NY FAMPIANARANA
TILIKAMBON'I BABELA (GENESISY 11 : 1 – 9)
Tapitra ny safodrano. Voadio izao tontolo izao. Ny herisetra, ny kolikoly, ny fikomiana izay nanenika ny tany dia nanjavona tao ambanin'ny rano avokoa. Ka fianakaviana iray no sisa tavela, valo no tafavoaka velona dia i Noa, ny vadiny, ny zanany lahy telo, ary ny vadin'izy ireo avy—izay fiandohana vaovao indray.
Nitso-drano an'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra, avy eo dia nanome didy an’olombelona—didy izay hamolavola ny hoavin'izao tontolo izao. Hoy Andriamanitra: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany” Genesisy 9 : 1. Mazava ny tsodrano eto; ary tsy namorona ny olombelona hijanona amin'ny toerana iray Andriamanitra; fa niantso azy ireo hameno ny tany. Saingy ny mifanohitra amin'izany no nataon'ny olombelona. Tsy niely eran'ny tany izy ireo fa nivory tamin’ny toerana iray. Genesisy 11 : 1. Fa raha tokony hitoky amin’Andriamanitra izy ireo, tsy izany anefa no nataony ; fa izy samy izy ihany no nanorenany ny fitokisany. Nandeha nifindrafindra na nirenireny niantsinanana izy ireo mandra-pahitany lemaka midadasika tany amin'ny tany Sinara. Genesisy 11. 2. Tao izy ireo no nipetraka—vahoaka iray, fiteny iray, tanjona iray. Ny firaisankina izay nifanaovany dia lasa fikomiana tamin’Andriamanitra. Nianiana izy ireo fa afaka manorina hoavy tsy misy an'Andriamanitra. Ary noho izany fanapahan-kevitra izay nataon’ireto olona ireto no nanova ny zavatra rehetra, dia ny fiovan’ny firenena, fiteny ary ny sivilizasiona rehetra.
Ary toy izao ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela izay naorin’ny zanak’olombelona mba hanehoany ny fahendreny izay nanjary fikomiana tamin’Andriamanitra.
Rehefa nandeha ny taona dia nitombo hatrany ny mponina tao Sinara, ary teo amin'izy ireo no nipoiran’ny lehilahy iray niavaka tamin’ny maro ary Nimroda no anarany. Milaza ny Soratra Masina fa lehilahy mahery tambonin'ny tany izy, mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah. Babela no niandohan'ny fanjakany. Nanomboka niangona tao amin'ny toerana iray ny fahefana, ary niaraka tamin'ny fahefana dia tonga ny faniriana. (1 Tantarana 1 : 10 ; Genesisy 10 : 8)
Dia nifampilaza ny olona hoe: "Andeha isika hanao biriky ka handotra (handoro) azy tsara." (Genesisy 11 : 3) Vitsy ny vato teny amin'ny lemaka, ka dia nanao biriky avy amin'ny tanimanga izy ireo. Nodorany tamin'ny afo ireo ary nofonosiny godorao. Izany no nataony mba hampaharitra ny zavatra hataony. Dia hoy izy ireo avy teo “Andeha isika hanao tanà na sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika ny laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.”
Nasehon'izy ireo ny tao am-pony. Tsy hoe "Inona no irin'Andriamanitra?", na hoe "Ahoana no hanomezantsika voninahitra ny Mpamorona antsika?", fa hoe "Inona no haorintsika? Inona no hotanterahintsika? Anarana inona no hataontsika ho an'ny tenantsika?" Efa hadino ny didin'Andriamanitra; ny voninahitry ny olombelona no naka ny toerany.
Isan'andro dia nitohy niakatra ny tanà na sady nihalehibe. Izay avy tamin’ny tanà na kely ka lasa tilikambo. An'arivony no niara-niasa. Ny feo rehetra dia tamin’ny fiteny iray ihany, ny tà nana rehetra dia nifantoka tamin’ny tanjona iray ihany, ny fo rehetra nitempo tamin'ny faniriana iray ihany. Tsy nitsahatra ny afo ary lasa biriky ny tanimanga. Ny biriky dia lasa rindrina, ny rindrina dia lasa tilikambo, ary ny tilikambo dia nitohy niakatra ka avo noho ny zavatra rehetra izay hita teto tamin’izao tontolo izao. Isaky ny biriky napetrany dia nitombo ny fahatokisany. Nihamafy orina ny tanà nany, nihalehibe ny firaisankinany, ary nahay niseho ny avonavony.
Nino ny izy ireo fa tsy hisy hahasakana azy ireo amin’ny asany. Ka nifampresaka hoe izy "Jereo ange ny haavon'ny fiakarany! Tsy ho ela dia hahita ny fahalehibeazantsika ny firenena rehetra! Hitoetra mandrakizay ny anarantsika!" Kanefa hadinon'izy ireo ny lesona azo avy tamin'ny safodrano. An'Andriamanitra ny tany. An'Andriamanitra ny ainy. Na dia ny fofonainy aza dia an'Andriamanitra. Araka ny finoan’ireto olona ireto, ny fahefana sy ny hery rehetra dia eo ampelatanan’ny tenany ihany.
Niakatra hatrany ny tilikambo. Niray hina, natoky tena izy ireo, tsy nihozongozona, ary azo antoka fa tsy hisy haharodana azy. Saingy efa ampy ho an’ny lanitra ny zavatra izay hitany.
Dia mirakitra ny iray amin'ireo fotoana niavaka indrindra ao amin'ny Genesisy ny Soratra Masina: “Dia nidina Jehovah hizaha ny tanà na sy ny tilikambo izay nataon'ny zanak'olombelona.” (Genesisy 11 : 5) Ny tilikambo izay toa tsy hay refesina tamin'ny olombelona dia tsy hoe tsy takatry ny mason'Andriamanitra; fa teo ambanin'ny masony. Ny asan'ny tanan'olombelona dia tsy afaka mifaninana amin'ny voninahitry ny Mpamorona azy mihitsy.
Hoy Andriamanitra: “Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra; ary ity vao fiandohan’ny hataony koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsainany hatao. Aoka Isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahalala teny izy.”
Tsy natahotra ny tilikambony Andriamanitra; nanohitra ny avonavon'izy ireo Izy, satria ny firaisankina raha tsy misy an'Andriamanitra dia vao mainka hampitombo ny fikomiana. Ilay nandidy ny olombelona hameno ny tany dia hiantoka fa haharitra tsy hirodana ny fikasany (dia ny fikan’Andriamanitra amin’ny hamenoany ny tany izany.) Ao anatin'ny fotoana fohy dia hiova mandrakizay ny tantara.
Dia nitranga izany. Tsy nisy fampitandremana fa nizara roa ireo feo izay niray hina taloha. Tampoka teo dia tsy nisy intsony ilay fiteny izay nampiray ireo firenena.
"Ento aty amiko ireo biriky!"
Niova tsy fankahazo fiteny izy ireo. Ny tsy fahalalany ny hevitry ny teniny dia lasa tahotra ho azy ireo. Ka ny tahotra no nanova ny fisaratsarahana. Nanjavona tao anatin'ny indray mipi-maso monja ny firaisankina izay natokisan'ny olombelona. Nangina ny fikapokapoka ny biriky sy ny feon’ny lasia ary ny maritao izay nanaovana ny tilikambo. Nitohy nirehitra ny afo, saingy tsy afaka nanorina intsony ireo mpanao trano—tsy noho izy ireo tsy nanana tanjaka, tsy noho izy ireo tsy nanana fahaizana, fa satria tsy afaka nifankahazo intsony izy ireo.
Nivory araka ny fiteny ny olona ary nanorina fianakiavana. Nisaraka ireo foko, teraka ireo firenena. Ny tanà na izay natao hampiray ny olombelona dia lasa toerana nizarazarana ny olombelona.
Dia nampiely azy ho eny ambonin'ny tany rehetra Jehovah, ka dia nitsahatra tsy nanao ny tanà na intsony izy ireo. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao no nanorokoroan'i Jehovah ny fitenin'ny tany rehetra; ary avy tao no nampielezany azy ho eny ambonin'ny tany rehetra.
Tsy noho ny nanorenan'ny olona an’io Tilikambon'i Babela io no nampijanona azy, fa najanona ny Tilikambo noho ny amin’ny fomba tsy mety tamin’ny fanorenana azy. Tsy misy maharatsy ny fanorenana, tsy misy maharatsy ny famoronana, tsy misy maharatsy ny zava-bitan'ny olombelona. Fa rehefa mitady hanandratra ny tenany ambonin'Andriamanitra ny fanirian'ny olombelona, dia tsy maintsy mirodana amin'ny farany.
Naniry anarana tsy hohadinoina mandrakizay ireo mpanao trano, nefa ankehitriny dia lasa ny anarany; ny fampitandremana sisa no mitoetra. Fa ny taranaka tsirairay dia manorina ny tilikambony manokana, ary ny taranaka tsirairay dia tsy maintsy manapa-kevitra na hikatsaka ny voninahitr'Andriamanitra na ny azy manokana.
Mbola tsy vita ilay tilikambo, saingy vao nanomboka ny drafitr'Andriamanitra. Lavitra ny tanà nan'olombelona, dia nanomana lehilahy iray Andriamanitra—tsy mpanjaka, tsy mpandresy, tsy mpanao tsangambato, fa lehilahy izay nino Azy fotsiny. Amin'ny alalan'io lehilahy iray io, dia hanomboka fampanantenana Andriamanitra, fampanantenana izay hitahy ny firenena rehetra eto an-tany. Abrama no anarany, ary eto no hanombohan'ny tantara lehibe indrindra.
Raha nahaliana anao io tantara io, dia aza adina ny mizara izay zavatra noraisinao tao anatin’ny fampianarana ny Soratra Masina eo amin’ny kaomantera. Hampio koa ny olona tia mandalina ny Soratra Masina tahaka anao mba hahita ity fampianarana ity.

0 Reviews