Skip to main content

 POLITIKA MOMBA NY VOTOATINY

Ity Politika momba ny Votoatiny ity dia mamaritra ny fizotran'ny fepetra sy ny fitsipika mifehy ny votoaty (lahatsoratra, sary, fanehoan-kevitra, ary fitaovana hafa) avoaka ao amin'ity tranonkala ity. Mba hihazonana ny sehatra ho toerana am-pahamendrehana, madio, ary fampianarana, dia ireto avy ny fitsipika tsy maintsy harahina:

1. Zava-kendren'ny Votoaty

Ny votoaty rehetra avoaka ao amin'ity tranonkala ity dia natao ho an'ny fampianarana, ny fizarana fahalalana, ary ny fitaizana ara-panahy sy ara-tsaina.

Ny fampianarana na fanehoan-kevitra avoaka eto dia tsy natao hanafintohina na hikendrena olona na fiangonana na antokom-pivavavahana, fa natao mba hampianaram-pinoana sy hitarihana ny sain’ny olona mba hahalala an’Andriamanitrin’ny lanitra dia Andriamanitra Ray sy Jesosy Zanaka ary ny Fanahy Masina.

2. Votoaty Voarara Tanteraka

Tsy ekena ary fafana avy hatrany ny fanehoan-kevitra na fitaovana misy ireto manaraka ireto:

­          Lalàn'ny Fankahalana sy Herisetra : Fiteny na lahatsoratra mampiroborobo ny fankahalana, ny fanavakavahana ara-pinoana, ara-pihaviana, ara-pirenena, na fampitahorana sy famporisihana olona hanao herisetra.

­          Votoaty Tsy Mety : Sary, horonan-tsary, na lahatsoratra mampiseho vetaveta na zavatra tsy mety amin'ny ankizy sy ny tanora.

­          Spam sy Rohy Tsy Ara-dalàna : Fandefasana fanehoan-kevitra miverimberina hitadiavana tombony manokana, fampiroboroboana vokatra tsy misy hifandraisana amin’ny tranokala, na fampidirana rohy mankany amin'ny tranonkala misy viriosy na fisolokiana (phishing/malware).

­          Fanaratsiana sy Fanakianana Diso : Fanafihana manokana na fanaratsiana olona iray amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra.

3. Zom-pamoronana sy Fampiasana Votoatin'ny Hafa

­          Ny votoaty rehetra avoaka ao amin'ny tranonkala dia tsy maintsy manaja ny zon’ny pamoronana.

­          Raha misy sary na lahatsoratra ampiasaina avy amin'ny loharano hafa, dia atao mazava ny filazana ny loharano.

­          Raha hitanao fa misy votoaty mandika ny zon’ny pamaronanao ao amin'ity tranonkala ity, dia mifandraisa aminay avy hatrany mba hahafahanay manitsy na manaisotra izany.

4. Fitantanana ny Fanehoan-kevitra

­          Manana zo feno izahay hijery, hanova, na hamafa izay fanehoan-kevitra mandika ireo fitsipika voalaza ambony ireto.

-        Manana zo ihany koa izahay hanakana (block) ny mpampiasa iray raha miverimberina mandika ity Politika momba ny Votoaty ity

5. Mifandraisa Aminay

Raha misy fanontaniana na fanamarihana momba ireto Fepetra ireto, dia afaka mifandray aminay amin'ny alalan'ny pejy Contact na amin'ny e-mail: contact@hianatrabaiboly.top na pejy Facebook na Telegram ianao.

Ny Betsaka Mpamaky Indrindra

FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5

  FAMAKAFAKANA NY 1 JAONA 5: 4, 5  1 JAONA 5 : 4, 5 “ Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?” INONA NO TIAN’I JAONA AMBARA AMINTSIKA? Mpanoratra: Araka ny lovantsofina tranaina moa dia i Jaona Apostoly izay zandriny indrindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy no nanoratra ity bokin’i Jaona voalohany ity. Izy dia nalefa sesitany tamin’ny nosy atao hoe Patmo araka ny fanambaran’ny Apokalypsy toko 1. Ny antony nanoratany ilay andininy notsongaina: Nanoratra izy dia ny mba hanomezana toky ny mpino fa ny finoany an'i Jesosy ho Zanak'Andriamanitra no manome azy ireo fandresena ny fakam-panahy, ny fanerena ary ny fampianaran-diso eto amin'izao tontolo izao. Manantitrantitra izy fa ny fahaterahan'Andriamanitra dia mitondra ny tanjaka ara-panahy ilaina handresena ny ratsy sy hijanonana...

FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15

 FAMAKAFAKANA NY HEBREO 11, 9b - 15  AZA MIERITRERITRA NY HIVERINA INTSONY Mitohy toy izao ny andininy: “ mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy.” (Andiny faha-9b) Lay, fa tsy trano; tsy tanàna, tsy manda, tsy fananana — lay. Niaina tamin'ny fifindrana toerana i Abrahama, fa tsy fahamarinan-toerana. Zava-dehibe izany. Andriamanitra dia namolavola an'i Abrahama ho olona afaka mitondra teny fikasana lehibe mandritra ny androm-piainany. Rehefa mikasa ny hanorina zavatra ho an'ny taranaka amin'ny alalanao Andriamanitra, dia matetika Izy no mampifindrafindra mba hahafahan'ny zanakao mandova zavatra izay tsy vitanao. Nitoby teo amin’ny tany izay holovain’ny taranany i Abrahama, kanefa naty tsy nahita ny tompon’ny fananany izy. Tsy toy ny loza no anehoan’ny bokin’ny Hebreo azy ato, fa toy ny fandresena mihitsy. Nahoana? Satria, ny finoana no nampiofana azy handinika ny zava-misy amin'ny fomba hafa. Izany dia mitarik...