Hosea
1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i
Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia,
mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny
Isiraely.
2 [] Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i
Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy
zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
3 Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima;
ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa
vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary
hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
5 Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny
tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
6 Ary nanan'anaka
indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no
anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy
havelako mihitsy ny helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako
avokoa ny ananany]
7 Fa ny taranak'i
Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy
amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na
amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
8 Ary rehefa notazana
Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9 Dia hoy Jehovah:
Ataovy Lò-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho
Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]
*
1 Kanefa, na dia
izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny
ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany
izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe:
Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
2 Dia hiara-mivory ny
taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia
hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
3 Manaova amin'ny
rahalahinareo hoe: Amy*, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama**. [*Amy =
Oloko][**Rohama = Namindrana fo]
4 [Ny hamaizana ny
Isiraely, sy ny mbola hampodian'i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo,
eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny
fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo
an-tratrany;
5 Fandrao
hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary
hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta
izy.
6 Ary tsy hamindrako
fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
7 Fa efa nijangajanga
ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy:
Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny
rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny
fisotroko.
8 Koa, indro,
hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay
lalan-kalehany izy.
9 Ary hiezaka
hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy,
nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa
niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.
10 Ary tsy fantany fa
Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko
be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an*'i Bala,[Na: nataony
ho]
11 Koa dia halaiko
indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary
haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
12 Ary ankehitriny
hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy
amin'ny tanako.
13 Ary hatsahatro ny
fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny
Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
14 Ary hofongorako ny
voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko
ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
15 Ary hovaliako izy
noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany
ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa
nohadinoiny, hoy Jehovah.
16 Koa, indro, Izaho
dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka
hahafinaritra azy.
17 Ary hatrany dia
homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana;
Ary any no hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny
andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]
18 Ary raha mby
amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy
hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko]
19 Fa hesoriko
amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony
ireo.
20 Ary raha mby
amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy
amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary
hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny
fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
21 Ary hofofoiko ho
vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny
ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
22 Eny, hofofoiko ho
vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.
23 Ary amin'izany andro
izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa
hihaino ny tany; [Na: hamaly]
24 Ary ny tany kosa
hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino
an'i Jezirela,
25 Dia hafafiko ho Ahy
amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i
Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao
i. 6]
1 [Ny amin'ny vehivavy
janga anankiray, izay natao tandindon'ny Isiraely] Dia hoy Jehovah tamiko:
Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa* mijangajanga, dia
tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho
amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.[Na: tian'ny sakaizany
sady]
2 Ka dia novidiko
sekely volafotsy dimy ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
3 Ary hoy izaho
taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na
hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
4 Fa andro maro no
hitoeran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na
tsangam-bato, na efoda, na terafima.
5 Rehefa afaka izany,
dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida
mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany
izy, raha mby any amparany.
*
1 [Ny fananarana ny
Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely!
Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy
fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
2 Fa fianianana sy
lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy*
ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny
vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
3 Ary noho izany dia
mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy
ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia
ringana koa.[Na: Mbamin']
4 Kanefa aza misy
mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny
mpisorona.
5 Ka dia ho tafintohina
antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina,
ary hovonoiko ny reninao.
6 Ringana ny oloko noho
ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba
holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny
lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7 Araka ny nitomboany no
nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8 Ny fanatitra noho ny
ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9 Ary ho sahala ihany ny
hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony
dia hatsingeriko aminy.
10 Ka dia hihinana izy,
nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa
tsy nahoany intsony.
11 Fijangajangana sy
divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
12 Ny oloko dia mila
saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny
fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky
an'Andriamaniny.
13 Eny an-tampon'ny
tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no
andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny
terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny
zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14 Tsy hamaly ny
zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha
mijangajanga izy; Fa ny tenanareo* aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga
sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena
hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb.
ireny]
15 Na dia
mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany
Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa
Jehovah!
16 Fa ny Isiraely dia
maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah
toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17 Tafaraikitra amin'ny
sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18 Efa lefy ny
divainy; Mahery mijangajanga izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**.
[*Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb.
ampingany]
19 Voapaoky ny elatry
ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
*
1 Henoinareo izao, ry
mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry
mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga
fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2 Ny mpivadika dia
fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy]
3 Izaho mahalala an'i
Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga
ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
4 Tsy avelan'ny ataony
hiverina* amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny,
ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany]
5 Ary ny
avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa
Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
6 Hitondra ny ombiny
aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah
efa niala taminy.
7 Nivadika tamin'i
Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana
izy mbamin'ny zara-lovany.
8 Tsofy ao Gibea ny
anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy
manenjika anao, ry Benjamina!
9 Ho lao Efraima,
raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao
amin'ny firenen'Isiraely.
10 Ny mpanapaka ny
Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny
fahatezerako toy ny fampidina rano.
11 Ampahorina Efraima
sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,
12 Koa amin'i Efraima
dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra*.[Na:
momoka]
13 Rehefa hitan'i
Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima,
eny, naniraka ho any amin'i Jareba* mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana
anareo, na mampanaritra ny ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]
14 Fa amin'i Efraima
dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora:
Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy
mahavonjy.
15 Handeha hody any
amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako.
Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
1 Andeha hiverina ho
amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana
antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
2 Rehefa afaka indroa
andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany
ho velona eo anatrehany isika
3 Dia aoka hahalala,
eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny
fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny
fara orana izay mahavonto ny tany.
*
4 Inona re no ho azoko
atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny
rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina
ny andro.
5 Ary noho izany ny
mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary
ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
6 Fa famindram-po no
sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny
fanatitra dorana.
7 Fa ireny dia nivadika
ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
8 Gileada dia tanànan'ny
mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.
9 Ary toy ny fanotriky
ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy,
eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
10 Tao amin'ny
taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i
Efraima, voaloto Isiraely.
11 Ny aminao, ry Joda,
dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny
fahababoana ny oloko.
1 Raha ta-hanasitrana ny
Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa
manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia
mandehandeha eny ivelany.
2 Ary tsy heveriny ao
am-po* fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony
izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]
3 Amin'ny faharatsiany
no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.
4 Samy mpaka vadin'olona
avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra
tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5 Tamin'ny andron'ny
mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny
mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
6 Fa entin'ireo ho ao
am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia
matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny
fatana.
7 Samy mahamay toy ny
fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny
mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
8 Efraima dia miharoharo
amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
9 Lanin'ny vahiny ny
heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy
fantany.
10 Ary ny
avonavon*'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra
izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady
Azy.[Na: ny reharehany]
11 Ary Efraima dia efa
tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta
izy ary efa mankany Asyria.
12 Raha vao mandeha izy,
dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny
voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
13 Lozan'ireny! satria
nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra
azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
14 Ary tsy mitaraina
amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona
hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15 Ary Izaho no
nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy
Ahy,
16 Miverina ihany izy,
nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho
lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho
latsany any amin'ny tany Egypta.
*
1 [Ny loza hanjo ny
Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny
voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy
nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
2 Izaho dia hitarainany
hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
3 Ataon'ny Isiraely ho
zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
4 Ireny dia nanangana
mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny
volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
5 Maharikoriko* ilay
ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako;
Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho
zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]
6 Fa avy tamin'ny
Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho
torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
7 Fa rivotra no
nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy
hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana
azy.
8 Voatelina Isiraely;
Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny
jentilisa.
9 Fa niakatra ho any
Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny*
[Heb. fitiavany]
10 Ary na dia nanangy
tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy
noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
11 Fa Efraima nanao
alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
12 Na dia soratako ho
azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy
izany.
13 Mamono zavatra hatao
fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah
izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny,
izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
14 Efa nanadino ny
Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna
mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
1 Aza dia fatra-pifaly
loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala
tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 Ny famoloana sy ny
fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny
ranom-boaloboka.
3 Tsy honina ao amin'ny
tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina
any Asyria.
4 Tsy hanidina divay ho
fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao
fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra
homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho
tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
5 Hanao ahoana kosa re
ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana
voatendrin'i Jehovah?
6 Fa he! lasa izy noho*
ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny
fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao
an-dainy.[Na: miala amin']
7 Tonga ireo andro
famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny
mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao
sy ny habetsahan'ny fanoherana.
8 Efraima dia mizaha,
nefa tsy avy amin'Andriamanitro*; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona
eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na:
Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]
9 Fatra-panao ratsy toy
ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana
ny fahotany.
10 Tahaka ny fahitana
voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy
mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka
nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka
an'ilay tiany ihany izy.
11 Ny amin'i Efraima,
hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na
hanan'anaka, na ho torontoronina.
12 Na dia misy mitaiza
zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita
loza koa izy amin'ny handaozako azy!
13 Efraima, raha araka
ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro*, nefa
tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy
hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
14 Jehovah ô, omeo azy -
inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza* sy ny nono ritra.[Na:
momba]
15 Ao Gilgala ny
fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny
ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho,
mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 Voaratra Efraima, maina
ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny
zanany mahafinaritra azy.
17 Harian'Andriamanitro
izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa
izy.
1 Voaloboka misandrahaka
Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara
betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara
tarehy.
2 Mamitaka* ny fony, koa
dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy
handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
3 Amin'izany dia hiteny
izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita
inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4 Niteniteny foana izy
tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny
zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
5 Ny mponina any Samaria
matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6 [Ary ny mpisorony
mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo
izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho
afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
7 Ho rava Samaria, ny
mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
8 Ary ho rava koa ny
fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra
ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay,
ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
9 Hatramin'ny andro fony
tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra
azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10 Araka ny sitrako no
hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho
ny helony roa loha.
11 Ary Efraima dia
tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga*
ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba
handravona.[Heb. hihoarako]
12 Mamafaza ho anareo
araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*;
Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany
fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany
anareo ny fahamarinana]
13 Niasa faharatsiana
ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo
fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo*
ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
14 Dia hisy tabataba
hamelezana ny olonareo*, ka horavana ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny
nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro
avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao,
tanànanao]
15 Toy izany no hataon'i
Betela* aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia
ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry
Betela]
*
1 [Ny hamindran'i
Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely,
dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
2 Nony nisy niantso azy,
dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra
hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo
manitra.
3 Fa Izaho no
nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy.
Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny
sandriny]
4 Tamin'ny kofehy
fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary
efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka
nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]
5 Tsy hiverina ho any
amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka
izy.
6 Ary noho ny fisainany
dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
7 Minia miodina amiko ny
oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
8 Hataoko ahoana e no
fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e
no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka
an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
9 Tsy hanontolo fo Aho,
na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny
Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra* Aho.[Na:
tsy hiditra ao an-tanàna Aho]
10 Harahin'ireny
Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona
amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
11 Hanatona amin-kovitra
avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny
voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
1 [Fananarana ny
Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely
amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny
Iray Masina sy Mahatoky.
2 Efraima homan-drivotra
sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony
betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary
diloilo no entina ho any Egypta.
3 Manana ady amin'i Joda
koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka
hatsingeriny aminy ny nataony.
4 Fony mbola tany
am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa
lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;
5 Eny, nitolona
tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy
tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
6 Jehovah, Andriamanitry
ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
7 Koa miverena
amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa
an'Andriamanitrao mandrakariva.
8 Kanana* eny an-tànany
misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
9 Fa hoy Efraima:
Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy
misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
10 Nefa Izaho no Jehovah
Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day
indray Aho tahaka ny tamin'ny fotoam-pivavahana.
11 Efa niteny tamin'ny
mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia
nampilazaiko ohatra.
12 Raha tena heloka
Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby
betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny
am-bavasa any an-tsaha.
13 Jakoba nandositra ho
any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady
no niandrasany ondry aman'osy.
14 Mpaminany no nentin'i
Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no
nentina niahy azy
15 Nanao izay
nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny,
ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
1 [Ny loza nanjo ny
Isiraely noho ny fahotany] Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka
nisandratra tao amin'ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty;
2 Ary ankehitriny dia
mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho
azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia
lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao
fanatitra.
3 Koa ho toy ny rahona
maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho
toy ny akofa izay paohin'ny rivotra hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny
setroka avy amin'ny varavarana makarakara.
4 Fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra
afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5 Izaho dia nahalala
anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta.
6 Araka ny ahitra
teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no
nanadinoany Ahy.
7 Ka dia tonga toy ny
liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
8 Mamely azy toy ny
famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no
andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
9 Izao no maharingana
anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
10 Aiza ary izay
mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo
andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11 Nomeko mpanjaka ianao
tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
12 Voafehy ny helok'i
Efraima, voatahiry ny fahotany.
13 Fanaintainana tahaka
ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga
ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.
14 Havotako tsy ho
azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita* izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana
Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô,
aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Heb. Sheola]
15 Fa Efraima dia
hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia
ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony,
ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara
rehetra.
*
1 Hovaliana Samaria noho
ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany
madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
2 [Ny hamindran'i
Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i
Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
3 Mitondrà teny ianareo,
eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra,
ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb.
haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy]
4 Asyria tsy hamonjy
anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay
intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty
famindram-po.
5 Hositraniko ny
fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
6 Ho tahaka ny ando Aho
amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
7 Hisandrahaka ny
rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny
an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
8 Izay mipetraka ao
ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny
voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho
velombelominao indray toy ny vary izy]
9 Ry Efraima ô, hataoko*
inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny
hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao
hoe: Hataoko][**Heb. azy]
10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.