Malakia
1 [Ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny Isiraely, sy ny
nanamavoan'ireny ny anarany sy ny fombam-pivavahana aminy] Teny faminaniana avy
tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
2 Efa tia anareo Aho,
hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i
Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3 fa Esao no halako,
ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny
amboadia* any an-efitra. [Na: jakala]
4 Na dia hoy aza
Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no
lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava;
ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah
mandrakizay, ireo.
5 Ary ny masonareo no
hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe* any an-koatry** ny
tanin'ny Isiraely.[*Na: ho lehibe anie][Na: eny amin']
6 Ny zanaka manaja ny
rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary
raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo,
ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no
anamavoanay ny anaranao?
7 Amin'ny fitondrana
hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no
andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia
fanazimbazimba.
8 Ary raha jamba no
entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy
ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo
sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
9 Koa masìna ianareo,
andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no
nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
10 Enga anie ka hisy
aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny
alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny
tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
11 Fa hatramin'ny
fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe* ny anarako any
amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo
manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe* any amin'ny
jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: ho lehibe]
12 Fa ianareo kosa
manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny
haniny aterina eo* dia tsinontsinona. [Heb. vokany]
13 Hoy koa ianareo:
Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;
entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo
ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah.
14 Fa voaozona ny
mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono
zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.
1 [Ny
tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary
ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
2 Raha tsy hihaino na
handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano
ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3 Indro, hasiako teny
mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny
tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4 Dia ho fantatrareo
fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko
amin'i Levy*, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy
zanany]
5 Ny fanekeko taminy
dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia
natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
6 Ny lalàn'ny
fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny
molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary
maro no nampialainy tamin'ny heloka.
7 Fa ny molotry ny
mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany,
satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
8 Fa ianareo kosa dia
efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary
namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.
9 Ary Izaho kosa dia
efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo
anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny
nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna.
10 [Fananarana ny
olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa]
Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary
antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka
mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?
11 Ny Joda efa
namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa
ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady
ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa.
12 Enga anie ka
hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany,
na iza na iza*, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro.
[Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly]
13 Ary
faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana
ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra,
ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.
14 Nefa hoy ianareo:
Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao
izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15 Moa tsy nisy
anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no
notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo
ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy
sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra
Izy]
16 Fa halako ny fisaoram-bady,
hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny
fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza
mamitaka ianareo.
17 [Ny amin'ny andron'i
Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy
ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay
rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny
hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
*
1 Indro, haniraka ny
irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay
tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena
Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]
2 Nefa iza no mahatanty
ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka
ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
3 Ary hipetraka
handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy
handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i
Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
4 Dia ho mamin'i Jehovah
ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny
tamin'ny taona taloha.
5 Ary hanatona anareo ho
fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny
mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny
karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa
tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
6 Fa Izaho Jehovah dia
tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
7 Hatramin'ny andron'ny
razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena
amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa
hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
8 Handroba
an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo:
Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*.
[Heb. fanatitra asandratra]
9 Voaozona amin'ny ozona
ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny
fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao
an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha
tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana
amby ampy ho anareo.
11 Ary hasiako teny mafy
ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny,
ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
[Heb. mpandany]
12 Ary ianareo hataon'ny
firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro.
13 Ny teninareo dia
mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay
namely Anao?
14 Tamin'ny
nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa
efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny
nandehanantsika nitafy lamba fisaonana* teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny
maro. [Na: nijoretra]
15 Ary ankehitriny
isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao
ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
16 Ary tamin'izany
izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah
nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho
fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
17 Ary ho rakitra soa
ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho
antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
18 Ka dia ho
hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo
an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19 Fa, indro, avy ny
andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny
mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy,
hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny
sampany.
20 Ary hiposaka
aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana
fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny
zanak'omby mifahy; [Heb. elany]
21 ary hohitsahinareo
ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro
izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
22 Tsarovinareo ny
lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely
rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
23 Indro, Izaho
haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i
Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
24 ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana*. [Heb. herema]