FAMAKAFAKANA NY MARKA 10 : 1 – 12

FAMAKAFAKANA NY MARKA 10 : 1 – 12

Size

NY FAMPIANARANA

 

FAMAKAFAKANA NY MARKA 10 : 1 – 12

FAMAKAFAKANA NY MARKA 10 : 1 – 12

“Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy. Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo? Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1). Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo; fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27). Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra. Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na: mijangajanga mandika ny lalàn'ny fanambadiana ny amin'ny vadiny]. Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.”

Mba fantatrao ve fa tsy ny olona rehetra manontany zavatra aminao dia te hahalala ny marina avokoa ? Toa anontaniany zavatra izay efa fantany ianao mba hisy teny zavatra izay hentiny hamandrihana na itenenana anao any ambadimbadika any. Toa nanao izany zavatra izany ity lehilahy Farisiana izay nanatona an’i Jesosy ity. Kanefa, soa ihany nisehoan’ity fanontaniana ity mba hahalalantsika ny marina momba ny hevitr’Andriamanitra fa indrina ho an’ny lehilahy izay maniry ny te hisaraka amin’ny vadiny manoloana ireo olana na fahadisoana kely izay ataon’ny vadiny aminy.

Ao amin'ny Marka 10 : 1 – 12 no nampianaran’i Jesosy momba ny fanambadianana sy tena planin’Andriamanitra manoloana izany fanambadianana izany. Ndeha hojerentsika ampilaminana sy ampitiavana izany fanambarana nataon’i Jesosy izany.
Araka ny fampianarana nataon’i Jesosy, ny fanambadianana dia fifamatorana na firaisana masina izay nataon’Andriamanitra eo amin’ny mpivady roa dia LAHY sy VAVY. Ity Fariseo izay mpitondra fivavahana no sady mpahay lalana ity dia nanontany an’i Jesosy, tsy hoe hanontany mba hahitana ny marina fa nanontany mba hitsapa Azy sy handrenesana izay zavatra ambarany sy lazainy manoloana ity Soratra Masina ao amin’ny Deotoronomia 24 : 1 izay toa milaza fa azo atao sy ara-dalàna tsara ny fisaraham-panambadiana. Kanefa hafa mihitsy ny navalin’i Jesosy azy, ary ambaran’i Jesosy mazava tsara fa efa drafitr’Andriamanitra nanomboka tamin’ny voalohany ny hitoeran’ny lehilahy sy vehivavy ho trano iray mandritra ny androm-pianinany ka tsy hisaraka. Ka izany no ambarany ao amin’ny Andininy faha-6. Tsy eken’Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana amin’ny endriny rehetra. Io fanambarana nataon’i Mosesy io dia tsy fahazahoan-dalana velively fa satria maditry ny lehilahy, mafy hatoka ny lehilahy ary mafy fo ny lehilahy dia natao io didy io mba ahatonga ny vehiavy tsy hariana maina hotr’izao ; fa raha ny drafitr’Andriamanitra dia natao hikambana tsy hisaraka ny mpivady lahy sy vavy satria efa nofo iray ihany izy roroa. 
Lesona fototra momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana :

Ny drafitr'Andriamanitra tany am-boalohany: Ny fanambadiana dia natao haharitra. Izay ampiraisin'Andriamanitra dia tsy tokony hosarahin'ny olona. Ary fahazoan-dalàna avy amin’Andriamanitra tokoa ny fanambadiana ary tsy fahotana ny manambady. Jereo 1 Korintiana 7 : 28.

Fahotana sy fanitsakitsaham-bady ny fampakaram-bary aorian’ny fisaraham-panambadiana : Ambaran’i Jesosy mazava tsara fa fanambadianana olona hafa aorian’ny fisaraham-panambadiana dia fijangajangana eo imason’Andriamanitra araka izay ambarany ao amin’ny andininy faha-11 sy 12. Na vehivavy izany na lehilahy, samy mijangajanga avokoa raha toa ka mampakatra olona hafa. Ary izany fampianarana izany dia manambara fa mitovy daholo ny fenitra na ho an'ny lehilahy na ho an’ny vehivavy.

Hitantsika ary ambaran’ilay Zanak’Andriamanitra fa tena tsy ankasitrahin’Andriamanitra ny fisarahana izay ataon’ny zanak’olombelona manoloana io fanambadianana io. Eny na dia tsy misy teny na andianteny manondro azy mazava tsara ary ao amin’ny Testamenta Taloha dia, efa ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy no miteny eto ka manambara ny tsy fankahasitrahan’Andriamanitra ilay fisarahana. Ireto ny teny nambaran’i Jesosy manambara fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra io fisarahana io: 

Nofo iray: Ny fanambadianana dia fikambanan’ny olona roa ho nofo iray, izany hoe tsy mety sarahina na misaraka intsony. (Marka 10 : 8)

Nakambana (synzeugnyō): Ny fatorana masina naorin'Andriamanitra, izay nandidian'i Jesosy ny olombelona mba tsy hotapahina. Ny fisarahan’ny mpivady dia tena mandika sy miala amin’ny rafitra napetrak’Andriamanitra satria Andriamanitra mihitsy no nampiray sy nanakambana. (Marka 10 : 9)

Ny hamafin'ny fo: Ny kileman'olombelona no nahatonga an'i Mosesy namela ny taratasy fisaraham-panambadiana araka ny lalàna, fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra. (Marka 10 : 5). Eto no anambaran’i Jesosy ny tena anton’ilay fanomezan-dalana, tsy hoe izy ankasitrahan’Andriamanitra, fa noho olombelona maditry sy mafy hatoka dia natao ny marimaritra iraisana mba tsy ahatonga ny vehivavy ho latsa-danja rehefa misaraka.

Fanitsakitsaham-bady: Ny famaritan'i Jesosy ny fanambadiana olon-kafa aorian'ny fisaraham-panambadiana.

Inona no azonao tamin’io fampianarana io, misokatra aminao ny Kaomantera, ka asehoy ny hevitra. Ary ambarao ho an’ny namanao izay maniry te hahalala Soratra Masina tahaka anao koa ity tranokalantsika ity. 

0 Reviews