1 Tantara
1 [Filaharan'ny firazanana hatramin'i Adama ka hatramin'i
Abrahama] Adama, Seta, Enosy,
2 Kenana, Mahalalila,
Jareda,
3 Enoka, Metosela,
Lameka,
4 Noa, Sema, Hama ary
Jafeta.
5 Ny zanakalahin'i
Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.
6 Ary ny zanakalahin'i
Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
7 Ary ny zanakalahin'i
Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.
8 Ny zanakalahin'i Hama
dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
9 Ary ny zanakalahin'i
Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i
Ragama dia Seba sy Dedana.
10 Ary Kosy niteraka
an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin'ny tany.
11 Ary Mizraima niteraka
ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
12 sy ny Patrosita sy ny
Kaslohita (izay nihavian'ny Filistina) ary ny Kaftorita.
13 Ary Kanana niteraka
an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta
14 ary ny Jebosita sy
ny Amorita sy ny Girgasita
15 sy ny Hivita sy ny
Arkita sy ny Sinita
16 sy ny Arvadita sy
ny Zemarita ary ny Harnatita.
17 Ny zanakalahin'i
Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera
ary Maseka.
18 Ary Arpaksada
niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
19 Ary Ebera niteraka
roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega*, satria tamin'ny androny no
nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]
20 Ary Joktana
niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
21 sy Hadorama sy
Ozala sy Dikla
22 sy Ebala sy
Abimaela sy Sheba
23 sy Ofira sy Havila
ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
24 Sema, Arpaksada,
Sela,
25 Ebera, Palega, Reo,
26 Seroga, Nahora, Tera,
27 Abrama (dia Abrahama
izany).
28 [Ny taranak'i Abrahama
sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.
29 Izao no taranany:
Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama
30 sy Misma sy Doma
sy Masa sy Hadada sy Tema
31 sy Jetora sy
Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin'Isimaela.
32 Ary ny
zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama
sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i
Joksana dia Sheba sy Dedana.
33 Ary ny
zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo
rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora.
34 Ary Abrahama
niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely.
35 Ny zanakalahin'i
Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.
36 Ny zanak'i Elifaza
dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.
37 Ny zanakalahin'i
Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.
38 Ary ny
zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera
ary Disana.
39 Ary ny zanakalahin'i
Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.
40 Ary ny
zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana.
41 Ary ny zanakalahin'i
Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana
ary Kerana.
42 Ary ny zanakalahin i
Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy
Arana.
43 Ary izao no mpanjaka
izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny
Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
44 Ary maty Bela, dia
nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.
45
Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny
Temanita.
46 Ary maty Hosama, dia
nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany
amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
47 Ary maty Hadada,
dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.
48 Ary maty Samla,
dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.
49 Ary maty Saoly,
dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
50 Ary maty
Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanànany;
ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i
Me-zahaba.
51 Dia maty koa
Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva
loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,
52 Oholibama
loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,
53 Kenaza loham-pireneny,
Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,
54 Magdiela
loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.
1 [Ny amin'ny
zanakalahin'Isiraely, sy ny taranak'i Joda, ary ny fonenany] Izao no
zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
2 sy Dana sy Josefa
sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
*
3 Ny zanakalahin'i Joda
dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy.
Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy
Jehovah.
4 Ary Tamara
vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda
rehetra.
5 Ny zanakalahin'i
Fareza dia Hezrona sy Hamola.
6 Ary ny zanakalahin'i
Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7 Ary ny zanakalahin'i
Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy
ny amin'ny zavatra voaozona*.[Heb; natao herema]
8 Ary ny zanakalahin'i
Etana dia Azaria.
9 Ary ny zanakalahin'i Hezrona
izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
10 ary Rama niteraka
an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;
11 ary Nasona niteraka
an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;
12 ary Boaza niteraka
an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;
13 ary Jese niteraka
an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
14 sy Netanela,
fahefatra, sy Raday, fahadimy,
15 sy Ozema, fahenina,
ary Davida, faralahy;
16 Zeroba sy Abigaila no
anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
17 ary Abigaila niteraka
an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.
18 Ary Kaleba,
zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao
no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
19 Ary nony maty Azoba,
dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;
20 ary Hora niteraka
an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.
21 Ary nony afaka
izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay
novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy
ravehivavy;
22 ary Segoba
niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany
amin'ny tany Gileada.
23 Ary nalain'i
Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata
sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny
zanak'i Makira, rain'i Gileada.
24 Ary nony maty
Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora,
razamben'ny any Tekoa, taminy.
25 Ary ny
zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy
Orena sy Ozema ary Ahia.
26 Jeramela nanana vady
hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama.
27 Ary ny zanakalahin'i
Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
28 Ary ny zanakalahin'i
Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i
Samay dia Nadaba sy Abisora.
29 Ary ny anaran'ny
vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.
30 Ary ny zanakalahin'i
Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
31 Ary ny zanakalahin'i
Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i
Sesana dia Ahelay.
32 Ary ny zanakalahin'i
Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
33 Ary ny zanakalahin'i
Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela.
34 Ary Sesana tsy nanana
zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no
anarany.
35 Ary ny zananivavy
nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.
36 Ary Atahy niteraka
an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada;
37 ary Zabada niteraka
an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda;
38 ary Obeda niteraka
an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;
39 ary Azaria niteraka
an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;
40 ary Elasa niteraka
an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma;
41 ary Saloma
niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama.
42 Ary ny
zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny
any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona.
43 Ary ny
zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
44 Ary Sema niteraka
an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;
45 ary ny zanakalahin'i
Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora;
46 ary Efaha,
vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana
niteraka an'i Gazeza.
47 Ary ny
zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
48 Maka,
vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana.
49 Izy koa niteraka an'i
Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady
razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.
50 Izao no zanakalahin'i
Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any
Kiriata-Jearima,
51 Salma, razamben'ny
any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera.
52 Ary Sobala,
razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
53 ary ny fokon'i
Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny
Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.
54 Ny zanakalahin'i
Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita
sy ny Zoraita
55 ary ny fokon'ny
mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny
Sokatita. Ireo no Kenita avy
tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.
*
1 [Ny taranak'i Davida]
Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i
Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no
lahiaivo;
2 Absaloma, zanak'i
Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i
Hagita, no fahefatra;
3 Sefatia, zanak'i
Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.
4 Ireo enina ireo no
naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany
Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
5 Ary izao no naterany
tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no
naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)
6 sy Jibara sy Elisama
sy Elifeleta
7 sy Noga sy Nafega
sy Jafia
8 sy Elisama sy Eliada
ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
9 Ireo rehetra ireo no
zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara,
anabavin'ireo.
10 Ary ny zanakalahin'i
Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i
Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa,
11 Jehorama no
zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no
zanakalahin'i Ahazia,
12 Amazia no
zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i
Azaria,
13 Ahaza no
zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i
Hezetia,
14 Amona no
zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona.
15 Ary izao no
zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia,
fahatelo, Saloma, faralahy.
16 Ary ny zanakalahin'i
Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia.
17 Ary ny
zanakalahin'Jekonia dia Asira*, Sealtiela no zanak'i Asira,[Na: Jekonia
mpifatotra]
18 ary Malkirama koa
sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
19 Ary ny zanakalahin'i
Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy
Hanania ary Selomita, anabaviny,
20 ary Hasoba sy
Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
21 Ary ny
zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny
zanakalahin'i Arnana sy ny zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania.
22 Ary ny zanakalahin'i
Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria
sy Nearia ary Safata; enina izy.
23 Ary ny zanakalahin'i
Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
24 Ary ny zanakalahin'i
Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary
Anany; fito izy.
*
1 [Ny amin'ny taranak'i
Joda sisa] Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary
Sobala.
2 Ary Reaia,
zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy
Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.
3 Ary izao no avy
amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no
anaran'ny anabaviny,
4 ary Penoela, rain'i
Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata,
razamben'ny any Betlehema.
5 Ary Asora,
razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
6 Ary Nara niteraka
an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.
7 Ary ny
zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
8 Ary Hakoza niteraka
an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.
9 Ary Jabeza dia
nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy
izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10 Ary Jabeza niantso
an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka
hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny
ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny
nangatahiny.
11 Ary Keloba,
rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;
12 ary Estona
niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina
tao Reka.
13 Ary ny
zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia
Hatata.
14 Ary Meonotahy
niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao
an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
15 Ary ny
zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny
zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.
16 Ary ny
zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
17 Ary ny
zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka
an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.
18 Ary Jehodia vadiny
niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko,
ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia,
zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.
19 Ary ny
zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i
Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
20 Ary ny zanakalahin'i
Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy
dia Zoheta sy Ben-zoheta.
21 Ary ny zanakalahin'i
Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny
fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;
22 ary Jokima sy ny
mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary
Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
23 Ireo no mpanefy vilany
sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny
asany.
*
24 [Ny taranak'i Simeona
sy ny fonenany] Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy
Zera ary Saoly,
25 dia Saloma no
zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i
Mibsama.
26 Ary ny zanakalahin'i
Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i
Zakora.
27 Ary Simey
nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka
maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.
28 Ary izy nonina tao
Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
29 sy Bila sy Ezema sy
Tolada
30 sy Betoela sy Horma
sy Ziklaga
31 sy Beti-markabota sy
Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany
mandra-panjakan'i Davida.
32 Ary ny zana-bohiny
dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 ary ny zana-bohiny
rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany
sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
34 Ary Mesobaba sy
Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,
35 ary Joela sy Jeho,
zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,
36 ary Elioenay sy
Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
37 sy Ziza, zanak'i
Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;
38 ireo voalaza anarana
ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny
fianakaviany.
39 Ary nankany amin'ny
fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha,
hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.
40 Ary nahita ahitra
maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny
taranak'i Hama no nonina tany taloha.
41 Ary ireo voasoratra
anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka
namely ny lay sy ny fonenana* hitany tao sy nandringana** azy rehetra mandraka
ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny
tany.[*Na: sy ny Meonita][**Heb. nanao azy ho herema]
42 Ary nisy lehilahy
dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka
nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho
mpifehy azy.
43 Ary namely ny sisa
afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
*
1 [Ny taranak'i Robena
sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena,
lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny
farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa,
zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana
ireo;
2 fa Joda nisandratra
noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa
dia an'i Josefa ihany),
3 ny zanakalahin'i
Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4 Ny zanakalahin'i Joela
dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
5 Mika no zanakalahin'i
simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
6 Bera no zanakalahin'i
Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no
loham-pirenen'ny Robenita.
7 Ary ny rahalahiny
araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany
sy Zakaria
8 ary Bela, zanak'i
Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy
Balameona.
9 Ary nonina tany
atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny
ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
10 Ary tamin'ny andron'i
Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day
eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada* izy.[Na: tany antsinanan'i
Gileada]
*
11 Ary ny taranak'i Gada
nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
12 Joela no lohany, dia
Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
13 Ary ny rahalahiny
araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy
Zia ary Ebera; fito izy.
14 Ireo no zanakalahin'i
Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela,
zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;
15 Ahia, zanak'i
Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.
16 Ary nonina tany
Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra
an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
17 Ireo rehetra ireo dia
nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy
tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.
18 Ny taranak'i Robena
sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery,
ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny
miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no
isan'ny azo nalefa hanafika.
19 Ary niady tamin'ny
Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
20 Ary nombana hamely
ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba
azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny
fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21 Ary nobaboiny ny
bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy
boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22 fa maro ny faty
niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby
ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.
*
23 Ary ny taranaky ny
antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy
hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra
Hermona.
24 Ary izao no lohan'ny
fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary
Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
25 Ary nivadika
tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry
ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26 Ary Andriamanitry ny
Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera
mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny
antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany
amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.
27 [Ny taranak'i Levy]
Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
28 Ary ny zanakalahin'i
Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
29 Ary ny zanak'i Amrama
dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy
Eleazara ary Itamara.
30 Eleazara niteraka
an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;
31 ary Abisoa
niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;
32 ary Ozy niteraka
an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;
33 ary Meraiota niteraka
an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
34 ary Ahitoba niteraka
an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;
35 ary Ahimaza niteraka
an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;
36 ary Johanana niteraka
an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany
Jerosalema);
37 ary Azaria niteraka
an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
38 ary Ahitoba niteraka
an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;
39 ary Saloma niteraka
an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;
40 ary Azaria niteraka
an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;
41 ary dia lasan-ko babo
Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy
Jerosalema.
*
1 Ny zanakalahin'i Levy
dia Gersona sy Kehata ary Merary.
2 Ary izao no anaran'ny
zanakalahin'i Gersona: Libny sy Semey.
3 Ary ny zanakalahin'i
Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
4 Ny zanakalahin'i
Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon'ny Levita araka ny rainy:
5 Avy amin'i Gersona:
Libny no zanak'i Gersona, Jahata no zanak'i Libny, Zima no zanak'i Jahata,
6 Joa no zanak'i Zima,
Ido no zanak'i Joa, Zera no zanak'Ido, Jeateray zanak'i Zera.
7 Ny zanakalahin'i
Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin'i Aminadaba, Asira no zakalahin'i
Kora,
8 Elkana no
zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i Elkana, Asira no zanakalahin'i
Ebiasafa,
9 Tahata no
zanakalahin'i Asira, Oriela no zanakalahin'i Tahata, Ozia no zanakalahin'i
Oriela, ary Saoly no zanakalahin'i Ozia.
10 Ary ny zakalahin'i
Elkana dia Amasay sy Ahimota.
11 Ny amin'i Elkana, ny
zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin'i Zofay,
12 Eliaba no
zanakalahin'i Nahata, Jerohama no zanakalahin'i Eliaba, Elkana no zanakalahin'i
Jerohama.
13 Ary ny zanakalahin'i
Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia*.[Na: (Jozla sy Abia faralahy); izahao and
18 sy 1 Sam. viii.2]
14 Ny zanakalahin'i
Merary dia Maly, Libny no zanakalahin'i Maly, Semey no zanakalahin'i Libny, Oza
no zanakalahin'i Semey,
15 Simea no
zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.
16 Ary izao no
notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa
voapetraka tao ny fiara,
17 ka nanao hira
fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana,
ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny
raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,
18 dia izao no nanompo
mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira,
zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,
19 zanakalahin'i Elkana,
zanakalahin'i Jerohama, zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.
20 zanakalahin'i Zofa,
zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Mahata, zanakalahin'i Amasay,
21 zanakalahin'i Elkana,
zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Azaria, zanakalahin'i Zefania,
22 zanakalahin'i Tahata,
zanakalahin'i Asira, zanakalahin'i Ebiasafa, zanakalahin'i Kora,
23 zanakalahin'i Jizara,
zanakalahin'i Kehata, zanakalahin'i Levy, zanak'Isiraely.
24 Ary Asafa rahalahiny,
izay nitsangana teo amin'ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin'i Berekia,
zanakalahin'i Simea,
25 zanakalahin'i
Mikaela, zanakalahin'i Beseia, zanakalahin'i Malkia,
26 zanakalahin'i Etny,
zanakalahin'i Zera, zanakalahin'i Adaia,
27 zanakalahin'i Etana,
zanakalahin'i Zima, zanakalahin'i Simey,
28 zanakalahin'i Jahata,
zanakalahin'i Gersona, zanakalahin'i Levy.
29 Ary ny rahalahin'ireo
kosa, dia ny zanakalahin'i Merary, nitsangana teo amin'ny ankaviany: Etana,
zanakalahin'i Kisy, zanakalahin'i Abdia, zanakalahin'i Maloka,
30 zanakalahin'i
Hasabia, zanakalahin'i Amazia, zanakalahin'i Hilkia,
31 zanakalahin'i Amzy,
zanakalahin'i Bany, zanakalahin'i Samera,
32 zanakalahin'i Maly,
zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy.
33 Ary ny Levita
rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny
tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.
34 Fa Arona sy ny
zananilahy no nanatitra* teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana
sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha
rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny
Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.[Heb.
nandoro ho fofona]
35 Ary ny zanakalahin'i
Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no
zanakalahin'i Finehasa,
36 Boky no zanakalahin'i
Abisoa, Ozy no zanakalahin'i Boky, Zerahia no zanakalahin'i Ozy,
37 Meraiota no
zanakalahin'i Zerahia, Amaria no zanakalahin'i Meraiota, Ahitoba no
zanakalahin'i Amaria,
38 Zadoka no zanakalahin'i
Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin'i Zadoka.
39 Ary izao no fonenany
araka ny vohiny tao amin'ny zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy
amin'ny fokon'ny Kehatita; fa azy ny loka:
40 Nomeny azy Hebrona
tao amin'ny tanin'ny Joda sy ny tany manodidina azy.
41 Fa ny saha momba ny
tanàna sy ny vohiny kosa nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone.
42 Ary ny taranak'i
Arona nomeny an'i Hebrona, tanàna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina
azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy
43 ary Hilena sy ny
tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy
44 ary Asana sy ny
tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;
45 ary avy tamin'ny
firenen'i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany
manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no
isan'ny tanànan'izy mianakavy rehetra.
46 Ary ny an'ny
taranak'i Kehata sisa tamin'ny fokon'izany firenena izany dia tanàna folo araka
ny filokana tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase.
47 Ary ny an'ny
taranak'i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny
firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i
Manase any Basana.
48 Ary ny loka
azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy
tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.
49 Dia nomen'ny
Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
50 Ary nomeny
tamin'ny filokana ireto tanàna tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i
Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.
51 Fa ny sasany
amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i
Efraima.
52 Ary nomeny azy
Sekema, tanàna fiarovana, tao amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany
manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy
53 ary Jokmeama sy ny
tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy
54 ary Aialona sy ny
tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;
55 ary ny avy
tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary
Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.
56 Ary ny an'ny
taranak'i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta,
sy ny tany manodidina azy avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase;
57 ary ny avy
tamin'ny firenen'Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy
ny tany manodidina azy
58 ary Ramota sy ny
tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;
59 ary ny avy
tamin'ny firenen'i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny
tany manodidina azy
60 ary Hokoka sy ny
tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;
61 ary ny avy
tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary
Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.
62 Ary ny an'ny sisa,
taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany
manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;
63 ary any an-dafin'i
Jordana, tandrifin'i Jeriko, atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny
firenen'i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza
sy ny tany manodidina azy
64 ary Kedemota sy ny
tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;
65 ary avy tamin'ny
firenen'i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny
tany manodidina azy
66 ary Hesbona sy ny
tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.
*
1 [Ny taranak'Isakara
sy Benjamina sy Naftaly sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary
Asera] Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra
izy.
2 Ary ny
zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary
Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy
mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany
tamin'ny andron'i Davida.
3 Ary ny
zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy
Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
4 Ary nanana
miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina
arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.
5 Ary ny rahalahiny
ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy
rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
*
6 Ny zanakalahin'i
Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
7 Ary ny zanakalahin'i
Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy
lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny
firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
8 Ary ny zanakalahin'i
Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia
sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.
9 Ary ny isany araka ny
firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy
mahery, dia roanjato sy roa alina.
10 Ny zanakalahin'i
Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy
Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
11 Ireo zanakalahin'i
Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito
arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12 Sopima koa sy Hopima,
zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.
*
13 Ny zanakalahin'i
Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
*
14 Ny zanakalahin'i Manase
dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana* vaditsindranony kosa no niteraka
an'i Matira, rain'i Gileada.[Heb. Aramiana]
15 Ary Makira naka vady
ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny
manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
16 Ary Imaka, vadin'i
Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no
anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
17 Ary ny zanakalahin'i
Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira,
zanakalahin'i Manase.
18 Ary Hamoleketa
anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
19 Ary ny zanakalahin'i
Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
*
20 Ary ny zanakalahin'i
Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i
Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
21 Zabada no
zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay
novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny
aman'ondriny izy.
22 Ary Efraima, rainy
nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
23 Ary nony niray
tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny
anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
24 (Ary ny zananivavy
dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25 Ary Refa sy Rasefa no
zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i
Tela,
26 Ladana no zanakalahin'i
Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
27 Nona no zanakalahin'i
Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
28 Ary ny taniny sy ny
fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any
andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany
Gaza sy ny zana-bohiny;
29 ary teo amin'ny
sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny
zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no
nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.
*
30 Ny zanakalahin'i
Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.
31 Ary ny zanakalahin'i
Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita.
32 Ary Hebera niteraka
an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo.
33 Ary ny zanakalahin'i
Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.
34 Ary ny zanakalahin'i
Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
35 Ary ny zanakalahin'i
Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
36 Ny zanakalahin'i Zofa
dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
37 sy Bazera sy Hoda
sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
38 Ary ny
zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
39 Ary ny zanakalahin'i
Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
40 Ireo zanakalahin'i
Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary
lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia
enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
*
1 [Ny amin'ny taranak'i
Benjamina sy ny firazanan'i Saoly] Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa,
sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,
2 sy Noha, fahefatra,
ary Rafa, faralahy.
3 Ary ny zanakalahin'i
Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda
4 sy Abisoa sy Namana
sy Ahoa
5 sy Gera sy Sefofana
ary Horama.
6 Ary izao no
zanakalahin'i Ehoda (izao no lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary
nitondra azy ho babo tany Manahata,
7 Namana sy Ahia ary
Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy.
8 Ary Saharaima niteraka
tao amin'ny tany Moaba taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny.
9 Ary Hodesy vadiny
no niterahany an'i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama
10 sy Jeoza sy Sakia
ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy.
11 Ary Hosima no
niterahany an'i Abitoba sy Elpala.
12 Ary ny
zanakalahin'i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an'i Ono sy
Loda sy ny zana-bohiny;
13 Beria koa sy Sema,
izay lohan'ny fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao
Gata;
14 ary Ahio sy Sasaka
sy Jeremota
15 sy Zebadia sy
Arada sy Adera
16 sy Mikaela sy
Jispa sy Joha (zanakalahin'i Beria ireo),
17 ary Zebadia sy
Mesolama sy Hizky sy Hebera
18 sy Jismeray sy
Jizlia sy Jobaba (zanakalahin'i Elpala ireo),
19 ary Jakima sy
Zikry sy Zabdy
20 sy Elienay sy
Ziletahy sy Eliala
21 sy Adaia sy Beraia
sy Simrata (zanakalahin'i Simey ireo),
22 ary Jispana sy
Hebera sy Eliala
23 sy Abdona sy Zikry
sy Hanana
24 sy Hanania sy
Elama sy Antotia
25 sy Jifdia sy
Penoela (zanakalahin'i Sasaka ireo),
26 ary Samseray sy
Seharia sy Atalia
27 sy Jaresia sy Elia
sy Zitry (zanakalahin'i Jerohama ireo).
28 Ireo no lohan'ny
fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany
Jerosalema.
29 Ary tao Gibeona no
nonenan'ny razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka,
30 ary Abdona no
lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,
31 dia Gedora, dia Ahio,
dia Zakera.
32 Ary Miklota niteraka
an'i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema
nifanandrify fonenana taminy.
33 Ary Nera niteraka
an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy
Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
34 Ary ny zanakalahin'i
Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika.
35 Ary ny zanakalahin'i
Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
36 Ary Ahaza niteraka
an'i Joada; ary Joada niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry
niteraka an'i Moza;
37 ary Moza niteraka
an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no
zanakalahin'i Elasa
38 Ary Azela nanana
zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy
Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.
39 Ary ny zanakalahin'i
Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta,
faralahy.
40 Ary ny zanakalahin'i
Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy
zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i
Benjamina.
*
1 [Ny amin'ny mponina
tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy
ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny
mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho
ny fahotany.
2 Ary ny mponina taloha
tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita
ary ny Netinima.
3 Ary tany Jerosalema no
nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4 dia Otahy, zanak'i
Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza,
zanak'i Joda.
5 Ary tamin'ny Silonita
dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6 Ary tamin'ny taranak'i
Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7 Ary tamin'ny taranak'i
Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
8 sy Jibnia, zanak'i
Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia,
zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;
9 ary ny isan'ny
rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo
lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.
10 Ary tamin'ny
mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
11 sy Azaria, zanak'i
Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba,
mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,
12 ary Adaia, zanak'i
Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i
Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.
13 Ary ny
rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby
fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao
an-tranon'Andriamanitra ireo.
14 Ary tamin'ny Levita
dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny
taranak'i Merary,
15 ary Bakbakara sy
Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,
16 ary Obadia, zanak'i
Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i
Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.
17 Ary ny mpiandry
varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa
Saloma no lohany;
18 ambaraka ankehitriny
dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry
varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.
19 Ary Saloma, zanak'i
Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny
fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny
lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
20 Ary Finehasa, zanak'i
Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
21 Ary Zakaria, zanak'i
Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
22 Ary ny isan'ireo
voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo
dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i
Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
23 Ka dia ireo sy ny
taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.
24 Teo amin'ny lafiny
efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy
avaratra ary atsimo.
25 Ary ny rahalahiny
izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26 Fa nanao tamin'ny
fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary
tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy
ireo.
27 Ary manodidina ny
tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny
famohana ny trano isa-maraina.
28 Ary ny sasany aminy
nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra
sy mivoaka.
29 Ary ny sasany aminy
koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba
tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny
zava-manitra.
30 Ary ny sasany
tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
31 Ary Matatia,
anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra
izay natao tamin'ny fanendasana.
32 Ary ny sasany
tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho
hamboatra azy isan-tSabata.
33 Ary ireo ihany koa no
mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy
manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany
raharaha izany andro aman'alina izy.
34 Ireo dia lohan'ny
fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo
no nonina tany Jerosalema.
35 [Ny amin'ny
fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i
Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;
36 ary ny zanany
lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37 dia Gedora, dia Ahio,
dia Zakaria, dia Miklota.
38 Ary Miklota niteraka
an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema
nifanandrify fonenana taminy.
39 Ary Nera niteraka
an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy
Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40 Ary ny zanakalahin'i
Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.
41 Ary ny zanakalahin'i
Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza*.[Izahao viii. 35]
42 Ary Ahaza niteraka
an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry
niteraka an'i Moza;
43 ary Moza niteraka
an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia,
Azela no zanakalahin'i Elasa.
44 Ary Azela nanana
zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela
sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.
*
1 [Ny nahafatesan'i
Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary
nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka
niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 Ary ny Filistina
nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy
Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.
3 Ary mafy ny ady
tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra
izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 Ka hoy Saoly tamin'ny
mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao
avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny
mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra
ka nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ny
mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy
ka maty.
6 Ka dia niara-maty
Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7 Ary nony hitan'ny
lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona,
ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary
dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8 Ary nony ampitso, raha
tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy
ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 Dia nesoriny ny
akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny
tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany
tamin'ny sampiny sy ny olona.
10 Dia napetrany tao
an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny
tempolin'i Dagona ny lohany.
11 Ary nony ren'ny
mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i
Saoly,
12 dia niainga ny
lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra
azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta
tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
13 Eny, maty Saoly noho
ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah
sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra
14 ary noho ny tsy
nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i
Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.
*
1 [Ny nanosorana an'i
Davida ho mpanjaka handimby an'i Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary
dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe:
Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
2 Hatry ny fahiny ihany
koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely
nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho
mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 Eny, tonga tao amin'ny
mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena
taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho
mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i
Samoela.
4 Ary Davida sy ny Isiraely
rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5 Ary hoy ny mponina tao
Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny
batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
6 Ary hoy Davida: Na iza
na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary
Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7 Dia nitoetra tao
anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i
Davida
8 Ary nandrafitra ny
manodidina ny tanàna hatrany Milo* izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny
tanàna.[Heb. fiarovana]
9 Koa dia nandroso
nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
10 [Ny amin'ny lehilahy
maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy
maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny
Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
11 Dia izao no isan'ny
lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika
malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy
tamin'ny ady indray mandeha monja.
12 Ary ny manarakaraka
azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
13 Izy dia teo amin'i
Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy
vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14 Fa nijanona teo
afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia
nanao famonjena lehibe Jehovah.
15 Ary nisy telo lahy
malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida
tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny
Lohasahan'ny Refaita.
16 Ary Davida dia tao amin'ny
batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao
Betlehema.
17 Ary Davida naniry ka
nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao
Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.
18 Ary izy telo lahy
ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny
fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any
amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
19 Fa hoy izy: Sanatria
amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona
nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny
nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo
telo lahy mahery ireo.
20 Ary Abisay, rahalahin'i
Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny
lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
21 Eny, tamin'izy telo
lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny;
nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
22 Ary Benaia, zanak'i
Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no
nahafaty ny roa lahy mahery* tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona
tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb.
lionan'Andriamanitra]
23 Ary izy koa no namono
ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay
Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i
Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay
Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24 Izany zavatra izany
no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no
nalaza.
25 Indro fa be voninahitra
tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida
nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
26 Ary ny lehilahy
mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any
Betlehema,
27 sy Samota Harorita sy
Haleza Pelonita
28 sy Ira, zanak'Ikesy
Tekoita, sy Abiezera Anatotita
29 sy Sibekay
Hosatita sy Ely Ahohita
30 sy Maharay
Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,
31 sy Itahy, zanak'i
Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32 sy Horay, any
amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita
33 sy Azmaveta
Baharomita sy Eliaba Salbonita
34 sy ny zanak'i Hasema
Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,
35 sy Ahiama, zanak'i
Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,
36 sy Hefera Mekeratita
sy Ahia Pelonita
37 sy Hezro Karmelita sy
Naray, zanak'i Ezbay,
38 sy Joela, rahalahin'i
Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.
39 sy Zaleta Amonita sy
Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
40 sy Ira Jitrita sy
Gareba Jitrita
41 sy Oria Hetita sy
Zabada, zanak'i Ahelay,
42 sy Adina, zanak'i
Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
43 sy Hanana, zanak'i
Maka, sy Josafata Mitnita
44 sy Ozia Astartita ary
Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,
45 sy Jediaela, zanak'i
Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46 sy Eliala Mahavita sy
Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabita
47 sy Eliala sy Obeda
ary Jasiela Mezobaita.
1 [Ny lehilahy mahery
izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany
amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary
isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo
2 sady mpitondra tsipìka
ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny
Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.
3 Ny lohany dia Ahiezera
sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary
Beraka sy Jeho Anatotita
4 ary Jismaia Gibeonita,
lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary
Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5 sy Elozay sy Jerimota
ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6 sy Elkana sy Jisia sy
Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
7 ary Joela sy Zebadia,
zanak'i Jerohama avy any Gedora.
8 Ary tamin'ny Gadita
nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany
an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona;
ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela*
eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]
9 Ezera no voalohany,
Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
10 Mismana no fahefatra,
Jeremia no fahadimy,
11 Atahy no fahenina,
Eliala no fahafito,
12 Johanana no fahavalo,
Elizabada no fahasivy,
13 Jeremia no fahafolo,
Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
14 Ireo no isan'ny
taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona
zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
15 Ireo no nita an'i
Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary
nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana
ireo.
16 Ary nisy tamin'ny
taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.
17 Ary Davida nivoaka
hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko
hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho
azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry
ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
18 Ary Amasay,
lehiben'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry
Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie
ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy
anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny
telo-polo lahy]
19 Ary nisy sasany
tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady
amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina,
dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka
hiverenany amin'i Saoly tompony.
20 Raha nankany Ziklaga
izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy
Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
21 Ary ireo dia nanampy
an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady
komandy amin'ny miaramila.
22 Fa tamin'izany nisy
nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho
toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.
23 [Ny amin'ny miaramila
avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka
azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i
Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i
Jehovah:
24 Tamin'ny taranak'i
Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa
voaomana hiady.
25 Tamin'ny taranak'i
Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.
26 Tamin'ny taranak'i
Levy, enin-jato amby efatra arivo.
27 Ary Joiada dia
lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
28 ary Zadoka, zatovo
mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
29 Ary tamin'ny
taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny
ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.
30 Ary tamin'ny
taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady
samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.
31 Ary tamin'ny
antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina
anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.
32 Ary tamin'ny
taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay
fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny
rehetra nanaraka ny teniny.
33 Tamin'ny Zebolona,
izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia
dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.
34 Ary tamin'ny Naftaly
dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina
amin'ampinga lehibe sy lefona.
35 Ary tamin'ny Danita
dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
36 Ary tamin'ny Asera,
efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
37 Ary avy tany
an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny
firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa
rehetra.
38 Ireo miaramila
rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona
hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny
Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.
39 Ary tao amin'i Davida
hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny
rahalahiny.
40 Ary izay teo akaikiny
koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra
hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy
ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy
betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
*
1 [Ny namindrana ny
fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma]
Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy
rehetra,
2 Ka hoy Davida tamin'ny
Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i
Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny
rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny
mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina
azy, mba hivory atỳ amintsika;
3 Ary aoka ho entintsika
atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny
andron'i Saoly izany.
4 Ary ny olona rehetra
izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona
rehetra izany.
5 Dia novorin'i Davida
ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka
ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6 Dia niakatra Davida sy
ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny
fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay
niantsoany ny anarany.
7 Ary nentiny tamin'ny
sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza
sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8 Ary Davida sy ny
Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny
hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny
trompetra.
9 Ary nony tonga teo
amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza,
satria nazeran'ny omby izany.
10 Dia nirehitra tamin'i
Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany
tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.
11 Ary dia tezitra*
Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** no
anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza =
Famelezana an'i Oza]
12 Ary Davida natahotra
an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra
ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?
13 Dia tsy nafindran'i
Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao
an-tranon'i Obededoma Gatita.
14 Ary nipetraka telo
volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra;
ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
1 [Ny lapa nataon'i
Davida, sy ny anaran'ny zanany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona
tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato
sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 Dia fantatr'i Davida
fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny
fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
3 Ary Davida
nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4 Ary izao no anaran'ny
zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 sy Jibara sy Elisoa sy
Elipeleta
6 sy Noga sy Nafega
sy Jafia
7 sy Elisama sy
Seliada ary Elifeleta.
8 [Ny nandresen'i
Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho
mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina
rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9 Ary dia tonga ny
Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
10 Ary Davida nanontany
tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo
an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao
izy.
11 Dia niakatra nankao
Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no
namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no
nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima*.[Bala-perazima = Tany
nahavakiana]
12 Dia nilaozan'ireny
teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
13 Ary tonga indray
ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14 Dia nanontany
tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy;
fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny
tandrifin'ny hazo balsama.
15 Ary raha toa
mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia
miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra
hamely ny miaramilan'ny Filistina.
16 Ary dia nanao
araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny
Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
17 Ary ny lazan'i
Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena
rehetra ny tahotra an'i Davida.
1 [Ny amin'ny
nitondrana ny fiara niakatra tany Jerosalema] Ary Davida nanao trano ho azy tao
an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny
fiaran'Andriamanitra.
2 Ary tamin'izay dia
hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita
ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy
hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3 Dia novorin'i
Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho
any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy.
4 Ary novorin'i Davida
ny taranak'i Arona sy ny Levita:
5 tamin'ny taranak'i
Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6 tamin'ny taranak'i
Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 tamin'ny taranak'i
Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
8 tamin'ny taranak'i
Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
9 tamin'ny taranak'i
Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
10 tamin'ny taranak'i
Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato.
11 Ary Davida niantso
an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy
Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12 ka nanao taminy hoe:
Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy
ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.
13 Satria tsy ianareo no
tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy
araka ny voadidy.
14 Dia nanamasina ny
tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely.
15 Ary ny Levita nilanja
ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny
tenin'i Jehovah.
16 Ary ireo lehiben'ny
Levita dia nasain'i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny
zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba
hanandra-peo amin'ny fifaliana.
17 Ka dia notendren'ny
Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i
Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;
18 ary naman'ireo ihany
koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy
Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy
Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19 Ary Hemana sy Asafa
ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20 Ary Zakaria sy Aziela
sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina
nitendry valiha tamin'ny Alamota.
21 Ary Matitia sy
Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny
lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika.
22 Ary Kenania,
lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana*; ary nampianatra ny fitondrana izy,
fa nahay.[Na: ny hira]
23 Ary Berekia sy
Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara.
24 Ary Sebania sy
Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy
mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary
Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.
25 Ary Davida sy ny
loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana.
26 Ary rehefa
nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia
namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
27 Ary niakanjo akanjo
rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra
izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana,
mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
28 Toy izany no
nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny
fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny
fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
29 Ary nony tonga tao
an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely
Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy
nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
1 Ary nampiditra ny
Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i
Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo
anatrehan'Andriamanitra izy.
2 Ary nony voatitr'i
Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona
tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
3 Dia nizara mofo iray
avy sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy
na vavy izy.[Na: divay eran'ny kapoaka]
4 [Ny nandaminan'i
Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah]
Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo
anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5 Asafa no lohany, ary
Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy
Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga;
fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
6 Benaia sy Jahaziela
mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny
faneken'Andriamanitra.
*
7 Tamin'izay andro izay
no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i
Jehovah.
8 Miderà an'i Jehovah,
miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
9 Mihira ho Azy,
mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
10 Ataovy ho
reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
11 Mitadiava an'i
Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
12 Mahatsiarova ny asa
mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
13 Hianareo
taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
14 Jehovah, Izy no
Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
15 Tsarovy mandrakizay
ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
16 Eny, dia ilay nataony
tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
17 Izay naoriny ho
lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
18 Ka nataony hoe:
Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19 Fony mbola olom-bitsy
ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20 Ary nifindrafindra
tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21 Tsy nisy navelany
hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
22 Aza manendry ireo
voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
*
23 Mihira ho an'i
Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
24 Ambarao any amin'ny
jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25 Fa lehibe Jehovah ka
mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra
rehetra.
26 Fa ny andriamanitry
ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27 Famirapiratana sy
voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
28 Ry firenena, manomeza
an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29 Manomeza an'i Jehovah
ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany;
Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
30 Mangovita eo
anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
31 Aoka ho faly ny
lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe:
Jehovah no Mpanjaka.
32 Aoka
hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy
izay rehetra ao aminy.
33 Dia hihoby eo
anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34 Miderà an'i
Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
35 Ary manaova hoe:
Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka
vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho
reharehanay ny fiderana Anao.
36 Isaorana anie
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho
mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
37 Ary Asafa sy ny
rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao
fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
38 ary Obed-edoma sy
ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho
mpiandry varavarana kosa.
39 Ary Zadoka
mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i
Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,
40 hanatitra
fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara
fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra
voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41 ary naman'ireo koa
Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana
hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
42 Ary tao amin'i
Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny
fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry
varavarana.
43 Ary dia samy nody
tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano
ny ankohonany.
*
1 [Ny nanirian'i
Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny
fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana
mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny
fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
2 Ary hoy Natana tamin'i
Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3 Nefa tamin'ny alin'iny
ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
4 Andeha, lazao amin'i
Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano
hitoerako;
5 fa tsy mbola nitoetra
an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany,
fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb.
tabernakely]
6 Ary tamin'izay rehetra
nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny
mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe:
Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
7 Koa lazao amin'i
Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka
anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny
Isiraely oloko.
8 Ary nomba anao
tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny
fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny
tany ianao.
9 Ary hifidy tany ho
an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny
fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy
hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
10 sy tahaka ny hatramin'ny
andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny
fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka
anao*.[Heb. hanao trano ho anao]
11 Ary rehefa tapitra ny
andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao
anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12 dia io no hanao trano
ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13 Izaho ho rainy, ary
izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny
nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
14 fa hampitoeriko ao
an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina
mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Araka izany teny
rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
16 Ary Davida mpanjaka
niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho,
Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka
ankehitriny aho?
17 Ary mbola nataonao ho
zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny
amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary
nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra
ahy.
18 Inona intsony no
holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao
no mahalala ny mpanomponao.
19 Jehovah ô, noho ny
amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io,
mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20 Jehovah ô, tsy misy
tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra
ren'ny sofinay.
21 Ary aiza moa no misy
firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana
ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny
nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany
Egypta?
22 Fa ny Isiraely olonao
nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga
Andriamaniny.
23 Ary ankehitriny,
Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia
ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
24 Eny, aoka
hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao
hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny
Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
25 Fa Hianao,
Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy*;
koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao
trano ho azy Hianao]
26 Ary noho izany,
Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany
zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,
27 dia ho sitrakao ny
hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay
tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
*
1 [Ny nandresen'i Davida
ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka
nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny
Filistina.
2 Ary nandresy ny
Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
3 Dia resin'i Davida koa
Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny
fanjakany* teo amoron'ny ony Eofrata.[Na: nanangana saina]
4 Ary Davida nahazo babo
kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra
roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra,
fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary nony tonga ny
Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia
nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6 Ary nisy namponenin'i
Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka
nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i Davida ny
ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany
Jerosalema.
8 Ary tao Tibata sy
Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary
izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano* varahina lehibe sy ny andry ary
ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina]
9 Ary nony ren'i Toy,
mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i
Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,
10 dia naniraka an'i
Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy
noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia
fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina
izay samy maro karazana izy.
11 Dia nohamasinin'i
Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena
nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i
Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
12 Ary Abisay, zanak'i
Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo
arivo sy iray alina.
13 Ary nametraka
miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa
Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
14 [Ny mpanao
raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely
rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.
15 Ary Joaba, zanak'i
Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy
ny raharaham-panjakana.
16 Ary Zadoka, zanak'i
Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
17 Ary Benaia, zanak'i
Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no
lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
*
1 [Ny nahatonga ny
niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary
rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny
zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Ary hoy Davida: Hanisy
soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary
Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany
amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa
alahelo azy.
3 Ary hoy ireo mpanapaka
ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no
anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny
tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
4 Dia nosamborin'i
Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny
foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy lasa
nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka
hitsena azy, fa afa-baraka* loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any
Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6 Ary nony hitan'ny
taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy,
dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy
mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny
taranak'i Amona.
7 Dia nanakarama kalesy
roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga
ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany
amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.
8 Ary nony ren'i Davida
izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy
mahery.
9 Ary ny taranak'i Amona
nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka
tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
10 Ary rehefa hitan'i
Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona
tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny
Syriana.
11 Ary ny olona sisa
kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny
taranak'i Amona ireo.
12 Ary hoy Joaba: Raha
tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i
Amona, dia hovonjeko ianao;
13 mahereza, ary aoka
hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary
aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
14 Ary nandroso hiady
tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo
anoloany ireo.
15 Ary nony hitan'ny
taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo
anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia
tonga tany Jerosalema Joaba.
16 Ary nony hitan'ny
Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny
Syriana izay tany an-dafin'ny Ony*; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i
Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]
17 Ary nony nambara
tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i
Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady
amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
18 Fa vaky nandositra
teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo
sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa
Sobaka, komandin'ny miaramila.
19 Ary nony hitan'ireo
nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana
tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona
intsony ny Syriana.
1 Ary rehefa niherina ny
taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny
miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy
ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary
Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.
2 Dia nesorin'i Davida
ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka* teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena
iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be
dia be.[Na: Malkama; ]
3 Ary dia navoakany
koa ny olona izay tao, ka nasiany* tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe
sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona
rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb.
notsofiny]
4 [Ny nataon'ny
lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka
izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i
Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny
ny Filistina.
5 Ary dia nisy ady
tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy,
rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny
mpanenona.
6 Ary nisy ady indray
tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra
amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba
isan'ny taranaky ny Refaita.
7 Ary nony nihaika ny
Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.
8 Ireo no taranaky ny
Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.
*
1 [Ny nanisana ny
vahoaka, sy ny aretina nanjo ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i
Davida] Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina
an'i Davida hanisa ny Isiraely.
2 Dia hoy Davida
tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely
hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho
fantatro.
3 Fa hoy Joaba:
Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa
tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no
itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny
Isiraely?
4 Nefa tsy azon'i
Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely
rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5 Ary natolotr'i
Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray
tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy
efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
6 Fa ny Levy sy ny
Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny
mpanjaka.
7 Ary tsy
sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8 Ary hoy Davida
tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa
ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao
fahadalana lehibe tokoa aho.
9 Ary hoy Jehovah
tamin'i Gada mpahitan'i Davida:
10 Mandehana, ka
lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no
apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11 Ary Gada nankany
amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:
12 Mosary telo taona
va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny
sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no
hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny
tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any
amin'Izay naniraka ahy.
13 Ary hoy Davida
tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i
Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
14 Dia nasian'i Jehovah
areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
15 Ary Andriamanitra
naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava
iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay
Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay
Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.
16 Ary Davida nanopy ny
masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny
lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony
manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely,
izay efa samy nitafy lamba fisaonana*.[Heb. lamba malailay]
17 Ary hoy Davida
tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota
sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny,
Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny
mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.
18 Ary Gada nasain'Ilay
Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i
Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19 Koa dia niakatra
Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.
20 Ary Araona niherika
ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary
Araona nively vary tao tamin'izay.
21 Ary nony tonga teo
amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala
avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i
Davida.
22 Ary hoy Davida
tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity
hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny
areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23 Fa hoy Araona tamin'i
Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany;
indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary
ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24 Fa hoy Davida
mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa
tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana
amin'izay azoko fotsiny.
25 Dia nomen'i Davida
sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.
26 Ary Davida nanorina
alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana;
dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra,
izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27 Ary Jehovah nandidy
Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.
28 Tamin'izany andro
izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona
Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29 Fa ny tabernakelin'i
Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny
fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
30 nefa Davida tsy
nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy
noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.
1 Dia hoy Davida: Eto no
ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra
dorana ho an'ny Isiraely.
2 [Ny namorian'i Davida
ny zavatra ho enti-manao ny tempoly, sy ny hafatra nataony ny amin'ny hanaovana
azy] Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny
tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny
tranon'Andriamanitra.
3 Ary Davida nahavonona
vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina
betsaka tsy hita lanja
4 sy hazo sedera tsy
hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any
amin'i Davida.
5 Fa hoy Davida:
Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i
Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra
ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao
azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
6 Ary niantso an'i
Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry
ny Isiraely,
7 ary nanao taminy hoe:
Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah
Andriamanitro;
8 saingy nisy tenin'i
Jehovah tonga tamiko* nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa
nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà
efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.[Na: ny amiko]
9 Fa, indro, ianao
hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo
azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona*;
ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona =
Miadana]
10 Izy no hanao trano ho
an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny
seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.
11 Koa ankehitriny,
anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i
Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
12 Ary homen'i Jehovah
saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba
hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.
13 Ary amin'izany dia
hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay
nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza
matahotra na mivadi-po.
14 Ary, he! fa na dia be
fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta
volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho
enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia
ampionao kosa ireo.
15 Ary koa, efa manana
mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona
mahay ny asa samy hafa rehetra.
16 Ny volamena sy ny
volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka
manaova, ary homba anao anie Jehovah.
17 Ary Davida nandidy ny
lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe:
18 Tsy momba anareo va
Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa
natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo
anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.
19 Koa ankehitriny
ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka
mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra,
hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho
ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.
*
1 [Ny nanendrena an'i
Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa
ela niainana sy tratrantitra tsara* Davida, dia Solomona zanany no nataony
mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]
2 Ary novoriny ny
lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.
3 Ary nisaina ny Levita
hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no
isan'ny lehilahy.
4 Ary hoy Davida: Ny
efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao
an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5 ary ny efatra arivo ho
mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny
zavatra namboariko hiderana Azy.
6 Ary nozarazarain'i
Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy
Merary:
7 Tamin'ny Gersonita dia
Ladana sy Simey.
8 Ny zanakalahin'i
Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
9 Ny zanakalahin'i Simey
dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny
fianakavian'i Ladana.
10 Ary ny zanakalahin'i
Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i
Simey.
11 Ary Jahata no lohany,
ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia
nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12 Ny zanakalahin'i
Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13 Ny zanakalahin'i
Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina
indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo
anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano
amin'ny anarany mandrakizay.
14 Nefa ny amin'i
Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny
zanany.
15 Ny zanakalahin'i
Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16 Tamin'ny
zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17 Ary tamin'ny
zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka
hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
18 Tamin'ny
zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19 Ny zanakalahin'i
Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary
Jekameama no faralahy.
20 Ny zanakalahin'i
Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
21 Ny zanakalahin'i
Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22 Ary maty Eleazara
ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no
nanambady ireo.
23 Ny zanakalahin'i
Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
24 Ireo no
zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny
antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny
fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
25 Fa hoy Davida:
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady
mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26 Ary ny Levita kosa
dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27 Fa araka ny
fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny
Levita.
28 Ary ny raharahany dia
ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah
amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina
rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,
29 ary amin'ny mofo
aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy
misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo
ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30 ary ny hitsangana
isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
31 ary ny hanatitra ny
fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny
voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy
araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
32 Aoka ho toy izany no
hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany
ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona
rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
1 [Ny nizarana ny
mpisorona ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao
no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy
Eleazara ary Itamara;
2 fa Nadaba sy Abiho dia
maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no
nanao fisoronana.
3 Ary Davida sy Zadoka,
isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara
azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4 Ary ny lohany
tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny
taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia
enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia
valo kosa no lohan'ny fianakaviana.
5 Ary samy nozarazaraina
tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho
an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy
tamin'ny taranak'Itamara.
6 Ary Semaia, zanak'i
Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo
anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i
Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny
Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho
an'Itamara.
7 Ny loka voalohany dia
azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
8 ny fahatelo an'i
Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
9 ny fahadimy an'i
Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
10 ny fahafito an'i
Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
11 ny fahasivy an'i
Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
12 ny fahiraika ambin'ny
folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
13 ny fahatelo ambin'ny
folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
14 ny fahadimy ambin'ny
folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
15 ny fahafito ambin'ny
folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
16 ny fahasivy ambin'ny
folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
17 ny fahiraika amby
roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
18 ny fahatelo amby
roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
19 Ireo avy no antokony
amin'ny fanompoany izay idirany* ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika
voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny
Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]
20 Ary tamin'ny
taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny
zanak'i Sobaela dia Jedala.
21 Ny amin'i Rehabia:
tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
22 Tamin'ny Jizarita dia
Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.
23 Ary ny amin'ny taranak'i
Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo,
Jekameama no fahefatra.
24 Ny zanakalahin'i
Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;
25 ny rahalahin'i Mika
dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.
26 Ny zanakalahin'i
Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.
27 Ny zanakalahin'i
Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
28 Avy tamin'i Maly no
nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
29 Ny amin'i Kisy, ny
zananilahy dia Jeramela.
30 Ary ny
zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
31 Ary ireo dia mba
niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida
mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny
Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
1 [Ny nizarana ny
mpihira ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny* taranak'i Asafa sy Hemana ary
Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny
fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary
izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin'ny]
2 Tamin'ny zanakalahin'i
Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i
Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy.
3 Tamin'i Jedotona, ny
zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka
nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra
an'i Jehovah.
4 Tamin'i Hemana, ny
zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany,
Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary
Mahaziota.
5 Ireo rehetra ireo no
zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra,
hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra
ambin'ny folo sy zazavavy telo.
6 Ireo rehetra ireo no
fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona
sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra;
Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.
7 Ary ny isany mbamin'ny
rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia
valo amby valo-polo amby roan-jato.
8 Ary nanao filokana ny
amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra
na ny mpianatra.
9 Ary ny loka voalohany
dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy
mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo;
10 ny fahatelo an'i
Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
11 ny fahefatra an'i
Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
12 ny fahadimy an'i
Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
13 ny fahenina an'i
Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
14 ny fahafito an'i
Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
15 ny fahavalo an'i
Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
16 ny fahasivy an'i
Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
17 ny fahafolo an'i
Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
18 ny fahiraika ambin'ny
folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
19 ny faharoa ambin'ny
folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
20 ny fahatelo ambin'ny
folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
21 ny fahefatra ambin'ny
folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
22 ny fahadimy ambin'ny
folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny
folo;
23 ny fahenina ambin'ny
folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
24 ny fahafito ambin'ny
folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
25 ny fahavalo ambin'ny
folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
26 ny fahasivy ambin'ny
folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
27 ny faharoa-polo an'i
Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
28 ny fahiraika amby
roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
29 ny faharoa amby
roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny
folo;
30 ny fahatelo amby
roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa
ambin'ny folo;
31 ny fahefatra amby
roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa
ambin'ny folo.
1 [Ny amin'ny mpiandry
varavarana] Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia
Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.
2 Ary ny zanakalahin'i
Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo,
sy Jediaela, fahefatra,
3 sy Elama, fahadimy, sy
Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
4 Ary ny zanakalahin'i
Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy
Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
5 sy Amiela, fahenina,
sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
6 Ary Semaia zanany
niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny
fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
7 Ny zanakalahin'i
Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny,
lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
8 Ireo rehetra ireo no
avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay
samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no
an'i Obed-edoma.
9 Ary Meselemia
nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
10 Ary Hosa, tamin'ny
taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa
aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
11 sy Hilkia, lahiaivo,
sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny
rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.
12 Ireo lohan'ny
tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny
rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.
13 Ary izy ireo, na ny
kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho
amin'ny isam-bavahady.
14 Koa ny loka tamin'ny
atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany,
mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.
15 An'i Obed-edoma ny
atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.
16 An'i Sopima sy Hosa
ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno
avokoa ny fiambenana.
17 Ny atsinanana nisy
Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra
isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
18 Tany Parbara*
andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.[Izahao 2 Mpan.
xxiii. 11]
19 Dia Ireo no
antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
20 [Ny amin'ny raharaha
sasany koa nataon'ny Levita] Ary tamin'ny Levita dia Ahia* no tonian'ny rakitry
ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.[Na: (ary ny
Levita rahalahiny)]
21 Ny taranak'i Ladana,
ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny
Jehielita.
22 Ary ny taranaky ny
Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i
Jehovah.
23 Tamin'ny Amramita sy
ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
24 dia Seboela, avy
tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.
25 Ary ny rahalahiny avy
tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy
Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
26 Io Selomota io sy ny
rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i
Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy
zato ary ny komandin'ny miaramila.
27 Tamin'ny babo izay
azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
28 Ary izay rehetra
nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera,
sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny
no nitahiry izany.
29 Tamin'ny Jizarita dia
Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely,
dia ho mpifehy sy mpitsara.
30 Ary tamin'ny
Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no
mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha
rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
31 Ny Hebronita dia
Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny
Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao
Jazera any Gileada)
32 sy ny rahalahiny
fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary
Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky
firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
1 [Ny nandaminana ny
miaramila] Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny
fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay
nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby
isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no
isan'ny isan-tokony.
2 Ny nifehy ny antokony
voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina;
3 isan'ny taranak'i
Fareza izy sady lohan'ny mpifehy rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana
voalohany.
4 Ary ny nifehy ny
antokony ho amin'ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny
antokony; ary ny antokon'ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
5 Ny komandin'ny
antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia
lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa
alina.
6 Io no ilay Benaia,
izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny
antokony.
7 Ny fahefatra, ho
amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no
nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
8 Ny fahadimy, ho
amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra
arivo amby roa alina.
9 Ny fahenina, ho
amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia
efatra arivo amby roa alina.
10 Ny fahafito, ho
amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina.
11 Ny fahavalo, ho
amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony
dia efatra arivo amby roa alina.
12 Ny fahasivy, ho
amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13 Ny fahafolo, ho
amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny
antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14 Ny fahiraika ambin'ny
folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny
taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15 Ny faharoa ambin'ny
folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny
taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
16 [Ny lohan'ny firenena
roa ambin'ny folo] Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia
Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i
Maka;
17 tamin'ny Levita dia
Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;
18 tamin'ny Joda dia
Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry,
zanakalahin'i Mikaela;
19 tamin'ny Zebolona dia
Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i
Azriela;
20 tamin'ny taranak'i
Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase
dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;
21 tamin'ny antsasaky ny
firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina
dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera;
22 tamin'ny Dana dia
Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.
23 Nefa tsy nanisa ny
hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa
hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy.
24 Joaba, zanak'i
Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra
tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny
tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.
25 [Ny mpitandrina ny
fananan'i Davida, sy ny mpanolo-tsaina azy] Ary ny tonian'ny rakitry ny
mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany
ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo,
dia Jonatana, zanak'i Ozia;
26 ary ny mpifehy ny
mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;
27 ary ny tonian'ny
tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any
amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
28 ary ny tonian'ny hazo
oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* dia Bala-hanana
Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;[Heb. Sefela]
29 ary ny tonian'ny omby
nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany
an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;
30 ary ny tonian'ny
rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
31 ary ny tonian'ny
ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo
rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.
32 Ary Jonatana,
rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be
fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny
mpanjaka;
33 ary Ahitofela dia
mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny
manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny
komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.
*
1 [Ny hafatra nataon'i
Davida ny amin'ny hanaovana ny tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i
Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny
firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny
mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana
rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa* sy ny lehilahy mahery,
dia ny lehibe rehetra.[Heb. ionoka]
2 Ary Davida mpanjaka
nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha
izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny
faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa
novononiko izay ho enti-manao azy;
3 nefa hoy Andriamanitra
tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy
mpandatsa-drà.
4 Nefa kosa Jehovah,
Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho
mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary
tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary
tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony
mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
5 Ary tamin'ny zanako
rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny
hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny
Isiraely.
6 Ary hoy Izy tamiko:
Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho
zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7 Ary hampitoetra ny
fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny
fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.
8 Ary ankehitriny, eto
anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto
anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah
Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo
ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
9 Ary ianao, ry Solomona
zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo
rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny
fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita
Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10 Koa mitandrema; fa
Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka
mahefà.
11 Ary Davida nanome
an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano
firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny
rakotra fanaovam-panavotana,
12 ary ny sarin'izay
rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i
Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i
Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
13 sy ho an'ny
antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao
an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i
Jehovah,
14 ary ny lanjan'ny
volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny
volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
15 ary ny lanjan'ny
volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka
ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy
sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
16 ary ny lanjan'ny
volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny
volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy,
17 ary ny amin'ny
fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena
tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka
ny lanjany avy,
18 ary ny lanjan'ny
volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny
koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra
ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
19 Izany asa rehetra
araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny
soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.
20 Ary hoy koa Davida
tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na
mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy
handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny
tranon'i Jehovah.
21 Ary indreo ny
antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra;
ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay
manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka
rehetra hankatò ny didinao.
1 [Ny zavatra naterin'ny
lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka
tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia
mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho
an'i Jehovah Andriamanitra.
2 Ary tamin'ny heriko
rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena
hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy,
ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy,
ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka
an-tranontranony* ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato
misoratsoratra** ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga***
betsaka.[*Na: beryla mbamin'ny tranontranony][**Na: tenona samy hafa
soratra][***marmora fotsy]
3 Ary koa, noho ny
fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho
fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena
sy volafotsy ananako,
4 dia talenta volamena
telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo
hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,
5 ny volamena hanaovana
ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana
ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny
tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i
Jehovah anio?
6 Dia samy nazoto
nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely
ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny
mpanjaka
7 ka nanome izay
hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy
arivo sy darika* iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina
valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny
farantsakely volamena, ary tokony ho ariary dimy sy loso no heviny]
8 Ary izay nanana vato
soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i
Jehiela Gersonita.
9 Dia faly ny vahoaka
noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho
an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
10 [Ny nisaoran'i Davida
an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i
Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo
anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao,
Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho
mandrakizay.
11 Anao, Jehovah ô, ny
fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny
fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny
fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
12 Avy aminao ny harena
sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao
ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny
mampahatanjaka izao rehetra izao.
13 Koa ankehitriny
misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be
voninahitra.
14 Fa zinona moa aho,
ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny
zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15 Fa vahiny sy
mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny
andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
16 Ry Jehovah
Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny
anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17 Ary fantatro, ry
Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy.
Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra
rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay
vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
18 Jehovah ô,
Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao
am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao
ny fony;
19 ary omeo fo marina
Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao
ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny
hanaovana azy.
20 Ary hoy Davida
tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah
Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah,
Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah
sy ny mpanjaka.
21 Ary namono zavatra
hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i
Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary
zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be
dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
22 Ary nihinana sy
nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany
andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady
nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
23 Ary Solomona dia
nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida
rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
24 Ary ny mpifehy
rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy
nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
25 Ary Jehovah
nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome
azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo
amin'ny Isiraely.
*
26 Toy izany no
nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.
27 Ary ny andro
nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito
taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
28 Ary maty izy rehefa
tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra*; ary Solomona
zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra]
29 Ary ny tantaran'i
Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao
amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao
amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,
30 mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny* ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]