Kolosiana
1 [Fiarahabana ny Kolosiana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho
ny toetr'ireo] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra,
ary Timoty rahalahy,
2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky
ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Raintsika.
3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika,
izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny
fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5 noho ny
fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo
fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
6 izay efa mby
eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo
tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo
tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;
7 tahaka ny efa
renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy
mahatoky ho anay*, [* Na: (anareo)]
8 sady efa
nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
9 [Fivavahan'i
Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy]
Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra
mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony
ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
10 mba
handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra
rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny
fahalalana tsara an'Andriamanitra,
11 ary
ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny
faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
12 ka misaotra
ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona
masina eo amin'ny mazava,
13 sady
nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny
fanjakan'ny Zanany malalany,
14 Izay
ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
15 Izy no
endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra
izao;
16 fa tao aminy
no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny
hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na
fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza
fiandrianana]
17 ary Izy no
talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 Ary Izy no
Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny
maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia]
19 Fa sitraky
ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
20 sady Izy no
hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana
no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny
etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
21 Ary ianareo,
izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy,
no efa nampihavaniny ankehitriny
22 tao amin'ny
tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy
hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23 raha
maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety
hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo
sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy
Paoly ho mpanompo.
24 Ankehitriny
dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko
izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*,
[* Gr. eklesia]
25 izay nanaovana ahy
ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo,
hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,
26 dia ny
zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho
ankehitriny amin'ny olony masina,
27 izay efa
tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina
ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny
voninahitra;
28 Izy no torinay, ka
samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba
samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra.
29 Ary ny
hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny
fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.
1 [Fananaran'i Paoly
ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa
tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia
mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo,
2 mba hampifalina ny
fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny
fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny
zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy,
3 Izay iafenan'ny
rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4 Ary izany no
lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina.
5 Fa na dia tsy
manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny
fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i
Kristy.
6 Koa tahaka ny
nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany
koa,
7 ka mamaka tsara sy
miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana
anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin'izany)]
8 Tandremo fandrao
misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka
ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo
izao, fa tsy araka an'i Kristy.
9 Fa ao amin'ny
tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra;
10 ary ianareo dia
tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
11 ary tao aminy koa
no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny
tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 fa niara-nilevina
taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny
finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.
13 Ary ianareo, izay
efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka
tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
14 ary novonoiny ny
sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany
ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,
15 ary nesoriny tsy
ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana
dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [*
Na: noreseny ka nobaboiny]
16 Koa aza avela hisy
hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana,
na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra
ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
18 Aza mety
hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny
fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno
fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)]
19 ka tsy mihazona ny
Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara
amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
20 Ary raha
niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao
tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo
ka mety hodidiana hoe:
21 Aza mandray, aza
manandrana, aza manendry -
22 levona amin'ny
fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
23 Izany rehetra
izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny
fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana
ny fampanaranana ny nofo.
1 [Ny tokony
hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa
raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any
ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana
ankavanan'Andriamanitra.
2 Saino ny zavatra
any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 Fa efa maty
ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
4 Raha hiseho Kristy
fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.
5 Koa vonoy ny momba
ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po,
fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
6 fa izany zavatra
izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny
tsi-fanarahana;
7 izany koa no
nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8 Fa ankehitriny,
esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo,
fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
9 Aza mifandainga
ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona]
10 ary efa
notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka
ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona]
11 Fa amin'izany dia
tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy
Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny
rehetra. [* Gr. Grika]
12 Koa mitafia
famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy,
fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13 Mifandefera,ka
mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny
namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na:
(Kristy)]
14 Ary aoka ho
ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.
15 Ary aoka hanapaka
ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho
tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
16 Aoka ny tenin'i
Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia
mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny
tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho
an'Andriamanitra.
17 Ary na inona na
inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i
Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
18 Hianareo vehivavy,
maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.
19 Hianareo lehilahy,
tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]
20 Hianareo zanaka, maneke
ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny
Tompo izany.
21 Hianareo ray, aza
mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny
fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny
fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
23 ary na inona na
inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho
an'olona,
24 satria fantatrareo
fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo
ianareo.
25 Fa izay manao ny
tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy
fizahan-tavan'olona,
TOKO 4. 1 Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety,
satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2 [Ny amin'ny naman'i
Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny
fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3 ary mangataha koa
ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny
zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4 mba haharihariko
tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5 Mandehana amin'ny
fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Aoka ny fiteninareo
ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay
tokony havalinareo ny olona rehetra.
7 Ny toetro rehetra
dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky
ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8 ny anton'ny
nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy
ny mba hamporisihany ny fonareo;
9 ary Onesimosy,
rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy
hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
10 Manao-veloma
anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy
dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 ary Jesosy, izay
atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko
hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12 Manao veloma
anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary
mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina,
ka hatoky tsara* amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [* Na: ho
tanteraka]
13 Fa vavolombelony
aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any
Hierapolia izy.
14 Manao veloma
anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15 Manaova
veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16 Ary rehefa
voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny
fiangonan*'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.
[* Gr. eklesia]
17 Ary lazao
amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba
hahatanterahanao izany.
18 Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.