1 Samoela
1 [Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i
Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any
amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i
Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
2 Ary namporafy izy,
Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary
Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
3 Ary ralehilahy
niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao
fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy,
zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
4 Ary tamin'ny andro
namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy
Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
5 Fa Hana kosa nomeny
anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
6 Ary ny rafiny dia
nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.
7 Ary izany no
fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary
izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety
nihinan-kanina.
8 Fa Elkana vadiny
nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety
mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra
aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9 Ary rehefa nihinana
sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka
tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
10 Ary Hana dia
nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia
nitomany.
11 Ary nivoady izy ka
nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny
ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa
hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra
hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12 Ary raha mbola
naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.
13 Fa niteny anakampo
Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia
nataon'i Ely fa mamo izy.
14 Dia hoy Ely
taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15 Dia namaly Hana ka
nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na
toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
16 Aza mba atao ho
vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny
alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17 Dia namaly Ely ka
nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao
anie izay nangatahinao taminy.
18 Ary hoy izy: Aoka
hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary
nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19 Ary nifoha maraina
koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao
an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah
nahatsiaro azy.
20 Ary tamin'ny
fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany
nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela =
Nohenoin'Andriamanitra (?)]
21 Ary ralehilahy
Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny
fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22 Fa Hana kosa tsy
mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa
amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao
mandrakizay izy.
23 Ary hoy Elkana
vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary
hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany
mandra-panotiny azy.
24 Ary nony efa maoty
ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy
telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i
Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na:
siny hoditra]
25 Dia novonoiny ny
vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
26 Ary hoy Hana:
Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana
teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
27 Ny hahazoako ity
zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
28 Koa atolotro ho
an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho
an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
*
1 [Fisaorana nataon'i
Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny
tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko;
fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2 Tsy misy masina
tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka
an'Andriamanitsika .
3 Aza dia mahery
miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah
no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
4 Tapaka ny
tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
5 Mikarama mofo ny
voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny
maro anaka.
6 Jehovah no mahafaty
sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary
mampitsangana.[Heb. Sheola]
7 Jehovah no
mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
8 Izy no manangana ny
malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny
zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny
sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany
izao tontolo izao.
9 Ny tongotry ny
olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny
maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina]
10 Ho torotoro izay
miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy.
Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra
ny tandroky ny voahosony.
11 [Ny nanompoan'i
Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny
nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany
Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo
anatrehan'i Ely mpisorona.
*
12 Ary ny
zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
13 Ary izao no
fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao
fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana
teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah,
na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
14 dia natsindrony
tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny
vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny
mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay
tonga tao.
15 Ary raha tsy mbola
nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao
tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho
an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16 Ary raha nisy
olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao
izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany;
fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17 Ka dia lehibe
indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny
olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
18 Fa Samoela nanao
fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra
efoda rongony fotsy izy.
19 Ary
nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona
izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra
tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
20 Ary Ely
nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity
vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody
izy mivady.
21 Ary Jehovah
namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy
roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
22 Ary efa antitra
indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny
Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny
varavaran'ny trano-lay fihaonana.
23 Dia hoy izy
taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona
rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24 Tsia anaka, fa tsy
tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
25 Raha misy olona manota
amin'olona, dia ny mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah
kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria
sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
26 Ary Samoela zaza
nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.
27 Ary nisy
lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no
lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha
mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?
28 Eny, nofidiko
tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo
ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo
anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny
Zanak'Isiraely amin'ny afo.
29 Nahoana no
hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho
Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao
voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra
amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?
30 Koa izany no
anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny
taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa
ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra
Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
31 Indro, avy ny
andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy
lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.
32 Ary hahita ny manjo*
ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy
lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']
33 Nefa tsy dia
hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao
sy hampalahelo ny fonao*; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao
herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho
eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]
34 Ary izao no ho
famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa:
ho indray andro maty izy mirahalahy.
35 Ary Izaho
hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato
an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny
voahosotro mandrakizay izy.
36 Ary ho avy izay
sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely
sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho,
mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
1 [Ny niantsoana an'i
Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana
tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana
ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
2 Ary tamin'izany andro
izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy
nahita izy),
3 sady tsy mbola maty
ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah,
izay nisy ny fiaran'Andriamanitra,
4 dia niantso an'i
Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
5 Dia nihazakazaka
nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely:
Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
6 Ary Jehovah niantso
azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao
hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha
mandry ihany.
7 Ary Samoela tsy
mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
8 Ary Jehovah niantso
an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao
hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny
zaza.
9 Ary hoy Ely tamin'i
Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe:
Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao
amin'ny fandriany.
10 Ary avy Jehovah,
dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia
namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy Jehovah
tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay
rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
12 Amin'izany andro
izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny
taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
13 Fa efa nambarako
taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany,
satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14 Koa izany no
nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony
mandrakizay.
15 Ary nandry Samoela
mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy.
Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
16 Fa Ely niantso
an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17 Ary hoy izy: Inona
no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy;
hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy
afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
18 Dia nambaran'i
Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely:
Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19 Ary nitombo
Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny
teniny.
20 Ary ny Isiraely
rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah
tokoa Samoela.
21 Dia niseho tao
Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny
teniny.
*
1 [Ny niadian'ny
Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga
tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady
tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa
nitoby tany Afeka.
2 Dia nilahatra ny
Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny
Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila
nilahatra tany an-tsaha.
3 Ary rehefa tonga
tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely
antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any
Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto
amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
4 Dia naniraka nankany
Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay
mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny
faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
5 Ary rehefa tonga
teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely
rehetra, ka dia nanako ny tany.
6 Ary rehefa ren'ny
Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo
izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
7 Dia raiki-tahotra
ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy:
Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
8 Mahita loza isika!
Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no
andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.
9 Mahereza, ary aoka
hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka
ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
10 Ary niady ny
Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy
rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra
tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.
11 Dia lasan-ko babo
ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy
Finehasa.
12 Ary nisy lehilahy
Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga tao Silo
androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
13 Ary raha tonga
izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa
niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao
an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
14 Ary rehefa ren'i
Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary
ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.
15 Ary efa valo amby
sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
16 Ary hoy ilay
lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no
nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany,
anaka?
17 Dia namaly ilay
nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka
be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty
koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
18 Ary nony nilaza ny
amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo
anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra
sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
19 Ary ny
vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny
fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny
vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20 Ary rehefa nadiva
hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy
hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
21 Dia nataony hoe
Ikaboda* ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely,
satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany
sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra]
22 Ary hoy izy: Afaka
tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
1 [Ny
namelezan'Andriamanitra ny Filistina noho ny namaboany ny fiara, sy ny
namerenan'ny Filistina azy] Dia nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka
nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
2 Ary nony efa
azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon'i Dagona
izy ka napetrany teo anilany.
3 Ary nony
ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka
niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah; dia narenin'ny olona
izy ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray.
4 Ary nony
ampitson'iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka
niankohoka indray tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah, ary tapaka teo
amin'ny tokonam-baravarana ny lohan'i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny
tenabeny ihany no sisa
5 izany no tsy
anitsahan'ny mpisoron'i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny
tokonam-baravaran'i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
6 Ary navesatra
tamin'ny Asdodita ny tànan'i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay
ny tao Asdoda sy ny tamin'ny fari-taniny rehetra.
7 Ary rehefa hitan'ny
mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika
ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin'i Dagona
andriamanitsika ny tànany.
8 Dia naniraka olona
izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina hankeo aminy ka nanao
hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo:
Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia
nafindrany ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ary rehefa
voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan'i Jehovah ka nampangorohoro
azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka
nisy vay nipoipoitra taminy.
10 Ary dia naterin'ny
olona nankany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny
fiaran'Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran'ny
olona ho atỳ amintsika ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika
sy ny firenentsika.
11 Dia naniraka olona
izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin'ny Filistina ka nanao hoe:
Ampandehano ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any
amin'ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika;
fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao
ny tànan'Andriamanitra.
12 Ary ny olona izay
tsy maty dia voan'ny vay kosa, ka ny fitarainan'ny tao an-tanàna dia niakatra
ho any an-danitra.
1 Ary ny fiaran'i
Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana.
2 Ary ny Filistina
nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no
hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any
amin'ny fitoerany.
3 Ary hoy ireo: Raha
aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa
manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho
fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.
4 Dia hoy ny olona:
Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay
volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny
Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5 Koa manaova sarin'ny
vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny
Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny
andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
6 Fa nahoana no
manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony?
Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona,
ka dia lasa?
7 Koa ankehitriny
manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola
nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany
hiala aminy.
8 Ary alao ny
fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata
kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka
ampandehano izany.
9 Ary izahao, ka raha
miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany,
dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany,
dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo
antsika.
10 Dia nataon'ny
olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety
ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
11 Dia napetrany teo
ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena
sy ny sarin'ny vay.
12 Ary ny ombivavy
nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny
lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana,
na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny
fari-tanin'i Beti-semesy.
13 Ary ny
Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony
izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
14 Ary ny sariety
tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato
lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho
fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
15 Ary ny Levita
nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay
nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary
tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana
sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.
16 Ary raha
hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona
androtrizay ihany izy.
17 Ary izao no sary
volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah:
an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i
Ekrona iray;
18 ary ny totozy
volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo
andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny
vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i
Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
19 Ary Jehovah namely
ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona
fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i
Jehovah, ka be dia be no maty.
20 Ary hoy ny mponina
tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina
izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?
21 Dia naniraka olona
nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny
Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any
aminareo izy.
1 Dia tonga teo ny
mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia
nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i
Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
*
2 [Ny nampibebahan'i
Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela
ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany
Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely
rehetra nalahelo an'i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
3 Ary hoy Samoela
tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo
rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo
Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no
hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
4 Dia nanary ireo
Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
5 Ary hoy Samoela:
Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo
aho.
6 Dia nivory tany
Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady
nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i
Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
7 Ary rehefa ren'ny
Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy
ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia
raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8 Dia hoy ny
Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah
Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9 Dia naka
zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i
Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino
azy Jehovah.
10 Ary raha mbola
nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny
Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro
izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
11 Ary ny lehilahy
amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy
mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
12 Ary Samoela naka
vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe
Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera =
Vato famonjena]
13 Dia resy ny
Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny
tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14 Ary ny tanàna izay
efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany
Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny
tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15 Ary Samoela
nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
16 Ary nandeha
isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny
Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.
17 Dia niverina ho
any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady
nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
1 [Ny nangatahan'ny
Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony
mpitsara ny Isiraely.
2 Ary Joela no
anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany
Beri-sheba izy ireo.
3 Nefa ny zanany tsy
nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly
sy nanao fitsarana miangatra.
4 Ary ny loholon'ny
Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela
5 ka nanao taminy
hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa
manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
6 Fa tsy sitrak'i
Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia
nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
7 Ary hoy Jehovah
tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy
aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
8 Araka ny asa
rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta
ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa,
dia toy izany koa no ataony aminao.
9 Ary ankehitriny
henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho
fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
10 Dia nambaran'i
Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra
nolazain'i Jehovah.
11 Ary hoy izy: Izao
no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy
ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka
eo alohan'ny kalesiny,
12 ary hotendreny ho
mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny
vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
13 ary ny
zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy
mpanao mofo;
14 ary ny tsara
indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia
halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;
15 ary ny
ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny
ho an'ny tandapany* sy ny tandonany.[Heb. ionoka]
16 Ary ny
ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny
borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
17 Ary halainy koa ny
ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
18 Ary hitaraina
amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho
anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.
19 Kanefa tsy nety
nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy
mpanjaka hanjaka aminay,
20 mba ho tahaka ny
firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo
alohanay ary hitarika ny adinay.
21 Ary ren'i Samoela
ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah
kosa.
22 Ary hoy Jehovah
tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela
tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny
tanànanareo avy ianareo rehetra.
*
1 [Ny nanendrena an'i
Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao
hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia,
Benjamita izy sy mpanjatobe.
2 Ary
nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka
tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho
ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
3 Ary very ny
borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà
zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4 Dia nandeha namaky
ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha
namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny
tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5 Ary nony tonga teo
amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha
isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
6 Fa hoy ny
mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa,
ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa
andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony
halehantsika.
7 Dia hoy Saoly
tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho
an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy
misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ
amintsika?
8 Dia namaly an'i
Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola
ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba
hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
9 (Fahiny teo amin'ny
Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no
fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany
ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
10 Dia hoy Saoly
tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa
lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
11 Ary raha mbola
niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita
zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12 Dia namaly azy
ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana,
fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao
amin'ny fitoerana avo anio;
13 ary raha vao
miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra
hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka
mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa
afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa
amin'izao no hahitanareo azy.
14 Dia niakatra tao
an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka
niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
15 Ary Jehovah efa
nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
16 Rahampitso toy
izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny
tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka
hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa
mby etỳ amiko ny fitarainany.
17 Ary nony hitan'i
Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io
no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
18 Ary Saoly dia
nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny
tranon'ny mpahita.
19 Ary Samoela dia
namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny
fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia
halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20 Ary aza malahelo
ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza
ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny
ankohonan-drainao va?
21 Dia namaly Saoly
ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny
firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny
mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy
izany ianao?
22 Ary Samoela dia
nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia
nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo
ireo.
23 Ary hoy Samoela
tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko
taminao hoe. Tehirizo ity.
24 Dia nalain'ny
mpanao nahandro ny soro-kena* mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i
Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao,
koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao
hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia
niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]
25 Ary izy roa lahy
nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka
tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
26 Ary nifoha maraina
koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo
an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia
nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy
Samoela.
27 Ary nony nidina
teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo
alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako
ny tenin'Andriamanitra.
TOKO 10. 1 Ary Samoela
nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia
nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny
lovany?
2 Rehefa misaraka
amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao
amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa
hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no
heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no
hataoko ny amin'ny zanako?
3 Dia handroso hiala
ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny
olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray
mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray
mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra]
4 ary hiarahaba anao
ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
5 Rehefa afaka izany,
dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina;
ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro
irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka
sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6 Ary hilatsaka
aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho
olom-baovao.
7 Ary rehefa tonga
aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa
Andriamanitra no momba anao.
8 Ary ianao hidina eo
alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra
fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako
aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9 Ary raha vao
nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary
tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10 Ary rehefa tonga
tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia
nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11 Ary nony
hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo
amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga
amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
12 Ary ny anankiray
teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana
hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
13 Ary rehefa
nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
14 Ary hoy ny
rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary
hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i
Samoela izahay.
15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i
Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
16 Dia hoy Saoly
tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky.
Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17 Ary Samoela namory
ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah
18 ka nanao tamin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho
nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny
tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory
anareo.
19 Nefa ianareo kosa
efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra
manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa
manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah
araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20 Dia nampanatona ny
firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.
21 Dia nampanatona ny
firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no
voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy
nahita azy.
22 Dia nanontany
tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary
hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.
23 Dia nihazakazaka
ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia
nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny
halavany.
24 Ary hoy Samoela
tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy
tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao
hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25 Ary Samoela nilaza
tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny
taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra
samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
26 Fa Saoly kosa
nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny
tànan'Andriamanitra ny fony.
27 Fa nisy kosa olona
tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika?
Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia
tahaka ny marenina.
*
1 [Ny nandresen'i
Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra
ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy
tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2 Fa hoy Nahasy
Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana
rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3 Fa hoy ny loholon'i
Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any
amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy
anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
4 Dia tonga tany
Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia
nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5 Ary, indro, Saoly
tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny
olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
6 Dia nilatsaka
tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i
Saoly, raha nandre izany teny izany.
7 Dia naka omby roa
izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny
fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka
hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia
nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray
ihany izy.
8 Ary nandamina azy
tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no
isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
9 Ary hoy izy
tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao
Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo.
Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly
ireo.
10 Ary hoy ny mponina
tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay
izay rehetra sitrakareo.
11 Ary nony maraina,
dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny
fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa
izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa
aza.
12 Ary hoy ny vahoaka
tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory
ireny olona ireny hataonay maty.
13 Fa hoy Saoly: Tsy
hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo
amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy Samoela
tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
15 Dia lasa ny
vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka
teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo
anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra
amin'ny Isiraely.
*
1 [Ny anatra nataon'i
Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela
tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay
rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
2 Ary ankehitriny,
indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy
volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo
anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
3 Koa inty aho;
tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no
nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no
nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko?
fa honerako aminareo izany.
4 Ary hoy ireo:
Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny
an-tànan'olona na dia iray akory aza.
5 Dia hoy Samoela
taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny
voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia
hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
6 Ary hoy Samoela
tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny
razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
7 Koa ankehitriny
avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny
asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8 Rehefa tonga tany
Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka
an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta
ary namponina azy teto amin'ity tany ity.
9 Nefa raha nanadino
an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera,
komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo
an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.
10 Dia nitaraina
tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i
Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny
tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
11 Ary Jehovah efa
naniraka an'i Jerobala sy Bedana* sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo
tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na:
(Baraka)]
12 Kanjo nony
hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo
tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah
Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13 Koa ankehitriny,
indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah
nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
14 Enga anie ka
hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny
didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny
mpanjaka izay manjaka aminareo.
15 Fa raha tsy
mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo
ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16 Koa mitsangàna
ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
17 Moa tsy
taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga
kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy
nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
18 Ary Samoela
niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany
andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela
indrindra.
19 Dia hoy ny vahoaka
rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny
mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho
fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
20 Ary hoy Samoela
tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo;
kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo
rehetra.
21 Eny, aza mivily;
fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa
zava-poana ireo.
22 Fa Jehovah tsy
hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany
anareo ho olony.
23 Ary ny amiko,
sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo;
fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
24 Kanefa matahora
an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa
eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
25 Fa raha mbola
manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
*
1 [Ny niadian'ny
Isiraely indray tamin'ny Filistina, sy ny nahadiso an'i Saoly, ary ny
nandavan'Andriamanitra azy] Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary
nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
2 Ary Saoly nifantina
telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany
Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo
amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny
ho any an-dainy avy.
3 Ary Jonatana namely
ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary
Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny
Hebreo.
4 Dia ren'ny Isiraely
rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny
Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
5 Ary ny Filistina
telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny
fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha
izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6 Ary nony hitan'ny
lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia
nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy
tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7 Ary ny Hebreo
sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa
Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa
toran-kovitra be ihany.
8 Ary niandry
hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga
tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly.
9 Ary hoy Saoly: Ento
etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny
fanatitra dorana izy.
10 Ary rehefa vita ny
nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy
Saoly mba hiarahaba azy.
11 Dia hoy Samoela:
Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona,
sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
12 dia hoy izaho:
Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao
fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra
dorana.
13 Ary hoy Samoela
tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah
Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny
Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay.
14 Koa izao dia tsy
haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary
izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay
nandidian'i Jehovah anao ianao.
15 Dia niainga
Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina
ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
16 [Ny nampahorian'ny
Filistina ny Isiraely, sy ny nahasahian'i Jonatana namely azy] Ary raha mbola
nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo
amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
17 dia nivoaka nanao
telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra
tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala;
18 ary ny iray toko
nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa
nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha
Zeboima tandrifin'ny efitra.
19 Ary teny amin'ny
tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy
sabatra na lefona ny Hebreo.
20 Ka dia samy nidina
ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny
sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
21 Nefa nanana tsofa
ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny
famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
22 Ary tamin'ny andro
niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra
izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no
nisy.
23 Ary ny avy tao
amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany.
Mikmasy.
*
1 Ary tamin'ny indray
andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany:
Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa
tsy nilaza tamin-drainy izy.
2 Ary Saoly nitoetra
tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny
vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3 ary teo koa
nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa,
zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa
Jonatana.
4 Ary teo an-daniny
roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao
amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny
anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
5 Ny iray amin'ireo
harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy,
ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
6 Ary hoy Jonatana
tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny
miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy
mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
7 Dia hoy kosa ny
mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany;
indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8 Ary hoy Jonatana:
Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9 Ary raha hoy izy:
Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay
itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10 Fa raha hoy kosa
izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo
an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11 Dia niseho
tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo,
misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12 Ary ny miaramila
namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia
hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany:
Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
13 Ary Jonatana
nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny
fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny
fiadiany namono teo aoriany.
14 Ary tokony ho
roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany
tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15 Koa nisy hovitra
tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny
miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy
fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
16 Ary ny mpitilin'i
Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady
nifanaritaka be ihany.
17 [Ny nanenjehan'i
Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny
zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy:
Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia
Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18 Dia hoy Saoly
tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely
ny fiaran'Andriamanitra fahizany*).[Na: Ento etỳ ny efoda. (Fa nisalotra ny
efoda teo anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)]
19 Ary raha Saoly
mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ
an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
20 Ary Saoly sy ny
vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary
indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka
be ihany.
21 Ary ny Hebreo izay
teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy
tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly
sy Jonatana koa.
22 Ary ny lehilahy
rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha
nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
23 Ary Jehovah
namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny
ady.
24 Ary ory ny
lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana
ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro
mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray
akory aza.
25 Ary ny olona
rehetra amin'ny tany* dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny
tany.[Heb. ny tany rehetra]
26 Ary rehefa tonga
teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy
nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
27 Fa Jonatana kosa
tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny
teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny
tànany, ka dia nazava ny masony.
28 Ary nisy olona
anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny
olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny
olona.
29 Dia hoy Jonatana:
Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato
fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
30 Ka mainka fa raha
navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho
nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
31 Ary izy ireo
namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona,
ary reraka indrindra ny olona.
32 Dia nanaovan'ny
olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy,
dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
33 Ary nisy nanambara
tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra
mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe
etỳ amiko anio.
34 Ary hoy koa izy:
Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny
etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza
manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka
rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka
namono azy teo.
35 Ary Saoly nanao
alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
36 Ary hoy Saoly:
Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy
ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona:
Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona
an'Andriamanitra etoana.
37 Ary Saoly
nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho?
Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy
androtr'iny.
38 Ary hoy Saoly:
Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga
izao fahotana androany izao?
39 Fa raha velona koa
Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana
izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
40 Dia hoy kosa izy
tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana
zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
41 Dia hoy Saoly
tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy
Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
42 Ary hoy Saoly;
Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43 Dia hoy Saoly
tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy
hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako
aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
44 Dia hoy Saoly:
Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy
hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
45 Fa hoy ny vahoaka
tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao
tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny
singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa
tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia
tsy maty izy.
46 Ary Saoly niakatra
rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany
amin'ny taniny.
47 [Ny ady nataon'i
Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny
fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia
tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary
ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
48 Ary namory
miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny
tànan'izay namaboazy.
49 Ary izao no
zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny
zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy
Mikala.
50 Ary ny anaran'ny
vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny
miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
51 Ary Kisy no rain'i
Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.
52 Ary mafy ny ady
tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona
matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
*
1 [Ny tsy
nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny
Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela
tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely
olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.
2 Izao no lazain'i
Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely,
dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.
3 Koa mandehana
ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy,
ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika,
na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy
herema]
4 Ary Saoly namory ny
olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary
iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.
5 Ary Saoly dia tonga
tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.
6 Ary hoy Saoly
tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita,
fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely
rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny
Kenita.
7 Ary Saoly namely ny
Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.
8 Ary azony
sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia
naringany* tamin'ny lelan-tsabatra.[Heb. nataony herema]
9 Fa Saoly sy ny
olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy
ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho
naringana* ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany*
ihany avokoa.[Heb. hatao herema]
10 Ary tonga tamin'i
Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:
11 Manenina Aho noho
ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka
tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah
mandritra ny alina.
12 Ary nifoha maraina
koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa
tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina
ka nandroso nidina ho any Gilgala.
13 Ary Samoela tonga
teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa
nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
14 Fa hoy Samoela:
Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny
fimàmàn'ny omby reko?
15 Ary hoy Saoly: Avy
tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry
aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah
Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay* ihany avokoa.[Heb. nataonay herema]
16 Dia hoy Samoela
tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko
halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
17 Dia hoy Samoela:
Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny
firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
18 ary Jehovah
naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita
mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema]
19 Koa nahoana ianao
no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao
izay ratsy eo imason'i Jehovah?
20 Fa hoy Saoly
tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay
nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady
nandringana ny Amalekita rehetra.
21 Nefa nangalan'ny
olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra
haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao
Gilgala.
22 Fa hoy Samoela:
Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà
mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny
fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.
23 Fa ny miodina dia
toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy
terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka
kosa.
24 Ary hoy Saoly
tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny
teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
25 Koa ankehitriny,
masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo
anatrehan'i Jehovah.
26 Fa hoy Samoela
tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah,
ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.
27 Ary nony nihodina
handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.
28 Dia hoy Samoela
tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny
fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.
29 Ary koa, ny
Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.
30 Fa hoy Saoly: Efa
nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny
loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko
indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
31 Ary Samoela dia
niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i
Jehovah.
32 Dia hoy Samoela:
Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady
falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.
33 Fa hoy Samoela:
Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao
zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i
Jehovah tao Gilgala Agaga.
34 Ary Samoela
nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.
35 Ary Samoela tsy
namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly.
Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.
*
1 [Ny nanosorana an'i
Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela:
Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho
mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho
any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny
zanany Aho.
2 Fa hoy Samoela:
Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho?
Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra
hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
3 Ary antsoy Jese mba
ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka
dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4 Ary Samoela nanao
izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra
ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
5 Ary hoy izy:
Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny
tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy
Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
6 Ary nony tonga
ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity
eto anatrehany.
7 Fa hoy Jehovah
tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa
nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny
olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
8 Ary Jese niantso
an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity
no nofidin'i Jehovah.
9 Ary Jese dia
nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
10 Ary Jese nampandalo
fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese:
Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
11 Ary hoy Samoela
tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny
faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha
haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara
tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na:
tendron-tava]
13 Ary Samoela
nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary
ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia
nitsangana Samoela ka nankany Rama.
14 Fa ny Fanahin'i
Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah
nampahatahotra azy.
15 Ary hoy ny
mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any
amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
16 Aoka ny tomponay
ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona
mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any
amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho
tsara ihany ianao.
17 Ary hoy Saoly
tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ
amiko.
18 Dia namaly ny
anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i
Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika
izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19 Ary Saoly dia
naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay
miandry ondry.
20 Ary Jese naka mofo
tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka
nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
21 Ary Davida tonga
tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia
tonga mpitondra ny fiadiany.
22 Ary Saoly naniraka
tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako,
fa efa mahita fitia amiko izy.
23 Ary raha nisy
fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i
Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra
Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
*
1 [Ny amin'i Davida
sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko
any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2 Ary Saoly sy ny
lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary
nilahatra hiady amin'ny Filistina.
3 Ary ny Filistina
dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo
am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4 Ary nisy lehilahy
iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any
Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
5 Ary nisatroka
fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra*, ka ny lanjan'ny
akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany
tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
6 Ary nanao
fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo
an-damosiny.
7 Ary ny haben'ny
zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy
lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo
alohany.
8 Ary nijanona izy,
dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no
mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i
Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9 Raha tàhiny
maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko
kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10 Ary hoy ilay
Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy
lehilahy iray aho hiady amiko.
11 Ary raha ren'i
Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po
izy ka raikitahotra loatra.
12 Ary Davida dia
zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka
valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i
Saoly;
13 ary ny zokiny telo
lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny
anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy
Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14 ary Davida no
faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
15 fa Davida kosa
nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16 Ary ilay Filistina
nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17 Ary hoy Jese
tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo
ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny
rahalahinao.
18 Ary ento ho an'ny
mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny
rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19 Ary Saoly sy izy
telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha
Elaha niady tamin'ny Filistina.
20 Dia nifoha maraina
koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka
lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny
sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia
nanakora hiady tamin'izay.
21 Fa ny Isiraely sy
ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22 Ary Davida namela
ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny
laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
23 Ary raha mbola
niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny
miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata,
Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
24 ary ny lehilahy
rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa
natahotra indrindra izy.
25 Ary hoy ny
lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny
Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka
manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy
hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
26 Ary hoy Davida
tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy
mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io
Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
27 Ary ny olona
namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
28 Ary Eliaba zokiny
nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany,
ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny
ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny
fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29 Ary hoy Davida:
Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30 Ary niala teo
aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona
namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31 Ary nony ren'ny
olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia
naniraka naka azy izy.
32 Ary hoy Davida
tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny
mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.
33 Fa hoy Saoly tamin'i
Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza
ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
34 Fa hoy Davida
tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera
tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,
35 dia nanenjika azy
aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony
handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.
36 Ny liona sy ny
bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka
ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
37 Ary hoy koa
Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no
hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida;
Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38 Ary Saoly
nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina
tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina
nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
39 Ary Davida namehy
ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola
nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho,
fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
40 Dia nitondra ny
tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny
lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry,
izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay
Filistina izy.
41 Ary ilay Filistina
nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny
ampinga lehibe.
42 Ary nony
nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy,
fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
43 Ary hoy ilay
Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina?
Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
44 sady nanao tamin'i
Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny
nofon'ialahy.
45 Fa hoy kosa Davida
tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny
lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny
maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46 Anio no
hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny
lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny
Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa
ny Isiraely.
47 Ary ho
fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i
Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48 Ary nony niainga
ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka
nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
49 Ary natsofok'i
Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny
antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika
tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
50 Toy izany no
nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay
Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
51 Dia nihazakazaka
Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka
notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary
nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra
izy.
52 Ary ny lehilahy
amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny
Filistina hatrany akaikin'i Gay* sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa
tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary
hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
53 Ary ny
Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny
koa.
54 Ary ny lohan'ilay
Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany
napetrany tao amin'ny lainy.
55 [Ny nitoeran'i
Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i
Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera,
komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera:
Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56 Ary hoy ny
mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
57 Ary nony niverina
avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo
anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.
58 Dia hoy Saoly
taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese
Betlehemita mpanomponao aho.
1 Ary rehefa
nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny
fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2 Ary Saoly nandray
azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy
intsony.
3 Ary Davida sy
Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4 Ary nesorin'i
Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny
akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5 Ary Davida nanafika
ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i
Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny
mpanompon'i Saoly koa.
6 Ary nony tonga ny
olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny
vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena
an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny
kipantsona*.[Na: varahina telo zoro]
7 Ary ny vehivavy
mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty
alinalina.
8 Dia tezitra
indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida
nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny
fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9 Ary Saoly
hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
10 Ary nony
ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka
tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga
tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny
an-tànan'i Saoly.
11 Dia natorak'i
Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka
mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12 Ary Saoly
natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13 Koa dia nesorin'i
Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona
nivoaka sy niditra izy.
14 Ary Davida dia
hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15 Ary nony hitan'i
Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16 Fa ny Isiraely sy
ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra
izy.
17 Ary hoy Saoly
tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy
anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no
hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
18 Fa hoy Davida
tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny
raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?
19 Kanjo nony
tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i
Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.
20 Fa Mikala,
zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i
Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21 (Fa hoy Saoly:
Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.)
Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao*. [Na: Izy
roa vavy izao dia samy maha-vinantoko anao avokoa]
22 Ary Saoly nandidy
ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro,
tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany
ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23 Ary ny mpanompon'i
Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho
zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona
malahelo sady tsy manan-daza?
24 Ary ny mpanompon'i
Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25 Dia hoy Saoly:
Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho
vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan*'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho
famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny
tanan'ny Filistina izany.[Heb. saron-tsosoka]
26 Ary rehefa
nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i
Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27 dia niainga
Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary
Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany* ka nanisa azy teo anatrehan'ny
mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida
Mikala zananivavy.[Heb. saron-tsotsoka]
28 Ary Saoly nahita
sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29 Ary dia vao mainka
natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.
30 Ary ireo
andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no
hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny
anarany.
1 [Ny nifonan'i
Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny
nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana
zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa
Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
2 Ary Jonatana
nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna
ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana
mangingina, ka miere;
3 ary izaho hivoaka
ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy
ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
4 Ary Jonatana nilaza
soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy
hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa
anao indrindra ny nataony,
5 fa izy efa nanao ny
ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena
lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no
dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
6 Ary Saoly nihaino
ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao
maty izy.
7 Ary Jonatana
niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i
Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha
ihany indray izy.
8 Ary mbola nisy ady
ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka
dia nandositra azy ireny.
9 Ary nisy fanahy
ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao
an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga
tamin'ny tànany.
10 Ary Saoly nihendry
hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny
rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no
voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
11 Ary Saoly naniraka
olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina;
fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio
alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
12 Ary Mikala
nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka
afaka.
13 Ary nalain'i
Mikala ny sampy*, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany
makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima]
14 Ary nony naniraka
haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
15 Ary Saoly naniraka
ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko
amin'ny farafara izy hovonoiko.
16 Dia niditra ny
iraka, kanjo, indro, ny sampy* no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara
volon'osy ny lohany.[Heb. terafima]
17 Dia hoy Saoly
tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny
fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy
tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18 Dia nandositra
Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay
rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany
Naiota.
19 Ary nisy nanambara
tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
20 Ary Saoly naniraka
olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany
ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny
Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
21 Ary nony nisy
nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba
naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany
koa ireo.
22 Ary dia lasa
nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano
izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny
anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
23 Dia nankany Naiota
any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso
izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
24 Ary nanaisotra ny
fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary
izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny
olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
1 [Ny faran'ny
nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida
nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i
Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo
anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2 Ary hoy izy taminy:
Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay
ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany
amiko? Tsy misy izany.
3 Ary Davida mbola
nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo
imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao
malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa
iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
4 Dia hoy Jonatana
tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
5 Ary hoy Davida
tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony
hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any
an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
6 Koa raha hitan'ny
rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba
hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy
mianakavy rehetra isan-taona any.
7 Ary raha lazainy
hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy
kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8 Koa mamindrà fo
amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny
mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy,
fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
9 Fa hoy Jonatana:
Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy
ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
10 Dia hoy Davida
tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny
sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny
mamaly sarotra anao rainao]
11 Ary hoy Jonatana
tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany
an-tsaha izy roa lahy.
12 Ary hoy Jonatana
tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona!
Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko,
ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara
izany aminao,
13 dia hataon'i
Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha
kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka
halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny
tamin'ny raiko anie Jehovah.
14 Ary raha mbola
velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy
hahafaty ahy?
15 Ary tsy hesorinao
amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay
handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny
tany.
16 Ary dia nanao
fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny
fahavalon'i Davida.
17 Ary Jonatana
nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany
izy.
18 Ary hoy Jonatana
tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho
foana ny fipetrahanao.
19 Koa rehefa mby
amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay
nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny
vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]
20 Ary izaho handefa
zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
21 Dia haniraka ny
zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko
mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ,
dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona
anao, raha velona koa Jehovah.
22 Fa raha hoy kosa
aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana
ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
23 Ary ny amin'ilay
noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy
aminao mandrakizay.
24 Ary Davida niery
tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
25 teo amin'ny
fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana
teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo
anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.
26 Nefa Saoly tsy
niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra
nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
27 Ary nony tamin'ny
andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny
fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba
nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?
28 Ary Jonatana
namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
29 nanao hoe: Masìna
ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka
asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao
aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba
nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
30 Dia nirehitra
tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny
vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese
ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon*'ny reninao.[Heb. fitanjahan']
31 Fa raha mbola velona
etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao
na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty
izy.
32 Ary Jonatana
namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona
no nataony?
33 Ary Saoly
nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy
hovonoina Davida.
34 Dia nitsangana
niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy
nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida
izy, satria nomen-drainy henatra.
35 Ary nony maraina,
dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i
Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
36 Ary hoy Jonatana
taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka
ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37 Ary nony efa tonga
teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia
nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
38 Ary Jonatana
niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny
zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.
39 Nefa ilay zazalahy
tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny
anton'izany.
40 Dia nomen'i
Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho
any an-tanàna ireto.
41 Ary nony lasa ilay
zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy
sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny
an'i Davida dia mafy loatra.
42 Ary hoy Jonatana
tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i
Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary
amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
*
1 Dia nitsangana
Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
2 [Ny nandosiran'i
Davida nankany Noba, sy ny nialany tany nankany Gata] Ary Davida tonga tany
Noba, tany amin'i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha
nihaona tamin'i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa
tsy misy manaraka anao?
3 Dia hoy Davida
tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy
tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka
dia nasaiko nankary ny zatovoko.
4 Koa inona no misy
ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
5 Ary ny mpisorona
namaly an'i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masina ihany
no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
6 Ary Davida namaly
ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin'ny hateloana efa tsy
niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin'izaho niainga dia
masina ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masina aza ny lalana, dia
hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
7 Ary ny mpisorona
nanome azy mofo masina; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay
nalainy teo anatrehan'i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin'ny andro
nanesorana azy.
8 (Nefa nisy
anankiray tamin'ny mpanompon'i Saoly teo tamin'izany andro izany, voahazona teo
anatrehan'i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben'ny mpiandrin'i Saoly
izy.)
9 Ary hoy Davida tamin'i
Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny
sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan'ny mpanjaka.
10 Fa hoy ny
mpisorona: Ny sabatr'i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin'ny lohasaha
Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon'ny efoda izy; ka raha iny no ho
entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka
iny, fa omeo ahy.
11 Ary Davida niainga
nandositra tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'i Saoly, dia nankany amin'i
Akisy, mpanjakan'i Gata.
12 Ary hoy ny
mpanompon'i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan'ny tany? Tsy izy va
no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida
nahafaty alinalina?
13 Ary dia nalatsak'i
Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an'i Akisy, mpanjakan'i Gata,
indrindra izy.
14 Dia nody adala teo
anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra
teo amin'ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin'ny somony ny
iviny.
15 Ary hoy Akisy
tamin'ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no
nentinareo etỳ amiko izy?
16 Izaho moa mitady
olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto
anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
*
1 [Ny nirenirenen'i
Davida tany Joda sy Moaba, ary ny namonoan'i Saoly ny mpisorona maro] Ary
Davida niala teo ka nandositra nankany amin'ny zohin'i Adolama; ary nony nandre
izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
2 Ary izay mahantra
rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia
nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato
lahy ny tao aminy.
3 Ary Davida niala
tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna
ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao
ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko.
4 Ary dia nentiny ho
eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro
rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana.
5 Ary hoy Gada
mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà,
ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala
Hareta.
6 Ary ren'i Saoly fa
hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo
tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary
ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
7 dia hoy Saoly
tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa
ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba
hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
8 no dia miray tetika
hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao
fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na
nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy
tahaka ny amin'izao anio izao?
9 Ary Doega Edomita,
mpifehy* ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese
tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.[Na: izay nitsangana
teo amin']
10 Ary Ahimeleka
nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny
sabatr'i Goliata Filistina.
11 Ary ny mpanjaka
dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny
tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny
mpanjaka izy rehetra.
12 Ary hoy Saoly: Mba
mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
13 Ary hoy Saoly
taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i
Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy
tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio
izao?
14 Ary Ahimeleka
namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky
tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy
malaza ao an-tranonao?
15 Ary vao izay va no
nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka
tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao
tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be.
16 Fa hoy ny
mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao
rehetra.
17 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ny mpiambina* izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny
mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany
ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny
mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.[Heb.
mpihazakazaka]
18 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita
nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay
nisalotra efoda rongony fotsy.
19 Dia nasiany
tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny
vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny
ondry aman'osy.
20 Ary ny anankiray
tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia
afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida.
21 Ary Abiatara
nanambara tamin'i Davida ny namonoan'i Saoly ny mpisoron'i Jehovah.
22 Ary hoy Davida
tamin'i Abiatara: Fantatro androtr'iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza
amin'i Saoly tokoa; koa izaho no anton'ny nahafaty ny olona rehetra tamin'ny
tarana-drainao.
23 Tomoera etỳ amiko,
ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto
amiko no hahavoavonjy anao.
*
1 [Ny namonjen'i
Davida an'i Keila] Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina
mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
2 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary
hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
3 Ary hoy ny olon'i
Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila
hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?
4 Dia nanontany
tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna
hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
5 Dia lasa Davida sy
ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady
nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
6 Ary raha nandositra
nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda
teny an-tànany izy.
7 Ary nambara tamin'i
Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy
ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna
misy vavahady mihidy.
8 Ary Saoly namory ny
olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny
olony.
9 Ary fantatr'i
Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i
Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
10 Dia hoy Davida: Ry
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly
mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
11 Ka moa ny mponina
etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa
ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho,
ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
12 Dia hoy Davida: Ny
mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy
Jehovah Hanolotra anao izy.
13 Ary dia niainga
Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha
tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala
tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
14 Ary Davida
nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny
tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa
Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
15 [Ny nitoeran'i
Davida tany an-efitr'i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny Zifita
hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa
Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
16 Ary Jonatana,
zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny
tànany tamin'Andriamanitra.
17 Ary hoy izy
tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa
ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary
fantatr'i Saoly raiko koa izany.
18 Ary nanao fanekena
teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa
Jonatana kosa nankany an-tranony.
19 Ary niakatra
nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao
amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay
atsimon'ny efitra, va Davida?
20 Koa ankehitriny,
ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay
hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
21 Ary hoy Saoly:
Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22 Masìna ianareo,
mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita
azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
23 Koa izahao sy
fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray
hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny
tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
24 Dia niainga
nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny
efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay* atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]
25 Ary nandeha Saoly
sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina
tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i
Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
26 Ary Saoly nandeha
tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany
kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy
ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27 Dia nisy iraka
tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa
manafika ny tany.
28 Dia niverina Saoly
tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny
anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota*.[Sela-hamalekota =
Harambato fandosirana]
*
1 [Ny tsy netezan'i
Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra
niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
2 Ary rehefa niverina
avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida
any an-efitr'i En-jedy.
3 Ary Saoly naka telo
arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy
ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.
4 Ary tonga teo
amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba
hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
5 Ary hoy ny olon'i
Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro
eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana
Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
6 Nefa nony efa vita
izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny
kapôtin'i Saoly,
7 ka hoy izy tamin'ny
olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany
amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa
voahosotr'i Jehovah izy.
8 Dia nampijanona ny
mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely
an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay
nalehany.
9 Ary rehefa afaka
izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i
Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia
niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
10 Ary hoy Davida
tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady
hanisy ratsy anao?
11 Indro, hitan'ny
masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary
nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy
izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah
izy.
12 Ary koa, ry ikaky
ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka
ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy
misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa
ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
13 Jehovah no hitsara
ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba
haninona anao.
14 Araka ny lazain'ny
ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny
tanako tsy haninona anao.
15 Hitady an'iza no
nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
16 Aoka Jehovah no ho
mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka
hanafaka ahy amin'ny tananao.
17 Ary nony vita
izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany,
ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18 ary hoy izy
tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho
kosa namaly ratsy anao.
19 Ary ianao dia
naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo
an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20 Fa moa raha misy
olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i
Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21 Ary, indro,
ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho
tafatoetra tsara eo an-tananao.
22 Koa mianiàna amiko
amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy
ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.
23 Ary Davida dia
nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa
niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
*
1 [Ny nahafatesan'i
Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny
Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama.
Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2 Ary nisy lehilahy
tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry
telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3 Nabala no
anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara
tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny
taranak'i Kaleba izy.
4 Ary ren'i Davida
tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5 Dia naniraka zatovo
folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary
mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.
6 Ary izao no
holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho
amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
7 Ary ankehitriny efa
reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy
nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra
nitoerany tao Karmela.
8 Anontanio ny
zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo
(fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny
tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9 Ary rehefa tonga ny
zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka
izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10 Fa Nabala namaly
ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese?
Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.
11 Koa halaiko va ny
mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko,
ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12 Dia nihodina ny
zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray
izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13 Ary hoy Davida
tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo;
ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba
nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho
efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka
teo amin'ny entana.
14 Ary Abigaila,
vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida
naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka
tamin'ireny izy.
15 Fa ireo lehilahy
ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary
tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha
izahay.
16 Izy no mandanay
andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17 Koa dia fantaro sy
hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny
ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo
miteny aminy.
18 Dia nandeha
faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara* roa sy ondry
dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata** sy takela-boaloboka maina zato ary
ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[*Na: siny
hoditra][**Heb. sea]
19 Ary hoy izy
tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa
Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20 Ary tamin'izany,
nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia
indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21 Ary Davida efa
nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa
novaliany ratsy ny soa nataoko.
22 Mba
hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho
izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety
ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23 Ary Abigaila, raha
nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo
anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
24 Dia niankohoka
tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy;
masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny
tenin'ny ankizivavinao.
25 Masìna ianao, aoka
ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny
anarany ihany no toeny; Nabala* no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho
ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala = Adala]
26 Koa ankehitriny,
tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa
niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny
tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko,
ho tahaka an'i Nabala.
27 Ary izao saotra
nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo
manaraka ny Tompoko.
28 Masìna ianao, mamelà
ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko
tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao
amin'ny andro rehetra iainanao.
29 Nefa raha misy
olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny
fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny
fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30 Ary amin'izany,
raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka
manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31 dia tsy ho
alahelo* na ho nenina* amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana
ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny
tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]
32 Ary hoy Davida
tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay
naniraka anao hihaona amiko androany.
33 Ary hotahiny anie
ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo
heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34 Kanefa, raha
velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy
anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako
niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35 Ka dia noraisin'i
Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa
aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary
nankasitrahako ianao.
36 Ary Abigaila dia
tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka
ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra
izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny
andro.
37 Ary nony maraina,
ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany,
ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38 Ary nony afaka
hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39 Ary nony ren'i
Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka
nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka
ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany
ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
40 Ary nony tonga
tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida
naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41 Dia nitsangana izy
ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho
mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
42 Ary Abigaila
nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka
azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43 Ary Davida efa
nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa
vavy.
44 Fa Saoly efa
nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i
Laisy, avy any Galima.
1 [Ny nilazan'ny
Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy
netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany
Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra
va Davida?
2 Dia niainga Saoly
nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny
Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3 Ary nitoby tao
amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida
kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra
Saoly.
4 Dia naniraka
mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5 Dia niainga Davida
ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly
sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny
sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6 Ary hoy Davida
tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no
hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina
hiaraka aminao.
7 Ary tonga tao
amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory
teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo
anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8 Ary hoy Abisay
tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao;
koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka
amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
9 Fa hoy Davida
tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny
voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10 Ary hoy koa
Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny
androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty
azy.
11 Sanatria amiko eo
anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah
aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara
fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
12 Dia nalain'i
Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa
izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy
rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
13 Dia nita nankeny
an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra
(lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);
14 ary Davida niantso
ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary
Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
15 Ary hoy Davida
tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny
Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy
anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
16 Tsy mety izany
nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy
miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa
ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
17 Ary fantatr'i Saoly
ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy
Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
18 Ary hoy koa izy:
Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no
ratsy amin'ny tanako?
19 Ary ankehitriny
masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha
Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona
Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy,
satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i
Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
20 Koa aza avela ho
latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely
nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
21 Ary hoy Saoly: Efa
nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho,
fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso
indrindra.
22 Ary Davida namaly
hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka
azy.
23 Ny lehilahy izay
nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny
fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny
voahosotr'i Jehovah aho.
24 Ary, indro, fa
tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny
aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.
25 Ary hoy Saoly
tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao
sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
*
1 [Ny nitoeran'i
Davida tany Ziklaga tany amin'ny Filistina] Ary Davida nanao anakampo hoe;
Mbola ho fatin'ny tànan'i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy
afa-tsy ny mandositra haingana any amin'ny tanin'ny Filistina, dia hamoy ahy
Saoly ka tsy hitady ahy eran'ny tanin'ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin'ny
tànany aho.
2 Ary niainga Davida
nandeha mbamin'ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin'i Akisy, zanak'i
Maoka, mpanjakan'i Gata.
3 Ary nitoetra tao
amin'i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban'ny ankohonany
avy, ary Davida mbamin'ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila
Karmelita, ilay novinadin'i Nabala.
4 Ary nambara tamin'i
Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
5 Ary hoy Davida
tamin'i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao
amin'ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao
no hitoetra aminao eto amin'ny renivohitry ny fanjakana?
6 Dia nomen'i Akisy
azy androtrizay Ziklaga; ka dia an'ny mpanjakan'ny Joda ambaraka androany
Ziklaga.
7 Ary ny andro
nitoeran'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
8 Ary Davida sy ny
olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo
nonina tamin'ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin'i Sora, hatramin'ny
tany Egypta.
9 Ary Davida namely
ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry
aman'osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany
amin'i Akisy.
10 Ary hoy Akisy: Moa
tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay
an'i Joda sy izay an'ny Jeramelita ary izay an'ny Kenita izahay.
11 Ary tsy nisy
novelomin'i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy:
Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon'i Davida, ary toy izany no
fanaony tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
12 Ary Akisy nino
an'i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra* ny tenany any amin'ny
Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.[Heb. nanamaimbo]
1 [Ny nikambanan'i
Davida tamin'ny Filistina, sy ny nivorian'ny Filistina hiady tamin'ny Isiraely,
ary ny nankanesan'i Saoly tany amin'ilay vehivavy nanao azy ho
tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny
miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao
tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2 Ary hoy Davida
tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao.
Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako
mandrakizay ianao.
3 (Ary efa maty
Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia
tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho
tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4 Ary ny Filistina
nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka
nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5 Ary Saoly, raha
nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny
fony.
6 Ary Saoly dia
nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na
tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7 Ary hoy Saoly
tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho
hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy
vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8 Dia nanova tarehy
Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka
azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao,
manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ
amiko izay hotononiko aminao.
9 Ary hoy ravehivavy
taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy
ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana
ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10 Ary Saoly nianiana
tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy
heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
11 Dia hoy
ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no
ampiakaro ho etỳ amiko.
12 Ary
hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao
tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i
Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
14 Ary hoy izy
taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady
mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany
izy ka niankohoka.
15 Ary hoy Samoela tamin'i
Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra
aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy
mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no
nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16 Ary hoy Samoela:
Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga
fahavalonao.
17 Fa Jehovah efa
nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao
ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.
18 Satria tsy nihaino
ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny
Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19 Ary hiaraka
hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary
rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely
koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20 Dia lavo niampatra
tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny
tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina
indray andro sy indray alina maninjitra.
21 Ary nankao amin'i
Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny
ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka
nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22 Koa ankehitriny,
masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso
sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha
handeha amin'ny alehanao ianao.
23 Fa tsy nety izy,
fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy
ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo
am-parafara.
24 Ary ravehivavy
nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono
izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy
masirasira.
25 Ary narosony teo
anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary
dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.
*
1 [Ny nanesorana an'i
Davida tsy hiaraka tamin'ny miaramilan'ny Filistina] Ary ny Filistina dia
namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo
anilan'ny loharano ao Jezirela.
2 Ary ireo
andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy
isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i
Akisy.
3 Ary hoy ireo
andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy
tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly,
mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay
tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
4 Dia tezitra taminy
ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any
amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika
hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no
hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?
5 Tsy io moa no
Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty
arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
6 Ary Akisy niantso
an'i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady
sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay
tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy
sitrak'ireo andriana ireo ianao.
7 Koa miverena, ary
mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak'ireo andrianan'ny
Filistina.
8 Fa hoy Davida
tamin'i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao
hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha
hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko?
9 Ary Akisy namaly
an'i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin'Andriamanitra
ianao; nefa ireo andrianan'ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra
amintsika hiady izy.
10 Koa mifohaza
maraina koa ianao mbamin'ny mpanompon'ny tomponao izay nanaraka anao; ary
rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
11 Ary Davida sy ny
olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny
Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
*
1 [Ny namalian'i
Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga
Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa
nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy
tamin'ny afo;
2 ary efa namabo ny
vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na
dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3 Ary Davida sy ny
olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny
vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4 Ary Davida sy ny
mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany
intsony izy.
5 Ary voababo koa izy
roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i
Nabala Karmelita.
6 Ary ory indrindra
Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny
zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny
tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.
7 Ary hoy Davida
tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny
efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
8 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va
izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho
rarakao.
9 Dia lasa Davida sy
ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary
teo no nijanonan'ny sasany.
10 Ary Davida sy ny
efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka
nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
11 Ary nahita
lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary
nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12 Ary nomeny
ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa
nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy
tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13 Ary hoy Davida
taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana,
mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary
afaka omaly.
14 Izahay efa
nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo
izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.
15 Ary hoy Davida
taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy:
Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho
eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany
aho.
16 Ary nony nentiny
nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona
noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny
tanin'ny Joda.
17 Ary Davida namely
azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona
afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18 Dia rarak'i Davida
izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny
roa.
19 Ary tsy nisy
zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona
tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
20 Ary Davida naka ny
ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady
nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
21 Ary Davida tonga
teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony
teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny
olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany
izay toeny.
22 Dia niteny ny
olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao
hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo
izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho
entiny, dia handeha izy.
23 Fa hoy Davida: Aza
manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika
Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24 Koa iza no hanaiky
anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho
anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.
25 Dia izany no fanao
hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany
ambaraka androany.
26 Ary raha tonga tao
Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo
ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny
fahavalon'i Jehovah,
27 dia ho an'izay ao
Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira
28 sy ho an'izay ao
Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
29 sy ho an'izay ao
Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any
an-tanànan'ny Kenita
30 sy ho an'izay ao
Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Ataka
31 sy ho an'izay ao
Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny
olony.
*
1 [Ny nahafatesan'i
Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy] Ary ny Filistina niady tamin'ny
Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely,
ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 Ary ny Filistina
nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy
Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.
3 Ary mafy ny ady
tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra
indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 Ary hoy Saoly
tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho,
fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho
fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy.
Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ny
mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy
ka niara-maty taminy.
6 Ka dia niara-maty
androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary
ny olony rehetra.
7 Ary nony hitan'ny
lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana
fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia
niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina
tao.
8 Ary nony ampitso,
raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly
sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 Ary notapahiny ny
lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny
Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny
tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.
10 Dia napetrany tao
amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny
màndan'i Beti-sana.
11 Ary nony ren'ny
mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny
lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly
sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy
ka nandoro azy tao.
13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.