FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15
AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY
Mitohy toy izao ny andininy: “mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa.
Izany dia mitarika antsika ho amin'ny andininy faha-10, iray amin'ireo fehezanteny mampiharihary indrindra ao amin'ny tantaran'i Abrahama: “fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” (Andininy faha-10) Izany no fototry ny fiainan'i Abrahama manontolo. Tsy nandany fotoana nitady tany Abrahama, fa nandany fotoana tamin’ny fitadiavana Andriamanitra. Tsy nitady fananana izy; fa nitady ny mandrakizay. Tsy nitady fampiononana izy; fa nitady zavatra tsy azo hozongozonina. Jereo ny nanehoan’ny mpanoratra azy eto hoe, tanàna misy fanorenana. Ny fanorenana dia midika hoe fahamarinan-toerana, faharetana, zavatra tsy hozongozonin'ny toetr'andro, ady, na taona. Niaina tao anaty lay nandritra ny androm-piainany manontolo i Abrahama — izany hoe, rafitra izay mora mirodana ary mora atsangana indray. Ny zava-nisy niainany dia taratry ny fanambarana ara-panahy azony: ny zava-drehetra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia vetivety ihany.
“Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.” (Andininy faha-12) Diniho tsara izay volaza eto, izay efa toy ny maty. Ny Soratra Masina dia miresaka mivantana momba ny toetran'i Abrahama: nihena ny vatany, nangina ny kibon'i Saraha. Ary ny zava-nisy niainany dia tsy nisy nanamarika ny hoaviny. Na izany aza, ny Hebreo dia manoritra ny sarin'ny taranaka maro be tsy tambo isaina. Ny finoana no nanova ny tsy fahafahana miteraka ho firenena, tsy noho i Abrahama sy Saraha niavaka, fa satria Andriamanitra dia faly mampiasa izay toa vita mba hamokarana izay tsy azo sakanana.
Saingy misy zavatra manandanja hafa ambaran’ny Soratra Masina, mihoatra ny fitantarany momba ny taranany. Tany amin'ny tontolo fahiny, ny taranaka no faharetana, fitohizana, lovana ary hoavy izay hisolo ny fiainanao aorian’ny fiverenanao any amin’ny tany izay nanalana anao. Ny tsy fananana zanaka dia manambara fa tapitra hatreo ny momba anao ka izany no tahotra mangina nananan'i Saraha. Ary eto Hebreo dia manambara fa tsy hoe nanome an’i Saraha taranaka fotsiny Andriamanitra, fa nanoratra tantara indray manoloana ny fiafarany. Ny finoana dia tsy manampy zavatra fotsiny amin'ny fiainanao fa manoratra indray ireo ampahany izay noheverinao fa foana sy tsy nisy teo amin’ny fiainanao. Fankatoavana izay nolazainy, na dia tsy azonao dinihina sy refesina aza ny fivoarany. Fihetsika izany, fa tsy fihetseham-po—fihetsika izay milaza hoe: "Hiaina tahaka ny maha-azo itokisana an'Andriamanitra aho na dia maty aza aho alohan'ny hahitana porofo."
Dia eto indray isika tonga amin’ny andininy izay manazava ny fahatakaran’ireo momba ny drafitr’Andriamanitra. “Dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.” (Andininy faha-13) Ity no fotoana voalohany ilazan'ny Hebreo aminao ny antony niainan'ireto olona ireto ny fomba fiainany. Takatr'izy ireo ny toerana nisy azy ireo; takany ny atao hoe izao tontolo izao sy ny tsy maha an’azy azy. Ny mpivahiny dia tsy manorina trano maharitra; ny vahiny koa dia tsy manorina trano maharitra amin’ny tany ivahinianany. Ireo olon’ny finoana ireo dia tsy nifikitra tamin'ny tany satria fantany fa tsy afaka mitazona izay niriny ny tany. Ny tafio-drivotra niaretany, ny fatiantoka niaretany, ireo tantara toa tsy vita—tsy fahombiazana izany; fampahatsiahivana fa ity tontolo ity dia tsy tanindrazana farany.
Ny andininy faha-14 dia manampy ny fahamarinana bebe kokoa: “Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.” (Andininy faha-14) Mitady - fa tsy miriorio. Mitady fa tsy miandry fotsiny. Izany teny izany dia midika hoe mavitrika (active). Ny fiainan'izy ireo dia nifantoka tamin'ny zavatra tsy hita maso. Ny olona dia miaina tontolo izay adala miandry fatratra ny fahatongavan’ny zavatra iray, mifantoka amin’ny fanakarana ny tanjona eto an-tany, fahazahoana vokatra, fahazahoana fitoniana sy fiarovana. Saingy ireo mpino ireo dia tsy voafaritra tamin'ny zavatra vitany, fa nofaritana tamin'ny zavatra nokatsahiny. Ny fikatsahany no nanome dikany ny fiainany. Ny kolontsaina maoderina dia maneso ny olona izay miaina ho an'ny tsy hita; ny Hebreo kosa manome voninahitra azy ireo.
Manampy ny zava-miafina momba ny fon’ny zanak’olombelona ny andininy faha-15 eto; hoy izy : “Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.” (Andininy faha-15) Nahatsiaro, izany hoe raha nieritreritra foana izay navelany izy ireo. Raha mbola tany amin’ny zavatra izay nahazatra azy foana ny eritreriny, dia ny fahatoniany, dia ny tanjony na ny vinavinany dia ho afaka niverina izy ireo. Tsy ny herin’ny fakam-panahy no mahalevona ny finoana, fa levona ny finoana noho ny fahatsiarovana ny hiverina. Tsy ao amin’ny fiainanao taloha no iantsoan’ny loza anao, fa miantso anao izy amin’ny fotoana anao mamaly ny antsony amin’ny sainao ka manapa-kevitra ny hiverina.
Nalaina avy tao amin'ny Boky iray antsoina hoe: Ny hevi-dalin'ny Hebreo 11. Raha hitady io boky io ianao dia tsindrio eto.
Inona no tsapanao tamin'ny famakiana ity andalana boky notsongaina ity? Manome antoka an'Andriamanitra ve ianao fa tsy hiverina rehefa miatrika ady zava-tsarotra, ary ataonao ahoana no anehoanao izany amin'ny fiainanao? Sorato ao amin'ny kaomantera ny hevitrao.
