Nomery
1 [Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny
andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny
nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3 dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina
azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4 Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho
namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny
avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6 ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7 ny avy amin'i Joda
dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8 ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9 ny avy amin'i
Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10 ny avy amin'ny
zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela,
zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11 ny avy amin'i
Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12 ny avy amin'i Dana
dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13 ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14 ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15 ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16 Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny
fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17 Ary Mosesy sy
Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18 dia namory ny
fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy
nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny
fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra.
19 Araka izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20 Ary tamin'ny
taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary
araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
22 Ary tamin'ny
taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra
voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
24 Ary tamin'ny
taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
25 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra
alina.
26 Ary tamin'ny
taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
27 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
28 Ary tamin'ny
taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
29 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
30 Ary tamin'ny
taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
31 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
32 Ary tamin'ny
taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny
fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34 ary tamin'ny
taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
35 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
36 Ary tamin'ny
taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
37 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
38 Ary tamin'ny
taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
39 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
40 Ary tamin'ny
taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika
41 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
42 Ary tamin'ny
taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany
tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo
nalefa hanafika,
43 izay voalamina avy
tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44 Ireo no voalamin'i
Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay
samy lohan'ny fianakaviany avy.
45 Ary izay rehetra
avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona
no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46 dia dimam-polo amby
dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 [Ny amin'ny
raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina
ho isan'ireo.
48 Fa Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49 Ny firenen'ny
Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny
Zanak'Isiraely;
50 fa tendreo izy
hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra
rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra
momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no
hitobiany.
51 Ary raha hafindra
ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny
tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky,
dia hatao maty izy.
52 Dia hitoby ny
Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary,
araka ny antokony.
53 Fa ny Levita kosa
hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana
hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara
raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
54 Dia nataon'ny
Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no
nataony.
*
1 [Ny filaharan'ny
tobin'ny Isiraely araka ny fireneny avy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy
Arona ka nanao hoe:
2 Samy eo amin'ny
fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny
Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no
hitobiany.
3 Ary ny hitoby eo
amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba
ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda
dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
4 ary ny miaramilany
izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
5 Ary ny hitoby eo
anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela,
zanak'i Zoara;
6 ary ny miaramilany
izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
7 Dia vao ny
firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i
Helona;
8 ary ny miaramilany
izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
9 Ny tontalin'izay
nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina
sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.
10 Ary ny fanevan'ny
tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny
lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;
11 ary ny miaramilany
izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
12 Ary ny hitoby eo
anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia
Selomiela, zanak'i Zorisaday;
13 ary ny miaramilany
izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
14 Dia vao ny
firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;
15 ary ny miaramilany
izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
16 Ny tontalin'izay
nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy
dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
17 Dia handroso ny
trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka
ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny
fanevany.
18 Ary ny fanevan'ny
tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny
lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;
19 ary ny miaramilany
izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.
20 Ary ny firenen'i
Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i
Pedazora;
21 ary ny miaramilany
izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.
22 Dia vao ny
firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i
Gideony;
23 ary ny miaramilany
izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.
24 Ny tontalin'izay
nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy,
araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25 Ary ny fanevan'ny
tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny
lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
26 ary ny miaramilany
izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
27 Ary ny hitoby eo
anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela,
zanak'i Okrana;
28 ary ny miaramilany
izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.
29 Dia vao ny
firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;
30 ary ny miaramilany
izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
31 Ny tontalin'izay
nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina
sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.
32 Ireo no nalamina
avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina
tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby
telo arivo sy enina hetsy.
33 Fa ny Levita dia
tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
34 Ary ny Zanak'Isiraely
dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby
araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany
avy izy.
*
1 [Ny nandaminana ny
firenen'i Levy, sy ny nitobiany, ary ny zavatra hotandremany] Ary izao no
taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo
an-tendrombohitra Sinay.
2 Ny anaran'ny
zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
3 Ireo no anaran'ny
zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao
fisoronana.
4 Fa maty teo
anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo
anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy
mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona
rainy.
5 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Ento ny firenen'i
Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.
7 Dia hitandrina ny
anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo
anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny
tabernakely.
8 Dia hitandrina ny
fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny
Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
9 Ary homenao an'i
Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny
Zanak'Isiraely ireo.
10 Ary Arona sy ny
zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no
manakaiky, dia hatao maty izy.
11 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12 Indro, Izaho efa
naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay
voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
13 satria Ahy ny
lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany
amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny
Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
14 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
15 Alamino ny Levita
araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray
volana no ho miakatra no halaminao.
16 Ary Mosesy
nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
17 Ary izao no
zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
18 Ary izao no
anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
19 Ary ny
zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona
ary Oziela.
20 Ary ny zanakalahin'i
Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka
ny fianakaviany.
21 Avy tamin'i
Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
22 Ary izay nalamina,
araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia
diman-jato amby fito arivo.
23 Ny fokon'ny
Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
24 Ary ny lohan'ny
fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
25 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny
tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana,
26 ary ny
fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27 Ary avy tamin'i
Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita
ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
28 Ny isan'ny lahy
rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny
anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
29 Ny fokon'ny
zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
30 Ary ny lohan'ny
fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
31 Ary ny
anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny
alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana
fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra
fanaovana ny fanompoana momba azy.
32 Ary ny lehiben'ny
lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny
mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
33 Avy tamin'i Merary
ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
34 Ary izay nalamina,
araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia
roan-jato amby enina arivo,
35 Ary ny lohan'ny
fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no
hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
36 Ary ny
anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny
barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny
zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
37 ary ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny
kofehiny.
38 Ary ny mitoby eo
anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana,
tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay
mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny
anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao
maty izy.
39 Ny tontalin'izay
nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny
didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana
no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
40 Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely
hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
41 Ary alao ho Ahy ny
Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no
Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra
amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
42 Dia nalamin'i
Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa
nandidian'i Jehovah azy.
43 Ary ny lahimatoa
rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra,
izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy
roa alina.
44 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
45 Alao ny Levita ho
solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny
Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
46 Ary ny amin'ny
avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny
Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
47 dia hangalanao
sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo
ny sekely iray).
48 Dia homenao an'i
Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
49 Ary Mosesy nandray
ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
50 tamin'ny
lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby
enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;
51 dia nomen'i Mosesy
an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia
araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Ny raharahan'ny
Levita, sy ny isany isam-pirazanany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona
ka nanao hoe:
2 Alao isa ny
taranak'i Kehata eo amin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra
amin'ny antokony hanao raharaha ao amin'ny trano-lay fihaonana.
4 Izao no ho
fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra
masina indrindra:
5 Ary raha hifindra
ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba
fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
6 ary hodi-takasy no
hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon'ondry manga tokam-bolo no hovelariny
hasarony eo ambonin'io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Ary hamelatra
lamba, volon'ondry manga eo ambonin'ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony
eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana;
ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 Dia hovelarany
lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia
hataony eo aminy ny baony.
9 Dia haka lamba
volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela
fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny
fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 ary ireo sy ny
fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin'ny sarona hodi-takasy ka
hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
11 Ary hamelatra
lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona
hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 dia halainy ny
fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny
fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany
sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
13 Dia hanaisotra ny
lavenona amin'ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14 Ary hapetrany eo
amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana
fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny
sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara;
ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny
baony.
15 Ary rehefa vitan'i
Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba
azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra
azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba
ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
16 Ary ny raharahan'i
Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny
ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo
fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao
anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
17 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18 Ataovy izay tsy
hahafongotra ny fokon'ny Kehatita tsy ho amin'ny Levita:
19 fa izao no
hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra
masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy
rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
20 fa izy dia tsy
hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao
maty.
21 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
22 Alao isa koa ny
taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 ny hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra
miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
24 Izao no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 ny ambain'ny
tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy
izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana,
26 ary ny fefy
lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay
manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana
rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.
27 Araka ny tenin'i
Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany
rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny
zavatra rehetra izay ho entiny.
28 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho
mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona
mpisorona.
29 Ny amin'ny
taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 ny hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra
miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31 Ary izao no ho
anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny
andriny sy ny faladiany,
32 sy ny
tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary
ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana
ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33 Izany no ho
fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny
trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 Ary Mosesy sy
Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny
fokony sy ny fianakaviany avy,
35 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
36 Ary izay nalamina
taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Ireo no nalamina
tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny
trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah
nampitondrainy an'i Mosesy.
38 Ary izay nalamina
tamin'ny taranak'i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana
40 izay nalamina
taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa
arivo.
41 Ireo no nalamina
tamin'ny fokon'ny taranak'i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny
trano-lay fihaonana, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i
Jehovah.
42 Ary izay nalamina
tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra
tamin'ny antokony, hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana,
44 izay nalamina
taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 ireo no nalamina
tamin'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny
didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
46 Ny tontalin'ny
taranak'i Levy izay nalamin'i Mosesy sy Arona mbamin'ny lohan'ny Isiraely,
araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 hatramin'ny
telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao
raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin'ny trano-lay
fihaonana,
48 izay nalamina
taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 Araka ny didin'i
Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny
fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
famoahana izay misy fahalotoana ho any ivelan'ny toby] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny
maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;
3 na lehilahy na
vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan'ny toby, mba tsy handoto ny tobiny
izay itoerako eo afovoany.
4 Dia nanao izany ny
Zanak'Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan'ny toby; araka izay nolazain'i
Jehovah tamin'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
5 [Ny amin'ny
fanonerana, raha misy manao izay mahadiso] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
6 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho
fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka,
7 dia tsy maintsy
hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin'ny fahadisoany ka
hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an'ilay nanaovany diso.
8 Fa raha tàhiny tsy
manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona,
ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho
fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
9 Ary ny fanatitra
rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay
ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.
10 Ary ho azy ny
zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny
mpisorona, dia ho azy izany.
11 [Ny lalàna ny
amin'ny fanatitra noho ny ahiahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
12 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin'olona mivily ka manao
izay mahadiso azy amin'ny lahy,
13 fa nisy lehilahy
nandry taminy, nefa tsy hitan'ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa
tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
14 kanefa misy
fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto
ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy,
kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 dia ho entin'ny
lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy
izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany,
sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany,
dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16 Ary hampanakaiky
azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan'i Jehovah;
17 dia haka rano
masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny
tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;
18 ary ravehivavy dia
hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny
volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia
ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny
ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 dia hampianiana
an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry
taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia
afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 fa raha nivily
niala tamin'ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry
taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 dia hampianiana
an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao
anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i
Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22 ary ity rano
mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy
hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23 Ary hosoratan'ny
mpisorona amin'ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin'ny rano
mangidy ny soratra;
24 dia hampisotroiny
an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra
ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 Dia halain'ny
mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany
eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
26 Dia horaofin'ny
mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona
eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io
ravehivavy.
27 Ary rehefa
nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin'ny
vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary
hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin'ny
fireneny ravehivavy.
28 Nefa kosa, raha
tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan'anaka.
29 Izany no lalàna ny
amin'ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin'ny vadiny ka voaloto;
30 na misy lehilahy
azon'ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo
anatrehan'i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany
aminy.
31 Dia tsy
hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny mivoady ho Nazirita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita
mba hitokana ho an'i Jehovah,
3 dia hifady divay sy
toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary
tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny
maina.
4 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny
voany ka hatramin'ny hodiny izy.
5 Amin'ny andro
rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany;
mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy,
ka havelany haniry ny volondohany.
6 Amin'ny andro
rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7 aoka tsy handoto
tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny
aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny.
8 Amin'ny andro
fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy.
9 Ary raha misy olona
maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny
lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no
hanaratany azy;
10 ary amin'ny andro
fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny
mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy.
11 Ary ny mpisorona
dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho
fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty
izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.
12 Dia hanokana ho
an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray
taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny
fitokanany
13 Ary izao no lalàna
ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy;
14 ary hanatitra ny
fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy
kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema
ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho
fanati-pihavanana,
15 ary mofo tsy misy
masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo
sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra
hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Dia haterin'ny
mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota
sy ny fanatitra dorany;
17 dia hateriny ny
ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy
masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy
ny fanatitra aidiny.
18 Ary ny Nazirita
hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo
izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana.
19 Dia halain'ny
mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira
avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo
amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
20 Dia hahevahevan'ny
mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany
ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary
rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21 Izany no lalàna ny
amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny
fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay
nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
22 [Ny tso-drano
fanaon'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenena amin'i
Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny
Zanak'Isiraely:
24 Hitahy anao anie
Jehovah ka hiaro anao;
25 Hampamirapiratra
ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
26 Hanandratra ny
tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
27 Dia hametraka ny
anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
*
1 [Ny zavatra
naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary
tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia
nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny
alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo
izy,
2 dia nitondra
fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo
no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
3 Ary izy ireo
nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy
omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa,
ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
4 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
5 Raiso aminy ireo
hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia
samy araka ny fanompoany avy.
6 Dia noraisin'i
Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
7 Sariety roa sy omby
efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
8 ary sariety efatra
sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo
amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
9 Fa ny taranak'i
Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana
momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
10 Dia ny lohan'ny
firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay
nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.
11 Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny
an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.
12 Ary ny nanatitra
ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy
tamin'ny firenen'i Joda.
13 Ary ny fanatiny
dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia
volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa
samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
15 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona,
ho fanatitra dorana;
16 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
17 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
18 Ary tamin'ny andro
faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.
19 Nanatitra ny
fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany,
sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina;
izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
21 ary
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho
fanatitra dorana;
22 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
23 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
24 Ary tamin'ny andro
fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.
25 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
26 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
27 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
28 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota;
29 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30 Ary tamin'ny andro
fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no
nanatitra.
31 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
32 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
33 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
34 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
35 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.
36 Ary tamin'ny andro
fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no
nanatitra.
37 Ny fanatiny dia
Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
38 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
39 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
40 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota;
41 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
42 Ary tamin'ny andro
fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.
43 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba
tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
44 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
45 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
46 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
47 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
48 Ary tamin'ny andro
fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.
49 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
50 lovia kely volamena
iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
52 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
53 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy
dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54 Ary tamin'ny andro
fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no
nanatitra.
55 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
59 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60 Ary tamin'ny andro
fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no
nanatitra.
61 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
64 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
65 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
66 Ary tamin'ny andro
fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.
67 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy
feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
68 lovia kely
volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
69 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
70 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
71 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
72 Ary tamin'ny andro
fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera.
no nanatitra.
73 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
74 lovia kely volamena
iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
75 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
76 osilahy iray, ho
fanatitra noho ny ota;
77 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
78 Ary tamin'ny andro
faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no
nanatitra.
79 Ny fanatiny dia
lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy
iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno
koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
80 lovia kely
volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
81 vantotr'ombilahy
iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota;
83 ary ho
fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy
izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
84 Ireo no zavatra
naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro
izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa
ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
85 sekely telo-polo
amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia
famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely
efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;
86 lovia kely
volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny
lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
87 Ny isan'ny biby
rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo,
ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray
taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho
fanatitra noho ny ota.
88 Ary ny isan'ny
biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby
roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay
samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa
voahosotra izy.
*
89 Ary rehefa niditra
tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre
ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo
ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia
niteny taminy Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny
fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'i
Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo
anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3 Dia nataon'i Arona
izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro,
araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
4 Ary izao no toetry
ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny
aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i
Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6 Alao ny Levita avy
amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
7 Ary izao no
hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy
haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio
izy.
8 Dia asaovy maka
vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara
toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra
noho ny ota.
9 Ary ento ny Levita
hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny
Zanak'Isiraely rehetra.
10 Ary ento ny Levita
hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
11 ary Arona dia
hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny
Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12 Ary ny Levita
hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny
anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana
ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
13 Ary apetraho eo
anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho
an'i Jehovah izy.
14 Ary ampiavaho
amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15 Ary rehefa afaka
izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.
Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16 fa efa nomena ho
Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka
rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho
Ahy.
17 Fa Ahy ny
voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy;
tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta
no nanamasinako azy ho Ahy.
18 Ary efa nalaiko ny
Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19 Ary nomeko ho an'i
Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny
fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana
ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha
manakaiky ny fitoerana masina izy.
20 Dia nataon'i
Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny
Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny
Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
21 Dia nodiovin'ny
Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra
azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy
hanadiovana azy.
22 Ary rehefa afaka
izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny
zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no
nataony taminy.
23 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Ny amin'ny Levita
dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona
hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
25 fa rehefa
dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy
hanompo intsony;
26 kanefa mahazo
manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina
izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao
amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
*
1 [Ny nitandreman'ny
Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa
taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Aoka hotandreman'ny
Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
3 Amin'ny harivan'ny
andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy
amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo
azy.
4 Ary Mosesy niteny
tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 Dia nitandrina ny
Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny
folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
6 Ary nisy olona
sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany
andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany
7 ka nanao taminy
hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny
Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
8 Fa hoy Mosesy
taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
9 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo
hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola
hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
11 Amin'ny harivan'ny
andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary
hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany
azy.
12 Aza avela hasiany
sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna
rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13 Fa ny olona izay
madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i
Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 Ary raha misy
mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka
ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no
ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
*
15 [Ny amin'ny rahona
izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana
ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny
Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny
afo izy mandra-pahamarain'ny andro.
16 Dia toy izany
mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony
alina.
17 Ary rehefa
niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka
teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.
18 Araka ny didin'i
Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no
nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely no nitobiany.
19 Ary na dia
nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay
nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
20 Fa indraindray
kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely;
araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no
niaingany.
21 Ary indraindray
kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona,
ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro
na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
22 Ary na indroa
andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny
tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha
niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
23 Araka ny didin'i
Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina
izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay
nampitondrainy an'i Mosesy.
*
1 [Ny trompetra
volafotsy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Manaova trompetra
volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny
fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3 Ary raha tsofina
avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 Fa raha ny iray
ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny
Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 Fa raha mitsoka ho
fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6 Ary raha mitsoka ho
fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo;
fampitairana no hatao fiaingany.
7 Fa raha hampivory
ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8 Ary ireo mpisorona,
zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo
hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Ary raha misy ady
eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo
ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny
fahavalonareo.
10 Ary amin'ny andro
fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo
no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny
fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo
anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
*
11 [Ny niaingan'ny
Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i
Hobaba. Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona
faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny
Vavolombelona.
12 Dia niainga tany
an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany
an-efitra Parana.
13 Dia izany no
niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
14 Ary ny fanevan'ny
tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona,
zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15 Ary Netanela,
zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.
16 Ary Eliaba,
zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
17 Dia nahorona ny
tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra
ny tabernakely.
18 Dia niainga ny
fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no
mpifehy ny antokony.
19 Ary Selomiela,
zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.
20 Ary Eliasafa,
zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.
21 Dia niainga ny
Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely
mandra-pihaviny.
22 Dia niainga ny
fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i
Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23 Ary Gamaliela,
zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase.
24 Ary Abidana,
zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.
25 Dia niainga ny
fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny
antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 Ary Pagiela,
zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.
27 Ary Ahira, zanak'i
Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
28 Izany no
fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29 Dia hoy Mosesy
tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia
mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy;
andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny
amin'ny Isiraely.
30 Fa hoy kosa izy
taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
31 Dia hoy Mosesy:
Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka
dia ho masonay ianao.
32 Ary raha hiaraka
aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33 Dia niainga niala
tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i
Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny
olona.
34 Ary ny rahon'i
Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny
nitobiany.
35 Ary raha niainga
ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao;
ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
36 Ary raha nijanona
kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby
alinalina.
*
1 [Ny
nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia
nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah
izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may
ny teo an-tsisin'ny toby.
2 Dia nitaraina
tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3 Ary ny anaran'izany
tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
*
4 Ary ny olona hafa
firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany
indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5 Tsaroanay ny
hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy
tongolo samy hafa karazana.
6 Fa izao dia maina
ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7 Ary ny mana dia toy
ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8 Nandehandeha ny
olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny
laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny
fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9 Ary raha nilatsaka
tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
10 Ary Mosesy nandre
ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny
lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i
Mosesy koa izany.
11 Dia hoy Mosesy
tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no
tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity
firenena rehetra ity?
12 Izaho va no
torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no
ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono,
ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13 Avy aiza no
hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao
hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14 Tsy zakako izaho
irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15 Koa raha izao no
ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao;
fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ
amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento
miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
17 Dia hidina Aho ka
hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka
izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy
ianao irery intsony no hitondra azy.
18 Koa lazao amin'ny
olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena
ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka
hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah
hena ianareo, ka hohaninareo.
19 Tsy indray andro
no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro
aza,
20 fa hatramin'ny
iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko
anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo
anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21 Dia hoy Mosesy: Ny
olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy
ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
22 Moa ondry aman'osy
sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao
amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
23 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na
ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
24 Dia nivoaka Mosesy
ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy
tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
25 Ary nidina teo
amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao
amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola
nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26 Fa nisy roa lahy
nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny
anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa
lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa
lahy.
27 Ary nisy zatovo
nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany
etsy an-toby.
28 Dia namaly Josoa,
zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry
Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29 Fa hoy Mosesy
taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i
Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!
30 Dia nankeo an-toby
Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
31 Ary nisy rivotra
nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina
ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro
manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
32 Dia nitsangana ny
olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa
ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny
ho maina ireny manodidina ny toby.
33 Fa raha mbola teo
am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny
fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
34 Ary ny
anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana
ny olona izay liana.
35 Ary niala tao
Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany
Hazerota izy.
*
1 [Ny nanomezan'i
Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary
Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay
efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
2 Dia hoy izy
mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no
nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.
3 Ary Mosesy dia
lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.
4 Ary Jehovah dia
niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo
mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
5 Ary andri-rahona no
nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso
an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6 Dia hoy Izy: Mba
mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny
fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
7 Fa tsy toy izany
kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
8 Mifanatrika no
itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary
mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome
tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9 Dia nirehitra ny
fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
10 Ary ny rahona
niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny
oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
11 Ary hoy Arona
tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny
nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
12 Aza dia avela ho
toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
13 Ary Mosesy dia
nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba
sitrano re izy!
14 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra
hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa
afaka izany, dia ampidiro indray.
15 Dia natokana tany
ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa
nampidirina Miriama.
16 Ary rehefa afaka
izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra
Parana.
*
1 [Ny amin'ny
mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2 Maniraha lehilahy
vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia
lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny
fireneny avy.
3 Ary Mosesy dia
naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy
lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
4 Ary izao no
anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
5 avy tamin'ny
firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
6 avy tamin'ny
firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
7 avy tamin'ny
firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
8 avy tamin'ny
firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
9 avy tamin'ny
firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
10 avy tamin'ny
firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
11 avy tamin'ny
firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
12 avy tamin'ny
firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
13 avy tamin'ny
firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
14 avy tamin'ny
firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
15 avy tamin'ny
firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
16 Ireo no anaran'ny
lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia
nataon'i Mosesy hoe Josoa.
17 Ary Mosesy
naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny
tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
18 dia izahao izay
toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
19 ary izay toetry ny
tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao
an-day, na ao an-tanàna mimanda;
20 ary ny toetry ny
tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka
itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka
mialin-taona.
21 Dia niakatra ireo
ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i
Hamata.
22 Dia niakatra tao
amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary
Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana
any Egypta.)
23 Dia nankany
amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy
sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny
ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
24 Ary izany tany
izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay
notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
25 Ary niverina avy
nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
26 Dia nankeo amin'i
Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany
an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana
rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
27 Dia nilaza taminy
izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa
tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
28 Kanefa kosa mahery
ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia
lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
29 Ny Amalekita no
monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no
monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny
ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
30 Fa Kaleba dia
nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra
mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
31 Fa hoy kosa ny
lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona
isika; fa mahery noho isika izy.
32 Dia nilaza ratsy
ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay
nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra
izay hitanay teo dia olona vaventibe;
33 ary nahita ny
Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo
imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo
imasony.
1 [Ny nandavan'ny
Zanak'Isiraely tsy hiakatra ho eny amin'ny tany Kanana] Dia nanandratra ny
feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina
iny.
2 Dia nimonomonona
tamin'i Mosesy sy Arona ny Zanak'Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra
taminy; Inay anie isika mba maty tany amin'ny tany Egypta ihany; na inay anie
isika mba maty tatỳ amin'ity efitra ity!
3 Ary nahoana Jehovah
no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika
sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
4 Dia nifampitaona
hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
5 Ary Mosesy sy Arona
dia niankohoka teo anatrehan'ny fivorian'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra.
6 Ary Josoa, zanak'i
Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, izay isan'ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny
fitafiany;
7 ary niteny tamin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany
izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra.
8 Raha sitrak'i
Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin'izany tany izany Izy, ka homeny
antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
9 Fa aza miodina
amin'i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika
ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza
matahotra azy ianareo.
10 Fa hoy ny
fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr'i Jehovah
niseho teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely
rehetra.
11 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary
mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko
teo aminy?
12 Hamely azy amin'ny
areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy
mahery noho izy kosa.
13 Dia hoy Mosesy
tamin'i Jehovah: Dia ho ren'ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao
ity firenena ity nivoaka avy teo aminy,
14 ary holazainy
amin'ny monina eo amin'ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no
eto amin'ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny
rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin'ny
andri-rahona nony andro, ary amin'ny andri-afo nony alina.
15 Fa raha mahafaty
ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre
ny lazanao, ka hanao hoe:
16 Satria tsy zakan'i
Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin'ny tany izay nianianany taminy
homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.
17 Ary ankehitriny,
aoka hiseho ny halehiben'ny herin'ny Tompo, araka ilay teninao hoe:
18 Mahari-po Jehovah
sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina
ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny
zafindohalika.
19 Mifona aminao aho,
mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao, sy
araka ny namelanao ny helok'ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka
ankehitriny.
20 Dia hoy Jehovah:
Efa navelako araka ny teninao izany.
21 Kanefa raha velona
koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,
22 ireo lehilahy
rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany
Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy
nihaino ny feoko,
23 dia tsy hahita
mihitsy ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy; eny, izay rehetra
namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
24 Fa ny amin'i
Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny
fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny
zanany handova izany.
25 Ary ny Amalekita
sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena
ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina
Mena.
26 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
27 Mandra-pahoviana
no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa
reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.
28 Lazao aminy hoe:
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no
hataoko aminareo:
29 Etỳ amin'ity
efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina
araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra,
izay efa nimonomonona tamiko,
30 dia tsy ho tonga
mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy
Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.
31 Fa ny zanakareo
madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary
izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
32 Fa ny aminareo,
dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;
33 ary ny zanakareo
hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny
valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
34 Araka ny isan'ny
andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray
no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny
fahafoizako anareo.
35 Izaho Jehovah efa
nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay
miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ
no hahafatesany.
36 Ary ny lehilahy
izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny
fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,
37 dia matin'ny
areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany
ireny.
38 Fa Josoa, zanak'i
Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny
tany, dia velona ihany.
39 Dia nolazain'i
Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ
ny olona.
40 Dia nifoha maraina
koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto
izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota
izahay.
41 Dia hoy Mosesy:
Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
42 Aza miakatra, fa
tsy momba anareo Jehovah,
43 fandrao ho resy eo
anoloan'ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo
anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin'ny fanarahana
an'i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
44 Kanjo sahisahy
foana izy ka niakatra teo an-tampon'ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny
fiaran'ny faneken'i Jehovah tsy niala teo an-toby.
45 Dia nidina ny
Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin'izany tendrombohitra izany, ka
namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
*
1 [Didy samy hafa ny
amin'ny fanatitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo
ianareo
3 ka manatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao
fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny
sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho
an'i Jehovah:
4 izay manatitra ny
fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara
toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5 ary divay
ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana,
na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin'ny isan-janak'ondry iray.
6 Ary ho fanampin'ny
isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo
diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
7 ary divay
ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah.
8 Ary raha manatitra
omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady,
na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,
9 dia fanatitra
hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto
telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10 ary divay
antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny
afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
11 Izany no hatao
amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray,
na ny isan-janak'osy iray.
12 Tahaka izany no
hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.
13 Ny tompon-tany rehetra
samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin'ny
afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy.
14 Ary raha misy
vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo
fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15 Ary ny amin'ny
fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay
vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara
mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
16 Lalàna iray ihany
sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo
19 ka hihinana mofo
avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.
20 Hanokana mofo iray
izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay
atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.
21 Ny voalohan'ny
kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo
fara mandimby.
22 Ary raha manota
tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah
tamin'i Mosesy,
23 dia izay rehetra
nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i
Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
24 koa atao tsy nahy
izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny
fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i
Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka
ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25 Ary ny mpisorona
dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia
havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy,
dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo
anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
26 Dia havela ny
heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo
aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
27 Ary raha olona
iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho
fanatitra noho ny ota.
28 Ary ny mpisorona
dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i
Jehovah, ka dia havela ny helony.
29 Lalàna iray ihany
no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na
amin'ny vahiny eo aminareo.
30 Fa ny olona izay
manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka
dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
31 Fa ny tenin'i
Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany
olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32 [Ny natao
tamin'ilay lehilahy nanangona kitay tamin'ny andro Sabata] Ary raha tany
an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo
tamin'ny andro Sabata.
33 Ary izay nahita
azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny
fiangonana rehetra.
34 Dia nambenana
ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
35 Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny
ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra.
36 Dia namoaka azy ho
eny ivelan'ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia
araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ihany.
37 [Ny amin'ny
hanaovana somotraviavy amin'ny sisin'ny fitafian'ny Zanak'Isiraely] Ary Jehovah
niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
38 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny
taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny
somotraviaviny.
39 Ary ho
somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy
hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo
ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
40 mba hotsarovanareo
sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo
ianareo.
41 Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba
ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
*
1 [Ny niodinan'i Kora
sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora,
zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i
Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
2 ka nitsangana teo
anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato,
izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady
nanan-daza;
3 koa niangona
hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa
masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no
dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
4 Ary raha nandre
izany Mosesy, dia niankohoka izy
5 ka niteny tamin'i
Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy
sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
6 Izao no ataovy, ry
Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran'afo ho anareo rahampitso.
7 dia asio afo eo
anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny
lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry
taranak'i Levy!
8 Dia hoy koa Mosesy
tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy:
9 Moa ataonareo ho
zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny
fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny
fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo
anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
10 Dia napanakekeny
Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady
ho mpisorona koa va ianareo?
11 Ary noho izany
ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa
no inona, no imonomononanareo?
12 Ary Mosesy
naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy:
Tsy hiakatra izahay.
13 Moa zavatra kely
va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy
tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
14 Ary koa, ianao tsy
nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na
nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny
mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
15 Dia tezitra
indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory
Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy
na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.
16 Dia hoy Mosesy
tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah
rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
17 Ary samia maka ny
fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary
samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i
Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy
hitondra ny fitondran'afony avy.
18 Ary samy naka ny
fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy
ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.
19 Ary Kora nanangona
ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra
azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
20 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
21 Mihataha amin'ity
fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja.
22 Dia niankohoka izy
roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo
rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va
Hianao?
23 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Mitenena amin'ny
fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary
Abìrama.
25 Dia nitsangana
Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny
Isiraely.
26 Dia niteny
tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo,
ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany
rehetra.
27 Dia nihataka ny
olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy
Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny
sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
28 Dia hoy Mosesy:
Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra
ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany:
29 Raha maty toy ny
fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny
olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
30 Fa raha hanao
zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay
azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho
fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
31 Ary rehefa tapitra
voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
32 eny, nisokatra ny
tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora
ary ny fananany rehetra.
33 Dia latsaka velona
ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia
nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.
34 Ary ny Isiraely rehetra
izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao
hitelina antsika koa ny tany.
35 Ary nisy afo
nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato
izay nanatitra ditin-kazo manitra.
*
1 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'i
Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny
fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
3 ary ny
fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify
hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina;
ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.
4 Ary nalain'i
Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may
ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara
5 ho fahatsiarovana
ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany
no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao
ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay
nampitondrainy an'i Mosesy.
6 Ary nony ampitso
dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.
7 Ary raha niangona
hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay
fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i
Jehovah.
8 Ary Mosesy sy Arona
dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
9 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mialà amin'io
fiangonana io handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka
izy roa lahy.
11 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara
izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka
manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana,
ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
12 Dia nalain'i Arona
izany, araka izay nandidian'i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan'ny
fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin'ny olona ny
areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao
fanavotana ho an'ny olona.
13 Dia nijanona teo
anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
14 Ary izay efa
matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina,
afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora.
15 Ary Arona niverina
ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny
areti-mandringana dia nitsahatra.
16 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny
lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina
roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra.
18 Fa ny anaran'i
Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny
lohan'ny fianakaviany.
19 Dia hataonao ao
amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay
ihaonako aminareo.
20 Ary ny tehin'ny
lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny
Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
21 Ary Mosesy dia
niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra
tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo;
ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo.
22 Dia napetrak'i
Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo
tehina ireo.
23 Ary nony ampitso
dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa
nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy
namony ka namoa amygdala.
24 Dia nentin'i
Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny
Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
25 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona,
hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko
ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
26 Dia nataon'i
Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
27 Dia niteny tamin'i
Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny,
ringana avokoa izahay rehetra.
28 Ho faty izay
rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty
va izahay?
Chapitre 18
1 [Ny amin'ny
raharahan'ny Levita sy ny mpisorona, ary ny zavatra izay natao anjarany] Ary
hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no
hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra
ny heloky ny fisoronanareo.
2 Ary ny rahalahinao
avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao,
mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo
anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.
3 Dia hitandrina ny
anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa
ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty
ireo sy ny tenanareo koa.
4 Dia hikambana
aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia
ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky
anareo.
5 Dia hotandremanareo
ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny
alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.
6 Ary, indro, Izaho
efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy
ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay
fihaonana.
7 Fa ianao sy ny
zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin'ny zavatra
rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin'ny efitra lamba, dia fanompoana omeko
anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.
8 Ary Jehovah niteny
tamin'i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia
ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny
taranakao izany, ho anjara mandrakizay.
9 Izao no ho anao
amin'ny zavatra masina indrindra, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo; ny
fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany
rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao
izany.
10 Toy ny fihinananao
ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo
mihinana azy: masina ho anao izany.
11 Ary izao koa no ho
anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra
aterin'ny Zanak'Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny
zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin'ny
ankohonanao no mahazo mihinana izany.
12 Izay rehetra tsara
indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny
voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.
13 Ny
voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia
ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.
14 Ny zavatra rehetra
voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao.
15 Ny voalohan-teraka
rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa;
kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao
koa.
16 Ary ny amin'ny
fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao
tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).
17 Fa ny
voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky
ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin'ny
alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho
hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
18 Dia ho anao ny
henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
19 Ny fanatitra
rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i
Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara
mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany
ho aminao sy ny taranakao koa.
20 Ary hoy Jehovah
tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana
anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely.
21 Ary, indro, ny
taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho
fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay
fihaonana.
22 Ary tsy mahazo
manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy
ka maty.
23 Fa ny Levita ihany
no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny
helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara
mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
24 Fa ny fahafolon-karen'ny
Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho
an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova
eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
25 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26 Mitenena indray
amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny
fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo
ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
27 Ary ny fanatitra
alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy
eo amin'ny famiazana.
28 Toy izany koa no
hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo
rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no
hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.
29 Ary ny zavatra
rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i
Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra
masina avy aminy.
30 Dia lazao aminy
hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny
Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana
izany.
31 Dia mahazo
mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa
karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana.
32 Ary tsy
hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary
tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty
ianareo.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka
nanao hoe:
2 Izao no lalàna
hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba
hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola
nasiana zioga.
3 Ary omeo ho an'i
Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina
eo anatrehany.
4 Dia hanalan'i
Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny
trano-lay fihaonana.
5 Dia hodorana eo
imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin'ny
tain-drorohany dia hodorana avokoa.
6 Ary ny mpisorona
dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo
andoroana ny vantotr'ombivavy.
7 Dia hosasan'ny mpisorona
ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo
amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.
8 Ary izay mandoro
ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
9 Dia hangonin'izay
lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo
ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho
an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny
ota izany.
10 Ary ilay nanangona
ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto
mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy
ny vahiny eo aminy izany.
11 Izay mikasika
fatin'olona dia haloto hafitoana.
12 Hanadio ny tenany
amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito
dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy,
dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.
13 Izay rehetra
mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i
Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano
fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
14 Izao no lalàna,
raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra
ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.
15 Ary ny fanaka
rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
16 Ary izay rehetra
mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na
fasana, dia haloto hafitoana.
17 Dia hangalana ho
an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany
rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.
18 Dia haka hysopa ny
lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny
lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana,
na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.
19 Ary ny maloto dia
hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio
ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny
rano, dia hadio rehefa hariva.
20 Fa ny olona izay
naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana,
satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy
taminy: maloto izy.
21 Dia ho lalàna
mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny
fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny
andro.
22 Ary ny zavatra
rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia
haloto mandra- paharivan'ny andro.
*
1 [Ny nitobian'ny
Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy
nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao
an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao
Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
2 Ary tsy nisy rano
ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
3 Dia nila ady
tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny
nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
4 Fa nahoana no
nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty
anay sy ny ombinay eto?
5 Ary nahoana no
nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity
tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na
ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
6 Dia niala teo
anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
7 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
8 Alao ny tehina, ka
vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo
imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona
avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby
fiompiny.
9 Dia nalain'i Mosesy
ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
10 Dia novorin'i
Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy:
Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho
anareo?
11 Ary Mosesy dia
nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia
niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby
fiompiny.
12 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo
imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny
tany izay nomeko azy ianareo.
13 Ity no ranon'i
Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah
ho masina tamin'ny nataony taminy.
*
14 [Ny teny
nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka
olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no
lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo
anay:
15 dia ny nidinan'ny
razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny
razanay ny Egyptiana;
16 ary raha nitaraina
tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy
nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna
eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
17 koa aoka mba
handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny
tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny
lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana
na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
18 Fa hoy ny Edomita
taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao
amin'ny sabatra aho.
19 Dia hoy ny
Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny
ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na
inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
20 Fa hoy izy: Tsy
mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka
betsaka sady nanao tàna-mahery.
21 Toy izany no
nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily
niala taminy ny Zanak'Isiraely.
*
22 Ary nifindra ny
Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao
an-tendrombohitra Hora.
23 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i
Edoma, ka nanao hoe:
24 Arona hangonina
any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny
Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
25 Alao Arona sy
Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
26 dia esory ny fitafian'i
Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany
ka ho faty ao.
27 Ary Mosesy nanao
araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo
imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
28 Dia nesorin'i
Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao
an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy
sy Eleazara.
29 Koa nony hitan'ny
fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny
taranak'Isiraely rehetra.
*
1 [Ny nandresen'ny
Isiraely ny mpanjakan'i Arada] Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada,
izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany
Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany
tamin'ny Isiraely.
2 Dia nivoady tamin'i
Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity
firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
3 Ary Jehovah nihaino
ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely
levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.
4 [Ny Menarana
Varahina] Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany
amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona
noho ny lalana.
5 Ary niteny nanome
tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao
niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ
an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony
mofomofo foana itony.
6 Ary Jehovah dia
nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia
nahafatesana be ny olona Isiraely.
7 Dia nankeo amin'i
Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny
an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana
aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
8 Ary hoy Jehovah
taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra
voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
9 Dia nanao menarana
varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry
ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10 [Ny nandehanan'ny
Isiraely nanodidina ny tany Edoma sy Moaba, ary ny nandreseny an'i Sihona sy
Oga] Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11 Ary nony niala tao
Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra
amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
12 Ary nony niala tao
izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
13 Ary nony niala tao
izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny
fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny
Moabita sy ny Amorita.
14 Koa izany no
ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny
lohasahan-driaka Arnona,
15 Ary ny tany
kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara
ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.
16 Ary niala tao izy
hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe:
Angony ny olona, fa homeko rano izy.
17 Dia nihira izao
fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo
an-kira izy;
18 Lavaka fantsakana
izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny
firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany
an-efitra izy, dia nankao Matana.
19 Ary nony niala tao
Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao
Bamota;
20 ary nony niala tao
Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i
Pisga, izay manatrika ny efitra.
21 Ary ny Isiraely
naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
22 Aoka mba handeha
hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny
tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny
lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23 Nefa Sihona tsy
namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra
izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza;
ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
24 Ary ny Isiraely
namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany
Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.
25 Dia nalain'ny
Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita
rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
26 Hesbona no
tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba
taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Izany no
nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy
hatao mafy ny tanànan'i Sihona;
28 Fa nisy afo
nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona
an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.
29 Lozanao, ry Moaba!
Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany
ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
30 Notifirintsika
izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay
mipaka an'i Medeba.
31 Dia nitoetra tao
amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.
32 Ary Mosesy
naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny
ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33 Ary niverina ny
olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i
Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
34 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy
ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao
tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
35 Dia namely azy sy
ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray
akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
*
1 Ary ny
Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana
tandrifin'i Jeriko.
2 [Ny nampanalan'i
Balaka an'i Balama] Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny
Isiraely tamin'ny Amorita.
3 Dia raiki-tahotra
indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho
ny Zanak'Isiraely.
4 Dia hoy izy
tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina
antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any
an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro
izany.
5 Dia naniraka olona
izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia
eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy
firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka
mitoby tandrifiko;
6 koa ankehitriny mba
mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy;
angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho;
satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia
voaozona.
7 Dia nandeha ny
loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana
teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i
Balaka.
8 Ary hoy Balama
taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay
holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i
Moaba.
9 Ary Andriamanitra
nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
10 Dia hoy Balama
tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka
tamiko hoe:
11 Indro ny firenena
izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ
ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
12 Ary hoy
Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany
firenena izany, fa voatahy izy.
13 Dia nifoha maraina
koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny
taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
14 Ary niainga ireo
andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety
nandeha niaraka taminay Balama.
15 Ary Balaka
naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
16 Dia tonga tao
amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i
Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17 fa hanome anao
voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko
avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
18 Fa namaly Balama
ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy
volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah
Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
19 Nefa, na dia izany
aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola
holazain'i Jehovah amiko koa.
20 Ary nony alina dia
nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no
nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy;
kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21 Dia nifoha maraina
koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo
andriandahin'i Moaba.
22 Ary nirehitra
taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo
an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny
borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
23 Dia hitan'ny
boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany
voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha;
dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
24 Ary Ilay Anjelin'i
Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy
fefy teo an-daniny roa.
25 Ary ny boriky
nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny
tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
26 Ary mbola nandroso
Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy
lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
27 Ary ny boriky
nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra
ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
28 Dia nosokafan'i
Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko
taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
29 Dia hoy Balama
tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ
an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
30 Ary hoy ny boriky
tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy
ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy:
Tsia.
31 Dia nampahiratin'i
Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana
sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
32 Ary hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao?
indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto
anatrehako ny lalanao.
33 Koa nahita Ahy ny
boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko
maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
34 Dia hoy Balama
tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no
nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany,
dia hiverina aho.
35 Fa hoy Ilay
Anjelin'i Jehovah tamin'i Balama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy
ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha
Balama niaraka tamin'ireo andriandahin'i Balaka.
36 Ary nony ren'i
Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin'ny Tanànan'i
Moaba, teo amin'ny fari-tanin'i Arnona, izay eo amin'ny sisin'ny fari-tany.
37 Ary hoy Balaka
tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka
nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra
anao?
38 Dia hoy Balama
tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza
teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no
holazaiko.
39 Dia nandeha Balama
niaraka tamin'i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
40 Ary Balaka namono
omby sy ondry aman'osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an'i Balama sy ny
andriandahy izay teo aminy.
41 [Ny oha-teny
nataon'i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain'i Balaka ka nentiny
niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin'ny sisin'ny
tobiny.
1 Ary hoy Balama
tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2 Dia narahin'i
Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra
vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
3 Dia hoy Balama
tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha;
angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako
aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4 Ary Andriamanitra
dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa
namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny
isan'alitara aho.
5 Ary Jehovah nanisy
teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany
no holazainao.
6 Dia niverina tany
amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo
andriandahin'i Moaba rehetra.
7 Dia nanao oha-teny
Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba
nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy
Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8 Hataoko ahoana no
fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay
tsy nosahatoin'i Jehovah?
9 Fa eto an-tampon'ny
vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro,
firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.
10 Iza no mahisa ny
vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny
fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny
azy!
11 Dia hoy Balaka
tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no
nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12 Dia namaly izy ka
nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?
13 Dia hoy Balaka
taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy;
kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra;
ka ozòny ho ahy ao izy.
14 Dia nitondra azy tao
an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka
nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
15 Dia hoy izy
tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ
hihaona amin'i Jehovah.
16 Ary Jehovah
nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena
mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.
17 Ary nony tonga
tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo
andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no
nolazain'i Jehovah?
18 Dia nanao oha-teny
Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko
ny sofinao, ry zanak'i Zipora;
19 Andriamanitra tsy
mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy,
ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20 Indro, ny hitahy
no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21 Tsy mijery
faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny
Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re
eo aminy.
22
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny
ombimanga,
23 Fa tsy misy
fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa
amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i
Jehovah.
24 Indro, firenena
mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy
mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran'ny voavono.
25 Dia hoy Balaka
tamin'i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26 Fa namaly kosa
Balama ka nanao tamin'i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe:
Izay rehetra holazain'i Jehovah, izany no hataoko?
27 Dia hoy Balaka
tamin'i Balama: Andeha ho entiko any amin'izay tany hafa ianao; angamba ho
sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28 Ary Balama dia
nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra.
29 Dia hoy Balama
tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara
vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30 Ary Balaka dia
nanao araka izay efa nolazain'i Balama ka nanatitra vantotr'ombilahy, sy ondrilahy
iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.
1 Ary rehefa hitan'i
Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo
hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
2 Dia natopin'i
Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny
Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
3 Dia nanao oha-teny
izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny
masony
4 Izay mandre ny
tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa
voahiratra ny masony:
5 Endrey ny
hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6 Tahaka ny lohasaha
malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i
Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7 Hisy rano mandeha
avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro.
Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8
Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny
ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany,
ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.
9 Mamitaka izy,
mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina
anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10 Dia nirehitra
tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy
tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa
nitso-drano azy intelo ianao izao.
11 Koa ankehitriny,
mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra
anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12 Dia hoy Balama
tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho
ka nanao hoe:
13 Na dia homen'i
Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra
ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay
holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?
14 Ary ankehitriny,
indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny
amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
15 Dia nanao oha-teny
izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny
masony;
16 Izay mandre ny
tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita
fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
17 Hitako Izy, nefa
tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i
Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny
sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
18 Edoma sy Seïra
fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
19 Ary avy amin'i
Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
20 Ary nahita ny
Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa
ho lany ringana no hiafarany.
21 Ary nahita ny
Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao
amin'ny vatolampy ny akaninao.
22 Kanefa ho ringana
Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.
23 Dia nanao oha-teny
koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany
Andriamanitra?
24 Ary hisy sambo avy
any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana
no hiafarany.
25 Dia niainga Balama
ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay
nalehany.
*
1 [Ny
nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao
Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny
Moabita izy.
2 Fa ireo nanasa ny
olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny,
ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny.
3 Dia niray tamin'i
Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.
4 Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro
eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny
fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
5 Dia hoy Mosesy
tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay
niray tamin'i Bala-peora.
6 Ary, indro, avy ny
anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny
rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely
rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
7 Ary raha nahita
izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala
teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
8 dia nandeha
nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona
izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany
amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny
Zanak'Isiraely.
9 Ary izay maty
tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11 Finehasa, zanak'i
Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny
Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko
lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.
12 Ary noho izany dia
lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;
13 ary izy sy ny zanany
mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria
nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny
Zanak'Isiraely.
14 Ary ny anaran'ilay
lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy
Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.
15 Ary ny anaran'ny
vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Midianita.
16 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Rafeso ny
Midianita, ka iadio;
18 fa izy nandrafy
anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy
Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina
tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
*
1 [Ny nandaminana ny
Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana,
dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
2 Alao isa ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho
miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo
halefa hanafika.
3 Ary Mosesy sy
Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana
tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
4 Ny hatramin'ny
roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Robena,
lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita;
avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
6 avy tamin'i Hezrona
ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
7 Ireo no fokon'ny
Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo
sy efatra alina.
8 Ary ny zanak'i Palo
dia Eliaba.
9 Ary ny zanak'i
Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama,
olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny
antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
10 ary nisokatra ny tany
ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary
levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
11 Kanefa ny zanak'i
Kora tsy mba maty.
12 Ny taranak'i
Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita;
avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny
Jakinita;
13 avy tamin'i Zera
ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
14 Ireo no fokon'ny
Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15 Ny taranak'i Gada,
araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i
Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
16 avy tamin'i Ozny
ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
17 avy tamin'i Aroda
ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
18 Ireo no fokon'ny
zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
19 Ny zanak'i Joda
dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
20 Ary ny taranak'i
Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy
tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
21 Ary ny taranak'i
Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola
ny fokon'ny Hamolita.
22 Ireo no fokon'i
Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito
alina.
23 Ny
taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny
Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
24 avy tamin'i Jasoba
ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
25 Ireo no
fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy
enina alina.
26 Ny taranak'i
Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita;
avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny
Jahalelita.
27 Ireo no fokon'ny
Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
28 Ny zanak'i Josefa,
araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29 Ny taranak'i
Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka
an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
30 Izao no taranak'i
Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny
fokon'ny Helekita;
31 ary avy tamin'i
Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
32 ary avy tamin'i
Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
33 Ary Zelofada,
zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny
zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34 Ireo no fokon'i
Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy
alina.
35 Izao no taranak'i
Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i
Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
36 Ary izao no
taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
37 Ireo no fokon'ny
taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo
sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
38 Ny taranak'i
Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy
tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny
Ahiramita;
39 avy tamin'i
Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
40 Ary ny taranak'i
Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny
fokon'ny Namanita.
41 Ireo no taranak'i
Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy
arivo sy efatra alina.
42 Izao no taranak'i
Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i
Dana, araka ny fokony.
43 Ny fokon'ny Sohamita
rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina
alina.
44 Ny taranak'i
Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy
tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
45 avy tamin'ny
zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i
Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
46 Ary ny anaran'ny
zanakavavin'i Asera dia Sera.
47 Ireo no fokon'ny
taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy
dimy alina.
48 Ny taranak'i
Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita;
avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
49 avy tamin'i Jezera
ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
50 Ireo no fokon'i
Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo
sy efatra alina.
51 Ireo no voalamina
tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
53 Ireo no hizarana
ny tany ho lovany, araka ny isany.
54 Ny maro isa
homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy
araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
55 Kanefa filokana no
hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
56 Dia filokana no
hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57 Ary izao no
voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny
fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary
ny fokon'ny Merarita.
58 Izao no fokon'i
Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny
fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
59 Ary ny anaran'ny
vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia
niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
60 Ary ny naterak'i
Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
61 Fa maty Nadaba sy
Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
62 Ary izay voalamina
taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray
volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy,
satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
63 Ireo no voalamin'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo
Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
64 Ary tamin'ireo dia
tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona
tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
65 Fa Jehovah efa
nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa
tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
*
1 [Ny fanontanian'ny
zanakavavin'i Zelofada, sy ny lalàna izay natao ny amin'izany] Ary avy ny
zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira,
zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany:
Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
2 dia nitsangana teo
anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny
fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka
nanao hoe:
3 Ny rainay dia maty
tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina
tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy
nanan-janakalahy.
4 Nahoana ny rainay
no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo
zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.
5 Ary nalahatr'i
Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.
6 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
7 Marina ny tenin'ny
zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy;
dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
8 Ary lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny
zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
9 Ary raha tsy
manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10 Ary raha tsy
manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11 Ary raha tsy
manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo
ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely
izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
12 [Ny amin'ny
hahafatesan'i Mosesy, sy ny nanendrena an'i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy
Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano
ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
13 Ary rehefa hitanao
izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana
an'i Arona rahalahinao;
14 fa nandà ny teniko
ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina
Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any
an-efitra Zina.)
15 Ary Mosesy niteny
tamin'i Jehovah hoe:
16 Aoka Jehovah,
Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny
fiangonana
17 ka hivoaka sy
hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny
ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.
18 Ary hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy,
ka ametraho ny tananao izy;
19 ary asaovy mijoro
eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy
eo imasony ianao.
20 Dia anomezo azy ny
voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.
21 Ary Josoa hijanona
eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo
anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny
no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
22 Ary nataon'i
Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka
nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
23 ka nametraka ny
tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy
an'i Mosesy.
*
1 [Fandaharana ny
fanatitra atao isan'andro sy amin'izay fotoana hafa voatendrin'Andriamanitra]
Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny
hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
3 Ary lazao aminy
hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah:
zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra
dorana mandrakariva
4 (ny zanak'ondry
iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony
hariva),
5 ary koba tsara toto
ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra
hohanina.
6 Fanatitra dorana
mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7 Ary ny fanatitra
aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao
amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra
aidina.
8 Ary ny zanak'ondry
iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina
tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra
atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9 Ary amin'ny andro
Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy
kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho
fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
10 Fanatitra dorana
amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny
fanatitra aidina momba azy.
11 Ary izao no atero
amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona
sady tsy misy kilema,
12 ary koba tsara
toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny
isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha
voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
13 ary koba tsara
toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny
isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana,
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
14 Ary ny fanatitra
aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy
iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry
ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny
isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
15 Ary osilahy iray
koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra
dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 Ary ny andro
fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
17 Ary ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana;
hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
18 Amin'ny andro
voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
19 fa izao no atero
ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona
(izay tsy misy kilema no haterinareo).
20 ary koba tsara
toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny
efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa
ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
21 ary ampahafolon'ny
efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),
22 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
23 Atero ireo ho
fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana
mandrakariva.
24 Araka izany no
hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny
fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba
azy.
25 Ary amin'ny andro
fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
26 Ary amin'ny andro
fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho
an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana
masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
27 ary izao no atero
ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy
roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,
28 ary koba tsara
toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha
amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan'ondrilahy iray,
29 ary ampahafolon'ny
efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)
30 ary osilahy iray,
hanaovana fanavotana ho anareo.
31 Dia haterinareo
ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana
mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no
haterinareo.
1 Ary amin'ny andro
voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao
tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2 Ary izao no atero
ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:
vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona
avy sady tsy misy kilema,
3 ary koba tsara toto
voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha
amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-ondrilahy iray,
4 ary ampahafolon'ny
efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
5 ary osilahy iray ho
fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6 ho fanampin'ny
fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy
ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny
fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7 Ary amin'ny andro
fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo,
dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
8 Ary izao no atero
ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy
iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy
misy kilema no haterinareo)
9 ary koba tsara toto
voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha
amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny
isan-ondrilahy iray,
10 ary ampahafolon'ny
efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
11 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana
fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba
azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
12 Ary amin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho
anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana
hafitoana ho an'i Jehovah.
13 Ary izao no atero
ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho
an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary
zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
14 ary koba tsara
toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha
amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary
roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15 ary ampahafolon'ny
efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
16 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17 Ary amin'ny andro
faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary
zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny
isany avy, araka ny fanao,
19 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20 Ary amin'ny andro
fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary
zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
22 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23 Ary amin'ny andro
fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
24 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
25 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26 Ary amin'ny andro
fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
27 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
28 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29 Ary amin'ny andro
fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
30 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
31 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
32 Ary amin'ny andro
fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra
ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
33 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
34 ary osilahy iray
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35 Ary amin'ny andro
fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36 Ary izao no atero
ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito,
izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
37 ary ny fanatitra
hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny
vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka
ny fanao,
38 ary osilahy iray,
ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny
fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
39 Ireo no
haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny
fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho
fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary
fanati-pihavanana.
*
1 Dia nolazain'i
Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i
Jehovah azy.
2 [Lalàna ny amin'ny
hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin'ireo
lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i
Jehovah:
3 Raha misy lehilahy
mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy
hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
4 Ary raha misy
vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao
an-tranon-drainy izy,
5 ka ren-drainy ny
voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy
afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
6 Fa raha nandrara
azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana
namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy
rainy.
7 Ary raha manam-bady
izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay
namehezany ny fanahiny hifady,
8 ka nandre izany ny
lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny
sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
9 Fa raha nandrara
azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay
nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny
izy; ary Jehovah hamela ny helony.
10 Fa ny amin'ny
voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay
rehetra namehezany ny fanahiny.
11 Ary raha nisy
vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny
hifady,
12 ka nandre ny
vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny
famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
13 Fa raha nahafoana
izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra
naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no
nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
14 Ny voady rehetra
sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany
no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
15 Fa raha tsy niteny
azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay
famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny
azy tamin'ny andro nandrenesany.
16 Fa raha manao izay
hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy
izy.
17 Ireo no lalàna
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny
amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
*
1 [Ny tafika
namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Valio ny Midianita
noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina
any amin'ny razanao ianao.
3 Dia niteny tamin'ny
olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary
aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
4 Arivo lahy avy
isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
5 Dia navahana
tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray
alina, samy voaomana hiady.
6 Ary nampandehanin'i
Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i
Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny
trompetra avo feo.
7 Dia niady tamin'ny
Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny
lehilahy rehetra izy
8 ary ny mpanjakan'i
Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora
sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny
sabatra.
9 Ary ny
Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary
nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary
ny fananany rehetra.
10 Ary ny tanànany
rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny
afo.
11 Ary nalainy avokoa
ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
12 dia nentiny tany
amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo
an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
13 Ary Mosesy sy
Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo
ivelan'ny toby.
14 Ary tezitra
tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato, izay avy tany an-tafika,
15 ka hoy izy taminy:
Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
16 Ireo ihany no
nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i
Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
17 Koa ankehitriny,
vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa
nahalala lahy.
18 Fa ny zazavavy
rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
19 Ary mitobia eo
ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio
ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro
fahafito.
20 Ary ny fitafiana
rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia
diovy avokoa.
21 Ary hoy Eleazara
mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna
hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:
22 Ny volamena sy ny
volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
23 dia ny zavatra
rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa
hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo
kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.
24 Ary sasao ny
fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany,
dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.
25 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26 Alaonao sy
Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny
babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
27 ary sasaho ny babo
ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
28 kanefa makà anjara
ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray
isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
29 ny antsasany izay
azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina
ho an'i Jehovah.
30 Ary ny antsasany
an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby,
na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny
Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
31 Dia nataon'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy.
32 Ary ny babo sisa
afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina
sy enina hetsy,
33 sy omby roa arivo
amby fito alina,
34 sy boriky arivo
amby enina alina,
35 ary olona, dia ny
zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36 Ary ny antsasany
izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia
diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
37 ary ny anjaran'i
Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
38 Ary ny omby dia
enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa
amby fito-polo.
39 Ary ny boriky dia
diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika
amby enim-polo.
40 Ary ny zazavavy
dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia
roa amby telo-polo.
41 Dia nomen'i Mosesy
an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
42 Ary avy tamin'ny
antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika
43 (fa ny antsasany
an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy
telo hetsy,
44 sy omby enina
arivo amby telo alina,
45 sy boriky
diman-jato amby telo alina,
46 ary olona enina
arivo amby iray alina),
47 ny antsasany an'ny
Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby
fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny
tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
48 Ary ny mpifehy,
izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona
an'i Mosesy
49 ka nanao taminy
hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy
diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
50 koa nitondra
fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia
fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola,
hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
51 Dia noraisin'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
52 Ary ny volamena
rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i
Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
53 (fa ny mpanafika
samy namabo ho an'ny tenany).
54 Dia noraisin'i
Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny
Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
*
1 [Ny nahazoan'ny
firenen'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase zara-tany tao
an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny
taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny
tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,
2 dia avy ny
taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara
mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:
3 Atarota sy Dibona
sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4 ireo tany noresen'i
Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana
omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;
5 dia hoy koa izy:
Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho
zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.
6 Dia hoy Mosesy
tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha
hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
7 Nahoana ianareo no
mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany
izay nomen'i Jehovah azy?
8 Izany no nataon'ny
rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9 fa raha niakatra
hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny
Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i
Jehovah azy.
10 Ary nirehitra ny
fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
11 Ny olona izay
niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy
hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba
homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
12 afa-tsy Kaleba,
zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny
fanarahana an'i Jehovah.
13 Dia nirehitra
tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra
efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy
teo imason'i Jehovah.
14 Ary, indreto,
ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny
firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
15 Fa raha miala
amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia
ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
16 Ary dia nanatona
azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy
tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;
17 fa ny tenanay dia
hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho
any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda
noho ny mponina amin'ny tany.
18 Tsy hody any
an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
19 Fa tsy
hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho
miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny
zara-taninay.
20 Dia hoy Mosesy
taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i
Jehovah ho any an-tafika,
21 ary rehefa samy
efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah,
mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
22 ka ho resy eo
anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy
hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho
zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
23 Fa raha tsy hanao
izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa
hanody anareo ny fahotanareo.
24 Manaova tanàna ho
an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay
naloaky ny vavanareo.
25 Dia niteny tamin'i
Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao
dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
26 ny zanakay
madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra
dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;
27 fa ny mpanomponao
handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika,
araka izay nolazainao, tompoko.
28 Ary Mosesy dia
nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
29 ka nanao taminy
hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny
taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny
tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30 fa raha tsy
mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny
tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
31 Dia namaly ny
taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i
Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:
32 Izabay handeha
hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady,
kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
33 Dia nomen'i Mosesy
ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i
Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny
fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny
fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.
34 Ary ny taranak'i
Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera
35 sy Atrota-sofana
sy Jazera ary Jogbeha
36 sy Beti-nimra sy
Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
37 Ary ny taranak'i
Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
38 sy Nebo sy
Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao
ny tanàna izay nataony.
39 Ary ny taranak'i
Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny
Amorita izay nonina teo.
40 Ary Gileada dia
nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
41 Ary Jaira, zanak'i
Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe
Havota-jaira.
42 Ary Noba nandeha
ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny
anarany izy.
*
1 [Ny nitobian'ny
Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay
nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny
antokony.
2 Dia nosoratan'i Mosesy
ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no
nandehanany araka ny nialany:
3 Niala tao Ramesesa
Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo
tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely
tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4 Fa ny Egyptiana
mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa
rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5 Ary nony niala tao
Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6 Ary nony niala tao
Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7 Ary nony niala tao
Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka
nitoby tandrifin'i Migdola.
8 Ary nony niala
tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any
an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao
Mara.
9 Ary nony niala tao
Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo
sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10 Ary nony niala tao
Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11 Ary nony niala tao
amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12 Ary nony niala
tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13 Ary nony niala tao
Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14 Ary nony niala tao
Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15 Ary nony niala tao
Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16 Ary nony niala
tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17 Ary nony niala tao
Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18 Ary nony niala tao
Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19 Ary nony niala tao
Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20 Ary nony niala tao
Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21 Ary nony niala tao
Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22 Ary nony niala tao
Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
23 Ary nony niala tao
Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
24 Ary. nony niala
tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
25 Ary nony niala tao
Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
26 Ary nony niala tao
Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
27 Ary nony niala tao
Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
28 Ary nony niala tao
Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
29 Ary nony niala tao
Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
30 Ary nony niala tao
Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
31 Ary nony niala tao
Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
32 Ary nony niala tao
Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
33 Ary nony niala tao
Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
34 Ary nony niala tao
Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
35 Ary nony niala tao
Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
36 Ary nony niala tao
Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37 Ary nony niala tao
Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.
38 Ary Arona
mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia
maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely
avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana
fahadimy.
39 Ary efa telo amby
roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40 Ary ren'ilay
Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany
Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.
41 Ary nony niala tao
an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
42 Ary nony niala tao
Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
43 Ary nony niala tao
Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
44 Ary nony niala tao
Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45 Ary nony niala tao
Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46 Ary nony niala tao
Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47 Ary nony niala tao
Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima,
tandrifin'i Nebo.
48 Ary nony niala
tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i
Jordana tandrifin'i Jeriko.
49 Ary nitoby teo
amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao
Arbota-moaba.
50 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka
nanao hoe:
51 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana
ianareo,
52 dia horoahinareo
eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany
rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny
fitoerana avony rehetra;
53 dia halainareo ny
tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
54 Ary filokana no
hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany
bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay
ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no
hahazoanareo zara-tany.
55 Fa raha tsy
roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo
sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo
eo amin'ny tany izay onenanareo izy;
56 ary hataoko
aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
*
1 [Ny ho faritry ny
tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no
tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3 Ary ny lafiny
atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i
Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira
any atsinanana,
4 dia miolaka eo
atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any
atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
5 ary miolaka hatrany
Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny
ranomasina.
6 Ary ny amin'ny
fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no
ho fari-taninareo andrefana.
7 Ary izao no ho
fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny
tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
8 ary hatramin'ny
tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary
aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,
9 dia hahazo an'i
Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
10 Ary ny ho
fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany
Sefama,
11 dia hidina hatrany
Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka
hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,
12 dia hidina ihany
indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho
taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
13 Ary Mosesy nandidy
ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny
filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14 fa ny firenena
taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny
fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i
Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
15 dia ny firenena
roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana,
hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
16 [Ny anaran'ny
lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Izao no anaran'ny
lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i
Nona.
18 Ary loholona iray
avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
19 Ary izao no
anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i
Jefone;
20 ary ny avy amin'ny
firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
21 ary ny avy amin'ny
firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
22 ary ny lohan'ny
firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
23 ary ny avy amin'ny
taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i
Efoda;
24 ary ny lohan'ny
firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
25 ary ny lohan'ny
firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
26 ary ny lohan'ny
firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
27 ary ny lohan'ny
firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
28 ary ny lohan'ny
firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.
29 Ireo no nodidian'i
Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
*
1 [Ny hanomezana
tanàna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba,
amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita;
ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3 Koa ny tanàna dia
honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny
bibiny rehetra.
4 Ary ny tany
manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna
ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
5 Dia handrefy roa
arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa
arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana,
ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany;
izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6 Ary izao no tanàna
izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo
handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7 Koa ny tanàna
rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany
manodidina azy.
8 Ary ny amin'ny
tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia
izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome
tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 [Ny hifidianana
tanàna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny
tany Kanana,
11 dia hifidy tanàna
ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona
tsy nahy.
12 Dia ho fandosirana
ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty
izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
13 Ary ireo tanàna
homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14 Ny tanàna telo dia
homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao
amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15 Ireo tanàna enina
ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra
ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 Kanefa raha misy
mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
17 Ary raha misy
mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty
olona.
18 Ary raha misy
mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay
nahafaty olona.
19 Ny mpamaly rà no
mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 Ary raha misy
mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka
mahafaty,
21 na mamely amin'ny
tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely;
nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22 Fa raha misy
mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na
amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
23 na sendra manjera
vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady
handratra azy,
24 dia hotsarain'ny
fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25 Ary hovonjen'ny
fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray
ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary
hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny
diloilo masina.
26 Fa raha mivoaka ho
eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay
nahafaty olona
27 ka hitan'ny
mpamaly rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà
amin'izany,
28 satria tokony ho
nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa
rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay
nahafaty olona.
29 Ary izany zavatra
izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny
amin'izay rehetra onenanareo.
30 Ny amin'izay
rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny
vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka
hahafaty olona izany.
31 Ary ianareo tsy
handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa
hatao maty tokoa izy.
32 Ary ianareo tsy
handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany
indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 Ary aza mametaveta
ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo
anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay
nandatsaka azy ihany.
34 Ary aza lotoinareo
ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny
Zanak'Isiraely.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny
fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i
Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i
Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao
hoe:
2 Hianao,
tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny
Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny
zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.
3 Koa raha manambady
ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina
amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay
hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana
izany.
4 Ary raha tonga ny
Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay
hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.
5 Ary Mosesy nandidy
ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny
firenena taranak'i Josefa.
6 Izao no teny izay
andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay
tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
7 Dia tsy hifindra
maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny
zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
8 Ary ny zazavavy
rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia
hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba
hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.
9 Ary aoka tsy hisy
hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy
avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.
10 Araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada,
11 ka Mahala sy Tirza
sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky
ny rahalahin'ny rainy avy.
12 Izay avy tamin'ny
fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo
amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny.
13 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.