IREO LESONA 12 MOMBA NY FINOANA
Moa tsapanao tokoa ve fa efa ampy hanova ny fomba fiatrehanao ny fiainanao andavan’andro ny fanananao finoana matotra an’Andriamanitra?
Eo anivon'ny ady atrehinao amin’ny fiainanao, ny tebitebinao, ary ny hamafin’ny andro izay lalovanao toy ny tsy ahitana mangirana, dia misy zavatra iray izay afaka manohana antsika amin'ny fomba lalina sy mangina: dia ny finoana an'Andriamanitra.
Ny finoana dia tsy momba ny finoana ny fisiany fotsiny; fa momba ny fahatokiana ny fikarakarany na dia tsy azontsika aza ny lalana izay itondrany antsika. Ny finoana dia manome hery hiatrehantsika fiainana rehefa reraka sy kivy isika. Manome antsika sori-dalana ny finoana amin’ny fotoana izay ahatsapantsika fa toa very lalana isika, ary manome antsika fanantenana rehefa hitantsika toa manjombona ny zava-drehetra.
Araka ny fanambarana ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo, dia maro ireo olona tahaka antsika kanefa niaina zavatra miavaka noho ny nisafidiany hitoky amin’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao, dia mbola miasa tahaka ny taloha Andriamanitra ary mbola mamaly vavaka sy manome hery ho an’ny olona izay misafidy ny hitoky sy hiantehitra Aminy.
Amin'ity fampianarana ity dia hatolotray anao ireo lesona 12 momba ny finoana izay afaka hanova ny fomba fisainanao sy ny fomba hiatrehanao ny androm-piainanao.
Lesona voalohany: Ny finoana dia fahatokiana amin’ny zavatra antenaina na dia tsy hita aza
Manomboka amin’ny zavatra izay tsy hitan’ny maso ara-nofo ny finoana. Izany hoe, ny finoana dia tsy miankina amin'ny porofo hita maso fa amin'ny fahatokiana ny fomba sy ny toetran'Andriamanitra. Indraindray dia miatrika zavatra izay toa tsy ahitana valiny avy amin’Andriamanitra ianao, toa mangina Andriamanitra manoloana ny olana na ady izay atrehinao, ary toa mieritreritra ianao fa tena hadinon’Andriamanitra ny vavaka izay nataonao; amin'ireny fotoana ireny indrindra no maha-zava-dehibe ny fitazomana ny finoana.
Ny finoana dia fisafidianana ny hitoetra sy hitoky amin’Andriamanitra na dia toa tsy azo antoka sy tsy misy valiny aza ny zava-drehetra. Ny fitoerana amin’Andriamanitra dia fahatokiana fa mbola miasa Andriamanitra na dia toa tsy mamaly vavaka avy hatrany aza. Tsy hoe manda ny zava-misy izay manjo anao ny finoana fa mahita mihoatra izay iheveranao azy aza.
Lesona faharoa: Ny finoana ihany no hahazoana sitraka amin’Andriamanitra
Ny finoana no fototry ny fifandraisana marina amin'Andriamanitra. Tsy misy fomba hafa izay ahafahana manatona Azy raha tsy amin'ny finoana. Mahafaly Azy ny mahita fon’olona iray izay mitoky Aminy, manaiky ny fiandrianany, ary mino ny fikarakarany. Ny finoana dia mampiharihary ny fiankinan-doha, ny fanetren-tena, ary ny fanolorantena.
Lesona fahatelo: Ny finoana dia manala ireo sakana
Mampianatra i Jesosy fa ny herin'ny finoana dia tsy miankina amin’ny hangezany fa miankina amin’ny fahamarinany. Na dia finoana kely aza, rehefa apetraka amin'Andriamanitra, dia manana fiantraikany lehibe. Matetika ireo ady atrehintsika dia toa lehibe loatra ary toa tsy azo resena, fa ny finoana dia manova izany fahitana izany.
Lesona fahefatra: Ny finoana dia avy amin'ny toriteny
Tsy tongatonga ho azy ny finoana, fa angonina amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Ary omena sakafo toy ny zavatra miaina rehetra izy, dia amin’ny alalan’ny famahanana azy amin’ny tenin’Andriamanitra. Satria, arakaraka ny handrenesanao, hamakianao, ary handinihanao ny Soratra Masina no mahatonga ny fahatokianao ho mafy orina kokoa.
Lesona fahadimy: Ny finoana eo afovoan'ny tafio-drivotra
Ny fanatrehan'i Jesosy dia tsy manakana ny tafio-drivotra tsy hisy, fa fampisehoana ny antony ilana finoana. Izany dia mampiseho fa ny finoana dia tsy manala ireo olana, fa manova ny fomba hiatrehanao azy. Ny tafio-drivotra dia mety ho avy any ivelany, fa ny fiadanana dia avy ao anatiny.
Lesona fahenina: Ny finoana dia mitaky faharetana
Ny finoana dia tsy hoe mino an’Andriamanitra amin’ny fotoana tsara sy ny tsy fisian’ny olana amin’ny fiainana fotsiny, fa ny fisafidianana ny hitoetra sy hijoro manoloana ny fizahan-toetra. Ny finoana voazaha toetra dia mahatonga anao ho matanjaka kokoa (Diniho ny tantaran'i Joba – Vakio Joba toko 1 sy toko 2).
Lesona fahafito: Ny finoana dia miteraka asa
Ny finoana marina dia tsy finoana izay aseho amin’ny vava fotsiny, fa aseho amin’ny fiainana andavanandro. Izany hoe, tsy ampy ny milaza hoe mino aho, fa tsy maintsy aseho amin'ny alalan'ny asa izany. Ny fanapahan-kevitrao, ny teninao, ary ny fitondran-tenanao dia mampita izay tena inoanao (Diniho ny fiantsoana an’i Abrahama mba hiala amin’ny taniny - Genesisy 12).
Lesona fahavalo: Ny finoana dia mitondra fiadanana
Ny finoana dia manana hery hampangina ny fo. Ao anatin'ny tontolo feno ahiahy, ny fahatokiana an'Andriamanitra dia mitondra karazana fiadanana izay tsy miankina amin'ny toe-javatra iainana na avy ety ivelany. Ny finoana dia manova ny tsy fitoniana ho fiadanana ary ny tahotra ho fiarovana.
Lesona fahasivy: Ny finoana dia mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra
Ny finoana dia manokatra lalana mankany amin’ny fifandraisana lalina amin'Andriamanitra. Amin'ny alalan’ny finoana dia afaka manatona amin'ny fahatokiana isika, tsy misy tahotra na fisalasalana. Ny finoana dia manala ireo sakana ao anatiny toy ny fahatsapana heloka sy ny fisalasalana.
Lesona fahafolo: Ny finoana dia mandresy izao tontolo izao
Raha mitady handresy anao ny zavatra rehetra, dia ny finoana no tohana manohana anao mba handresenao. Izao tontolo izao dia manolotra ady aminao, ary ady tsy miato; fa ny herin’ny finoana no mahatonga anao handresy ny ady rehetra atolony anao.
Lesona fahairaika ambin’ny folo: Ny finoana dia mitaky fahatokiana tanteraka
Ny finoana marina dia mitaky fanoloran-tena satria tsy mety ny matoky an’Andriamanitra amin’ny vatana na fiainana tapany, fa mitaky fanolorana ny tena manontolo izany. Rehefa mitsahatra amin'ny fiankinana amin'ny fahalalanao ianao, dia ho maivanana kokoa ny fiainanao satria mamela Azy hitondra ianao.
Lesona faharoa ambin'ny folo: Ny finoana dia manorina antsika raha tsy mitoky amin’izay hitantsika isika
Ny dian’ny kristiana dia tohanan'ny finoana manomboka amin’ny fiandohana ka hatramin'ny farany. Matetika isika no tsy mahita lalana mazava izay tokony haleha, kanefa ny finoana dia mitarika antsika mba hanao dingana sy hanohy ny dia.

Post a Comment