Jona
1 [Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Jona hankany Ninive,
sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i
Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe,
ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny
faharatsiany.
3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba
hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany
Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao
ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
4 Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny
ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny
andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra* tao an-tsambo
mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry
renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
6 Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy
hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny
Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty
isika.
7 Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika
hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia
nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8 Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho
ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no
taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao?
9 Dia hoy izy
tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako,
dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10 Dia raiki-tahotra
indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany
fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy
izany.
11 Dia hoy ireo taminy:
Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola
nihananonja ihany ny ranomasina.
12 Ary hoy izy
tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny
ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery
izao aminareo.
13 Nefa namaky onja
fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany,
satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
14 Dia nitaraina tamin'i
Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty
izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà
marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15 Dia nobetain'izy ireo
Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny
ranomasina.
16 Dia natahotra an'i
Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i
Jehovah sady nivoady.
1 [Ny namonjena an'i
Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe
hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy
hateloan'alina.
2 Dia nivavaka tamin'i
Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
3 ka nanao hoe: Niantso
an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny
fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]
4 Fa efa natsipinao tao
amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho;
Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
5 Dia hoy izaho:
Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina
ihany.
6 Ny rano nanarona ahy
hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any
an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
7 Tafalatsaka tany
amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy
mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah
Andriamanitro ô.
8 Raha reraka tato
anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny
fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
9 Izay mivavaka amin'ny
sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb.
ny famindram-pony]
10 Fa izaho, dia feo
midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako
dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.
11 Ary Jehovah nandidy
ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
1 [Ny nitorian'i Jona
teny tao Ninive] Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao
hoe:
2 Mitsangàna, ka
mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko
aminao.
3 Dia nitsangana Jona ka
nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo
anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana.
4 Ary Jona niantomboka
nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo
andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra]
5 Dia nino
an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy
lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely.
6 Ary nony efa ren'ny
mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy,
ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady
nipetraka tamin'ny lavenona.
7 Ary nasaina nantsoina
sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza
avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry
aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
8 Fa aoka samy hisarona
lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy
amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana
eny an-tanany avy izy rehetra.
9 Fa angamba hiverina
ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba
tsy ho lany ritra isika?
10 Ary rehefa
hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny,
dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony
izany.
1 [Ny nimonomononan'i
Jona, sy ny nananaran'Andriamanitra azy] Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany,
ka nirehitra ny fahatezerany.
2 Dia nivavaka tamin'i
Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no
efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no
nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra
mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny
loza.
3 Koa mifona aminao aho
ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
4 Fa hoy Jehovah: Moa
mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
5 Dia nivoaka ny tanàna
Jona* ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy
teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny
tanàna.[Na: ary Jona efa nivoaka ny tanàna]
6 Ary Jehovah
Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona
izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona
indrindra ny tanantanamanga.
7 Kanjo nony ampitso
maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga
iny, dia nalazo io.
8 Ary nony niposaka ny
masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary
dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty,
nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
9 Fa hoy Andriamanitra
tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny
tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia
mandra-pahafatiko aza.
10 Dia hoy Jehovah:
Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia
ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;
11 ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?