Ny Soratra Masina izay ampiasainay ato amin’ity tranokala ity dia nalaina avy tamin’ny Baiboly Protestanta izay navoaka tamin’ny 1965, koa raha misy Soratra Masina hafa, na Fandikan’ny Baiboly hafa, na hevitra avy tamin’ny Dikan-teny hafa dia tondroinay mazava tsara ny anarany.

✦ Ohatra amin'ny fampiasana azy :

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
— Jaona 3 : 16

“Eny, notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay.”
— Jaona 3 : 16 DIEM

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”
— Jaona 3 : 16 Baiboly Katolika