
fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
10 Asiany faritra
manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
11 Ny andrin'ny lanitra
nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
12 Ny heriny no
entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*;
[Izahao ix. 13]
13 Ny fanahiny no
mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
14 Indro, ireny dia vao
ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no
andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no
mahatakatra izany?
1 Dia mbola nandroso
nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 Raha velona koa
Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa
nampangidy ny aiko.
3 Fa mbola ato anatiko
ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
4 Dia tsy hanao teny tsy
marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5 Sanatria raha hanaiky
ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho
manan-tsiny aho.
6 Ny fahamarinako dia
hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny
androko iray monja aza.
7 Aoka ho hita fa ratsy
fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 Fa inona no
fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka*
tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny
mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
9 Hihaino ny fitarainany
va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10 Ho azony
hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va
izy?
*
11 Hampianatra anareo ny
amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry
ny Tsitoha.
12 Indreo, ianareo
rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 Izao no anjaran'ny
ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny
Tsitoha:
14 Na dia mihamaro aza
ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky
hanina;
15 Ny ankohonany sisa
dia hasitrik'Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na:
halevina noho ny areti-mandringana]
16 Na dia mahary
volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 Eny, manangona ihany
izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny
volafotsy;
18 Manao ny tranony
tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny
mpiandry voly;
19 Ao avokoa ihany ny
hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony
ireny.
20 Ny fampahatahorana
mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
21 Ny rivotra avy any
atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
22 Asian*'Andriamanitra
izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany
izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']
23 Tehafin'ny olona
tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany*.[Na: Ary ny miray
monina aminy aza misitrisitra azy]
1 Fa misy tany fihadiana
volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2 Ny vy dia alaina avy
amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
3 Ny mpihady vola
mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny
vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4 Mihady lavaka
mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary
mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5 Ny tany no
ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Fitoeran'ny safira
ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7 Làlana tsy fantatry
ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
8 Sady tsy
nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9 Maninjitra ny
tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny
fotony;
10 Ny vatolampy
tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony
avokoa.
11 Tampenany ny
lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina
dia avoakany ho amin'ny mazava.
*
12 Fa aiza kosa no
hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
13 Tsy misy
zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona
izy.
14 Hoy ny lalina: Tsy
ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15 Ny volamena tsara tsy
mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 Ny volamena avy any
Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 Ny volamena sy ny
fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena
volamena izy.
18 Tsy tokony hotsaroana
akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra
noho ny voahangy.
19 Ny topaza avy any
Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena
tsara
20 Dia avy aiza ary
ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
21 Miafina amin'ny
mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
22 Hoy Abadona* sy
Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona =
Fandringanana]
23 Andriamanitra
ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Fa Izy no mitsinjo
hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra
rehetra izao,
25 Ka manendry ny
lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
26 Raha nanao lalana
ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
27 Dia nahita ka
nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28 Dia hoy Izy
tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna
amin'ny ratsy no fahalalana.
1 Dia mbola nandroso
nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 Enga anie ka ho tahaka
ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro
niarovan'Andriamanitra ahy!
3 Fony mbola nazava teo
ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny
maizina;
4 Eny, tahaka ny toetro
fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny
fisakaizan'Andriamanitra;
5 Fony mbola tao amiko
ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]
6 Fony mbola nanasa ny
tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo
teo amiko;
7 Raha niainga niakatra
ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo
ankalalahana,
8 Dia nahita ahy ny
zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 Nangina tsy niteny ny
lehibe ka nitampim-bava;
10 Tsy sahy niteny ny
mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
11 Izay sofina nandre
dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 Satria namonjy ny ory
izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13 Ny fisaoran'izay efa
ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb.
nampihobiko]
14 Nitafy fahamarinana
aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny
izay nananako.
15 Efa maso ho an'ny
jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
16 Efa ray ho an'ny
malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17 Namaky ny nifin'ny
ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18 Dia hoy izaho: Eo
amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika
aho.
19 Ny fakako ho azon'ny
rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
20 Ho vaovao amiko
lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21 Nihaino ahy ny olona,
dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
22 Rehefa niteny aho,
dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
23 Niandry ahy toy ny
fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24 Raha nisy nila ho
ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy
nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.
25 Nifidy ny
lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo
amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
1 Fa ankehitriny kosa
dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko
tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2 Eny, mampaninona
ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3 Manjenjena* noho ny
tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina
izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy
manan-janaka]
4 Mitsongo
anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy* no
fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Roahina tsy ho eo
amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6 Any an-dohasaha
mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 Minananana eny
amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
8 Zanaky ny adala izy
sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
9 Ary ankehitriny efa
ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
10 Ataony toy ny
zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
11 Fa
noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba
nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
12 Misy androvolahy
mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra
tovon-tany hampidirany loza amiko.
13 Mandrava ny lalako
sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
14 Toy ny fiditra eo
amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany*.[Na:
Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
15 Voatodika hamely
ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona
tahaka ny rahona ny famonjena ahy
16 Ary ankehitriny,
raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
17 Ny alina
mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy
ireo.[Heb. manindrona]
18 Noho ny haben'ny
hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka
izany.
19 Eny, nanary ahy
teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
*
20 Mitaraina aminao
aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
21 Efa manjary lozabe
amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
22 Aingainao ho eny
amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra
mifofofofo ho tsinontsinona aho.
23 Fa fantatro fa
hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny
olombelona rehetra.
24 Kanefa tsy manainga
ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha
tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
25 Tsy nitomany ny
ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 Fa niandry ny soa
aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 Nandevilevy ny
tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 Mitsaitsaika
mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka
mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny
hain'andro]
29 Rahalahin'ny
amboadia* aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]
30 Efa mainty ny
hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny
taolako.[Heb. fahamainana]
31 Nanjary fisaonana
ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
1 Efa nampanekeko ny
masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]
2 Fa raha izany, dia
inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha
any amin'ny avo?
3 Moa tsy loza va no
manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 Moa tsy Andriamanitra*
va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
5 Raha tàhiny nandeha
tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
6 (Enga anie ka
holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany
ny tsi-fananako tsiny);
7 Raha tàhiny nivily
niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny
niraikitra tamin'ny tanako:
8 Dia aoka hamafy aho,
fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9 Raha tahìny adala
tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
10 Dia aoka kosa ny
vadiko halain*'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho
an']
11 Fa fahavetavetana
izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
12 Fa afo mandevona
hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13 Raha tàhiny aho nandà
ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14 Dia inona no hataoko,
raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15 Fa moa tsy Izay nanao
ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16 Raha tàhiny aho
nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
17 Na nihinana ny
sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
18 (Fa tsy izany, fa
hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny
kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19 Raha tàhiny aho
nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy
manan-kitafy,
20 Koa tsy
nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb.
valahany]
21 Raha tahìny aho
naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany
tamiko teo am-bavahady:
22 Dia aoka ny
foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho
latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
23 Fa mampahatahotra
ahy* ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho
ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
24 Raha tàhiny aho nanao
ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25 Raha tàhiny ho nifaly
noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
26 Raha tàhiny aho
nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha
tamin'ny fangarangarany izy,
27 Ka voafitaka
mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
28 (Dia heloka
hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra
Izay any ambony aho);
29 Raha tàhiny aho
nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana
izy
30 (Tsia, fa tsy
navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31 Raha tàhiny ny tao
an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany*? [Na: Iza moa no
tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
32 Ny vahiny aza tsy
nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
33 Raha tàhiny aho mba
nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama* ka nanafina ny heloko tato
an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
34 Satria nampihorohoro
ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona,
ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
35 Enga anie ka hisy
hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny
taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
36 Hataoko eny
an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37 Ny isan'ny diako
dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
38 Raha tàhiny
mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39 Raha tàhiny aho
nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny
tompony:
40 Dia aoka ny tsilo
no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea.
Tapitra ny tenin'i Joba.
*
1 [Ny teny nataon'i
Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria
nanamarin-tena Joba.
2 Ary nirehitra kosa
ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama;
eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho
marina noho Andriamanitra izy.
3 Ary tamin'ny
sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny
havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba*.[Na: teny havaliny an'i Joba
hanamelohany azy]
4 Ary Eliho mbola
niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Ary rehefa hitany
fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 ka dia niteny
Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo
kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara
aminareo izay fantatro.
7 Hoy izaho: Aoka ny
fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
8 Kanefa ny fanahy
izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy* ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry
azy.[Na: Dia]
9 Tsy dia ny
fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny
rariny;
10 Ary noho izany dia
hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11 Indro, niandry ny
teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay
holazaina;
12 Eny, nihaino dia
nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na
nahavaly ny teniny akory;
13 Fandrao ianareo
hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy
olona.[Heb. fahendrena]
14 Tsy nandaha-teny
hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
*
15 Very hevitra terỳ
izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16 Hangina va aho,
raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17 Anjarako kosa
izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
18 Fa feno teny ny
foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
19 Endrey! ny ato
anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka
ny siny hoditra vaovao izy.
20 Hiteny aho mba
hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
21 Aoka tsy hizaha
tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
22 Fa tsy mba mahay
mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
1 Kanefa, masìna
ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 Indro, fa efa
niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
3 Ny hitsim-poko no
hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana
fitaka.
4 Ny
Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona
ahy.
5 Raha hainao, valio
ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
6 Indro, izaho koa
mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy
tamin'ny tanimanga.
7 Indro, ny
fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra
aminao.
*
8 Efa nilaza teo
anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
9 Madio tsy
manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 He! mitady izay
handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 Mampiditra ny
tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
*
12 He! izany no tsy
mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny
zanak'olombelona.
13 Koa nahoana no
manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony*?
[Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]
14 Kanefa misy fanao
iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona
izany,
15 Dia ny nofy sy ny
tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo
am-pandriana,
16 Dia manokatra ny
sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 Mba hampiala ny
olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
18 Miaro ny fanahiny
tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
19 Anarina amin'ny
fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany
lalandava;
20 Ary ny ainy
marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
21 Mihena ny nofony
ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22 Dia manakaiky ny
lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
23 Raha misy Anjely
ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
24 Ary* hamindra fo
aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita
avotra Aho,[Na: Dia]
25 Dia ho tsara noho
ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
26 Hivavaka
amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana,
fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona
araka ny fahamarinany Izy]
27 Dia hihira izy
hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa
tsy novaliana araka ny nataoko;
28 Fa navotany ny
fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny
mazava.
29 Indro, izany rehetra
izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
30 Mba hamerina ny
fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na:
hiala]
*
31 Tandremo, ry Joba, ka
mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 Raha manan-kavaly
ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
33 Fa raha tsy
manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko
fahendrena ianao.
1 Ary mbola niteny
ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Mandrenesa ny
teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
3 Fa ny sofina no
mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
4 Koa aoka izay rariny
no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
5 Fa Joba efa nanao hoe:
Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
6 Marina ny ahy, nefa
ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy
manam-pahadisoana aza aho.
7 Aiza moa no misy
lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny
fisotro rano.
8 Ary tonga naman'ny
mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
9 Fa hoy izy: Tsy
mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
10 Koa amin'izany
mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy!
Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
11 Fa ny nataon'ny
olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany
avy Izy.
12 Eny tokoa,
Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny
rariny.
13 Iza moa no nanendry
Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
14 Raha tàhiny ny tenany
ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
15 Dia hiala avokoa ny
ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
*
16 Raha manam-pahalalana
ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
17 Moa mahay mifehy va
izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
18 (Mety va ny miteny
amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
19 Dia Ilay tsy
mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany,
satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
20 Maty amin'ny
indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy
ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
21 Fa ny
mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra
Izy.
22 Tsy misy aizina na
alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
23 Fa Andriamanitra
tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo
anatrehany.
24 Manorotoro ny olona
mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25 Koa hita amin'izany
fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
26 Tehafiny tanana
tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo* eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy
toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
27 Izao no nialan'ireo
tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
28 Dia ny mba hahatonga
ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
*
29 Mangina* Izy, ka iza
no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny
firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
30 Mba tsy hanjakan'ny
ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
31 Fa moa mba efa nisy
niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao
ratsy intsony;[Na: nijaly]
32 Izay tsy hitako mba
ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
*
33 Moa araka ny hevitrao
va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa
tsy izaho*, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no
hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy
izaho]
34 Ny olona manam-panahy
hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
35 Miteny tsy
amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
36 Enga anie ka
hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny
ratsy fanahy!
37 Fa ampiany
fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro
ho enti-miady amin'Andriamanitra.
1 Ary mbola niteny
ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Ataonao va fa marina
ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
3 Fa hoy ianao: Mahasoa
ahy* manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny
fahotako? [Heb. anao]
4 Izaho no hiteny hamaly
anao Mbamin'ny namanao.
5 Jereo ary ny lanitra
ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
6 Raha manota ianao, moa
mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
7 Raha marina ianao, dia
hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
8 Mihatra amin'ny olona
tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny
fahamarinanao.
9 Noho ny habiazan'ny
fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny
mahery,
10 Nefa tsy misy manao
hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
11 Izay manome
fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome
fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
12 Eny, mitaraina mafy
ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
13 Ny fitarainam-poana
dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
14 Na dia lazainao fa
tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry
Azy ianao.
15 Koa raha saingy tsy
mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
16 Mba miloa-bava foana
anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
1 Ary mbola nandroso
niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Mahareta kely amiko,
dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
3 Halaiko avy lavitra ny
fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
4 Fa tsy lainga tsy
akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
*
5 Indro, lehibe
Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana
Izy.
6 Tsy mitsimbina ny
ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
7 Tsy mampiala ny masony
amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no
ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
8 Ary raha voafatotra
amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
9 Dia ambarany azy ny
asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
10 Dia manokatra ny
sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
11 Raha mihaino ka
manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny
fahafinaretana
12 Fa raha tsy mihaino
kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13 Fa ny
mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia
afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
14 Ka dia maty raha
mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta*,[Dia ny olona
mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
15 Fa ny fahorian'ny ory
kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra
ny sofiny.
16 Ary na dia ianao aza
dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery;
Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
17 Nefa raha
fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy
ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
18 Aoka tsy hamporisika
anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny
halehiben'ny avotra.
19 Moa hahatonga anao ho
ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny
fahatanjahana?
20 Aza irinao ny
hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
21 Tandremo, aza mivily
ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
*
22 Indro, Andriamanitra
miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka
Azy?
23 Iza no efa nandidy
Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao
ratsy Hianao?
24 Tsarovy ny hankalaza
ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
25 Fa faly mahita izany
ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
26 Indro, lehibe
Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
27 Fa mampisavoana ny
rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
28 Izay aidin'ny
rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
29 Ary koa, iza moa
no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30 Indro, mamelatra
ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
31 Fa ireny zavatra
ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
32 Mifono fahazavana ny
tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy
ny fanamelohana]
33 Ny fikotrokotrony dia
manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
1 Eny, izany no
mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
2 Mihainoa dia mihainoa
ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
3 Mandefa izany ho eny
ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin'ny faran'ny tany.[Heb.
fahazavany]
4 Manarakaraka izany,
dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy,
ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5 Mahagaga ny
fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny
saintsika Izy.
6 Fa ny oram-panala
baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny
ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Mampiohona* ny
tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay
nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
8 Ary miditra ao
am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 Avy any atsimo* ny
tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb.
efi-trano][**Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]
10 Ny
fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Ny rahona matevina
tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
12 Dia mihodinkodina
araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny
ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho
amin'ny tany]
13 Na alatsany ho
famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na:
alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
*
14 Mihainoa izany, ry
Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
15 Fantatrao va ny
fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony?
[Heb. fahazavany]
16 Fantatrao va ny
fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny
fahalalana?
17 Hianao izay
mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra
avy any atsimo,
18 Moa ianao
niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy
ny zavatra manganohano natao an-idina?
19 Mba ampianaro anay
ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 Holazaina aminy va,
raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny
ta-hatelina]
21 Tsy hita ankehitriny
ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra,
dia mampisava azy ihany izany.
22 Avy any avaratra no
ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra
mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]
23 Ny Tsitoha, tsy
mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny
fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]
24 Koa izany no
atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny
hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
*
1 [Ny teny navalin'i
Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i
Joba ka nanao hoe:
2 Iza moa izato manao
izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3 Misikina ary tahaka ny
lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 Taiza ary ianao, fony
Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Iza ary no nandidy
izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Teo amin'inona no
nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 Raha niara-nihira ny
kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8 Ary iza no nanao
varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka
izy,
9 Raha nanao ny rahona
ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 Ary nandidy ny ho
fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 Ka nanao hoe:
Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny
fisafoaky ny onjanao?
*
12 Hatrizay niainanao
moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny
fipoak'andro,
13 Mba horaisiny ny
sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 Ary hiova tahaka
ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny
tarehiny, [Heb. fitafiana]
15 Ary hosakanana ny
fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
*
16 Moa efa niditra
hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany
amin'ny fanambanin'ny lalina?
17 Moa efa naharihary
taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny
aloky ny fahafatesana?
18 Moa efa voadinikao
ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany
rehetra izany.
*
19 Aiza ary no lalana
ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
20 Mba hitondranao
izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Eny, fantatrao
mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
*
22 Moa efa niditra tany
amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny
havandra,
23 Izay voatahiriko ho
amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24 Aiza moa no lalana
izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ
ambonin'ny tany?
25 Iza moa no nihady
lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry
ny kotrokorana,
26 Handatsaka ranonorana
ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy
mponina,
27 Mba hahavonto ny
efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 Manan-dray va ny
ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
29 Kibon'iza moa no
nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no
niteraka azy?
30 Tonga mafy toy ny
vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
*
31 Mahavona ny
kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 Mahavoaka ny
Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va
ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
33 Fantatrao va ny
lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
34 Mahasandratra ny
feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano
mandriaka?
35 Mahay mandefa ny
helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Iza moa no nanao ny
rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho
fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona?
Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
37 Iza moa no
manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny
fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
38 Hitambaran'ny vovoka
ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
39 Mahay mihaza toha ho
an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
40 Raha mamitsaka ao
amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?
41 Iza moa no manome
hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy
mahita hanina?
1 Fantatrao va ny
fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny
fiterahan'ny dieravavy?
2 Mahisa ny andro
ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny
volana taperiny]
3 Miondrika izy ka
teraka, sady alefany ny faharariany.
*
4 Donga ny zanany,
mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5 Iza moa no nandefa ny
boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
6 Izay nomeko ny
tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7 Ihomehezany ny
fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
*
8 Any
an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra
izy.
9 Mba mety manompo anao
va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
10 Mahafatotra ny
ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao
handravona bainga any an-dohasaha va izy?
11 Azonao itokiana va
izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony
va ny asanao?
*
12 Azonao itokiana
hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
13 Mikopakopaka noho
ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny
volony?
14 Tsia, fa mandao ny
atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
15 Ary tsy ahiny izay
ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
*
16 Tsy tia ny zanany izy
fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy
ahoany akory izany;
17 Fa efa
nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara
fahalalana.
18 Raha
mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny
mpitaingina azy.
19 Moa manome hery ny
soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
20 Mahay mampitsipika
azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
21 Mihehy ao amin'ny
lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb.
fiadiana]
*
22 Mihomehy ny tahotra
izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
23 Mifioka eny amboniny
ny zana-tsipìka* sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb.
tranon-jana-tsipìka]
24 Miriotra mafy*
amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony,
rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina ny tany][**Na: Tsy mino izy fa
feon'ny anjomara izany]
25 Na oviana na oviana
no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola
lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
26 Ny fahendrenao va no
mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
27 Noho ny didinao va
no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28 Eny amin'ny
harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy
ao amin'ny fiarovana.
*
29 Any no itazanany
remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
30 Mitsentsitra rà ny
zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
*
*
*
1 [Ny naneken'i Joba
ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly
an'i Joba nanao hoe:
2 Hiady amin'ny Tsitoha
va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
3 Ary Joba dia namaly
an'i Jehovah ka nanao hoe:
4 Indro, tsinontsinona,
aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
5 Efa niteny indray
mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny
intsony aho.
6 Dia namaly an'i Joba
teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
7 Misikina tahaka ny
lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
8 Hanaisotra ny rariny
amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
9 Manan-tsandry tahaka
ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va
ianao?
*
10 Miravaha
fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
11 Alefaso ny
fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
12 Eny, jereo ny
avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy
fanahy.
13 Asitriho ao amin'ny
vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
14 Fa Izaho kosa dia
hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
15 He! jereo ange ny
behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra
tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]
16 Indro, eo amin'ny
valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
17 Henjaniny ny rambony
ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
18 Ny taolany dia
tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
19 Voalohany amin'ny
asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
*
20 Mamoaka hanina ho
azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
21 Eo ambanin'ny hazo
lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
22 Manalokaloka azy
ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
23 Indro, na dia
maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana
amin'ny vavany aza.
24 Moa misy
mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy
mahatsindrona ny orony va?
25 Mahasarika ny
mamba* amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny
mahazaka?[Heb. leviatana]
26 Mahisy tady zozoro
amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
27 Hifon-jato amin'arivo
aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
28 Hanao fanekena aminao
va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
29 Hilalao azy tahaka ny
filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va
ianao?
30 Hataon'ny mpaka
hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
31 Mahafeno lefom-pohy
ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?
32 Atehefo aminy ange ny
tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
1 Indro, foana ny
fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
2 Tsy misy sahy manao
vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
3 Iza no nanome Ahy
aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny
lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
4 Tsy mbola hangina
Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
5 Iza no mahasonga ny
fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
6 Iza no mahasokatra
ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
7 Reharehany ny
faharaoraon'ny kirany*, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase
ireo;[Heb. ampingany]
8 Mikirindro ireo, ka
tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
9 Mifanindry lany ireo
sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
10 Ny fieviny dia
mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
11 Lelafo no mivoaka avy
amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
12 Ny vavorony dia
ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny
fahandroana*.[Na: afon-kerana]
13 Ny fofonainy
mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
14 Ny vozony no
itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
15 Mivalombalona ny
hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
16 Mafy tahaka ny
vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
17 Raha mitsangana
izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
18 Raha misy mamely
azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka,
na ny zana-tsipìka.
19 Ataony toy ny
mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
20 Tsy mampandositra
azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
21 Ataony ho toy ny
vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
22 Ny takibany dia
tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny
fotaka izy.
23 Mampandevy ny
lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany
misy menaka manitra izy.
24 Mampahazava ny
lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny
volo fotsy ny lalina.
25 Tsy misy tahaka azy
eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
26 Ny avo rehetra jereny
avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy
*
1 [Ny teny farany
nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia
namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
2 Fantatro fa hainao
avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
3 Iza no mahatakona ny
fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia
zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
4 Mifona aminao aho,
mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
5 Fandrenesan'ny sofina
ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
6 Koa dia miaiky sy
mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
*
7 Ary rehefa voalazan'i
Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza
Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy
mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
8 Koa ankehitriny makà
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba
mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no
hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny
fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny
filàzanareo Ahy.
9 Dia nandeha Elifaza
Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i
Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
10 Ary Jehovah nampody
ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy
indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
11 Dia avy ny rahalahiny
rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka
nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady
nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy;
ary samy nanome azy vakim-bola* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy
rehetra.[Heb. kesita;]
12 Ary Jehovah nitahy ny
niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra
arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy
arivo izy.
13 Ary nanan-janaka fito
lahy sy vavy telo koa izy,
14 ka ny anaran'ny
zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny
anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
15 Ary tsy nisy vehivavy
tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary
niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
16 Ary mbola velona
efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny
zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.
17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana*.[Heb. voky andro]