Ohabolana
1 [Fitarihan-teny] Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i
Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
2 Hahalalana
fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
3 Hahazoana
fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4
Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho
an'ny zatovo.
5 Aoka ny hendry
hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6 Hahafantarana
ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina
ataony.
7 Ny fahatahorana
an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny
famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
8 Anaka, mihainoa ny
ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9 Fa fehiloha tsara
tarehy amin'ny lohanao izany, Ary rado amin'ny vozonao.
10 Anaka, raha
taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11 Raha hoy izy:
Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika
tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12 Aoka isika
hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy
teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
13 Dia ho azontsika
ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14 Avia mba
hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15 Anaka, aza
miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
16 Fa ny tongony
mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17 Fa velarim-poana
ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
18 Fa ireny dia
manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany
izy.
19 Toy izany no
iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy
izany.
20 [Fiantsoana sy
fananarana ataon'ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany;
Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21 Mitory ao
amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao
an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22 Ry kely saina,
mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira
amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
23 Miverena ianareo
hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary
hampahafantariko anareo ny teniko.
24 Satria efa niantso
Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25 Fa nolavinareo ny
saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26 Izaho kosa hihomehy,
raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra
anareo.
27 Raha tonga ny
zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny
tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28 Dia vao hiantso Ahy
izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29 Satria nankahala ny
fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
30 Tsy nekeny ny saina
natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31 Dia hihinana ny
vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32 Fa ny fihemoran'ny
kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.
33 Fa izay mihaino
Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra
ny ratsy.
1 [Ny soa hitan'izay
mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao
am-ponao ny didiko,
2 Ka atongilanao
amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3 Eny, raha miantso
ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4 Raha mitady azy toy
ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5 Dia ho fantatrao
marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana
an'Andriamanitra.
6 Fa Jehovah no manome
fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7 Izy mitahiry
fanambinana*ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na:
tena fahendrena]
8 Ka dia mitandrina ny
lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
9 Ary amin'izay dia ho
fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara
rehetra.
10 Raha latsaka ao
am-ponao ny fahendrena, Ary* mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho
tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
11 Dia hiaro anao ny
fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12 Ka hamonjy anao
amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 Izay mahafoy ny
lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14 Dia izay faly
hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
15 Dia izay
melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
16 Ary hamonjy anao
amin'ny vehivavy jejo* koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo
amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
17 Izay mahafoy ny
vadin*'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb.
sakaizan']
18 Fa ny tranony
milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
19 Tsy misy
afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
20 Handehananao
amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
21 Fa ny olona
mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa
mitoetra ao;
22 Fa ny ratsy fanahy
kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
1 [Famporisihana
hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina
ny didiko;
2 Fa andro maro sy taona
ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3 Aoka tsy handao anao ny
famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao
amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
4 Ka dia hahazo fitia sy
fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 Matokia an'i Jehovah
amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
6 Maneke Azy amin'ny
alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7 Aza manao anao ho
hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8 Dia ho famelombelomana
ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9 Mankalazà an'i Jehovah
amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
10 Ka dia ho feno
mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata
fanantazanao.
11 Anaka, aza manamavo
ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
12 Fa izay tian'i
Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
13 [Ny fahasambaran'izay
olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona
mahazo fahalalana.
14 Fa ny fandrantoana
azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia
mihoatra noho ny volamena tsara.
15 Sarobidy noho ny
voahangy* izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na:
perla]
16 Fa andro maro no eo
an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
17 Làlana mahafinaritra
ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
18 Hazon'aina ho an'izay
rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
19 Fahendrena no
nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 Ny fahalalany no
entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy
amin'ny rahona.
21 Anaka, aoka tsy hiala
amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22 Ka dia ho ain'ny
fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
23 Dia handroso
aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24 Tsy hatahotra ianao,
raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25 Aza manahy ny tahotra
avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely* ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny
fandringanana avy amin'ny]
26 Fa Jehovah no ho
tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27 [Famporisihana hanao
soa amin'olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena
azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
28 Aza manao amin'ny
namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana
ihany ianao.
29 Aza mamorona
sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 Aza miady amin'olona
foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 Aza mialona ny
olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32 Satria fahavetavetana
eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
33 Ny ozon'i Jehovah dia
ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
34 Na dia tsiratsirainy
aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
35 Ny hendry handova
voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
1 [Fananarana hikatsaka
ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny
ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2 Fa anatra tsara no
omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3 Fa zanak'ikaky aho,
Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4 Ary nampianatra ahy
izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko,
dia ho velona ianao.
5 Mahazoa fahendrena,
mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6 Aza mahafoy azy, fa
hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7 Ny voaloham-pahendrena
dia izao*: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy
fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
8 Asandrato izy, dia
hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9 Dia hasiany fehiloha
mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10 Anaka, mihainoa, ka
raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11 Làlam-pahendrena no
atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12 Raha mandeha ianao,
dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13 Tano mafy ny
fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14 Aza mankany amin'ny
alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15 Manalavira azy; aza
mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16 Fa tsy matory ireny,
raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa
nanafintohina ny sasany.
17 Fa mihinana ny
mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18 Fa ny lalan'ny marina
dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny
andro.
19 Ny alehan'ny ratsy
fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20 Anaka, tandremo ny
teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21 Aza avela hiala eo
imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22 Fa aina ho an'ny
mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23 Tandremo ny fonao
mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian*'ny
aina. [Heb. fivoahan']
24 Esory aminao ny vava
mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25 Aoka ny masonao
hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26 Ataovy marina ny*
alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara
izay]
27 Aza mivily, na ho
amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
1 [Fananarana tsy
hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny
fahalalako,
2 Hiheveranao tsara ny
fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
3 Fa ny molotry ny
vehivavy jejo* dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia
malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
4 Nefa ny farany mangidy
tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5 Ny tongony midina
ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny
fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
6 Tsy mahazo mandia
ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
7 Koa mihainoa ahy,
ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
8 Ampanalaviro azy ny
alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
9 Fandrao omenao ho
an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
10 Fandrao
hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny
vahiny;
11 Ka dia hitoloko
ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
12 Dia hanao hoe ianao:
Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny
foko,
13 Ka tsy nihaino ny
tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny
mpampianatra ahy?
14 Efa saiky azon'ny
ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
15 Misotroa rano avy
amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny
fantsakanao.
16 Hipasaka eny ivelany
va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
17 Aoka ho anao irery
ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
18 Aoka hotahina ny
loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
19 Fa dieravavy
mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno
fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny
fitiavany ianao.
20 Nahoana ianao, anaka,
no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo* Ka hanohona ny tratran'ny vahiny
janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
21 Fa eo imason'i
Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22 Ny heloky ny ratsy
fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy
23 Maty noho ny
tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
1 [Ny tsy mahamety ny
miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra
fito loha izay halan'i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary
nandray tanana hiantoka ny hafa,
2 Ka voafandriky ny
teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3 Dia izao no ataovy,
anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao):
Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
4 Aza avela hatory
akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 Afaho ny tenanao
toy ny gazela* miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala
amin'ny tanan'ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
6 Mandehana any
amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 Tsy manana komandy
ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
8 Nefa mamory ny
haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
9 Mandra-pahoviana no
mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny
torimasonao ianao?
10 Mbola hatory kely
ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11 Dia ho tonga toy ny
lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12 Ny olona tena ratsy
fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
13 Izay mami-maso sy
manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
14 Fahafetsena no ao
am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15 Ary noho izany dia
ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy
fahasitranana.
16 Izao enina izao no
halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
17 Ny maso
miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
18 Ny fo
mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 Ny mamoaka lainga
ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
20 [Fananarana
hankatò tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka,
tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
21 Afatory amin'ny
fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
22 Raha mandeha
ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary
raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
23 Fa jiro ny didy,
ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
24 Hiarovana anao
amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny
janga*. [Heb. lelam-bahiny]
25 Aoka ny fonao tsy
haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
26 Fa noho ny
vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny
vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
27 Mahatondra afo ao
an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 Misy mahadia
vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29 Dia toy izany izay
mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30 Tsy avelan'ny
olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na
dia noana aza;
31 Fa* raha azo izy,
dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny
olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
32 Izay mijangajanga
amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33 Voakapoka sy
afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
34 Fa ny
fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo
izy amin'ny andro hamaliany.
35 Tsy handray vola
ho enti-manalady* akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be
aza.[Heb. avotra]
1 Anaka, tandremo ny
teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
2 Tandremo ny didiko,
dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3 Afehezo eo amin'ny
rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
4 Ny fahendrena dia
ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza
mahazatra ianao;
5 Mba hiarovana anao
amin'ny vehivavy jejo*, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb.
vehivavy tsy vadinao]
6 Fa teo amin'ny
varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7 Ka nahita anankiray
tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy
anankiray tsy ampy saina,
8 Izay nandeha tamin'ny
lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
9 Nony takariva ilay
somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
10 Dia, indro, nisy
vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
11 Sady vavàna no
maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
12 Fa vetivety mby
eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny
an-joron-trano rehetra eny izy.
13 Ka dia nisavika
ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
14 Efa nivoady
hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
15 Koa dia nivoaka
hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
16 Ny fandriako efa
nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany
Egypta.
17 Efa norarahako
zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra* ary havozo manitra.[Heb.
ahalima]
18 Andeha, aoka isika
hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny
fitiavana isika.
19 Fa tsy ao an-trano ny
lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
20 Ny kitampom-bola dia
nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
21 Tamin'ny teny maro
no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
22 Ka dia nandeha
nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo*, Tahaka ny omby entina hovonoina,
Ary tahaka ny adala hogadrana**, [*Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy
dia][**Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
23 Ambara-piboroaky
ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy
fantany hahafaty ny ainy izany.
24 Koa mihainoa ahy
ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
25 Aoka tsy hivily ho
any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
26 Fa betsaka no
naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
27 Ny tranony dia
lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita*, Eny, midina ho any amin'ny
efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
1 [Ny fiantsoan'ny
fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy
manandra-peo va ny fahalalana?
2 Eo an-tampon'ny
fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3 Eo anilan'ny
vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany
maty hoe:
4 Hianareo no antsoiko,
ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
5 Fantaro ny fahendrena,
ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6 Henoy, fa hilaza
zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
7 Fa ny marina ihany no
holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8 Marina ny teny rehetra
aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9 Miharihary avokoa izy,
raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
10 Aza ny volafotsy no
raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11 Fa ny fahendrena dia
tsara noho ny voahangy*; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina
aminy.[Na: perla]
12 Izaho fahendrena dia
miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13 Ny fankahalana ny
ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny
lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14 Ahy ny fisainana
sy ny fanambinana*; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena
fahendrena]
15 Izaho no
anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
16 Izaho no
anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17 Tiako izay tia
ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18 Ato amiko ny
harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19 Ny vokatro dia
tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny
hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20 Amin'ny alehan'ny
fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21 Mba hampandovako
harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22 Jehovah nahary*
ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na:
nahazo]
23 Izaho notendreny
hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola
ary ny tany.
24 Fony tsy mbola ary
ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25 Fony tsy mbola
naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26 Fony tsy mbola
natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra
izao.
27 Raha namorona ny
lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28 Raha nampitoetra
ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29 Raha nanisy
faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany,
Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30 Dia mpità-marika*
teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo
anatrehany;[Na: notezaina]
31 Eny, nahafaly ahy
ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32 Koa mihainoa ahy
ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33 Minoa anatra, ka
hendre, Fa aza mandà.
34 Sambatra izay olona
mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny
tolam-baravarako.
35 Fa izay mahita ahy
dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
36 Fa izay diso ahy kosa
mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
1 [Ny fiantsoan'ny
fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny
andriny fito izy;
2 Efa namono ny bibiny
sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
3 Ary efa naniraka ny
ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka
manao hoe:
4 Izay kely saina, dia
aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
5 Avia, hano ny mofoko,
Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
6 Ilaozy ny* kely saina,
dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]
7 Izay mananatra ny
mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo
tsiny.
8 Aza mananatra ny
mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Toroy ny hendry, dia
hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
10 Ny fahatahorana an'i
Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no
fahazavan-tsaina.
11 Fa izaho no
hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
12 Raha hendry ianao,
dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao
ihany no hiharan'izany.
13 Ny fahadalana dia toy
ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
14 Fa mipetraka eo
am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo
an-tanàna,
15 Mba hiantso ny
mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
16 Aoka hivily atỳ
izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
17 Mamy ny rano
angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,
18 Nefa tsy fantany
fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita* ny olona
nasainy.[Heb: Shoela]
*
1 [Ohabolana samy
hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny
valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 Ny harena azo
amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no
mamonjy amin'ny fahafatesana.
3 Tsy avelan'i
Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy
fanahy.
4 Ho tonga malahelo ny
miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5 Izay manangona amin'ny
fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no
zanaka mampahamenatra.
6 Fitahiana no ho ao
amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra* ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na:
Fa manaron-doza]
7 Hankasitrahana ny
fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
8 Izay hendry am-po no
handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9 Izay mandeha tsy misy
tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10 Izay mami-maso manome
alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 Loharanon'aina ny
vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy*. [Izahao and.
6]
12 Ny fankahalana dia
manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 Amin'ny molotry ny
manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy
ampy saina.
14 Ny hendry mirakitra
fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.
15 Ny haren'ny
manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
16 Ho fiainana ny
asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17 Izay mino anatra dia
ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18 Izay mitahiry lolompo
dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19 Ny teny maro tsy
ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20 Volafotsy voafantina
ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 Ny molotry ny marina
mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 Ny fitahian'i Jehovah
no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany*.[Na: Ary tsy
ampiany alahelo]
23 Toa laolaon'ny adala
ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa*. [Na: Toa
laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
24 Ny tahotry ny
ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
25 Rehefa mipaoka ny
tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho
mandrakizay.
26 Toy ny vinaingitra
amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina
amin'izay maniraka azy.
27 Ny fahatahorana
an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
28 Ny fanantenan'ny
marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29 Ny lalan'i Jehovah
dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny
mpanao ratsy.
30 Ny marina tsy
hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.
31 Eo amin'ny
vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 Ny molotry ny
marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno
fitaka.
1 Ny mizana mandainga
dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 Raha tonga ny
fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no
misy fahendrena.
3 Ny fahitsian'ny
mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana
amin'ny tenany.
4 Ny harena dia tsy
mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho
azon'ny fahafatesana.
5 Ny fahamarinan'ny
marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
6 Ny fahamarinan'ny
mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7 Raha maty ny ratsy
fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy*. [Na: mahery]
8 Ny marina dia vonjena
amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 Ny vavan'ny
mpihatsaravelatsihy* no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny
marina**. [*Na: ratsy
fanahy][**Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
10 Raha miadana ny
marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny
hoby.
11 Ny fisaoran*'ny
marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na:
Ny fitahiana avy amin']
12 Tsy ampy saina izay
manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
13 Izay mandehandeha
manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia
lazalaza.
14 Raha tsy misy
mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny
mpanolo-tsaina.
15 Hahita loza tokoa ny
mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 Ny vehivavy tsara
tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17 Ny olona mamindra fo
dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
18 Ny ratsy fanahy dia
mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena
tambiny tokoa.
19 Ny tena fahamarinana
dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia
iharan'ny fahafatesana.
20 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy
tsiny.
21 Azo itompoana tokoa
fa* tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no
hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara
mandimby dia]
22 Toy ny kavim-bolamena
eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena*.[Na: efa
niala tamin'ny fahendrena]
23 Ny soa ihany no
irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
24 Misy mahafoy*, nefa
mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo
ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny]
25 Izay manisy soa olona
hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay
mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
26 Izay tsy mamoaka ny
variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
27 Izay fatra-pikatsaka
ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
28 Izay matoky ny hareny
dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29 Izay mampidi-doza
amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny
hendry.
30 Ny vokatry ny marina
dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
31 Indro, ny marina aza
dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
1 Izay tia fananarana no
tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2 Ny tsara fanahy mahazo
sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3 Tsy maha-tafatoetra ny
olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
4 Ny vehivavy tsara dia
satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia
tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
5 Rariny ny hevitry ny
marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
6 Ny tenin'ny ratsy
fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
7 Haringana ny ratsy
fanahy ka tsy ho ao intsony*; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.[Na:
Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
8 Araka ny fahendren'ny
olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9 Aleo ambany toetra,
nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy
manan-kohanina akory.
10 Ny marina mitsimbina
ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
11 Izay miasa ny taniny
dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana* dia tsy ampy saina.[Na: ny
zava-poana]
12 Ny mpanota maniry ny
hazan*'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona**. [*Na: ny
fandriky][**Na: Fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka]
13 Amin'ny fahotan'ny
molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
14 Ny vokatry ny
vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
15 Ny lalan'ny adala dia
mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16 Ny fahasosoran'ny
adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny
fanalam-baraka no hendry.
17 Izay olona mahatoky
dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18 Misy mandefalefa teny
tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia
fanasitranana kosa.
19 Ny molotra marina
ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20 Fitaka no ao
am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
21 Tsy misy ratsy manjo
ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
22 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23 Ny olon-kendry tsy
mba mampideradera fahalalana foana*; Fa ny fon'ny adala mamoaka
fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
24 Ny tanan'ny mazoto no
hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25 Ny alahelo ao
am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26 Ny marina dia
mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27 Ny kamo tsy mety
mihaza*; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay
nohazainy]
28 Amin'ny lalan'ny
fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
1 Ny zanaka hendry
mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina
mafy aza.
2 Ny vokatry ny vavan'ny
olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3 Izay mahambim-bava no
miaro ny ainy*; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4 Ny fanahin'ny kamo
maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5 Ny lainga dia halan'ny
marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
6 Ny fahamarinana miaro
izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7 Misy mihambo ho
manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa
manana harena be.
8 Ny haren'ny olona dia
avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
9 Ny fahazavan'ny marina
dia tsara firehitra*; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10 Fifandirana ihany no
vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11 Ny harena azoazo
foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12 Ny fanantenana tsy
azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13 Izay manamavo ny teny
ho voasingony*; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery
tena]
14 Ny fampianaran'ny
hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny
fahafatesana.
15 Ny fahendrena tsara
dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
16 Ny mahira-tsaina,
rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
17 Ny iraka ratsy fanahy
idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana]
18 Fahalahelovana sy
henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no
homem-boninahitra.
19 Mamin'ny fo ny
faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny
ratsy. [Na: efa mitranga]
20 Izay miara-dia amin'ny
hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho
ratsy]
21 Ny mpanota dia
enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22 Ny tsara fanahy
mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23 Ny tanin'ny malahelo
izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy
rariny.
24 Izay mitsitsy ny
tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha
mbola kely.
25 Ny marina mihinana ka
voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
1 Ny vehivavy hendry*
dia samy manao ny tranony; Fa ny adala** kosa mandrava ny tranony amin'ny
tànany.[*Heb. fahendren'ny vehivavy][**Heb. fahadalana]
2 Mandeha mahitsy izay
matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan'ny adala
misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
4 Raha tsy misy omby,
dia foana* ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny
omby.[Heb. madio]
5 Ny vavolombelona
mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy
mahatoky.
6 Ny mpaniratsira mba
mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7 Mialà eo anatrehan'ny
olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8 Ny mitandrina ny
alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
9 Ny adala ihomehezan'ny
fanati-panonerana*; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.[Na:
Ihomehezan'ny adala ny heloka]
10 Ny fo no mahalala ny
fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
11 Ravana ny tranon'ny
ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
12 Misy lalana ataon'ny
olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
13 Na dia mihomehy aza,
dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
14 Ny mihemotra am-po
dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
15 Ny kely saina mino ny
teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
16 Ny hendry matahotra
ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha* ka matokitoky
foana.[Na: misafoaka]
17 Izay malaky tezitra
dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18 Ny kely saina dia
handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho
satro-boninahiny*.[Na: mandray fahalalana]
19 Ny ratsy fanahy
miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny
marina.
20 Ny malahelo dia
halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
21 Izay manao
tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo
amin'ny ory!
22 Tsy mivily va izay
manao asa* ratsy? Fa famindram-po sy
fahamarinana no ho an'izay manao asa** tsara. [*Na: misaina ny][**Na. misaina
ny]
23 Ny fisasarana rehetra
misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na
inona.
24 Satroboninahitry ny
hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
25 Ny vavolombelona
marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
26 Ny fahatahorana an'i
Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27 Ny fahatahorana an'i
Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28 Ny fahabetsahan'ny vahoaka
no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29 Be saina izay
mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no
fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 Izay mampahory ny
mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia
manome voninahitra Azy.
32 Ny ratsy fanahy
azera* noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny
fahafatesana aza.[Na: roahina]
33 Mandry tsara ao
am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34 Ny fahamarinana
manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
35 Ny fankasitrahan'ny
mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao
izay mahamenatra.
1 Ny famaliana mora dia
mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2 Ny lelan'ny hendry
mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
3 Ny mason'i Jehovah
amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 Ny teny* malemy dia
hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
5 Ny adala maniratsira
ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6 Ao an-tranon'ny
marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7 Ny molotry ny
hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8 Ny fanatitry ny
ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina
no sitrany.
9 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny
fahamarinana no tiany.
10 Famaizana mafy no
hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11 Ny
fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i
Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona![Heb. Sheola]
12 Tsy tian'ny
mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13 Ny fo ravoravo
mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
14 Ny fon'ny
manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15 Ratsy avokoa ny
andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16 Aleo ny kely misy
ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17 Aleo sakafo anana
ampian-tsetsetra* Toy izay omby mifahy asian-dromoromo**. [*Heb.
fitiavana][**Heb. fankahalana]
18 Izay malaky
tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19 Ny lalan'ny malaina
dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
20 Ny zanaka hendry
mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
21 Ny fahadalana dia
fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22 Ho foana ny fikasana,
raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
23 Faly ny olona, raha
mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro
mahamety azy!
24 Làlan'aina ho any
ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita* any ambany,[Heb.
Sheola]
25 Ravan'i Jehovah ny
tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny* teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio
manao]
27 Izay fatra-pila
harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho
velona.
28 Ny fon'ny marina
mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29 Jehovah dia lavitra
ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30 Ny tarehy miramirana*
mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny
fahazavan'ny maso]
31 Ny sofina izay
mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
32 Izay mandà anatra dia
manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
33 Ny fahatahorana an'i
Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny
fisandratana.
1 Ny fikasan'ny fo no
amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
2 Ataon'ny olona ho
madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny
fanahy.
3 Ankino amin'i Jehovah
ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4 Ny zavatra rehetra
nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia
nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
5 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy
maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka
fara mandimby dia]
6 Ny famindram-po sy ny
fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no
analavirana ny ratsy.
7 Raha sitrak'i Jehovah
ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8 Aleo ny kely omban'ny
fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9 Ny fon'ny olona
mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10 Ny teny marina dia eo
amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
11 An'i Jehovah ny
fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy* avokoa ireo vato rehetra
an-kitapo.[Heb. Asany]
12 Fahavetavetana eo
imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza
fiandrianana.
13 Sitraky ny
mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny fahatezeran'ny
mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa
ny olon-kendry mampionona izany.
15 Amin'ny
fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany
dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16 Tsara ny mahazo
fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17 Ny manalavitra ny
ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny
ainy*.[Na: fanahiny]
18 Ny fiavonavonana
mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19 Tsara ny malemy
fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20 Izay mandinika ny
teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
21 Izay hendry am-po
dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso
fahendrena.
22 Loharanon'aina ny
fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia
fahadalana ihany.
23 Ny fon'ny hendry
mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24 Toho-tantely ny
teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25 Misy lalana
ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no
iafarany.
26 Ny fahanoanan'ny
mpiasa dia mampiasa azy*, Fa ny tendany** no manesika azy.[*Heb. miasa ho
azy][**Heb. vavany]
27 Ny ratsy fanahy
mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28 Ny mpivadibadika
mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29 Ny lozabe mitaona
ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
30 Izay manakimpy ny
masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao
ratsy.
31 Satroboninahitra
tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
32 Tsara ny
mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay
mahafa-bohitra.
33 Ny filokana dia
atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
1 Tsara ny sombi-mofo
maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
2 Ny mpanompo hendry dia
hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy.
3 Ny memy ho an'ny
volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no
Mpamantatra ny fo.
4 Ny mpanao ratsy
mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela
mampidi-doza.
5 Izay mihomehy ny
malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany
dia tsy maintsy hampijalina.
6 Satroboninahitry ny
antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
7 Ny teny jadona tsy
tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana
ny molotra mandainga.
8 Ny kolikoly dia toy ny
vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina
ihany.
9 Izay te-ho be
fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena
mpisakaiza.
10 Ny anatra dia
manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala.
11 Ny maditra dia
fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
12 Aleo mifanena amin'ny
bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana.
13 Izay mamaly ratsy
ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
14 Ny fiandohan'ny
ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola
mifandramatra.
15 Izay manamarina ny
meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i
Jehovah.
16 Hatao inona re ity
vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
17 Izay tena sakaiza
tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho* ho rahalahy hamonjy amin'ny
fahoriana.[Heb. ateraka]
18 Olona tsy ampy
saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
19 Izay tia ady dia
tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
20 Izay madi-po tsy
hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
21 Izay miteraka
adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
22 Ny fo ravoravo
mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
23 Ny ratsy fanahy
mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
24 Eo anoloan'ny
manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny
faran'ny tany.
25 Ny zanaka adala
mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy.
26 Tsy mety raha
mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany*.[Na: tsy
amin'ny rariny]
27 Izay
mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
28 Na ny adala aza,
raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa
manan-tsaina.
1 Izay mitokana ho
azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay
hevitra mahasoa rehetra izy.
2 Ny adala tsy mba
finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
3 Raha avy ny ratsy
fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny
henatra.
4 Rano lalina ny teny
aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
5 Tsy mety raha
manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
6 Ny molotry ny adala
manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
7 Ny vavan'ny adala
no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8 Ny tenin'ny
mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9 Ary izay malaina
amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
10 Ny anaran'i
Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy*.[Heb.
atao amin'ny avo]
11 Ny haren'ny
manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo
izany.
12 Ny fireharehan'ny
fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny
voninahitra.
13 Izay mamaly teny
mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14 Ny faharariany dia
zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
15 Ny fon'ny
manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
16 Ny fanomezan'ny
olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
17 Izay mandahatra
aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18 Ny filokana
mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
19 Ny mampionona ny
rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny
fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
20 Ny vokatry ny
vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21 Ny mahafaty sy ny
mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
22 Izay lehilahy
mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
23 Fitarainana no
ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
24 Izay maro sakaiza tsy
maintsy tra-pahoriana*; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy
aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
1 Tsara ny malahelo
mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
2 Tsy tsara raha tsy
manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
3 Ny fahadalan'ny olona
no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
4 Ny harena mahamaro
sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
5 Ny vavolombelona
mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
6 Maro no mandambolambo
andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
7 Ny malahelo dia
halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va?
Manandrandra amin'ny teny tsy misy* izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
8 Izay mihary fahendrena
no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
9 Ny vavolombelona
mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
10 Ny ho velona amin'ny
fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny
mpanompo ny zanak'andriana.
11 Ny fahendren'ny olona
manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12 Ny fahatezeran'ny
mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando
amin'ny ahitra.
13 Ny zanaka adala
mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete
mandrakariva.
14 Trano sy harena no
lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
15 Ny hakamoana mahasondrian-tory,
Ary ho mosarena ny olona malaina.
16 Izay mitandrina ny
didy mitandrina ny ainy*; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny
fanahiny]
17 Izay miantra ny
malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
18 Faizo ny zanakao, fa
mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty
azy.
19 Ny lozabe tsy maintsy
hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany
indray.
20 Henoy ny saina
atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay
hiafaranao*.[Na: any aoriana]
21 Maro ny hevitra ao
am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
22 Fifaliana amin'ny
olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23 Ny fahatahorana an'i
Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy
hiharan-doza.
24 Ny malaina dia
mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny
vavany dia tsy zakany.
25 Kapohy ny
mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia
hahalala fahendrena izy.
26 Izay mitohatoha
amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27 Anaka, mitsahara tsy
hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana*.[Na: Anaka,
raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy
hihaino anatra]
28 Ny vavolombelona
ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
29 Vonona ho amin'ny
mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
1 Mpaniratsira ny divay,
ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2 Ny fampitahoran'ny
mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza
hihatra amin'ny ainy,
3 Voninahitry ny olona
ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4 Ny malaina tsy mety
miasa amin'ny ririnina*, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na:
noho ny ririnina; na: noho ny haben'ny vokatra]
5 Rano lalina ny hevitra
ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6 Maro ny olona samy
midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7 Izay olona marina
mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
8 Mipetraka eo amin'ny
seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny
masony.
9 Iza no mahazo manao
hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10 Ny vato mizana samy
hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
11 Na dia ny zaza aza
dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12 Ny sofina mandre sy
ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
13 Aza tia torimaso
ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14 Ratsy! ratsy! hoy ny
mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15 Ao ihany ny volamena
sy ny voahangy* betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na:
perla]
16 Alao ny lambany, fa
efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny* niantohany.[Na: vahiny
janga]
17 Mamin'ny olona ny
hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18 Ny hevitra rehetra
dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19 Izay mandehandeha
manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay
mibedibedy foana.
20 Izay manozona ny
rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
21 Ny harena malaky
azo foana* eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
22 Aza manao hoe:
Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23 Fahavetavetana eo
imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24 Avy amin'i Jehovah
ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25 Fandrika amin'ny
olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao
mamototra.
26 Ny mpanjaka hendry
mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo
amboniny.
27 Jiron'i Jehovah ny
fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28 Famindram-po sy
fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza
fiandrianany.
29 Voninahitry ny zatovo
ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
30 Ny fampangirifiriana*
dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao
an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]
1 Rano velona eo
an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
2 Ataon'ny olona ho
marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
3 Ny hanao izay marina
sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
4 Ny fiandranandran'ny
maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron*'ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan']
5 Ny hevitry ny mazoto
dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
6 Ny fahazoan-karena
amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
7 Ny fitohatohan'ny
ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
8 Miolikolika ny
lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
9 Aleo mitoetra eo
an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
10 Ny fanahin'ny ratsy
fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
11 Raha ampijalina ny
mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry,
dia hahazo fahalalana izy.
12 Ny Iray Marina no
mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
13 Izay manentsin-tadiny
amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
14 Ny fanomezana
mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona
mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15 Fifalian'ny marina ny
hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16 Ny olona izay mivily
miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny
fanahin'ny maty.
17 Izay tia fanaranam-po
dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
18 Ny ratsy fanahy
dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
19 Aleo mitoetra any
an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
20 Harena mahafinaritra
sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21 Izay fatra-panaraka
fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary
voninahitra.
22 Ny hendry mananika ny
vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
23 Izay miambina ny
vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
24 Izay mirehareha sy
miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
25 Ny fanirian'ny
malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
26 Maniry fatratra
mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
27 Ny fanatitry ny ratsy
fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany
azy.
28 Ho faty ny
vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
29 Ny ratsy fanahy
mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra
izay halehany.
30 Tsy misy fahendrena,
na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.
31 Voaomana ny soavaly
ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
1 Aleo ho tsara laza toy
izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2 Mihaona ny
manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
3 Ny mahira-tsaina
mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4 Ny valin'ny
fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary
fiainana.
5 Tsilo sy fandrika no
amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6 Zaro amin'izay lalana
tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala
amin'izany.
7 Ny manan-karena dia
manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
8 Izay mamafy heloka dia
hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9 Izay manana maso
miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
10 Roahy ny
mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny
fahafaham-baraka.
11 Izay tia
fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
12 Ny mason'i Jehovah
miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
13 Hoy ny malaina:
Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14 Ny vavan'ny
vehivavy jejo* dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb.
vehivavy tsy vadiny]
15 Miraikitra amin'ny
fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany
aminy.
16 Izay mampahory ny
malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia
mampihena ny hareny.
17 [Ohabolana ny
amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka
henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18 Fa mahafinaritra
raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
19 Hianao dia ianao
no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
20 Tsy efa nanoratra
zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21 Mba
hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny
holazaina amin'izay naniraka anao?
22 Aza manosihosy ny
malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
23 Fa Jehovah anie ka
hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
24 Aza misakaiza amin'ny
olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
25 Fandrao ianao
mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
26 Aza mety ho isan'ny
mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
27 Raha tsy manan-kaloa
ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
28 Aza manakisaka ny
fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.
29 Mahita olona mailaka
amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy
hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
1 Raha mipetraka
hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo
anatrehanao*,[Na: anoloanao]
2 Ka andraso antsy ny
tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
3 Aza mitsiriritra ny
hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
4 Aza manasa-tena
hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
5 Moa hampanarahinao azy
va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina
toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
6 Aza homana ny
mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7 Fa tahaka ny heviny
ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy
sitrany ianao.
8 Izay sombiny kely
voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra
nataonao.
9 Aza miteny amin'91
ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.[Heb. an-tsofin']
10 Aza manakisaka ny
fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin*'ny sahan'ny kamboty;[Heb. miditra
amin']
11 Fa mahery ny
Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
12 Ampiekeo famaizana
ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
13 Aza tsy manafay
zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza*; [Na: Fa
tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo]
14 Raha mamely azy
amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny
fanahiny.[Heb. Sheola]
15 Anaka, raha hendry
ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko*,
Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako]
17 Aoka tsy hialona ny
mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
18 Fa raha mbola hisy
koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
19 Mihainoa ianao,
anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.
20 Aza misakaiza
amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
21 Fa halahelo izay
mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy
voro-damba.
22 Maneke ny rainao
izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny
reninao, saingy efa antitra izy.
23 Vidio ny marina, ka
aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24 Hifaly dia hifaly
ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
25 Aoka ho faly ny
rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
26 Anaka, atolory ahy
ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako*;[Na: Ary aoka ny
masonao handinika ny lalako]
27 Fa ny vehivavy
jejo* dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy
vadiny]
28 Eny, manotrika toy
ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
29 An'iza ny Indrisy?
An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra
tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena*? [Na: manjambena]
30 An'izay mikikitra
amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31 Aza mijery ny
divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany
mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
32 Fa amin'ny farany
dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
33 Koa ny masonao dia
hijery vehivavy jejo*, Ary ny fonao hieritreri-dratsy**.[*Heb. vehivavy tsy
vadiny][**Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy
foana]
34 Eny, ho sahala
amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo
an-tendron'ny andrin-tsambo.
35 Nokapohiny aho,
hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako;
Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
1 Aza mialona ny olona
ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2 Fa fandravana no
saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
3 Fahendrena no anaovana
trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
4 Sady fahalalana no
hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5 Be hery ny lehilahy
hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
6 Fa ny fahaizana
mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy
famonjena.
7 Avo tsy takatry ny
adala ny fahendrena*, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny
adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
8 Izay misaintsaina
hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9 Ota ny fikasan'ny
hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
10 Raha reraka amin'ny
andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
11 Vonjeo izay entina
hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo
am-pamonoana!
12 Raha hoy ianao: Tsia,
tsy mahalala izany* izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary
Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny
ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
13 Anaka, homàna
tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao*;[Heb.lanilaninao]
14 Ary aoka ho toy
izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia
hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15 Aza manotrika ao
akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16 Fa potraka im-pito
ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha
azom-pahoriana*.[Na: ka idiran-doza]
17 Aza faly, raha
lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18 Fandrao hitan'i
Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19 Aoka tsy hirehitra
ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20 Fa tsy hisy
fanantenana* ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
21 Anaka, matahora
an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova*;[Na: hafa
saina noho izany]
22 Fa ho tampoka no
hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny
androny*? [Heb. taonany]
*
23 Izao koa no
tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24 Izay manao amin'ny
meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25 Fa izay mitsara
marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26 Izay mahavoa tsara
amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27 Amboary ny asanao
any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia
mahazo manao ny tranonao ianao.
28 Aza mety ho
vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va
ianao?
29 Aza manao hoe: Araka
izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay
nataony.
30 Nandalo ny sahan'ny
kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31 Ary, indro, feno
sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32 Dia nojereko ka
noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
33 Mbola hatory kely
ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
34 Dia ho tonga toy
ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
*
1 [Ohabolana samy
hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no
ohabolan'i Solomona, izay nangonin*'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb.
nafindran']
2 Voninahitr'Andriamanitra
ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
3 Ny hahavon'ny
lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina
avokoa.
4 Esory ny
taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.
5 Esory ny ratsy
fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana
ny seza fiandrianany.
6 Aza manandra-tena
eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
7 Fa aleo ianao
hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay
hitan'ny masonao.
8 Aza maika handeha
hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny
namanao henatra ianao.
9 Miadia ihany ny
adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
10 Fandrao izay mandre
hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
11 Ny teny atao amin'ny
antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra*.[Na: poma
volamena misy ravaka volafotsy]
12 Kavim-bolamena sy
firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
13 Toy ny hatsiaky ny
oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay
naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.
14 Toy ny rahona sy ny
rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
15 Ny fahari-po no
ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava* malefaka mahatapa-taolana.[(Heb.
lela]
16 Mahita tantely va
ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
17 Aza miditra matetika
ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
18 Langilangy sy sabatra
ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga
hanameloka ny namany.
19 Toy ny nify nahasimatsimahana
sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
20 Toy ny miala lamba
amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny
mikalo amin'ny malahelo am-po.
21 Raha noana ny
fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22 Fa raha manao izany
ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
23 Ny rivotra avy any
avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa
mampahavinitra endrika.
24 Aleo mitoetra eo
an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
25 Rano mangatsiaka
amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
26 Loharano
voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
27 Tsy tsara raha
mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy
voninahitra*.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na:
mavesatra)]
28 Tanàna rava tsy
misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
1 Toy ny oram-panala
amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany
ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
2 Toy ny vorona
mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy
mba hihatra izany.
3 Ny karavasy ho
amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho
amin'ny lamosin'ny adala.
4 Aza mamaly ny adala
araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5 Valio ny adala araka
ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6 Manapaka ny tongony
sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
7 Mikepikepika ny
tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8 Toy ny manisy vato
eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9 Toy ny tsilo eny
an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
10 Ny mpiasa mahay
dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny
manakarama izay sendra mandalo*.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny
olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra
mandalo]
11 Toy ny amboa
miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12 Hitanao va ny olona
manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
13 Hoy ny malaina:
Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
14 Toy ny varavarana
mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
15 Ny malaina mangarona
ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
16 Ny kamo manao ny
tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17 Izay mandalo ka
mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
18 Toy ny adala izay
manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
19 Dia toy izany ny
olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20 Raha tsy misy
kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia
mitsahatra ny fifandirana.
21 Toy ny arina atao
amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia
ady mandrehitra fifandirana.
22 Ny tenin'ny
mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23 Tavim-bilany misy
ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy* sy ny fo ratsy.[Heb.
mirehitra]
24 Ny mpandrafy dia
mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25 Koa na dia miteny soa
aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26 Ny lolompo dia
miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27 Izay mihady lavaka no
ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
28 Halan'ny lela
mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
1 Aza mirehareha ny
amin'ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
2 Aoka ny olon-kafa no
hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3 Mavesatra ny vato, ary
mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa
tonta.
4 Masiaka ny
fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo
anatrehan'ny fahasaro-piaro?
5 Aleo anatra imaso Toy
izay fitia afenina.
6 Azo itokiana hahasoa
ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo.
7 Hitsakitsahin'ny voky
na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra
aza.
8 Toy ny voron-kely
miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny
miala amin'ny fonenany.
9 Ny diloilo sy ny
zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny
ana-panahy ataony.
10 Aza mahafoy ny
sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao
amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 Anaka, hendre, ary
ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12 Ny mahira-tsaina
mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13 Alao ny lambany, fa
efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy.
14 Izay mifoha maraina
koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana
izany.
15 Tahaka ny
fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
16 Izay misakana azy
dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina* diloilo ny tànany
ankavanana.[Na: mihatra amin'ny]
17 Ny vy maharanitra
ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.
18 Izay miaro aviavy
dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
19 Toy ny tandindona
eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny
olona amin'ny an'olona.
20 Ny
fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy
ahamamoan'ny mason'ny olona.[Heb. Sheola]
21 Ny memy ho an'ny
volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy
maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22 Na dia
miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba
hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23 Fantaro tsara ny
tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
24 Fa ny harena tsy ho
mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny
satro-boninahitra?
25 Na dia lany aza ny
ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any
an-tendrombohitra,
26 Ny zanak'ondry dia
hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
27 Ary ho ampy
hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny
ankizivavinao.
1 Ny ratsy fanahy
mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny
liona tanora.
2 Ny fahotan*'ny tany
mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina** kosa no mampahateza ny
fanjakana***. [*Na: fikomian'][**Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][***Na:
Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana]
3 Ny malahelo izay
mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy
hanina.
4 Izay mahafoy ny
lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra
amin'ny fanoherana azy.
5 Ny ratsy fanahy dia
tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra
rehetra.
6 Ny malahelo izay
mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka
mandeha amin'ny lalana miolikolika.
7 Izay mitandrina ny
lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome
henatra ny rainy.
8 Izay mampitombo ny
fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny
malahelo
9 Izay
manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia
fahavetavetana.
10 Izay mampivily ny
mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy
misy tsiny no handova ny soa.
11 Ny manan-karena
manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12 Raha ravoravo ny
marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra* kosa ny ratsy fanahy,
dia miery ny vahoaka.[Na. mitsangana]
13 Izay manafina ny
fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14 Sambatra izay olona
matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
15 Liona mierona sy bera
miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
16 Ny mpanapaka tsy ampy
saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
17 Izay
itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka;
Aoka tsy hisy hihazona azy.
18 Izay mandeha tsy misy
tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no
ho lavo tampoka.
19 Izay miasa ny taniny
dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana* ho voky alahelo kosa.[Na:
zava-poana]
20 Izay olona mahatoky
tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy
hohelohina.
21 Tsy mety raha mizaha
tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona
hanotana.
22 Ny mpialona dia
maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
23 Izay mananatra olona
no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
24 Izay mandroba ray sy
reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
25 Izay mierina*
manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
26 Izay matoky ny fony
dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
27 Izay manome ny
malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
28 Raha misandratra* ny
ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny
marina.[Na: mitsangana]
1 Izay olona anarina
matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2 Raha mihamaro ny
marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento
kosa izy.
3 Izay tia fahendrena no
mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
4 Ny rariny no
ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby* no mandrava azy
kosa.[Na: mampandoa harena]
5 Izay olona mandrobo ny
namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
6 Misy fandrika amin'ny
heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
7 Ny marina mihevitra ny
adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
8 Ny mpaniratsira
mampihotakotaka* ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb.
mampirehitra]
9 Raha iadian'ny hendry
ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana*.[Na: Raha
hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
10 Ny olona
mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny
ainy*.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]
11 Ny fahatezeran'ny
adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
12 Raha mihaino lainga
ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13 Mihaona ny malahelo
sy ny mpampahory*; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana
vola]
14 Izay mpanjaka mitsara
marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Ny tsorakazo sy ny
anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16 Raha maro ny ratsy
fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17 Faizo ny zanakao, dia
ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
18 Raha tsy misy
fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha
mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19 Raha teny fotsiny
ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy
hankatoaviny*.[Heb. tsy misy valiny]
20 Hitanao va ny olona
faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21 Ny mpanompo izay
nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
22 Ny olona mora tezitra
manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23 Ny fiavonavonan'ny
olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Izay miray tetika
amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety
milaza.
25 Mamandrika ny tahotra
olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena*.[Heb. hatao amin'ny avo]
26 Maro no mila sitraka
amin*'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny
tavan']
27 Ny meloka dia
fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana
eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
*
1 [Ny tenin'i Agora] Ny
teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake*, dia ny teny nataon-dralehilahy
tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake,
avy any Masa]
2 Izaho dia biby*, fa
tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho,
Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka
ny biby aho]
3 Tsy nianatra
fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
4 Iza no efa niakatra
tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany?
Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany
rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
5 Ny tenin'Andriamanitra
dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
6 Aza manampy ny teniny,
fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7 Zavatra roa loha no
angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8 Ampanalaviro ahy ny
zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay
anjara-hanina sahaza ho ahy;
9 Fandrao, raha voky
aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo
aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.
10 Aza manendrikendrika
ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11 Misy taranaka izay
manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
12 Misy taranaka manao
azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
13 Misy taranaka, endrey
ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
14 Misy taranaka izay
toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho
amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
15 Ny dinta
manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky,
Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16 Ny fiainan-tsi-hita*;
sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba
manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
17 Ny maso izay miandranandrana
amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny
an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
18 Misy zavatra telo
mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
19 Ny nalehan'ny
voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny
vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny
lehilahy tamin'ny tovovavy.
20 Tahaka izany koa no
fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao
hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21 Izao fitondrana telo
izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22 Raha ny andevo no
tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
23 Raha ny vehivavy lany
zara* no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova** ny tompovaviny.[*Heb.
ankahalaina][**Na: mandimby]
24 Izao zavatra efatra
izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25 Ny vitsika dia
firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
26 Ny biby hyraka dia
firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
27 Ny valala tsy
manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28 Ny antsiantsy dia
mandady amin'ny tànany*, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao
samborin-tanana]
29 Misy zavatra telo
izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30 Dia ny liona, izay
mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
31 Ny soavaly voaomana
hiady* sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina**. [*Heb. voafehy
kibo][**Na: otronin'ny vahoakany]
32 Raha adala ka
nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny
vavanao.
33 Ny
fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona
no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
*
1 [Ny amin'ny tokony ho
toetry ny mpanjaka] Ny tenin*'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja
izay** nananaran-dreniny azy.[*Na: Ny teny ho an'][**Na: Lemoela, mpanjakan'i
Masa, dia ilay]
2 Ahoana, anaka? Ary
ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3 Aza omena ny vehivavy
ny herinao, Na ny fombam-piainanao* ho an'izay** manimba mpanjaka.[*Heb.
lalanao][**Na: izay zavatra]
4 Tsy mety amin'ny
mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na
amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5 Fandrao, raha misotro
izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6 Omeo toaka izay efa ho
faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
7 Aoka hisotro izy mba
hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8 Sokafy ny vavanao
hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;
9 Sokafy ny vavanao, ka
tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
*
10 [Fankalazana ny
vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara*? Fa ny
tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy**. [*Na: mahay][**Na: perla]
11 Matoky azy ny fon'ny
lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12 Soa no
ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.
13 Mizaha volon'ondry sy
rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.
14 Toy ny sambon'ny
mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
15 Mifoha izy, raha
mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny
ankizivaviny.
16 Mihevitra saha izy
ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17 Misikina hery izy,
Ary hatanjahiny ny sandriny.
18 Hitany fa tsara ny
tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19 Mandray ny
fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20 Manatsotra ny
tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
21 Tsy manahy ny
oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry
mena avokoa.
22 Manao firakotra ho
azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23 Ny lahy dia
hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24 Manao akanjo
hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny
amin'ny mpandranto*.[Heb. Kananita]
25 Hery sy
voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26 Manokatra ny
vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny
lelany.
27 Mitandrina tsara
ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28 Ny zanany
mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy
hoe:
29 Maro no zazavavy
nanao soa*, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena]
30 Fitaka ny
fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra
an'i Jehovah ihany no hoderaina.
31 Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.