1 Jaona
1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny
vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia
izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny
tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia
tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao
amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -
3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba
hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i
Jesosy Kristy Zanany.
4 Ary izao zavatra
izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]
5 Ary izao no teny
renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy
maizina akory ao aminy.
6 Raha hoy isika:
Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga
isika ka tsy manao ny marina.
7 Fa raha mandeha eo
amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika,
ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
8 Raha hoy isika: Tsy
manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9 Raha miaiky ny
fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy
manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
10 Raha hoy isika:
Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
1 Anaka, izany
zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy
manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay
Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16]
2 ary Izy no avotra*
noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo
izao koa. [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]
3 Ary izao no
ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4 Izay manao hoe:
Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy
ao anatiny.
5 Fa na iza na iza
mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana
an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny
fitiavan'Andriamanitra]
6 Izay* milaza fa
mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na:
Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc]
7 Ry malala, tsy didy
vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny
voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
8 Ary koa, didy
vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria
miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9 Izay milaza fa ao
amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny
maizina ihany.
10 Izay tia ny
rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao
aminy.
11 Fa izay mankahala
ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy
mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12 [Fananarana mba
tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara
ao amin'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo
noho ny anarany.
13 Manoratra aminareo
ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra
aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra
taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
14 Nanoratra
taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo.
Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao
anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15 Aza tia izao
tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia
izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16 Fa ny zavatra
rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary
ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao
tontolo izao ihany.
17 Ary mandalo izao
fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no
maharitra mandrakizay.
18 Rankizy, izao no
ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no
antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora
farany. [* Na: ilay]
19 Avy tamintsika
ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika
izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy
isantsika izy rehetra.
20 Fa ianareo kosa
manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Tsy noho ny tsy
ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo
izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
22 Iza no mpandainga,
afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny
Zanaka. [* Na: ilay antikristy]
23 Izay rehetra
mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny
Ray koa.
24 Ary ny aminareo,
dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha
mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao
amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
25 Ary izao no teny
fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26 Izany zavatra
izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
27 Ary ny aminareo,
dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila
hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo
ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy
ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28 Ary ankehitriny,
anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy
ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.
29 Raha fantatrareo
fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
TOKO 3. 1 [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy
hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny
fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe
zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala
antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen']
2 Ry malala,
ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho
toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa
ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
3 Ary izay rehetra
manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio
tahaka Azy.
4 Izay rehetra manota
no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5 Ary fantatrareo fa
Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na:
hitondra]
6 Izay rehetra
mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na
nahalala Azy.
7 Anaka, aza avela
hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8 Izay manota dia avy
amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no
nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
9 Izay rehetra
naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary
tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra.
10 Izany no mampiseho
miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy
amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny
rahalahiny.
11 Fa izao no teny
nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia
isika,-
12 tsy mba tahaka
an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no
namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.
13 Aza gaga, ry
rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo.
14 Fantatsika fa efa
tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny
rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.
15 Izay rehetra
mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy
mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
16 Izao no
ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika;
ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17 Ary izay rehetra
manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny
ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao
anatiny?
18 Anaka, aoka tsy ho
tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
19 Izany no
hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika
eo anatrehany,
20 na amin'inona na
amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho
ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Ry malala, raha
tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo
anatrehan'Andriamanitra isika.
22 Ary na inona na
inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy
manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23 Ary izao no
didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny
hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24 Ary izay
mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no
ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny
antsika.
1 [Ny amin'ny
fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny
hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny
fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na
tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
2 Izao no
ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa
tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;
3 ary ny fanahy
rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary
izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo
amin'izao tontolo izao sahady izy.
4 Anaka,
ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay
ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
5 Isan'izao
tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary
mihaino azy izao tontolo izao.
6 Avy
amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay
tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny
fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.
7 Ry malala,
aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra
tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
8 Izay tsy tia dia
tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
9 Izao no nanehoana
ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana
tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
10 Izao no fitiavana:
tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny
Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
11 Ry malala, raha
izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
12 Tsy mbola nisy
olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia
mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny
fitiavany*. [* Na: ny fitiavana Azy]
13 Izao no
ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny
nanomezany antsika ny Fanahiny.
14 Ary izahay efa
nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo
izao.
15 Na iza na iza
manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary
izy kosa ao amin'Andriamanitra.
16 Ary isika efa
mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia
fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao
amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
17 Izany no
ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny
andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao.
18 Tsy manan-tahotra
ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny
tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
19 Isika tia, satria
Izy efa dia antsika taloha.
20 Raha misy manao
hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga
izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia
an'Andriamanitra Izay tsy hitany?
21 Ary izao no didy
efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny
rahalahiny koa.
1 Izay rehetra mino
fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay
niteraka dia tia izay naterany koa.
2 Izao no
ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika
an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
3 Fa izao no
fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy
mavesatra ny didiny.
4 Fa izay rehetra
naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay
enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Iza moa no maharesy
izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
6 Izy ilay avy
tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny
rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
7 Fa misy telo izay
manambara,
8 dia ny Fanahy sy ny
rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
9 Raha mandray ny
fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny
fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
10 Izay mino ny
Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino
an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay
nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
11 Ary izao no
fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny
Zanany izany fiainana izany.
12 Izay manana ny
Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy
manana ny fiainana.
13 [Ny amin'ny
fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy]
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba
ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
14 Ary izao no
fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny
sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
15 ary raha
fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia
fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
16 Raha misy mahita
ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary
Andriamanitra no hanome azy fiainana* ho an'izay manao ota tsy mahafaty*. Misy
ota mahafaty**; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy. [* Gr.
ota tsy ho amin'ny fahafatesana] [** Gr. ota ho amin'ny fahafatesana]
17 Ota avokoa ny
tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty*. [* Gr. ota ny ho amin'ny
fahafatesana]
18 Fantatsika fa izay
rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra,
dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay
naterak'Andriamanitra no miaro azy]
19 Fantatsika fa avy
amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay
ratsy avokoa.
20 Ary fantatsika fa
tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho
fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy
Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
21 Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.