Nehemia
1 Ny tantaran'i Nehemia,
zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany
an-dapa any Sosana aho,
2 dia tonga Hanany,
anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary
nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana,
ary ny amin'i Jerosalema.
3 Ka hoy no navaliny
ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra
fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo
ny vavahadiny.
4 Ary rehefa nandre
izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary
nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra
5 ka nanao hoe: Indrisy!
ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay
mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
6 aoka hihaino ny
sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay
ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely
mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay
taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.
7 Efa nanao izay ratsy
indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny
fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.
8 Hotsarovanao anie ilay
teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo,
dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho;
9 nefa raha miverina
amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka
hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho
entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
10 Ary ireo dia mpanomponao
sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
11 Koa mitaraina aminao
aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny
mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina
anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io
aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
*
1 Ary tamin'ny volana
Nisana tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Artaksersesy, raha teo anoloany
ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba
nalahelo teo anatrehany.
2 Dia hoy ny mpanjaka
tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy
zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
3 ka nanao tamin'ny
mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo
tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon'ny afo ny
vavahadiny?
4 Dia hoy ny mpanjaka
tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra
aho aloha,
5 dia vao niteny
tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao
ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanàna misy ny
fasan-drazako mba hanamboarako izany.
6 Ary hoy ny mpanjaka
tamiko (ny vadin'ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona
any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny
handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
7 Ary hoy koa aho
tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin'ireo
governora any an-dafin'ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
8 sy taratasy ho amin'i
Asafa, mpitandrina ny alan'i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny
vavahadin'ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan'ny tanàna sy ny
trano izay hitoerako. Dia nomen'ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon'ny
tànan'Andriamanitro tamiko.
9 Dia tonga tany
amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin'ny
mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly
hanatitra ahy.
10 Raha nahare izany
Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy
lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak'Isiraely.
11 Dia tonga tany
Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
12 Ary nifoha
tamin'ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona
nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy
nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
13 Dia nandeha alina
aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny
loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i
Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo.
14 Dia nankany amin'ny
vavahadin-doharano sy ny farihin'ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana
azon'ilay biby nitaingenako naleha akory.
15 Dia niakatra teo
amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka
niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.
16 Nefa ireo
mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin'izay dia tsy
mbola nolazaiko tamin'ny Jiosy izany, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny
manan-kaja, na tamin'ny mpanapaka, na tamin'ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
17 Ary hoy izaho
taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika , fa rava Jerosalema ary nodoran'ny
afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy
ho latsa intsony isika.
18 Dia nambarako azy
ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay
nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra
azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
19 Fa nony ren'i
Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby
sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy
amin'ny mpanjaka angaha ianareo?
20 Dia namaly azy aho
ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia
hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na
rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.
*
1 Dia nitsangana
Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny
vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny;
hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
2 Ary manarakaraka ireo
dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia
nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry.
3 Ary ny vavahadin-kazandrano
dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny
lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
4 Ary manarakaraka ireo
dia namboatra koa Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io
dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary
manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana.
5 Ary manarakaraka io
dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety
nampiondrika ny vozony ho amin'ny fanompoana ny Tompony.
6 Ary ny vavahady taloha
dia namboarin'i Joiada, zanak'i Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa
lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny
vavombiny.
7 Ary manarakaraka ireo
dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany
Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony
etỳ.
8 Manarakaraka ireo dia
namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io
dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i
Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe.
9 Ary manarakaraka io
dia namboatra koa Refaia. zanak'i Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i
Jerosalema.
10 Ary manarakaraka io
dia namboatra koa Jedaia, zanak'i Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny
tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia.
11 Ny sasany koa
mbamin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i
Harima, sy Hasoba. zanak'i Pahatamoaba.
12 Ary manarakaraka ireo
dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i
Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
13 Ny vavahady
mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no
nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny
vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny
vavahadin-jezika.
14 Ary ny
vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i
Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny
mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
15 Ary ny
vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny
fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny
lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny
farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga
midina avy any an-Tanànan'i Davida.
16 Ary manarakaraka io
dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i
Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny
farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.
17 Manarakaraka io dia
namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia
namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny
fehiny.
18 Manarakaraka io dia
namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny
antsasaky ny fehin'i Keila.
19 Ary manarakaraka lreo
dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny
tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny
fiolahana.
20 Manarakaraka io koa
dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana
ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
21 Manarakaraka io koa
dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny
varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
22 Ary manarakaraka io
dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.
23 Manarakaraka ireo dia
namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany.
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania,
teo anilan'ny tranony ihany.
24 Manarakaraka io koa,
dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka
hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony.
25 Ary Palala, zanak'i
Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo
amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny
tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
26 Ary ny Netinima dia
nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny
mandroso eo amin'ny tilikambo.
27 Ary manarakaraka ireo
koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny
tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela.
28 Hatreo ambonin'ny
vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny
tranony avy.
29 Manarakaraka ireo dia
namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony
ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry
ny vavahady atsinanana.
30 Manarakaraka io koa
dia nisy namboarin'i Hanania, zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i
Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny
teo amin'ny tandrifin'ny efi-tranony ihany.
31 Manarakaraka io dia
namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima
sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka
hatramin'ny trano ambony teo an-jorony.
32 Ary ny teo
anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny
mpanefy volamena sy ny mpandranto.
33 Ary rehefa ren'i
Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy
ny Jiosy,
34 dia niteny teo
anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy
osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo?
Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona
miavosa va ireo?
35 Ary Tobia Amonita dia
teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo
amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
36 Mihainoa, ry
Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany
ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy.
37 Aza manarona ny
helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa
nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy.
38 Ka dia narafitray
ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto
niasa ny olona.
*
1 Ary rehefa ren'i
Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny
mandan'i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny
fahatezerany.
2 Ary niray tetika izy
rehetra handeha hamely an'i Jerosalema ka hanimba ny asa.
3 Dia nivavaka
tamin'Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman'alina
noho ny fahatahoranay azy.
4 Ary hoy ny Joda:
Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia
tsy maharafitra ny manda izahay.
5 Ary hoy kosa ny
fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka
mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.
6 Ary rehefa tonga ny
Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na
avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
7 dia nasiako olona teo
amin'ny fitoerana ambany, teo ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny,
nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary
tsipìka.
8 Dia nijery aho sady
nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa
hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka
miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny
vadinareo ary ny tranonareo.
9 Ary nony ren'ny fahavalontsika
fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan'Andriamanitra ny heviny, dia niverina
ho amin'ny manda izahay rehetra, samy ho amin'ny asany avy indray.
10 Ary hatramin'izay
andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna
lefona aman'ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia
teo ivohon'ny fianakaviana rehetra amin'ny Joda.
11 Ary izay nandrafitra
ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia
samy niasa tamin'ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany
anankiray.
12 Ary ny mpandrafitra
rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin'ny valahany avy, ka dia
nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
13 Ary hoy izaho
tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny
asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny manda isika ka mifanalavitra.
14 Koa eo amin'izay
fitoerana andrenesanareo ny feon'ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo;
fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
15 Dia nanao ny asa
izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin'ny mazavaratsy ka
mandra-piposaky ny kintana.
16 Ary tamin'izany andro
izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo
mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha
antoandro.
17 Fa izaho sy ny
rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy
niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.
1 Ary nitaraina mafy ny
lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny.
2 Fa nisy nanao hoe:
Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary
izahay mba hohaninay hivelomanay.
3 Ary nisy koa nanao
hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka,
koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
4 Ary nisy koa indray
nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny
taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
5 Kanefa mba tahaka ny
nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay;
fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy
ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy
manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny
tanim-boalobokay.
6 Dia tezitra indrindra
aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
7 Ary nihevitra tao
am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao
taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia
nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
8 Ary hoy izaho taminy:
Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay,
izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny
rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay
havaliny.
9 Ary hoy koa aho: Tsy
tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana
an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?
10 Izaho sy ny rahalahiko
ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re
hafointsika izany trosa izany;
11 eny, masìna ianareo,
ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy
ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay
nampisamborinareo azy.
12 Dia hoy ireo: Eny,
hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka
izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka
izany teny izany,
13 sady nanakopaka ny
lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no
hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny
izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana
tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera
an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
14 Ary koa, hatramin'ny
andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona
faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i
Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba
nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora.
15 Fa ireo governora
fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy
hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza
dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny
fahatahorako an'Andriamanitra.
16 Eny, izaho naharitra
nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra
dia voangona hanao ny asa.
17 Ary teo amin'ny
latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo
aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay.
18 Ary ny namboarina ho
ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray
mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany
aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra
ny olona ny fanompoana.
19 Tsarovy aho ka hasoavy,
ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.
TOKO 6
1 Ary rehefa ren'i
Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny
manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy
mbola voalatsako ny lela-vavahady),
2 dia naniraka ho any
amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra
anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3 Dia naniraka olona
hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho;
nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?
4 Kanefa mbola naniraka
tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy
izany ihany koa.
5 Dia nirahin'i Sanbala
fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy
nivelatra teny an-tànany,
6 izay nisy soratra hoe:
Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema
hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary
araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
7 sady efa nanendry ny
mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary
ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika
hiara-mihevitra.
8 Dia naniraka ho any
aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao
ihany no namoronanao izany.
9 Fa ta-hampahatahotra
anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa
ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
10 Ary izaho dia tonga
tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano
tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny
tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny,
ho avy alina hamono anao izy.
11 Fa hoy izaho: Moa ny
lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo
miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12 Ary hitako fa, indro,
tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany
ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala.
13 Izany no nanambazany
azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy
hanaratsiany ahy.
14 Ry Andriamanitro ô,
tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy
sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15 Dia vita tamin'ny roa
amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo
tamin'ny volana Elola.
16 Ary rehefa ren'ny
fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina
anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no
nahavitàna izany asa izany.
17 Ary tamin'izany andro
izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i
Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.
18 Fa nisy maro tany
Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara,
izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i
Berekia.
19 Ary nisy koa teo
anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary
Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.
*
1 Ary nony vita ny
manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy
ny mpihira ary ny Levita,
2 dia notendreko Hanany
rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa
lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3 Koa hoy izaho
tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny
andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny
varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato
Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny
tandrifin'ny tranony avy.
4 Ary malalaka sy lehibe
ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
5 Ary
nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny
vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy
filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra
tao:
6 Izao no lehilahy
amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo
nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy
Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 dia ny olona izay
niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany
sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny
isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
8 Ny taranak'i Parosy
dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
9 ny taranak'i Sefatia
dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
10 ny taranak'i Ara dia
roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11 ny taranak'i
Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo
amby valon-jato sy roa arivo;
12 ny taranak'i Elama
dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
13 ny taranak'i Zato dia
dimy amby efa-polo amby valon-jato;
14 ny taranak'i Zakay
dia enim-polo amby fiton-jato;
15 ny taranak'i Binoy
dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
16 ny taranak'i Bebay
dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
17 ny taranak'Azgada dia
roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
18 ny zanak'i Adonikama
dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
19 ny taranak'i Bigvay
dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
20 ny taranak'i Adina
dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
21 ny taranak'i Atera,
avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
22 ny taranak'i Hasoma
dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
23 ny taranak'i Bezay
dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
24 ny taranak'i Harifa
dia roa ambin'ny folo amby zato;
25 ny taranak'i Gibeona
dia dimy amby sivi-folo.
26 Ny mponina tany
Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
27 ny mponina tany
Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
28 ny mponina tany
Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29 ny mponina tany
Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
30 ny mponina tany Rama
sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
31 ny mponina tany
Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
32 ny mponina tany
Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
33 ny mponina tany
amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
34 ny zanak'ilay Elama
anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
35 ny zanak'i Harima dia
roa-polo amby telon-jato;
36 ny zanak'i Jeriko dia
dimy amby efa-polo amby telon-jato;
37 ny zanak'i Loda sy
Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
38 ny zanak'i Sena dia
telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
39 Ary ny mpisorona koa
dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby
fito-polo amby sivin-jato;
40 ny taranak'Imera, dia
roa amby dimam-polo amby arivo;
41 ny taranak'i Pasora
dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
42 ny taranak'i Harima
dia fito ambin'ny folo sy arivo.
43 Ary ny Levita koa dia
izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra
amby fito-polo.
44 Ary ny mpihira koa
dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
45 Ary ny mpiandry
varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i
Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo
amby telo-polo amby zato.
46 Ary ny Netinima koa
dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
47 ny taranak'i Kerosa,
ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,
48 ny taranak'i Lebana,
ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay,
49 ny taranak'i Hanana,
ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara,
50 ny taranak'i Reaia,
ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda,
51 ny taranak'i Gazama,
ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea,
52 ny taranak'i Besay,
ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
53 ny taranak'i Bakboka,
ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,
54 ny taranak'i Bazlita,
ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
55 ny taranak'i Barkosa,
ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
56 ny taranak'i Nezia, ny
taranak'i Hatifa.
57 Ary ny taranaky ny
mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta,
ny zanak'i Perida,
58 ny taranak'i Jala, ny
taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
59 ny taranak'i Sefatia,
ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
60 Ny Netinima rehetra
sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
61 Ary izao no niakatra
avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza
ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
62 ny taranak'i Delaia,
ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
63 Ary ny avy tamin'ny
mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i
Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka
notononina araka ny anarany.
64 Ireo dia nitady ny
soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka
nesorina tamin'ny fisoronana.
65 Ary ny governora
nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy
mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
66 Ny tontalin'ny olona
rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
67 afa-tsy ny ankizilahiny
sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary
nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
68 ny soavaliny dia
enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby
roan-jato;
69 ny ramevany dia dimy
amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina
arivo.
70 Ary ny sasany
tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora
nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona
telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
71 Ary ny sasany
tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane
volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
72 Ary izay nomen'ny
olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary
akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
73 Ary samy tafapetraka
teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny
mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
*
TOKO 8. 1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy
tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy
rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i
Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay
nandidian'i Jehovah ny Isiraely.
2 Dia nentin'i Ezra
mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo
anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa
mahahaino.
3 Dia novakina teo
an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka
ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy
mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny
bokin'ny lalàna.
4 Ary Ezra
mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho
fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no
nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy
Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
5 Dia nosokafan'i Ezra
teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra
izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6 Ary Ezra nisaotra an'i
Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly
hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo
anatrehan'i Jehovah.
7 Ary Jesoa sy Bany sy
Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria
sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny
lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany.
8 Dia novakiny mazava ny
teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny
heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.
9 Ary Nehemia governora
sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia
nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity
andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha
nandre ny tenin'ny lalàna.
10 Dia hoy izy taminy:
Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy
manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza
malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho
anareo.
11 Ary ny Levita
nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro
ity; koa aza malahelo ianareo.
12 Dia nandeha ny olona
rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly
indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
13 Ary nony ampitson'iny
dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona
rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.
14 Dia hitany voasoratra
teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra
ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana
amin'ny volana fahafito,
15 ary tokony hampandre
ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe:
Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho
azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano
rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
16 Dia nandeha ny olona
ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony
avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra
sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana
akaikin'ny vavahadin'i Efraima.
17 Eny, nanao trano
rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny
fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny
Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany
andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.
18 Ary namaky ny teny
tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny
andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana
hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
1 Ary tamin'ny andro
fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely,
sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.
2 Dia niavaka tamin'ny
olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny
fahotany sy ny heloky ny razany.
3 Ary nitsangana teo
amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i
Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny
andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
4 Ary Jesoa sy Bany sy
Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo
ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.
5 Ary hoy ny Levita, dia
Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary
Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay
mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny
fisaorana sy ny fiderana rehetra.
6 Hianao dia Hianao
irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra,
mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina
sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any
an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
7 Hianao no Jehovah
Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny
Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
8 ary Hianao nahita ny
fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny
tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary
ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria
marina Hianao.
9 Ary nahita ny
fahorian'ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo
amoron'ny Ranomasina Mena,
10 dia nanao famantarana
sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra
tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao
anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
11 Ary ny ranomasina dia
nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny
tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina
tahaka ny vato amin'ny rano manonja.
12 Andri-rahona no
nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy
hahitany izay lalana tokony halehany.
13 Efa nidina tao
ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka
nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
14 Ary nampahalala azy
ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba
ary lalàna taminy;
15 ary mofo avy tany
an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no
navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa
hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
16 Fa niavonavona ireny
razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
17 ary nandà tsy nety
nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy;
fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho
any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra
sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
18 Eny, nanao ilay ombilahy
kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao
hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
19 kanefa noho ny
haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny
andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha
antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay
lalana tokony halehany.
20 Ary ny Fanahinao
tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny
vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
21 eny, efa-polo taona
no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy
rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.
22 Ary nanome azy
fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny;
ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny
tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy.
23 Ary ny zanany dia
nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny
tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana.
24 Dia niditra ny zanany
ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia
natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany
azy araka ny sitrapony.
25 Ary nahazo tanana
mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka
famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa
betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao
lehibe.
26 Kanefa nandà izy sady
niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao,
izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay
nampahasosotra indrindra izy.
27 Koa dia natolotrao ho
eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro
fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary
araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny
tanan'ny fahavalony ireo.
28 Kanjo rehefa niadana
izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny
fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy,
ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny
haben'ny fiantranao.
29 Ary nananatra azy
mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona
ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny
olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety
nihaino.
30 Nefa nandefitra taona
maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no
nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao
ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.
31 Nefa noho ny haben'ny
fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria
Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
32 Koa ankehitriny, ry
Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay
mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny
fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy
ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra,
hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
33 Hianao no marina
tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
34 ary ny mpanjakanay sy
ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny
lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy
mafy.
35 Fa tsy nanompo Anao
teo amin'ny fanjakany izy sy teo amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo
amin'ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala
tamin'ny ratsy fanaony izy.
36 Koa, indreto, andevo
izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra
sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
37 ary mahavokatra be
izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny
fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny
sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
1 Ary noho izany rehetra
izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase
eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
2 Ary ny nanisy
tombo-kase dia Nehemia governora, zanak'i Hakalia, sy Zedekia,
3 ary Seraia, Azaria,
Jeremia,
4 Pasora, Amaria,
Malkia,
5 Hatosy, Sebania,
Maloka,
6 Harima, Meremota,
Obadia,
7 Daniela, Ginetona,
Baroka,
8 Mesolama, Abia, Miamina,
9 Mazia, Bilgay, Semaia;
samy mpisorona ireo.
10 Ary ny Levita kosa
dia Jesoa, zanak'i Azania, Binoy isan'ny zanak'i Henadada, ary Kadmiela;
11 ary ny rahalahin'ireo
dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
12 Mika, Rehoba,
Hasabia,
13 Zakora, Serebia,
Sebania,
14 Hodia, Bany Benino.
15 Ary ny loholona kosa
dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
16 Bony, Azgada,
Bebay,
17 Adonia, Bigvay,
Adina,
18 Atera, Hezekia,
Azora,
19 Hodia, Hasoma, Bezay,
20 Harifa, Anatota,
Nebay,
21 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
22 Mesezabela, Zadoka,
Jadoa,
23 Pelatia, Hanana,
Anaia,
24 Hosea, Hanania,
Hasoba,
25 Halohesy, Pila,
Sobeka,
26 Rehoma, Hasabna,
Mahaseia,
27 Ahia, Hanana, Anana,
28 Maloka, Harima, Bana.
29 Ary ny olona sisa,
dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny
Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin'ny tompon-tany hanaraka ny
lalàn'Andriamanitra mbamin'ny vadin'ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy,
izay rehetra efa nahahaino,
30 dia samy nikambana
tsara tamin'ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny
lalan'Andriamanitra, izay nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra,
ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika
mbamin'ny fitsipika sy ny lalàny;
31 ary tsy hanome ny
zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny
zanakai-lahy;
32 tsy hividy zavatra
amin'ny andro Sabata, na amin'izay andro masina, raha misy entana na vary
entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra
amin'ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
33 Ary nanao lalàna ho
anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny
fanompoana momba ny tranon'Andriamanitsika:
34 dia ho amin'ny mofo
aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana
mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny
fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota
hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba
ny tranon'Andriamanitsika.
35 Ary nanao filokana
izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay
hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy
amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah
Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
36 ary mba hitondranay
ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho
ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;
37 ary ny lahimatoanay
sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny
lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay
hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao
fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;
38 ary mba hitondranay
ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra
asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny
diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny
ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny
fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
39 Ary hisy mpisorona
anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny
fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny
Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao
an-trano fitehirizan-drakitra.
40 Fa ho ao amin'ireo
efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra,
dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky
ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny
mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika
izahay.
*
1 Ary nonina tany
Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny
ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any
an-tanàna hafa.
2 Ary nisaoran'ny olona
ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
3 Ary izao no ben'ny
tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao
amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita
sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.
4 Ary tany Jerosalema no
nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy
tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i
Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;
5 ary Mahaseia, zanak'i
Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba,
zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita.
6 Ny taranak'i Fareza
rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo
amby efa-jato.
7 Ary izao no taranak'i
Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i
Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;
8 ary nanarakaraka azy
Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
9 Ary Joela, zanak'i Zikry,
no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.
10 Ny avy tamin'ny
mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.
11 Ary Seraia, zanak'i
Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no
mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
12 Ary ny rahalahin'ireo
izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary
Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria,
zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,
13 ary ny rahalahiny,
izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary
Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,
14 mbamin'ny
rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela,
zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.
15 Ary ny avy tamin'ny
Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i
Bony;
16 ary Sabetahy sy
Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny
tranon'Andriamanitra.
17 Ary Matania, zanak'i
Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao
am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao
Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.
18 Ny Levita rehetra tao
an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
19 Ary ny mpiandry
varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady,
dia roa amby fito-polo amby zato.
20 Ary ny sisa tamin'ny
Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda,
samy tao amin'ny zara-taniny avy.
21 Fa ny Netinima dia
nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
22 Ary ny mpifehy ny
Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy,
zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira,
taranak'i Asafa.
23 Fa ny didin'ny
mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy
isan'andro.
24 Ary Petahia, zanak'i
Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka
hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.
25 Fa ny amin'ny vohitra
eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba
sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny
zana-bohiny,
26 ary tany Jesoa sy
Molada sy Beti-paleta
27 sy Hazarasoala ary
Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
28 ary tany Ziklaga
sy Mekona sy ny zana-bohiny,
29 ary tany En-rimona
sy Zora sy Jarmota
30 sy Zanoa sy
Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny
zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona
izy.
31 Ary ny taranak'i
Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny
zana-bohiny,
32 ary tany Anatota
sy Noba sy Anania
33 sy Hazora sy Rama
sy Gitaima
34 sy Hadida sy
Zeboima sy Nebala
35 sy Loda sy Ono,
lohasahan'ny mahay tao-zavatra.
36 Ary tao amin'ny
Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
*
1 Ary ny mpisorona sy
ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa
dia Seraia, Jeremia, Ezra,
2 Amaria, Maloka,
Hatosy,
3 Sekania, Rehoma,
Meremota,
4 Ido, Ginetoy, Abia,
5 Miamina, Madia, Bilga,
6 Semaia, Joiariba,
Jedaia,
7 Salo, Amoka, Hilkia
ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i
Jesoa.
8 Ary ny Levita kosa dia
izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny
rahalahiny no tonian'ny fiderana.
9 Ary Bakbokia sy Ono,
rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.
10 Ary Jesoa niteraka
an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i
Joiada;
11 ary Joiada niteraka
an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.
12 Ary tamin'ny andron'i
Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i
Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;
13 ny avy tamin'i Ezra
dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;
14 ny avy tamin'i Meliko
dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;
15 ny avy tamin'i Hadma
dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;
16 ny avy tamin'Ido dia
Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;
17 ny avy tamin'i Abia
dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
18 ny avy tamin'i Bilga
dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;
19 ny avy tamin'i
Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;
20 ny avy tamin'i
Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;
21 ny avy tamin'i
Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.
22 Tamin'ny andron'i
Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny
fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy
Persiana.
23 Ny taranak'i Levy,
lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny
andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.
24 Ary ny lohan'ny
Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny
rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny
didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
25 Matania, Bakbokia,
Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny
fiambenana amin'ny trano firaketana.
26 Ireo no tamin'ny
andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i
Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
27 Ary rehefa hitokanana
ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy
mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana
ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28 Dia niangona ny
mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny
vohitry ny Netofatita
29 sy Beti-gilgala ary
ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i
Jerosalema ny mpihira.
30 Ary ny mpisorona sy
ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary
ny manda.
31 Dia nasaiko niakatra
eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa
tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo
ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
32 ary nandeha
nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
33 dia Azaria sy Ezra sy
Mesolama
34 sy Joda sy
Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
35 ary ny sasany
tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i
Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora,
zanak'i Asafa,
36 mbamin'ny
rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary
Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra
mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
37 Ary hatreo amin'ny
vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny
Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i
Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
38 Ary ny mpanao
fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny
antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny
fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
39 ary hatreo
ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo
ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea,
dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny
vavahadin-trano-maizina izy.
40 Dia nijanona tao
an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny
mpanapaka izay niaraka tamiko
41 ary ny mpisorona, dia
Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra
trompetra,
42 ary Mahaseia sy
Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira
mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
43 Dia namono zavatra
betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa
Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka
dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44 Ary tamin'izany andro
izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra
sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba
hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny
saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay
nanompo ireo.
45 Dia nitandrina izay
nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary
toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy
Solomona zanany.
46 Fa fahiny tamin'ny
andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary
fisaorana an'Andriamanitra.
47 Ary ny Isiraely
rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy
ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny
Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
1 Tamin'izany andro
izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy,
ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra
amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo
miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
2 satria tsy nitsena
hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy;
kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
3 Ary rehefa ren'ny
olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena
rehetra.
4 Ary talohan'izany
Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao
an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
5 dia efa nanamboatra
efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny
mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny
ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny
mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny
mpisorona.
6 Fa tamin'izany rehetra
izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo
nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny
mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
7 ary nankany Jerosalema
aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany
efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
8 Dia nalahelo indrindra
aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
9 Ary nasaiko
nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny
tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10 Ary hitako fa tsy
voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy
ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
11 Dia nifandahatra
tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny
tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka
nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
12 Dia nentin'ny Joda
rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny
ranom-boaloboka ary ny diloilo.
13 Ary nanendry
mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra
ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana,
zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo
dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
14 Tsarovy aho noho
izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny
tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
15 Ary tamin'izany
andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka
tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady
nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay
nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho
tamin'ny andro nivarotany hanina.
16 Ary nisy olona avy
any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka
nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;
17 Dia nifandahatra
tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao
zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?
18 Tsy nanao toy izao
va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna
ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana
mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.
19 Ary raha vao
malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana
ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary
notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana
entana amin'ny andro Sabata.
20 Ka dia nandry teo
ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra
zavatra samy hafa;
21 dia nananatra azy
mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda
Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany
andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.
22 Ary ny Levita dia
nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany
ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao
aho araka ny haben'ny famindram-ponao.
23 Ary tamin'izany
andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy
Amona sy Moaba;
24 ary ny antsasaky
ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny
fiteniny avy isam-pirenena izy.
25 Dia nifandahatra
taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia
nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho
vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na
ho vadinareo.
26 Tsy izany va no
nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy
tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho
mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny
vehivavy hafa firenena.
27 Koa mety va raha
ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota
amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28 Ary vinanton'i
Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba,
mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
29 Tsarovy ireo, ry
Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana
sy ny Levita.
30 Toy izany no
nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy
nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny
raharahany avy,
31 ary ny amin'ny fanaterana ny kitay hazo tamin'izay fotoan'androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.