2 Petera
1 [Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny
Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay
efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy,
Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy
Kristy, Mpamonjy antsika]
2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana
amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra
momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana
Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny
voninahitra sy ny fahatsarana]
4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady
soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra
amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao
tontolo izao noho ny filàna;
5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo,
ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny
fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny
fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy
araka an'Andriamanitra,
7 ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia
fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny
olona rehetra.
8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo
betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana
tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka
tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany
voalohany izy.
10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny
fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo,
dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho
any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy
Mpamonjy antsika.
12 [Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana marina]
Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho,
na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa
eo aminareo.
13 Fa raha mbola eto
amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny
fampahatsiarovana anareo,
14 satria fantatro fa
ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy
Tompontsika tamiko koa.
15 Ary dia hataoko
izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa
maty aho.
16 Fa tsy nanaraka
izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra
anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny
masonay ny fiandrianany.
17 Fa nahazo laza
amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny
voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako
izay sitrako" (Mat. 17.5).
18 Ary renay io feo
avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra
masina izahay.
19 Ary manana ny teny
faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia
manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany,
mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20 fa fantatrareo
voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra
Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
21 fa tsy nisy
faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy
tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina
azy.
1 [Ny hahafantarana
ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy
mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka
tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary
handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny
tenany. [* Na: fitokoana]
2 Ary maro no
hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy* ny lalan'ny
fahamarinana. [* Gr. hanaovana blasfemia, izahao Mat.9.3]
3 Ary amin'ny
hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny
mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy
rendremana ny fahaverezany.
4 Fa raha tsy
navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo
ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [*
Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)]
5 ary raha tsy namela
izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy
ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao
tontolo izao,-
6 ary raha nataony nanjary
lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony
fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,-
7 fa Lota marina,
izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho
afaka
8 (fa izany lehilahy
marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina
isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny
lalàna):
9 dia fantatry ny
Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny
olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-
10 indrindra fa izay
mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana
fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy
matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
11 Fa ny anjely aza,
izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana
hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
12 Fa ireo kosa izay
miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa
zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia
haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
13 ary
hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny
velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona
amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*, raha miara-mihinana aminareo, [*
Na: [amin'ny famitahany].
14 manana maso
feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny
tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany
harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
15 efa niala
tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i
Beora*, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, [*Na: Bosora].
16 nefa
voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana
ny hadalan'ilay mpaminany.
17 Ireo efa
loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny
fahamaintisan'ny maizina.
18 Fa mandoka
fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no
entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny
fahadisoana intsony*; [* Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny
fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka
tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana]
19 fahafahana
no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa
izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
20 Fa raha misy
efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i
Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny
farany dia ratsy noho ny voalohany.
21 Fa tsara
aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy
masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
22 Efa mihatra
aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny
loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia
mihosim-potaka indray."
1 [Ny amin'ny
hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa
soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny
sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,
2 mba
hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo
sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3 efa
fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira
avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4 ka manao hoe:
Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry
dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao
tontolo izao aza.
5 Fa minia
jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany
koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny
tenin'Andriamanitra,
6 ary rano koa
no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy;
7 fa izao
lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka
tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Nefa, ry
malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro
amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Ny Tompo tsy
mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po
aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy
rehetra,
10 Fa ho avy
tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa
amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*,
ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny
volana ary ny kintana]
11 Koa raha ho
levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa
ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
12 sady
manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay
sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*!
[* Na: maniry mafy]
13 Kanefa
isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao,
izay itoeran'ny fahamarinana.
14 Koa
amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa
mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny
fihavanana.
15 Ary ny
fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly,
rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 tahaka ny
ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao
aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona
kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany
amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17 Koa, satria
fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny
fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;
18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.