Levitikosy
1 [Ny fanatitra odorana] Ary Jehovah niantso an'i Mosesy
ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:
2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo
manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no
haterinareo ho fanatitrareo.
3 Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy
misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no
hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
4 Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra
dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5 Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy;
ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina
amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
6 ary hohodirany ny
fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7 Ary ireo zanak'i
Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo
amin'ny afo.
8 Ary ireo mpisorona,
zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo
ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
9 fa ny taovany, sy
ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy
rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny
afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
10 Ary raha ondry na
osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11 Dia hamono azy eo
avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i
Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
12 Dia horasainy
tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo
ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
13 fa ny taovany sy
ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka
hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia
fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
14 Ary raha vorona no
ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala
no hateriny ho fanatiny.
15 Ary haterin'ny
mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany,
dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny
rindrin'ny alitara ny ràny;
16 ary hesoriny ny
takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo
amin'ny fitoeran-davenona;
17 ary hosamahany
amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy
ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo;
fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana
ho an'i Jehovah.
*
1 [Ny fanatitra
hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba
tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy
ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2 Ary hitondra azy ho
amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny
kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny
mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy
izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah
izany.
3 Ary ny sisa amin'ny
fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy
amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4 Ary raha manatitra
fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy
misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify
tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5 Ary raha fanatitra
hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto
voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6 Hovakivakinao izy
ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7 Ary raha fanatitra
hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto
asian-diloilo no hatao.
8 Ary ho entinao ho
an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa
voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
9 Ary ny mpisorona
haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho
fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
10 Ary ny sisa
amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina
avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
11 Ny fanatitra
hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana
zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo
hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12 fa ho fanatitra
voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa
tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13 Ary samy asio sira
ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza
atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny
fanatitrao rehetra.
14 Ary raha manatitra
fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia
salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no
haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15 Ary hasianao
diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra
hohanina izany.
16 Ary hodoran'ny
mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny
diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo
ho an'i Jehovah izany.
*
1 [Ny
fanati-pihavanana] Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na
ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i
Jehovah.
2 Ary hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina
amin'ny lafin'ny alitara.
3 Dia hangalan'ny
mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 sy ny voany roa
mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe;
hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5 Ary ireo zanak'i
Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny
fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
6 Ary raha ondry na
osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema,
na lahy na vavy, no hateriny.
7 Raha zanak'ondry no
hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
8 Ary hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay
fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny
alitara.
9 Ary hangalan'ireo
ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no
fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
10 ary ny voany roa
mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;
hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
11 Ary ny mpisorona
dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra
atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
12 Ary raha osy no
fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
13 Ary hametraka ny
tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana;
ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
14 Ary avy aminy no
hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany
sy ny saboran-tsinainy
15 ary ny voany roa
mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony
indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
16 Ary ny mpisorona
handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao
amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.
17 Izao no ho lalàna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra
itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
*
1 [Ny fanatitra noho
ny ota] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah
amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
3 raha ny mpisorona
voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra
vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia
fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
4 Ary hitondra ny
vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo
anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy
izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.
5 Ary hangalan'ny
mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny
trano-lay fihaonana;
6 ary ny mpisorona
hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i
Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;
7 ary hotentenan'ny
mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo
anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa
rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana.
8 Ary halainy avokoa
ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota,
dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
9 ary ny voany roa mbamin'ny
fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray
manala amin'ny voany no fanaisony izany,
10 tahaka ny fanalana
azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho
fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
11 Fa ny hoditry ny
vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny
taovany sy ny tain-drorohany,
12 dia ny tenan'ny
vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay
fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay
amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13 Ary raha ny
fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy
hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah
amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
14 rehefa fantatra ny
ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra
noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
15 Ary ny loholon'ny
fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i
Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
16 Ary hangalan'ny
mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny
trano-lay fihaonana,
17 ary ny mpisorona
hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah,
dia eo anoloan'ny efitra lamba.
18 Ary hangalany koa
ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah,
dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny
eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny
trano-lay fihaonana.
19 Dia hanaisotra ny
saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.
20 Ary ny
vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy
izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona
hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
21 Ary ny vantotr'ombilahy
dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny
vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana
izany.
22 Ary raha misy
mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah
Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
23 ary misy
mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy
kilema ho fanatiny izy;
24 ary hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny
fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
25 Ary hangalan'ny
mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo
amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia
haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
26 ary ny saborany
rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny
fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany,
dia havela ny helony.
27 Ary raha misy
amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah
amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
28 ary misy
mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy
kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.
29 Ary hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny
fitoeran'ny fanatitra dorana.
30 Ary hangalan'ny
mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo
am-bodin'ny alitara.
31 Ary hesoriny
avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny
fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara
ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho
azy, dia havela ny helony.
32 Ary raha
zanak'ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no
ho entiny;
33 ary hametraka ny
tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra
noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.
34 Ary hangalan'ny
mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo
amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa
rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
35 Ary hesoriny
avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay
natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny
alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny
mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny
helony.
*
1 Ary raha misy
manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na
nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
2 na misy mikasika
izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby
fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio,
nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
3 na misy mikasika ny
fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy
hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
4 na misy mianiana ka
miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona
tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa
fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
5 koa raha meloka
amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
6 ary hitondra ny
saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na
osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao
fanavotana ho azy noho ny fahotany.
7 Ary raha tsy tratry
ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i
Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny
ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
8 Dia hitondra ireo
ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho
fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny
vozony, fa tsy hohenteriny izy.
9 Ary hamafazany eo
amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa
hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
10 Ary ny iray kosa
dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana
ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
11 Fa raha tsy tratry
ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny
fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho
fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo
mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
12 Dia hitondra azy
ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho
fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara
miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho
ny ota izany.
13 Ary ny mpisorona
hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray
amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny
fanatitra hohanina.
14 [Ny
fanati-panonerana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
15 Raha misy olona
manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia
hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy
kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho
fanati-panonerana.
16 Ary izay efa
nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy
fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho
azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
17 Ary raha misy
olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray
amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary
mitondra ny helony izy,
18 dia hitondra
ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana
ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota
tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
19 dia
fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy.
20 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
21 Raha misy olona
manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany
ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na
amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
22 na nahita izay
zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho
fahotan'ny olona,
23 satria nanota izy
ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana,
na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
24 na izay rehetra nianianany
tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy
fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny
fanati-panonerany izany.
25 Ary ny
fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema,
araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.
26 Ary ny mpisorona
hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona
na inona no fahadisoana nataony.
*
1 [Lalàna ho an'ny
mpisorona ny amin'ny fanaterany ny fanatitra samy hafa, sy ny hizarazarana azy]
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia an'i Arona
sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra
dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina
mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
3 Any hiakanjoan'ny
mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia
hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana
izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny
alitara.
4 Ary hanala ny
fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny
ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.
5 Ary ny afo eo
ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny
mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny
ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
6 Dia hisy afo
mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
7 Ary izao no lalàna
ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo
anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
8 Ary hangalany
eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony
mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina,
dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany
ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9 Ary izay sisa
amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy
masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia
eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
10 Tsy hasiana
masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny
fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
11 Ny lehilahy
rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay
ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.
12 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13 Izao no fanatitr'i
Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana
azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina
isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
14 Amin'ny lapoely no
hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy
sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra
ankasitrahana ho an'i Jehovah.
15 Ary ilay mpisorona
avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara
mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
16 fa ny fanatitra
hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
17 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Mitenena amin'i
Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo
amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo
anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.
19 ilay mpisorona
manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no
hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
20 Ho masina izay
rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia
hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany.
21 Ary ny vilany tany
izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no
nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
22 Ny lehilahy
rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.
23 Fa ny fanatitra
noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana,
hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana
amin'ny afo izany.
1 Ary izao no lalàna
ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
2 Eo amin'izay
famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia
hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3 Ary dia hateriny
avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny
saboran-tsinainy
4 ary ny voany roa
mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao
indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5 Ary hodoran'ny
mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho
an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
6 Ny lehilahy rehetra
amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany
azy: masina dia masina izany.
7 Ho tahaka ny
fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa:
ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
8 Ary ilay mpisorona
manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany
fanatitra dorana nateriny izany.
9 Ary ny fanatitra
hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao
amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona
manatitra azy.
10 Fa ny fanatitra
hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona
rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
11 Ary izao no lalàna
ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:
12 Raha misy
manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo
izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy
masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy
sady voaharo diloilo.
13 Ary miaraka
amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho
fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
14 Ary hangalany iray
avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay
mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.
15 Ary ny henan'ny
fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro
anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
16 Fa raha
fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro
anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay
ambiny.
17 Fa ny sisa amin'ny
henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.
18 Ary raha tahìny
hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely
aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa
fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.
19 Ary na ny hena
izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny
amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20 fa ny olona izay
misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i
Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
21 Ary ny olona izay
mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay
zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i
Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
22 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23 Mitenana amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny
an'ny ondry, nany an'ny osy.
24 Ary ny saboran'ny
biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao
amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
25 Fa izay rehetra
mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
26 Ary aza mihinana
rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby
fiompy.
27 Izay rehetra
mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
28 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
29 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia
hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.
30 Ny tànany ihany no
hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny
tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah.
31 Ary hodoran'ny
mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia
ho an'i Arona sy ireo zanany.
32 Ary ny soroka
ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny
fanati-pihavananareo.
33 Ny anankiray
amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany
no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34 Fa ny tratra
ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy
amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho
anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.
35 Izany no anjaran'i
Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
36 dia izay
nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro
anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara
mandimby.
37 Izany no lalàna ny
amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota
sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
38 izay nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay
nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany
an-efitr'i Sinay.
*
1 [Ny nanokanana an'i
Arona sy ny zanany ho mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao
hoe:
2 Alao Arona sy ny
zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray
hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy
misy masirasira.
3 Ary vorio ny
fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
4 Ary Mosesy nanao
araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana ny fiangonana.
5 Ary hoy Mosesy
tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah.
6 Ary Arona sy ny
zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
7 Dia nampiakanjoiny
ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo
ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba
ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
8 Ary ny saron-tratra
dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
9 Ary ny hamama dia
nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony
teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10 Ary nalain'i
Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao
ka nohamasininy.
11 Dia namafazany
impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara
mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
12 Ary nanidinany teo
amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina
azy.
13 Ary dia nentin'i
Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany
fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
14 Ary nentiny
nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy
ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao
fanatitra noho ny ota.
15 Dia novonoiny ny,
ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny
alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny
teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
16 Dia nalainy ny
saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny
fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
17 Fa ny hoditry ny
vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny
afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
18 Ary nentiny
nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany
nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
19 Dia novonoina iny;
ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
20 Ary norasainy
tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa
ireo ary ny saborany.
21 Ary ny taovany sy
ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo
ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
22 Dia nentiny
nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy
ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
23 Dia novonoiny iny;
ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i
Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny
ankihiben-tongony ankavanana.
24 Ary nentiny
nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny
ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny
ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina
tamin'ny lafin'ny alitara.
25 Ary nalainy ny
hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany
roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
26 Ary ilay harona
nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany
iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary
iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry
ankavanana.
27 Dia napetrany teo
amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho
fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
28 Dia nalain'i
Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara
niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra
ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
29 Dia nalain'i
Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany,
araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
30 Ary nangalan'i
Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny
tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny
zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny
fitafian'ny zanany koa Izy.
31 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny
haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no
hihinana azy.
32 Ary izay sisa
amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
33 Ary tsy hiala eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia
mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany
anareo.
34 Tahaka ny efa
natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
35 Ary hitoetra eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo
ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa
izany no nandidiana ahy.
36 Dia nataon'i Arona
sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
1 [Ny nanombohan'i Arona
sy ny zanany ny raharahany] Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i
Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
2 Dia hoy izy tamin'i
Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho
fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
3 Ary ny
Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy
ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema,
hatao fanatitra dorana,
4 ary omby sy ondrilahy
hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary
fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
5 Dia nitondra izay
nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana
rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
6 Ary hoy Mosesy:
Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo
ny voninahitr'i Jehovah.
7 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy
ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona;
dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay
nandidian'i Jehovah.
8 Dia nanatona ny
alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho
an'ny tenany.
9 Ary nentin'ny
zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona,
ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo
am-bodin'ny alitara;
10 fa ny saborany sy
ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia
nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i
Mosesy;
11 ary ny hena sy ny
hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
12 Dia namono ny
fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany
manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
13 Ary ny fanatitra
dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy
ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
14 Ary nanasa ny
taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny
fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.
15 Dia nentiny
nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny
ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho
ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
16 Dia nanatitra ny
fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
17 Dia nentiny
nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho
fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
18 Dia namono ny omby
sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona;
ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny
lafin'ny alitara izy.
19 Ary natolony azy
koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny
voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
20 dia napetrany teo
ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara
izany;
21 fa ny tratrany sy
ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.
22 Ary Arona
nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy,
rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny
fanati-pihavanana.
23 Ary Mosesy sy
Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny
olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
24 Ary nisy afo
nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny
saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia
nihoby izy sady niankohoka.
*
1 [Ny nitondran'i
Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon'Andriamanitra noho izany] Ary Nadaba
sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo
anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo
anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
2 Dia nisy afo
nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo
anatrehan'i Jehovah izy.
3 Dia hoy Mosesy
tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no
hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny
voninahitro. Dia sina Arona.
4 Ary Mosesy dia
nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka
nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny
fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
5 Dia nanatona izy
roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny
ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
6 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo,
na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy
fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny
taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i
Jehovah.
7 Ary aza miala eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby
aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
8 Ary Jehovah niteny
tamin'i Arona ka nanao hoe:
9 Aza misotro divay
na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba
tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara
mandimby izany),
10 ary mba
hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11 ary mba
hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah
holazain'i Mosesy taminy.
12 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny
fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i
Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa
masina dia masina izany.
13 Ary hano eo
amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14 Ary ny tratrany ahevaheva
sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao
mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny
zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
15 Ny sorony
asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao
amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i
Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka
izay nandidian'i Jehovah.
16 Ary Mosesy nitady
fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany;
dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara,
ka hoy izy:
17 Nahoana no tsy
nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina
dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny
fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
18 Indro, ny ràny tsy
nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo
amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
19 Ary Arona niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny
ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo
izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa
ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?
20 Ary raha ren'i
Mosesy izany, dia nankasitrahany.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny biby madio sy maloto] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao
taminy hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny
tany:
3 Izay biby rehetra
mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho
fihinanareo.
4 Kanefa amin'izay
mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva,
satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5 ary ny hyraka,
satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6 ary ny rabitro,
satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7 ary ny kisoa,
satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba
mandinika izy: maloto aminareo izy.
8 Ny henan'ireny tsy
ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo
ireny.
9 Ary amin'izay
rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony
sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho
fihinanareo;
10 fa izay rehetra
tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny
ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny
zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11 eny, ho
fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho
zava-betaveta ny fatiny.
12 Izay rehetra tsy
misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13 Ary izao no ho
zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta
izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14 ary ny papango sy
ny voromahery, isan-karazany,
15 ary ny goaika
rehetra, isan-karazany,
16 ary ny ostritsa sy
ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17 ary ny vorondolo
sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18 ary ny ibisa sy ny
sama ary ny voltora madinika
19 sy ny vano sy ny
vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20 Ny zava-mandady
rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta
aminareo;
21 nefa izao kosa no
ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra
efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny
tany.
22 Amin'ireny dia
izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary
ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23 Fa ny zava-mandady
rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho
zava-betaveta aminareo.
24 Dia Ireo no ho
zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto
mandra-paharivan'ny andro.
25 Ary izay rehetra
mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny
andro.
26 Ny biby rehetra
izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho
zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27 Ary izay rehetra
mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra,
dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra
mikasika ny fatiny.
28 Ary izay mitondra
ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho
zava-maloto aminareo ireny.
29 Ary izao no haloto
aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny
totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30 ary ny anakà sy ny
koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31 Ireo no maloto
aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika
ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32 Ary izay zavatra
rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na
lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy
maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao
hadio.
33 Ary ny amin'ny
vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na
inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
34 Ary ny hanina
fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia
haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
35 Ary haloto izay zavatra
rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia
hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
36 Kanefa ny loharano
na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika
ny fatin-javatra eo no haloto.
37 Ary raha misy
fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio
ihany izany.
38 Fa raha misy
voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto
aminareo izany.
39 Ary raha misy maty
izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny
fatiny.
40 Ary izay mihinana
amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny
andro
41 Ary ny zavatra
rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka
tsy ho fihinana.
42 Izay rehetra
mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra
maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia
tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
43 Aza mametaveta ny
tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo
aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
44 Fa Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina
ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra
mandady na mikisaka amin'ny tany.
45 Fa Izaho no
Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho
Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
46 Izany no lalàna ny
amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao
anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny
tany,
47 mba hanavahana ny
maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho
fihinana.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny fanadiovana ny vehivavy velom-bao] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka
nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto
hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no
hahalotoany.
3 Ary amin'ny andro
fahavalo dia hoforana ny zaza.
4 Ary telo amby
telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy
hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina,
mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5 Fa raha tera-bavy
kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary
enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio
azy.
6 Ary raha tapitra ny
andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray
taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho
fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay
fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
7 Ary izy hanatitra
izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio
tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy
na tera-bavy.
8 Ary raha tsy tratry
ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa
izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra
noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio
izy.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny habokana sy ny aretina mitovitovy aminy] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Raha misy
mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy
mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany,
dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny
mpisorona, zanak'i Arona;
3 koa raha zahan'ny
mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo
eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny
aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe
maloto.
4 Fa raha misy
mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina
noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia
hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
5 Ary raha zahan'ny
mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady
tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
6 ary raha zahan'ny
mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny
aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy:
manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
7 Fa raha nanitatra
teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona
ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8 Ary raha zahan'ny
mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia
hataony hoe maloto izy: habokana izany.
9 Raha misy habokana
amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
10 ary raha zahan'ny
mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa
niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
11 dia habokana efa
ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy;
tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12 Ary raha mipoipoitra
mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary
hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
13 ary zahan'ny
mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe
madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14 Fa raha misy nofo
mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15 Ary raha zahan'ny
mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo
mangenahena: habokana izany.
16 Ary raha miova ny
nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17 ary raha zahan'ny
mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny
mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18 Ary raha misy fery
sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
19 ary misy fotsy
mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny
mpisorona izy.
20 Ary raha zahan'ny
mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho
fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra
eo amin'ny fery izany.
21 Fa raha zahan'ny
mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny
hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana
izy;
22 ary raha nanitra
mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy:
habokana izany.
23 Fa raha tsy
mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny
fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
24 Ary raha misy
main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25 ary zahan'ny
mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny
mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana
efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto,
habokana izany.
26 Fa raha zahan'ny
mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana,
ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny
mpisorona toerana hafitoana izy,
27 ary raha zahan'ny
mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra
izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28 Ary raha tsy
mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa
matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny
mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29 Ary raha misy
lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
30 ary zahan'ny
mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo
madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina
izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
31 Fa raha zahan'ny mpisorona
ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo
mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
32 Ary raha zahan'ny
mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny
aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no
fijeriny azy,
33 dia hiharatra izy,
fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana
hafitoana indray ilay olona kongonina.
34 Ary raha zahan'ny
mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo
amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia
hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35 Fa raha nanitatra
teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36 dia hozahan'ny
mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia
tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
37 Nefa raha hitany
fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny
kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
38 Ary raha misy
lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia
mifaritra fotsy mangirana,
39 ary zahan'ny
mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony
mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo
amin'ny hoditra izany, madio izany.
40 Ary ny amin'ny
lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41 Ary raha
mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42 Fa raha misy
aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray,
dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
43 Ary raha zahan'ny
mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo
amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo
amin'ny hoditry ny nofo,
44 dia lehilahy boka
izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny
aretina.
45 Ary ny amin'izay
efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony,
dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46 Amin'ny andro
rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto
izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
47 Amin'ny fitafiana
izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
48 sy izay ho an'ny
tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay
zavatra natao tamin'ny hoditra,
49 raha maitsomaitso
na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo
amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
50 Ary hozahan'ny
mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
51 Ary raha zahany ny
aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina,
na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao
tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
52 Dia hodorana ny
fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na
rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana
mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
53 Ary raha mizaha
azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana,
na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao
tamin'ny hoditra,
54 dia
hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana
indray izy;
55 ary rehefa voasasa
izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova
tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao
amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
56 Fa raha mizaha azy
ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia
hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra,
na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
57 Ary raha mbola
misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay
ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina
mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
58 Ary ny fitafiana,
na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny
hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany
izy ka hadio.
59 Izany no lalàna ny
amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay
ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
*
1 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Izao no lalàna ny
amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
3 dia hivoaka eny
ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny
habokany ny boka,
4 dia vorona roa
velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho
an'ilay hodiovina;
5 Ary hasainy
hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina
tamin'ny rano mandeha;
6 Ary halainy ny
vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo
mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny
rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
7 Dia hofafazany
impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary
halefany ny vorona velona.
8 Ary ilay hodiovina
dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny
rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa
hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
9 Ary amin'ny andro
fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony,
na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany
izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
10 Ary amin'ny andro
fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy
iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny
efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
11 Ary ny mpiosorona
izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo
anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12 dia haka ny
zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana
mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i
Jehovah.
13 Ary hamono ny
zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra
dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra
noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
14 Dia hangalan'ny
mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny
ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny
ankihiben-tongony ankavanana,
15 ary ny diloilo
iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
16 dia hatsoboky ny
mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany
ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
17 ary ny diloilo
sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina
ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny
ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
18 ary ny diloilo
mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay
hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
19 Ary ny mpisorona
dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina
hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra
dorana izy;
20 ary ny mpisorona
dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny
alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
21 Fa raha malahelo
kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao
fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara
toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy
diloilo iray loga
22 ary domohina roa,
na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao
fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
23 Dia ho eniny any
amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
24 Dia horaisin'ny
mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray
loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25 Dia hovonoina ny
zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny
fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay
hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony
ankavanana;
26 ary hangalan'ny
mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
27 dia hangalan'ny
mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany
ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
28 dia hotentenan'ny
mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina
ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny
ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
29 ary ny diloilo
sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina
hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
30 Dia hateriny koa
ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny
ananany,
31 dia ny anankiray
hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana,
mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay
hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
32 Izany no lalàna ny
amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
*
33 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34 Rehefa tonga any
amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako
habokana amin'ny tany fanananareo,
35 dia handeha ny
tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao
amin'ny tranoko.
36 Dia hasain'ny
mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny
aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita
izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37 ary raha zahany ny
aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na
menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
38 dia hivoaka ho eo
am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39 Ary hiverina ny
mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa
nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
40 dia hasain'ny
mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto
eo ivelan'ny tanàna;
41 dia hasainy
hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay
fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
42 Ary dia haka vato
hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka
handalotra ny trano.
43 Fa raha tàhiny
miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny
vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
44 ary tonga ny
mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia
habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
45 Ary horavana ny
trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay
fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
46 Ary izay miditra
ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto
mandra-paharivan'ny andro;
47 ary izay mandry ao
dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
48 Kanefa kosa raha
tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano
ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny
trano, satria efa afaka ny aretina.
49 Ary haka vorona roa
sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
50 Dia hovonoiny eo
ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona
anankiray;
51 dia horaisiny ny
hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo
amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano
mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
52 Dia hanadio ny
trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha
sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny
jaky.
53 Fa hasainy ho
entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho
an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
54 Izany no lalàna ny
amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
55 ary amin'ny
habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,
56 ary ny amin'ny
mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
57 hampianatra
hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny
amin'ny habokana.
*
1 [Ny lalàna ny
amin'ny fitsihana sy ny fadim-bolana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy
Arona ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny
fitsihany.
3 Ary izao no ho
fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha,
dia samy fahalotoana ihany izany.
4 Maloto ny fandriana
rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay
ipetrahany.
5 Ary izay rehetra
mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
6 Ary izay mipetraka
amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy
handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
7 Ary izay mikasika
ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary
haloto mandra-paharivan'ny andro.
8 Ary raha misy olona
madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny
rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
9 Ary haloto ny
lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
10 Ary izay rehetra
mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary
izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano
ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
11 Ary izay rehetra
voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany
tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
12 Ary hovakivakina
ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa
ny fanaka hazo rehetra.
13 Ary raha sitrana
amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny
fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy,
dia hadio.
14 Ary amin'ny andro
fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo
anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia
hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.
15 Dia haterin'ny
mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa
hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny
mpisorona noho ny fitsihany.
16 Ary raha miala
amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary
haloto mandra-paharivan'ny andro;
17 ary hosasana
amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny
azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
18 Ny vehivavy izay
andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
19 Ary raha misy
vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra
mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
20 Ary ny zavatra
rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra
rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21 Ary izay rehetra
mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto
mandra-paharivan'ny andro.
22 Ary izay rehetra
mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny
rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
23 Ary raha ao
amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha
nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
24 Ary raha misy
lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto
hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25 Ary raha misy
vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny
fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho
ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny
amin'ny andro fahalotoany ihany.
26 Ny fandriana
rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny
fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia
haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.
27 Ary izay rehetra
mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny
rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
28 Fa raha sitrana
amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka
izany, dia hadio izy.
29 Ary amin'ny andro
fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra
ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
30 Dia haterin'ny
mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao
fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i
Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
31 Dia
hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny
tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
32 Izany no lalàna ny
amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,
33 ary ny amin'ny
mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na
vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.
*
1 [Ny Andro
Fanavotana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i
Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;
2 dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao
amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny
rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa
hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
3 Ary izao no ho
entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy
iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
4 Akanjo lava masina
rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony
manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony
fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao
hiakanjo azy.
5 Ary ny fiangonan'ny
Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy
ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
6 Dia hampanatonin'i
Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka
dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
7 Ary dia halainy koa
ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana.
8 Dia hanaovan'i
Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka
anankiray ho an'i Azazela.
9 Ary hampanatonin'i
Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra
noho ny ota.
10 Fa ny osilahy izay
niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i
Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho
an'i Azazela.
11 Ary hampanatonin'i
Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka
dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny
vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.
12 Dia haka vain'afo
eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary
ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny
miditra ao anatin'ny efitra lamba.
13 Ary hataony eo
amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny
ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona,
mba tsy hahafaty azy.
14 Dia hangalany ny
ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra
fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony.
15 Dia hovonoiny ny
osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra
ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny
ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra
fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
16 Dia hanao fanavotana
ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny
fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny
trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.
17 Ary aza avela hisy
olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny
fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy
ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
18 Dia hivoaka ho eo
amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny
alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka
hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.
19 Dia hofafazany ny
rà impito amin'ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny
fahalotoan'ny Zanak'Isiraely.
20 Ary rehefa vitany
ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny
alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
21 Dia hapetrak'i
Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny
heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany
rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy
ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
22 Ary ho entin'ny
osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
23 Dia hiditra ao
amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay
niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
24 Dia handro amin'ny
rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy
ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho
an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
25 Ary ny saboran'ny
fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.
26 Ary ilay mandefa
ny osilahy ho an'i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao
mahazo mankeo an-toby.
27 Ary ny
vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho
ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao
fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny
henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
28 Ary izay mandoro
ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
29 Ary izao no ho
lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito
dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny
tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
30 Fa amin'izany
andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio
ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo
31 Ho tena andro
fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna
mandrakizay izany.
32 Ary ny mpisorona,
izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana;
ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
33 Dia hanao
fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny
alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.
34 Ary ho lalàna
mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely
indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i
Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Ny amin'ny
hamonoana ny biby hatao fanatitra, sy ny amin'ny mifady rà] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'i
Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian'i
Jehovah:
3 Na iza na iza
amin'ny taranak'Isiraely no mamono omby, na zanak'ondry, na osy, na eo an-toby,
na any ivelan'ny toby,
4 ka tsy mitondra azy
ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra
ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà
nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
5 mba ho entin'ny
Zanak'isiraely ho an'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
ho amin'ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany
an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah izany.
6 Ary ny mpisorona
hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana
ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
7 Ary tsy hateriny
intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay
hatramin'ny taranany fara mandimby izany.
8 Ary lazao aminy
hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no
manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
9 ka tsy mitondra azy
ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i
Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
10 Ary na iza na iza
amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny
Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny izy.
11 Fa ny ain'ny nofo
dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao
fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
12 Koa izany no
nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny
vahiny eo aminareo.
13 Na iza na iza
amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na
vorona izay fihinana, dia haidiny amin'ny tany ny ràny ka hototofany;
14 fa ny amin'ny
amin'ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo
rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15 Ary ny olona
rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay
noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto
mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.
16 Fa raha tsy manasa
fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
hanamasinana ny fanambadiana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
3 Aza manao araka ny
fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany
Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4 Ny fitsipiko no
harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo.
5 Ary tandremo ny
didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona
amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
6 Aza misy mila izay
havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.
7 Aza mandry
amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Aza mandry amin'ny
renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
9 Aza mandry amin'ny
anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na
teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 Aza mandry amin'ny
zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao
no nihavian'izy roa.
11 Aza mandry amin'ny
zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza
mandry aminy.
12 Aza mandry amin'ny
anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 Aza mandry amin'ny
rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 Aza mandry
amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny
rahalahin-drainao izy.
15 Aza mandry amin'ny
vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Aza mandry amin'ny
vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
17 Aza mandry amin'ny
vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny
zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana
izany.
18 Ary aza mampakatra
vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
19 Ary aza mila
vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.
20 Ary aza mandry amin'ny
vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 Ary aza misy
ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny
anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 Aza mandry amin'ny
lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Ary aza mandry
amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety
handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 Aza mandoto ny
tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny
jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25 Ary efa maloto ny
tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
26 Fa mitandrema ny
didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany,
na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
27 (fa izany
fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia
naloto ny tany),
28 mba tsy
handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny
firenena izay talohanareo.
29 Fa izay rehetra
manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny
fireneny.
30 Koa dia tandremo
izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta
izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo
amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
*
1 [Didy maro samy
hafa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria
masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
3 Samia matahotra ny
reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
4 Aza mivily hanaraka
ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no
Jehovah Andriamanitrareo.
5 Ary raha mamono
zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay
hankasitrahana anareo izany.
6 Amin'izay andro
amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo
azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo
izany.
7 Ary raha hanina
amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
8 fa izay mihinana
izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.
9 Ary raha mijinja ny
vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny;
ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao.
10 Ary aza otazana
avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny
sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
11 Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12 Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny
anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13 Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na
mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka
alina.
14 Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra
mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no
Jehovah.
15 Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza
miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no
hitsaranao ny namanao.
16 Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana
handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
17 Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara
dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18 Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray
firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
19 Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa
karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana
mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy
hafa karazana mifamahofaho.
20 Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay
voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy
ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy
ravehivavy.
21 Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i
Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray
hatao fanati-panonerana;
22 ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay
ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana
izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
23 Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly
hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no
hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
24 ary amin'ny taona
fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i
Jehovah;
25 fa amin'ny taona
fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho
anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
26 Aza homana zavatra
misy rà; aza manao sikidy na manandro.
27 Aza manety ny
sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
28 Ary aza mitetika
ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no
Jehovah.
29 Aza
mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany
ka ho feno fahavetavetana.
30 Tandremo ny
Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
31 Aza mivily
hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao
hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
32 Mitsangàna raha eo
anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora
an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
33 Ary raha misy
mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy.
34 Ny vahiny eo
aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao
tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho
no Jehovah Andriamanitrareo.
35 Aza manao izay tsy
marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na
amin'ny famarana.
36 Mizana marina,
vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
37 Ary tandremo ny
didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
1 [Ny amin'ny
fampijaliana hatao amin'izay mandika ireo lalàna ireo] Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Lazao amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo
aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka
no hitora-bato azy.
3 Ary ny Tavako
hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina
sy hanamavoany ny anarako masina.
4 Ary raha mody tsy
mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho
an'i Moloka ny zanany,
5 dia hanandrina
izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny
fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i
Moloka.
6 Ary ny olona izay
mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana,
hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka
hofongorako tsy ho amin'ny fireneny izy.
7 Dia manamasina ny
tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
8 Ary tandremo ny
didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.
9 Fa na iza na iza no
manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na
ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
10 Ary ny lehilahy
mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny
namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
11 Ary ny olona izay
mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao
maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12 Ary raha misy
lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa
nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13 Ary raha misy
lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa
nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy
ihany.
14 Ary raha misy
lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny
afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
15 Ary raha misy
lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia
hovonoinareo koa.
16 Ary raha misy
vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao
maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
17 Ary raha misy
lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny
reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa,
dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa
nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
18 Ary raha misy
lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra
ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny,
dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
19 Ary aza mandry
amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny
havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
20 Ary raha misy
lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay
nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21 Ary raha misy
lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay
nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22 Ary tandremo ny
didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny
tany izay itondrako anareo honenana.
23 Ary aza manaraka
ny fanaon'ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra
izany izy, ka dia halako.
24 Fa efa nolazaiko
taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo,
dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay
nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.
25 Ary avaho ny biby
madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny
fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na
mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26 Ary aoka ho masina
ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena
samy hafa ianareo mba ho Ahy.
27 Ary na lehilahy na
vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao
maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
fahamasinan'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra
am-paty eo amin'ny fireneny,
2 afa-tsy amin'ny
tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy
ary ny rahalahiny;
3 ary amin'ny
fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady
fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
4 Tsy hiditra am-paty
hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
5 Tsy hanasola ny
lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
6 Ho masina ho
an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka
dia tokony ho masina.
7 Aoka tsy hanambady
izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy
izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
8 Dia hamasino izy,
fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho
Jehovah, Izay manamasina anareo.
9 Ary raha ny
zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa
manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
10 Ary ny
mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo
fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka
volo, na handriatra ny fitafiany.
11 Ary aoka tsy
hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy
aman-dreniny aza.
12 Ary aoka tsy
hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny
fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo
fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
13 Ary aoka
hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
14 Fa ny maty vady,
na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony
hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
15 Ary aoka tsy hanao
izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no
manamasina azy.
16 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17 Mitenena amin'i
Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany
hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny
hanin'Andriamaniny;
18 Fa izay rehetra
misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa,
na ny petaka orona, na ny manana amby,
19 na ny
tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20 na ny vokoka, na
ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na
ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
21 Ny olona rehetra
amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky
hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy
mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
22 Ny
hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra
masina, dia azony hanina ihany;
23 kanefa tsy mahazo
miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy
kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina
azy.
24 Ary Mosesy dia
nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.
1 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'i
Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina
izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho
no Jehovah.
3 Lazao aminy hoe:
Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby,
nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah,
dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
4 Na iza na iza
amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny
zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty,
na izay lehilahy nialan'ny azy,
5 na izay mikasika
biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na
inona no fahalotoany,
6 ny olona izay
mikasika izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny
zava-masina, raha tsy mandro amin'ny rano.
7 Ary rehefa
milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny
zava-masina, satria fihinany izany.
8 Izay maty ho azy,
na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no
Jehovah.
9 Ary aoka hitandrina
izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny
nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.
10 Ary aza avela hisy
olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay
mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
11 Fa raha misy olona
novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny
ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa.
12 Ary raha misy
zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny
fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.
13 Fa raha misy zanakavavin'ny
mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any
an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny
fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14 Ary raha misy
olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka
homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:
15 Ary aoka tsy hisy
hametaveta ny zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,
16 na hahatonga ota
aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina
azy.
*
17 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18 Mitenena amin'i
Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny
taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny
fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho
an'i Jehovah ho fanatitra dorana,
19 dia lahy tsy misy
kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana
anareo.
20 Izay rehetra misy
kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21 Ary raha misy
manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na
ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy
kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
22 Fa ny jamba na ny
misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia
izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo
eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.
23 Na omby, na ondry,
na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao
fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
24 Izay voaporitra,
na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo
aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.
25 Ary raha misy
entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho
hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana
anareo izany.
26 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
27 Raha misy omby, na
ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa
hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28 Ary ny ombivavy,
na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny
zanany.
29 Ary raha mamono
zavatra hatao fanati-pisaorana ho an'i Jehovah ianareo, dia amin'izay
hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
30 Amin'izany andro
izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
31 Ary tandremo ny
didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
32 Ary aza manamavo
ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho
Jehovah,
33 Izay nitondra
anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no
manamasina anareo; Izaho no Jehovah.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay
hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
3 Henemana no
hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia
fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah
eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
4 Izao no
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo
amin'ny fotoany avy:
5 Ny andro fahefatra
ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
6 Ary ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i
Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo
mofo tsy misy masirasira.
7 Ary amin'ny andro
voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory
ianareo;
8 fa manatera
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro
fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka
hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo
ho any amin'ny mpisorona ianareo;
11 ary hanevaheva ny
amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny
Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.
12 Ary amin'izay
andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema
izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
13 Ary ny fanatitra
hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo
hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary
ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
14 Ary aza mihinana
mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay
hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny
taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
15 Ary manisà ho
anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny
amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
16 Dia amin'ny
ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia
manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.
17 Ary mitondrà mofo
roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara
toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina;
voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.
18 Ary manatera
miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy
vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah
ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy,
dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
19 Dia manatera
osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho
fanati-pihavanana.
20 Ary ny mpisorona
hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo
anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho
an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.
21 Ary miantsoa izany
andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho
lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny
amin'izay fonenanareo rehetra.
22 Ary raha mijinja
ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny,
ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny
malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro
fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho
fivoriana masina.
25 Aza manao
tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah.
26 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
27 Ary amin'ny andro
fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy
fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra
fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28 Ary aza manao
raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana
fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.
29 Fa ny olona
rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho
amin'ny fireneny.
30 Ary ny olona
rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho
amin'ny fireneny.
31 Aza manao raharaha
akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby
izany eny amin'izay rehetra honenanareo.
32 Ho tena andro
fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro
fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny
ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
33 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
34 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely
hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no
hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo
hafitoana ho an'i Jehovah.
35 Amin'ny andro
voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.
36 Hafitoana no
hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro
fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao
amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao
tao-zavatra akory.
37 Ireo no
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina,
hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy
fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy
amin'ny fotoany avy izy rehetra,
38 afa-tsy izay fanao
amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra
hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i
Jehovah.
39 Ary amin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny
tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny
andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro
fitsaharana koa.
40 Ary amin'ny andro voalohany
dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo
mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia
hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
41 Ary tandremo izany
ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana
fahafito no hitandremanareo azy.
42 Ao amin'ny trano
rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely
dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
43 mba ho fantatry ny
taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho,
raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
44 Ary Mosesy dia
nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
*
1 [Ny amin'ny
fanamboarana ny jiro sy ny fanaovana ny mofo aseho] Ary Jehovah niteny tamin'i
Mosesy ka nanao hoe:
2 Mandidia ny
Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana,
hampirehetana jiro mandrakariva.
3 Eo ivelan'ny efitra
lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no
handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo
anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo
hatramin'ny fara mandimby izany.
4 Eo amin'ny
fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva
eo anatrehan'i Jehovah.
5 Ary makà koba tsara
toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao
mofo iray.
6 Ary mandahara ireo
eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana,
dia enina avy no iray toerana.
7 Ary asio ditin-kazo
mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho
fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
8 Isan-tSabata no
handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny
Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
9 Ary ho an'i Arona
sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia
masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna
mandrakizay izany.
10 [Ny amin'ny
fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny
famonoana] Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely,
vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo
an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11 Ary niteny ratsy
ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany
amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny
firenen'i Dana izy);
12 ary nambenany izy,
mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
13 Ary Jehovah niteny
tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
14 Avoahy ho eny
ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny
tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15 Ary mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia
ho meloka,
16 Fa izay miteny
ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny
fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia
hatao maty izy.
17 Ary izay mahafaty
olona dia hatao maty tokoa.
18 Fa izay mahafaty
biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
19 Ary raha misy
obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20 tapaka solon'ny
tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony
tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
21 Ary izay mahafaty
biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22 Fitsipika iray no
hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
23 Ary Mosesy niteny
tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka
notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i
Jehovah an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
taona sabata sy ny Jobily] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo
an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
2 Mitenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo,
aoka hisy fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah.
3 Enin-taona no
hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao
ny vokatra;
4 fa ny taona
fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah;
aza mamafy amin'ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
5 Aza mijinja izay
maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty
ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho
an'ny tany izany.
6 Ary izay maniry ho
azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny
ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
7 sy ny biby
fiompinao ary ny bibidia izay eo amin'ny taninao; izay vokatra rehetra eo no
hohaniny.
8 Ary manisà
sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny
andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
9 Dia mitsofa
anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny
andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.
10 Ary hamasino ny
taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina
rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo
avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.
11 Jobily ho anareo
izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay
maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty
ny avy tamin'izay tsy namboarinareo;
12 fa Jobily izany ka
ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
13 Amin'izany taona
Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.
14 Ary raha mivarotra
na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
15 araka ny isan'ny
taona aorian'ny Jobily no hividiananao amin'ny namanao; ary araka ny isan'ny
fararano no hivarotany aminao.
16 Araka ny
hamaron'ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin'ny taona
sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan'ny fararano no hivarotany
aminao.
17 Ary aza misy manao
sarotra ianareo, fa matahora an'Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo.
18 Ary araho ny
didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny
tany ianareo.
19 Ary ny tany
hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
20 Ary andrao ianareo
manao hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy
izahay, na manangona ny vokatray;
21 dia hataoko
aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo
amin'ny telo taona.
22 Ary hamafy amin'ny
taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona
fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.
23 Ary ny tany tsy
hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
24 Ary havelanareo ho
azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo.
25 Raha tàhiny
mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany
akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny.
26 Ary raha tsy
manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho
enti-manavotra azy,
27 dia aoka hanisa ny
taona hatramin'ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho
an'ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.
28 Fa raha tsy nahazo
izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo
an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka
izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.
29 Ary raha misy
olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra
azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no
hahazoany manavotra azy.
30 Fa raha tsy
voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna
mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany
izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.
31 Fa ny trano ao
amin'ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany
ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin'ny Jobily.
32 Kanefa ny amin'ny
tanànan'ny Levita, ny trano ao amin'ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon'ny
Levita avotana ihany na oviana na oviana.
33 Ary raha misy
Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny
tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny
Zanak'Isiraely.
34 Fa ny tany
manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
35 Ary raha
mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy,
ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36 Aza maka zana-bola
na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny
rahalahinao.
37 Aza mampanàna vola
aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38 Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
39 Ary raha
mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny
andevo izy;
40 fà aoka hitoetra
eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan'ny
taona Jobily no hanompoany anao.
41 Dia ho afaka izy
sy ny zanany ka hody amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.
42 Fa mpanompoko izay
nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny
andevo.
43 Aza mampanompo azy
fatratra, fa matahora an'Andriamanitrao.
44 Ary ny amin'izay
ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin'ny jentilisa izay manodidina anareo
no hividiananareo azy.
45 Ary amin'ny zanaky
ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no
hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
46 Ary hataonareo
lovan'ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo
mandrakizay fa ny Zanak'Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina
fatratra.
47 Ary raha tonga
manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny
rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao,
na amin'ny taranaky ny vahiny;
48 na dia nivaro-tena
aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo
manavotra azy:
49 na ny
rahalahin-drainy, na ny zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy
amin'ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany,
dia hanavo-tena izy.
50 Ary dia hisainy
amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona
Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona;
dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
51 Raha mbola maro ny
taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny
teo aloha.
52 Any raha vitsy
kosa ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy
izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
53 Tahaka izay
karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra
eo imasonao izy.
54 Ary raha tsy
voavotra amin'izay izy, dia ho afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
55 Fa mpanompoko ny
Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany
Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
*
1 [Fitahiana sy
ozona] AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra
voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana
eo amin'ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2 Tandremo ny
Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
3 Raha manaraka ny
lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
4 dia hanome anareo
ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo
any an-tsaha.
5 Ary ny
taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny
taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo
ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.
6 Any homeko
fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra,
fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny
taninareo.
7 Dia hanenjika ny
fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8 Ary ny dimy
aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any
ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9 Any hijery anareo
Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko
aminareo Aho.
10 Any hihinana ny
tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11 Ary ny
tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo.
12 Ary handeha eo
aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13 Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka
nampandeha anareo mijoro,
14 Fa raha tsy
mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15 ary hamavoinareo
ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny
didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
16 Izaho kosa dia
hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina
sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana
ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17 Dia hanandrina
anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; ary izay
mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy
manenjika aza.
18 Ary raha mbola tsy
mihaino Ahy ihany ianareo amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo
impito Aho noho ny fahotanareo.
19 Ary horavako ny
reharehan'ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina
ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
20 fa tsy
hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin'ny tany.
21 Ary raha mbola
manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito
koa ianareo araka ny fahotanareo.
22 Ary hampandehaniko
eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby
fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
23 Any raha tsy
mandray ny anatro amin'izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24 Izaho dia Izaho
kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25 Dia hampiditra sabatra
aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo
anatin'ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho;
ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.
26 Raha tapahiko ny
vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny
vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana
ianareo, fa tsy ho voky.
27 Ary raha mbola tsy
mihaino Ahy amin'izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28 dia hamely anareo
amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito
indray noho ny fahotanareo.
29 Dia hihinana ny
nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
30 Ary horavako ny
fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary
ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny
fanahiko ianareo.
31 Ary horavako ny
tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny
hanitrareo ankasitrahana.
32 Ary hataoko lao ny
tany, ka ho talanjona amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33 Ary ianareo dia
haeliko any amin'ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo
Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34 Ary amin'izany ny
tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any
amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny
sabatany;
35 amin'ny andro
hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny
sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
36 Ary ny amin'ny
sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao
am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra
azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy
manenjika aza.
37 Ary ho lavo
mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia
tsy hahajanona eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
38 Any dia ho lany
ringana any amin'ny jentilisa ianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo
ianareo.
39 Ary ny sisa eo
aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonareo noho ny helony sy ny
heloky ny razany koa.
40 Fa raha hiaiky ny
helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko
tamin'ny nanoherany Ahy,
41 ary Izaho kosa
namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry
amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,
42 dia hotsarovako ny
fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamin'Isaka ary ny fanekeko tamin'i
Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43 Ary ny tany
hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona
izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy,
ary halan'ny fanahiny ny didiko.
44 Ary na dia izany
rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko
ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko
taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
45 Fa ny hitahiako
azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy
tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho:
Izaho no Jehovah.
46 lreo no didy sy
fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely,
teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.
*
1 [Lalàna ny amin'ny
voady sy ny fahafolon-karena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2 Mltenena amin'ny
Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an'i Jehovah izy araka
izay hataonao tombany.
3 Ary ny hataonao
tomban'ny lehilahy hatramin'ny roa-polo taona ka hatramin'ny enim-polo taona
dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masina;
4 fa raha vehivavy,
dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
5 Ary raha
hatramin'ny dimy taona ka hatramin'ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo
no hataonao tomban'ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
6 Ary raha
hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no
hataonao tomban'ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao
tomban'ny zazavavy.
7 Ary raha
hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely
dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo
kosa.
8 Ary raha malahelo
kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny
mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny
ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy.
9 Ary raha biby
fiompy izay fanao fanatitra ho an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay
rehetra omena amin'izany.
10 Tsy hanova na
hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny
tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.
11 Fa raha biby
maloto izay tsy fanao fanatitra ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo
anatrehan'ny mpisorona izy;
12 ary ny mpisorona
hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no
izy.
13 Fa raha
ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao
tombany.
14 Ary raha misy
olona manamasina ny tranony ho an'i Jehovah, dia hotombanan'ny mpisorona ny
trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon'ny mpisorona tombany no izy.
15 Ary raha tian'ny
tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy
fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
16 Ary raha misy
olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao
izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera
hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
17 Raha misy
manamasina ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany
no izy.
18 Fa raha misy
manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny
vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany
no hanaovanao ny tombany.
19 Ary raha tian'ilay
nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola
nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.
20 Ary raha tsy
hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo
avotana intsony izany.
21 Fa raha afaka
amin'ny Jobily ny tany, dia ho masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana
izany; ny mpisorona no ho tompony.
22 Ary raha misy
manamasina ho an'i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin'ny zara-taniny,
23 dia holazain'ny
mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily;
ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina
ho an'i Jehovah.
24 Amin'ny taona
Jobily no hodian'ny tany amin'izay nividianana azy, dia ho an'izay tompon-dova.
25 Ary ny tombany
rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masina: ho gera roa-polo ny sekely
iray.
26 Fa ny voalohan-teraky
ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona
hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.
27 Fa raha biby
maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga
avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
28 Kanefa ny zavatra
rehetra izay atokan'ny olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na
biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia
masina ho an'i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
29 Ny olona rehetra
izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
30 Ary ny
ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na
avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany.
31 Ary raha misy
tian'ny tompony havotana ny ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy
fahenina izy.
32 Ary ny amin'ny
ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra
mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah.
33 Tsy hizaha ny
tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy
ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
34 Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.