ANJELY NIKOMY SY NY FAMPIANARAN'I JODA

ANJELY NIKOMY SY NY FAMPIANARAN'I JODA

Size

NY FAMPIANARANA

 
Anjely nikomy

FAMAKAFAKANA JODA – ANDININY FAHA ENINA

Joda 6 « Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe. » Jereo koa 2 Petera 2 : 4.

Inona no dikan'ny Joda andininy faha-6 ?

Amin'ity andininy ity, no anambaran’i Joda momba ireo anjely izay nikomy tamin’Andriamanitra; niala tamin’ny fahamboniany sy ny voninahitra izay nomen’ny Tompo azy izy ireo ka nidina tety ambon’ny tany mba hanambady ny zanak’olombelona sy hanana nofo hitovy amin’ny zanak’olombelona. Nikomy tamin'ny fahefan'Andriamanitra izy ireo, ary nanao zavatra izay nifanohitra tamin’ny lalàn’ny lanitra sy ny mandrakizay. Ny anjely mantsy araka ny fanambarana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy mahazo manambady ary tsy manambady mihitsy. (Jereo Marka 12 : 25) Ka noho io fikomiana io, dia voapanga izy ireo fa nandao ny andraikiny nomena azy sy nandao ny lanitra izay fonenany. (Jereo Genesisy 6 : 1, 2) 

Ny mpandinika ny Soratra Masina sasany anefa mihevitra ity voalazan’i Joda ity hoe :
  •  Mety manondro ny fikomiana tany an-danitra izay notarihin'i Satana hanoherana an'Andriamanitra tamin'ny fiandohan'ny tantaran'ny olombelona io fanambarana io. (Isaia 14 : 12 – 16 ; Ezekiela 28:12–19). Satria araka ny fikarohana sy ny lovantsofina tranaina ; nitarika hatramin'ny ampahatelon'ny anjely hiala ny fonenany tany an-danitra i Satana. Toa tsy afa-po tamin'ny toerana nomena azy ireo izy sy ireo anjely namany ireo. Naniry fahefana sy voninahitra izy ireo ka nikomy tamin'Andriamanitra. 
  • Araka ny mpandika sasany, ity andininy ity dia milaza ny ao amin’ny Genesisy 6 : 1, 2 araka izay voalazantsika tao ambony io izay anambaran’ny Soaratra Masina azy ireo "zanak'Andriamanitra" izay niara-nipetraka sy nanambady tamin'ny "zanakavavin'ny olombelona" (Genesisy 6 : 4). Ary vokatry ny firaisany sy ny fiarahany (Anjely sy ny Olombelona) no nisehoan’ny olona ngeza tsy nisy toa azy teto ambonin’ny tany, izay antsoin’ny Soratra Masina hoe Nefilima, izay adika koa hoe miboly Kristiana ny ampahany izay nohazavain’ny mpanoratra, kanefa tsy vosoratra mazava tsara raha tsy efa nodinihina sy nolalinina ilay izy; dia ao amin’ny Genesisy 6 izay voalaza teo ambony teo iny.  

Ao amin’ny voalohandohan’ny bokin’i Enoka no misy ity tantara ity : ka araka ny fanambarana dia nianiana ny anjely sasany izay namboarin’Andriamanitra, mba tsy hisy hivadika satria tokony izy rehetra no tomponandraikitra amin’ny zavatra izay hataony. 

Dia ireto ny anaran’ireo izay tena lehiben’ny mpitarika tamin’izany (miovaova ny fanoratana anarana araka ny tian’ny mpanoratra azy satria tsy teny Malagasy ny fiandohan’ny anarana) dia : Samjaza no lehibeny, Azazela no mpitarika izay nampianatra olombelona ny fomba fanamboarana fitaovam-piadiana sy fiadiana ary ny makiazy, Arakiela nampianatra ny famantarana ny tany, Barakiela nampianatra ny fomba fanandroana sy fanaovana sikidy, Kokabiela nampianatra ny momba ny siansa sy ny kintana ary ny vahindanitra eny ambony, Tamiela nampianatra momba ny astronomia, Ramiela nampianatra ny fifandraisana amin’ny kotroka, Daniela sy Samsiela nampianatra ny famantarana ny masoandro, Tsazakiela nampianatra ny famantarana ny rahona, Gadirela nampianatra fitaovam-piadiana sy fitaka tamin’i Eva sy ny olombelona ary Penemiela nampianatra olombelona hanoratra sy hampiasa ny fahalalana mangidy/mamy. (Jereo eto hitondra anao amin'ny source )

INONA MOA NO TIAN’I JODA HAMBARA AMINTSIKA ?

Andriamanitra dia mametraka fetra ara-moraly sy ara-panahy ho an'ny zavaboary rehetra. Ny fihoarana io fetra sy fepetra io dia miteraka vaka-dratsy lehibe amin’izay mandika azy sy manao tsinotsinona zy. 

Fitsarana Azo Antoka: Raha tsy niaro ireo anjely mahery izay nikomy Andriamanitra ary namatotra azy ireo tao amin’ny gadra mandrapihavin’ny andro fitsarana, dia azo antoka fa hitsara ireo olombelona mpikomy izay mandà ny fanapahany koa Izy.

Fampitandremana: Nanoratra ity taratasy ity i Joda mba hampitandremana ny fiangonana amin'ireo mpampianatra ratsy fanahy izay niaina tamin'ny fitondran-tena maloto. Ity andininy ity dia manaporofo fa tena misy ny fitsaran'Andriamanitra ary tsy azo ihodivirana. Koa araka ny fanambarany, ny olona minia mikomy sy mamadika ny fahasoavan'Andriamanitra dia hiatrika fitsarana azo antoka, mampiasa ny ohatra ara-tantara momba ireo anjely lavo izay efa voafatotra ao amin'ny haizina miandry ny sazy farany ireo izy eto mba hampahazava tsara ny fampitandremany.

Raha mahaliana anao ny fampianarana dia azonao atao mametraka kaomantera manolana ny fampianarana azonao tato.

0 Reviews