Andao Haka Baiboly Audio Maimaimpoana e!


Fanambarana:

Ity rakitra Baiboly Audio izay halainao ity dia Baiboly nadika tamin’ny 1965 ary Testamenta Vaovao ihany.

Fomba Fampiasana Azy:

Rehefa azonao ny rakitra Audio ZIP dia mila fitaovana kely (application) antsoina hoe Fichier ZIP Extracteur ianao mba hanesorana ny Audio rehetra ao anatin’ny package mba hisehoan’izy ireo tsirairay amin'ny findainao na solosainao.

Ny Lafitsarany:

  • Afaka mihaino ny tenin’Andriamanitra ianao na aiza na aiza no misy anao, eny fa na dia tsy tafitondra Baiboly taratasy mivantana aza.
  • Mitsitsy fotoana satria mahavita mihaino ny Soratra Masina ianao na dia miasa aza, na ao anaty fiara, am-pisakafoanana, eo ambonin’ny fandriana miala sasatra, ary na manao dia lavitra aza.
  • Afaka henoinao miaraka amin’ny namana, fianakaviana, zanaka, vady am-pilaminana ny tenin’Andriamanitra.
  • Herinandro fotsiny dia efa vitanao ny mihaino ny tenin’Andriamanitra rehetra (Testamenta Vaovao).
  • Manokatra ny sainao hahalala ny Soratra Masina bebe kokoa satria afaka mihaino sy mamerimberina ny Soratra Masina tianao ho tadidina ianao, ary afaka atao tsara ny mihaino azy ho toy ny mozikam-piderana.
  • Tsy mila connexion intsony ny fihainoanao Baiboly Audio rehefa azonao sy voatahiry ao aminao izy.

Fampitandremana Kosa:

  • Mety handany volanao (Forfait Data) ity fanaovana téléchargement Baiboly Audio ity satria mety hahatratra 700Mo ny taille-ny.
  • Mety hampiadana ny findainao noho izy mitazona ny toerana 700Mo ao anatin’ny fitehirizanao (Stockage).

Alaiva maimaimpoana eto amin’io bokotra maitsomaitso ambany io ny Audio. Io bokotra io no hitarika anao any amin’ny tranokala izay namokatra ny feo.

(NB: Tsy manana fifandraisana amin’ny tranokala tompon’io rakitra io izahay, ary ny fidiranao sy ny fanaovanao téléchargement ao dia midika izany fa manaiky ho fehezin’ny lalàna mifehy ny tranokalany ianao.)